‘Antsika ny zavatra ambara’
“An’i Jehovah Andriamanitsika ny zava-miafina; fa antsika sy ny zanatsika mandrakizay kosa ny zavatra ambara.” — DEOTERONOMIA 29:28.
1, 2. a) Nahoana moa ny olona no mila dia mila ny hahafantatra ireo fanambarana nataon’i Jehovah? b) Tokony hanao ahoana moa ny fihetsitsika eo anoloan’ny zavatra avelan’i Jehovah ho fantatsika?
ALAO sary an-tsaina fa hoe ao anatin’ny saha iray nolevenam-banja hamandrihana ny lehilahy iray, kanefa manana sarintany any aminy izy manondro ny lalana tokony harahina mba hahatafavoaka tsy misy fahasahiranana avy amin’izany. Tsy heverinao ve fa handinika amim-pitandremana an’io sarintany io izy ka hanaraka an-tsakany sy an-davany ny filazana rehetra omen’izany. Araka ny hevitrao, raha fantatry ny olona iray fa voan’ny aretina tsy mety sitrana izy, moa ve tsy hahaliana azy mafy ny fahitan-javatra ara-pitsaboana vao haingana rehetra izay mety hitondra fanasitranana ho azy? Mampalahelo fa ao anatin’ireo tarehin-javatra roa ireo isika. Miaina ao anatin’izao tontolo izao feno fandrika mety hiteraka fahafatesana ho antsika isika, ary voan’ny aretina mahafaty sy tsy mety sitrana iray, dia ny tsy fahatanterahana nolovana, isika (I Jaona 2:15-17; Romana 7:20, 24). Andriamanitra irery ihany no afaka manampy antsika hamantatra ireo fandrik’izao tontolo izao sy hanalavitra izany. Tsy misy afa-tsy izy irery ihany no mahalala ny fomba hanasitranana antsika amin’ny tsy fahatanterahantsika. Noho izany antony izany, dia mila ny hahafantatra ireo fanambarana ataon’i Jehovah isika.
2 Noho izany antony izany koa no nanomezan’ny mpanoratra ny bokin’ny Ohabolana nahazo tsindrimandry avy tamin’Andriamanitra izao torohevitra manaraka izao: “Atongilano ny sofinao, ka henoy ny tenin’ny hendry, ary ampitandremo ny fahalalako ny fonao.” (Ohabolana 22:17). Misy hevitra sahala amin’izany hita ao amin’ny Ohabolana 18:15, manao hoe: “Ny fon’ny manan-tsaina mahazo fahalalana; ary ny sofin’ny hendry mitady izany.” Tsy azontsika atao àry ny hinia tsy hahafantatra na dia iray aza amin’ireo zavatra omen’i Jehovah hofantarintsika.
Ireo zava-miafina nambaran’i Jehovah
3. Inona avy moa no fanambarana nataon’i Jehovah tamin’i Adama sy Eva momba ny fikasany?
3 Soa ihany fa nambaran’i Jehovah tamim-pahalalahan-tanana foana ny fahalalana. Nanomboka tamin’ny fotoan’ny famoronana, dia nomeny tsikelikely an’ireo mpanompony ny fanazavana rehetra nilainy tamin’ny toe-javatra samihafa (Ohabolana 11:9; Mpitoriteny 7:12). Tamin’ny voalohany, dia nasehony fa ho eo ambany fahefan’i Adama sy Eva mbamin’ireo taranany ny tany sy ny biby (Genesisy 1:28, 29). Nanosika an’i Adama sy Eva hanota anefa Satana, ary nanjary sarotra ny nanavaka hoe amin’ny fomba ahoana ny fikasan’Andriamanitra no hety ho tanteraka ho voninahitr’Andriamanitra. Nanomboka nanazava ny zavatra haingana anefa Jehovah. Nambarany fa amin’ny fotoana voatendry dia hiseho ny “taranaka” iray izay hanafoana ny asan’i Satana sy ireo mpanohana azy. — Genesisy 3:15.
4, 5. Inona avy moa no fanambarana fanampiny nomen’i Jehovah, ary tamin’ny alalan’iza?
4 Ireo lehilahy sy vehivavy natahotra an’Andriamanitra àry dia voatery nametraka fanontaniana maro momba an’io taranaka io. Ho olona hanao ahoana izy io? Rahoviana no hiseho izy? Soa inona no hoentiny ho an’ny olombelona? Tao anatin’ny taonjato maro Jehovah dia nanome fanambarana fanampiny momba ireo fikasany ary tamin’ny farany dia namaly ireny fanontaniana rehetra ireny izy. Talohan’ny safodrano izy dia nanome tsindrimandry an’i Enoka mba hanambaran’izy io ara-paminaniana ny handringanana ny taranak’i Satana (Joda 14, 15). Tokony ho 2 400 taona talohan’ny nanombohan’ny androntsika, dia nambarany tamin’i Noa fa masina ny ain’olombelona sy ny ra, dia fahamarinana izay hifono heviny tena lehibe rehefa hiseho ilay Taranaka nampanantenaina. — Genesisy 9:1-7.
5 Taorian’ny andron’i Noa Jehovah dia nanambara zava-dehibe tamin’ny alalan’ny patriarka nahatoky hafa. Tamin’ny taonjato faha-20 alohan’ny fanisan-taona iraisana, dia fantatr’i Abrahama fa ho anankiray amin’ireo terany ilay Taranaka nampanantenaina (Genesisy 22:15-18). Taty aoriana io fampanantenana sarobidy io dia nampitaina tamin’Isaka zanany sy Jakoba zafikeliny (izay nantsoina hoe Isiraely taty aoriana) (Genesisy 26:3-5; 28:13). Avy eo, tamin’ny alalan’i Jakoba, dia nambaran’i Jehovah fa io Taranaka io, “Silo”, dia ho filoha mahery ho teraka ao amin’ny taranak’i Joda zanany. — Genesisy 49:8-10.
6. Tamin’ny taonjato faha-16 alohan’ny fanisan-taona iraisana, firenena iza no tonga lalana fampitohizana hanankinan’Andriamanitra “ny zavatra ambara”? Tonòny ny sasany amin’ny zavatra vaovao naharihary tamin’io firenena io.
6 Tamin’ny taonjato faha-16 alohan’ny fanisan-taona iraisana Jehovah dia nanao ny zanak’Isiraely ho firenena. Ho an’iza izao ny fanambarana ny fahamarinana? Nampahafantatra izany an’ilay firenena tanora tamin’izao teny izao i Mosesy: “An’i Jehovah Andriamanitsika ny zava-miafina; fa antsika sy ny zanatsika mandrakizay kosa ny zavatra ambara.” (Deoteronomia 29:28). Taorian’ny nahaterahany tamin’ny 1513 alohan’ny fanisan-taona iraisana, ny firenen’Isiraely dia tonga fiasana “notolorana ny tenin’Andriamanitra ho adidiny”. (Romana 3:2.) Ary habetsahan’izay fanambarana re izany! Nampidirin’Andriamanitra tao anatin’ny faneken’ny Lalàna ny Isiraelita, ka izany dia nanolotra ho azy ireo ny fahafahana ho tonga firenena mpisorona sady mpanjaka (Eksodosy 19:5, 6). Ny Lalàna dia nirakitra fitsipi-pitondrantena izay nanampy azy ireny hamantatra sy hanalavitra ireo fandriky ny ota. Tafiditra tao anatin’izany koa ny fandaharam-panaterana fanatitra nanomana ny hampiasana ny ra masin’ny biby mba hanaovana fanavotana sasany noho ny fahotan’ny Isiraelita.
7, 8. a) Fanazavana amboniny inona no nahariharin’i Jehovah momba ilay Taranaka ho avy? b) Ahoana no niarovana “ny zavatra ambara”, ary iza no nampiharihary ny heviny marina?
7 Rehefa nandeha ny fotoana, dia nanao fanambarana hafa ny amin’ilay Taranaka i Jehovah. Tamin’ny alalan’ilay mpanao salamo, dia nambarany fa holavin’ireo firenena izy io, kanefa handresy noho ny fanampian’Andriamanitra (Salamo 2:1-12). Tamin’ny alalan’Isaia, dia nambarany fa ho fantatra ho “Andrian’ny fiadanana” izy io, nefa hijaly koa noho ny fahotan’ny hafa (Isaia 9:5; Is 53:3-12). Tamin’ny taonjato faha-8 alohan’ny fanisan-taona iraisana, dia nambaran’i Jehovah mihitsy aza ny toerana hahaterahan’ilay Taranaka ary, tamin’ny taonjato faha-6 alohan’ny fanisan-taona iraisana, ny fotoana hanaovany ny fanompoany. — Mika 5:1; Daniela 9:24-27.
8 Farany, dia nangonina “ny zavatra ambara” mba hahaforona ireo boky 39 ao amin’ny Soratra hebreo. Tamin’ny toe-javatra maro anefa, dia vao dingana voalohany fotsiny izany. Matetika izany no maizina, na dia ho an’ireo olona nampiasain’Andriamanitra mba hanoratra izany aza (Daniela 12:4, 8; I Petera 1:10-12). Rehefa nohazavaina anefa izany tamin’ny farany, dia tsy noho ny mpilaza hevi-teny olombelona akory. Araka ny nanazavana izany nifandray tamin’ny nofy ara-paminaniana, dia ‘avy amin’Andriamanitra ny filazana ny hevitry ny nofy’. — Genesisy 40:8.
Fiasana fampitohizana vaovao
9. Nahoana moa ny Isiraely araka ny nofo no namoy ny tombontsoa ho fiasana fampitohizana nanankinana “ny zavatra ambara”, ary oviana izany no nitranga?
9 Nandritra ny niainan’i Jesosy Kristy teto an-tany, dia ny Isiraely foana no fiasana fampitohizana nampiasain’Andriamanitra. Izay rehetra naniry hanompo an’i Jehovah dia tokony hanao izany amin’ny fiarahana amin’ny firenena voafidiny (Jaona 4:22). Nasehon’i Mosesy anefa fa ny tombontsoa ho mpitondra ireo “zavatra ambara” dia narahin’ny andraikitra. Izao no nambarany: “Antsika sy ny zanatsika mandrakizay [amin’ny fotoana tsy voafetra, MN] kosa ny zavatra ambara, hankatoavantsika ny teny rehetra amin’ity lalàna ity.” De 29:29 Izany “fotoana tsy voafetra” izany dia nifarana tamin’ny taona 33 amin’ny fanisan-taona iraisana. Nahoana? Satria amin’ny naha-firenena azy, ny Jiosy dia tsy nanefa ny adidiny ‘hankatò ny teny rehetra amin’ilay lalàna’. Nolavin’izy ireo indrindra ny fandraisana ny Taranaka, dia Jesosy Kristy, na dia “mpitaiza ho amin’i Kristy” aza ny Lalàna, raha ny marina. (Galatiana 3:24.) Noho izany antony izany, dia nifidy fiasana fampitohizana hafa Jehovah mba hizara “ny zavatra ambara”.
10. Iza moa no fiasana fampitohizana vaovao nofidina mba hizarana ireo fanambaran’i Jehovah?
10 Inona moa io fiasana fampitohizana vaovao io? Nampahafantarin’ny apostoly Paoly izy io rehefa nanoratra ho an’ny Efesiana izy fa ‘nampahafantarina ny mahamaro samy hafa ny fahendren’Andriamanitra amin’ny fitondrany ny [amin’ny alalan’ny, MN] fiangonana [kongregasiona, MN], araka ny fikasana hatrizay hatrizay izay nataony tao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika’. (Efesiana 3:10, 11.) Araka izany, dia ny kongregasiona kristiana, teraka tamin’ny Pentekosta taona 33, no nanankinana ireo “zavatra ambara” vaovao. Tamin’ny naha-antokon’olona azy, ireo kristiana voahosotry ny fanahy dia nahaforona “ny mpanompo mahatoky sy manan-tsaina”, notendrena mba hizara ny sakafo ara-panahy amin’ny fotoana mety (Matio 24:45). Hatramin’izao ny kristiana dia “mpitandrina ny zava-miafina [masina, MN] izay an’Andriamanitra”. — I Korintiana 4:1.
11, 12. Tonòny ny sasany amin’ireo fanambarana mahatalanjona natao tamin’ny alalan’io fiasana fampitohizana vaovao io.
11 Ny fototra iankinan’izany “zava-miafina masina” vaovao izany dia ny fahamarinana ilazana fa niseho Jesosy Kristy, ilay Taranaka nampanantenaina (Galatiana 3:16). Izy io dia ny “Silo”, ilay nanana zo hitondra ny olombelona, ary Jehovah dia nanendry azy ho Mpanjaka ao amin’ilay Fanjakana izay hanorina ny Paradisa eto an-tany amin’ny farany (Isaia 11:1-9; Lioka 1:31-33). Mpisoronabe voatendrin’i Jehovah koa Jesosy. Nanome ny ainy madio sy tanteraka ho avotra ho an’ny olombelona izy, ka izany dia fampiharana mahatalanjona ilay fotopoto-pitsipika ilazana fa masina ny ra (Hebreo 7:26; 9:26). Noho izany, hatreo ny olombelona mino dia afaka namelona fanantenana ny hahita indray ny fiainan’olombelona tanteraka verin’i Adama. — I Jaona 2:1, 2.
12 Mpanalalana koa Jesosy Kristy, ilay Taranaka nampanantenaina. Nataony izay hampanan-kery teo amin’ireo mpianany sy ny Rainy any an-danitra, ny fanekena vaovao iray nisolo ny faneken’ny Lalàna taloha (Hebreo 8:10-13; 9:15). Tamin’ny alalan’io fanekena vaovao io, ny kongregasiona kristiana vao niforona dia nisolo toerana ny firenen’Isiraely araka ny nofo. Hatramin’izao ireo mpikambana ao aminy dia nahaforona ny Isiraely ara-panahy ary, miaraka amin’i Jesosy, dia mahaforona ny “taranak’i Abrahama”, dia taranaka ara-panahy; izy ireny koa dia mpitondra ny “zavatra ambara”. (Galatiana 3:29; 6:16; I Petera 2:9.) Afa-tsy izany koa, zavatra tsy hain’ny Jiosy nosaintsainina, ny Jentilisa na tsy Jiosy dia nasaina ho anisan’izany Isiraely ara-panahy vaovao izany (Romana 2:28, 29)! Ny Isiraelita ara-panahy, jiosy sy tsy jiosy, dia samy nanana adidy daholo hanao mpianatra ho an’i Jesosy manerana ny tany manontolo (Matio 28:19, 20). Nitatra naneran-tany àry “ny zavatra ambara”.
13. Ahoana no niarovana ireny “zavatra ambara” vaovao ireny ho an’ireo taranaka ho avy?
13 Rehefa nandeha ny fotoana, ireny ‘zavatra nambara’ tamin’ny alalan’ny kongregasiona kristiana ireny dia notanana an-tsoratra ao amin’ireo boky 27 ao amin’ny Soratra grika kristiana izay nameno ny boky rehetra ao amin’ny Baiboly ara-tsindrimandry. Ireo boky ireo koa anefa dia nirakitra faminaniana maro momba ny fikasan’i Jehovah izay tsy ho azo amin’ny fomba feno raha tsy rehefa afaka taonjato maro atỳ aoriana. Teo indray koa, ireo mpanoratra ny Soratra Masina, raha ny marina, dia niasa ho an’ireo taranaka ho avy.
“Ny zavatra ambara” amin’izao androntsika izao
14. Rehefa lasa ny fotoan’ny fivadiham-pinoana lehibe, amin’ny fotoana toy inona Jehovah no hanome fanazavana vaovao “ny zavatra ambara”?
14 Araka ny naminaniana azy, taorian’ny nahafatesan’ny apostoly, dia nitatra ny fialana tamin’ny marina lehibe teo amin’ireo izay nilaza tena ho kristiana (Matio 13:36-42; Asan’ny apostoly 20:29, 30). Nandritra ny taonjato maro, na dia tsy nahafoy an’ireo izay nitady ny tsy hivadika aminy aza i Jesosy, dia nanjary maizina ny fahatakarana ireo “zavatra ambara” (Matio 28:20). Nampanantena anefa i Jesosy fa tsy hoe haharitra tsy hisy farany akory izany tarehin-javatra izany. Amin’ny fifaranan’ny fandehan-javatra, dia hosarahina hiavaka indray ny ratsy fanahy sy ny marina, ary “ny marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro any amin’ny fanjakan’ny Rainy”. (Matio 13:43.) Araka ny naminanian’i Daniela azy, ‘amin’ny andro farany dia hitombo ny fahalalana marina’. (Daniela 12:4.) Eo indray koa, dia hohazavaina “ny zavatra ambara”.
15. Nahoana moa ireo fivavahana ao amin’ny finoana lazaina fa kristiana no niseho ho tsy mendrika ny ho fiasana hizarana ireo fanazavana farany “ny zavatra ambara”?
15 Nanomboka tamin’ny 1914 isika dia miaina ao anatin’ny fotoan’ny fifaranan’izao fandehan-javatra izao. Zava-dehibe àry ny hahafantarana hoe olona iza avy no mahaforona ny fiasana fampitohizana ampiasain’i Jehovah amin’izao andro izao mba hizarana izany fahazavana ara-panahy vaovao izany. Azo antoka fa tsy mampiasa ireo fivavahana voaorina ao anatin’ny finoana lazaina fa kristiana izy. Nasehon’ireo fa tsy niriny ny hanafa-tena tamin’ireo fampianaran-diso nitombo nandritra ny fotoan’ny fivadiham-pinoana lehibe. Ny ankamaroan’ireo mpitondra azy ankehitriny dia mifikitra aoka izany amin’ny lovantsofiny sy ny zavatra inoany ka tsy mety manokatra ny sainy ho amin’ny fahalalana vaovao; na mety ho azon’ny fiheverana aoka izany izy fa tsy mety ho fantatra ny marina, hany ka misalasala izy na dia ny amin’ny maha-ara-tsindrimandry ny Baiboly sy ny vidin’ireo fitsipika ara-pitondrantena raketiny aza.
16. Tamin’izao androntsika izao, iza no niharihary ho fiasana fampitohizana nampiasain’i Jehovah?
16 Nilaza i Jesosy fa hesorina amin’ny Jiosy ny Fanjakan’Andriamanitra ka “homena izay firenena mahavokatra ny voany”. (Matio 21:43.) Tamin’ny taonjato I, io firenena io dia niharihary ho ny kongregasiona kristiana tanora, ny Isiraely ara-panahy. Amin’izao andro izao, dia antokon’olona iray monja no mamoa vokatra sahala amin’ny an’io kongregasiona voalohany io. Izy io dia voaforon’ny Isiraelita ara-panahy, ireo anisan’ny kilasin’ny “mpanompo mahatoky sy manan-tsaina” resahina ao amin’ny Matio 24:45-47. Sahala amin’ireo tamin’ny taonjato I, ireny kristiana amin’ny andro ankehitriny ireny dia tsy matahotra ny ‘hampahazava ny fahazavany’. (Matio 5:14-16.) Nanomboka tamin’ny 1919 izy ireo dia mikely aina amin-kerim-po amin’ny asa fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakana maneran-tany, ho vavolombelona any amin’ireo firenena (Matio 24:14). Mamoa ny vokatry ny Fanjakan’Andriamanitra izy ireo, koa mitahy azy be dia be Jehovah amin’ny fanampiana azy ireny hahalala ‘ny fahendren’Andriamanitra maro samy hafa’. — Efesiana 3:10.
17, 18. Fahalalana miandalana inona no navelan’i Jehovah ho azon’ireo mpanompony tamin’ny alalan’ny fiasana fampitohizana ampiasainy amin’izao androntsika izao?
17 Araka izany, tamin’ny 1923, ireny kristiana ireny dia nahatakatra marina ny hevitr’ilay faminaniana lehibe nomen’i Jesosy momba ny ondry sy ny osy ary hain’izy ireo ny nanavaka fa teo am-panaovana azy ny fitsarana izao tontolo izao manontolo (Matio 25:31-46). Tamin’ny 1925, ireny mpanompon’Andriamanitra teto an-tany ireny dia nahazo fahalalana tsara ny toko faha-12 amin’ny bokin’ny Apokalypsy ary azony marina izay nitranga tamin’ny taona voamarika 1914. Tamin’ny 1932, dia mbola nohalalininy ihany ny fahatakarany hevi-javatra: nahariharin’i Jehovah tamin’izy ireo fa ireo faminaniana momba ny fiverenan’ny Jiosy tany Jerosalema dia tsy nihatra tamin’ny Isiraely araka ny nofo izay efa niseho ho nivadika hatramin’ny ela ka nolavina, fa tamin’ny Isiraely ara-panahy, dia ny kongregasiona kristiana (Romana 2:28, 29). Avy eo, tamin’ny 1935, ny fahatakarana tsara kokoa ny hevitr’ilay fahitana ny amin’ny “olona betsaka” notantarain’i Jaona tao amin’ny Apokalypsy toko faha-7 dia nanitsy ny fiheveran’ireny kristiana voahosotry ny fanahy ireny ary nanao izay hahatsapany ny asa fanangonana goavana niandry azy ireo. — Apokalypsy 7:9-17.
18 Nampandroso ny asa fitoriana maneran-tany izany fanambarana izany, satria nanomboka nangonina tamim-paharisihana ireo ‘zavatra etỳ an-tany’ (Efesiana 1:10). Tamin’ny 1939, raha mbola niavosa tany Eoropa ny rahona maizina nanambara ady, ny kristiana marina dia nahatakatra tsara kokoa tsy nisy toy izany ny raharaha ny amin’ny fialanalanana. Tamin’ny 1950, dia fantatr’izy ireo mazava kokoa ny amin’ireo “lehibe” resahina ao amin’ny Isaia 32:1, 2. Tamin’ny 1962, ny fahafantarana marina ny atao hoe “fahefana lehibe” sy ny fahatakarana tsara kokoa ny fihetsika tokony harahin’ny kristiana eo anoloan’izy ireny dia nanampy ny “zavatra ambara”. (Romana 13:1, 2.) Tamin’ny 1965, dia takatr’izy ireo mazava kokoa ny atao hoe fananganana ny maty ho eto an-tany ary iza no tsy isalasalana fa hahazo izany. — Jaona 5:28, 29, MN.
19. Amin’izao androntsika izao, ahoana no tena nisehoan’ny kilasin’ny “mpanompo” an’i Jehovah ho mpiaro ny Tenin’Andriamanitra?
19 Etsy andaniny koa, amin’izao taonjato faha-20 izao, ny kongregasionan’ireo kristiana voahosotra dia tena nijoro ho mpiaro ny Tenin’Andriamanitra, dia ny fitambaran’ny “zavatra ambara” tokoa. Nisy mpikambana tao amin’io kongregasiona io nanao fandikan-tenin’ny Baiboly amin’ny teny anglisy ankehitriny, ary, amin’izao andro izao, ny Soratra Masina — Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao dia avoaka amin’ny fiteny 11 ary 40 000 000 no isan’ny natonta. Ny kilasin’ny “mpanompo” voaforon’ny kristiana voahosotra dia mitarika fandaharam-pampianarana amin’ny ambaratonga iraisam-pirenena koa ary mamoaka boky sy gazety mifototra amin’ny Baiboly. Mandamina fivoriana isan-kerinandro izy, fitohitohizam-pivoriambe sy sekoly samihafa, izany rehetra izany dia mba hanampiana ireo olona mangetaheta ny fahamarinana hahazo fahalalana marina ny “zavatra ambara”. Marina tokoa fa amin’izao androntsika izao, ‘ny marina dia mamirapiratra tahaka ny masoandro’ eo amin’ny lafiny ara-panahy, ka amin’izany dia miseho ho mendrika ny hiantsoroka ny andraikiny amin’ny maha-mpitandrin-draharaha. — Matio 13:43.
Ny andraikitsika
20, 21. Inona no fihetseham-po novelomin’ny mpanao salamo teo anoloan’ny Teny voambaran’i Jehovah? b) Inona avy no fanontaniana hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?
20 Tsy nahafoy antsika àry Jehovah eo amin’izao tontolo izao azo ampitahaina amin’ny saha nolevenam-banja hamandrihana. Tsia, nomeny antsika ny Teniny mba hanazava ny lalantsika ary manampy antsika izy hanalavitra ireo loza amin’ny lafiny ara-panahy (Salamo 119:105). Tsy namela antsika ho amin’ny fahafatesana vokatry ny fahotana sy ny tsy fahatanterahana koa Jehovah. Nanao fandaharana kosa izy mba hahafahana hiaina mandrakizay eo amin’ny tany paradisa ary ataony izay hahafahan’izany fahalalana izany ho takatry ny tsirairay avy (Jaona 17:3). Tsy mahagaga amin’izany raha nihiaka toy izao ny amin’ny ‘zavatra nambara’ tamin’ny androny ny mpanao salamo iray: “Endrey ny fitiavako ny lalànao! Fisaintsainako mandrakariva izany.” — Salamo 119:97.
21 Mitovy fihetseham-po amin’izany ve ianao eo anoloan’ireo ‘zavatra ambaran’i Jehovah’ takatra amin’izao androntsika izao? Ekenao ve fa sarobidy tokoa ireo fahamarinana nianaranao? Tsapanao ve fa mila ireny fahamarinana ireny ianao mba hanaovana fanapahan-kevitra, hahatoherana ny fakam-panahy sy hanompoana an’i Jehovah? Fotoana toy inona no tena laninao hamakiana sy hianarana ireny “zavatra ambara” ireny? Ho azonao atao ve ny hanatsara amin’ny fomba iray na amin’ny fomba hafa ny fahazaranao mianatra? Handinika ireo fanontaniana ireo isika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.
Tadidinao ve?
◻ Tamin’ny andro talohan’ny kristianisma, iza indrindra moa no natao fiasana fampitohizana mba hizarana “ny zavatra ambara”?
◻ Nanomboka tamin’ny taona 33, an’iza moa “ny zavatra ambara”?
◻ Tonòny ny sasany amin’ireo fanambarana lehibe natao tamin’ny alalan’io fiasana fampitohizana vaovao io.
◻ Amin’izao androntsika izao, nahoana moa no ara-dalàna raha an’ny Isiraelita ara-panahy “ny zavatra ambara”?
◻ Ahoana moa no nihariharian’ny kongregasionan’ny kristiana voahosotra fa mpiaro ny Tenin’i Jehovah mendrika izy?
[Teny notsongaina, pejy 12]
Tonga mpiaro vaovao ireo fanambaran’i Jehovah ny kongregasionan’ny kristiana voahosotra.
[Teny notsongaina, pejy 13]
Ny kilasin’ny “mpanompo” voaforon’ny Vavolombelon’i Jehovah voahosotry ny fanahy dia nanatontosa tsara ny anjara asany amin’ny maha-mpiaro ny Tenin’Andriamanitra.
[Sary, pejy 10]
Nampiharihary fahalalana iankinan’ny aina tamin’ny alalan’ireo olo-mahatoky fahiny Jehovah.