Aoka isika hanaraka amim-pitandremana fatratra ny baikon’ilay Mpanjaka
“Ny didinao no hosaintsainiko, ary hodinihiko ny lalànao. Ny didinao no hiravoravoako; tsy hohadinoiko ny teninao.” — SALAMO 119:15, 16.
1. Nahoana moa ny zavaboary rehetra, ny zavatra rehetra, no mahazo baiko avy amin’i Jehovah?
NY ZAVABOARY rehetra, ny zavatra rehetra, dia baikoin’i Jehovah, ilay Andriamanitra Tsitoha, ilay Mpanjaka mandrakizay. Jehovah no Mpamorona izao rehetra izao, Loharanon’ny aina rehetra. Nanao ny tany izy ary nanamboatra azy mba hahafahana honina eo. Andriamanitry ny filaminana Jehovah. Amin’ny fanaovana izay hanajana ny didiny, dia hiaro ny filaminana eo amin’ny zavatra noforoniny rehetra izy. — Salamo 36:9; Isaia 45:18; Apokalypsy 15:3.
2. Iza no mitondra ny lanitra feno kintana, ary amin’ny fomba ahoana?
2 Jehovah Andriamanitra no nandidy ny lanitra feno kintana mba hivelatra toy ny lay eo ambonin’ny tany. Nandefa izao fanasana izao ho an’ireo mpanompony izy: “Asandrato ny masonareo, ka mijere; iza no nahary ireny? Izy no mamoaka ny antokony araka ny isany sy miantso azy rehetra amin’ny anarany avy.” Jehovah koa no nametraka izao fanontaniana izao tamin’i Joba: “Fantatrao va ny lalàn’ny lanitra? Ary manendry ny fanapahan’ireny ny tany va hianao?”. Mbola Jehovah koa no nametra ireo lalàn’ny hery mahatonga fifanintonana eo amin’ny zavatra rehetra sy ny fihetsiketsehan-javatra, izay mampifamatotra vahindanitra an-tapitrisany maro voaforon’ny kintana an-davitrisany maro sy mitondra ireo fihetsehana ataon’ny Tany rehefa mifindra ao amin’ny habakabaka izy. — Isaia 40:26; Joba 38:33.
3. Noho ny baiko inona moa no mahavelona ny biby, ary inona no hitranga raha mandika izany izy ireo?
3 Jehovah no Ilay mampitsiry ny zavamaniry mandrakotra ny tany. Noho ny baikony no itsimohan’ny voa sy itomboany ary iterahany. Karazam-biby velona tsy tambo isaina no misy eto an-tany — hatrany amin’ny faritra misy ireo pôly ka hatreo amin’ny ala tropikaly, hatrany amin’ny sosony avo amin’ny rivotra ka hatrany amin’ny lalina amin’ny tany, eny amin’ny fanambonin’ny ranomasina ka hatrany amin’ny lalina indrindra amin’ny ranomasina manjombona. Mba haharetana, ny tsirairay avy amin’ny karazam-biby tsy tambo isaina dia tokony hiaina araka ny nandidian’i Jehovah azy. Tamin’ny alalan’ny fahaizana tsy nianarana, ny Mpamorona dia nandahatra ao aminy ny baikony mba hiantohana ny fahaveloman’izy ireny hatrany. “Hendry sady mahay [mahay tsy mianatra, MN]” izy. (Ohabolana 30:24). Inona no hitranga raha toa ny “fauvette” bitika misoratra mitsoriadriaka any Alaska ka niteny anakampo hoe: ‘Tsy hanidina an’arivony kilaometatra maromaro mba hankanesana any Amerika Atsimo aho! Nahoana no hanao izany?’ Ho faty ao amin’ny tafiotran’orampanala amin’ny ririnina izy. Tsy hilaza anakampo izany mihitsy anefa izy. Voalahatra mba hifindra toerana izy mba hahavelomany hatrany. Toy izany koa ny amin’ny biby rehetra. Manaraka avy hatrany ny baiko nosoratan’i Jehovah Mpamorona azy ao aminy izy ireo. Tsy afaka misafidy izy ireo.
4. Fisafidianana inona no atolotra ny olombelona, ary miafara amin’ny inona izany?
4 Tsy mba toy izany ny amin’ny olombelona. Noforonina araka ny endrik’Andriamanitra isika ary manana safidy malalaka kosa. Kanefa, na dia tsy nandahatra antsika mba hanaovantsika zavatra amim-pahendrena noho ny fanosehan’ny fahaizana tsy nianarana fotsiny aza Jehovah, dia tsy namela antsika ho ao anatin’ny tsy fahalalana izy akory. Amin’ny alalan’ny teniny, ny Baiboly, dia ampitainy amintsika ny baikony mba hahazoantsika ny fiainana. Raha manaraka amim-pitandremana fatratra ireny baikon’ny Mpanjaka ireny isika, dia ho velona. Raha manararaotra ny fahafahantsika kosa anefa isika mba hiniavana tsy hahalala izany sy hidirana ao amin’ny lalan’ny tsy fiankinana, dia ho faty isika. Tokony handahatra ny tenantsika àry isika mba hiantohana ny hahatafita velona antsika. Tsotra toy izany fotsiny. “Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny teninao”, hoy ny nambaran’ny mpanao salamo iray. Marina fa indraindray ny ‘lalana hafa iray dia toa mahitsy eo anoloan’ny olona iray, nefa amin’ny farany izany dia lalan’ny fahafatesana’. (Salamo 119:105; Ohabolana 14:12, Segond.) Amin’izao andro farany izao, dia tena tokony horaisintsika ho antsika ny teny ao amin’ny Salamo 119:15, 16, dia teny natao ho an’i Jehovah toy izao: “Ny didinao no hosaintsainiko, ary hodinihiko ny làlanao, ny didinao no hiravoravoako; tsy hohadinoiko ny teninao.”
Jehovah dia Mpandamina ny olony
5. Tamin’ny heviny ahoana moa Jehovah no Mpitsara, Mpanao lalàna sy Mpanjakan’ny firenen’Isiraely?
5 Teo an-tendrombohitra Sinay Jehovah dia nampita baiko tamin’i Mosesy mba hitarihana ny firenen’Isiraely. Ireo dia nahafaoka ny Didy Folo, dia ireny lalàna niavaka ireny izay nosoratan’ny rantsan-tanan’Andriamanitra teo amin’ny vato fisaka (Eksodosy 20:1-17; 31:18). Jehovah dia tsy vitan’ny hoe Mpanao lalàna ho an’ny Isiraely, fa mpitsara an’io firenena io koa tamin’ny alalan’i Mosesy mbamin’ny loholona hafa. Nanarin’i Mosesy ireo loholona ireo mba hitadidy izao toromarika izao: “Aza mizaha tavan’olona amin’ny fitsarana, fa henoy ny kely toy ny lehibe; aza matahotra olona akory, fa an’Andriamanitra ny fitsarana.” (Deoteronomia 1:17). Mpanjakan’ny Isiraely koa Jehovah. Nandamina an’izany vahoaka nisy olona an-tapitrisany maromaro izany izy mba hiantohana ny hampandeha tsara ny raharahany. Nahatsapa izany rehetra izany ny anankiray tamin’ireo mpaminaniny ka hanambara toy izao taty aoriana: “Jehovah no Mpitsara antsika; Jehovah no Mpanome lalàna antsika; Jehovah no Mpanjakantsika.” — Isaia 33:22.
6. Ahoana moa no nihariharian’i Jehovah ho Mpandamina sy Mpitari-dalana ny Isiraely tany an’efitra?
6 Voalamina ho foko, fianakaviana sy tokantrano ny firenen’Isiraely. Rehefa nifindra tany an’efitra ireo foko, ny tsirairay avy taminy dia nanana ny toerany voatendrin’i Jehovah. Rehefa nitoby nanodidina ny tabernakely ny Isiraelita, ny foko tsirairay avy dia tokony hanorim-ponenana eo amin’ny toerana iray voafaritra tsara (Nomery 2:1-34; Josoa 7:14). Notarihin’i Jehovah tamin’ny alalan’ny rahona ny fifindran’izy ireo toerana: “Ary rehefa niakatra niala tamin’ny trano-lay ny rahona, dia niainga ny Zanak’Isiraely, ka teo amin’izay nijanonan’ny rahona no nitobiany. Araka ny didin’i Jehovah no niaingan’ny Zanak’Isiraely, ary araka ny didin’i Jehovah koa no nitobiany.” — Nomery 9:17, 18.
7. Iza moa no nanana zo, zo nampiasainy, hanao fanovana tao amin’ny fandaminan’ny firenen’Isiraely?
7 Rehefa niharihary fa nilaina ny fanovana tamin’ny lafin’ny fandaminana, dia nanao izany Jehovah. Indray andro, dia nitaraina toy izao i Mosesy: “Tsy zakako izaho irery ny mitondra ity firenena rehetra ity, fa mavesatra amiko loatra.” Hoy ny navalin’i Jehovah: “Manangòna fito-polo lahy amin’ny loholon’ny Isiraely ho etỳ amiko, dia izay fantatrao ho loholona amin’ny fireneny sy mpifehy azy (...), ary hiara-mitondra ity firenena ity aminao ireo, fa tsy hianao irery intsony no hitondra azy.” (Nomery 11:14, 16, 17). Tsy nahafoy ny Isiraelita ilay Mpanjaka lehibe mandrakizay, na dia rehefa nangataka mpanjaka olombelona aza ireo taty aoriana. Nanana kopian’ny Lalàna io mpanjaka olombelona io ary nampahafantatra ny fitsaran’i Jehovah ireo mpaminany. Ireo mpanjaka nahatoky dia mpiandraiki-draharaha nampiasain’Andriamanitra foana, satria izy ireny ‘nipetraka teo amin’ny seza fiandrianan’i Jehovah’. — I Tantara 29:23; Deoteronomia 17:18; II Mpanjaka 17:13; Jeremia 7:25.
Ilay ohatra tanteraka tamin’ny fanarahana ny baikon’ny Mpanjaka
8. Tamin’ny fomba ahoana, taiza ary tamin’ny vokany inona no nanambaran’i Jesosy ny hahatongavan’ny Fanjakan’i Jehovah?
8 Rehefa nampiseho ny tenany ho ilay Mesia nampanantenaina i Jesosy, dia nanaraka ny baikon’ny Rainy tany an-danitra tamin-jotom-po fatratra. Teo am-piandohan’ny fanompoany lehibe tany Galilia, dia “nanomboka nitori-teny Jesosy ka nanao hoe: Mibebaha hianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra. Ary Jesosy nandeha eran’i Galilia ka nampianatra tao amin’ny synagogan’ny olona teo sy nitory ny filazantsaran’ny fanjakana ary nahasitrana ny aretina rehetra mbamin’ny rofy rehetra tamin’ny olona. Dia nanaraka Azy ny vahoaka betsaka avy tany Galilia sy Dekapolisy sy Jerosalema sy Jodia ary ny avy tany an-dafin’i Jordana”. (Matio 4:17, 23, 25; Jaona 2:17.) Tsy tao amin’ny synagoga ihany i Jesosy no nitory. Nanambara ny vaovao tsaran’ny Fanjakana izy na taiza na taiza azon’ny olona nihainoana azy: tao amin’ny tempoly, teny amoron-dranomasina, teo am-pidinana amin’ny tendrombohitra, teny an-tsaha, tany amin’ny tanàna sy ny vohitra ary tany an-trano. Nivory nanodidina azy ny vahoaka ka “nihaino Azy tamin’ny hafaliana”. ‘Nazoto dia nazoto nihaino Azy’ izy ireo. — Marka 12:37; Lioka 19:48.
9. Inona no nataon’i Jesosy mba hitaran’ny asa fitoriana, ary inona avy no toromarika nomeny an’ireo mpitory?
9 Nasain’i Jesosy nomarihin’ireo apostoliny fa nilaina ny mpiasa betsaka kokoa ho ao amin’ny fijinjana. Koa “ireo roa ambin’ny folo lahy ireo dia nirahin’i Jesosy ka nodidiany hoe: Aza mandeha any amin’ny làlan’ny jentilisa, ary aza miakatra amin’izay tanànan’ny Samaritana, fa aleo mankany amin’ny ondry very amin’ny taranak’Isiraely. Ary raha mandeha hianareo, dia mitoria hoe: Efa mby akaiky ny fanjakan’ny lanitra. Ary izay tanàna na vohitra hiakaranareo, dia fantaro tsara izay miendrika ao; ka mitoera ao aminy mandra-pialanareo. Ary raha vao miditra ao amin’ny trano hianareo, dia miarahabà ny ao. Koa raha miendrika ny ao an-trano, dia aoka ho ao aminy ny fiadanana tononinareo; fa raha tsy miendrika izy, dia aoka hiverina aminareo ny fiadanana voatononareo.” (Matio 10:5-7, 11-13). Taty aoriana dia nirahin’i Jesosy ny mpitory 70 hafa izay nomeny toromarika sahala amin’izany. Nanaraka tamim-pitandremana fatratra ny baikony izy ireo, hany ka nahitam-pahombiazana ny asan’izy ireo ary nitondra fifaliana lehibe ho azy. — Lioka 10:1, 17.
10. a) Taorian’ny nananganana azy tamin’ny maty, asa hafa inona moa no nanirahan’i Jesosy an’ireo mpianany, ary inona no vokany azon’izy ireo? b) Nahoana moa no nilaina ny hanaovana fanendrena sasany, ary fepetra notakina inona avy no tsy maintsy nofenoin’ireo lehilahy voakasika tamin’izany?
10 Taorian’ny nahafatesany sy nananganana azy tamin’ny maty, dia nanitatra ny faritany nankininy tamin’ireo mpianany i Jesosy rehefa nilaza tamin’izy ireo hoe: “Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.” (Matio 28:18-20). Talohan’ny hiakarany ho any an-danitra indrindra, dia nanome azy ireo izao baiko sahala amin’izany izao izy: “Hianareo (...) ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany.” (Asan’ny apostoly 1:8). Nampiely ny hafatra momba ilay Fanjakana ireo mpianany, ary olona an’arivony maro no niaraka tamin’izy ireo (Asan’ny apostoly 2:41; 4:4; 5:14; 6:7). Nisy kongregasiona teraka saika hatraiza hatraiza. Notendrena ny mpiandraikitra sy ny mpikarakara momba ny asa izay nahafeno fepetra hentitra takin’ny Soratra Masina, mba hiandry ireny ‘andian’ondry’ voaforon’ny lehilahy sy vehivavy ireny. Niroborobo sy nitombo ireo kongregasiona. — I Timoty 3:2-10, 12, 13; Titosy 1:5-9.
11. Karazam-pandaminana inona moa no ananan’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao androntsika izao, ary nahoana no zava-dehibe tokoa ny hampisy vokany izany amin’izao andro izao?
11 Amin’izao androntsika izao, dia zava-dehibe indrindra ny hanarahan’ireo kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny ohatra navelan’i Jesosy Kristy ho antsika raha ny amin’ny fitoriana. Mba hanaovana izany amin’ny fomba mandaitra, dia arahiny ny fandaharam-pandaminana natsangana tamin’ny andron’ny apostoly. Amin’ny andro farany isika izao, amin’ny fotoana tokony hanaovana asa fitoriana maneran-tany, araka izao faminanian’i Jesosy izao: “Hotorina amin’ny tany onenana manontolo ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra; dia vao ho tonga ny farany.” (Matio 24:14, MN). Teo am-pahavitan’ny Ady Lehibe Voalohany, dia an’arivony vitsivitsy ny mpitory izay nanomboka nitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakana; ankehitriny izy ireo dia nihoatra ny tanjona telo tapitrisa! Ilaina maika dia maika ankehitriny ny hanarahana amim-pitandremana fatratra ny baikon’ilay Mpanjaka lehibe mandrakizay, dia Jehovah Andriamanitra, sy ilay Mpanjakan’ny mpanjaka, dia Jesosy Kristy.
Mila ny fanajanao sy ny fiaraha-miasanao ireo loholona
12. Inona moa no takina amin’ireo loholona amin’izao androntsika izao, ary raha manao ahoana ny asan’izy ireny no mety hitondra fifaliana ho azy?
12 Ireo loholona ao amin’ny kongregasiona dia manana anjara asa lehibe tokony hatao raha ny amin’ny fanarahana ny baikon’ny Mpanjaka. Tokony ho ohatra izy ireo: “Andraso ny ondrin’Andriamanitra izay eo aminareo, mitandrina azy tsy an-tery, fa amin’ny sitrapo [araka an’Andriamanitra]; tsy amin’ny fitiavana harena maloto, fa amin’ny zotom-panahy; tsy ho mpanjakazaka amin’ny anjara-fiandrasana, fa ho fianaran’ny ondry.” (I Petera 5:1-3). An’Andriamanitra ny andian’ondry tandreman’ireo loholona. Hampamoahin’Andriamanitra izy ireny. Raha miara-miasa amin’izy ireny ny mpikambana rehetra ao amin’ny kongregasiona ka mankatò azy, ny asany dia mety hitondra fifaliana betsaka ho azy ireny. “Manekè ny mpitondra anareo, ka manoava azy; fa izy miambina ny fanahinareo araka izay tokony hataon’ny olona mbola hampamoahina, mba hanaovany izany amin’ny fifaliana, fa tsy amin’ny fisentoana; fa tsy hahasoa anareo izany.” — Hebreo 13:17.
13. Nahoana moa ireo loholona no mendrika haja roa heny?
13 Manana zo hohajaina ny mpikambana rehetra ao amin’ny kongregasiona, kanefa marina indrindra izany ny amin’ireo loholona izay miasa mafy. Izao tokoa no vakintsika: “Aoka ny loholona izay mitondra tsara hatao tokony hahazo fanajana roa heny, indrindra fa izay mikely aina amin’ny teny sy ny fampianarana.” (I Timoty 5:17; Romana 12:10). Nahoana moa ireo loholona no mendrika hahazo “fanajana roa heny”? Satria izy ireo manatontosa asa tsara. Natao ho azy ireo izao teny izao: “Nanendry anareo ho mpiandraikitra ny fanahy masina, mba hiandrasanareo ny kongregasionan’Andriamanitra.” (Asan’ny Apostoly 20:28, MN). Miasa mafy izy ireo mba hanampiana anareo, dia ianao sy ireo namanao. Rehefa minia tsy mahafantatra ny baikon’ny Mpanjaka ny sasany na mandika izany, dia tokony hifehy azy ireny ireo loholona, ka tsy mahafinaritra akory izany ary mety hiteraka fahasosorana ho an’ny sasany. Ilain’izy ireo indraindray ny manome torohevitra be dia be ny amin’ny fomba fitafy sy fitondrana tena, dia torohevitra izay tsy raisina tsara foana koa akory. Manao izany rehetra izany anefa izy ireo mba hitondra fahasambarana ho an’ny kongregasiona eo amin’ny ara-panahy. Tokony hanehoana fanajana sy voninahitra àry izy ireny.
14. a) Rehefa heverina amin’izay voalaza ao amin’ny Jakoba 4:12, raha manao ahoana ihany ny fitsaran’ireo loholona no azo ekena? b) Amin’ny toe-javatra manao ahoana moa ny fitsarana no azo halefahina ka ho ambony noho izany ny famindrampo?
14 Indraindray ireo loholona dia tsy maintsy miasa ao amin’ny komity mpitsara sy manonona fitsarana — izay tsy ankasitrahan’ny rehetra foana akory. Ahoana no ifanarahan’ny anjara asan’ny mpitsara ataon’izy ireny amin’ny teny voasoratra ao amin’ny Jakoba 4:12? Izao no lazain’io andininy io: “Iray ihany no Mpanome lalàna sy Mpitsara, dia Ilay mahavonjy sy mahavery; fa iza moa hianao, no mitsara ny namanao?” Marina fa tsy tokony hifampitsara ny isam-batan’olona. Afa-tsy izany koa, ireo loholona dia tsy tokony hitsara araka ny hevitry ny tenany manokana, fa araka ny Tenin’i Jehovah. Mariho ny fampitandremana nataon’i Josafata mpanjaka ho an’ireo mpitsara notendreny: “Tsy ho an’olona no hitsaranareo, fa ho an’i Jehovah (...). Koa aoka ho ao aminareo ny tahotra an’i Jehovah; tandremo ka ataovy izany, fa tsy mba misy heloka amin’i Jehovah Andriamanitsika, na fizahan-tavan’olona, na fandraisana kolikoly.” (II Tantara 19:6, 7). Tokony harovana ny fahadiovan’ny fandaminana. Na dia izany aza, ireo loholona dia tsy tokony hasiaka, na ‘hikapoka’. Azo anehoana famindrampo sy famelana ny mpanota iray rehefa mahatsiaro nenina lalina izy ka mibebaka amim-pahatsorana. Amin’izay, dia ‘ho faly ny famindrampo fa tsy mba hatahotra ny fitsarana’. — I Timoty 3:3; Jakoba 2:13; jereo NW, fan. 1984, fanamarihana ambany pejy.
15. Noho ny asa inona avy moa no mahatonga ireo loholona ho mendrika ny fanajana sy ny fankasitrahan’ireo namany?
15 Matetika àry ny andraikitr’ireo loholona no sarotra sy mitana. Kanefa ireo izay miantsoroka izany amim-pahatokiana sy amim-pitiavana dia mety ho loharanom-pampaherezana ara-panahy sy ho fiarovana. “Hisy lehilahy [ny tsirairay dia, MN] ho fierena amin’ny rivotra sy ho fialofana amin’ny ranonoram-baratra; ho ranovelona ao amin’ny tany karankaina izy, ho alo-batolampy lehibe amin’ny tany mahana.” (Isaia 32:2). Amin’ny fiahiana amim-pahalemem-panahy sy fitiavana ny namany rehetra — fa tsy amin’ny fahamailahana hiampanga azy ireny na hifehy azy mafy — no hitondran’ny loholona iray fifaliana ho azy ireo, hahazoany ny fanajana sy fitiavan’izy ireo mbamin’ny fankasitrahan’i Jehovah.
Aoka isika haharitra amintsika samy isika
16. a) Ahoana no ataon’ny sasany rehefa manao fahadisoana ny olon-kafa, ary inona no mety hahatonga azy ireny tsy ho be fanakianana kokoa sy hahatakatra ny fihevitry ny hafa kokoa? b) Ahoana no fiheveran’i Jehovah ireo mpanompony mahatoky izay manao fahadisoana?
16 Rehefa misy olona maromaro miara-miasa akaiky, dia tsy mahalana no misy zava-manahirana mitranga. Misy fahadisoan-kevitra atao, ary very hevitra aoka izany ny sasany noho izany tarehin-javatra izany. Misy aza mandray ny fahadisoan’ny hafa ho fialan-tsiny mba hanaovana ny fahadisoana lehibe indrindra mety hisy: mitsahatra tsy manompo an’i Jehovah izy ireny! Kanefa, raha mandinika ny fahadisoan’ny tenany amim-pitandremana toy ny ataony amin’ny hafa izy, dia azo inoana fa hiseho ho tsy be fanakianana loatra sy hahay hahatakatra ny fihevitry ny hafa kokoa. Nanao fahadisoana i Mosesy, Davida koa, toy izany koa Petera. Manao fahadisoana daholo isika rehetra. Na dia izany aza, dia mbola nanohy nampiasa ireny olo-nahatoky taloha ireny Jehovah, ary mbola mampiasa antsika ihany izy. Noho izany, dia aoka hoheverintsika izao fampitandremana izao: “Iza moa hianao izay mitsara ny mpanompon’ny hafa? Amin’ny tompony ihany no ijoroany na ahalavoany. Nefa hampitoerina ihany izy; fa mahay mampitoetra azy ny Tompo [Jehovah, MN].” — Romana 14:4.
17. Momba ny fahadisoan-kevitra ataon’ny sasany sy ny fironana hitsara ny hafa, inona koa no tokony hotadidiantsika?
17 Aoka hotadidiantsika koa fa eto an-tany Jehovah dia mampiasa zavaboary tsy tanteraka; izany ihany aloha no ananany amin’izao fotoana izao. Kanefa, raha ny marina, izany dia miteraka fiderana ho an’ny tenany — mahatanteraka zavatra be dia be amin’ny fampiasana zavatra kely dia kely toy izany izy! Mampisongadina ny heriny ny fahalementsika, araka ny asehon’ireto teny ireto: “Ampy ho anao ny fahasoavako; fa ny heriko dia tanterahina amin’ny fahalemena.” (II Korintiana 12:9). Mitatra aoka izany ny asa fanaovana fanambarana maneran-tany. Ny tenan’i Jehovah mihitsy no manome antsika ny antony amin’izao teny izao: “Tsy amin-kery na amim-pahatanjahana, fa amin’ny Fanahiko.” (Zakaria 4:6). Aoka àry isika hamela ny fahadisoana sy ny tsy fahatanterahan’ny hafa mba havela koa ny antsika. Aza hadinoina izao: “Fa raha mamela ny fahadisoan’ny olona hianareo, dia mba hamela ny anareo kosa ny Rainareo Izay any an-danitra.” — Matio 6:14, 15.
Voalamina mba hitory ho fankatoavana ny baikon’ny Mpanjaka
18. Toy ny tamin’ny andron’ireo apostoly, fandaharana inona no mahatonga ho afaka hanome ho an’ireo kongregasiona amin’izao andro izao, fitarihana tokana mba hanatanterahany ny asa fitoriana?
18 Ireo apostoly sy ireo loholona tany Jerosalema dia nahaforona kolejy foibe izay, tamin’ny fanapahan-kevitra nataon’izy ireo, dia nanome fitarihana iray ihany ho an’ireo kongregasiona kristiana tamin’ny taonjato I (Asan’ny apostoly 15:1-31; 16:1-5). Amin’izao androntsika izao, ireo vavolombelon’i Jehovah voahosotry ny fanahy, ny “mpanompo mahatoky sy manan-tsaina”, dia manana Kolejy foibe any amin’ny foibeny lehibe indrindra any Brooklyn, any amin’ny fanjakan’i New York (Matio 24:45-47). Io kolejy io dia mitarika ny asa lehibe dia lehibe fanaovana fanambarana momba ilay Fanjakana, dia asa atao ankehitriny amin’ny tany manontolo mifanaraka amin’ny baiko hanambara ny Fanjakan’i Jehovah (Matio 24:14). Tsy mety ho vita mihitsy io asa io raha tsy misy fandaminana iray. Tsy misy mihitsy ho afaka hanatontosa azy araka ny fomban’ny tenany ihany.
19. Asa inona, goavana loatra ho an’ny olona iray, moa no tontosain’ny Vavolombelon’i Jehovah amim-pahombiazana amin’ny fanarahana amim-pitandremana fatratra ny baikon’ny Mpanjaka?
19 Ny olona iray na ny antokon’olona mahaleo-tena dia tsy hahay hitory amin’ny fiteny maherin’ny 190 sy any amin’ny tany 205, hiara-hianatra tsy tapaka ny Baiboly any amin’ny tokantrano maherin’ny 2 250 000 sy hanao batisa isan-taona eo amin’ny mpitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakana vaovao 190 000. Tsia, nilaina ny hanokanan’ny Vavolombelona maherin’ny telo tapitrisa teo amin’ny eninjato tapitrisa ora tamin’ny fitoriana mba hanatontosana izany asa rehetra izany nandritra ny taona 1985 fotsiny. Matoa izy ireo afaka nahazo vokatra toy izany, dia satria izy ireo voalamina tamin’ny fomba mandaitra ao amin’ny kongregasiona eo amin’ny 50 000, ka izy rehetra dia mipetraka eo ambany fitarihana hita mason’ny Kolejy foibeny tokana. Ny antony koa dia satria io Kolejy foibe io, ireo sampan’ny Fikambanana 94, ireo kongregasiona 50 000 sy ireo Vavolombelona maherin’ny 3 000 000, nanaraka tamim-pitandremana fatratra tao anatin’ny firaisan-tsaina, ny baikon’ny Mpanjaka.
Tadidinao ve?
◻ Ahoana no nandaminan’i Jehovah ny firenen’Isiraely?
◻ Ohatra tanteraka inona no navelan’i Jesosy raha ny amin’ny fanatanterahana ny asa natao hanambarana ny Fanjakan’i Jehovah?
◻ Noho ny asa maro loha inona moa no mahatonga ireo loholona ho mendrika ny fanajantsika?
◻ Nahoana moa ny antokon’olona mahaleotena na ny olona mitokana no tsy ho afaka hanao ny asa fanambarana?
[Sary, pejy 23]
Nasian’ny Mpamorona fandaharana ao amin’ny biby rehetra mba hiantoka ny fahaveloman’izy ireo.
Mba hahavelomany, ny olombelona dia tokony hanao fandaharana ho an’ny tenany amin’ny fianarana ireo baikon’i Jehovah.