Kristiana tsy momba ny atsy na ny aroa eo amin’izao tontolo izao voaloton’ny ra
“Izay mandatsaka ny ran’olona, dia mba halatsak’olona kosa ny rany, satria tahaka ny endrik’Andriamanitra no nanaovany ny olona.” — GENESISY 9:6.
1. Nanomboka tamin’ny 1914, fisehoan-javatra naneran-tany inona no hita ho nitana ny saina?
NANOMBOKA tamin’ny 1914, ny ady dia nampandriaka ra, ny an’ny olona zato tapitrisa na mihoatra. Inona no tehirizin’ny ho avy ho antsika. Ny fandravana tanàna japone roa tamin’ny 1945 izay nahatonga fahafatesan’olona teo amin’ny 200 000, taty aoriana dia niteraka fampianarana vaovao natolotr’ireo firenena mahery indrindra tamin’ny anarana mety hoe Fifandringanana Azo antoka (MAD, “adala”, amin’ny teny anglisy). Tamin’izany no niorenan’ny fifandanjan’ny horohoro, izay miankina amin’ny fanangonana fitaovam-piadiana noklehera afaka mandrava imbetsaka ny tany. Ny sambo mpisitrika dia nitondra ireny fiadiana avy amin’ny Devoly ireny hatrany amin’ny fanambanin’ny ranomasina, ka tsy ela izay ny ady dia mandrahona ny hitatra eny amin’ny habakabaka. Amin’izao andro izao, na dia ny fifandanjan’ny horohoro aza dia voahozongozona eo amin’ny fotony. Misy fomba azo andosirana izany hadalana izany ve?
2. Faminaniana inona no nolazain’i Jesosy ny amin’ny androntsika, nefa tamin’ny fanomezan-toky inona ho an’ny kristiana?
2 Eny, kanefa tsy ho ny sitrapon’ireo firenena izany. Ireo fahasahiranana mianjady aminy dia nolazain’i Jesosy ara-paminaniana tamin’izao teny izao: “Ary hisy famantarana eo amin’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary etỳ ambonin’ny tany dia hisy fahorian’ny firenena amin’ny fahaverezan-kevitra noho ny firohondrohon’ny ranomasina sy ny fanonjany, ka ho reraka ny fon’ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin’ny tany; fa ny herin’ny lanitra dia hohozongozonina.” Namarana ny faminaniany i Jesosy tamin’ny fanomezan-toky ny kristiana fa ireo izay ‘miambina dia ho afa-mandositra izany zavatra ho avy rehetra izany’. — Lioka 21:25, 26, 36.
Aoka isika hitady fihavanana amin’Andriamanitra
3. a) Amin’ny fomba ahoana moa no iasan’ireo firenena ho an’ny tombontsoan’ilay “andriamanitr’izao tontolo izao”? b) Amin’ny fomba ahoana no handaminan’i Jehovah ny raharaha?
3 Ireo firenena, indrindra fa ireo izay manana fiadiana noklehera, dia miditra ao amin’ny fifaninanana hahazo ny fanapahana izao tontolo izao izay tena mety hitarika ho amin’ny fanafoanana azy. Izany dia miasa ho an’ny tombontsoan’ilay “andriamanitr’izao tontolo izao”. Ireo firenena dia “miara-mioko hanohitra an’i Jehovah sy ny Mesiany [Kristy]” izay Mpanjaka any an-danitra ankehitriny. Rehefa hanome baiko azy Jehovah, dia hanorotoro ireny firenena ireny amin’ny tehimby Kristy. Amin’izay no ho tanteraka ny fampanantenana hoe: “Andriamanitry ny fiadanana hanorotoro an’i Satana faingana eo ambanin’ny tongotrareo.” — II Korintiana 4:4; Salamo 2:2, 6-9; Romana 16:20.
4. Ahoana no azontsika itadiavana fihavanana amin’Andriamanitra (I Petera 3:11)?
4 Raha ny amin’izay mahakasika antsika, dia tokony hanana faniriana ny hitady fihavanana amin’ny Andriamanitra toy izany isika. Ahoana no hetezan’izany? Voalohany indrindra, dia amin’ny fahazoana ny hevitr’Andriamanitra momba ny fahamasinan’ny ain’olombelona sy ny ra sarobidy mikoriana ao amintsika.
5. Ohatra inona avy no mampiseho fa mamaly ny ra nalatsaka tsy ara-drariny Jehovah?
5 Jehovah no Mpamorona ny olombelona sy io ra mahatalanjona io izay mitondra ho an’ny tenan’olombelona ny sakafony ka amin’izany dia mitana azy ho velona. Tsy tafiditra velively tao anatin’ny fikasan’Andriamanitra ny handatsahana tsy misy antony ny ran’olombelona. Rehefa avy nahavita ny famonoana olona voalohany i Kaina, dia nanambara Jehovah fa niantso famaliana ny ran’i Abela. Taty aoriana, ny taranak’i Kaina iray, Lameka, dia namono lehilahy iray ary nampiomana tao amin’ny tononkalo iray fa raha misy mamono ny tenany, ny fahafatesany dia hitarika trosan-dra tokony hovaliana. Rehefa nandeha ny fotoana, dia feno faharatsiana sy herisetra izao tontolo izao. Nandefa safodrano Jehovah mba hanafoanana io izao tontolo izaon’ny olombelona voalohany io. Ny fianakavian’i Noa, lehilahy tia filaminana, izay “fialan-tsasatra” no dikan’ny anarany, no tafita velona. — Genesisy 4:8-12, 23, 24; 6:13; 7:1.
6. Inona moa no lalàn’Andriamanitra ny amin’ny ra, ary iza no eo ambanin’izany?
6 Tamin’izay no nampahafantarin’i Jehovah an’i Noa ny fikasany mazava ny amin’ny ra. Toy izao no namaranany ny teniny: “Izay mandatsaka ny ran’olona, dia mba halatsak’olona kosa ny rany, satria tahaka ny endrik’Andriamanitra no nanaovany ny olona.” (Genesisy 9:3-6). Taranak’i Noa daholo ny olona rehetra velona eto an-tany ankehitriny. Noho izany, izay rehetra maniry hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra dia tokony hanaiky an’io lalàn’Andriamanitra momba ny fanajana ny aina io. Aoka hampiantsika koa fa ny anankiray amin’ireo Didy Folo, ny fahenina, dia manambara hoe: “Aza mamono olona.” Izay rehetra nety ho trosan-dra dia nitaky fanonerana. — Eksodosy 20:13; 21:12; Deoteronomia 21:1-9; Hebreo 10:30.
7. a) Nahoana moa no nety ny nanomezan’i Jehovah baiko ny Isiraely hanao ady? b) Tafiditra ao anatin’ny ady inona moa ny kristiana amin’izao andro izao?
7 Koa satria nandrarana tamin’ny fomba hentitra ny fandatsahan-dra, nahoana no navelan’i Jehovah na nodidiany mihitsy aza ny firenen’Isiraely hanao ady? Aoka hotadidiantsika fa izany dia ady masina izay tamin’ny alalany no nampandringanan’i Jehovah, Mpitsara ny tany rehetra, ireo firenena mpivavaka tamin’ny demonia. Ny Kananita, ohatra, dia nonina tsy ara-dalàna tao amin’ny Tany nampanantenaina; ny fitondrantenan’izy ireo maloto sy araka ny demonia dia hampidi-doza ny vahoaka masin’Andriamanitra. Jehovah, tamin’ny alalan’ny ady teokratika, dia nanao izay ‘handoavana’ ireny olona ratsy ireny (Levitikosy 18:1-30; Deoteronomia 7:1-6, 24). Izany no manamarina amin’izao andro izao ny ady ara-panahy ataon’ny kristiana. — II Korintiana 10:3-5; Efesiana 6:11-18.
8. Inona moa no mampiseho fa tsy ankasitrahan’Andriamanitra ny fandatsahan-dra tsy manan-tsiny?
8 Tsy nankasitrahan’i Jehovah anefa ny fandatsahan-dra tsy voamarina. Araka izany, dia izao no voasoratra ny amin’ny mpanjakan’ny Joda iray: “Ary na dia ny ra marina aza dia nalatsak’i Manase be dia be mandra-pamenony an’i Jerosalema rehetra.” Na dia nibebaka sy nanetry tena teo anatrehan’i Jehovah aza i Manase taty aoriana, dia nitoetra teo aminy sy ny taranany ny trosan-dra noho ny fahadisoany. Tamin’ny fomba tsy nilefitra, ny zafikelin’i Manase, Josia mpanjaka, lehilahy natahotra an’Andriamanitra, dia nanadio ny tany sy nanangana indray ny fanompoam-pivavahana marina. Tsy nahaisotra ny trosan-dra anefa izy. Tamin’ny andro nanjakan’i Joiakima, zanak’i Josia, Jehovah dia naniraka an’i Nebokadnezara hamely an’i Joda mba hampiharana ny fanamelohany an’io firenena io. “Dia araka ny tenin’i Jehovah ihany no nahatongavan’izany tamin’ny Joda, hanesorany azy tsy ho eo imasony noho ny fahotan’i Manase tahaka izay rehetra nataony sy noho ny ra marina izay nalatsany koa; fa nofenoiny ra marina Jerosalema; koa izany no tsy netezan’i Jehovah hamela ny helony.” — II Mpanjaka 21:16; 24:1-4; II Tantara 33:10-13.
Ny fitsipi-pitondrantena ho an’ny kristiana
9. Ny amin’ny fandatsahan-dra, inona moa no fitsipi-pitondrantena noferan’i Jesosy ho an’ny kristiana?
9 Ara-dalàna ny hiheverana fa Jesosy, ilay Mpanorina ny kristianisma, dia nilazalaza ny fitsipi-pitondrantenan’ny kristiana ny amin’io raharaha momba ny fandatsahan-dra io. Nanao izany ve izy? Taoriana kelin’ny nanorenana ny Fahatsiarovana ny nahafatesany, dia nataon’i Jesosy izay hananan’ireo mpianany sabatra roa tany aminy. Inona no antony? Nirin’i Jesosy ny hanorina fotopoto-pitsipika lehibe indrindra ka tsy maintsy hotandreman’ny kristiana rehetra. Rehefa tonga hisambotra an’i Jesosy tao Getsemane ireo miaramila, dia nanainga ny sabany i Petera nirehitra ka nikapa ny sofina ankavanan’i Malko, mpanompon’ny mpisoronabe. Moa ve tsy asa mendrika ny fiadiana toy izany ho an’ny Zanak’Andriamanitra? Tsy izany no noheverin’i Jesosy. Nositraniny ny sofin’ilay mpanompo ary nampahatsiaroviny an’i Petera fa azon’ny Rainy natao ny naniraka anjely roa ambin’ny folo legiona hamonjy azy. Tamin’izay Jesosy no nanonona izao fotopoto-pitsipika tena lehibe izao: “Izay rehetra mandray sabatra no hovonoina amin’ny sabatra.” — Matio 26:51-53; Lioka 22:36, 38, 49-51: Jaona 18:10, 11.
10. a) Fotopoto-pitsipika tena lehibe inona no aorina ao amin’ny Jaona 17:14, 16 sy 18:36? b) Inona no fitondrantena nitondra famonjena ho an’ny kristiana tamin’ny taonjato voalohany?
10 Ireo kristiana tamin’ny taonjato voalohany, dia tokony hahatsiaro, taty aoriana, ny vavaka mafana nataon’i Jesosy tamin’i Jehovah, izay nilazany toy izao ny amin’ireo mpianany: “Tsy naman’izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy naman’izao tontolo izao.” Toy izany koa fa hotsaroany ny valintenin’i Jesosy izay nanazavany toy izao tamin’i Pontio Pilato: “Ny fanjakako tsy avy amin’izao tontolo izao; fa raha mba avy amin’izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny mpanompoko, mba tsy ho voatolotra tamin’ny Jiosy Aho; nefa ankehitriny tsy avy amin’izany ny fanjakako.” (Jaona 17:14, 16; 18:36). Tamin’izany fotoana izany, ireo antoko jiosy dia niady am-bava, nefa koa tao amin’ny ra. Ireo mpianatr’i Jesosy kosa anefa dia tsy nitsabaka tamin’izany fikorontanana fikomiana izany. Niandry tao Jerosalema izy ireo efa ho 30 taona teo ho eo. Avy eo, dia narahiny ny famantarana ara-paminaniana nandidian’i Jesosy azy ireo mba “handositra ho any an-tendrombohitra”. Niantoka ny famonjena azy ireo ny fialanalanany sy ny fandosirany. — Matio 24:15, 16.
11, 12. a) Inona moa no fanapahan-kevitra tsy maintsy nataon’i Kornelio sy Sergio Paolo rehefa tonga mpino izy ireo? b) Inona no fanampiana azony mba hanaovana fanapahan-kevitra tsara? d) Inona no tokony hotsoahintsika avy amin’izany amin’izao andro izao?
11 Mety hisy hanontany tena hoe: ‘Inona no holazaina ny amin’i Kornelio kapiteny? Ary ny amin’i Sergio Paolo izay governora tany Kyprosy ka noho izany dia notohanan’ny tafika? Moa ve izy ireo tsy nikambana tamin’ny asan’ny tafika?’ Eny, tamin’ny fotoana nanekeny ny hafatra notorin’ny kristiana. Tsy ahariharin’ny Soratra Masina izay nataon’i Kornelio sy ny nitovy toerana taminy taorian’ny niovan’izy ireo. Tsy isalasalana mihitsy fa Sergio Paolo, lehilahy nanan-tsaina izay ‘talanjona tamin’ny fampianaran’i Jehovah’, dia nandinika haingana ny toerany tamin’ny fahazavan’ny finoany vaovao ka nanao ny fanapahan-kevitra nilaina. Azo inoana fa nanao toy izany koa i Kornelio (Asan’ny apostoly 10:1, 2, 44-48; 13:7, 12). Tsy misy mihitsy fitantarana manamarina fa nanoro azy ireny ny fitondrantena tokony harahina ny mpianatra. Ny fianarany ny Tenin’Andriamanitra dia tokony hanazava azy ireny ny amin’izay tokony hataony. — Isaia 2:2-4; Mika 4:3.
12 Toy izany koa amin’izao andro izao, ny kristiana dia tsy mandidy olona mihitsy ny amin’ny toerana tokony harahina amin’ny raharaha momba ny fialanalanana kristiana. Ny tsirairay avy dia tokony hanao ny fanapahan-keviny amim-pieritreretana, araka ny fahalalany ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly. — Galatiana 6:4, 5.
Amin’izao androntsika izao
13. Nanao ahoana ny nanalaviran’ny Mpianatra ny Baiboly ny trosan-dra nandritra ny Ady Lehibe voalohany?
13 Tamin’ny 1914, dia nameno ny sehatr’izao tontolo izao ny ady niraisam-pirenena. Ny fananan’ireo firenena rehetra, anisan’izany ny heriny hiasa, dia natokana ho amin’ny ady. Mpianatra ny Baiboly maro — anarana nahafantarana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany, no nanao fiezahana mendri-piderana mba tsy hivesarana trosan-dra. Araka ny nanambaran’i Jesosy azy, dia nenjehina tamin-kalozana izy ireny. — Jaona 15:17-20.
14, 15. a) Inona no fitarihana nomen’i Jehovah nandritra ny Ady Lehibe Faharoa? b) Inona moa no toerana hentitra dia hentitra narahin’ny Vavolombelon’i Jehovah? Inona no nampifanohitra ny fitondrantenan’izy ireo tamin’ny an’ny mpikambana ao amin’ireo fivavahana hafa?
14 Rehefa nipoaka ny ady lehibe vaovao tamin’ny 1939, dia nasehon’i Jehovah mazava tamin’ireo mpanompony ny fitondrantena tokony harahin’izy ireo. Tsy ampy roa volana taorian’ny fanambarana ady, Ny Tilikambo Fiambenana amin’ny teny anglisy tamin’ny 1 novambra 1939 dia nanolotra lahatsoratra fianarana Baiboly nitondra ny lohateny hoe “Fialanalanana”. Izany dia nifarana tamin’izao fehezanteny izao: “Izay rehetra miandany amin’ny Tompo dia tsy homba ny atsy na ny aroa eo anoloan’ireo firenena miady, ka hanohana tanteraka an’ilay TEOKRATY lehibe sy ny Mpanjakany izy ireo.”
15 Inona no naterak’izany? Ireo Vavolombelon’i Jehovah izay mihevitra fa anisan’ny fianakaviana iraisam-pirenena iray, dia nanda tamin’ny toerana rehetra tsy handatsaka ran’olona tsy manan-tsiny, anisan’izany ny an’ireo rahalahiny any amin’ny tany hafa. Raha nifamono ny katolika, ny protestanta, ny bodista sy ny mpikambana amin’ny fivavahana hafa, ny tena mpianatr’i Jesosy dia nanaraka ny didiny vaovao hoe: “Aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa.” — Jaona 13:34.
16. a) Nahoana moa no azo atao ny milaza fa niseho ho olom-pirenena tsara ny Vavolombelon’i Jehovah? b) Ahoana no nataon’ny Vavolombelona mba hanohizana manome ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra, ary indraindray dia inona no vokany?
16 Nanohy nanome an’i Kaisara izay an’i Kaisara ireny kristiana ireny. Tamin’ny naha-olom-pirenena nahatoky, dia nanaja ny lalàn’ilay tany izy ireny (Matio 22:17-21; Romana 13:1-7). Kanefa, — ny zava-dehibe kokoa — dia nomeny an’Andriamanitra izay azy, indrindra fa ny ainy voatokana ho azy sy ho an’ny fanompoam-pivavahany kristiana. Noho izany, rehefa nitaky izay an’Andriamanitra i Kaisara, dia nanao zavatra nifanaraka tamin’ny fotopoto-pitsipika voambara ao amin’ny Asan’ny apostoly 4:19 sy 5:29 izy ireo. Na nasaina nandatsa-dra izy ireny, na nasaina nanao asa ara-tafika tsy niady, asan’ny mpisolo toerana na fiarahabana sary toy ny sainam-pirenena, ireo kristiana nahatoky dia nampiseho tamin’ny toerana notanany fa tsy misy anelanelany. Tamin’ny toe-javatra sasany, izany fanapahan-kevitra izany dia nahatonga azy ireny hovonoina ho faty. — Matio 24:9; Apokalypsy 2:10.
Tsy misy fandikana ny fieritreretana
17. Araka ilay boky voatonona, ahoana moa no nitondran’ny nazia ny Vavolombelon’i Jehovah? b) Teo anoloan’izany fitsapana izany, inona no tsy nitovian’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny hafa?
17 Ny mpanoratra boky iray vao haingana mitondra ny lohateny hoe Ny amin’ireo andriamanitra sy ireo olona (anglisy), dia nanambara fa nandritra ny Reich (Empira alemana) Fahatelo dia ny Vavolombelon’i Jehovah no fandaminana ara-pivavahana niharan’ny “fanoherana mafy indrindra”. Tsy nandika ny fieritreretany ny Vavolombelon’i Jehovah. Tany Alemaina, ireo anisan’ny fivavahana hafa, dia nanaraka ireo mpikarakara ara-pivavahan’ny tafika, ka tamin’izany dia nanampy ara-pivavahana ny Fanjakana alemana ary nandray ny ‘mariky’ ny bibi-dia ara-politika ‘teo amin’ny tànany ankavanana na teo amin’ny handriny’. (Apokalypsy 13:16.) Izy ireo dia nitondra fanohanana mafy tsotra izao ho an’ny tetik’ady ara-politika alemana, ary nampiseho mazava ny toerany tamin’ny fihobiana an’i Hitler sy tamin’ny fitsaohana ny saina nisy ny lakroa “gammée”.
18. a) Fitantarana inona no manamarina fa “ ‘nialanalana’ ara-politika” ny Vavolombelon’i Jehovah? b) Amin’ny ahoana izany filazana ara-tantara izany no tokony hisy heriny eo amintsika amin’izao andro izao?
18 Inona no toerana notanan’ireo kristiana marina tao amin’io tany io? Manambara toy izao ilay boky voatonona eo ambony: “Ny Vavolombelon’i Jehovah no hany nahatohitra ny fitondrana. Tamim-pirehetana mafy no nanaovan’izy ireo izany, hany ka ny antsasany tamin’izy ireo dia nampidirina an-tranomaizina ary ny ampahefany novonoina ho faty. (...) Mifanohitra [amin’ireo fivavahana hafa], izy ireo dia tsy naman’izao tontolo izao amin’ny heviny hoe tsy mitady ny fankasitrahana na ny valisoan’izao tontolo izao fatra-pitia ny zavatra ara-nofo izy ary tsy mihevi-tena ho anisany. Noho izy ireo efa anisan’ny izao tontolo izao hafa iray, ny an’Andriamanitra, dia ‘tsy momba ny atsy na ny aroa’ izy ireo amin’ny ara-politika. [(.) Tsy mamoaka hevitra na manaiky ny fandikana ny fieritreretana izy ireo. (...) Ny fanompoana ao amin’ny laharan’ny tafika, ny fandatsaham-bato na ny fitsaohana an’i Hitler dia hilaza fa ambony noho ireo adidy amin’Andriamanitra ny fihamboan’izao tontolo izao.” Ny fitondrantena feno filaminana sy tsy misy herisetra nananan’ny Vavolombelon’i Jehovah dia fantatra na dia tany amin’ireo toby fitanana aza. Ahoana izany? “Ny Vavolombelon’i Jehovah ihany no nomen-dalana hanaratra ireo mpiambin’ny S.S., satria izy ireo ihany no nitokisan’ireo; fantany fa tsy hanapaka ny tendany izy ireo”.
19. Nahoana no azo atao ny milaza fa ny Vavolombelon’i Jehovah dia nanaraka tamin-kerim-po ny ohatra nomen’i Jesosy, ary inona no vokany?
19 Nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, ny Vavolombelon’i Jehovah dia nanome ohatra niavaka ny amin’ny fialanalanana kristiana. Maneran-tany izy ireo dia nanaraka ny ohatra nomen’i Jesosy tamin’ny ‘tsy naha-naman’izao tontolo izao’; araka ny nataon’i Kristy talohan’izy ireo, dia nandresy izao tontolo izao voaloton’ny ra izy ireo. — Jaona 17:16; 16:33; I Jaona 5:4.
Aoka isika hitady fialofana handosirana ny mpamaly ra
20. a) Nahoana moa no ilaina maika dia maika ny handosirana ny fivavahan-diso? b) Aiza no mety hahitana ny hany tena fialofana amin’izao andro izao?
20 Tao anatin’ny taonjato maro, ireo fandaminana ara-pivavahana dia nandray anjara tamin’ny fandatsahana ra tsy nanan-tsiny tamin’ireo kroazady, ady “masina” sy “Inquisition” (Fampijaliana ny tsy nety nanaraka ny fampianarana katolika). Nanao sonia fifanarahana tamin’ny mpitondra tsy refesi-mandidy lian-dra izy ireny. Nekeny ny handefasan’ireny mpitondra tsy refesi-mandidy ireny ny Vavolombelon’i Jehovah ho any an-tranomaizina sy ho any amin’ireo toby fitanana, nahitan’ny maro taminy fahafatesana. Nekeny an-tsitrapo ny hanohana “führers” (mpitondra) izay nitifitra sy nanapa-doha ny Vavolombelona. Ireny fivavahana ireny dia tsy afa-mandositra ny fitsarana marin’i Jehovah, izay hitranga tsy ho ela. Koa ireo izay tia ny rariny dia tokony hivoaka tsy misy hataka andro avy ao amin’ny fivavahan-diso voaloton’ny ra, dia “Babylona lehibe”, ka hitady fialofana ao anatin’ny fandaminan’Andriamanitra. — Apokalypsy 18:2, 4, 21, 24.
21. Tandindon’ny inona moa ny fandaharan’Andriamanitra ny amin’ny tanàna fandosirana?
21 Maro tamintsika, talohan’ny hianarana ny Tenin’Andriamanitra, no na, nandatsaka ran’olona, na anisan’ny fandaminana ara-pivavahana na ara-politika nivesatra trosan-dra. Amin’izany isika dia azo oharina amin’ny mpamono olona tsy nahy teo amin’ny Isiraely. Nisy taǹana enina niavaka azo nandosirana sy nitadiavana fialofana tamin’ny fiandrasana ny fahafatesan’ny mpisoronabe mba hahafaka tamin’izay rehetra nety ho fahamelohana. Amin’izao andro izao, izany dia milaza fanekena ho mandrakizay ireo soa avy amin’ny asa amim-paharisihan’ilay Mpisoronaben’Andriamanitra, dia Jesosy Kristy. Raha tafaray hatrany toy izany amin’ny vahoaka voahosotr’Andriamanitra isika, dia ho afaka ny ho tafita velona rehefa hampihatra ny fanamelohan’Andriamanitra eo amin’ireo izay nivesatra trosan-dra ilay “mpamaly ra” amin’ny androntsika, dia Kristy Jesosy. Ny “olona betsaka” izay mandositra manatona ny fandaminan’Andriamanitra dia tokony hitoetra ao amin’io fialofana io, mandra-pahita fa Kristy, amin’ny maha-Mpisoronabe azy, dia ‘maty’ amin’ny heviny hoe ho nahavita ny asa fanavotany izy. — Nomery 35:6-8, 15, 22-25; I Korintiana 15:22-26; Apokalypsy 7:9, 14.
22. Rehefa heverina amin’ny Isaia 2:4, amin’ny ahoana moa ireo anisan’ny O.N.U. no hafa noho ny firenena masin’Andriamanitra?
22 Eo amin’ny toerana itsanganan’ny tranoben’ny Firenena mikambana any New York, dia ahitana izao soratra manaraka izao, nalaina avy amin’ny Isaia 2:4: “Dia hanefy ny sabany ho fangady ireny, ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely na hianatra ady intsony.” Iza moa amin’izao andro izao no manao zavatra mifanaraka amin’ireo teny ireo? Tsy misy na dia iray aza amin’ireo firenena lazaina fa mikambana. Ilay “firenena” voaforon’ny Vavolombelon’i Jehovah telo tapitrisa mahery izay mikatsaka ny fiadanana ihany no nanaporofo teo imason’ny rehetra fa mety hisy ny fialanalanana kristiana eo amin’izao tontolo izao voaloton’ny ra.
Famerenana
◻ Ahoana no azontsika itadiavana fihavanana amin’Andriamanitra?
◻ Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny fandatsahan-dra tsy ara-drariny?
◻ Inona moa no atao hoe fialanalanana kristiana?
◻ Ohatra mampiseho tsy fivadihana inona moa no ananantsika?
◻ Aiza no mety hahitantsika fialofana ho amin’ny famonjena?
[Efajoro, pejy 21]
Fanambarana finoana, herim-po sy tsy fivadihana
Ilay boky hoe Fihetsiketsehana ara-pivavahana vaovao: ho fahatakarana ny fiheveran’ny fitambaran’olona (anglisy) dia nanome fanamarihana hafa momba ny tsy fivadihan’ny Vavolombelon’i Jehovah teo anoloan’ny fanenjehana nazia:
“Tamin’ny fandavany tsy hanaiky, ireo Vavolombelon’i Jehovah dia nandefa fihaikana ny hevitra jadon’io fitambaran’olona vaovao io, ary izany fihaikana izany, izay nihaniharihary isan’andro, dia hita ho nanakorontana ireo tompo-marika tamin’ny fandaharana vaovao. Arakaraka ny nanenjehana ny Vavolombelona no nisehoan’ny tena fihaikany ara-poto-pisainana. Ny fanenjehana, ny fampijaliana, ny fanaovana an-tranomaizina sy ny fanesoana, fomba efa nampiseho ny vidiny anefa, dia tsy afaka nanova na dia Vavolombelona iray monja aza hanaraka ny hevitry ny nazia; nifotitra tamin’ireo mpamporisika hanao azy kosa izany. Teo anoloan’izany vokany tsy nampoizina izany, dia very hevitra ny nazia.
“Teo amin’ireo andaniny roa nifanohitra, samy milaza ho tsy mivadika amin’ny heviny, dia vao mainka mafy ny ady satria ny nazia, na dia nanana hery ara-batana aza dia tsy natoky tena kokoa tamin’ny lafiny maro, tsy niorina mafy kokoa tamin’ny zavatra ninoany, ary tsy nahazo antoka kokoa fa haharitra arivo taona ny Empirany. Ny Vavolombelona kosa anefa dia tsy nisalasala ny amin’ny niandohany, satria niharihary ny finoany hatramin’ny andron’i Abela. Raha tsy maintsy nisakana ny fanoherana ny nazia ka nampiaiky ireo mpanohana azy, ary matetika no nindrana tamin’ny fivavahana lazaina fa kristiana mitokotoko ny fomba fiteniny sy ny fanamboarany sary, ny Vavolombelona kosa dia nahazo antoka ny amin’ny tsy fivadihana tanteraka sy tsy milefitr’ireo mpikambana ao aminy, ary izany dia hatramin’ny fahafatesana.
Hahafinaritra tokoa ny andro ho nandresen’ny tsy fivadihana kristiana (Romana 8:35-39)! Amin’izay, eo ambany fiandrianan’ilay “Andrian’ny fiadanana”, Jesosy nomem-boninahitra, dia ho tanteraka ilay faminaniana ilazana fa “ny handrosoan’ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana”. — Isaia 9:5, 6.
[Efajoro, pejy 22]
Ohatra mampiseho tsy fivadihana eo amin’ny tanora
Ireto andalan-tsoratra ireto dia nalaina avy amin’ny fitantarana manokan’olona navoaka vao haingana tany Eoropa. Asehony ny fomba nanaporofoan’ny Vavolombelona tanora tamin-kerim-po fa “tsy naman’izao tontolo izao” izy ireny. — Jaona 17:14.
‘12 martsa 1945: Natao ny fitsara-miaramila. Jehovista roa no voampanga. Ny helok’izy ireo: fandavana tsy hanaiky ny raharaha miaramila (araka ny hevitry ny fivavahan’izy ireo). Ilay zandriny taminy izay tsy mbola feno roapolo taona akory, dia voaheloka hotanana 15 taona. Ilay zokiny taminy kosa dia voaheloka ho faty. Nafindra avy hatrany tao amin’ny tanàna niaviany izy mba hovonoina ampahibemaso tao ho ohatra. Izy no fahefatra ambin’ny folo maty teto. Handry amim-piadanana anie izy! Nanohina ny foko mafy io raharaha io. Tsy tokony ho toy izany no hanaovana ny Jehovista! Tsy nataon’izy ireo ohatra io zazalahy io fa maritiora. Salama tsara izy. Mampalahelo izany.
‘Ny tolakandro, dia renay ny antsipirian’ny famonoana ho faty; natao teo an-tsena izany, teo anoloan’ny olona maro be. Netsehin’ny henatra ny anankiray tamin’ireo miaramila anisan’ny mpitandro ny filaminana ka namono tena talohan’ilay famonoana ho faty. Nangataka azy hanampy ny mpamono tokoa ny kolonely iray, ka nolaviny izany. Naleony namarana ny androny. Ilay zazalahy kosa dia maty tamin-kerim-po. Tsy niteny mihitsy izy.’
Amin’ny fananganana ny maty, ho toy inona moa ny fahasambaran’ireo tanora ireo izay nifidy ny hiaritra ny fanindronan’ny fahafatesana toy izay hiala amin’ny toerana ao amin’ny fandehan-javatra vaovao nampanantenain’i Jehovah! — Jereo Hosea 13:14.