Miseho ho ‘be zotom-po amin’ny asa tsara’ ireo Kenyana
“IZAO no nokatsahiko nandritra ny fiainako manontolo”! hoy ny fihiakan’ny lehilahy iray avy amin’ny fianakaviana hindoa rehefa avy nanatrika vao haingana fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah iray tany Kenya, atsy Afrika. “Izany dia zavatra tsy fahita loatra”.
Inona no nanosika azy hilaza toy izany? “Ny fahitana olona samy hafa volon-koditra, fiaviana sy tany — mifangaro an-tsitrapo, ao anatin’ny rivo-piainana feno fifankatiavana misongadina”, hoy ny famaliny. Nefa ahoana tokoa moa no netezan’ny zavatra toy izany eo amin’izao tontolo izao rotidrotehin’ny fisaratsarahana sy ny fanavakavaham-bolon-koditra? Ahoana no hanazavana ny firaisan-tsaina sy fifandrindrana ara-panahy toy izany any Kenya?
Nanokatra ny lalana ireo mpitory maharitra voalohany
Tamin’ny 1931, Frank sy Gray Smith no nandray sambo tany Afrika Atsimo ho any Mombasa, nitondra boky 40 baoritra niaraka taminy. Avy eo, izy ireo dia nanao dia mandreraka sy mety hahitan-doza hatrany Naïrobi, toerana izay nizarany ireo zavatra vita an-tsoratra tany aminy rehetra tao anatin’ny iray volana teo ho eo. Azon’ny tazo izy mirahalahy ireo, aretina nahafaty an’i Frank, nahatoky hatramin’ny farany. Taty aoriana tamin’io taona io ihany, Robert Nisbet sy David Normand koa mba nanao io fandehanana io; izy ireo indray dia nizara izay tao anaty baoritra 200 nisy zavatra vita an-tsoratra tany Afrika atsinanana. Tamin’izany fomba izany àry no namafazana ny voan’ny fahamarinana voalohany tany Kenya.
Avy eo, tamin’ny 1935, Gray Smith sy ny vadiny, niaraka tamin’i Robert Nisbet sy George rahalahiny, dia nanao fandaharana mba hanarahana ny fahalianana hitan’izy ireo. Tamin’io indray, dia azon’ny tefoedra i Robert, ny hafa voan’ny tazo sy tazo mampisy ra amin’ny fivalanan-drano. Tetsy an-daniny, ny fitondram-panjakana mpanjanaka dia nanohitra ny naha-teo azy ireo sy nandidy ny fandroahana azy, izay nanampy trotraka ny fisedrana azy ireo. Kanefa, na dia teo aza ny vato nisakana rehetra, ireo mpitory maharitra be zotom-po voalohany ireo dia nizara zavatra vita an-tsoratra tena maro dia maro, nametraka fototra iray ho amin’ny fitomboana. Ohatra, tokony ho 30 taona taty aoriana, ny Vavolombelona iray nitory tany amin’ny faritra ambanivohitra lavitra amin’ilay tany dia gaga nahita lehilahy iray nanana ny boky Reconciliation; azony avy tamin’ny rahalahiny nahazo azy tamin’ny 1935 izy io. Nandroso io lehilahy io ary Vavolombelon’i Jehovah izy ankehitriny.
Mitohy ny fitomboana
Nilaina ny niandry tamin’ny 1949 mba hahitana Vavolombelona voalohany tonga sy nanorim-ponenana tao Naïrobi, renivohitra. Mary Whittington izany, natao batisa tany Angletera herintaona monja talohan’izay izy. Tsy mbola nieritreritra velively izay rehetra mety hiaretany izy tamin’izay; fitokanan-toerana, fandrika sy fanoherana. Ho setrin’izany anefa, izy dia nanana fifaliana nahita ny ‘kely ho tonga arivo’. (Isaia 60:22.) Ankehitriny, eo amin’ny faha-73 taonany dia mbola mpitory maharitra mandavantaona izy:
Bill sy Muriel Nisbet no misionera voalohany nivoaka avy any Gileada, Sekoly fianarana Baiboly an’ny Watchtower, nirahina ho any Kenya, ka tonga tany tamin’ny 1956. Tamin’izany fotoana izany, dia namely mafy ny fanavakavaham-bolon-koditra, ary ny fitondram-panjakana mpanjanaka dia namoaka lalàna nanakantsakana ny asa fitoriana sy nametra ny hamaroan’ny mpivory ho olona sivy fara fahabetsany. Koa izany no nampihena ny sahan’asan’ny rahalahy Nisbet sy ny vadiny ho amin’ny Eoropeana ihany ary, tampotampoka, tamin’ny Afrikana sasantsasany azony niadian-kevitra. Na dia izany aza, dia niseho ihany ny fitomboana.
Tamin’ny 1962, ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah dia nekena ho ara-dalàna. Taoriana kely, tamin’ny 1963, dia nianjera ny ziogan’ny mpanjanaka, ka nahazo ainga vaovao ny asa kristiana. Azo natao hatramin’izay ny nanonta zavatra vita an-tsoratra tamin’ny fiteny Soaelia, ary nanome lalana ireo loholona tao amin’ireo kongregasiona ny fitondram-panjakana hankalaza ny fanambadiana. Nanomboka hatreo, ny Vavolombelon’i Jehovah dia nanampy mpivady tokony ho 2 000 mba hanoratra ara-dalàna ny fanambadian’izy ireo.
Dia tonga àry ny taona 1972, niavaka tamin’ny fitokanana tany Naïrobi ny trano fiasana tsara tarehy iray sady tsara toerana, dia ny an’ny sampana vaovao. (efa nohalehibeazina io trano io izao). Ampy fitaovana kokoa izao i Kenya mba handamina ny asan’ilay Fanjakana ao amin’ny tany folon’i Afrika atsinanana napetraka eo ambany fiandraiketany sy mba hanome ny zavatra vita an-tsoratra ilaina amin’ny fitenim-paritra samy hafa.
Ohatra mahavariana amin’ny zotom-po
Ireo mpitory ny vaovao tsara any Kenya dia maneho “zotom-po amin’ny asa tsara” sahala amin’izay nomarihina tamin’ny kristiana tamin’ny taonjato I. (Titosy 2:14). Tsy avelany hanakivy azy ireo amin’ny fanampiana ny hafa hahazo ny fahalalana marina ny Baiboly ny fisedrana.
Tamin’ny fotoana iray, ny biraon’ny sampana dia niangavy Vavolombelona iray mba hitsidika lehilahy iray jamba liana ny fahamarinana ary nonina tany amin’ny 26 kilaometatra avy eo aminy. Nanao io dia io tsy tapaka tamin’ny bisikileta ilay rahalahintsika mba hianatra Baiboly miaraka amin’io lehilahy io. Namakivaky vanim-potoana fahatrotrahana lalina sy faharerahan-tsaina izy io; na dia izany aza, dia Vavolombelona koa izy ankehitriny ary manazava amin-jotom-po amin’ny mpiara-belona aminy fa Andriamanitra dia nampanantena ny hanorina indray ny Paradisa izay hampahiratra na dia ny mason’ireo jamba aza. — Isaia 35:5.
Any amin’ny faritra sasany, dia ilaina ny manao fiezahana mafy mba hanatrehana ireo fivoriana kristiana. Ny vehivavy iray 70 taona dia nandeha tsy tapaka 10 kilaometatra eo ho eo mba hahatongavana amin’ny fivoriana isan-kerinandro. Ny lalany dia mitarika azy hiampita eo amin’ny faritra marivo, jokoin’ny voay, ny iray amin’ireo renirano lehibe indrindra ao Kenya. Indraindray dia mahery ny rano ka zara raha tsy zakan’ny rano izy. Nefa heveriny ho mendrika ny fiezahana ny sakafo ara-panahy miandry azy any amin’ny Efitrano Fanjakana. Ohatra miavaka amin’ny zotom-po re izany!
Nahita ohatra tsara dia tsara amin’ny zotom-po sy fankasitrahana koa isika amin’ny Vavolombelona izay nandeha nandritra ny adiny sivy mba hanatrika ny fivoriamben’ny fizaran-tany. Nahoana izy no nanao toy izany, nefa mba nanam-bola handehanana fiarabe ihany? Natosiky ny fitiavana, dia nomeny ny lehilahy niara-nianatra ny Baiboly taminy io vola io, mba hahafahany koa mandray soa amin’ny fandaharana toa azy! Tsy azo lavina mihitsy, fa voamarika any Kenya ny fitiavana sy ny “zotom-po amin’ny asa tsara”, toetra miorina amin’ny fahalalana marina ny Baiboly.
Ny toe-tsaina tia ny asan’ny mpitory maharitra.
Maneho io zotom-po io eo amin’ny asan’ny mpitory maharitra amin’ny fomba miavaka ireo rahalahintsika. Maro no mahita fifaliana amin’io asa io na dia eo aza ny toe-piainana sarotra. Ny faritanin’ny mpitory maharitra mandavantaona tanora iray dia ny faritra akaikin’ny seranana mafana sy mando ao Mombasa. Tokony ho fantatra fa taona vitsivitsy lasa izay, dia voatery notapahina ny tongony roa vokatry ny lozam-piarakodia lehibe iray. Tany amin’ny hôpitaly, dia nikasa hamono tena izy ka niangavy ny mpitsabo mpanampy mba hanindrona hahafaty azy, ka nolavin’izy io izany. Raha vao nivoaka izy, dia nahita ireo Vavolombelon’i Jehovah ary nanomboka nianatra ny Baiboly niaraka tamin’izy ireo. Taorian’ny batisany, no nidirany tao amin’ny fiainam-baovao iray tamin’ny fanaovana ny asa manontolo andro. Feno zotom-po sy fankasitrahana io tovolahy io ankehitriny.
Renim-pianakaviana maro be koa no nanao ny asan’ny mpitory maharitra mandavantaona. Ny iray amin’izy ireny, manan-janaka telo, dia mijaly amin’ny tosi-dra ambony sady bada fiteny. Tokony hiasa manontolo andro izy ary tsy Vavolombelona ny vadiny. Tsy manakana azy tsy ho mpitory maharitra mivelatra izany. Nefa tsy ny vehivavy ihany akory no mandray anjara amin’ny asa manontolo andro; vao haingana, ny rain’ny zaza valo iray izay tokony hiasa andiany dia nandray koa io tombontsoam-panompoana io.
Maro amin’ireo tsy manana fahafahana ny ho tonga mpitory maharitra mandavantaona no maneho toe-tsaina tia ny asan’ny mpitory maharitra. Karohin’izy ireo ny fotoana handraisana anjara amin’ny fanompoana manontolo andro amin’ny maha-mpitory maharitra mpanampy, izany hoe mandany 60 ora isam-bolana amin’ny asa fitoriana.
Tamin’ny aprily 1985, toy ny tamin’ny 1984, dia maherin’ny ampahatelon’ny mpitory any Kenya no nandray anjara tamin’ny endriny iray na hafa tamin’ny fanompoana manontolo andro. Ny kongregasiona iray tamin’io volana io dia nanisana mpitory maharitra mpanampy 73, niara-niasa tamin’ny mpitory maharitra mandavantaona dimy. Fa raha ny amin’ny mpitory 28 sisa kosa, izy ireo dia nitory 64,6 ora ara-keviny, nefa ny sasany aza tsy mbola vita batisa akory. Nahitam-bokatra io asa io: fampianarana Baiboly 233!
Tsy vato misakana ny taona. Ny nenibe iray 99 taona dia nanao ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy. Na dia voafetra ara-batana aza izy dia mampamirapiratra ny fahazavany eo amin’ny tanora sy efa be taona kokoa (Matio 5:16). Noho ny fiezahany, dia maro no nandray ny fanampiana nilaina mba hahatongavana ho mpitory, ary tian’izy ireo ny miresaka indray ny fandavan-tena sy ny toe-tsaina tia ny asan’ny mpitory maharitra mampiavaka io nenibe io. Eny tokoa, ny ‘zotom-po amin’ny asa tsara’ toy izany dia nitarika ny maro be hamboly fitiavana ny asan’ny mpitory maharitra.
Mivoaka avy amin’ny vavan’ny ankizy ny fiderana
Ny tanora koa, na dia tsy vita batisa aza, dia faly ery ary tsy mahandry ny hiaraka amin’ireo ray aman-dreniny mba hitondra ho an’ny hafa ny vaovao tsara avy amin’ilay Andriamanitra marina (Matio 21:16). Nandritra ny fampielezana manokana iray, ny zazavavy kely efa-taona sy tapany dia nanaraka ny ray aman-dreniny tany amin’ny faritany nitokana iray. Nandany 160 ora teo amin’ny raharaham-pitoriana izy tamin’io volana io, nametraka boky 27, bokikely 66 ary gazety 47 tamin’ny olona izay nampiseho fahalianana tamin’ny Baiboly!
Io ‘zotom-po amin’ny asa tsara’ io dia miasa koa ao amin’ireo sekoly. Tao amin’ny manodidina an’i Naïrobi renivohitra, ny zazalahy kely iray mankany amin’ny sekoly fanabeazana fototra ary manana reny nianatra ny Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah dia afaka nanampy ny mpampianatra azy vehivavy hiditra amin’ny lalan’ny fiainana mandrakizay. Indray andro tokoa, raha nahakasika ny foto-kevitra ny amin’ny fiainana aorian’ny fahafatesana ny nolazain’ilay vehivavy mpampianatra, ilay zazalahy kely dia nilaza taminy tamim-panajana fa ny reniny dia nampianatra azy zavatra hafa noho izany, miorina amin’ny Baiboly. Satria nifoha ny fahalianany hahafanta-javatra, ilay mpampianatra dia nifandray tamin’ny renin’ilay mpianatra, izay nampifandray azy tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah za-draharaha kokoa. Amin’izao fotoana izao, dia mba mampiely koa ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly izy, izany dia noho ny herim-pon’io ankizy io. Endrey ny ohatra tsaran’ny zotom-po izay manetsika ireo kristiana tanora amin’izao andro izao!
Fahatsinjovana fitomboana lehibe kokoa
Antsasany mahery amin’ny Kenyana no mbola tokony handre ny vaovao tsaran’ny Fanjakana. Noho ny elanelan-tany, ny faritany sasany dia tsy voasa afa-tsy indray mandeha isan-taona. Rehefa misy Vavolombelona tonga ao amin’ireny faritany ireny, dia mahazatra ny fandraisana azy amin’ireto teny ireto: “Taiza ianareo? Nalahelo anareo izahay”. Avy eo, aorian’ny andro vitsivitsy na ny herinandro vitsivitsy nitoriana, rehefa tonga ny fotoana hiaingana, dia mihetsi-po izy ireo mandre fehezanteny toy ny hoe: “Handao anay indray ve ianareo? Ahoana no hahafahanay handroso?” Soa ihany, fa nisy fandaharana noraisina mba hiverenana hijery ny ankamaroan’ireny olona noana ara-panahy ireny.
Ankehitriny, Kenya dia manana mpitory 3 686. Tamin’ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy, dia olona 13 067 no nanatrika: efa ho avo efatra heny ny isan’ny Vavolombelona! Mpitia alikaola, mpiady, filohan-jiolahy, mpanao an-keriny, mpanao spiritisma maro fahiny sy ny hafa no nitondra fiovana lehibe teo amin’ny fiainany ary manaraka ireo lalan-kelin’ny fahamarinana amin’izao fotoana izao. Mamela haminany inona moa izany?
Miharihary fa tokony hampoizina ny fitomboana lehibe kokoa. Eny, any Kenya dia raisina amim-pankasitrahana ny “vaovao tsaran’ny fanjakana”. (Matio 24:14). Maro no nanatona ireo laharan’ny Vavolombelon’i Jehovah — vahoaka “be zotom-po amin’ny asa tsara”. Noho ny asa toy izany no mampiavaka an’io vahoaka io ary nanjavonan’ny fefy ara-poko, zava-manakana hafa ny tena firaisan-tsaina eo anivony. Izany tokoa, araka ny tenin-ilay lehilahy hindoa, dia “zavatra tsy fahita loatra”.
[Sarintany, pejy 22]
(Jereo ny gazety)
KENYA
Nairobi
Mombasa
[Sary, pejy 23]
Olona an’arivony maro miteny Soaelia no nanatrika ny Fivoriambe “Ireo mpihazona tsy fivadihana” tamin’ny Desambra 1985.
[Sary, pejy 24]
Ireo fampisehoana tantara ara-baiboly naseho tamin’ny fiteny Soaelia sy Anglisy dia nampiorina ireo mpijery.
[Sary, pejy 25]
Ny batisa ampahibemaso dia fisehoan’ny fitahian’i Jehovah