Manjombona ve ny ho avy ho an’ny olona be taona?
“EFA mba tanora ihany aho, hoy Davida mpanjaka, ary efa antitra ankehitriny.” (Salamo 37:25). Tamin’ny andron’ny Baiboly ny olona be taona dia olom-bitsy nohajaina. Raha mitohy anefa ny fironana ankehitriny, tsy ho ela izy ireny dia mety tsy ho vitsy intsony na hohajaina intsony.
Any Etazonia fotsiny, dia tombanana ho 26 tapitrisa ny isan’ny mponina mihoatra ny 65 taona. Amin’ny 2040, dia mety ho efa ho avo telo heny io tarehi-marika io. Araka ny filazan’ny revio Asiaweek, ny firenena aziatika sasany dia “manantena fa ho avo roa heny ny isan’ny antitra ao aminy ao anatin’ny folo taona ho avy”. Kanefa, ny fahatsinjovana ny hahita ny isan’ny olona be taona hila hihoatra ny an’ny tanora dia tsy manambara zavatra tsara mihitsy ho an’ireo zokintsika. Mahabe ahiahy fa maro be amin’izy ireny no efa tsy manana fidiram-bola na tokantrano. Ny hafa, avela any amin’ny hopitaly na ny trano fitaizana antitra, dia mihalany irery, tsy misy mpitsidika sy afoy. Na dia any amin’ny tany nahazatra ny nanaja ny ray aman-dreny aza, dia tantaraina ny amin’ny fanariana sy ny fitondrana ratsy maharikoriko.
Izao no nosoratan’i M.G. Ssenkoloto ho an’ny revio Santé du Monde: “Araka ny fomban-drazana, ao amin’ny ankamaroan’ireo tany any Afrika, ary raha ny marina, ao amin’ny ankabetsahan’ny tany tsy mandroso, ny fianakaviana tsirairay avy dia nikarakara ireo vehivavy be taona tao aminy. Ny vehivavy iray tsy niteraka dia andraikitry ny manodidina na ny mponina rehetra tao amin’ilay vohitra.” Izao anefa no notantarainy: “Miova ny fahatsarana taloha. Herin’ny toe-karena ratsy, ny fampiasana ny fananana amin’ny fomba tsy tsara, ny fifaninanana hanam-pananana ara-nofo, ny ady atao mba hampisongadina ny tena sy ny tarehin-javatra ara-tsosialy: izany anton-javatra rehetra izany dia maka ny toeran’ny fahatsarana nentim-paharazana manorina tokony ho azon’ny olona be taona ianteherana.”
Araka izany, dia miharihary fa marina amin’ny ambaratonga lehibe ny tenin’i Agora, anankiray amin’ireo mpanoratra ao amin’ny Baiboly, manao hoe: “Misy taranaka izay manozona ny rainy sady tsy misaotra ny reniny.” (Ohabolana 30:11). Eny, ireo olona be taona dia tsy mahazo intsony ny voninahitra nomena azy ireo tamin’ny lasa. Be dia be no mihevitra azy ireny ho enta-mavesatra fa tsy tombontsoa. Manjombona ny fahatsinjovan-javatra ho an’ny ankamaroany.
Fa ahoana ny fiheveran’ny kristiana marina ireo zokiny? Tanany ve ny “fahatsarana nentim-paharazana manorina” mahakasika ny olona be taona?