Tokana ny Fisiana tampony
NY FISIANA TAMPONY, mino azy ve ianao? Na dia tsy manaraka fombam-pivavahana intsony aza ny olona maro any amin’ny tany maro be, dia misy an-tapitrisany maro amin’izy ireny mbola mino ihany Fisiana tsitoha sy be fahamoram-panahy iray izay azony iresahana, indrindra fa raha ao anatin’ny fahasahiranana izy.
Any Afrika, ohatra, dia misy fivavahana nentin-drazana maromaro eo an-toerana tsy mifanaraka aoka izany amin’izy samy izy ary ireo mpino ao anatiny dia mivavaka amin’ny andriamanitra maro manana anarana be dia be. Ny ankamaroan’ny olona anefa dia mino mafy ny Fisiana tampony iray “tokana” sy “tompom-pahefana feno eo amin’izao rehetra izao”.
Araka ny fitantarana ataon’i Peter Becker ho antsika ny amin’izany ao amin’ny bokiny hoe Tribe to Township, ny mpitory tranainy iray lahika “sotho” avy any Afrika Atsimo dia nilaza hoe: “Nahafantatra an’Andriamanitra, ny Molimo, taloha elan’ny nahatongavan’ny misionera (...) ny raiko efa antitra sy ny rainy; eny, Andriamanitra, ilay Fisiana tampony namorona ny zavatra rehetra (...). Inona no maha-zava-dehibe izany na antsoinay [ny Basuto] hoe Molimo Andriamanitra, na antsoin’ny Zoulous hoe Nkulunkulu, ny Xhosas, Thixo ... izy?”
Marina aloha fa tsy manampy hanazava ny zavatra izany fahamaroan’anarana izany. Azo inoana fa hekenao ny hoe raha misy Andriamanitra iray eo amin’izao rehetra izao, dia tokony ho iray ihany ho an’ny olona rehetra izy io; tokony hanana anarana fantatra eo amin’izao rehetra izao àry izy io. Ny Baiboly, io fitambaran-tsoratra tranainy ara-tsindrimandrin’Andriamanitra sy hajaina eo amin’izao tontolo izao io, dia milaza hoe: “Ary aoka ho fantany fa Hianao irery ihany, Izay atao hoe Jehovah, no Ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra.” (Salamo 83:18). Asehon’ny Baiboly àry fa manana anarana tokana ilay Fisiana tampony.
Fisiana manao ahoana moa io Andriamanitra tokana lazain’ny Baiboly io? “Fa ny làlany rehetra dia amin’ny rariny avokoa”; “Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana”; “miantra indrindra (...) sady be famindrampo”; “Andriamanitra tsy tompon’ny fikotranana, fa tompon’ny fiadanana”; “Andriamanitra dia fitiavana.” — Deoteronomia 32:4; Eksodosy 34:6; Jakoba 5:11; I Korintiana 14:33; I Jaona 4:8.
Asehon’ny Baiboly koa fa Jehovah no hany Fisiana tokony hivavahana. Koa satria tokana izy, dia ara-dalàna raha mitaky fifikirana tsy voazarazara aminy irery ihany izy (Eksodosy 20:5). Nilaza Jesosy Kristy hoe: “Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao.” — Matio 4:10.
Any Afrika anefa, ny ankamaroan’ny olona, na dia manantitrantitra ho mino Fisiana tampony iray aza, dia manompo andriamanitra maro be. Tsy mampiseho ve izany fa izy ireo dia tsy manana afa-tsy fahalalana misafotofoto ny amin’ny maha-izy na ny toe-tenan’Andriamanitra? Ary na dia ao amin’ny ampahany lehibe amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana aza, ny fahitana mazava ny amin’ny tena lehibe sy mahagagan’Andriamanitra dia hamaizinin’ny hevitra ny amin’ny Andriamanitra iray misy olona telo. Angamba ianao efa nandre firesahana ny amin’izany fampianarana mifono zava-miafina sy tena sarotra raisina izany izay antsoina hoe ny hevitra inoana ny amin’ny Trinite Masina. Toy izao, ohatra, no azo vakina ao anatin’ny bokikely iray mitondra ny anarana hoe Ny Trinite Masina: “Ny hevitra inoana ny amin’ny Trinite Masina (...) dia zavatra saro-pantarina (...), tsy azo porofoina amin’ny alalan’ny fiheverana izany (...); tsy azo atao akory aza ny manamarina fa mety hisya izy io.” Manampy io boky io hoe: “Noho izany, ny fanaporofoana zava-miafina iray dia milaza fampisehoana fa voarakitra ao amin’ny fanambarana izany, ao amin’ny Soratra Masina.”
Kanefa, moa ve ny Soratra Masina tena mampianatra io fampianarana io tokoa? Moa ve Andriamanitra iray misy olona telo ilay Fisiana tampony?
[Fanamarihana ambany pejy]
a Navoakan’ny Fikambanana momba ny fahamarinana katolikan’i Londres.