Ny “Trinite Masina”: fampianarana araka ny Baiboly ve?
NODORANA velona tany Angletera izy tamin’ny 1550. Ny anarany? Jeanne Bocher. Ny heloka nataony? “Nomelohina ho niteny ratsy izy satria, araka ny filazan’ny Encyclopédie britannique (1964), dia nolaviny an-karihary ny Trinite, fahadisoana noheverin’ny Eglizy tamin’ny fitambarany ho tsy azo avela hatramin’ny ady tamin’ny arianisma.”
Ny Trinite dia foto-pampianaran’ny ankamaroan’ny Fiangonana. Fa inona marina moa no atao hoe Trinite? Ny Encyclopédie Waverley dia milazalaza azy ho “zava-miafina ny amin’ny Andriamanitra iray misy persona telo, ny Ray, ny Zanaka sy ny Fanahy Masina, mitovy sy samy mandrakizay amin’ny zavatra rehetra”. Ny Nouvelle Encyclopédie britannique (1981) dia manome izao filazana mazava izao: “Tsy hita ao amin’ny Testamenta Vaovao ny teny hoe Trinite. Tsy ambara mazava ao mihitsy ny fampianarana tondroiny.” Miteraka fanontaniana avy hatrany izany.
Ny valiny nomen’ny Nouvelle Encyclopédie catholique (anglisy) ny fanontaniana iray fametrak’ireo seminarista (“Fa ahoana no itoriana ny Trinite?”) dia manampy fisafotofotoana. Manaiky tsy misy fihambahambana io boky io fa “raha manambara tsy fisian’ny fahazavana sasany ao an-tsain’ny mpianatra ilay raharaha, dia angamba izany koa manambara tsy fisian’ny fahazavana toy izany eo amin’ireo mampianatra azy. Raha toa ‘ny Trinite’ eto ka milaza teolojian’ny telo izay iray, ny valiny tsara indrindra dia ho ny tsy hitoriana azy mihitsy (...), satria ny sermona, indrindra fa ny toriteny araka ny Baiboly, dia toeran’ny tenin’Andriamanitra, fa tsy ny fanamboarana azy ara-teolojia”.
Oviana no nanomboka izany ‘fanamboarana ara-teolojia’ izany? Mahita valiny isika ao amin’ny Nouvelle Encyclopédie britannique (1981): “Io fampianarana io dia niforona miandalana tao anatin’ny taonjato maromaro ary tao anatin’ny fiadian-kevitra maro.” Moa ve hitanao fa ny fiandohan’io fampianarana io dia fanambaran’Andriamanitra mazava sy mivantana? Noho izany, ahoana no mety haha-fanambaran’ny Soratra Masina azy, araka ny lazaina?
Ho fanohanana ny Trinite, dia matetika ireo mpampianatra ara-pivavahana no mampiasa andinin-teny ao amin’ny Baiboly andidian’i Jesosy ny kristiana mba hanao mpianatra, “manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina”. (Matio 28:19.) Marina fa io andinin-teny io dia manisy fitenenana ny amin’ny tena telo, kanefa tsy lazainy fa hoe persona telo izy ireo na iray monja. Ambonin’izany dia fantatsika ny anaran’ny Ray (Jehovah) sy ny an’ny Zanaka (Jesosy), fa iza no anaran’ny fanahy masina? Izany dia mitarika antsika ho amin’ny fanontaniana hoe...
Persona ve ny fanahy masina?
Ny tsy anomezan’ny Baiboly anarana manokana ho an’ny fanahy masina dia mahatonga hihevitra fara faharatsiny, fa angamba izy io tsy persona. Ny fanontaniana hafa koa ho azonao apetraka amin’ny tenanao dia hoe: ‘Efa nisy nahita ny fanahy masina ve?’ Niseho tamin’ny endriky ny voromailala izy io tamin’ny batisan’i Jesosy ary tamin’ny endriky ny lela, toy ny afo, tamin’ny Pentekosta (Matio 3:16; Asan’ny apostoly 2:3, 4). Raha persona ny fanahy masina, nahoana izy io tsy niseho ho toy izany? Raha tsy persona izy io, dia inona? Tsy mety hisy fisalasalana mihitsy, fa izy io dia ny hery miasan’Andriamanitra, izay ‘nalatsaka’ tamin’ny mpianatra tamin’ny Pentekosta (Asan’ny apostoly 2:17, 18). Noho io hery miasa io no nanatanterahan’i Jehovah ny asa famoronany: “Ary ny Fanahin’Andriamanitra nanomba tambonin’ny rano.” (Genesisy 1:2). Ary io hery miasa io no nanome tsindrimandry ireo mpanoratra ao amin’ny Baiboly. — II Timoty 3:16.
Daniela mpaminany dia anankiray tamin’ireny mpanoratra nahazo tsindrimandry ireny. Ao amin’ny toko fahafito amin’ny bokiny, dia lazalazainy ny amin’ny fahitana iray mampitolagaga nomen’i Jehovah azy: Teo amin’ny seza fiandrianany any an-danitra “ny Fahagola”, niaraka tamin’ny anjely maro be nanompo azy. Hitan’i Daniela koa “toy ny zanak’olona”, Jesosy, izay nomena “fanapahana sy voninahitra ary fanjakana (...) mba hanompoan’ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra Azy”. (Daniela 7:9, 10, 13, 14.) Fa ahoana ny amin’ny fanahy masina tao amin’io fisehoan-javatra tany an-danitra io? Aseho amintsika amin’ny endriky ny olona iray ve izy io? Tsia, tsy tononina akory aza izy io.
Ny boky farany ao amin’ny Baiboly, ny an’ny Apokalypsy, dia mampiseho amintsika fahitana miavaka hafa tany an-danitra. Hita ao ny Fisiana tampony (Jehovah) teo amin’ny seza fiandrianany, sy ny Zanak’ondry (Jesosy Kristy) nitsangana teo anilany. Teo koa dia tsy nisy fitenenana ny amin’ny fanahy masina ho toy ny olona miavaka (Apokalypsy toko fahefatra ka hatramin’ny fahenina). Araka izany, na dia ny boky farany ao amin’ny Baiboly aza dia tsy mampianatra fa misy Andriamanitra iray voaforon’ny persona telo. Izany dia mametraka...
Fanontaniana lehibe hafa iray
Ny hevitra inoana ny amin’ny Trinite dia nolazaina fa “foto-pampianarana ao amin’ny fivavahana kristiana”. Raha izany no izy, nahoana Jesosy no tsy nampiharihary izany fony izy teto an-tany? Ireo mpianany izay Isiraelita dia nino Andriamanitra tokana, Jehovah. Ary amin’izao andro izao koa, ny Jiosy dia manao tsianjery ireto teny voarakitra ao amin’ny Deoteronomia 6:4 ireto: “Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany.” Na aiza na aiza ny Soratra hebreo dia tsy mampahafantatra fa ny Fisiana tampony dia Andriamanitra iray misy persona telo. Raha izany no izy, dia angamba ianao hanontany tena hoe nahoana io “foto-pampianarana” io no tsy tonga hevitra inoana raha tsy tamin’ny taonjato faha-4, ary izany dia taorian’ny fiadian-kevitra mafy niteraka fisafotofotoana hatraiza hatraiza?
Mety hilaza ny sasany hoe: ‘Nanambara anefa i Jesosy hoe: “Izaho sy ny Ray dia iray ihany.” ’ (Jaona 10:30). Marina izany, kanefa amin’ny heviny ahoana moa ny Ray sy ny Zanaka no iray? Ny tenan’i Jesosy mihitsy, tatỳ aoriana, no nitondra fanazavana ny fanambarana nataony, tamin’ny filazana toy izao tao amin’ny vavaka iray: “Ray masina ô, tehirizo ireo [ny mpianany] (...) mba ho iray ihany izy, tahaka ny mahiray Antsika.” (Jaona 17:11, 22). Noho izany, ny firaisan-tsaina eo amin’ny Ray sy ny Zanaka dia sahala amin’izay misy eo amin’ireo tena mpianatr’i Kristy: izany dia fifandrindrana tanteraka eo amin’ny hevitra sy ny asa.
Mety hilaza ny sasany fa raha tsy namelabelatra mazava ny fampianarana ny amin’ny Trinite i Jesosy, ny apostoly Jaona kosa dia nanao izany ao amin’ny I Jaona 5:7: “Fa misy telo izay manambara any an-danitra: ny Ray, ny Teny, sy ny Fanahy Masina; ary zavatra iray ihany ireo telo ireo.” (Glaire). Nofoanan’ireo fandikan-teny amin’ny andro ankehitriny anefa io andinin-teny io. Nahoana? Ny Baibolin’i Jerosalema, Baiboly katolika, dia manazava eo amin’ny fanamarihana fa tsy hita ao amin’ireo sora-tanana grika tranainy indrindra sy ao amin’ireo sora-tanana latina tsara indrindra izany. Raha ny marina, dia tsy tena izy izany. Azo inoana fa nanampy mba hanohanana ny Trinite izy io.
Araka ny mety ho tsapanao amin’ny fanokafana ny Baibolinao, ny apostoly Paoly dia matetika no manomboka ny taratasiny amin’ny fitenenana tahaka ny hoe: “Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.” (Romana 1:7). Nahoana moa i Paoly no tsy niresaka mihitsy ny fanahy masina ho toy ny olona iray? Satria tsy nisy fantany mihitsy ny amin’ny “Trinite Masina”. Toy izany koa, Jakoba, Petera sy Jaona dia nampiasa fitenenana sahala amin’izany tao amin’ireo taratasiny, kanefa tsy nampiditra ny fanahy masina tao. Nahoana? Satria tsy nanohana ny Trinite koa izy ireo. Tsy persona sahala amin’ny Ray sy ny zanany, ny fanahy masina. Kanefa, noho ny Zanaka persona, dia mipetraka ny fanontaniana hoe...
Fisiana tampony ve Jesosy?
Ireo izay mino ny Trinite dia mamaly hoe eny. Jereo kosa anefa izay nolazain’i Jesosy: “Ny Ray dia lehibe noho Izaho.” (Jaona 14:28). “Ny Zanaka tsy mahazo manao na inona na inona ho Azy, afa-tsy izay hitany ataon’ny Ray.” (Jaona 5:19). Hoy ny nanampin’i Paoly: “Andriamanitra no lohan’i Kristy.” — I Korintiana 11:3.
Ambonin’izany, dia eritrereto tsara ireto fanontaniana ireto: Manana Andriamanitra ve Jehovah? Mazava fa tsy izany, satria izy no Fisiana tampony sy tsitoha. Ary Jesosy, manana Andriamanitra ve izy? Taorian’ny nananganana azy tamin’ny maty ary, dia hoy Jesosy tamin’i Maria Magdalena: “Miakatra ho any amin’ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ary ho any amin’Andriamanitro sy Andriamanitrareo.” Nanoratra toy izao ny apostoly Petera: “Isaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika.” — Jaona 20:17; I Petera 1:3.
Efa maty ve Andriamanitra? ‘Azo antoka fa tsia’, hoy ny havalinao ara-drariny. Tsy mety maty Andriamanitra. Izao no nolazain’i Habakoka mpaminany ny amin’i Jehovah: “Ry Masiko ô, tsy mety maty ianao.” (Habakoka 1:12, MN ). Jesosy kosa anefa dia efa maty. Fa iza àry no nanangana azy tamin’ny maty? Izao no ambaran’i Petera: “Izy [Kristy] natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty.” Miharihary àry fa tsy ny Fisiana tampony akory Jesosy. — Asan’ny apostoly 3:15; Romana 5:8.
Aoka hotohizantsika anefa. Efa nisy nahita an’Andriamanitra ve? “Tsy nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana.” (Jaona 1:18). Olona an’arivony maro anefa no nahita an’i Jesosy fony izy teto an-tany. Efa nivavaka tamin’olona ve Andriamanitra? Iza no nety ho nivavahany? Izy dia “Mpihaino vavaka”. (Salamo 65:2.) Jesosy kosa anefa dia matetika no nivavaka tamin’ny Rainy; nandany iray alina manontolo nivavahana aza izy. Mpisorona ve Andriamanitra? Mazava ho azy fa tsy izany. Ary Jesosy? Izao no vakintsika: “Hevero ny Apostoly sy Mpisoronabe Izay ekentsika, dia Jesosy.” — Hebreo 3:1.
Mazava dia mazava izany: tsy ny Fisiana tampony akory Jesosy.
Manimba ve ny hevitra inoana ny amin’ny Trinite?
Eny. Io hevitra inoana miely aoka izany io dia manohitra ireto fahamarinana araka ny Baiboly manaraka ireto: voalohany indrindra, Jehovah irery ihany no Fisiana tampony; manaraka izany, Jesosy dia Zanany; farany, ny fanahy masina dia hery miasan’Andriamanitra. Io fampianarana io dia miteraka fisafotofotoana amin’ny fanaronana ny hevitra ny amin’Andriamanitra amin’ny zava-miafina atao sarona, izay miteraka fahamaizinana ara-panahy.
Tsy voatery hiaina ao anatin’izany fahamaizinana izany anefa ianao. Hevero kosa ny fahazavana avy amin’ireto fahamarinana vitsivitsy ireto:
Tsy hita ao amin’ny Baiboly ny hevitra inoana ny amin’ny Trinite. Izany dia “fanamboarana ara-teolojia” izay teraka taonjato maro taorian’i Jesosy ary nandidiana ny fanarahana azy tamin’ny fandrahonana ny hodorana. Io hevitra inoana io dia nampihem-bidy ny fanompoam-pivavahana amin’ilay Fisiana tampony, tamin’ny fanaovana izay hinoana zava-miafina iray.
Inona no tokony hataonao izao raha nino foana ny Trinite ianao? Manoro hevitra anao izahay mba hianatra ny Tenin’Andriamanitra sy ireo zavatra vita an-tsoratra izay, sahala amin’ity eo an-tananao ity, hanampy anao hahazo ny hevitry ny Baiboly. Iankinan’ny aina izany fianarana izany. Nilaza i Jesosy fa mba hananana ny fiainana mandrakizay dia ilaina ny mahafantatra azy sy Jehovah, “Andriamanitra tokana sady marina”. — Jaona 17:3.
[Efajoro/Sary, pejy 5]
Ny rantsantanan’Andriamanitra
“Rantsantànan’Andriamanitra ity”! hoy ny fiaiken’ireo ombiasy tany Egypta rehefa tsy nahay nanova ny vovoka ho tonga moka tahaka ny nataon’i Mosesy izy ireo (Eksodosy 8:18, 19). Tao an-tendrombohitra Sinay i Jehovah dia nanome an’i Mosesy “vato fisaka voasoratry ny rantsan-tànan’Andriamanitra”. (Eksodosy 31:18.) Moa ve izany rantsantanana amin’ny heviny ara-bakiteny? Tsia. Miharihary fa tsy manana rantsantanana nofo Jehovah. Manome ny valiny antsika Lioka sy Matio mpanoratra ao amin’ny Baiboly. Ny anankiray amin’izy ireo dia mitantara fa “ny rantsan-tànan’Andriamanitra” no namoahan’i Jesosy ny demonia, ny anankiray hafa manazava fa noho “ny Fanahin’Andriamanitra”. (Lioka 11:20; Matio 12:28.) Noho izany, ny fanahy masina dia “rantsantanan’Andriamanitra”, fiasana ampiasainy mba hanatanterahana ny sitrapony. Tsy olona akory izany fa ny hery miasan’Andriamanitra.
[Sary, pejy 7]
Niseho tamin’ny endriky ny voromailala, ny lela mitarehin’afo, ny fanahy masina, fa tsy tamin’ny an’olona iray mihitsy.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 4]
Fampisehoana ny Trinite ao amin’ny eglizy iray tamin’ny taonjato faha-14 any Tagnon (Ardennes), any Frantsa.