“Mpanarato olona” any Arktika
Isaky ny lohataona, dia Vavolombelon’i Jehovah maro be no mitory any amin’ny “faritany tsy misy mpitory”, dia faritra mitokana tsy misy kongregasiona voaorina mihitsy. Ny ankamaroan’izy ireny dia miasa na mianatra ka manokana ny fotoana fialany sasatra amin’io asa io. Ny hafa mpitory maharitra, na mpiasa manontolo andro, izay manitatra ny fanompoany. Faly izy ireny mitondra ny vaovao tsara ho an’olona lavitra ny rehetra, sady manamafy ny fatorany amin’ny fianakaviany sy ireo rahalahiny ara-panahy. Ity misy fitantarana ny anankiray amin’ireny fandehanana ireny, natao tany Avaratra Midadasika.
NANALAVITRA ny fefiloha ny sambokely fanjonoana iray, ny Skagstein. Indray takariva tamin’izay, teo am-piandohan’ny lohataona. Nampivalombalona ny ranomasina ny rivo-malefaka avy any atsinanana ary nampisava, fanampiana ho anay izany, ny fofon-kazandrano sy menaka “hareng”. Nitsangana teo amin’ny tokotanin-tsambo izahay ka nanao veloma an’i Båtsfjord, ilay vohitry ny mpanjono lehibe indrindra any atsinanan’i Finnmark, any Norvège.
Olona valo no mpandeha an-tsambo. Øivind sy Åshild dia tonga tao Båtsfjord, iraika ambin’ny folo taona talohan’izay mba hanampy tamin’ny asa fitoriana tao amin’io faritany tsy nisy mpitory io. Rehefa nifindra ho any amin’ny faritra hafa izy ireo izao, dia nandroso tao amin’io toerana io ny kongregasiona iray nisy mpitory efa ho efapolo. Ny sisa tamin’ny mpandeha dia ny kapiteny, Jarle (nanana ho anton-draharaha ny fanjonoana sady mpitory maharitra “tamin’ny vanin-taona sasany”), vehivavy kristiana mpitory maharitra roa, mpitondra milina iray, mpiasan’ny ozinina iray ary Vavolombelona iray miasa ao amin’ireo biraon’ny Betela any Norvège. Nahoana no niaraka ireo anisan’izany antokon’olona izany? Ary karazam-pandehanana inona no nataon’izy ireo?
Nitety nosy
Tamin’ity indray mandeha ity dia tsy nitady lamôria akory i Jarle. Nikasa ny hitory tany Båtsfjord izahay, tao amin’ny farany avaratra amin’ilay tany, hatrao Brønnøysund, tao amin’ny departemantan’i Nordland tamin’ny fitetezana nosy sy toerana anoloana tao amin’ny Skagstein. Hitety ny antsasaky ny moron-tsiraka norveziana mahery izahay. Nahoana no nanao izany dia izany? Maro amin’ireny toerana ireny no tsy mety ho tratra afa-tsy amin’ny sambo manokana, ary misy elanelany taona maromaro ny Vavolombelon’i Jehovah vao mampiely ny hafatra momba ilay Fanjakana any. Tapa-kevitra izahay ny handeha ‘hanarato olona’ tao amin’ireny toerana anoloana ireny. — Matio 4:18, 19.
Niainga avy ao Båtsfjorden ilay sambo ka nitodi-doha niankandrefana nanaraka ny moron-tsiraka nandritra ny alina. 1 jolay tamin’izay. Ny masoandron’ny misasakalina, notakonan’ny ridaon-drahona mitovy tantana, dia nandefa fahazavana somary volondavenona sy voasivana. Nahitana voron-dranomasina an’arivony maro teo amin’ny hantsambato. Araka ny filazan’ilay kapiteny dia faran’izay tsara ny alon-dranomasina miakatra. Nihevitra izany ho mafy loatra anefa ny sasany taminay mpandeha an-drano mamy.
Tody tao Honningsvåg izahay ny ampitso maraina. Tao no tokony hanomboka ny ‘fanaratoanay’, ny fitoriana. Malaza ho tia mandray vahiny ny Norveziana any avaratra. Mandrakariva dia ampy ny famelabelaranay fohy tamin’ny olona ny asa nanirahana anay mba hanasany anay hipetraka eo amin’ny seza iva iray ao an-dakozia ka handrosoany kafe ho anay. Amin’izay dia tokony hotantarainay amin’ny antsipiriany hoe iza izahay, avy aiza, inona no nataonay, iza no anaran’ny sambonay ary manao ahoana ny habeny, nahazo hazandrano ve izahay hatramin’izao ary ho aiza izahay rehefa avy eo. Aorian’ny namaliana an’ireo fanontaniana ireo vao afaka miditra amin’ny anton’ny fitsidihanay izahay: ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra.
Fandraisana nafana tany Arktika mamanala
Moa ve ny hafatra hahazo ireny olona nonina tany amin’ny nosy iray tany amin’ny 480 kilaometatra any avaratry ny boribory arktika ireny? Inona no nitana ny sain’izy ireny? Tsy nisy hafa tamin’ny an’ny olona any an-toeran-kafa rehetra ny zavatra nampanahy azy ireny: ny tsy rariny ara-tsosialy, ny tsy fananana asa, ny vola, ny fianakaviana sy ireo fahasahiranana manokana. Nampanahy azy ireny koa ny fihenjanan’ny tarehin-javatra maneran-tany ateraky ny fifandraisana avaratra-atsimo sy ny fifanolanana eo amin’ny atsinanana sy ny andrefana.
Mora taminay ny nampiseho ny hasarobidin’ny fanafodiny atolotry ny Baiboly, dia: ny Fanjakan’Andriamanitra. Endrey ny valisoa amin’izay, mahita fanjavonan’ny fijerena lafiratsin-javatra sy ny fiheverana fa tsy mety ho fantatra ny marina, manome toerana ho an’ny fifaliana sy ny fanantenana! Maro amin’ny mponina any amin’ireny faritra mitokana ireny no mivavaka mba hahatongavan’ny Fanjakana hatramin’ny fahazazany, kanefa tsy tena azony mihitsy ny hevitr’io vavaka io (Matio 6:9-13). Nametraka zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly tamin’ny mponin’ny nosy maro izahay ary nanao fandaharana mba hifanoratra amin’izy ireny mba hitanana ny fahalianany.
Na dia lohataona aza tamin’izay, dia tsy nahatratra afa-tsy 2° C ny hafanana tany Rolvsøy, ary nisy rivotra mafy nitsoka. Nangovitra sady nibonoka mafy tao anaty kapaotiny ny anankiray tamin’ireo Vavolombelona ka nanatona lehilahy iray teo amin’ny tora-pasika.
“Mangatsiaka angaha ianao?” hoy ilay lehilahy nanontany azy.
“An...”, hoy ny fisalasalan’ilay rahalahy.
“Avia mihinana sy misotro zavatra mafana.”
Nasainy niditra tao an-tranony ilay rahalahy ary notarihiny ho ao an-dakozia nanaovan’ny vadiny raharaha.
“Misy kafe ve ao aminao ho an’ity zazalahy ity?” hoy ny fanontaniny azy.
Norosoan-dravehivavy kafe mafana, tapa-mofo dipaina lehibe, kaonfitiora vita tamin’ny voarointsaka namboarina tao an-trano sy “saumon” (karazan-kazandrano), ilay Vavolombelona. Taorian’ny resaka nilamina, dia nametraka zavatra vita an-tsoratra vitsivitsy ilay rahalahy ary nanohy ny fitoriana, nahazo hafanana sy fampaherezana. Izany no karazan-java-nitranga tamin’ireo Vavolombelona rehefa nitory tamin’ireo mponina sariaka sy tia mandray vahiny tao amin’ireny faritra mitokana ireny izy.
Fanandraman-javatra nanatsara zavatra
Raha mbola nanohy ny lalany ny Skagstein, nitety nosy sy namaky onja, dia nanamafy ny fifamatorany tamin’ny fomba samihafa ireo mpandeha an-tsambo. Ny olona valo niara-niaina akaiky nandritra ny andro maro sy herinandro maro teo amin’ny sambo iray 12 metatra dia nanjary nifankahalala toetoetra haingana. Nianatra ny nifampizaka sy nifaneho fiheverana izahay. Nampihena ny antony mahatonga ady izahay ary nanatsara ny toetra kristiana nanananay (Kolosiana 3:9, 10). Noho izany, dia niharihary ho nanatsara zavatra tokoa ny fanandraman-javatra.
Niara-nandinika ny teny natao hovakina isan’andro tao amin’ny Baiboly izahay ary niresaka ny amin’izay nitranga taminay tao anatin’ny andro. Notantarainay izay nolazainay sy nataonay, ary nifanakalo hevitra ny amin’izay nety ho azonay nolazaina sy natao izahay. Izany fifanakalozan-kevitra izany dia nanosika anay hanao fiezahana bebe kokoa amin’ny fanaovana resaka manohina ny fon’ny olona. Afa-tsy izany koa, ireo tanora kokoa sy ireo vaovao dia nahazo torohevitra tsara dia tsara sy famporisihana mba hanitatra ny fanompoany.
“Nieritreritra ny hanao ny asa manontolo andro aho nanomboka tamin’ny naha-vita batisa ahy, hoy ny nambaran’i Bjørn, 27 taona. Nandritra ny dianay, dia nitombo tsikelikely tao amiko ny faniriana ‘hizaha toetra an’i Jehovah’ sy ny herim-po ilaina amin’izany. Fantatro tamin’ny fanandraman-javatra fa azontsika atao ny mitoky tanteraka amin’i Jehovah. Noho io dia io, dia mora amiko kokoa ny ho tonga mpitory maharitra.” — Malakia 3:10.
Io fandehanana io dia nanampy anay koa hahatsapa bebe kokoa ny maha-zava-dehibe ny fotoana iainantsika. Vohitra maro notsidihinay no mihamaty tsikelikely. Nakatona ireo ozinina momba ny fanjonoana, ireo biraon’ny paositra sy magazay. Velom-panahiana ny olona mahita ireo tanora mitsapatsapa mankany amin’ireo tanàn-dehibe lavitra, mandao trano tsara tarehy vaovao sy fomba fiaina mahazatra. Maneran-tany, dia olona an-tapitrisany maro no tsy manam-pialofana sy tsy ampy sakafo. Misy trano foana mitsangana ao amin’io tany io ary mirakitra sakafo be dia be ny ranomasina. Azo lazaina hoe vitsy anefa ny olona tia izany. Izany dia samy porofo mangina fa tsy ara-dalàna izao tontolo izao.
Ny tohin’ny dia
Nanohy ny diany ny mpandeha nanaraka ny moron-tsiraka avaratr’i Sørøya, any Kvænangen. Tao amin’ny fijanonana kely sasany, dia nila lakan-drafitra izahay mba hidinana, fa tamin’ny hafa kosa dia afaka namatotra nivantana ny Skagstein teo amin’ny fefiloha izahay. Tompon-tany maro be no nanodidina anay mba hijery hoe iza ireto vahiny ireto, satria azo antoka fa hitany ho tsy mpanjono izahay. Rehefa fantany fa Vavolombelon’i Jehovah izahay ka nitondra vaovao tsara notsoahina avy ao amin’ny Baiboly, dia matetika izahay no nanomboka resaka velombelona.
Rehefa avy nitety io faritra io izahay, dia niondrana nankany Tromsø, satria ny sasany taminay naniry hanatrika ny fivoriamben’ny distrika “Ny fiadanan’Andriamanitra” nomanina hatao tany. Fotoana naningana tokoa io tapany tamin’ny dia io. Alina ny andro, nefa namirapiratra aoka izany ny masoandro misasakalina teo ambonin’ny faravodilanitra indrindra. Niavaka teo ankavanana ny sisiny maloka tamin’ireo nosy sy nosy kely. Teo ankavia, dia nanjelajelatra tamin’ny fahazavan’ny masoandro ireo tendrombohitra rakotry ny orampanala. Nalefaka ny andro; kely dia kely ny fivalombalon’ny ranomasina. Tony sy nilamina ny zavatra rehetra, ankoatra ny firohondrohona ara-paikan’ny maoteranay sy ny mozika malefaka nalefa tao amin’ny radiaonay. Rivo-piainana nahafinaritra re izany!
Taorian’ny fivoriambe tany Tromsø, dia niova kely ny isan’ny mpandeha. Avy eo, dia nitohy ny dia: nihodidina an’i Senja izahay, namakivaky an’ireo nosy Vesterålen hatrany Bodø, ary nitodi-doha nianatsimo, nankany Brønnøysund, hiafaran’ny dianay. Tao amin’ny toerana nijanonana maro, toy ny tany Rødøy, dia nahita olona mbola tsy niresaka mihitsy tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izahay. Hatramin’ny taona maro no tsy nisy fanambarana natao, ka nitombo ny taranaka vaovao iray.
Dia iray tsy hay hadinoina
Tonga tao Brønnøysund izahay tamin’ny faran’ny volana aogositra. Rehefa mahatsiaro ireo herinandro lany teny amin’ny Skagstein izahay, dia tena hitanay ho tsy hay hadinoina iny dia iny. Tao anatin’izay fotoana izay izahay dia nandany 880 ora tamin’ny fitambarany, nitoriana ny vaovao tsara, nametraka boky 126 sy gazety 1 026 izahay ary nahazo famandrihana 12 tamin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous!. Namafy voan’ilay Fanjakana be dia be izahay tao amin’ireny faritra vitsy mponina ireny.
“Mbola tsy nandany fotoam-pialan-tsasatra tsara tahaka izany aho!” hoy ny fihiakan’ny anankiray tamin’ireo mpitory tanora nanao an’io dia io. Niray hevitra taminy tamin’ny fo rehetra izahay izay nahita fahasambarana satria anisan’izany. Araka ny hevitray, dia tsy fotoam-pialan-tsasatra tsara dia tsara fotsiny izany, fa teo amin’ny lafiny ara-panahy, ny anankiray tamin’ny fanaovan-javatra nahasoa sy nampitombo fahalalana indrindra nataonay.
[Sarintany, pejy 25]
(Jereo ny gazety)
SUÈDE
FINLANDE
URSS
Brønnøysund
Rødøy
Bodø
NORVÈGE
Senja
Tromsø
Kvænangen
Sørøya
Rolvsøy
Honningsvåg
Båtsfjord