‘Tsy maintsy torina aloha ny vaovao tsara’
“Ambonin’izany, tsy maintsy torina any amin’ny firenena rehetra aloha ny vaovao tsara.” — MARKA 13:10.
1. Inona no tsy itovian’ny fandaminan’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny fivavahana rehetra ao anatin’ny finoana lazaina fa kristiana, ary nahoana?
AMIN’NY olombelona rehetra izay milaza ho manaraka ny kristianisma, dia ny Vavolombelon’i Jehovah no hany mihevitra ho zava-dehibe ny fitoriana ny vaovao tsara. Izy ireny dia anisan’ny hany fandaminana izay ny mpikambana rehetra ao aminy dia mahatsiaro manokana fa manana adidy hiresaka tsy tapaka amin’ny namany ny amin’ny fikasan’Andriamanitra. Nahoana no toy izany no izy? Satria ny Vavolombelona tsirairay avy dia mihevitra fa amin’ny maha-kristiana azy, dia tokony hanaraka ny dian’i Kristy izy (1 Petera 2:21). Mahafaoka inona izany?
2. Ahoana no fiheveran’ny olona maro an’i Jesosy Kristy? Inona anefa no asany lehibe indrindra teto an-tany?
2 Ao an-tsain’ny olona maro be, Jesosy Kristy dia olona nahavita asa soa fotsiny: nanasitrana ny marary izy, namahana ireo noana, ary naneho fitiavana sy fahamoram-panahy tamin’ireo olona nila izany. Betsaka lavitra noho izany anefa no nataon’i Jesosy. Talohan’ny zavatra rehetra dia mpitory be zotom-po ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra izy. Volana vitsivitsy taorian’ny nanaovana batisa azy tao amin’ny ranon’i Jordana, dia nanomboka nitory ampahibemaso sy nilaza toy izao izy: “Mibebaha hianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.” (Matio 4:17). Araka ny fitantaran’i Marka, dia “nankany Galilia Jesosy nitory ny filazantsaran’Andriamanitra ka nanao hoe: Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra; mibebaha hianareo ka minoa ny filazantsara.” — Marka 1:14, 15.
3, 4. a) Na dia nanasitrana ny karazana aretina rehetra aza i Jesosy, inona no nosoritany tao amin’ny fanompoany? b) Nahoana moa i Jesosy no nirahina? d) Nampitahain’i Jesosy tamin’ny inona moa ny asa fitoriany, ary tokony hanao inona ireo mpianany?
3 Nanasa an’i Petera sy Andrea ary Jakoba sy Jaona hanaraka azy i Jesosy. “Ary Jesosy nandeha eran’i Galilia ka nampianatra tao amin’ny synagogan’ny olona teo sy nitory ny filazantsaran’ny fanjakana ary nahasitrana ny aretina rehetra mbamin’ny rofy rehetra tamin’ny olona.” Koa satria tsy namela azy handeha ny vahoaka tao Galilia, dia hoy Jesosy tamin’izy ireo: “Tsy maintsy mitory ny teny soa mahafaly ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra any amin’ny tanàna hafa koa Aho, satria izany no nanirahana Ahy.” Nankany Jodia àry izy ary nitory tao amin’ireo synagoga. — Matio 4:18-23; Lioka 4:43, 44.
4 Rehefa avy eo, dia niverina nankany Galilia i Jesosy ary nitety ny tanàna sy ny vohitra nitory ny filazantsaran’ny fanjakan’Andriamanitra”. (Lioka 8:1.) Raha nampitaha ny asa fitoriany tamin’ny fijinjana izy, dia nilaza toy izao: “Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa amin’izany mangataha amin’ny Tompon’ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra” (Matio 9:35-38). Tao anatin’ny toe-javatra sasany, dia tsy namela azy hiala sasatra akory aza ny vahoaka, nefa “Izy nandray azy tsara ka nilaza taminy ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra; ary izay marary dia nositraniny”. — Lioka 9:11.
5. Inona avy moa no toromarika nomen’i Jesosy an’ireo apostoliny sy ny mpianatra hafa rehefa naniraka azy ireny hanao ny fanompoana izy?
5 Marina fa nanasitrana ny marary i Jesosy ary indraindray namahana ny noana. Ny nimasoany indrindra anefa dia ny firesahana tamin’ny olona ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary niriny ny hanaovan’ireo mpianany tahaka izany. Rehefa avy nampiofana ireo apostoliny izy, dia naniraka azy ireny hitory tsiroaroa ary nanome azy izao toromarika izao: “Ary raha mandeha hianareo, dia mitoria hoe: Efa mby akaiky ny fanjakan’ny lanitra.” (Matio 10:7). Izao no nambaran’i Lioka: “Ary Izy naniraka ireo handeha hitory ny fanjakan’Andriamanitra sy hahasitrana ny marary.” (Lioka 9:2). Afa-tsy izany koa, Jesosy dia nanome ho an’ireo mpianatra 70, baiko ‘hanasitrana ny marary ka hilaza amin’izy ireny fa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra’. — Lioka 10:9.
6. Talohan’ny hiakarana ho any an-danitra, inona avy moa no toromarika nomen’i Jesosy an’ireo mpianany raha ny amin’ny fanompoan’izy ireo?
6 Talohan’ny hiakarana ho any an-danitra, dia nankinin’i Jesosy tamin’ireo mpianany ny asa fanohizana sy fanitarana koa aza ny asa fitoriana. Nomeny azy ireo izao baiko izao: “Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra (...), mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.” (Matio 28:19, 20). Hoy koa izy tamin’ireo: “Fa hahazo hery hianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany.” (Asan’ny apostoly 1:8). Noho izany, dia ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra no nomen’i Jesosy sy ireo apostoliny ny toerana voalohany.
Ny Fanjakana torina amin’izao androntsika izao
7. Inona moa no nolazain’i Jesosy raha ny amin’ny asa fitoriana izay tokony hotanterahina amin’ny “fifaranan’ny fandehan-javatra”?
7 Tao amin’ny faminaniany momba ireo fisehoan-javatra tokony hitranga amin’ny “fifaranan’ny fandehan-javatra”, dia izao no nambaran’i Jesosy: “Ary hotorina amin’ny tany onenana manontolo ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra; dia vao ho tonga ny farany.” (Matio 24:3, 14, MN ). Na, araka ny Marka 13:10, MN: “Ambonin’izany, tsy maintsy torina any amin’ny firenena rehetra aloha ny vaovao tsara.” — Jereo Apokalypsy 14:6, 7.
8. a) Inona moa no vaovao tsara tamin’ny andron’ireo apostoly? b) Inona moa no fototry ny hafatra momba ny vaovao tsara amin’izao androntsika izao?
8 Amin’ny “andro farany”, ny vaovao tsaran’ny Fanjakana dia mitatra kokoa noho ny tamin’ny andron’i Jesosy. Nambaran’i Jesosy fa akaiky ny Fanjakana tamin’ny heviny hoe izy, Jesosy, dia teo amin’ny vahoaka tamin’ny naha-Mesia sy Mpanjaka (2 Timoty 3:1; Matio 4:17; Lioka 17:21, MN ). Ny vaovao tsara notorin’ireo kristiana tamin’ny taonjato voalohany dia nanisy fitenenana ny amin’ny fananganana an’i Jesosy tamin’ny maty sy ny niakarany ho any an-danitra ary namporisika ireo manetry tena hino ilay Fanjakana ho avy (Asan’ny apostoly 2:22-24, 32; 3:19-21; 17:2, 3; 26:23; 28:23, 31). Ankehitriny, amin’ny “fifaranan’ny fandehan-javatra”, ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakana dia milaza indrindra ny hafatra manaitra hoe efa miorina any an-danitra ilay Fanjakana. — Apokalypsy 11:15-18; 12:10.
Iza no tokony hitory ny vaovao tsara?
9. a) Ahoana moa no anandraman’ny sasany manaporofo fa amin’izao androntsika izao, dia tsy voatery hanao ny fitoriana ny vaovao tsara ny kristiana rehetra? b) Iza moa no nampiasain’i Jehovah taloha mba hitory ny teniny, ary milaza inona ho antsika izany amin’izao andro izao?
9 Iza amin’izao androntsika izao no tokony handray anjara amin’ny fitoriana? Toa tsy mihevitra ny fivavahana lazaina fa kristiana fa manana adidy hanao izany ny tsirairay, ary marina fa rehefa nilaza i Jesosy hoe hotorina ny vaovao tsara, dia tsy nolazainy mazava ny hoe iza no hanatanteraka izany asa izany. Iza anefa no hampiasain’i Jehovah ho amin’io asa io raha tsy ireo olona mino ny Teniny ary nanomboka nampihatra izany teo amin’ny fiainany? Tamin’ny andron’i Noa, rehefa tapa-kevitra Jehovah ny hampiomana ny olona fa horavana izao tontolo izao ratsy, dia nampiasa lehilahy iray “niara-nandeha tamin’Andriamanitra” izy. (Genesisy 6:9, 13, 14; 2 Petera 2:5.) Mba hampitana hafatra ara-paminaniana tamin’ny Isiraely, dia nirahiny ‘ireo mpaminany mpanompony’. (Jeremia 7:25; Amosa 3:7, 8.) Isiraely, izay voatokana ho an’i Jehovah, dia firenena vavolombelona (Eksodosy 19:5, 6; Isaia 43:10-12). Eny, ampiasain’i Jehovah ho vavolombelona ireo izay manolo-tena ho azy.
10. Araka ny fomba nanoratana ny Matio 28:19, 20, ahoana no mety hahitana fa mihatra amin’ny kristiana rehetra ny baiko hanao mpianatra?
10 Milaza ny sasany fa ao amin’ny Matio 28:19, 20, dia tsy nomena afa-tsy ho an’ireo apostoly ny baiko hanao mpianatra ka noho izany dia tsy mihatra amin’ny kristiana amin’ny ankapobeny. Mariho anefa izay ambaran’i Jesosy: “Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, (...) mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.” Ny kristiana dia tokony hampianatra ireo mpianatra vaovao mba hitandrina ny zavatra rehetra nandidian’i Jesosy; ary anefa ny anankiray amin’ireo zavatra nandidian’i Jesosy dia ny ‘handeha sy hanao mpianatra’. Tsy isalasalana fa ny mpianatra vaovao rehetra dia hampianarina hitandrina koa an’io baiko io.
11. a) Inona moa no adidy niantsorohan’ny kongregasiona kristiana tamin’ny taonjato voalohany? b) Inona no tokony hatao mba hovonjena, ary ahoana no anaovana izany?
11 Ny kongregasiona kristiana tamin’ny taonjato voalohany dia nantsoina hoe ‘olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany, mba hilazany ny hatsaran’Ilay niantso azy hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga’. (1 Petera 2:9.) Ireo mpikambana ao aminy, tamin-jotom-po, dia nanao fanambarana ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra (Asan’ny apostoly 8:4, 12). Nilaza tamin’ny “masina” rehetra, dia ny kristiana voahosotra, izay tany Roma i Paoly fa “amin’ny vava no anekena [anaovana fanambarana ampahibemaso, MN ] hahazoana famonjena” ary “izay rehetra miantso ny anaran’ny Tompo [Jehovah, MN ] no hovonjena”. (Romana 1:7; 10:9, 10, 13.) Izany fanambarana ampahibemaso ho amin’ny famonjena izany, atao amin’ny fotoan’ny batisa, dia mahafaoka koa ny fitoriana ampahibemaso ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’i Jehovah.
12, 13. a) Amin’ny fomba ahoana no anaovana ny “fanambarana ampahibemaso ny fanantenantsika” resahina ao amin’ny Hebreo 10:23? b) Ahoana no ampisehoan’ny Salamo 96 fa ilaina ny hanaovana fanambarana ampahibemaso any ivelan’ny kongregasiona, ary ahoana no anamafisan’ny Apokalypsy 7:9, 10 izany adidy izany?
12 Izao no nosoratan’ny apostoly Paoly ho an’ny Hebreo izay tonga kristiana: “Aoka hohazonintsika mafy ny fanekena [fanambarana ampahibemaso, MN ] ny fanantenana mba tsy hihozongozonany (fa mahatoky Ilay efa nanao ny teny fikasana).” (Hebreo 10:23). Tsy voafaritra ho ao anatin’ny fivorian’ny kongregasiona ihany izany fanambarana izany (Salamo 40:9, 10). Mazava fa ny baiko ara-paminaniana voambara ao amin’ny Salamo 96:2, 3, 10 dia fanasana hitory any ivelan’ny kongregasiona, any amin’ireo firenena. Izao no vakintsika: “Lazao isan-andro isan-andro ny famonjeny mahafaly. Ambarao any amin’ny jentilisa ny voninahiny, ary any amin’ny firenena rehetra ny fahagagana ataony. Lazao any amin’ny jentilisa fa Jehovah no Mpanjaka.” Araka izany àry, ao amin’ny Matio 28:19, 20 sy ao amin’ny Asan’ny apostoly 1:8, dia manome baiko ny kristiana i Jesosy mba hitory any amin’ireo firenena.
13 Eo aoriana kely, ao amin’ny taratasiny ho an’ny Hebreo, dia miresaka amin’ireo kristiana voahosotra ny amin’izany fitoriana ampahibemaso izany i Paoly: “Koa aoka isika hanatitra ny fanati-piderana amin’ny alalany ho an’Andriamanitra mandrakariva, dia ny vokatry ny molotra izay manaiky [manao fanambarana ampahibemaso, MN ] ny anarany.” (Hebreo 13:15). Ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy, dia hita koa ny “olona betsaka” avy amin’ny firenena rehetra, izay mihiaka hoe: “Ny famonjena, dia avy amin’Andriamanitsika izay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana, sy avy amin’ny Zanak’ondry.” (Apokalypsy 7:9, 10, MN ). Araka izany, amin’ny fotoana fifaranan’ny fandehan-javatra, ny fitoriana ny vaovao tsara dia tontosain’ny Vavolombelon’i Jehovah, voaforon’ny sisa amin’ireo rahalahy ara-panahin’i Kristy sy ireo namany, sahala amin’ny ondry, izay mahaforona ny “olona betsaka”. Fa amin’ny fomba ahoana no anaovan’ny Vavolombelona an’io asa io?
“Ampahibemaso sy isan-trano”
14. Taiza moa i Jesosy no nitory, ary inona no fotopoto-pitsipika azo tsoahina avy amin’ny ohatra nomeny?
14 Nitory nivantana tamin’ny olona i Jesosy. Vakintsika, ohatra, fa nitory tany amin’ireo synagoga izy. Nahoana? Satria ny vahoaka nivory tao tamin’ny andro sabata mba handre famakian-teny sy fifanakalozan-kevitra momba ny Soratra Masina (Matio 4:23; Lioka 4:15-21). Nitory tamin’ny olona koa i Jesosy teny amin’ny arabe, teny amoron-dranomasina, teny an-tendrombohitra, teo akaikin’ny fantsakana iray tany ivelan’ny tanàna iray sy tany amin’ireo trano. Nitory tany amin’izay rehetra nisy olona i Jesosy. — Matio 5:1, 2; Marka 1:29-34; 2:1-4, 13; 3:19; 4:1, 2; Lioka 5:1-3; 9:57-60; Jaona 4:4-26.
15. a) Inona avy moa no toromarika nomen’i Jesosy an’ireo mpianany rehefa naniraka azy ireny hitory izy? b) Ahoana no anazavan’ny mpivaofy tenin’ny Baiboly sasany ny Matio 10:11?
15 Rehefa naniraka ireo mpianany hitory i Jesosy, dia naniraka azy ireny nivantana ho any amin’ny olona koa; izany no asehon’ny toromarika nomeny azy ireo, ao amin’ny Matio 10:1-15, 40-42. Izao no ambarany eo amin’ny andininy faha-11: “Ary izay tanàna na vohitra hiakaranareo, dia fantaro tsara izay miendrika ao; ka mitoera ao aminy mandra-pialanareo.” Mandika an’io andininy io toy izao ny Baibolin’i Jerosalema: “Ataovy izay hanondroana aminao olona mendri-kaja”; toy ny hoe tsy maintsy niteny tamin’olona ambony na mahafanta-javatra tsara tao amin’ilay tany ireo mpianatra mba hahafantarana hoe iza no nanana laza tsara ka noho izany dia mendrika ny handray ny hafatra (jereo Osty sy Fandikan-teny Eokomenikan’ny Baiboly). Toy izany no fanazavan’ny mpivaofy teny sasany momba ny Baiboly ny Matio 10:11.
16. Araka ny fandinihana hita fototra kokoa ireo toromarik’i Jesosy voasoratra ao amin’ny Matio 10:11, ahoana no tokony hitadiavan’ny apostoly ireo olona mendrika ny hafatra?
16 Aoka tsy hohadinointsika anefa fa ny ankamaroan’ireo teolojiana ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana dia tsy mandeha isan-trano ary mpivaofy tenin’ny Baiboly maro no mirona hilaza ny hevitry ny Soratra Masina araka ny fahazavan’ny fanandraman-javatra efa hitan’izy ireo manokana. Nefa kosa, raha dinihina amin’ny fomba tsy miangatra kokoa ireo toromarik’i Jesosy dia tsapa fa nanoro hevitra an’ireo mpianany izy mba hitady ny olona tsirairay, na isan-trano, na ampahibemaso, ka hampiseho amin’izy ireny ny hafatra momba ilay Fanjakana (Matio 10:7). Ny fomba nandraisan’ireny olona ireny ny hafatra no nampiseho raha mendrika izy ireny na tsia. — Matio 10:12-15.
17. Inona no manaporofo fa ireo mpianatr’i Jesosy dia tsy nianina tamin’ny fitsidihana ny olona natoro azy na nifanaovany fotoana?
17 Ny tenin’i Jesosy voatantara ao amin’ny Matio 10:14 dia manampy antsika hahatakatra io raharaha io: “Ary izay tsy hampandroso anareo, na tsy hihaino ny teninareo, raha miala amin’izany trano na tanàna izany hianareo, dia ahintsano ny vovoka amin’ny tongotrareo.” Asehon’i Jesosy eo fa ho any an-tranon’ny olona tsy nasaina ireo mpianany, ka hitory amin’izy ireny ny vaovao tsara. Marina fa hekeny koa ny fampiantranoan’ny anankiray amin’ireo fianakaviana izay handray tsara ny hafatra (Matio 10:11), ny zava-dehibe indrindra anefa dia ny fitoriana. Izao no vakintsika ao amin’ny Lioka 9:6: “Dia lasa nandeha izy ireo ka nitety vohitra nitory ny filazantsara sy nahasitrana teny tontolo eny.” (Jereo Lioka 10:8, 9). Ireo olona mendrika ny hafatra ka nandray tao an-tranony ireo mpianatra satria mpaminany izy ireny, ary angamba nanolotra ho azy ‘rano mangatsiaka eran’ny kapoaka” na ny fampiantranoana koa aza, dia tsy hamoy ny valim-pitiany: handre ny hafatra momba ilay Fanjakana izy ireny. — Matio 10:40-42.
18, 19. a) Araka ny Asa. 5:42, ahoana no fomba nitorian’ireo kristiana voalohany? b) Inona no mampiseho amintsika fa ao amin’ny Asa. 20:20, 21 i Paoly dia miresaka ny amin’ny fanompoana notanterahiny teo amin’ireo tsy mpino, fa tsy hoe fitsidihana ondry atao any an-tranon’ny kristiana?
18 Izao no azo vakina momba ireo apostoly taorian’ny nanorenana ny kongregasiona kristiana: “Ary tsy nitsahatra nampianatra sy nitory an’i Jesosy ho Kristy isan-andro teo an-kianjan’ny tempoly sy tao an-trano izy.” (Asa. 5:42; jereo Baiboly misy fanamarihana, fan. angl. tamin’ny 1984, fanamarihana). Ny fitenenana grika nadika hoe “tao an-trano [isan-trano, MN ]” dia kat’ oïkon. Eo, ny hoe kat[a] dia amin’ny heviny milaza fizarana. Noho izany, dia ho azo atao ny hilaza fa nozaraina isan-trano ny fitorian’ny mpianatra. Tsy nanao fitsidiham-pisakaizana tamin’ny fotoana nety tamin’ny olona fotsiny izy ireny. Ao amin’ny Lioka 8:1, dia ahitana fampiasana sahala amin’izany ny teny hoe kata, ao amin’ny fitenenana hoe “nitety ny tanàna sy ny vohitra”.
19 Ao amin’ny Asa. 20:20, ny apostoly Paoly dia mampiasa io fitenenana io koa, saingy milaza maro: kat’ oïkous. Izao no ambarany: “Tsy mba nafeniko izay mahasoa, fa (...) nampianariko anareo teo imason’ny olona ary tao amin’ny isan-trano.” Io fitenenana io, nadika eto hoe “isan-trano”, ao amin’ny fandikan-teny sasany dia adika hoe “ao amin’ireo tranonareo”. Noho izany, araka ny filazan’ny mpivaofy tenin’ny Baiboly sasany ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, dia hoe nanisy fitenenana ny amin’ny fitsidihana ondry atao any an-tranon’ny kristiana i Paoly eo amin’io andinin-teny io. Ny andininy manaraka anefa dia mampiseho fa i Paoly dia niresaka ny amin’ny fanompoana notanterahiny teo amin’ireo tsy mpino. Izao tokoa no nolazainy: “Ary nambarako tamin’ny Jiosy sy ny jentilisa koa ny fibebahana amin’Andriamanitra sy ny finoana an’i Jesosy Kristy Tompontsika.” — Asa. 20:21.
20. Manao ahoana amin’izao androntsika izao ny halehiben’ny asa fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakana ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah? b) Inona moa no fanontaniana apetraky ny olona sasany momba ny maha-mety ny hanohizana hitory?
20 Mety àry ny hampiasana an’io fomba io mba hanatonana ny olona amin’izao androntsika izao izay tokony ‘hitoriana ny vaovao tsaran’ny fanjakana amin’ny tany onenana manontolo ho vavolombelona ho an’ny firenena rehetra’. (Matio 24:14, MN.) Hatramin’ny 65 taona mahery ny Vavolombelon’i Jehovah dia mitory amin-jotom-po ny vaovao tsara ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra efa tafaorina; manao izany ampahibemaso sy isan-trano izy ireo, ary any amin’ny tany 200 izany ankehitriny. Fanambarana mahery re izany! Afa-tsy izany koa, dia tanterahina io asa io raha mbola “lalodalovana” ny sofin’ny ankamaroan’ny mpiara-belona amintsika, ka miseho ho sosotra mihitsy aza ny sasany (Matio 13:15). Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no mikiry mitory any amin’ny faritra andavan’ny olona ny hihaino azy ireny, na anoherany azy mihitsy aza? Resahina ao amin’ny lahatsoratra manaraka io raharaha io.
Ahoana no havalinao?
◻ Araka ny Soratra Masina, inona no nampiavaka ny fanompoan’i Jesosy?
◻ Inona avy no toromarika momba ny fanompoany, noraisin’ireo apostoly?
◻ Asa inona no tokony hotanterahina amin’izao androntsika izao, ary nahoana?
◻ Iza koa, araka ny fandrindran-kevitra, no ampiasain’i Jehovah mba hitory ny vaovao tsara amin’izao androntsika izao?
◻ Aiza ary ahoana moa no tokony hanaovana ny fitoriana?