Mandre ny vaovao tsara ny nosy Thursday
MANAMARIKA tsipika biloka eny amin’ny lanitra ny fiaramanidina; ny hany tazanay dia antoko-nosy samy hafa bika sy habe ao anatin’ny ranomasina manga be. Rehefa nanakaiky ny tany izahay, dia nahita niavaka ny lalana; bitika ilay izy, nefa endrey ny fahamaivamaivanana!
Nidina teo amin’ny nosy Horn izahay. Tamin’ny aotobisy, dia tonga hatreny amin’ny fefiloha fijanonan’ny sambo izahay ary avy eo ny zahatra kely iray dia nitatitra anay hatreny amin’ny nosy Thursday, ny afovoany amin’ireo nosy ao amin’ny andilan-dranomasin’i Torres. Izany dia fitohitohiza-nosy mitokotoko eo anelanelan’i Aostralia, eo amin’ny tendrony avaratra amin’i Queensland, sy Papouasie-Nouvelle-Guinée.
Mandritra ny vanin-taona mafana sy mando (janoary ka hatramin’ny may), dia maitso sy mandrobona ny zavatra rehetra. Indraindray, ny rivo-doza mahery vaika dia mahatonga hampidi-doza ny fitana eo amin’ny nosy iray mankeo amin’ny nosy hafa. Amin’ny tapany sisa amin’ny taona, dia tsy misy afa-tsy fahamainana sy vovoka.
Tonga eo amin’ireo nosy ireo ny vaovao tsara
Tamin’ny 1938 ny Lightbearer no nijanona kely tao amin’ireo nosy ireo talohan’ny hanohizana hatrany India atsinanana neherlanday (Indonezia ankehitriny). Io sambokely 16 metatra an’ny Fikambanana Watch Tower io dia nitondra Vavolombelon’i Jehovah fito dodona ny hampahafantatra ny hafatra fanantenana raketin’ny Baiboly.
Tsy fantatr’izy ireo fa tody tany tokoa ho tamin’izany fotoana izany koa ny misionera iray ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Nanakivy ireo mponin’ny nosy izy mba tsy hihaino ny Vavolombelona na handray ny zavatra vitany an-tsoratra. Rehefa nahita Vavolombelona tonga tao an-tranony anefa ny tenany, dia naka boky efatra tamin’izy ireo. Rehefa nahita izany ny mponin’ny nosy sasany dia nifampiresaka hoe: ‘Nahoana no afaka mandray amin’izany izy fa tsy isika?’ Ny harivan’iny ihany ireo Vavolombelona dia nandamina fandefasan-tsary “diapositives” ary ny anankiray tamin’izy ireo dia nipetraka teo ivelany niaraka tamin’ny baoritra feno boky. Tonga ny mpividy voalohany: nanolotra vola an’ilay Vavolombelona tao amin’ny maizina ny tanana iray ary nangataka boky iray taminy ny feo; avy eo dia toy izany koa no nataon’ny tanana hafa, dia hafa iray koa, hany ka zara raha nisy adiny iray, dia nahazara boky 200 izy! Tatỳ aoriana, ilay misionera avy amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana dia nanandrana, nefa tsy nahomby, nampiasa ireo boky noraisiny mba hanohanana fiampangana ny Vavolombelona.
Fiforonan’ny kongregasiona iray
Nijanona tsy nisy fanondrahana ela izany voan’ny fahamarinana voalohany izany. Tsy nahita fahatongavan’ny fanampiana vaovao ireo nosy any lavitra ireo raha tsy tamin’ny faran’ireo taona 50. Nalefan’ny Fikambanana Watch Tower tany ny mpitory manontolo andro roa, narahin’ny Rudd, fianakaviana iray nisy olona telo tonga mba hiasa any amin’izay nilana izany indrindra. Tsy ela dia voaforona ny kongregasiona kely iray tao amin’ny nosy Thursday.
Sarotra ny fotoana: tetsy an-daniny, dia nahalana ny Vavolombelona no afaka nahita trano hampiasaina ary, tetsy an-kilany, dia nianjadian’ny fanoherana mafy avy amin’ny fitondram-panjakana sy ireo fivavahana teo an-toerana izy ireo. Tamin’ny voalohany, ilay kongregasiona dia nivory tao amin’ny efitra kely iray teo ambonin’ny lafaoron’ny fanaova-mofo indrindra. Azonareo an-tsaina ny tsy maintsy ho hafanana tao amin’io faritry ny tropika io!
Noho ny fahatsapany fa nilainy ny hitanana fahasalamana ara-panahy tsara, dia tapa-kevitra ireo Vavolombelona ny hanatrika fivoriambe iray tany amin’ny kontinanta, tany Aostralia, izay ny moron-tsirany dia tany amin’ny 1300 kilaometatra. Noho izy ireo tsy afaka nandeha fiaramanidina, dia nitady fomba hafa izy mba hankanesana any, ary nivavaka tamin’Andriamanitra.
Voalohany indrindra, dia nividy sambo mpanjono perla tranainy tsy nisy maotera, helisy, lay sy vatofantsika, izy ireo. Rehefa nikaroka tao amin’ny vakivakin-tsambo izy ireo dia nahita sambokely nisy maotera “diesel” lehibe nanana varingarina dimy sy vatakelin’ny fanafainganana iray. Taorian’izany fividianana izany, dia faly koa izy ireo nahita lay, vatofantsika sy kanonkanona maro hafa koa. Mbola tsy nisy foana anefa ny tahona maotera sy ny helisy.
Nangataka tamin’ny tompon’ny fanamboaran-tsambo iray ny rahalahy Rudd raha mba afaka hitady ireo zavatra ireo izy. Namaly tamim-pihomehezana io fa raha nahita tahona maotera izy dia afaka nitondra izany. Gaga aoka izany izy io, satria nahita anankiray ny rahalahy Rudd! Andro vitsivitsy tatỳ aoriana, indray maraina, dia nandeha isan-trano ny rahalahy Rudd raha nahadona zavatra tao anaty ahitra lava: helisy io, ny nilaina tamin’ny sambon’izy ireo indrindra!
Vonona ilay sambo; hiainga sisa ireo mpikambana dimy amby roapolo tao amin’ny kongregasiona, hanao dia fito andro. Tamin’ny fotoana hiaingana, dia “namosavy” azy ireo ny mpanao ody ratsy teo an-toerana. Indray alina, dia nihitsoka teo amin’ny harambato iray ilay sambo. Nanararaotra izany fotoana nijanonana izany ireo mpandeha mba hanjonoana tsara ary, ny maraina, ny onja niakatra dia nampandeha ilay sambo indray, fa saingy tsy maintsy nanaisotra ny rano tao an-tsambo ireo mpandeha nandritra ny tapany sisa tamin’ny dia.
Rehefa tonga tao amin’ny moron-tsiraka aostraliana tany Townsville ireo Vavolombelona, dia tonga nanatona azy ireo ny mpanorina sambo nanankarena iray. Toa tena namaky tamin’ny gazety ny fitantarana ny fiezahan’izy ireo mba hanatrika ny fivoriambe izy io, ka naniry hanampy azy ireo. Tiany ny hanamboatra ilay sambo, na dia tsy afaka nandoa vola na nanampy tamin’ny asa aza ireo Vavolombelona, satria nanatrika ny fivoriambe. Rehefa avy eo, dia tsy nangataka tamin’ny afa-tsy 40 livres (4800 ariary) izy fa tsy 500 livres (60000 ariary) notakina mandrakariva.
Hatrany amin’ireo nosy hafa
Teo ambany fitarihan’i Jehovah, dia tonga tany amin’ireo nosy lavitra koa ny hafatra momba ilay Fanjakana. Ohatra, ny rahalahy Rod Anderson sy Allan Webster, izay nanorim-ponenana tany amin’ny nosy Thursday taona vitsivitsy talohan’izay, dia nanao fanambarana tany amin’ireo nosy hafa tamin’ny fampiasana ny sambon’izy ireo. Amin’izao andro izao, dia roa ambin’ny folo amin’ireo nosy fito ambin’ny folo misy mponina no nahazo fanambarana.
Toeram-pivoriana mahafinaritra
Nandritra ny ela be anefa dia tsy nantenain’ireo rahalahy ny hahazo ny Efitrano Fanjakanany indray andro any tao amin’ny nosy Thursday. Tamin’izay no nataon’i Jehovah tsapa ny asan’ny fanahiny. Tamin’ny septambra 1983, ny rahalahy Graham Keen, izay za-draharaha tamin’ny fanaovan-trano, dia nandeha mba hitondra ny fanampiany tamin’ny fanorenana efitrano iray. Kongregasiona aostraliana maro no nanome tamim-pahalalan-tanana ireo fitaovana nilaina. Natao tao anaty “conteneurs” izany ary nentina an-tsambo avy ao Cairns, any Queensland, mba hapetraka eny amin’ny toeram-panorenana rehefa avy eo. Nampitolagaga an’ireo mponin’ny nosy izany fahatongavan-javatra tampoka sy be dia be izany. 140 andro monja dia ampy namitana ilay efitrano sy fonenana iray nifanolotra taminy. Nahavory mpanatrika 120 feno hafanam-po ny fitokanana azy io.
Faly aoka izany ireo Vavolombelona afaka nampiasa io Efitrano Fanjakana vaovao tanteraka io izay avy ao no hielezan’ny vaovao tsara any amin’ireo nosin’ny andilan-dranomasin’i Torres. Noho ny fanampian’ny fanahin’i Jehovah, dia faly izy ireo midera ny Mpamorona azy. — Isaia 42:12.