Ny fivoriamben’ny distrika “Ny fahamarinan’Andriamanitra”
NY TSY FISIAN’NY fahamarinana dia mahatonga fahoriana lehibe maneran-tany. Miteraka fijaliana tsy ara-drariny be dia be ireo fanamparam-pahefana fahita matetika eo amin’ny mpitondra ara-politika sasany. Ny fitiavan-karena mihoa-pampana mifehy ny varotra dia mitambesatra eo amin’ny olombelona ka miteraka fihafiana maro ho azy ireny. Ny fampahoriana koa dia avy amin’ny filoha ara-pivavahana mitovy amin’ireo tamin’ny andron’i Jesosy nasiany fitenenana hoe: “Mamehy entana sady mavesatra no sarotra entina izy ka manaingina izany eo amin’ny soroky ny olona, nefa ny tenany tsy mety manetsika izany na dia amin’ny rantsan-tànany anankiray aza.” (Matio 23:4). Ao anatin’ny faritry ny fianakaviana koa, dia miteraka tsy rariny ny fanamparam-pahefana betsaka.
Asehon’ny Tantara fa mba hahitana fanafodin’izany zava-dratsy izany, dia ho very maina foana ny fianteherana amin’ny olona, na dia hetsehin’ny fikasana tsara indrindra aza izy ireny. Any an-danitra kosa dia misy ny Fisiana sady Mpitsara tampony, Jehovah. Izy no Andriamanitry ny fahamarinana. Rariny ny an’i Mosesy raha nihira toy izao izy: “Ny amin’ny Vatolampy, tanteraka ny asany; fa ny làlany rehetra dia amin’ny rariny avokoa. Andriamanitra mahatoky Izy, ka tsy misy ratsy ao aminy; marina sy mahitsy izy.” — Deoteronomia 32:4.
Hatramin’ny ela be dia noleferin’i Jehovah ny tsy rariny rehetra eo amin’izao tontolo izao, nefa tsy hanao izany tsy misy farany izy. Noferany ny andro hanaovany zavatra, ka hahitana fahatanterahan’ny faminaniana ao amin’ny Isaia 14:4-7 ilazana fa ‘hiadana ny tany rehetra’.
Noho ny finoany tsy azo hozongozonina an’ireny fampanantenana ara-paminaniana ireny, dia tian’ny Vavolombelon’i Jehovah ny manambara hatraiza hatraiza fa tsy ho ela Jehovah dia hamarana ny fampahoriana rehetra, ny faharatsiana rehetra sy ny tsy rariny rehetra, amin’ny fanombohana ny fanapahana fenon’ny Fanjakany. Amin’izay dia tsy hisy mihitsy olona hahatonga loza na fandravana, satria ‘ny tany manontolo ho henika ny fahalalana an’i Jehovah, tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina’. — Isaia 11:9.
Mba hanamafisana ny finoantsika ny fitsaran’i Jehovah, ny fivoriamben’ny distrika amin’ny 1988 dia hanana ny foto-kevitra hoe “Ny fahamarinan’Andriamanitra”. Ny famelabelarana an’io foto-kevitra io dia tsy vitan’ny hoe hanosika antsika hampahafantatra ny fanantenantsika ny fahamarinan’Andriamanitra. Izany dia hanosika antsika koa hanao zavatra mifanaraka amin’ny fahamarinan’Andriamanitra amin’izay rehetra ataontsika.
Noho isika mpanompon’i Jehovah, dia fantatsika fa noho ny fahotan’ireo ray aman-drenintsika voalohany dia mirona ho tia tena sy hanao ny tsy rariny isika. Hankasitrahantsika àry ny fampianarana tsara horaisintsika amin’ny alalan’ireo lahateny araka ny Baiboly, ny fampisehoana, ny fanadinadinana sy ny tantara izay hanipika ny ilàna hanohana ny fahamarinan’Andriamanitra. Izany dia mifanaraka amin’ny baiko ao amin’ny Mika 6:8 izay milaza mba ‘hanao ny marina sy ho tia famindrampo ary hanaraka an’Andriamanitsika amin’ny fanetren-tena’. Izany fihetsika izany dia manamora ny firindrana, ny fahafahampo sy ny fifaliana; izany koa dia fanampiana mba hanohizana hitory ny vaovao tsara amin’ny tany manontolo.
Hiavaka izany fivoriambe izany satria tanàna maromaro no hifandray an-tariby ho amin’ny lahateny manokana hataon’ny mpikambana ao amin’ny Kolejy foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah. Toy izany koa fa hisy misionera maneran-tany hasaina handeha ho any amin’ny tany niaviany mba hahita indray ny fianakaviany.
Raha sitrapon’i Jehovah, ny fivoriamben’ny distrika “Ny fahamarinan’Andriamanitra” dia hanomboka ny alakamisy amin’ny 1 ora sy sasany antoandro ka hifarana ny alahady amin’ny 4 ora tolakandro. Ataovy ny fandaharantsika mba hahatongavana ao isan’andro rehefa hanomboka ny fandaharana, ary aoka isika hiomana ny hijanona isan’andro hatreo amin’ny hira sy ny vavaka farany. Tongava amim-pahazotoam-komana ara-panahy sy miaraka amin’ny fakana fitadidiana an-tsoratra. Matokia fa Jehovah dia manokana ho antsika “fanasana” amin’ny zavatra tsara izay hanatanjaka antsika sy hamporisika antsika ho amin’ny asa mbola tokony hatao. — Isaia 25:6; Tonon-kiran’i Solomona 2:4.
Eny, enga anie ny tsirairay avy amintsika mba samy ho tapa-kevitra ny handray soa ara-panahy faran’izay betsaka avy amin’ny fivoriamben’ny distrika “Ny fahamarinan’Andriamanitra”!
Toerana sy datin’ireo fivoriambe “Ny fahamarinan’Andriamanitra” amin’ny teny frantsay sy malagasy
Frantsa
28 ka hatramin’ny 31 jolay:
AVIGNON: Parc des Expositions, route de Marseille, Châteaublanc
BORDEAUX: Salle Polyvalente de Bordeaux-Mériadeck, cours du Maréchal-Juin.
GRENOBLEa: Palais des Sports, boulevard Clemenceau
LILLE 1: Foire Commerciale, Hall B, boulevard du Président-Hoover (misy fotoam-pivoriana amin’ny teny polone)
NANCY: Stande Marcel-Picot, 90, boulevard Jean-Jaurès, Tomblaine (misy fandaharana feno amin’ny teny italiana)
ORLÉANS: Parc des Expositions, 1, rue du Président-R.-Schuman
PARIS 1: Stade Yves-du-Manoir, 12, rue François-Faber, boulevard Pierre-de-Coubertin, Colombes (misy fandaharana feno amin’ny teny portiogay)
4 ka hatramin’ny 7 aogositra:
BASTIAb: Théâtre Municipal, rue César-Campinchi
DIJON: Parc des Expositions et Congrès, 3, boulevard de Champagne
LILLE 2: Foire Commerciale, Hall B, boulevard du Président-Hoover
LIMOGES: Parc des Expositions, boulevard Robert-Schumann
NANTESc: Nouveau Stade de la Beaujoire, route Saint-Joseph
NICE: Stade Charles-Ehrmann, Parc de l’Ouest, route de Grenoble
PARIS 2d: Stade Yves-du-Manoir, 12, rue François-Faber, boulevard Pierre-de-Coubertin, Colombes (misy fandaharana amin’ny teny anglisy, arabo, arameniana, vietnamiana sy fiteny ho an’ny moana sy marenina)
TOULOUSE: Parc et Foire Exposition, avenue du Grand Ramier
VALENCE: Parc des Expositions, Pavillon des Congrès, 16, avenue Georges Clemenceau
Guadeloupe
14 ka hatramin’ny 17 jolay:
LAMENTIN: Terrain des Congrès des Témoins de Jéhovah, Vincent
21 ka hatramin’ny 24 jolay:
LAMENTIN: Terrain des Congrès des Témoins de Jéhovah, Vincent
28 ka hatramin’ny 31 jolay:
LAMENTIN: Terrain des Congrès des Témoins de Jéhovah, Vincent
Guyane frantsay
25 ka hatramin’ny 28 aogositra:
CAYENNE: Centre Cultuel des Témoins de Jéhovah de la Guyane, P.K. 2,5 route de Stoupan, Matoury
Martinique
18 ka hatramin’ny 21 aogositra:
RIVIÈRE SALÉE: Centre Cultuel des Témoins de Jéhovah de la Martinique, Thoraille
Belgique
28 ka hatramin’ny 31 jolay:
BRUXELLES: Parc des Expositions
Suisse
4 ka hatramin’ny 7 aogositra:
GENÈVE: Palexpo
Madagascar
8 ka hatramin’ny 11 septambra:
ANTANANARIVO
22 ka hatramin’ny 25 septambra:
ANTSIRANANA
FIANARANTSOA
[Fanamarihana ambany pejy]
a Raikitra ireo fivoriambe ireo raha mbola hamafisina any aoriana.
b Raikitra ireo fivoriambe ireo raha mbola hamafisina any aoriana.
c Raikitra ireo fivoriambe ireo raha mbola hamafisina any aoriana.
d Raikitra ireo fivoriambe ireo raha mbola hamafisina any aoriana.