Manakoako any Alpa aotrisiana ny fahamarinana
RARINY ny hahafantarana an’i Aotrisy amin’ny taniny lavavolo fahita any Alpa, ny ala vienoazy ary Danioba manga mahafinaritra. Ireny toerana malaza ireny sy ny hafa koa dia manintona ho any amin’io tany kely ao afovoan’i Eoropa io, mpitsidika avy hatraiza hatraiza.
Tamin’ny volana aogositra lasa, tao anatin’ny vanin-taona naha-be indrindra ny mpihaza tany, dia mpitsidika teo amin’ny zato, solontenan’ny firenena 17, no tonga mba hijery zavatra hafa tanteraka. Tonga tao Vienne tokoa izy ireny mba hanatrika ny fitokanana trano vaovaon’ny sampana aotrisian’ny Fikambanana Watch Tower, izay nitarika ny asa fanambarana ilay Fanjakana ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah any Aotrisy.
Fiandohana tsotra
Ny sampan’ny Fikambanana voalohany dia nosokafana tany Vienne tamin’ny 1923, folo taona latsaka taorian’ny nitsidihana mponin’i Vienne efatra nanao famandrihana tamin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’izany. Tamin’izany fotoana izany, dia nahatratra zato ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana. Tatỳ aoriana, ny Ady Lehibe Faharoa sy ny nandresen’ny nazia dia nisedra mafy ireo rahalahy nahatoky sy niteraka fahasahiranana maro ho azy ireo. Naharitra ihany anefa izy ireo, hany ka 700 mahery izy ireny rehefa vita ny ady.
Tamin’ny 1957, dia novidina ny trano avo iray tao amin’ny 44 Gallgasse mba hikarakarana ny asa nitatra. Araka ny fandehan’ireo taona, dia nasiana fanovana maromaro izany mba hampifanarahana azy amin’ny fitomboan’ny asan’ilay Fanjakana tsy tapaka tao amin’ilay tany. Tamin’ny 1973, ny isan’ny mpitory dia nihoatra ny 10000. Natomboka ny volavolan-kevi-panitarana teo am-piandohan’ireo taona 80. Afaka tamin’ny farany ireo vato nisakana ara-pitsarana ary novidina ny tany nifanolotra tamin’ny sampana. Tamin’ny martsa 1983, ny fikambanana manokana iray dia nanomboka nanorina ny rafitr’ilay trano vaovao. Nanohy ny asa nony avy eo ireo rahalahy ary nahavita ny fanorenana.
“Manorina ny Betelantsika isika”
Vavolombelona avy any amin’ny vazan-tany efatra amin’i Aotrisy no nilatsaka an-tsitrapo hanao ny asa. “Manorina ny Betelantsika isika”, izany no teny baiko. Tonga tamin’ny fiarakodia na ny fiarabe izy ireny. Nisy faran’ny herinandro nahitana hatramin’ny 190 taminy. Notombanana ho iray tamin’ny dimy ny isan’ny mpitory tao amin’ilay tany nandray anjara tamin’io asa io. Nisy mpiasa za-draharaha tamin’izy ireo: mpanao mari-trano, mpanamboatra ny momba ny metaly, ets. Ny hafa nanome fitaovana na nampindrana ny trano fiasany. Ny sasany aza nandao ny asany ary tonga mba hiasa mandra-pifaran’ny fanorenana.
Ny rahalahy iray izay nandany tapany tamin’ny fotoam-pialany sasatra teny amin’ny toeram-panorenana dia nanoratra taminay hoe: “Ho tiako indray ny hisaotra anareo noho io herinandrom-pialan-tsasatra nahafinaritra io. Nihevitra ny tenako ho toy ny teo amin’ny nosy milamina iray teo afovoan’ny ranomasina misamboaravoaran’ny olombelona aho. Famporisihana nahafinaritra ho ahy izany na teo amin’ny lafiny ara-batana na teo amin’ny lafiny ara-anahy; ka izany rehetra izany dia nomena maimaimpoana.” Na dia ny ankizy kely aza dia afaka nandray anjara tamin’ny fanatanterahana ny volavolan-kevitra. Izao no nosoratan’ny anankiray tamin’izy ireny, valo taona: “Reko fa hoe mila vola ianareo mba hanorenana ny Betela. Ho tiako ny handefa aminareo ny tapany amin’ny vola voatahiriko. Ampiarahiko amin’ity taratasy ity ny 200 shillings [eo amin’ny 1000 ariary].” Ny hafa koa nanao mofo dipaina, nioty voankazo ary nanomana ranom-boankazo ho an’ireo mpiasa an-tsitrapo. Ireo mpitory tao amin’ny kongregasiona 36 any Vienne dia nanome fanalana hetaheta ho an’ny mpiasa isaky ny asabotsy, tamin’ny fotoana rehetra naharetan’ny fanorenana.
Ampy fitaovana ho amin’ny fitomboana
Raha heverina ny fanavaozana an’ilay trano tamin’ny voalohany sy ireo fanorenana vaovao manodidina azy, dia avo telo heny izao ny halalak’ireo tranon’ny sampana, eo amin’ny velaran-toerana 5400 metatra toradroa. Ahitana efitrano 38 ao, efitrano fihinanana mahalany olona 80, lakozia iray sy fanasan-damba iray. Ao an-damosin’ilay trano taloha indrindra no misy Efitrano Fanjakana vaovao iray. Ireo birao fitantanan-draharaha sy ireo sampan-draharaha hafa no mitana ny toerana sisa amin’ny trano.
Nitokanana ny 22 aogositra 1987 ireo trano vaovaon’ny sampana. Tamin’ireo nasaina 282, dia nisy mpitsidika eo amin’ny zato avy amin’ny sampana eoropeana 16 sy solontenan’i Korea iray. Eo amin’ny zato koa ny Vavolombelona aotrisiana tafita velona tamin’ireo fitsapana tamin’ny Ady Lehibe Faharoa. 102 taona ny zokiny indrindra. Tsy iza izany fa ny anabavy Maria Hack, avy any Graz. Ny fandaharam-pitokanana dia nampitaina an-tariby koa tany amin’ny toerana fito samy hafa ary narahin’ny mpanatrika 6810.
Anisan’ireo mpandahateny niavaka indrindra tamin’ny fandaharam-pitokanana, dia azo natao ny nandre ny rahalahy T. Jaracz sy M. Henschel, anisan’ny Kolejy foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Brooklyn (New York). Araka ny foto-kevitra hoe “Sampana mamoa ho fiderana an’i Jehovah”, ny rahalahy Jaracz dia nampiasa ny teny ao amin’ny Jaona 15:2, 8 mba hampisehoana fa ireo sampana (“rantsana” amin’ny teny anglisy) dia manome voninahitra an’i Jehovah rehefa mamoa be. Ireny trano vaovao ireny dia mandray anjara be dia be amin’ny famoazana ho voninahitr’i Jehovah.
Tamin’ny lahateny fitokanana, ny rahalahy Henschel dia nanipika fa Jehovah dia Andriamanitra manana fikasana. Tsy vitan’ny hoe nampahafantatra ny fikasany mialoha izy, fa nasehony koa fa hainy ny manatontosa izany. Afaka matoky isika fa ho tanteraka ny fikasan’Andriamanitra, na dia ao aza ny fanoheran’i Satana.
Teo am-pifaranan’io andro io, ny mpanatrika rehetra dia nahatsiaro ho nahazo fampaherezana mba hanohy ny asa fitoriana tamin-kery nohavaozina. Tsy isalasalana fa ireo trano mahafinaritra ireo dia hahatonga ny Vavolombelona aotrisiana ho afaka hampanakoako ny vaovao tsaran’ny Fanjakana amin’ny fomba mitatra tsy mbola nisy toy izany mihitsy any amin’io tany any Alpa io, ho voninahitra sy fiderana ilay Mpamorona Lehibe, dia Jehovah.
[Sary, pejy 23]
Ny trano vaovao, hita evy eo amin’ny zaridaina.
Ny Efitrano Fanjakana.
Ny fidirana lehibe indrindra.
Ilay trano vaovao, miaraka amin’ny trano nohavaozina eo ankavanana.