Fanontanian’ny mpamaky
■ Araka ny fanazavan’ny tenin’i Jesosy voalaza ao amin’ny Jaona 15:15, moa ve ny kristiana tokony hihevitra ny tenany ho ‘mpanompon’i Jesosy’ sa kosa hihevitra fa ‘sakaizany’?
Afaka sady tokony hihevitra ny tenantsika ho mpanompony sady ho sakaizany isika. Mba hahatakarana tsara kokoa an’io hevitra io, dia aoka hojerentsika izay nolazain’i Jesosy tamin’ireo apostoliny nahatoky tamin’ny alina farany niaraha-nandany tamin’izy ireo: “Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany. Hianareo no sakaizako raha manao araka izay andidiako anareo. Tsy hataoko hoe mpanompo intsony hianareo, fa ny mpanompo tsy mahalala izay ataon’ny tompony; efa nataoko hoe sakaiza hianareo, satria izay rehetra reko tamin’ny Raiko no nambarako taminareo.” — Jaona 15:13-15.
Voalohany indrindra, inona no tian’i Jesosy holazaina rehefa nanambara izy fa mpanompo ireo mpianany nahatoky? Tsy niresaka ny amin’ny fanandevozana ny taranak’i Adama izay teraka tsy tanteraka, namidy na nandevozin’ny ota akory izy (Jaona 8:34; Romana 5:18, 19; 6:16; 7:14). Sahala amin’ireo kristiana ho avy atỳ aoriany, taloha ireo apostoly dia teo ambanin’izany karazam-panandevozana izany, kanefa ny soron’i Jesosy dia nanome ny fomba hanafahana azy ireo tamin’izany (1 Petera 1:18, 19; Galatiana 4:5). Tsy hanana fahafahana feno anefa izy ireo hatreo. Araka ny hosoratan’ny apostoly Paoly atỳ aoriana, dia “olom-boavidy” izy ireny, tamin’ny ran’i Jesosy, ka noho izany dia tonga andevon’Andriamanitra sy Kristy. — 1 Korintiana 6:20; 7:22, 23.
Ao amin’ny Jaona 15:15, Jesosy dia tsy te-hilaza akory fa ireo apostoly nahatoky, izay hahazo ny fanahy masina ka ho tonga kristiana voahosotra dia tsy mpanompo intsony (jereo Jaona 15:20). Mazava ho azy fa tsy feno fampijaliana akory ny hoe eo ambany fifehezan’Andriamanitra amin’ny alalan’i Kristy ary tsy mitondra ho amin’ny fahafatesana. Voamariky ny fitiavana kosa izany ary mahatonga ho afaka ny ho velona hatrany (2 Timoty 4:8; Titosy 1:1, 2). Ny kristiana izay manaiky amim-pifaliana ny vidin’ny ran’i Kristy ka tonga mpanompon’Andriamanitra dia tsy iharan’ny fahafatesana tanteraka raha tsy manjary mandà io sorona io, manaram-po amin’ny fahotana indray ka tonga andevon’izany indray (Galatiana 1:10; 4:8, 9; Hebreo 6:4-6). Noho izany, ireo mpianatr’i Jesosy dia ho mpanompon’Andriamanitra sy Kristy hatrany. Hihoatra lavitra noho ny mpanompo anefa izy ireny. Amin’ny heviny ahoana?
Fantatr’i Jesosy sy ireo apostoly tsara ny fifandraisana nangatsiaka na nisy fanaraham-pomba fahita tamin’izany fotoana izany teo amin’ny tompo iray sy ny mpanompony, satria “ny mpanompo tsy mahalala izay ataon’ny tompony”. Raha ny ara-dalàna, ny tompo iray dia tsy miara-nidinika tamin’ny andevo izay novidiny, ary tsy nampiharihary taminy na ny heviny na ny fihetseham-pony miafina.
Asehon’ny tenin’i Jesosy fa hafa noho izany no nitranga tamin’ireo apostoly. Hoy izy tamin’ireo: “Efa nataoko hoe sakaiza hianareo, satria izay rehetra reko tamin’ny Raiko no nambarako taminareo.” (Jaona 15:15). Marina tokoa fa toy ny atao amin’ny sakaiza akaiky, dia nampiharihary andinindinin-javatra tamin’izy ireny i Jesosy ary nanome fanazavana ny amin’ny zavatra notanana ho tsiambaratelo (Matio 13:10-12; 1 Korintiana 2:14-16). Na dia mbola mpanompo na andevon’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesosy foana aza ireo apostoly dia nanana fifankazarana mafana izay nahatonga azy ireny ho sakaiza mendrika itokisana koa (jereo Salamo 25:14). Mety ary tokony ho voamarina koa izany eo amintsika. Toy inona moa ny tombontsoa manana Tompo any an-danitra izay matoky antsika sy manaja antsika, raha lazaina amin’ny teny indraim-bava, izay mihevitra antsika ho sakaiza!