Efa Ela no Niadiana Tamin’ny Fanandevozana
“Izao no fiainan’ny andevo: ampijalina nefa miaritra, anaovana herisetra mba hanaiky ny tsy rariny.”—Euripide, Grika mpanoratra tantara an-tsehatra tamin’ny taonjato fahadimy talohan’i Kristy (T.K.).
LAVA ary matetika mahatsiravina ny tantaran’ny fanandevozana. Efa hatramin’ny andron’i Ejipta sy Mezopotamia no nisy firenena natanjaka nanandevo ny firenena osa nanodidina azy. Nanomboka tamin’izany àry ny iray tamin’ireo tsy rariny mampalahelo indrindra ataon’ny olombelona.
Nanandevo firenena iray manontolo nisy olona an-tapitrisa maromaro i Ejipta, teo anelanelan’ny taona 2000 sy 1000 T.K. (Eksodosy 1:13, 14; 12:37) Nanana andevo iray, fara fahakeliny, ny ankamaroan’ny fianakaviana grika, rehefa nanjaka tany amin’ny faritra mediteraneanina i Gresy. Ara-dalàna toy ny ananan’ny fianakaviana any amin’ny tany sasany fiarakodia iray izany. Nanamarina ny fanandevozana i Aristote, filozofa grika, ka nilaza fa mizara ho sokajy roa ny taranak’olombelona, dia ny tompo sy ny andevo, ka ny tompo manana zo handidy, fa ny andevo kosa nateraka hankatò.
Nampiroborobo ny fanandevozana nihoatra noho ny Grika aza ny Romanina. Mety ho ny antsasaky ny mponina ana hetsy tany Roma no andevo, tamin’ny andron’ny apostoly Paoly. Toa tsy maintsy nahazo andevo 500 000 isan-taona koa ny Fanjakana Romanina, mba hampanaovina fanorenana, hiasa tany amin’ny toeram-pitrandrahana, hamboly, ary hiasa tao amin’ny tranoben’ireo mpanan-karena.a Mazàna ireo babo an’ady no natao andevo, ka io fanirian’i Roma hahazo andevo io no tsy maintsy ho nandrisika azy hiady tsy misy farany.
Mbola nisy ny fanandevozana, na dia somary nihena aza, rehefa nianjera ny Fanjakana Romanina. Andevo ny 10 isan-jaton’ny mpiasa tany Angletera tamin’ny Moyen Âge, araka ny Bokin’ny Fitsarana Farany (1086). Mbola nahazoana andevo koa ny fanafihana natao.
I Afrika anefa no voa mafy indrindra tamin’ny varotra andevo, taorian’ny andron’i Kristy. Efa talohan’ny andron’i Jesosy ny Ejipsianina no nivarotra sy nividy andevo etiopianina. Nanafatra andevo i Eoropa sy Moyen-Orient ka Afrikanina 18 tapitrisa teo ho eo no nentina tany, nandritra ny 1 250 taona teo ho eo. Nisokatra ny tsenan’andevo vaovao, rehefa nanomboka ny fanjanahana an’ireo tanin’i Amerika tamin’ny taonjato faha-16. Vetivety foana àry dia nanjary anisan’ny fandraharahana faran’izay nahazoam-bola be ny fividianana sy fivarotana andevo nanerana an’i Atlantika. Tombanan’ireo mpahay tantara ho maherin’ny 12 tapitrisa ireo andevo nalaina tatsy Afrika, teo anelanelan’ny 1650 sy 1850.b Namidy tany amin’ny tsenan’andevo ny ankamaroany.
Ady amin’ny fanandevozana
Efa ela no niady ny isam-batan’olona sy ireo firenena mba hanafahan-tena tamin’ny fanandevozana. Nitarika andevo romanina 70 000 i Spartacus, tamin’ny taonjato voalohany T.K., mba hiadiana ho an’ny fanafahana, nefa tsy nahomby. Nahomby kokoa ny fikomian’ny andevo tany Haïti, roanjato taona teo ho eo izay, ka natsangana tamin’ny 1804 ny fitondram-panjakana nahaleo tena.
Naharitra ela be ny fanandevozana tany Etazonia. Nisy andevo niady mafy mba hanafahana ny tenany sy ny havan-tiany. Nisy koa tsy andevo nefa niady tamin’ny fanandevozana, ka nanohana ny fanafoanana azy io, na nanampy ny andevo nandositra. Tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-19 anefa vao nisy lalàna nandrara ny fanandevozana nanerana an’i Etazonia. Ahoana kosa ny ankehitriny?
Very maina ve ireo ady natao?
“Tsy misy olombelona azo andevozina na hampanompoana. Rarana ny fanandevozana sy varotra andevo na inona na inona endrika isehoany”, hoy ny Fanambarana Iraisam-pirenena Momba ny Zon’olombelona. Tena tanjona mendri-kaja io nambara tamin-kafanam-po tamin’ny 1948 io. Maro ny olona tso-po nanokana ny fotoanany sy ny heriny ary ny fananany mba hanatratrarana io tanjona io. Tsy mora anefa ny nanatratra izany.
Asehon’ilay lahatsoratra teo aloha, fa mbola an-tapitrisa ny olona miasa maina, ao anatin’ny toe-piainana mampahonena, ary maro aminy no novidina na namidy an-keriny. Misy ny ezaka atao amin-kitsim-po mba hanafoanana ny fanandevozana, ary misy fanaovana sonia fifanarahana iraisam-pirenena handrarana azy io. Mbola tanjona tsy mety tratra ihany anefa ny tena fahafahana ho an’ny rehetra. Nahatonga ny fanandevozana an-tsokosoko hahazoam-bola bebe kokoa ihany ny fanatontoloana ny toe-karena eran-tany. Toa vao mainka mangeja ny ampahany lehibe amin’ny taranak’olombelona aza ny fanandevozana. Mampamoy fo ve ny toe-javatra? Andeha hojerentsika.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Lazain’ny boky tranainy iray fa angamba nanana andevo hatramin’ny 20 000 ny Romanina sasany tena nanankarena.
b Nilaza ny mpitondra fivavahana maty eritreritra sasany fa neken’Andriamanitra io fivarotana olona io. Vokatr’izany, dia mbola maro ny olona mihevitra fa manamarina ny habibiana toy izany ny Baiboly, nefa diso izany. Vakio ilay lahatsoratra hoe “Ny Fiheveran’ny Baiboly: Nanala Tsiny ny Fivarotana Andevo ve Andriamanitra?”, ao amin’ny Mifohaza! 8 Septambra 2001.
[Sary, pejy 4, 5]
Mazàna no namidy tany amin’ny tsenan’andevo tany Amerika ireo olona nentina tamin’ny sambo fitondrana andevo avy tatsy Afrika (ambony)
[Sary nahazoan-dalana]
Godo-Foto
Archivo General de las Indias