Aoka isika hitandrina ny fahadiovantsika ara-tsaina sy ara-batana
“Atolory ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak’Andriamanitra.’ — ROMANA 12:1.
1. Araka ny nosoratan’ny apostoly Paoly, nahoana no ilaina ny fahadiovana ara-tsaina sy ara-batana?
NA IZA NA IZA maniry hanompo an’i Jehovah, ilay Andriamanitra masina, dia tokony hadio amin’ny lafiny ara-panahy sy ara-pitondrantena izy. Araka ny fifandrindran-kevitra dia tokony hadio amin’ny lafiny ara-tsaina sy ara-batana koa izy. Noho ny toetr’izao fandehan-javatra ankehitriny izao, ireo izay mivoaka avy ao aminy mba hanompo an’i Jehovah dia tsy maintsy mitondra fiovana, tsy eo amin’ny fomba fiheviny ihany fa matetika tokoa amin’ny fahazarany manokana koa. Nanoratra tamin’ireo kristiana tany Roma ny apostoly Paoly hoe: “Mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindrampon’Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak’Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany. Ary aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao; fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina.” (Romana 12:1, 2). Inona no tafiditra amin’ny fahadiovana ara-tsaina sy ara-batana?
Ny fahadiovana ara-tsaina
2. Amin’ny ahoana no mety hitarihan’ny masontsika sy ny fontsika antsika hanaraka fitondrantena ratsy, ary inona no tokony hatao mba tsy hahatongavan’izany?
2 Na dia talohan’ny namoahana ny Lalàna aza, dia efa nasehon’i Joba nahatoky fa ny masontsika sy ny fontsika dia mety hitarika antsika ho amin’ny fitondrantena ratsy raha tsy fehezintsika. Hoy izy: “Efa nampanekeko ny masoko; koa hataoko ahoana indray no fijery zazavavy? Raha tàhiny adala tamin’ny vadin’olona ny foko, (...) fahavetavetana izany, eny, heloka tokony hotsarain’ny mpitsara.” (Joba 31:1, 9-11). Raha mirenireny ny masontsika ary raha miovaova ny fontsika, dia tokony hanitsy ny saintsika amin’ny alalan’ny “fananarana mampahahendry” isika. — Ohabolana 1:3.
3, 4. a) Inona no asehon’izay nitranga tamin’i Davida sy Batseba, ary inona no ilaina ny hanaovana azy mba hanariana ireo fahazaran-dratsy ara-tsaina? b) Nahoana no tokony hitandrina indrindra ny amin’io raharaha io ny loholona?
3 Namela ny masony hitarika azy hijangajanga tamin’i Batseba i Davida mpanjaka (2 Samoela 11:2, 4). Izay niseho taminy dia mampiseho fa na dia ireo lehilahy nanankinan’i Jehovah andraikitra lehibe aza dia mety ho latsaka ao amin’ny fahotana raha tsy mifehy ny sainy. Indraindray dia ilaina ny manao fiezahana mafy mba hiovan’ny fahazaran’ny saina. Ilaina koa ny mivavaka amin’i Jehovah amim-pahazotoana mba hanomezany antsika ny fanampiany. Rehefa nibebaka tamin’ny fahotany tamin’i Batseba i Davida, dia nanao izao vavaka izao: “Amoròny fo madio aho, Andriamanitra ô; ary havaozy hiorina marina ny fanahiko [ny saiko, MN ] ato anatiko.” — Salamo 51:10.
4 Ireo loholona ao amin’ny kongregasiona kristiana dia tokony hitandrina indrindra mba tsy hamboly fanirian-dratsy izay mety hitarika azy ireny hanao fahotana lehibe (Jakoba 1:14, 15). Paoly dia nanoratra izao tamin’i Timoty izay loholona: “Fa ny anton’ny didy dia fitiavana avy amin’ny fo madio sy ny fieritreretana tsara ary ny finoana tsy mihatsaravelatsihy.” (1 Timoty 1:5). Ho fihatsarambelatsihy avy amin’ny loholona anankiray tokoa ny miantsoroka ny andraikiny ara-panahy sady mamela ny masony hampitsiry ao am-pony faniriana hanao zavatra tsy madio.
5. Inona no tokony hariana mba hiarovana ny fahadiovan’ny tena ara-tsaina?
5 Isika kristiana dia tokony hanao izay rehetra azontsika atao mba hiarovana ny fahadiovantsika ara-tsaina. Izany dia midika hoe tokony handa ny sarimihetsika sy fandaharana ao amin’ny televisiona ary vakiteny izay mety hanimba ny saintsika isika. Ny fahasalamana tsara ara-tsaina dia mitaky ny hanaovana fiezahana mafy mba hampifantoka ny saina amin’izay “marina, (...) mahitsy, (...) madio”. “Raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia hevero izany”, hoy ny apostoly Paoly. — Filipiana 4:8.
Ny fahadiovana ara-batana
6. a) Manomeza ohatra avy ao amin’ny bokin’ny Levitikosy mampiseho fa zavatra notakina teo amin’ny Isiraely ny fahadiovan’ny isam-batan’olona sy ny fitambaran’olona. b) Inona no zava-nokendren’izany karazan-dalàna izany?
6 Voalaza fa “akaikin’ny fitiavam-pivavahana ny fahadiovana”. Marina fa tsy voatery ho tia fivavahana ny olona iray madio amin’ny lafiny ara-pitondrantena sy ara-batana. Kanefa takina amin’ny olona tia fivavahana anankiray ny hahadio azy ara-pitondrantena sy ara-batana. Ny Lalàn’i Mosesy dia nanome torohevitra hentitra ny amin’ny hanadiovana ny trano voaloto sy ny handroan’ny Isiraelita amin’ny toe-javatra samihafa nisy fahalotoana (jereo Levitikosy toko faha-14 sy 15). Tsy maintsy niseho ho masina izy rehetra (Levitikosy 19:2). Momba izany, dia izao no vakina ao amin’ny Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible: “Ny fitsipika momba ny hanina sy ny fahadiovana ary ny fitondrantena tao amin’ny lalàn’Andriamanitra dia nampahatsiahy azy ireo mandrakariva fa voatokana sy masina ho an’Andriamanitra izy ireo.” — Pejy faha-1343.
7. Inona no azo lazaina ny amin’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny fitambarany, nefa fanamarihana inona no ataon’ny mpiandraikitra mpitety faritany sasany?
7 Na dia madio aza ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny fitambarany amin’izay mety ho loto avy amin’ny fivavahan-diso avy tany Babylona ka tsy mandefitra amin’ny fahalotoam-pitondrantena eo anivony, dia misy mpiandraikitra mpitety faritany manamarika fa manao tsirambina ny sasany raha ny amin’ny fahadiovana ara-batana sy ny filaminana. Ahoana no ahazoana antoka fa madio koa ny tena amin’io lafiny io? Raha ny amin’izany, ny Betela, teny midika hoe “Tranon’Andriamanitra”, dia mety ho ohatra tsara harahin’ny tokantrano kristiana rehetra.
8, 9. a) Torohevitra inona avy no omena ireo mpikambana vaovao rehetra ao amin’ny fianakavian’ny Betela? b) Fotopoto-pitsipika inona avy arahina any amin’ireo Betela moa no tokony harahina any amin’ny tokantrano kristiana rehetra?
8 Rehefa misy vaovao anisan’ny fianakavian’ny Betela tonga ao amin’ny foibe maneran-tanin’ny Fikambanana Watch Tower, na ao amin’ny anankiray amin’ireo sampany maneran-tany, dia mahazo bokikely iray nomanin’ny Kolejy foibe izy. Io bokikely io dia manazava izay antenaina avy aminy raha ny amin’ny asany sy ny fahazarany manokana. Izao no vakina ao, eo ambanin’ny lohateny hoe “Efitrano sy fahadiovana”: “Ny fiainana ao amin’ny Betela dia mitaky toetra ambony amin’ny lafiny ara-batana sy ara-pitondrantena ary ara-panahy. Ny tsirairay dia tsy maintsy miahy ny amin’ny fahadiovan’ny tenany sy ny efitranony. Izany dia manampy amin’ny fananana fahasalamana tsara. Tsy misy na inona na inona manamarina ny fahalotoana. Tsara ny midio na mandro isan’andro (...). Zava-dehibe ny hisasana alohan’ny hisakafoana; antenaina ny hanaovan’ny tsirairay izany. Tsarovy ny manadio ny tavy fanasan-tanana na ny fandroana isaky ny avy mampiasa izany, ho fanehoam-piheverana ny mpianakavy hafa sy ny anabavy na ny rahalahy mampirin-trano.”
9 Any amin’ireo Betela, dia madio tanteraka hatrany ny efitrano fivoahana ary efa voaomana izay ilaina mba hahafahan’ireo izay mampiasa azy ireny hanasa ny tanany avy hatrany. Antenaina ny hahazoan’ny mpianakavin’ny Betela antoka ny fahadiovan’ny toerana rehefa avy nisinton-drano izy. Izany dia fomba iray fanampiny fampisehoana fiheverana izay hampiasa azy avy eo sy ho an’ny mpikarakara ny fahadiovana. Moa ve tsy tokony harahina any amin’ny tokantrano kristiana rehetra ireny fotopoto-pitsipika voamariky ny fitiavana ireny?
10. a) Nahoana no tsy voatery manana efitrano fidiovana misy ny fitaovana rehetra vao ho afaka hitandrina ny fahadiovan’ny tena ara-batana sy ny an’ny zanaky ny tena? b) Lalàna inona avy no natao mba hahazoan’ny Isiraelita fahasalamana tsara, ary fianarana inona no azon’ny mpanompon’i Jehovah amin’ny andro ankehitriny tsoahina avy amin’izany?
10 Marina fa tsy mitovy ny toe-javatra misy ao amin’ny tany anankiray sy ao amin’ny tany hafa. Any amin’ny toerana sasany, ny trano dia tsy misy fandroana na fitaovam-pidiovana akory aza. Amin’ny ankapobeny anefa dia manana rano ampy sy savony ny kristiana mba hitandremana ny fahadiovany ara-batana sy ny an’ny zananya. Amin’ny toerana maro dia tsy mifandray amin’ny lakandrano fandehanan’ny rano maloto ny trano. Kanefa azo atao ny manary tsy misy atahorana faika, amin’ny fandevenana azy ireny, tahaka ny tsy maintsy nataon’ny Isiraelita, na tany amin’ny tobin’ny miaramila aza (Deoteronomia 23:12, 13). Ny lalàn’i Jehovah nifehy ny fiainana tao an-toby, ankoatra izany, dia namporisika mafy ny handroana matetika sy ny hanasana tsy tapaka ny akanjo, ary ny hamantarana aretina sy ny hitsaboana izany haingana. Izy ireny dia nilaza izay tokony hatao amin’ny faty sy ny fomba fiarovana ny fahadiovan’ny rano sy ny sakafo. Ireny lalàna rehetra ireny dia nihazona ilay firenena ho salama tsara. Moa ve tokony ho latsaka noho izany ny fanajan’ny mpanompon’i Jehovah amin’ny andro ankehitriny ny fitsipi-pitandremam-pahasalamana eo amin’ny fiainany manokana? — Romana 15:4.
Fonenana sy fiara madio
11. a) Inona no tokony ho azo lazaina na dia ny amin’ny tokantrano kristiana tena tsotra indrindra aza? b) Fiaraha-miasa inona no takina amin’ny mpianakavin’ny Betela rehetra?
11 Ny tranontsika, na dia tsotra aza, dia mety hadio sy hilamina, nefa mitaky ny fiaraha-miasan’ny mpianakavy izany. Maniry hanokana fotoana misimisy kokoa araka izay azo atao amin’ny asa ara-panahy, indrindra fa ny fitoriana, ny renim-pianakaviana kristiana iray. Tsy tokony ho voatery hanara-maso ny mpianakaviny foana àry izy isan’andro mba handamina ny akanjo, ny boky, ny taratasy, ny gazety, sns., izay mipetrapetraka etsy sy eroa. Ao amin’ny Betela, na dia misy aza ireo anabavy mikarakara ny trano, dia antenaina ny hanamboaran’ny mpianakavy tsirairay avy ny fandriany sy ny handaminany ny efitranony ny maraina alohan’ny handaozany azy. Ankasitrahantsika rehetra ny fahadiovan’ny Efitrano Fanjakanantsika sy ny Efitrano fanaovantsika fivoriambe. Aoka ny tranontsika koa hampiseho fa anisan’ny vahoakan’i Jehovah madio sy masina isika!
12, 13. a) Manao ahoana ny tokony ho toetry ny fiara ampiasaina amin’ny fanompoana an’i Jehovah, ary moa ve maka fotoana betsaka ny fanadiovana azy? b) Antony ara-panahy inona no ananantsika mba hitandremana ny fahasalamantsika ara-batana sy ny fahadiovan’ny tokantranontsika ary ny toetry ny fiarantsika?
12 Mpanompon’i Jehovah maro no mampiasa fiarakodia mba handehanana any am-pivoriana sy handraisana anjara amin’ny fitoriana. Any amin’ny tany sasany dia saika efa tonga fiasana tena ilaina ny fiarakodia mba hanompoana an’i Jehovah. Tokony hadio mandrakariva ao anatiny sy eo ivelany àry io fiasana io, tahaka ny fonenantsika. Marina fa tsy afaka manokana fotoana betsaka tahaka ny olona sasany eo amin’izao tontolo izao, hanolokoloana ny fiarany ny kristiana, nefa, sady tsy hanao zavatra mihoa-pampana toy izany ny mpanompon’i Jehovah iray, no tokony hiezaka hitana ny fiarany hadio sy ho voamboatra tsara araka izay mety. Any amin’ny tany sasany dia azo atao ny manadio ny fiaran’ny tena any amin’ny toerana fakan-dasantsy ao anatin’ny fotoana fohy sy amin’ny vidiny mirary. Raha ny amin’ny aty fiara kosa, ny folo minitra fanadiovana sy fandaminana matetika dia misy vokany tsara dia tsara. Hitandrina indrindra ny loholona sy ny mpikarakara momba ny asa mba hanome ohatra tsara amin’io lafiny io, satria matetika izy no mitondra antoko-mpitory amin’ny fiarany ho eny amin’ny fitoriana. Azo antoka fa tsy hanao fanambarana tsara ny Vavolombelona iray raha mitondra olona liana ny fahamarinana ho any am-pivoriana amin’ny fiarakodia maloto ao anatiny sy eo ivelany izy.
13 Amin’ny fitandremana ny fahadiovantsika ara-batana sy ny fahadiovan’ny fonenantsika sy ny fiarantsika, dia hanome voninahitra an’i Jehovah àry isika, amin’ny maha-mpikambana antsika ao amin’ny fandaminany madio.
Ilaina ny fahadiovana rehefa manao fanatitra ara-panahy
14. Lalàna inona avy no namaritra ny fahadiovana amin’ny fombam-pivavahana notakina tamin’ny Isiraelita, ary inona moa no asehon’izy ireny?
14 Teo amin’ny Isiraely dia notakina ny fahadiovana ara-pomba rehefa nanao ny fanompoam-pivavahana, raha tsy izany dia mahameloka ho faty. Hoy Jehovah tamin’i Mosesy sy Arona: “Dia hampisarahinareo amin’ny fahalotoany ny Zanak’Isiraely, tsy handotoany ny tabernakeliko izay eo aminy, ka tsy hahafaty azy ny fahalotoany.” (Levitikosy 15:31). Tamin’ny Andro Fanavotana ny mpisoronabe dia tsy maintsy nandro indroa tao anaty rano (Levitikosy 16:4, 23, 24). Ny tavy varahina tao amin’ny tabernakely ary tatỳ aoriana, ny ranomasina lehibe varahina tao amin’ny tempoly dia nanome ny rano fidiovan’ny mpisorona alohan’ny hanolorany fanatitra ho an’i Jehovah (Eksodosy 30:17-21; 2 Tantara 4:6). Ary inona no holazaina ny amin’ny Isiraelita amin’ny ankapobeny? Raha toa, noho ny antony iray na hafa ka naloto teo amin’ny lafiny ara-pombam-pivavahana izy ireo, dia norarana ny fandraisany anjara tamin’ny fanompoam-pivavahana raha mbola tsy nahavita ny fombafomba fanadiovana izy (Nomery 19:11-22). Nampiseho mazava ireny fandaharana rehetra ireny fa notakina tamin’ny mpivavaka amin’i Jehovah, ilay Andriamanitra masina, ny fahadiovana ara-batana.
15. Nahoana no tsy ilaina intsony ny hanaovana fanatitra biby, nefa fanontaniana inona avy no mitranga?
15 Marina fa tsy angatahina amin’ny mpanompon’i Jehovah intsony ny hanaovany fanatitra biby ao amin’ny tempoly iray eto an-tany. Ireo fanatitra natao teo ambanin’ny Lalàna dia nosoloana ny “nanaterana ny tenan’i Jesosy Kristy indray mandeha”. (Hebreo 10:8-10.) Isika dia ‘mivavaka amin’ny Ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinana’. (Jaona 4:23, 24.) Nefa moa ve izany milaza fa tsy misy fanatitra hatolotsika an’i Jehovah, ilay Andriamanitsika masina, intsony? Ary tsy dia takina amintsika tahaka ny nanaovana izany tamin’ny Isiraelita ve ny fahadiovana?
16. Ahoana no nahatanterahan’ny faminanian’i Malakia 3:3, 4 teo amin’ny kristiana voahosotra hatramin’ny 1918, ary fanatitra ankasitrahana inona avy no azony atolotra ho an’i Jehovah?
16 Araka ny faminanian’i Malakia, ireo kristiana voahosotra izay ho velona eto an-tany amin’ny fotoan’ny farany dia hodiovina ho amin’ny fanompoana ao amin’ny tempoly. Asehon’ny zava-nitranga fa niandoha tamin’ny 1918 izany fanadiovana izany. Tamin’ny 1919, ireo anisan’ny sisa voahosotra dia tonga ‘mpanatitra fanatitra amim-pahamarinana ho an’i Jehovah’ tokoa ary “mamin’i Jehovah” ny fanatiny. (Malakia 3:3, 4.) Izy ireny àry dia afaka “hanatitra fanati-panahy sitrak’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy”. (1 Petera 2:5.) Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Aoka isika hanatitra ny fanati-piderana amin’ny alalany ho an’Andriamanitra mandrakariva, dia ny vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany.” — Hebreo 13:15.
17. Na dia tsy anisan’ny fanjaka-mpisorona aza ny “olona betsaka” amin’ny ondry hafa, nahoana no tokony hadio amin’ny lafiny ara-batana sy ara-tsaina ary ara-pitondrantena sy ara-panahy izy ireo?
17 Na dia tsy voantso hanao ny raharahan’ny mpisorona ao amin’ny tempoly, tahaka ny sisa voahosotra, aza ireo anisan’ny “olona betsaka”, dia “manompo Azy [Jehovah] andro aman-alina” ao amin’ny kianja eto an-tanin’ny tempoliny ara-panahy izy ireo (Apokalypsy 7:9, 10, 15). Ny Isiraelita izay tsy anisan’ny fisoronana dia tokony hadio amin’ny lafin’ny fombam-pivavahana, izay vao afaka nandray anjara tamin’ny fanompoam-pivavahana tao amin’ny tabernakely ary tatỳ aoriana, tao amin’ny tempoly. Tahaka izany koa, ny vahoaka betsaka amin’ny ondry hafa dia tokony hadio amin’ny lafiny ara-batana sy ara-tsaina ary ara-pitondrantena sy ara-panahy raha maniry hanompo ao amin’ny tempoly ary hiaraka amin’ny sisa mba ‘hanatitra ho an’Andriamanitra fanati-piderana’ amin’ny alalan’ny “vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany [fanambarana ampahibemaso ho an’ny anarany, MN ]”.
Madio sady mitafy araka ny mety eny amin’ny fitoriana sy any amin’ny fivoriana
18. Inona no tokony hotandremantsika momba ny fahadiovan’ny tenantsika sy ny fitafiantsika ary ny kirarontsika rehefa mandray anjara amin’ny fitoriana na rehefa manatrika fivoriana isika?
18 Ahoana no tokony hisehoan’izany amin’ny zavatra atao? Izany dia midika fa hiseho ho tsy manaja indrindra an’i Jehovah sady tsy mendrika ny hisolo tena azy isika amin’ny fanompoana isan-trano sy eny an-dalana na any an-tokantranon’olona, raha toa isika tsy madio na tsy mitafy araka ny mety. Tsy tokony hoheverintsika tsy amim-piraikana àry io raharaha io fa amim-pitandremana kosa, mba hanaovan-javatra mendrika ny minisitra mitondra ny anaran’i Jehovah. Na dia tsy takina aza ny hitondrana akanjo lafo vidy, ny fitafiantsika kosa dia tokony hadio, ho voafidy tsara sy ho maotina. Ny kirarontsika dia tokony ho voamboatra tsara sy hangirana. Tahaka izany koa, amin’ny fivoriana tsirairay avy, anisan’izany ny fianarana ny boky, dia tokony hadio isika ary hanao fitafiana madio sy voalamina tsara.
19. Soa ara-panahy inona avy no entin’ny fahadiovantsika sy ny fitafiantsika voakarakara eo amin’ny fanompoana kristiana?
19 Ny fahadiovantsika sy ny fitafiantsika voakajy eny amin’ny fanaovana ny asa fanambarana sy amin’ireo fivoriana dia miara-miasa “hampahamendrika ny fampianaran’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, amin’ny zavatra rehetra”. (Titosy 2:10.) Ireny zavatra ireny amin’ny maha-izy azy dia efa fanambarana. Manaitra olona maro ny fahadiovantsika sy ny fitafiantsika mendrika ka manosika azy ireny hihaino antsika izany rehefa miresaka aminy ny amin’’ny fikasana kanton’i Jehovah momba ny hanorenana lanitra vaovao sy tany vaovao voadio isika. — 2 Petera 3:13.
20. Vokatra tsara inona avy no mbola hoentin’ny fahadiovantsika ara-tsaina sy ara-batana?
20 Koa satria akaiky izao ny fandehan-javatra vaovao sy madio ampanantenain’i Jehovah, dia tokony handini-tena avokoa isika rehetra mba hahitana raha mila mitondra fiovana isika amin’ny fomba fihevitsika na ny fahazarantsika manokana. Nanoratra toy izao i Paoly: “Miteny araka ny fanaon’ny olona aho noho ny fahalemen’ny nofonareo; fa tahaka ny nanoloranareo ny momba ny tenanareo ho mpanompon’ny fahalotoana sy ny tsi-fanarahan-dalàna hahatanteraka ny tsi-fanarahan-dalàna, dia mba atolory ankehitriny toy izany koa ny momba ny tenanareo ho mpanompon’ny fahamarinana hahatanteraka ny fahamasinana.” (Romana 6:19). Ny fahadiovana ara-batana sy ara-panahy dia mitondra vokatra tsara dieny izao, dia ‘vokatra ho amin’ny fahamasinana, ary ny farany dia fiainana mandrakizay’. (Romana 6:22.) Aoka àry isika hitandrina ny fahadiovantsika ara-tsaina sy ara-batana raha mbola ‘manolotra ny tenantsika ho fanatitra velona, masina, sitrak’Andriamanitra’. — Romana 12:1.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Raha mila fanipazan-kevitra azo ampiharina momba ny fahadiovana ao amin’ny toerana manodidina tsy mahasalama ianao, dia jereo ny lahatsoratra hoe “Un défi à relever: la propreté”, navoaka tao amin’ny Réveillez-vous! tamin’ny 22 septambra 1988, pejy faha-8 ka hatramin’ny faha-11.
Hevitra hotadidina
◻ Ahoana no mety hitarihan’ny masontsika sy ny fontsika antsika hanaraka fitondrantena ratsy?
◻ Soa inona no noraisin’ny Isiraelita avy tamin’ny fanajany ireo lalàn’i Jehovah momba ny fahadiovan’ny isam-batan’olona sy ny fitambaran’olona?
◻ Fotopoto-pitsipika inona avy arahina any amin’ireo Betela no tokony harahina koa any amin’ny tokantrano kristiana rehetra?
◻ Amin’ny fotoana toy inona no tokony hotandremana indrindra ny fitafiantsika?
◻ Noho ny antony ara-panahy inona avy no tokony hitandreman’ny mpanompon’i Jehovah ny fahadiovan’ny tokantranony sy ny fiarany?
[Sary, pejy 17]
“Ny fiainana ao amin’ny Betela dia mitaky toetra ambony amin’ny lafiny ara-batana sy ara-pitondrantena ary ara-panahy.”
[Sary, pejy 18]
Ho ara-dalàna ve raha tsy maintsy mandany fotoana isan’andro mba handaminan-javatra ny renim-pianakaviana iray, noho ny tsy fitandreman’ny mpianakaviny?
[Sary, pejy 19]
Ny folo minitra fanadiovana sy fandaminana matetika dia misy vokany tsara dia tsara ao anaty fiara.