Misetra zava-tsarotra ao amin’ny faritany tranainy indrindra eto ambonin’ny tany izy ireo
“AKAIKY ny fanjakan’ny lanitra.” Mirakitra zava-dehibe manokana ho an’ireo mpitory ny ‘vaovao tsara’ 370 ao amin’ny Fanjakan’i Isiraely ankehitriny ny fitoriana io hafatra io. Inona no antony? Satria teo no nitorian’i Jesosy Kristy voalohany indrindra ny hafatra momba ny Fanjakana, efa maherin’ny 2 000 taona lasa izay (Matio 4:17; 24:14). Izany no mahatonga an’i Isiraely ho ny faritany tranainy indrindra eto ambonin’ny tany nitoriana ny vaovao tsara.
Hatramin’ny voalohany anefa dia tena sarotra io faritany io. Na dia maro aza no nihaino ny hafatra nentin’i Jesosy dia vitsy ihany no tena liana tamin’izany (Jaona 6:2, 66). Ankehitriny, dia ny fahasamihafan’ny fivavahana sy ny kolontsaina ary ny fiheverana ara-politika no mahatonga ny fahasahiranana.
Etsy an-daniny, dia ao ireo Arabo 2,2 tapitrisa. Milaza tena ho kristiana ny sasany aminy fa ny hafa kosa dia miozilimanina (fatra-pitandrina fombafomba na tsia), mpikambana ao amin’ny fivavahana ‘druze’, na milaza miharihary ho tsy mino an’Andriamanitra. Ambonin’izany, dia manana fironana ara-politika samihafa izy ireo; maniry hanorina Fanjakana palestiniana mahaleotena any Cisjordanie sy eo amin’ny sisiny manamorona an’i Gaza ny sasany.
Etsy an-kilany kosa dia misy ireo Jiosy isiraeliana 3,5 tapitrisa izay voazarazara amin’ny lafiny maro koa. Nifindra monina avy any Maroc, Yémen, Iraq ary avy any Syria ny sasany. Ny hafa dia avy any Eoropa sy ny Firaisana sovietika. Misy koa avy any India sy ireo Amerika roa, Etiopia sy Afrika Atsimo ary avy any amin’ny toeran-kafa. Miaina miaraka izy ireo na dia samy manana ny fomban-drazany manokana, ny kolontsainy manokana ary ny fomba fahazoany sy fanarahany ny jodaisma aza.
Misy, ohatra, raby lehibe ho an’ny Ashkénazes (Jiosy avy any Eoropa) ary raby lehibe ho an’ny Sefarades (Jiosy avy any Atsinanana Afovoany). Raha mbola liana amin’ny politika ny ankamaroany, dia tonga hatramin’ny fandavana ny Fanjakan’i Isiraely sy ny fandoavan-ketra ny Jiosy fatra-panaraka fombafomba tafahoatra. Avy eo, dia ao ireo sisa velona tamin’ny Fandripahana izay mbola mikorontan-tsaina ihany ny maro aminy noho ny fijaliany mafy tamin’ny lasa, ary ny tsirairay aminy dia manana fanandraman-javatra mandratra fo hotantaraina. Farany, dia mihamaro hatrany ireo milaza tena ho tsy mino an’Andriamanitra ary manana filôzôfia manokana maro be. Ny hany fatorana mampiray ny vahoaka jiosy dia ny faniriany ho velona hatrany amin’ny maha-firenena sy amin’ny maha-izy azy ara-politika.
Misetra ny zava-tsarotra izy ireo
Taorian’ny fiatoana naharitra maherin’ny 1 800 taona, dia velona indray ny asa fitoriana ny Fanjakana tamin’ny ambaratonga kely tao Isiraely tamin’ny 1913. Tamin’izay fotoana izay dia nisy tovolahy iray naneho fahalianana tamin’ny Baiboly nanomboka namafy voan’ilay Fanjakana tany Ramallah, eo amin’ny 16 kilaometatra any avaratr’i Jerosalema. Avy eo no niparitahan’ny vaovao tsara tany amin’ny mponin’i Beit-Jala sy Haïfa. Fotoana fohy taorian’ny Ady Lehibe Faharoa, dia nisy vehivavy Vavolombelona teratany jiosy roa nanohy indray ny asa tao amin’ny faritanin’i Tel-Aviv sy Jaffa. Ankehitriny, dia misy kongregasiona enina ary antokona Vavolombelon’i Jehovah roa ao Haïfa, Tel-Aviv, Betlehema, Ramallah, Lod ary Berisheba.
Toy izay nitranga taonjato 19 lasa izay, dia ny fitoriana isan-trano no fomba mbola mandaitra indrindra mba hahitana ireo izay liana ny vaovao tsara (Lioka 8:1; jereo Asa. 5:42). Marina tokoa fa, raha oharina amin’ny tany sasany, dia tena mahafinaritra ny mitory ao amin’io toerana io. Amin’ny ankapobeny dia liana ta-hahafantatra izay lazain’ny hafatra ny olona ary manasa ny mpitory ny Fanjakana handroso ao aminy mba hifanakalo hevitra. Manosika azy handray gazety na boky miorina amin’ny Baiboly matetika ny fahalianany ta-hahafanta-javatra. Matetika dia miampitampita any amin’ireo mpifanolo-bodirindrina ireny zavatra vita an-tsoratra ireny ka mamela ny sasany hahita ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly.
Mahaforona fandrahonana ho an’ny voan’ny fahamarinana vao nafafy tao am-pon’ny olona anefa io fahalianana ta-hahafanta-javatra io matetika (Matio 13:20, 21). Manao izay rehetra azony atao ny mpifanolo-bodirindrina, ny namana ary indrindra ny mpitondra fivavahana sasany mba hitaomana, hanesoana, hampitahorana ary indraindray mba hitondrana amin’ny fomba ratsy ireo maneho fahalianana amin’ny hafatr’ilay Fanjakana. Noho izany no namoizan’ny sasany ny asany ary nahatonga ny hafa harian’ny havany aman-tsakaizany tanteraka. Tsy maintsy miaritra ny afon’ny fanoherana ireo izay tsy nivadika ka tonga Vavolombelon’i Jehovah. — Jereo Jaona 9:22.
Miseho amin’ny fomba maro hafa koa ny fanoherana. Nisy Vavolombelon’i Jehovah teratany jiosy notafihin’ny vahoaka. Nokendren’ny mpandoro trano ny sampana sy ny Efitrano Fanjakana tany Tel-Aviv ary ny Efitrano Fanjakana tany Haïfa. Amin’izao fotoana izao dia misy fanerena mafy atao amin’ireo Vavolombelona arabo sy jiosy mba handraisany anjara amin’ireo ady ara-politika mifandray amin’ny fananganana Fanjakana palestiniana. Hazavain’ireo Vavolombelona izay mialanalana amin’ny raharaha toy izany amim-pandanjalanjana fa tsy misy asan’olombelona ho afaka handamina ny zava-manahirana ny olombelona mijaly. Manahaka an’i Jesosy Kristy Mpitarika azy kosa izy ireo ary asehony fa ny Fanjakan’Andriamanitra no hany fanafody. — Jaona 17:16; 18:36.
Ireo vokatry ny Fanjakana
Na dia ao aza ireo zava-manahirana hita ao amin’ny faritany tranainy indrindra nanaovana fanambarana, dia mamokatra voan’ny Fanjakana tokoa ireo izay ‘mandre ny teny ka mahalala’ (Matio 13:23). “Misy olona mangetaheta ny fahamarinana, tia ny rariny ary tena mitady izany, hoy ny minisitra manontolo andro za-draharaha iray. Tsy manaiky ho voataonan’ny fiheverana sy ny fanerena ataon’ny hafa izy ireo. Rehefa manana fahafahana hahalala ny fahamarinana izy ireo dia manararaotra izany avy hatrany.” Maro ny fitantarana manamarina izany fanambarana izany.
Nanaitra lalina an’i Benvenida izay notezaina tany amin’ny relijiozy tany Gresy izay voalazan’ny Baiboly mikasika ny “fivavahana madio sady tsy misy loto”, dia “ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ny fahoriany, sy ny miaro ny tena tsy hisy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao”. (Jakoba 1:27.) Tsy nahita afa-tsy “loza nisesy” io Jiosy vavy io tamin’ny fahatanorany, raha averina ny teniny. Niaritra fitsapana mafy noho ny fitondrana nazia sy ny ady an-trano izay namoizany ny vadiny izy. Tsy nitsahatra nanantena ny hahita olona tso-po, tsy mpihatsaravelatsihy mihitsy anefa izy.
Rehefa nifindra monina tany Isiraely tamin’ny 1949 i Benvenida dia nanao ny asan’ny mpampivelona mandra-pialany noho ny fisotroan-dronono tamin’ny 1974. “Nandritra izay fotoana izay, hoy izy, dia tsy nitsahatra nanontany tena aho hoe: ‘Aiza àry ireo olona tso-po sy tsara fanahy voalazan’ny Baiboly? Aiza no hahitana ny rariny eo amin’izao tontolo izao?’ ” Noho izy nanaraka ny jodaisma dia nankany amin’ny synagoga sy nanaja ny sabata mbamin’ireo andro firavoravoana izy. Ny fosafosa sy ny adiady nisy teo amin’ireo mpikambana ao amin’ny antokom-pivavahana eo an-toerana dia nahatonga azy haniry kokoa hatrany ny “fivavahana madio sady tsy misy loto”.
Farany, tamin’ny 1985, nandritra ny fandalovana fanaony isan-taona tao amin’ny toeram-pitsaboana amin’ny rano mafana any Gresy, dia nisy vehivavy Vavolombelona izay nitsabo tena koa nanombo-dresaka taminy. Fifanakalozan-kevitra naharitra no vokatr’izany. Ny harivan’iny ihany dia nanatrika ny fivoriany voalohany tany amin’ny Efitrano Fanjakana akaiky indrindra i Benvenida, ary tohina lalina tokoa izy noho ny hafanana sy ny fahatsoran’ny Vavolombelona. Nanohy nianatra ny Baiboly i Benvenida rehefa tafaverina tany Isiraely, ary herintaona sy tapany teo ho eo tatỳ aoriana, dia natao batisa izy ho mariky ny fanolorany tena ho an’i Jehovah, Andriamanitry ny fahamarinana. “Taorian’ireo taona rehetra ireo, eo amin’ny faha-70 taonako, hoy ny fihiakany, dia hitako ihany ireo olona tsotra sy manetry tena izay voalazan’ny Baiboly, dia ireo izay mihevitra ahy toy ny olona. Ankehitriny, ny andro rehetra iainako dia mahafaly sy misy heviny!”
Nikaroka ny fahamarinana koa i Moshe ary naniry ‘hihaino ny feon’ilay Mpiandry tsara’. (Jereo Jaona 10:14-16.) Tia fatratra ny Soratra masina hatramin’izay izy. Teo am-pamakiana ny “Testamenta Vaovao” izay saika narian’ny rahalahiny anefa i Moshe vao nianatra nahafantatra an’i Jesosy Kristy ary nanaitra azy mafy izany. Fotoana fohy taorian’izay dia nanatona ny mpiara-miasa aminy mba hianatra ny Baiboly miaraka amin’ny Vavolombelona iray i Moshe ary nanatrika lahateny nataon’ny Vavolombelona avy any amin’ny kongregasiona hafa. “Izany no niriko ho re hatramin’izay”, hoy ny fihiakany tamin’ny fifaranan’io fivoriana voalohany io.
Rehefa avy niato kely i Moshe dia nanao fandrosoana tena haingana. Enim-bolana taorian’izay dia natao batisa izy. Nanosika ny fianakaviany, indrindra fa ny vadiny, hanohitra azy anefa ny fandrosoany. Nihamafy izany fanoherana izany rehefa nanda tsy handray anjara tamin’ny vavaka ara-pomba natao tamin’ny fandevenana ny rainy i Moshe izay lahimatoan’ny fianakaviana. Ankoatra izany dia nisy namana sy fianakaviana nilaza tamin’ny vadiny fa tokony ‘hanao zavatra haingana’ izy dieny tsy mbola atolotr’i Moshe ho an’ny kongregasiona ny fananany rehetra. “Nampisava ny ahiahiny aho tamin’ny fanolorako hevitra ny hanoratana ny trano amin’ny anarany”, hoy ny nambaran’i Moshe. Tamin’ny fanaovany fandaharam-potoana mety, dia nahay nandanjalanja ny andraikiny ara-pianakaviana sy ny an’ny kongregasiona izy.
Tsy manohitra avokoa akory ny mpikambana ao amin’ny fianakaviana rehefa misy olona liana amin’ny fahamarinana. Izay nianarany mikasika ny Baiboly dia nambaran’i Nehai tamin’ny vadiny, i Hanna izay tafiditra lalina tao amin’ny politika. Vetivety dia takatr’izy roa fa ny Fanjakan’Andriamanitra no hany fanantenana ho an’ny olombelona mijaly. Tatỳ aoriana dia nanolo-tena ho an’i Jehovah izy ireo ary nanomboka nitory tamin’ireo fianakaviana arabo tao Haïfa sy ny vohitra manodidina. Nanao fiezahana manokana izy mba hanaovana fanambarana tamin’ireo anisan’ny fianakaviany izay tsy latsaka ny 252 ny isany.
Zava-tsarotra ve izany? Izany tokoa, satria ankoatra ny fanaovana dia maharitra adiny iray sy sasany amin’ny fiarakodia mba hahatongavana any amin’ireo vohitra misy ny arabo dia mila faharetana sy fiaretana betsaka koa izy ireo. “Milaza aminay ny sasany indraindray fa tsy maniry ny hihaino anay intsony izy. Rehefa mitranga izany, dia voatery miresaka zavatra hafa izahay. Atỳ aoriana dia miresaka izany aminy amim-pahaiza-mandanjalanja indray izahay. Toy ny hoe noroahina teo am-baravarana izahay ka miditra indray eo am-baravarankely”, hoy ny fanamarihana nataon’i Hanna. Na dia izany aza dia novalian-tsoa ny fiezahan’izy ireo. Hatramin’izao, tamin’ireo havana akaiky 36, dia 24 no naneho fahalianana tamim-pahatsorana ny Soratra masina ary mianatra Baiboly miaraka amin’i Hanna sy Vavolombelona hafa ny 13. Amin’izao fotoana izao, dia nanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah ny dimy amin’ny fianakaviany miaraka amin’ireo zanany, ary misy telo hafa mandroso ho amin’izany.
Tampon’isa vaovao ao amin’ny faritany tranainy indrindra
Zava-mitranga mahafaly toy ireo no mitombo isa atỳ Isiraely ary tena mampahery ny fahatsinjovana fitomboana. Tamin’ny 1988, dia vao voalohany no nahatratra 370 ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana. Ny antsalany isam-bolana amin’ny isan’ny fampianarana Baiboly any an-tokatranon’ny olona liana, izay 89 tamin’ny 1979, dia tafakatra ho 301 tamin’ny 1988 ka izany dia milaza fitomboana 240%!
Mampifaly lalina ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’io tany manan-tantara io izany rehetra izany. Miandry amim-pahadodonana fitahiana lehibe kokoa ihany avy amin’i Jehovah Andriamanitsika izahay raha mbola maharitra amin’ny asa fanaovana mpianatra eto amin’ny faritany tranainy indrindra eo amin’izao tontolo izao.
[Sary, pejy 26, 27]
Etsy ambony: Fasan’ny Zaridaina, Jerosalema.
Etsy anilany: Tsena sy arabe any Isiraely.
Erỳ ambany: Tranon’ny sampana any Tel-Aviv.