Ny fahadiovana ara-pitondrantena no mahatsara tarehy ny tanora
“Mifalia, ry zatovo, dieny mbola tanora hianao; (...) ka mandehana any amin’izay sitraky ny fonao sy izay jeren’ny masonao; nefa aoka ho fantatrao fa ho entin’Andriamanitra hotsaraina hianao amin’izany rehetra izany.” — MPITORITENY 11:9.
1, 2. a) Inona moa no irin’i Jehovah ho an’ny tanora? b) Nahoana moa no hadalana ny fanaovana izay rehetra irin’ny fonao sy ny masonao?
“NY FAHATANORANA, ny hafanam-po, ary ny fanehoam-pitiavana dia toy ireo andro amin’ny lohataona. Aza mimenomenona noho ny hafohiny, fa miezaha hankafy azy kosa.” Izany no nosoratan’ny poety alemanina iray tamin’ny taonjato faha-19. Ireo teny manome torohevitra ho an’ny tanora ireo dia akon’ireto teny nosoratana an’arivony taona maro taloha ao amin’ny bokin’ny Mpitoriteny ao amin’ny Baiboly ireto: “Mifalia, ry zatovo, dieny mbola tanora hianao; ary aoka ny fonao hampifalifaly anao amin’ny andro fahatanoranao; ka mandehana any amin’izay sitraky ny fonao sy izay jeren’ny masonao.” (Mpitoriteny 11:9a) Koa tsy hoe tsy maintsy tsy ankasitrahan’i Jehovah akory izay zavatra manintona sy irin’ny tanora. Iriny ny hanararaotanao amin’ny fomba feno ny hery sy tanjaka anananao amin’ny fahatanoranao. — Ohabolana 20:29.
2 Milaza ve anefa izany fa afaka manao izay rehetra irin’ny fonao sy ny masonao ianao? Tsy izany velively! (Nomery 15:39; 1 Jaona 2:16) Manohy toy izao ilay andinin-teny: “Nefa aoka ho fantatrao fa ho entin’Andriamanitra hotsaraina hianao amin’izany rehetra izany [ireo zavatra fidinao hatao mba hahatanteraka ireo fanirianao] (Mpitoriteny 11:9b) Eny tokoa, tsy afaka ny handositra ny vokatry ny asanao ianao; ireo tanora, tahaka ireo efa lehibe, dia hampamoahin’Andriamanitra koa. — Romana 14:12.
3, 4. a) Nahoana no tsy maintsy mihazona fari-pahadiovana ara-pitondrantena ambony ianao? b) Fitaomana inona moa no manery anao hanary ny fahadiovanao eo anatrehan’Andriamanitra, ary fanontaniana inona avy no mitranga?
3 Ny fahazoana ny fitsarana feno fankasitrahan’i Jehovah dia tsy mitarika ho any amin’ny fiainana mandrakizay ihany fa ho amin’ny fifandraisana akaiky amin’Andriamanitra amin’izao andro izao koa. Tsy maintsy mihazona fari-pahadiovana ara-pitondrantena ambony anefa ianao. Izao no nilazan’ny Salamo faha-24, andininy faha-telo ka hatramin’ny fahadimy azy: “Iza no hiakatra any an-tendrombohitr’i Jehovah? Ary iza no hitoetra ao amin’ny fitoerany masina? Izay madio tànana sy mahitsy fo, izay tsy manandratra ny fanahiny ho amin’ny lainga, na mianina hamitaka. Handray fitahiana avy amin’i Jehovah izy, ary fahamarinana avy amin’ny Andriamanitry ny famonjena azy.” Eny tokoa, tsara tarehy eo imason’i Jehovah ianareo rehefa mihazona fahadiovana eo amin’ny ara-pitondrantena.
4 Kanefa misy fitaomana manery anao foana hanary ny fahadiovanao eo anatrehan’Andriamanitra. Raha mandroso manatona ny fiafarany izao andro farany izao, dia mihanaka toy ny areti-mifindra ny faharatsiam-pitondrantena sy ireo fitaomana maloto. (2 Timoty 3:1-5) Hatramin’izay dia tsy mbola mafy toy ny amin’izao andro izao ny fiezahana tsy maintsy ataon’ny tanora mba hihazonany ny fahadiovany eo amin’ny ara-pitondrantena. Manohitra amim-pahombiazana izany fihaikana izany ve ianao? Hanohy hanao izany ve ianao?
Ny fihaikana atrehinao
5. Hery mitaona maloto inona avy moa no manasarotra ny fihazonana fahadiovana eo anatrehan’Andriamanitra?
5 Manafika ny tanora amin’ny alalan’ny zavatra manilika izay mendrika ary manindrahindra ny faharatsiam-pitondrantena maharikoriko ny fampahalalam-baovao momba ny fialam-boly. Nanoratra toy izao, ohatra, ny olona mpitsara sarimihetsika iray rehefa naseho voalohany ny iray tamin’ireo sarimihetsika mampangorohoro mifampitohitohy: “Fifandimbiasana amin’ny lafiny lehibe ny amin’ny lahy sy ny vavy maharikoriko, ny vonoana olona maharikoriko ary ny zava-betaveta maharikoriko, izany no fahita ao amin’io sarimihetsika io. Raha tratra ny tampon-isan’ny mpijery azy, dia hampahatsiahy koa ny fiharatsiana lehibe dia lehibe eo amin’ny (...) fifidianan’ny olona sarimihetsika tsara izany.” Ankoatra ny sarimihetsika toy izany, dia ao koa ireo hira izay manana tonony miresaka an-karihary ny amin’ny lahy sy ny vavy ary ireo fandaharana amin’ny televiziona izay manindrahindra ny firaisan’ny lahy sy ny vavy tsy ara-dalàna. Afaka ny sady hanaiky hijery sy hihaino ny fisehoana manimban’ny “fanaranam-po amin’ny ratsy” toy izany ve ianao no hihazona ny fahadiovanao eo anatrehan’Andriamanitra? (1 Petera 4:4) Araka ny lazain’ny Ohabolana: “Mahatondra afo ao an-tratran’akanjony va ny olona, ka tsy ho may ny akanjony?” — Ohabolana 6:27.
6. Fanerena inona avy amin’ireo tanora hafa mitovy aminy no atrehin’ireo tanora?
6 Avy amin’ny loharano iray hafa koa no iavian’ny fanerena anao hamoy ny fahadiovanao eo anatrehan’Andriamanitra — izany dia ireo tanora mitovy aminao. Nitaraina toy izao ny tovovavy eo amin’izao tontolo izao iray 17 taona: “Noho ny antony ratsy maro no nananako firaisan’ny lahy sy ny vavy voalohany: satria nanery ahy ilay ankizilahy namako, ary koa satria noheveriko fa nanao izany daholo ny rehetra.” Tsy misy na iza na iza tia ny hihomehezana. Zavatra ara-dalàna ny faniriana ny ho tian’ny hafa. Kanefa rehefa miandany amin’ny fitsipika ara-pitondrantenan’ny Baiboly ianao, dia mety hihomehy anao ireo tanora sasany. Ny faniriana ny hitovy amin’ireo tanora toa anao sy ny hekeny dia mety hanosika anao hanao zavatra izay fantatrao fa tsy mety. — Ohabolana 13:20.
7. Nahoana moa no sarotra indrindra ho an’ny tanora ny miady amin’ireny fitaomana maloto ireny, kanefa niseho ho inona ny tanora an’arivony maro ao anatin’ny fandaminan’i Jehovah?
7 Ny fiadiana amin’ireny hery mitaona ireny dia sarotra indrindra mandritra ny “fiandohan’ny fahatanorana”, rehefa mahery ny faniriana eo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy. (1 Korintiana 7:36, MN ) Tsy mahagaga raha nanatsoaka hevitra toy izao ny fandaminana mpanao fikarohana iray: “Tanora tena miavaka dia miavaka tokoa izay mbola tsy nanana firaisan’ny lahy sy ny vavy rehefa nahatratra ny faha-19 taonany izy.” Kanefa, an’arivony maro aminareo, ry tanora ao anatin’ny fandaminan’i Jehovah, no miseho ho miavaka toy izany. Miatrika izany fihaikana izany amin’ny fomba mety sy feno ianareo ary mihazona ny fahadiovanareo ara-pitondrantena.
8. Nahoana moa ny tanora kristiana sasany no namela ny fitondrantena ratsin’izao tontolo izao hahazo azy, ary inona no vokany?
8 Mampalahelo, anefa, fa misy tanora kristiana maromaro izay namela ny fitondrantena ratsin’izao tontolo izao hahazo azy. Mety hilaza izy fa tia ny tsara, kanefa tsy mankahala ny ratsy; na fara faharatsiny, tsy ampy ny fankahalany ny ratsy. (Salamo 97:10) Amin’ny toe-javatra sasany aza dia toa tia ny ratsy izy ireo. Araka ny ilazan’ny Salamo 52:3 azy hoe: “Efa tia ny ratsy noho ny tsara hianao, ary ny lainga noho ny miteny ny marina.” Manao hatramin’ny fandavana tsotra izao ny fitarihana avy amin’ny fandaminan’i Jehovah momba ny fiarahan’ny ankizilahy sy ny ankizivavy, ny fialam-boly ary ny fahadiovana ara-pitondrantena mihitsy aza ny sasany. Ary ho vokatr’izany, matetika izy ireo dia mitondra fahafaham-baraka ho an’ny tenany manokana sy ho an’ireo ray aman-dreniny. Namoy ny hatsaran-tarehiny eo imason’Andriamanitra koa izy ireo. — 2 Petera 2:21, 22.
Fanampiana mba hiatrehana ilay fihaikana
9. Inona moa no ilaina mba hiatrehana ny fihaikana ka hitoerana ho madio eo amin’ny ara-pitondrantena?
9 Ahoana no ahafahanao hiatrika ny fihaikana mba hitoerana ho madio eo amin’ny ara-pitondrantena? Nanao izany fanontaniana izany koa ny mpanao salamo: “Inona no hiarovan’ny zatovo ny lalan-kalehany tsy ho voaloto?” Avy eo izy dia nanome ny valiny: “Ny fitandremana araka ny teninao.” (Salamo 119:9) Eny tokoa, mila ny fitarihana avy amin’ny Tenin’Andriamanitra ianao. Ary nataon’ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra izay hanomezan’ny fandaminany fitarihana toy izany mba hanampiana anao hanohitra ireo fanerena maloto avy amin’izao tontolo izao.
10, 11. a) Zavatra vita an-tsoratra inona avy moa no nomanina mba hanampiana ireo tanora hitoetra ho madio ara-pitondrantena? b) Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ireo lahatsoratra mifampitohitohy hoe “Manontany ireo tanora...” ny tanora sasany? d) Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ireo lahatsoratra mifampitohitohy hoe “Manontany ireo tanora...” anao manokana?
10 Tao anatin’ireo taona maro lasa dia nisy zavatra vita an-tsoratra maromaro nomanina indrindra ho an’ireo tanora, toy ny boky Votre jeunesse — Comment en tirer le meilleur parti? Nanomboka tamin’ny 1982, ny lahatsoratra mifampitohitohy antsoina hoe “Manontany ireo tanora...” ao amin’ny gazety Réveillez-vous! dia nanome torohevitra mahasoa maro mikasika ny sary na boky mampiseho fahavetavetana (“pornographie”), ny boky misy tantaram-pitiavana tsy araka ny zava-misy sy ny fitondrantena mety mandritra ny fotoam-pifamofoana. Tena nanampy ireo tanora tokoa ve ireny fanazavana ireny? Diniho ny ohatra iray. Nisy lahatsoratra maromaro tao amin’io fitohitohizan-dahatsoratra io niresaka ny amin’ny fikasikasihana ny faritra maha-lahy na maha-vavy mba hahazoana fahafinaretana (“masturbation”), ary nampiseho fa mampirehitra ny “faniriana eo amin’ny lahy sy ny vavy” izany ka mitarika mora foana ho amin’ny faharatsiam-pitondrantena.a (Kolosiana 3:5, MN ) Nanome tolo-kevitra azo ampiharina izy ireo momba ny fomba fiadiana amin’io fanao io sy ny amin’izay tokony hatao raha mbola miverina indray izy io. Ho famaliana ireny lahatsoratra ireny, dia izao no nosoratan’ny tanora sasany: “Nanana io zava-manahirana momba ny fikasikasihana ny faritra maha-lahy io aho hatramin’ny faha-12 taonako. 18 taona aho izao, ary miha-afaka amin’izany tsikelikely, noho ny fanampian’ireo lahatsoratrareo.” “Manaraka ireo torohevitra nomenareo aho izao, ary tsapako fa salama lavitra kokoa noho ny taloha ny saiko. Mahatsiaro tena ho madio kokoa aho.”
11 Maka fotoana ny famakiana sy fianarana ireny fanazavana ireny, kanefa raha ataonao izany dia hanampy anao hitoetra ho madio ara-pitondrantena. Manararaotra amin’ny fomba feno zavatra natonta toy ireny ve ianao? Ho famaliana ny lahatsoratra antsoina hoe: “Firaisan’ny lahy sy ny vavy alohan’ny fanambadiana — Nahoana moa no ‘tsia’?”b tao amin’ny fitohitohizan-dahatsoratra hoe “Manontany ireo tanora...”, dia nanoratra toy izao ny ankizivavy iray izay nianatra ny Baiboly tamin’izay: “Fantatro ny fahatsapan-tena ho ratsy, meloka sy saro-piaro vokatry ny firaisan’ny lahy sy ny vavy alohan’ny fanambadiana ary manenina be mihitsy aho izao. Misaotra an’i Jehovah isan’andro aho noho ny nanekeny ahy sy ny namelany ny heloko. Manantena aho fa hanampy ny hafa alohan’ny hanaovany iny nataoko iny io lahatsoratra navoakanareo io. Manimba tokoa izany. Fantatro izao ny antony anirian’i Jehovah Andriamanitra ny ‘hifadiantsika ny fijangajangana’. — 1 Tesaloniana 4:3.
12. Inona no hanosika antsika haniry ny hahazo sitraka amin’i Jehovah?
12 Izany dia mitondra antsika ho amin’ny zavatra hafa iray izay hanampy anao hiatrika ilay fihaikana amim-pahombiazana: Tsy maintsy ekenao fa Jehovah no Tompom-piandrianana manerana izao rehetra izao ary tokony hankatoavina izy. (Apokalypsy 4:11) Ankoatra izany anefa dia Ray be fitiavana any an-danitra izy ary ny hahasoa antsika indrindra no irin’ny fony. (Ohabolana 2:20-22; Isaia 48:17) Natao mba hiarovana antsika ireo lalàny, fa tsy ny hametra antsika tsy amin’ny antony akory. (Deoteronomia 4:5, 6) Ny fahatakaranao mazava tsara ny antony anantitranteran’i Jehovah ny hahadiovanao eo amin’ny ara-pitondrantena dia hanampy anao hahita ny tena hatsarana ary hanosika anao ho tia ny hahazo sitraka aminy. — Salamo 112:1.
13. Amin’ny fomba ahoana no hanazavanao fa ny hahasoa antsika indrindra no katsahin’ny lalàn’i Jehovah mandrara ny fijangajangana?
13 Diniho fa noferan’Andriamanitra ho amin’ny fanambadiana ny firaisan’ny lahy sy ny vavy ary mandrara tanteraka ny fijangajangana izy. (Hebreo 13:4) Hisakana anao tsy hahazo zava-tsoa ve ny fankatoavana io lalàna io? Hanao lalàna iray izay tsy hamela antsika hahita fifaliana eo amin’ny fiainana ve ny Ray be fitiavana any an-danitra iray? Tsy isalasalana fa tsia! Jereo izay mitranga amin’ny fiainan’ireo tanora tahaka anao izay tsy miraharaha ny lalàn’Andriamanitra ara-pitondrantena. Ny zaza tsy niriny ao am-bohoka mazàna dia mitarika azy ireo ho amin’ny fanalana zaza, na ho amin’ny fanambadiana aloha loatra angamba. Amin’ny toeran’ny olona maro izany dia midika fitaizana zanaka iray tsy misy ray. Ambonin’izany, ireo tanora izay mijangajanga dia “manota mihatra amin’ny tenany” ary mamela ny tenany ho mora voan’ny aretina azo avy amin’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy. (1 Korintiana 6:18) Ary rehefa mijangajanga ny tanora iray izay nanolo-tena ho an’i Jehovah, ny vokany eo amin’ny fihetseham-pony dia mety hanimba azy tokoa. Ny fanandramana hampangina ny famelezan’ny fieritreretana meloka dia mety hiteraka faharerahana sy tsy fahitan-tory amin’ny alina. (Salamo 32:3, 4; 51:3) Tsy miharihary àry ve izany fa natao mba hiarovana anao ny lalàn’i Jehovah mandrara ny fijangajangana? Tena misy soa marina amin’ny fihazonana ny fahadiovana ara-pitondrantena.
14. Raha ny amin’ny filazana fa ho fiarovana azy ny fanambadian’ny tanora raha mbola latsaka ny roapolo taona, hazavao ny fomba tokony handraisantsika ireo tenin’i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 7:9 sy 7:36, MN.
14 Ekena aloha fa tsy mora ny manaraka ireo lalàna hentitr’Andriamanitra momba ny ara-pitondrantena. Noho izany antony izany, ny tanora sasany dia manatsoaka hevitra fa ny fiarovana tsara indrindra dia ny fanambadiana raha mbola latsaka ny roapolo taona izy. ‘Tsy milaza tokoa ve ny 1 Korintiana 7:9, hoy ny fihevitr’izy ireo, fa “raha tsy maharitra izy, dia aoka hanam-bady ihany; fa tsara ny manam-bady noho ny ho maimay”?’ Tsy mijery lavitra anefa izany fiheverana izany. Ireo tenin’i Paoly ireo dia tsy nataony ho an’ireo tanora fa ho an’ireo izay efa avy nandalo ny “fiandohan’ny fahatanorana.” (1 Korintiana 7:36, MN ) Amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra, ireo izay mbola eo am-piandohan’ny fahatanorana dia tsy mbola ampy fahamatorana ara-pihetseham-po sy ara-panahy mba hiatrehana ireo fanerena sy andraikitra entin’ny fanambadiana. Nanao tatitra toy izao ny Journal of Marriage and the Family (Ny gazetin’ny fanambadiana sy ny fianakaviana): “Ireo izay manambady aloha dia mahita fahafaham-po kely kokoa eo amin’ny fanambadiana satria tsy ampy fiomanana ho amin’ny fanatontosana ny anjara asany ao amin’ny fanambadiana. Ny tsy fanatontosana amin’ny fomba tsara ny anjara asany dia mampihena ny fahafaham-po, ary izany dia mitarika ho amin’ny fanambadiana tsy mijoro tsara.” Ny valiny àry izany dia hoe: aza manambady aloha loatra, fa mitoera ho mpitovo madio eo amin’ny ara-pitondrantena mandra-pahazoanao ireo toetra tsara ilaina mba hampahombiazana ny fanambadianao.
Mitoera ho madio hatrany!
15. Dingana hentitra inona avy no ilainao hatao raha te-hitoetra ho madio ara-pitondrantena ianao?
15 Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Koa vonoy ny momba ny tenanareo izay etỳ an-tany, dia fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po [faniriana eo amin’ny lahy sy ny vavy, MN ].” (Kolosiana 3:5) Eny tokoa, ilaina ny manao dingana hentitra; tsy maintsy vonona ny hitoetra ho madio eo amin’ny ara-pitondrantena ianao. Raha niresaka ny amin’ny matoanteny nadika hoe “vonoy” ny Expositor’s Bible Commentary (Fanazavana hevi-tenin’ny Baiboly) dia nilaza hoe: “Manoro hevitra izy io fa tsy tokony hanindry na hifehy fotsiny ireo asa sy fihetsika ratsy isika. Tsy maintsy manafoana izany isika, mamongotra tanteraka ny fomba fiainantsika taloha. Ny hoe ‘vonoy ho faty tanteraka’ dia mety handika ny heriny. (...) Ny dikan’ilay matoanteny sy ny endrika mandidy ampiasaina azy eto dia samy milaza asa mitaky fiezahana mafy sy maharary avy amin’ny fahavononan’ny tena manokana.” — Jereo Matio 5:27-30.
16. Mba hitoerana ho madio ara-pitondrantena, nahoana moa ianao no tsy maintsy miezaka ny hitoetra ho madio ara-tsaina, ary amin’ny fomba ahoana no mety hahombiazanao amin’izany?
16 Ahoana anefa no azonao ‘hamonoana ho faty tanteraka’ na ‘anafoanana’ ireo asa sy fihetsika maloto? Voakasik’i Jesosy ny votoatin’io zava-manahirana io rehefa nilaza izy hoe: “Avy ao anatin’ny olona, dia avy ao am-pony, no ivoahan’ny sain-dratsy, dia ny fijangajangana, (...) ny fakam-badin’olona, ny fieremana.” (Marka 7:21, 22) Tafiditra ao amin’ny fo ara-panoharana ny fahaiza-misaina, izany no antony ampifandraisana azy amin’ny ‘saina’ eto. Mba hitoerana ho madio eo amin’ny ara-pitondrantena àry, dia tsy maintsy miady mafy ianao mba hitoerana ho madio eo amin’ny ara-tsaina. Amin’ny fomba ahoana? Koa satria ny saina dia maharay hevitra avy amin’ireo vavahadin-tsaina, dia mila ny mitandrina ianao raha ny amin’izay jeren’ny masonao, ny amin’ny boky vakinao, ny amin’ireo fandaharana eo amin’ny televiziona, na ireo sarimihetsika izay mampiseho na manala tsiny ny faharatsiam-pitondrantena. Mila ny mitandrina ihany koa ianao raha ny amin’izay henoin’ny sofinao, ka manalavitra ireo hira manana tonony miresaka an-karihary ny amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy. Mitaky herim-po ny fanaovana toy izany, indrindra eo anatrehan’ireo mitovy taona aminao, kanefa ny fanaovana izany dia hanampy anao hitoetra ho madio ara-panahy sy hihazona ny fanajanao ny tenanao manokana.
17. Nahoana moa no tsy tokony hotononina akory eo aminareo ny fahalotoana ara-pitondrantena?
17 Nanoro hevitra toy izao koa ny apostoly Paoly: “Ny fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra, na ny fieremana, dia aza avela hotononina eo aminareo akory aza, fa tsy mahamendrika ny olona masina izany.” (Efesiana 5:3; jereo koa ny andininy faha-12.) Ny fahalotoana ara-pitondrantena àry izany dia tsy tokony hotononina akory, izany hoe hitana ny saina na hatao resaka vazivazy. Nahoana? Izao no nilazan’i William Barclay, mpivaofy tenin’ny Baiboly, azy: “Ny miresaka ny amin’ny zavatra iray, manao vazivazy momba ny zavatra iray, manao azy ho zavatra resahina matetika dia mampitsofoka azy ao an-tsaina, ary manao izay hanatanterahana azy tsy ho ela amin’ny asa.” (Jakoba 1:14, 15) Mitaky fanapahan-kevitra hentitra ny ‘manisy fehim-bava ny vavanao’, indrindra rehefa miresaka vazivazy maloto ireo tanora hafa, na mampiasa fiteny mahamenatra mba hiresahana ny amin’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy. (Salamo 39:1) Kanefa raha mitoetra ho mahitsy sy madio ianao dia hampifaly ny fon’i Jehovah. — Salamo 11:7; Ohabolana 27:11.
18. a) Mba hahafahana mivoaka ho mpandresy amin’ny ady atao amin’ny fahalotoana ara-pitondrantena, nahoana moa no tsy ampy ny manalavitra fotsiny ireo hevitra sy teny maloto? b) Amin’ny fomba ahoana moa no mety handraisanao soa avy amin’ny torohevitr’i Paoly ho an’ireo Filipiana?
18 Mba hahafahana mivoaka ho mpandresy amin’ny ady atao amin’ny fahalotoana ara-pitondrantena, dia tsy ampy ny manalavitra fotsiny ireo hevitra sy teny maloto. Milaza toy izao ny ohabolana sinoa iray: “Misokatra ho an’ny tolo-kevitra rehetra ny saina banga iray.” (Ampitahao amin’ny Matio 12:43-45.) Nanaiky ny ilàna ny hamenoana ny saina amin’ny hevitra mahasoa sy madio i Paoly. Noho izany no namporisihany ny Filipiana toy izao: “Na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona mahate-ho tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia hevero [hatrany, MN ] izany [‘ataovy foto-kevitry ny eritreritra amim-pitandremana’c].” — Filipiana 4:8.
19. Nahoana moa no ilaina ny mianatra ny Tenin’Andriamanitra amim-pitandremana tsara, ary ahoana no hanampian’izany anao hitoetra ho madio ara-pitondrantena?
19 Fanaovana fianarana ny Tenin’Andriamanitra amim-pitandremana tsara no dikan’izany. (Josoa 1:8; Salamo 1:2) Hanatanjaka ny sainao sy ny fonao izany ary hanampy anao hamboly fifandraisana manokana akaiky amin’i Jehovah. Amin’izany ianao dia hahay kokoa ny hanohitra ireo fakam-panahy hanana fitondrantena maloto. Ary tsy hanao izay hitondra fahafaham-baraka ho an’ny anaran’i Jehovah na henatra ho an’ny fianakavianao sy ny kongregasiona ianao amin’izany. Mifanohitra amin’izany kosa fa hampiasa ny herin’ny fahatanoranao sy ny fahatanjahany amin’ny fomba izay tsy hanenenanao any aoriana ianao. Eny tokoa, araho ny lalan’ny fahadiovana ara-pitondrantena izay tena mahatsara tarehy ireo tanora manompo an’i Jehovah! — Ohabolana 3:1-4.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ireo nomeraon’ny Réveillez-vous! tamin’ny 8 septambra 1987, pejy faha-19-21; sy tamin’ny 8 novambra 1987, pejy faha-18-20; ary tamin’ny 8 marsa 1988, pejy faha-20-23.
b Réveillez-vous! tamin’ny 8 desambra 1985, pejy faha-10-13.
c The Expositor’s Greek Testament.
Ry tanora: inona no havalinareo?
◻ Nahoana moa ianao no tsy maintsy mihazona fari-pahadiovana ara-pitondrantena ambony?
◻ Fanerena inona avy moa no mahatonga ny fihazonana fahadiovana eo anatrehan’Andriamanitra hitaky fiezahana?
◻ Inona no mety hanampy anao hiatrika ny fihaikana ka hitoetra ho madio ara-pitondrantena?
◻ Dingana hentitra inona avy moa no ilaina hataonao mba hitoerana ho madio?
[Sary, pejy 13]
Ny ankamaroan’ireo izay mbola eo am-piandohan’ny fahatanorany dia mbola kely loatra ka tsy afaka hiantsoroka ireo andraikitra amin’ny maha-ray aman-dreny