Manaova fanambarana ny amin’i Jehovah ary aza mba ketraka
“Fa hevero tsara ilay naharitra ny fanoherana nataon’ny mpanota taminy, fandrao ho ketraka hianareo, ka ho reraka ny fanahinareo.” — HEBREO 12:3.
1, 2. Porofo mampiaiky inona avy no nomen’i Jesosy ny mpianany fa efa natsangana izy?
“EFA nahita ny Tompo aho!” Tamin’ireo teny nanaitra ireo no nanambaran’i Maria Magdalena ny vaovao momba ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty (Jaona 20:18). Izany dia nanamarika ny fiandohan’ny 40 andro feno fisehoan-javatra nahavariana ho an’ireo mpianatr’i Kristy izay vao nampalahelovina noho ny fahafatesany.
2 Nirin’i Jesosy ny tsy hamela fisalasalana mihitsy tao an-tsain’ireo mpianany ny amin’ny tena fahavelomany. Noho izany, araka ny nambaran’i Lioka dia “niseho koa tamin’ny famantarana maro taorian’ny nijaliany fa velona Izy [i Jesosy], ka niseho taminy efa-polo andro”. (Asan’ny apostoly 1:3.) Indray mandeha aza dia “niseho tamin’ny rahalahy tsy omby diman-jato Izy”. (1 Korintiana 15:6.) Azo antoka izao fa tsy misy toerana ho an’ny fisalasalana intsony. Velona i Jesosy!
3. Fanontaniana inona mikasika ilay Fanjakana no napoitran’ireo mpianatr’i Jesosy taminy, ary nahoana no nanaitra azy ireo ny valinteniny?
3 Tamin’izany, ireo mpianatr’i Jesosy dia tsy nisaina afa-tsy ny amin’ny “fanjakan’Andriamanitra” eto an-tany izay ho naorina teo amin’ny Isiraely (Lioka 19:11; 24:21). Noho izany, dia nanontany an’i Jesosy toy izao izy ireo: “Tompoko, amin’izao va no hampodianao ny fanjakana ho amin’ny Isiraely?” Tsy isalasalana fa nanaitra azy ireo ny valinteniny satria hoy izy hoe: “Tsy anareo ny hahalala ny andro na ny fotoana izay efa notendren’ny Ray amin’ny fahefany ihany. Fa hahazo hery hianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany.” (Asan’ny apostoly 1:6-8). Zava-tsarotra tsy maintsy setraina re izany ho an’ireo mpianatra! Ary endrey izany andraikitra! Ahoana no hahafahany manatanteraka asa toy izany? Tsy ela dia tonga tamin’ny fomba nanaitra ny valin’izany fanontaniana izany.
Misetra ilay zava-tsarotra izy ireo
4. Lazalazao izay nitranga tamin’ny andro Pentekosta?
4 Izao no nosoratan’i Lioka: “Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin’ny fitoerana iray izy rehetra. Ary nisy feo tonga tampoka avy tany an-danitra, toy ny rivotra mahery mifofofofo, ka nanenika ilay trano niangonany. Ary nisy lela maro mitarehin’afo niseho taminy, izay nizarazara; ary nipetraka tamin’izy rehetra isan-olona izany. Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin’ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan’ny Fanahy Masina azy.” Mafy aoka izany ny tabataba ka nanintona ny sain’ny Jiosy maro be nijanona tao Jerosalema ho amin’ny andro firavoravoana. Gaga izy ireo nandre ‘tamin’ny fiteniny avy ny asa lehibe ataon’Andriamanitra’. — Asan’ny apostoly 2:1-11.
5. Tanteraka vetivety ve izay nambaran’i Jesosy mialoha ao amin’ny Asan’ny apostoly 1:8?
5 Tsy nangataka andro i Petera fa tao amin’ny lahateny mahery iray dia noporofoiny tsy misy isalasalana mihitsy fa “Jesosy avy any Nazareta” izay nohomboany teo amin’ny hazo fijaliana no ilay “Tompo” nambaran’i Davida mialoha tamin’izao teny izao: “Jehovah nilaza tamin’ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tànako ankavanana ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.” Voatsindrona tampony ny mpihaino an’i Petera ka nanontany hoe: “Ry rahalahy, inona no hataonay?” Ho valinteny dia nampirisika azy toy izao i Petera: “Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy hianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo.” Inona no vokatr’izany? Telo arivo no natao batisa! (Asan’ny apostoly 2:14-41). Efa nanaovana fanambarana sahady tao Jerosalema. Tatỳ aoriana, dia niitatra tany Jodia manontolo izany, avy eo dia tany Samaria, ary farany dia “hatramin’ny faran’ny tany.” Haingana aoka izany ny fiitaran’ny asa fitoriana ilay Fanjakana ka tany amin’ny taona 60 tany ho any dia afaka nilaza ny apostoly Paoly fa “notorina eny ambanin’ny lanitra rehetra eny” ny vaovao tsara. — Kolosiana 1:23.
Fitomboana sy fanenjehana
6, 7. a) Tamin’ny fomba ahoana no niarahan’ny fitomboana sy ny fanenjehana ny kristiana tamin’ny taonjato voalohany? b) Nila inona maika moa ireo kristiana tany Jerosalema, ary tamin’ny fomba ahoana no nanomezana fahafaham-po izany?
6 Taoriana kelin’ny Pentekosta taona 33, ny mpianatr’i Jesosy dia nanana antony hahatsiarovana ireto teniny ireto: “Ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony. Raha nanenjika Ahy izy, dia hanenjika anareo koa.” (Jaona 15:20). Romotry ny hatezerana ireo filoha ara-pivavahana jiosy satria “nandroso ny tenin’Andriamanitra; ary nihamaro indrindra ny isan’ny mpianatra tany Jerosalema”. Noho ny fiampangana lainga dia notoraham-bato ho faty i Stefana. Toa ny famantarana izay nandrasan’ny maro izany, satria “tamin’izany andro izany dia nisy fanenjehana mafy tamin’ny fiangonana tany Jerosalema; ka dia niely teny amin’ny tany Jodia sy Samaria izy rehetra, afa-tsy ny Apostoly ihany.” — Asan’ny apostoly 6:7; 7:58-60; 8:1.
7 Niato kely ny fanenjehana. Fotoana fohy taorian’izay anefa, dia novonoin’i Heroda Agripa I ho faty ny apostoly Jakoba. Natao an-tranomaizina i Petera nefa nafahan’ny anjely iray. Tatỳ aoriana, dia nihanahantra ara-nofo ireo rahalahy tany Jerosalema, ary nandefa fanampiana ho azy ny namany mpino tany an-toeran-kafa (Asa 9:31; 12:1-11; 1 Korintiana 16:1-3). Nandritra ny fandalovan’i Paoly tao Jerosalema, dia niharihary ny firehetana ara-pivavahana tamin’izao kiakiaka mafy nataon’ny vahoaka izao: “Esory amin’ny tany ilehio, fa tsy tokony hovelomina izy!” (Asan’ny apostoly 22:22). Azo antoka fa nila fampaherezana be ireo kristiana nonina tany Jerosalema sy Jodia ireo mba hanohizana manambara amim-pahatokiana ilay Fanjakana. Nampanantena ireo mpianany i Jesosy fa ny “Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako” dia hiasa amin’ny maha-“Mpananatra [mpanampy, MN ]”. (Jaona 14:26.) Ahoana anefa izao no hanomezan’ny Ray fanampiana na fampaherezana tena ilaina toy izany? Tamin’ny alalan’ny apostoly Paoly no nanaovana ny ampahan’izany.
Ny taratasin’i Paoly ho an’ny Hebreo
8. a) Inona no nanosika an’i Paoly hanoratra ny taratasiny ho an’ny Hebreo? b) Lafiny inona amin’ny taratasiny no hampifatohantsika ny saintsika, ary nahoana?
8 Tany amin’ny taona 61 am.fan.ira., dia nigadra tany Roma i Paoly, nefa nahalala izay nanjo ny rahalahiny tany Jerosalema izy. Noho izany, teo ambany fitarihan’ny fanahin’i Jehovah, dia nanoratra ny taratasiny tena tamin’ny nilana azy ho an’ny Hebreo izy. Izy io dia feno fiheverana amim-pitiavana an’ireo rahalahiny sy anabaviny hebreo. Fantatr’i Paoly izay nilain’izy ireo mba hanatanjaka ny finoany sy ny fitokiany an’i Jehovah ho Mpanampy azy. Amin’izay dia ho afaka ‘hihazakazaka amin’ny faharetana amin’ny fihazakazahana filokana napetraka eo anoloany’ izy ary ho afaka hiteny amim-pahatokiana hoe: “Jehovah no Mpamonjy [mpanampy, MN ] ahy, ka tsy hatahotra aho; inona no azon’ny olona atao amiko?” (Hebreo 12:1; 13:6). Eo amin’io tapany amin’ny taratasin’i Paoly ho an’ny Hebreo io (toko faha 11-13) no irintsika hampifantohana ny saintsika izao. Nahoana àry? Satria ny toe-javatra natrehin’ireo kristiana voalohany ireo dia mitovy amin’izay hitan’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny.
9. Fanontaniana inona no atrehin’ny kristiana ankehitriny, toy ireo kristiana tamin’ny taonjato voalohany, ary amin’ny fomba ahoana ihany no hamaliana izany?
9 Tao anatin’ny taranaka misy antsika dia maro no nanaiky ny hafatra momba ilay Fanjakana tamin’ny fanolorany ny tenany ho an’i Jehovah sy tamin’ny fanekeny hatao batisa amin’ny maha-Vavolombelony. Niaraka tamin’io fiitaran’ny fanompoam-pivavahana marina io anefa ny fanenjehana mahery vaika izay namoizan’ny kristiana maro ny ainy, toa an-dry Stefana sy Jakoba ary ny Vavolombelona nahatoky hafa tamin’ny taonjato voalohany. Noho izany, dia mitovy amin’izay nitranga tamin’izany ihany ny fanontaniana amin’izao fotoana izao: Iza no hahajoro amin’ny fitsapana ny tsy fivadihany eo anoloan’ny fanoherana mitombo atao amin’ny hafatra momba ilay Fanjakana? Ankoatra izany, iza no ho afaka hiatrika ny fisehoan-javatra mahatahotra toy ny “fahoriana lehibe” tsy mbola nisy toa azy izay ho avy tsy ho ela amin’ity taranaka ankehitriny ity (Matio 24:21)? Ny valiny dia izao: ireo voaomana ‘hiady ny ady tsaran’ny finoana’, ireo izay ‘miorina tsara amin’ny finoana’. Ireo no ho afaka hiteny amin’ny farany hoe: “Ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika.” — 1 Timoty 6:12; 1 Petera 5:9; 1 Jaona 5:4.
Soa raisina avy amin’ireo oha-pahatokiana
10. a) Inona no atao hoe finoana? b) Manao ahoana ny fihetseham-pon’Andriamanitra ny amin’ireo lehilahy sy vehivavy nanam-pinoana fahiny?
10 Inona no atao hoe finoana? Mamaly toy izao i Paoly: “Ary ny finoana no fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita. Fa izany no nahatsara laza ny ntaolo.” (Hebreo 11:1, 2). Avy eo i Paoly dia nanamafy ny famaritany ny atao hoe finoana tamin’ny fanehoana ny finoana miasa. Naka ny fotoana namirapiratra indrindra teo amin’ny fiainan’ny “ntaolo” sasany sy vehivavy sahala amin-dry Saraha sy Rahaba izy. Endrey izany fampaherezana mahita fa “Andriamanitra dia tsy menatra hatao hoe Andriamaniny” (Hebreo 11:16)! Afaka miteny toy izany amintsika ve Andriamanitra noho ny finoantsika? Enga anie isika tsy hanome azy antony hahamenatra noho ny amintsika isaky ny mifarana ny andro.
11. Amin’izao andro izao, ahoana no andraisantsika soa avy amin’ny “vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona”?
11 Rehefa avy niresaka ny amin’ireo lehilahy sy vehivavy tsy nivadika ireo i Paoly dia niteny hoe: “Koa amin’izany, satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona, dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra mbamin’ny ota izay malaky mahazo antsika, ary aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana amin’izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao.” (Hebreo 12:1). Moa ve velona ao an-tsaintsika ireny Vavolombelona tsy nivadika fakan-tahaka ireny na dia mbola matory ao am-pasana aza izao? Moa ve ianao ampy fahalalana tsara ny aminy sy ny fanandraman-javatra hitany mba hamaliana hoe eny? Izany dia iray amin’ireo valisoa maro azon’ireo mianatra tsy tapaka ny Baiboly ka mampiasa ny vavahadin-tsainy rehetra mba hiainana indray ny fiainana nahavariana nananan’ireny “vavolombelona maro be toy ny rahona” ireny. Eny, ny fandatsahantsika am-po ny oha-pahatokiana navelany dia hanampy antsika tokoa handresy izay mety ho tsy fahampiam-pinoana. Ary izany dia hanampy antsika hanao fanambarana ny amin’ny fahamarinana amin-kasahiana sy tsy amin-tahotra amin’ny toe-javatra rehetra. — Romana 15:4.
Aza mba ketraka
12. a) Amin’ny ahoana ny ohatr’i Jesosy no manampy antsika mba tsy ‘ho ketraka ka ho reraka ny fanahintsika’? b) Manonòna ohatra sasany ny amin’ireo tsy mba ketraka amin’izao androntsika izao?
12 Jesosy no oha-pinoana lehibe indrindra ananantsika. Nampirisika toy izao i Paoly: “Aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana amin’izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao, mijery [mibanjina, MN ] an’i Jesosy, Tompon’ny finoantsika sy Mpanefa azy (...) Fa hevero tsara ilay naharitra ny fanoherana nataon’ny mpanota taminy, fandrao ho ketraka hianareo, ka ho reraka ny fanahinareo.” (Hebreo 12:1-3). Moa ve isika mihevitra “tsara” ny ohatr’i Jesosy? Hatraiza isika no “mibanjina” azy? (1 Petera 2:21.) Irin’i Satana isika ‘ho ketraka, ka ho reraka ny fanahintsika’. Tiany hatsahatsika ny asa fanambarana. Amin’ny fomba ahoana no anaovany izany? Indraindray amin’ny alalan’ny fanenjehana mivantana avy amin’ny fahefana ara-pivavahana sy ara-politika, toy ny tamin’ny taonjato voalohany. Tamin’ny taona 1988, dia niharan’ny fameperana ny asa fitoriana ilay Fanjakana tany amin’ny tany eo amin’ny 40. Nefa nahaketraka ireo rahalahintsika ve izany? Tsia! Ny asa tamim-pahatokiana nataony dia nahatonga olona maherin’ny 17000 hatao batisa tany amin’ireny tany ireny tamin’io taona io. Izany ka fampirisihana ho an’izay rehetra miaina any amin’ny tany misy fahafahana sasany! Enga anie isika tsy ho ketraka mihitsy amin’ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana!
13. a) Zavatra an-kolaka sasany inona no mety hahatonga antsika ho ketraka amin’ny asa fitoriana? b) Inona moa ilay ‘fifaliana napetraka teo anoloan’i Jesosy’, ary amin’ny fomba ahoana no mety hahazoantsika toe-tsaina falifaly toy izany?
13 Misy anefa zavatra hafa an-kolaka kokoa mety hahatonga antsika ho ketraka. Tafiditra amin’izany ny fanoherana ao amin’ny tokantrano voazarazara, fahaketrahana ara-tsaina, zava-manahirana ara-pahasalamana, ny fanerena avy amin’ny mpiara-mianatra na mpiara-miasa, fahakiviana noho ny tsy fahitana vokatra tsara eo amin’ny asa fitoriana, na angamba fahatsapana tsy faharetana satria tsy mbola tonga ny faran’ity fandehan-javatra ity. Inona àry no nanampy an’i Jesosy hiaritra fahoriana ara-tsaina sy ara-batana? Izany dia “ny fifaliana napetraka teo anoloany” (Hebreo 12:2). Nanohana an’i Jesosy ny fifaliana azony avy amin’ny fampifaliana ny fon’ny Rainy, avy amin’ny fiarovana ny anarany, ary amin’ny fieritreretana mialoha ny fahasambarana ho hitany rehefa hitondra ireo fitahiana mahatalanjona avy amin’ny Fanjakana mesianika izy (Salamo 2:6-8; 40:9, 10; Ohabolana 27:11). Azontsika arahina amin’ny fomba tsara kokoa ve io fihetsika falifaly nananan’i Jesosy io? Ary tsarovy ny filazan’i Petera manao hoe: “Fa izany fahoriana izany dia manjo ny rahalahinareo rehetra eran’izao tontolo izao.” (1 Petera 5:9). Ny fahafantarana fa mahatakatra ny toerantsika i Jehovah, ny fahatsapana ny hafanana avy amin’ireo rahalahy maneran-tany, ary ny fampifantohana ny masontsika amin’ireo fifaliana eo anoloantsika eo ambany fanapahan’ilay Fanjakana — izany rehetra izany no hanampy antsika tsy ho ketraka amin’ny fanompoana an’i Jehovah amim-pinoana sy amin’ny fitoriana rehefa tena antomotra toy izao ny farany.
Nahoana Jehovah no mifehy
14. Soa inona no mety hateraky ny fitsapana sy ny fahoriana izay tsy maintsy iaretantsika?
14 Asehon’i Paoly amintsika izao ny antony mety hahatonga antsika hiaritra fitsapana sy fahoriana. Manolo-kevitra antsika izy mba hijery izany ho toy ny endri-pifehezana iray. Izao no fanjohian-kevitr’i Paoly: “Anaka, aza atao ho zavatra kely ny famaizana ataon’i Jehovah, ary aza reraka, raha resi-lahatry ny anatra ataony hianao; fa izay tian’i Jehovah no faizany.” (Hebreo 12:5, 6). Na dia Jesosy aza “dia nianatra fanarahana [fankatoavana, MN ] tamin’izay fahoriana nentiny”. (Hebreo 5:8.) Azo antoka fa mila mianatra mankatò koa isika. Tadidio ny soa entin’ny famelana ny fifehezana hamolavola antsika. Hoy i Paoly: “Mitondra ny vokatry fahamarinana hiadanana ho an’izay nanaovana azy izy.” Fampaherezana re izany! — Hebreo 12:11.
15. Ahoana no hahafahantsika manaraka ny torohevitr’i Paoly mba ‘hanao làla-mahitsy halehan’ny tongotsika’?
15 Raha manaiky ny “famaizana ataon’i Jehovah” isika avy amin’izany fanazavana izany, dia handatsaka am-po ny torohevitra manorina nomen’i Paoly manao hoe: “Koa hatanjaho ny tànana miraviravy sy ny lohalika malemy; ary manaova làla-mahitsy halehan’ny tongotrareo.” (Hebreo 12:12, 13). Tena mora indraindray ny mihataka amin’ny ‘làlana tery izay mankany amin’ny fiainana’. (Matio 7:14.) Indray mandeha dia meloka ho nanao izany ny apostoly Petera sy ny hafa tany Antiokia. Nahoana? Satria “tsy nandeha mahitsy araka ny fahamarinan’ny filazantsara ireo”. (Galatiana 2:14.) Amin’izao fotoana izao isika dia tokony hihaino hatrany an’i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpampianatra antsika lehibe. Ilaintsika ny mampiasa amin’ny fomba feno ny fanampiana omeny antsika amin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sy manan-tsaina”. Hiantoka “làla-mahitsy” ho an’ny tongotsika izany. — Matio 24:45-47; Isaia 30:20, 21.
16. a) Ahoana no mety hahatonga “faka mangidy” hitsiry ao amin’ny kongregasiona? b) Nahoana no nampiarahin’i Paoly ny fahalotoam-pitondrantena sy ny tsy fanajana ny zavatra masina, ary ahoana no hahafahantsika miaro tena amin’ny loza toy izany?
16 Nampitandrina antsika i Paoly avy eo fa tokony ‘hitandrina tsara isika fandrao hisy hiala amin’ny fahasoavan’Andriamanitra; fandrao hisy faka mangidy mitsimoka hampikorontana ka ho voaloto ny maro’. (Hebreo 12:15.) Izay manjary sosotra, tsy afa-po, na mahita hokianina foana amin’izay atao ao amin’ny kongregasiona dia toy ny “faka mangidy” izay mety hitombo haingana ka hanapoizina ny saina salaman’ny hafa ao amin’ny kongregasiona. Afaka miady amin’izany fomba fisaina tsy manorina izany isika amin’ny fandinihana ny fitahiana tsy tambo isaina nentin’ny fahamarinana teo amin’ny fiainantsika (Salamo 40:5). Loza hafa iray koa ny fananana fironana ho amin’ny fahalotoam-pitondrantena na ny ‘tsy fanajana ny [zavatra] masina, tahaka an’i Esao’ (Hebreo 12:16). Nampiarahin’i Paoly ireo loza roa ireo satria mitarika mora foana ho amin’ny anankiray ilay hafa. Tsy voatery ho latsaka ao amin’ny faniriana feno fitiavan-tena toy izany ny kristiana raha manaraka ny tenin’i Petera manao hoe: “Tohero izy [ny Devoly], ka miorena tsara amin’ny finoana hianareo.” — 1 Petera 5:9.
“Fanehoana ny zavatra tsy hita”
17. Ampitahao ny fisehoan-javatra nahatahotra nitranga teo amin’ny tendrombohitra Sinay sy izay atrehin’ny kristiana ankehitriny.
17 Tena miorina amin’ny “fanehoana ny zavatra tsy hita [zava-misy nefa tsy hitan’ny maso, MN ]” tokoa ny finoantsika. (Hebreo 11:1.) Manohy ny resany mikasika ny sasany amin’ireny zava-misy tsy hitan’ny maso ireny i Paoly ao amin’ny Hebreo 12:18-27. Noresahiny ny amin’ilay fisehoan-javatra nampivarahontsana teo amin’ny tendrombohitra Sinay fony niresaka nivantana tamin’ny Isiraely Andriamanitra ka niteny toy izao i Mosesy: “Matahotra loatra sy mangovitra indrindra aho.” Nanampy toy izao avy eo ilay apostoly: “Fa hianareo kosa efa mby eo an-tendrombohitra Ziona, tanànan’Andriamanitra velona, dia Jerosalema any an-danitra, ary ho ao amin’ny anjely tsy omby alinalina, amin’ny fihaonana fifaliana [manao fivoriambe lehibe, MN ].” Nilaza i Paoly fa tamin’ny andron’ny Isiraely fahiny teo amin’ny tendrombohitra Sinay, dia nampihorohoro ny tany ny feon’Andriamanitra; nefa izao dia mampanantena Izy hoe: “Indray maka koa tsy ny tany ihany no hampihorohoroiko fa ny lanitra koa.” Na dia natao ho an’ireo kristiana voahosotra aza aloha ireo teny ireo, dia afaka mandatsaka am-po izany koa ny “olona betsaka” amin’ny ondry hafa (Apokalypsy 7:9). Takatsika tsara ve ny maha-zava-dehibe an’izay nolazain’i Paoly? Mijoro eo anatrehan’ny fivoriamben’ny anjely analinalina maro isika. Eny, mijoro eo anatrehan’i Jehovah koa isika. Eo ankavanany no misy an’i Jesosy Kristy. Marina tokoa fa mahatahotra kokoa ny toerana misy antsika ary bebe kokoa ny andraikitsika noho ny an’ny Hebreo fahiny teo an-tendrombohitra Sinay! Ary tsarovy fa ny fampihorohoroana amin’ny ady Haramagedona ho avy dia hanafoana ny lanitra sy ny tany anjakan’ny faharatsiana ankehitriny. Azo antoka fa tsy izao intsony no fotoana tokony “hiangaviana” mba tsy hihaino sy hankatò ny Tenin’Andriamanitra.
18. Amin’ny fomba ahoana ihany no hahafahantsika manohy manao fanambarana ny amin’i Jehovah tsy misy fahaketrahana?
18 Marina tokoa, fa miaina amin’ny fotoana mampatahotra indrindra amin’ny tantaran’olombelona isika. Amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah antsika, dia nirahina hitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra efa miorina hatrany amin’ny faran’ny tany isika. Mba hanaovana izany dia tokony hananantsika ny finoana tsy azo hozongozonina, finoana izay tsy mora ketraka, finoana izay mamela antsika hanaiky ny fifehezan’i Jehovah. Raha ananantsika ny finoana toy izany, dia ho anisan’ireo izay ‘hanana fahasoavana ho entina manao izay fanompoana sitrak’Andriamanitra amin’ny fanajana sy ny fahatahorana’ isika (Hebreo 12:28). Eny, hanao fanambarana ny amin’i Jehovah hatrany isika ary tsy ho ketraka.
Ahoana no havalinao?
◻ Nahoana no andraisantsika soa ny taratasin’i Paoly ho an’ny Hebreo?
◻ Fanontaniana inona avy no tsy maintsy valian’ny kristiana ankehitriny?
◻ Ahoana no andraisantsika soa avy amin’ireo vavolombelona tsy nivadika fahiny?
◻ Nahoana Jehovah no manafay izay tiany?
◻ Inona no fanalahidin’ny fanaovana fanambarana tsy misy fahaketrahana?