Avy eo amin’ny “Seder” mankeo amin’ny famonjena
“Handray ny kapoaky ny famonjena aho ka hiantso ny anaran’i Jehovah.”−SALAMO 116:13.
1. Hira ankafizina aoka izany inona no mety hisy heriny eo amin’ny hoavinao?
HO TIANAO ve ny hira iray miresaka ny amin’ny hanananao hoavy sambatra maharitra? Ankafizina tokoa ny hira toy izany. Tsara toerana kokoa noho ny olona maro anefa ianao mba hahatakarana sy hankafizana io hira misy heviny io. Antsoin’ny Jiosy hoe Hallel (Fiderana) izy io. Voaforon’ny Salamo faha-113 ka hatramin’ny faha-118 izy io ary mampirisika antsika hihira hoe “Haleloia”, na “Derao i Jah”.
2. Ahoana no ampiasana an’io hira io, ary amin’ny fomba ahoana no ifandraisany amin’ny “Seder”?
2 Mihira ny Hallel amin’ny fankalazany ny Paska ireo Jiosy, hira izay tsy isalasalana fa efa hatramin’ny fotoana nananan’Andriamanitra tempoly nanaovana fanatitra biby. Ankehitriny izany dia hiraina any amin’ny tranon’ny Jiosy mandritra ny fankalazana sy ny sakafon’ny Paska antsoina hoe “Seder”. Vitsy amin’ireo izay mihira izany mandritra ny “Seder” anefa no mahatakatra ny tena hevitry ny Salamo 116:13 manao hoe: “Handray ny kapoaky ny famonjena aho, ka hiantso ny anaran’i Jehovah.” Nahoana àry ny famonjena no mifamatotra amin’ny Paska, ary mety ho tafiditra amin’izany ve ny famonjena anao?
Ny Paska: andro firavoravoana ny amin’ny famonjena
3. Ahoana no niandohan’ny “Seder”?
3 Tsarovy fa andevo tany Egypta teo ambany fanapahan’ny Farao mpampahory iray ny Isiraelita. Farany dia nanangana an’i Mosesy i Jehovah mba hitondra ny vahoakany ho amin’ny fahafahana. Rehefa avy nandefa loza sivy tamin’i Egypta Andriamanitra, dia nanambara ny loza fahafolo i Mosesy. Hamely ny lahimatoa isaky ny ankohonana egyptiana i Jehovah (Eksodosy 11:1-10). Afaka ny ho voatsimbina anefa ny Isiraelita. Amin’ny fomba ahoana? Tokony hamono zanak’ondry izy ireo, hanatentina ny rany eo amin’ny tolam-baravarana sy tataom-baravarana, ary hitoetra ao an-trano mihinana sakafo voaforon’ny zanak’ondry sy mofo tsy misy masirasira ary anana mangidy. Nandritra io “Seder” io no “nandalo” ny tranony Andriamanitra nefa tsy namono nahafaty ny lahimatoany. — Eksodosy 12:1-13.
4, 5. Tamin’ny ahoana no nitondran’ny Paska famonjena ho an’ny maro (Salamo 106:7-10)?
4 Vokatr’io loza fahafolo io, dia hoy i Farao tamin’i Mosesy: “Mitsangana, mialà eto amin’ny vahoakako hianareo ry Zanak’Isiraely, ary mandehana ka manompoa an’i Jehovah.” (Eksodosy 12:29-32). Rehefa lasa ny Hebreo sy ireo “olona maro samy hafa firenena” niaraka taminy, dia niova hevitra i Farao ka nanenjika azy. Nampian’Andriamanitra tamin’ny fomba mahagaga avy eo ny vahoakany mba handositra mamakivaky ny ranomasina Mena izay nahafatesan’i Farao sy ny tafiny mpanenjika. — Eksodosy 12:38; 14:5-28; Salamo 78:51-53; 136:13-15.
5 Hoy i Mosesy tamin’ny Isiraelita teo amin’ny ranomasina Mena: “Aza matahotra hianareo, mijanòna, fa ho hitanareo ny famonjen’i Jehovah, izay hataony ho anareo anio.” Tatỳ aoriana dia nihira toy izao izy ireo: “Jehovah no heriko sy fidèrako, fa efa famonjena ahy izy; izao no Andriamanitro, ka hankalaza Azy aho.” (Eksodosy 14:13; 15:2). Eny, ny fanafahana an’ny Isiraely tamin’ny loza fahafolo sy tamin’ny ranomasina Mena dia samy famonjena. Afaka nilazalaza an’i Jehovah ho Andriamanitra “manao famonjena eny amin’ny tany” àry ny mpanao salamo. — Salamo 68:6, 20; 74:12-14; 78:12, 13, 22.
6, 7. Nahoana no naorina ny Paska, nahoana anefa amin’izao fotoana izao no tandremana amin’ny fomba hafa noho ilay Paska voalohany izy io?
6 Tokony hitandrina ny Paska toy ny fahatsiarovana famonjena ny Hebreo. Niteny toy izao i Jehovah: “Ary izany andro izany dia ho fahatsiarovana ho anareo ka hotandremanareo ho andro firavoravoana ho an’i Jehovah; hatramin’ny taranakareo fara mandimby.” (Eksodosy 12:14). Isaky ny sakafon’ny Paska, izany hoe ny “Seder”, dia tokony ho nampahatsiarovin’ny raim-pianakaviana tamin’ny ankohonany ny amin’io famonjena io. Toy izao ny torolalana nomen’i Jehovah: “Ary raha hanontany anareo ny zanakareo hoe: Inona no anton’izao fanompoana ataonareo izao? dia holazainareo hoe: Izao dia famonoana ny Paskan’i Jehovah, Izay nandalo ny tranon’ny Zanak’Isiraely tany Egypta, raha namely ny Egyptiana Izy, fa namonjy ny tao an-tranontsika.” — Eksodosy 12:25-27.
7 Manamafy ny fahamarinan’izany fitantarana izany ny mbola ankalazan’ny Jiosy amin’izao andro izao ny Paska “Seder”. Tsy mitovy amin’izay nandidian’Andriamanitra anefa ny sasany amin’ny fanaon’izy ireo. Izao no voalaza ao amin’ny boky Ny fiandohan’ny “Seder” (angl.): “Mirakitra filazalazana amin’ny antsipiriany ny amin’ny Paska sy ny andro firavoravoana ny amin’ny mofo tsy misy masirasira ny Baiboly; tsy mifanaraka amin’ireo filazalazana ireo anefa ny fankalazana ilay fety atỳ aoriana. Mifantoka amin’ny soron’ny Paska indrindra ny fombafomba ao amin’ny Baiboly, sorona izay tsy nitana ny vaindohan-toerana intsony ao amin’ireo haisoratra taorian’ny Baiboly.” Ny antony lehibe nahatonga izany dia ny tsy fananan’ny Jiosy tempoly hanaovana sorona biby intsony.
8. Noho ny antony manokana inona no tokony hiheverantsika ny Paska?
8 Afaka manararaotra mianatra ny amin’ireo andro firavoravoana rehetra nomen’Andriamanitra ny Isiraely fahinya ny kristiana, nefa mendrika ny fandinihina manokana avy amintsika izao ny lafiny sasany amin’ny Paska. Nitandrina ny Paska i Jesosy izay Jiosy. Tamin’ny fotoana farany nanaovany izany, dia nampisongadina ilay hany fankalazana nomen’Andriamanitra ny kristiana — ny Sakafo harivan’ny Tompo, ny fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy, izy. Mifamatotra amin’ny Paska àry io fankalazana kristiana io.
Mihoatra noho ny zanak’ondrin’ny Paska
9, 10. Amin’ny ahoana no sorona manokana na tsy manam-paharoa ny zanak’ondrin’ny Paska?
9 Milaza amintsika ny Hebreo 10:1 fa ‘aloky ny zava-tsoa ho avy ny lalàna’. Milaza toy izao ny Cyclopoedia of Biblical, Theological, and Ecclesiastical Literature, nosoratan’i McClintock et Strong: “Tsy misy zavatra hafa amin’ny aloky ny zava-tsoa ho avy voarakitra ao amin’ny lalàna afaka mifaninana amin’ny fankalazana ny Paska.” Ny hevitra fonosin’ny zanak’ondrin’ny Paska indrindra no mihoatra lavitra noho ny fankalazana mampahatsiaro ny fomba namonjen’Andriamanitra ny lahimatoa ary avy eo ny Hebreo rehetra hiala avy tao Egypta.
10 Manokana tamin’ny lafiny maro izany zanak’ondry izany. Ohatra, fanatitra biby maro araka ny Lalàn’i Mosesy no naterin’ny olona tsirairay noho ny fahotany na ny fahadisoany manokana, ary dorana eo amin’ny alitara ny tapany amin’ny biby (Levitikosy 4:22-35). Nomena an’ilay mpisorona nanao raharaha mbamin’ny mpisorona hafa ny hena sasany avy tamin’ny fanati-pihavanana (Levitikosy 7:11-38). Ny zanak’ondrin’ny Paska kosa anefa dia tsy mba nentina teo amin’ny alitara, ary antokon’olona, mazàna fianakaviana iray, no manatitra sy mihinana azy. — Eksodosy 12:4, 8-11.
11. Nanao ahoana ny fiheveran’i Jehovah ny zanak’ondrin’ny Paska, ary nanondro inona izy io (Nomery 9:13)?
11 Zava-dehibe aoka izany tamin’Andriamanitra ny zanak’ondrin’ny Paska ka nantsoiny hoe “fanatitra ho Ahy”. (Eksodosy 23:18; 34:25.) Nilaza ny manam-pahaizana manokana fa ny “soron’ny Paska no soron’i Jehovah tsara indrindra.” Tsy azo lavina fa io zanak’ondry io dia mampiseho na sarin’ny soron’i Jesosy. Fantatsika izany satria hoy ny apostoly Paoly hoe: “Voavono Kristy, Paska ho antsika”. (1 Korintiana 5:7.) Notondroina ho ny “Zanak’ondrin’Andriamanitra” sy “Zanak’ondry Izay novonoina” i Jesosy. — Jaona 1:29; Apokalypsy 5:12; Asan’ny apostoly 8:32.
Ra mamonjy aina
12. Inona no anjara asan’ny ran’ny zanak’ondry tamin’ilay Paska voalohany?
12 Tany Egypta, dia tena nilaina tamin’ny famonjena ny ran-janak’ondry. Rehefa namono ny lahimatoa i Jehovah, dia nandingana izay trano nisy ra teo amin’ny tolam-baravarana. Ankoatra izany, satria tsy nisaona ny fahafatesan’ny lahimatoany ny Hebreo, dia afaka nandeha namakivaky ny ranomasina Mena ho any amin’ny fahafahana izy ireo.
13, 14. Amin’ny ahoana ny ran’i Jesosy no mamonjy aina ary ilaina amin’ny famonjena (Efesiana 1:13)?
13 Mifandray amin’ny famonjena koa ny ra amin’izao andro izao — ny ra nalatsak’i Jesosy. Rehefa “akaiky ny Paska, ilay andro firavoravoan’ny Jiosy” tamin’ny taona 32 am.fan.ir., dia nilaza tamin’ny mpihaino maro i Jesosy nanao hoe: “Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin’ny andro farany. Fa ny nofoko no tena fihinana ary ny rako no tena fisotro.” (Jaona 6:4, 54, 55). Tsy maintsy ho tao an-tsain’ny Jiosy rehetra nihaino azy ny Paska efa antomotra sy ny nampiasana ny ran-janak’ondry tany Egypta.
14 Tamin’izay i Jesosy dia tsy niresaka ny amin’ireo marika ampiasaina amin’ny Sakafo harivan’ny Tompo. Tsy mbola naorina io fankalazana vaovao ho an’ny kristiana io raha tsy herintaona tatỳ aoriana, noho izany, na dia ireo apostoly nandre an’i Jesosy tamin’ny taona 32 am.fan.ir. aza, dia tsy nahalala na inona na inona momba izany. Nasehon’i Jesosy anefa fa tena ilaina amin’ny famonjena mandrakizay ny rany. Nanazava toy izao i Paoly: “Izy no ananantsika fanavotana amin’ny rany, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren’ny fahasoavany.” (Efesiana 1:7). Noho ny famelana miorina amin’ny ran’i Jesosy ihany no ahafahantsika ho velona mandrakizay.
Famonjena inona ary aiza?
15. Famonjena sy tombontsoa inona no nanjary azon’ireo Hebreo tany Egypta nantenaina, ary inona no tsy azony nantenaina (1 Korintiana 10:1-5)?
15 Famonjena voafetra ihany no nitranga tany Egypta fahiny. Tsy nisy tamin’ireo nandao an’i Egypta nanantena ny hahazo fiainana tsy manam-pahataperana taorian’ny fialany teo amin’ilay tany. Marina fa notendren’Andriamanitra ho mpisorona ho an’ilay firenena ny Levita, ary tonga mpanjaka tsy ara-pivavahana ny sasany tamin’ny fokon’i Joda, nefa dia tsy maintsy maty ihany ireny rehetra ireny (Asan’ny apostoly 2:29; Hebreo 7:11, 23, 27). Na dia tsy nanana izany tombontsoa izany aza ireo “olona maro samy hafa firenena” izay nandao koa an’i Egypta, dia afaka nanantena ny ho tonga hatrany amin’ny Tany nampanantenaina sy hanana fiainana ara-dalàna eo am-panompoana an’Andriamanitra izy ireo niaraka tamin’ireo Hebreo. Ankoatra izany, ireo mpanompon’Andriamanitra talohan’ny andro kristiana dia nanana antony nanantenana fa, amin’ny fotoana voatendry, izy ireo dia ho afaka hifaly amin’ny fiainana tsy hanam-pahataperana eto an-tany izay nokasain’Andriamanitra hiainan’ny olombelona. Izany dia hifanaraka amin’ny fampanantenan’i Jesosy ao amin’ny Jaona 6:54.
16. Karazam-pamonjena inona no azon’ny mpanompon’Andriamanitra fahiny nantenaina?
16 Nampiasa ny sasany tamin’ireny mpanompony fahiny ireny Andriamanitra mba hanoratra teny ara-tsindrimandry mikasika ny tany izay noforonina mba honenana sy ny amin’ireo olo-marina honina eo aminy mandrakizay (Salamo 37:9-11; Ohabolana 2:21, 22; Isaia 45:18). Ahoana anefa no hahazoan’ireo mpivavaka marina ny famonjena toy izany raha maty izy ireo? Amin’ny fameloman’Andriamanitra azy ireny indray ho eo amin’ny fiainana eto an-tany. Ohatra, nambaran’i Joba ny fanantenany fa tsy maintsy hotsarovana izy ary hantsoina indray ho amin’ny fiainana (Joba 14:13-15; Daniela 12:13). Miharihary fa mitondra ho amin’ny fiainana mandrakizay eto an-tany ny endriny iray amin’ny famonjena. — Matio 11:11.
17. Famonjena hafa inona no mety ho azon’ny hafa araka ny Baiboly?
17 Resahin’ny Baiboly koa ny famonjena ho amin’ny fiainana any an-danitra, toerana nalehan’i Jesosy Kristy taorian’ny nitsanganany. “Izay [Jesosy] eo amin’ny tànana ankavanan’Andriamanitra; fa efa lasa any an-danitra Izy ka efa nampanekena Azy ny anjely sy ny fahefana ary ny hery.” (1 Petera 3:18, 22; Efesiana 1:20-22; Hebreo 9:24). Tsy tokony ho Jesosy irery anefa no ho hany olombelona hakarina any an-danitra. Nanapa-kevitra Andriamanitra fa haka hafa koa avy amin’ny tany izay somary vitsy isa. Izao no nambaran’i Jesosy tamin’ireo apostoly: “Ao an-tranon’ny Raiko misy fitoerana maro; (...) handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa.” — Jaona 14:2, 3.
18. Antony inona izao no mahatonga antsika handinika ny famonjena ho amin’ny fiainana any an-danitra?
18 Azo antoka fa ny famonjena ho amin’ny fiainana any an-danitra mikambana amin’i Jesosy dia lehibe lavitra noho ny famonjena voafetra azo tamin’ilay Paska voalohany (2 Timoty 2:10). Tamin’ny harivan’ny “Seder” nanan-kery farany, na sakafon’ny Paska no nanorenan’i Jesosy ny fankalazana vaovao ho an’ny mpianany, fankalazana izay nampiharihary ny famonjena ho amin’ny fiainana any an-danitra. Nilaza tamin’ireo apostoly izy hoe: “Izao no ataovinareo [hatrany, MN ] ho fahatsiarovana Ahy.” (Lioka 22:19). Alohan’ny handinihintsika ny fomba tokony hitandreman’ny kristiana io fankalazana io, dia aoka hodinihintsika ny fotoana tokony hanaovantsika izany.
“Fotoana voafetra”
19. Nahoana no ara-dalàna ny hampifamatorana ny Paska sy ny Sakafo harivan’ny Tompo?
19 Hoy i Jesosy: “Naniry koa raha naniry Aho hiara-mihinana ity Paska ity aminareo, dieny mbola tsy mijaly Aho.” (Lioka 22:15). Naoriny avy eo ny Sakafo harivan’ny Tompo izay tokony hotandreman’ny mpianany toy ny fahatsiarovana ny nahafatesany (Lioka 22:19, 20). Nankalazaina indray mandeha isan-taona ny Paska. Noho izany dia ara-dalàna ny hitandremana ny Sakafo harivan’ny Tompo isan-taona. Rahoviana? Araka ny fifandrindran-kevitra dia ny lohataona amin’ny fotoan’ny Paska, izany hoe rehefa tonga ny 14 Nisana (araka ny kalandrie jiosy), fa tsy voatery ho zoma foana satria hoe io no andro nahafatesan’i Jesosy.
20. Nahoana no mihevitra ny 14 Nisana ny Vavolombelon’i Jehovah?
20 Ny 14 Nisana àry no tao an-tsain’i Paoly rehefa nanoratra izy hoe: “Fa na oviana na oviana hianareo no mihinana itony mofo itony sy misotro amin’ny kapoaka, dia manambara ny fahafatesan’ny Tompo hianareo mandra-pihaviny.” (1 Korintiana 11:26). Nandritra ireo taonjato roa nanaraka, dia kristiana maro no nitandrina ny 14 Nisana, ary nanjary fantatra tamin’ny anarana hoe “Quartodecimans” avy amin’ny teny latina midika hoe “fahefatra ambin’ny folo”. Milaza toy izao i McClintock sy Strong: “Nankalaza ny nahafatesan’ny Tompo tamin’ny andro nifanitsy tamin’ny faha-14 amin’ny volana Nisana ireo Fiangonana tany Azia Minora, andro nisehoan’ny fanomboana teo amin’ny hazo fijaliana, araka ny fiheveran’ny Fiangonana manontolo fahiny.” Amin’izao andro izao, ny Vavolombelon’i Jehovah dia mankalaza ny Sakafo harivan’ny Tompo isan-taona amin’ny andro mifanitsy amin’ny 14 Nisana. Nomarihin’ny sasany anefa fa mety tsy hitovy amin’ny daty fankalazan’ny Jiosy ny Paska izany. Nahoana?
21. Oviana no tokony ho namonoana ny zanak’ondrin’ny Paska, nefa inona no ataon’ny Jiosy amin’izao andro izao?
21 Manomboka amin’ny filentehan’ny masoandro (any amin’ny 6 ora hariva) ny andro hebreo ka hatramin’ny filentehan’ny masoandro manaraka. Nandidy ny hamonoana ny zanak’ondrin’ny Paska ny 14 Nisana Andriamanitra, “eo anelanelan’ny hariva roa”. (Eksodosy 12:6, MN.) Oviana no tokony ho nitrangan’izany? Mifikitra amin’ny fomba fijerin’ireo raby ny Jiosy ankehitriny ka milaza fa tokony ho novonoina teo amin’ny fifaranan’ny 14 Nisana, teo anelanelan’ny fotoana nanombohan’ny masoandro nihilana (eo amin’ny 3 ora) ka hatramin’ny tena fodian’ny masoandro tokoa. Ho vokatr’izany dia mankalaza ny “Seder” izy ireo aorian’ny filentehan’ny masoandro, rehefa nanomboka ny 15 Nisana. — Marka 1:32.
22. Inona no antony mety tsy hitovian’ny datin’ny Fahatsiarovana amin’ny daty ankalazan’ny Jiosy ny Paska (Marka 14:17; Jaona 13:30)?
22 Manana antony tsara hahatakarana ilay fitenenana amin’ny fomba hafa anefa isika. Nambaran’ny Deoteronomia 16:6 mazava tsara tamin’ireo Isiraelita ny tokony hamonoana “ny soron’ny Paka amin’ilay hariva maty masoandro iny.” (Fandikan-teny katolika.) Asehon’izany fa, ny teny hoe “eo anelanelan’ny hariva roa” dia manondro ny fotoana maizim-bava vilany amin’ny filentehan’ny masoandro (izay manomboka ny 14 Nisana) ka hatramin’ny tena haizim-pito. Izany no fomba nahazoan’ireo Jiosy karahitab fahizay io fitenenana io, toy ny ataon’ny Samaritanac hatramin’izao androntsika izao. Ny fanekentsika fa novonoina sy nohanina ny zanak’ondrin’ny Paska tamin’io “fotoana voafetra” ny 14 Nisana io, fa tsy ny 15 Nisana akory, no antony iray mahatonga ny andron’ny Fahatsiarovana ataontsika ho hafa noho ny an’ireo Jiosy. — Nomery 9:2-5.
23. Nahoana no nisy volana nampiana tamin’ny kalandrie jiosy, ary ahoana no anaovan’ny Jiosy amin’ny andro ankehitriny izany?
23 Ny antony hafa iray mety hahatonga ny daty ampiasaintsika tsy hitovy amin’ny an’ny Jiosy dia noho izy ireo mampiasa kalandrie voafaritra mialoha, fandaharana izay tsy nampiasaina raha tsy tamin’ny taonjato fahefatra amin’ny fanisan-taona iraisana. Amin’ny fampiasana izany no ahafahan’izy ireo manondro ny datin’ny 1 Nisana na ny an’ny fankalazana, am-polony na an-jatony taona mialoha. Ankoatra izany, ny kalandrie tranainy mifototra amin’ny volana dia nilaina nampiana volana faha-13 indraindray mba hifanarahany amin’ny fizaran-taona. Manampy io volana io ny kalandrie jiosy ankehitriny amin’ny fotoana tsy miovaova: ao anatin’ny tsingerina maharitra 19 taona, ampiana izany ny taona faha-3, faha-6, faha-8, faha-11, faha-14, faha-17 ary faha-19.
24, 25. a) Tamin’ny andron’i Jesosy, tamin’ny fomba ahoana no namerana ny volana sy ireo volana fanampiny nilaina? b) Ahoana no amaritan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny datin’ny Sakafo harivan’ny Tompo?
24 Nilaza anefa i Emil Schürer fa “tamin’ny andron’i Jesosy, dia tsy mbola nampiasa kalandrie tsy niova [ny jiosy], fa niorina tamin’ny fandinihana tsotra izao fotsiny no nanombohany ny volana vaovao tsirairay arakaraka izay endriky ny volana [eny amin’ny lanitra] vaovao, ary toy izany koa, miorina amin’ny fandinihina” no nanampian’izy ireo volana iray raha nilaina izany. “Raha (...) voamarika eo amin’ny fiafaran’ny taona fa hilatsaka alohan’ny ekinôksa amin’ny lohataona [any amin’ny 21 martsa any ho any] ny Paska, dia tendrena ny hisian’ny volana iray manelanelana alohan’ny Nisana.” (Ny tantaran’ny vahoaka jiosy tamin’ny andron’i Jesosy Kristy [angl.], boky 1). Tonga ho azy àry ilay volana amboniny, fa tsy nampiana tamin’ny fomba jadona.
25 Mifanaraka amin’io fomba tranainy io no ameran’ny Kolejy foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah ny datin’ny Sakafo harivan’ny Tompo. Faritana ny 1 Nisana rehefa azo dinihina amin’ny filentehan’ny masoandro any Jerosalema ny volana [eny amin’ny lanitra] vaovao akaiky indrindra ny ekinôksa amin’ny lohataona. Amin’ny fanisana 14 andro aorian’izany no hahatongavana amin’ny 14 Nisana, izay matetika no mifanitsy amin’ny fenomanana (Jereo ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 janoary 1978, pejy faha-32). Miorina amin’io fomba araka ny Baiboly io, no nampahafantarana ny Vavolombelon’i Jehovah manerana ny tany fa hatao aorian’ny filentehan’ny masoandro ny 10 aprily ny fankalazana ny Fahatsiarovana amin’ity taona ity.
26. Lafiny fanampiny inona amin’ny Sakafo harivan’ny Tompo no mendrika hodinihintsika?
26 Mifanitsy amin’ny 14 Nisana io daty io, andro izay nankalazan’i Jesosy ny Paska nanan-kery farany. Asongadin’ny fankalazana ny Fahatsiarovana anefa ny famonjena mihoatra lavitra noho izay notsarovana tamin’ny “Seder” jiosy. Ilaintsika rehetra ny mahazo izay atao mandritra ny Sakafo harivan’ny Tompo, ny hevitr’izany, ary ny fomba ahatafidiran’ny famonjena antsika amin’izany.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 aogositra 1980, pejy faha-8 hatramin’ny faha-24.
b Lazalazain’i McClintock sy Strong fa izy ireo dia “iray amin’ireo antokom-pivavahana tranainy indrindra sy miavaka indrindra amin’ny synagoga jiosy, ka ny fampianarana mampiavaka azy dia ny fanarahana amin’ny fomba hentitra sy ara-bakiteny ny lalàna voasoratra”.
c “Mamono ilay biby ny hariva izy ireo (...) Amin’ny misasakalina no ihinanan’ny antokom-pianakaviana tsirairay ny hena (...) ary avy eo dia dorany ny sisa amin’ny hena sy ny taolana alohan’ny maraina (...) Nanipy teny ny manam-pahaizana manokana sasany fa mety ho nitovy akaiky tamin’ny fivavahana araka ny Baiboly ny fivavahan’ny Samaritana talohan’ny nanovan’ireo raby ao amin’ny jodaisma azy. — Ireo fiandohan’ny “Seder”.
Ahoana no havalinao?
◻ Nahoana no mifamatotra tsara amin’ny famonjena ny Paska?
◻ Ahoana no ahafahan’ny soron’i Jesosy manao mihoatra noho izay vitan’ny zanak’ondrin’ny Paska?
◻ Famonjena inona no nanjary azo raisina noho Jesosy?
◻ Ahoana no amaritan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny daty marin’ny Sakafo harivan’ny Tompo?