Sierra Leone — Eo am-pikarohana ny “diamondrany” sarobidy indrindra
TAMIN’NY 1462, dia nisy antokona tantsambo portioge sahisahy nanaraka ny moron-tsiraka andrefan’i Afrika, hatrany amin’ny toerana iray any amin’ny 900 kilaometatra avaratry ny fehibe (équateur). Tsy natahoran’izy ireo ny angano izay milaza fa misy ranomasina maizina sady feno biby mampahatahotra any atsimon’i Maroc. Ary mifanohitra amin’ny ankamaroan’ireo niara-niaina taminy, dia tsy mba nino izy ireo fa mivaivay mampangotraka ny ranomasina mihitsy ny masoandro any akaikin’ny fehibe.
Araka ny nanantenan’ireo tantsambo ireo azy indrindra, dia tsy nirehitra ny sambony vita tamin’ny hazo, ary tsy nahita ireo biby mahatahotra tsy manan-doha voalazan’ny angano izy. Mifanohitra amin’izany aza fa nahita torapasika fotsy mahafinaritra teo am-pototry ny tendrombohitra rakotry ny ala maitso mavana izy ireo. Rehefa manondraka ny tany ny orana trôpikaly ary mamaky ny lanitra ny tselatra, dia tahaka ny fieron’ny biby goavana ny kotrobaratra maneronerona sy mirohondrohona ao amin’izany tendrombohitra izany. Izany no antony niantsoan’ireo tantsambo ireo ilay toerana hoe Sierra Leone (“tendrombohitry ny Liona”)
Rehefa lasa ny taona maromaro, dia takatry ny olona fa tsy voafetra ho eo amin’ny hatsaran-tarehiny ihany akory ny haren’i Sierra Leone. Nanana mineraly koa izy: vy, baoksita, “rutile”, krômita, platinina, ary volamena. Tamin’ny 1930 anefa vao nisy fahitan-javatra nitarika ny mpanao raharaham-barotra ho liana tamin’io tany kely io, dia ny fahitana diamondra. Hita fa tondraka tokoa ny tahiry amin’izany vato sarobidy izany, ka nanintona mpitrandraka an’arivony maro.
Ny sasany aza nandraoka diamondra ara-bakiteny teny amin’ny tany teny mihitsy. Nahita diamondra ngezabe ny vehivavy iray, indray andro, raha nanasa ny akanjony teo amin’ny renirano iray. Ny lehilahy iray nahita vatosoa 153 carats (30,6 grama) teo am-pambolena vomanga. Mitaky fiezahana lehibe anefa, amin’ny ankapobeny, ny fahitana izany vato sarobidy izany. Ny diamondra, ohatra, amin’ny ankapobeny, dia milevina lalina any anaty tany ary misitrika ao anatin’ny karazam-bato iray atao hoe “kimberlite”. Mba hahazoana azy dia ilaina ny mandavaka, manapoaka vato, manorotoro ary mifantina. Mitaky fahakingana sy fahaiza-manao zavatra ary faharetana koa izany.
Raha mitohy hatramin’izao ny asa lehibe fitrandrahana diamondra, dia mitohy koa any Sierra Leone, nanomboka tamin’ny 1915, ny fitadiavana vatosoa karazany hafa, dia ny diamondra ara-panahy sarobidy lavitra. Tamin’io taona io, dia nisy lehilahy iray antsoina hoe Alfred Joseph, nandao an’i Barbade ka nandeha an-tsambo nankany amin’io tany io. Nanomboka asa “fitrandrahana” tao izy, nefa tsy diamondra, fa olona maniry hanompo ilay Andriamanitra marina “amin’ny fanahy sy ny fahamarinana”. (Jaona 4:24.) Nitovy tamin’ny fomba fanaon’ireo kristiana tamin’ny taonjato voalohany ny nanaovany io fikarohana io; izany hoe “ampahibemaso sy isan-trano.” (Asa 20:20, MN ) Nanampy an’i Alfred Joseph tamin’izany asa izany i William Brown, izay avy any Antilles koa, fito taona tatỳ aoriana.
Tamin’ny faran’ny taona 1923 no naorina ny kongregasiona kely iray, tao Freetown renivohitra. Olona vaovao 14 no vita batisa tao amin’izany kongregasiona izany. Olona 632 ao amin’ny kongregasiona 30, amin’izao fotoana izao, no mandray anjara amin-jotom-po amin’ny fitoriana ampahibemaso, amin’ny maha-vavolombelon’i Jehovah. Mbola mahita fahombiazana lehibe ny fiezahana ataon’izy ireo mba hitadiavana sy hitrandrahana izay mety ho azo antsoina hoe diamondra ara-panahy sarobidin’i Sierra Leone.
Mpikatsaka amin-jotom-po ny Fahamarinana
Hita fa tahaka ny diamondra tsimponina mora foana eny amin’ny tany ny sasany amin’ireo mpianatr’i Jesosy Kristy vaovao. Nitady fatratra ny Vavolombelon’i Jehovah izy ireo. Iray tamin’izany ny mpanao volo anankiray atao hoe Joan. Niantso an-telefaonina tao amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah teo an-toerana izy ary nangataka fampianarana Baiboly.
Inona no nahatonga an’i Joan hanao izany? “Tsy tsaroako izay fotoana tsy nitadiavako an’Andriamanitra teo amin’ny fiainako”, hoy izy. “Hatramin’ny fahazazako aho no niditra tany amin’ny Fiangonana maro sy antokom-pivavahana maro, saingy tsy nahita fahafahampo ara-panahy mihitsy.
“Folo taona lasa teo ho eo izay no nandrenesako firesahana ny amin’ny Vavolombelona, nefa nihevitra aho fa tokony handosirana tanteraka izy ireny, noho ny antony tsy fantatro akory. Rehefa tonga Vavolombelona ny naman’ny fianakaviako anankiray dia nanao famandrihana tamin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Réveillez-vous! aho. Mba hahafaly azy fotsiny no nanaovako izany fa tsy te hisahirana hamaky ireo gazety ireo akory aho. Nataoko fanadiovam-pitaratra fotsiny izany! Nisy Réveillez-vous! tonga avy eo, ary nanintona ny saiko izany. Niresaka ny amin’ny ilàntsika fitiavana ny lahatsoratra nampahafantarina teo amin’ny fonony [22 septambra 1986]. Novakiko ilay izy, ary nanohina mafy ny foko. Io gazety io no nanosika ahy hangataka fampianarana Baiboly.” Nandroso haingana i Joan ary tsy ela taorian’izay dia Vavolombelon’i Jehovah vita batisa.
Ny olona hafa iray nikatsaka ny fahamarinana dia tovolahy iray antsoina hoe Manso. Naniry ho tonga pretra izy ary niditra tany amin’ny seminera. Rehefa nahita ny fihatsarambelatsihin’ireo mpampianatra azy anefa izy dia kivy ary niala. Nanomboka nanatrika fivoriana ara-pivavahana hafa i Manso taorian’izay. Raha nandeha namangy ny dadatoany izy indray andro, dia nahita boky iray navoakan’ny Fikambanana Watch Tower, mitondra ny lohateny hoe La Bible est-elle vraiment la Parole de Dieu? Teo amin’ny tany, tao anaty ranom-potaka no nahitany izany. Nahaliana azy ilay lohateny, ka dia nalainy ilay boky, nohamaininy, ary novakiny. Tao no nahitany ny fahamarinana notadiaviny! Nampirisika ny mpamaky hanatrika ireo fivoriana any amin’ny Efitrano Fanjakana akaiky azy ilay boky. Nandeha tany àry i Manso, nanomboka nianatra Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelona, ary taoriana kelin’izay dia natao batisa. Manompo amin’ny maha-mpitory ny filazantsara manontolo andro izy izao!
Fanekena hanampy olona amim-paharetana
Hita anefa fa misy mpianatra vaovao hafa manahaka kokoa ny diamondra misitrika lalina any anaty vato. Nilaina ny nanao fiezahana lehibe mba “hamongorana” azy ireny. Tsaroan’i Donald, loholona ao amin’ny kongregasiona, ny faharetana nilaina mba hanampiana ny vehivavy iray antsoina hoe Martha. Mitantara toy izao izy: “Na dia nanaiky hianatra azy izy dia nampiandry anay ela hatrany alohan’ny hianarana. Indraindray aza niniany najanona ela ny raharaha izay tokony ho vitany taloha, ary avy eo dia nasainy niandry izahay mandra-pahavitan’izany. Niandry nihoatra ny adiny iray izahay indraindray. Nantenainy fa ho kivy izahay ka handeha, nefa isan-kerinandro izahay dia niezaka nandinika, fara faharatsiny, hevitra mahaliana vitsivitsy niaraka taminy. Inona no vokatr’izany? Nihanitombo tsikelikely ny fankasitrahany.
“Anisan’ny fahasahiranana iray hafa ny fanampiana an’i Martha ho any amin’ireo fivoriana. Nitondra Vavolombelona hafa tany am-pampianarana azy aho mba tsy hahasanganehana azy rehefa tonga any amin’ny Efitrano Fanjakana izy. Tena naharitra ela anefa izy, ary rehefa tonga tokoa tamin’ny farany, dia saika fantany avokoa ny kongregasiona manontolo!” Novalian-tsoa ny faharetana. Efa vita batisa izao i Martha, ary tsara laza ao amin’ny kongregasiona.
Nanohitra ny fahamarinana i Pius tamin’ny voalohany. Teo amin’ny fahafitopolo taonany izy tamin’ny fotoana nanombohan’ny mpivady misionera iray fampianarana Baiboly niaraka taminy; mpikambana mafana fo tao amin’ny antoko politika anankiray izy sady mpitahiry volan’ny Fiangonany. “Notoheriny mafy avokoa ny zavatra rehetra nodinihinay niaraka taminy”, hoy ireo misionera. Nanomboka ny fianarana tamim-pahatoniana izy isan-kerinandro, saingy nihatezitra tsikelikely. Tena ady natrehina isan-kerinandro izany, ary matetika izahay no nahatsiaro ho ta handao azy. Ny antony lehibe nahatonga anay hiverina tany aminy dia noho izy nanomana ny fianarana tamim-pitandremana hatrany.
“Herintaona taorian’izay, dia nilaza taminay i Pius fa hanao fikarohana manokana ho azy. Koa satria mpampianatra izy taloha, dia fantany tsara ny fomba fanaovana fikarohana. Isan’andro, nandritra ny tapa-bolana, dia niakatra tany amin’ny fitehirizam-bokin’ny oniversite, any an-tendrombohitra izy, ka nirotsaka tamin’ny famakafakana momba ny Baiboly sy boky fijerena hevi-teny. Hoy ny nambarany taminay taorian’izay: ‘Miaiky aho ankehitriny fa marina avokoa izay nolazainareo tamiko rehetra. Tsy Trinite Andriamanitra, tsy misy ny afobe, ary mety maty ny fanahy. Na dia ny mpikambana sasany ao amin’ny Fiangonana misy ahy aza dia manaiky izany.’ Nanao fandrosoana haingana i Pius taorian’izany, ary niala tamin’ny antoko politika sy ny fiangonany. Taorian’ny batisany, dia nanao ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy izy, izany hoe nandany 60 ora isam-bolana tamin’ny asa fitoriana, ary nanao izany matetika araka izay vitany hatramin’ny nahafatesany tamin’ny 1987.
“Ny zavatra iray izay tsy fantatray hatry ny ela”, hoy ny nanampin’ireo misionera nampianatra an’i Pius, “dia ny reniny izay nifanerasera tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsaroany fa niaraka taminy nanatrika fivoriana izy tamin’ny fahatanorany. Nony maty anefa io reniny io, dia nanohy ny lalany ihany izy. Nilaza toy izao i Pius taorian’ny batisany: ‘Ny mampalahelo ahy fotsiny dia noho ny reniko tsy afaka mahita ahy ankehitriny.’ Mirana ny endriny avy eo, ary hoy ny nanampiny: ‘Hahita ahy anefa izy any amin’izao tontolo izao vaovao!’ ”
Mbola mitohy ny fikarohana diamondra sy ny fikarohana mpianatra ao amin’ilay tany. Asongadin’ireo filazana dokambarotra mamirapiratra fa “mandrakizay ny diamondra”. Nefa, na iza na iza manana iray amin’io vatosoa kanto io, dia tsy hifaly amin’izany mandrakizay satria ivelan’ny fandaharana noraisin’Andriamanitra ho famonjena, dia fahafatesana no anjaran’ny olombelona mpanota rehetra. (Jaona 3:16, 17). Ny asa ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah any Sierra Leone àry dia mamokatra harena sarobidy lavitra noho ny diamondra fotsiny: mpanompon’Andriamanitra sy mpianatr’i Jesosy Kristy! Ary mampanantena toy izao ny Tenin’i Jehovah: “Izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay” — 1 Jaona 2:17.
[Sarintany/Sary, pejy 22, 23]
(Jereo ny gazety)
[Sary]
Ao amin’ny faritra mahafinaritra toy izao no ahitan’ireo mpitory ilay Fanjakana diamondra ara-panahy any Sierra Leone.