Aoka isika haneho finoana mba hahazoana ny fiainana mandrakizay
‘Aoka isika hino ho amin’ny famonjena ny fanahy’ — HEBREO 10:39.
1. Inona no eken’ny firaketana katolika iray mikasika ny hevitry ny teny hoe “fanahy” (âme) ao amin’ny Baiboly?
TSY misy na inona na inona ao amin’ny Baiboly mahatonga hino fa ny olombelona dia manana fanahy tsy mety maty izay manohy miaina ivelan’ny vatana amin’ny fahafatesana ary velona hatrany mandrakizay any amin’ny faritra ara-panahy. Miaiky izany na dia ny Firaketana Vaovao katolika (anglisy) aza. Izao no vakina ao: “Tsy hita mazava ao amin’ny Baiboly ny hevitra ny amin’ny fahaveloman’ny fanahy hatrany aorian’ny fahafatesana. (...) Ao amin’ny T[estamenta] T[aloha], ny fanahy dia tsy manondro tapany amin’ny olona, fa ilay olona manontolo, izany hoe ilay olona amin’ny maha-zavamiaina azy. Toy izany koa, ao amin’ny T[estamenta] V[aovao], ny fanahy dia manondro ny ain’olombelona, ny an’ilay olona. Araka izany dia tsy manana fanahy ny olombelona fa izy dia fanahy.
2. a) Avy taiza ny finoana ny amin’ny fanahy tsy mety maty? b) Inona no fahamarinana ny amin’ny toetry ny olona aorian’ny fahafatesana?
2 Araka ny nosoritan’ny lahatsoratra teo aloha, ny finoana ny amin’ny fanahy tsy mety maty dia hevitra avy amin’ny mpanompo sampy izay hatrany amin’ny fiandohan’ny tantaran’olombelona no nanombohany. Ny nanao izany dia ilay nanohitra ny fanambarana mazava nataon’Andriamanitra hoe “ho faty tokoa” ny olona raha tsy mankatò (Genesisy 2:17). Satana Devoly, ilay rafy, no niteny hoe: “tsy ho faty tsy akory hianareo.” (Genesisy 3:4). Lainga izany (Jaona 8:44). Tatỳ aoriana, dia natrangan’i Satana sady notohanany ny fampianarana ny amin’ny tsy fahafatesan’ny fanahy olombelona. Ny fahamarinana ny amin’ny toetry ny olona aorian’ny fahafatesana anefa dia izay vakina ao amin’ny Teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra, ao amin’ny Mpitoriteny 9:5 manao hoe: “Fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona.” — Jereo Romana 5:12.
Ny fanantenana fiainana mandrakizay
3. Fanantenana inona no resahin’ny Baiboly betsaka?
3 Raha lavin’ny Baiboly mazava ny hevitra ny amin’ny fanahy tsy mety maty, dia resahiny betsaka ny amin’ny fiainana mandrakizay. Fampianarana fototra nataon’i Jesosy ny fanantenana fiainana tsy hanam-pahataperana. Izao no nambarany: “Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy Izay efa nirahinao.” (Jaona 17:3). Izao no nambarany mikasika ireo izay maneho finoana an’Andriamanitra sy ny tenany: “Ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay.” (Jaona 10:28). Tamim-patokiana tanteraka no nilazany hoe: “Izay mino no manana fiainana mandrakizay (...) ho velona mandrakizay izy.” (Jaona 6:47, 51). Hoy koa izy: “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” — Jaona 3:16.
4. Fanantenana inona no nomen’i Jesosy ny amin’ny hoavy?
4 Koa satria tsy misy fanahy tsy mety maty manohy miaina aorian’ny fahafatesana, ahoana no hahatanteraka ny fampanantenan’ny Baiboly fiainana mandrakizay? Nitondra fanazavana mikasika izany i Jesosy rehefa nitsidika an’i Marta sy Maria taorian’ny nahafatesan’i Lazarosy anadahiny. Hoy izy tamin’i Marta: “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray.” Nanontany an’i Marta àry izy nanao hoe: “Mino izany va hianao?” “Eny, Tompoko, hoy izy; mino aho fa Hianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra.” — Jaona 11:25-27.
5, 6. Inona no nasehon’i Jesosy tamin’ny fananganana an’i Lazarosy?
5 Mba hanaporofoana fa nandray fahefana hamelona indray ny maty izy, ilay Zanak’Andriamanitra, dia nankany amin’ny fasan’i Lazarosy i Jesosy. Maty efa hatramin’ny hefarana izy io, ary nanomboka ho lo ny vatany. Na dia izany aza, “dia niantso tamin’ny feo mahery [i Jesosy] hoe: Ry Lazarosy, mivoaha! Dia nivoaka ny maty nisy fehim-paty ny tànany sy ny tongony, sady voafehy mosara koa ny tavany. Hoy Jesosy tamin’ny olona: Vahao izy, ka avelao handeha.” (Jaona 11:43, 44). Avy teo amin’ny fahafatesana no novelomina indray i Lazarosy!
6 Tsy niverina avy tany an-danitra na avy tany amin’ny faritra ara-panahy hafa akory i Lazarosy. Tamin’ny fahafatesany, dia tsy nankany amin’ireny faritra ara-panahy ireny izy fa tsy nahatsiaro tena tao am-pasana izay misy ny maty rehetra (Salamo 146:4; Jaona 3:13; Asan’ny apostoly 2:34). Ho hadalana ny hiheverana fa nahita fahasambarana tany an-danitra ny fanahy tsy mety maty nananan’i Lazarosy ka notsoahina avy tany izy mba hampiraisina indray amin’ny vatany tsy tanteraka teto an-tany ary mba hiaina indray eo amin’izao tontolo izao ianjadian’ny fahoriana sy ny aretina ary ny fahafatesana. Nefa noho izy tsy tany an-danitra, dia nifaly tamin’ny fitsanganany tamin’ny maty i Lazarosy, satria namela azy hanalava ny androm-piainany izany sy hifankahita indray amin’ireo olon-tiany. Tatỳ aoriana, dia maty indray izy.
7, 8. a) Olona hafa iza koa no natsangan’i Jesosy? b) Nahoana no nanao ireo fahagagana ireo i Jesosy?
7 Rehefa nanangana zazavavy iray tamin’ny maty i Jesosy, dia “talanjona indrindra” ny ray aman-drenin’ilay zaza. (Marka 5:42.) Io zazavavy io koa anefa dia tsy maintsy ho faty indray amin’ny farany. Rehefa namelona indray ny zanakalahin’ilay mpitondratena tany Naina i Jesosy, dia “raiki-tahotra ny olona rehetra ka nankalaza an’Andriamanitra”. (Lioka 7:16.) Maty ihany koa anefa io zatovolahy io. Mikasika ireny fahagagana ireny dia izao no ambaran’ny Rakibolana vaovao iraisam-pirenena momba ny teôlôjian’ny Testamenta Vaovao (anglisy): “Tsy maintsy maty ireo izay natsangan’i Jesosy tamin’ny maty nandritra ny fanompoany teto an-tany, satria tsy nanome tsy fahafatesana akory ireny fananganana ireny.”
8 Nahoana no natsangan’i Jesosy tamin’ny maty ireny olona ireny? Tsy hoe mba hanomezana azy ny fiainana mandrakizay tamin’izay fotoana izay, fa mba hanaporofoana fa izy no Mesia ary mba hampisehoana ny fahefana nomen’Andriamanitra azy. Nahatonga olona hanantena amim-pinoana ny fananganana ny maty sy ny fiainana mandrakizay eo ambany fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra tarihin’i Kristy amin’ny ho avy izany. — Matio 6:9, 10; Jaona 11:41, 42.
9. Fahatakarana marina inona no nananan’i Marta sy Paoly ny amin’ny fampianaran’i Jesosy momba ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty?
9 Nandre an’i Jesosy niresaka ny amin’io fanantenana io i Marta satria niaraka taminy akaiky izy. Efa nilaza taminy ny amin’i Lazarosy izy hoe: “Fantatro ihany fa hitsangana izy amin’ny fitsanganan’ny maty amin’ny andro farany.” (Jaona 11:24). Fantany fa hiseho ny fitsanganan’ny maty, tsy amin’ny andro farany ho azy (ny an’i Lazarosy) akory, fa “amin’ny andro farany”, izany hoe amin’ny Andro Fitsarana, rehefa hatsangana ny maty eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Fantatry ny apostoly Paoly koa izany, satria hoy izy: “[Andriamanitra] nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin’ny fahamarinana.” (Asan’ny apostoly 17:31). Hoy koa izy hoe: “Fa hisy fitsanganan’ny marina sy ny meloka.” (Asan’ny apostoly 24:15). Tsy nilaza àry izy fa efa nitranga ny fitsanganan’ny maty, fa “hisy” kosa izany amin’ny hoavy, eo ambanin’ilay Fanjakana.
10. Inona no nosoratan’ny profesora frantsay iray ny amin’ny finoan’ny fivavahana lazaina fa kristiana momba ny fitsanganana amin’ny maty raha oharina amin’ny fampianarana mazavan’ny Baiboly?
10 Nanoratra toy izao i Oscar Cullmann, profesora protestanta frantsay, ao amin’ny bokiny hoe Tsy fahafatesan’ny fanahy sa Fitsanganan’ny maty?: “Misy tsy fitoviana lehibe eo amin’ny fiandrasan’ny kristiana ny fitsanganan’ny maty sy ny finoana grika ny amin’ny tsy fahafatesan’ny fanahy. (...) Ny nampifandraisan’ny kristianisma tatỳ aoriana ireo finoana roa ireo, sy ny nampifangaroan’ireo kristiana antonontonony izany tsotra izao fotsiny amin’izao andro izao, dia tsy nanosika anay hangina raha ny amin’izay heverinay sy ny ankamaroan’ireo mpivaofy teny ho fahamarinana. (...) Ny fiainana manontolo sy ny fisainana manontolon’ny Testamenta Vaovao [dia] tapahin’ny finoana ny fitsanganan’ny maty. (...) Ilay olona manontolo, izay tena maty, dia velomina indray amin’ny alalan’ny asa famoronana vaovao ataon’Andriamanitra.”
Ny fitsanganan’ny maty — Mba hiaina aiza?
11, 12. a) Inona no fikasan’Andriamanitra ny amin’ny olombelona sy ny tany? b) Ahoana no nanehoan’i Jesosy fa tsy niova ny fikasan’Andriamanitra ny amin’ny tany?
11 Rehefa namorona ny olombelona Andriamanitra, dia nomeny azy ny tany ho fonenana mandrakizay ary nomaniny hofenoina olo-marina io planeta io (Genesisy 1:26-28; Salamo 115:16). Jehovah dia asehon’ny Baiboly ho ilay “namorona ny tany sy nahavita azy, (Izy no nandamina azy; tsy ho tany tsy misy endrika tsy akory no namoronany azy, fa nataony honenana)”. — Isaia 45:18.
12 Na dia manjaka eto an-tany hatramin’ny an’arivony taona maro aza ny tsy fahatanterahana sy ny fahafatesana — hatramin’ny nikomian’ny olona —, dia mbola fikasan’Andriamanitra ihany ny hitoerany ho fonenana mandrakizay ho an’ny olombelona. Izao tokoa mantsy no azo vakina: “Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.” (Salamo 37:29). “Sambatra ny malemy fanahy; fa izy no handova ny tany.” (Matio 5:5). Noho izany, rehefa namerina olona tamin’ny fiainana i Jesosy, dia nanangana azy teto an-tany ihany, ary nahafantatra azy avy hatrany ireo olona nanatrika teo. Nasehon’izany fa, eo ambanin’ilay Fanjakana dia hovelomina eto an-tany indray ny maty ary homena fahafahana hiaina eo mandrakizay (Apokalypsy 20:12, 13). Amin’izany no hahatanterahan’ny fikasan’Andriamanitra ny amin’ny olombelona sy ny tany. — Isaia 46:9-11; 55:11; Titosy 1:1, 2.
13. Voahidy ao anatin’ny toe-draharaha mahasanganehana inona ireo Fiangonana ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, ary ahoana no anandramany mivoaka avy amin’izany?
13 Nefa noho ireo Fiangonana ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana mino ny tsy fahafatesan’ny fanahy, dia voahidy ao anatin’ny toe-draharaha mahasanganehana izy: Ahoana no hampifanarahana ny fananganana an’ilay “olona manontolo”, fananganana izay nataon’i Jesosy, sy ny finoany ny amin’ny fanahy tsy mety maty izay efa any an-danitra na any amin’ny afobe? Hoy ny Encyclopédie catholique: “Ny konsily fahefatra tao Latran dia namoaka didy fa ny olona rehetra, na olom-boafidy na voaheloka, ‘dia hitsangana ao amin’ny vatana izay ananany ankehitriny’.” Izao no nanampiny: “Koa satria mpiray tsikombakomba amin’ny heloky ny fanahy ny vatana sady naman’ny toetra tsarany, dia toa takin’ny fahamarinan’Andriamanitra ny handraisan’ny vatana anjara koa amin’ny famaizana sy ny famalian-tsoa ny fanahy.” Araka io finoana io dia hampiraisina amin’ny fanahy any an-danitra na any amin’ny afobe ny vatana. Hafiriana? Milaza io boky io ihany fa “ireo vatana hatsangana, na ny an’ny olo-masina na ny an’ny mpanota, dia hitafy ny tsy fahafatesana”.
14. Inona no nosoratan’ny jesoita iray mba hanandramana hanazava ny hevitry ny fivavahana lazaina fa kristiana mikasika ny fananganana ny vatana?
14 Nanoratra toy izao ilay jesoita atao hoe J. Sasia ao amin’ny bokiny hoe Ny fiainana hoavy (anglisy): “Ny fiainana any an-danitra àry dia ho fiainam-pahafinaretana koa noho ny fivelaran’ny vavahadin-tsain’[ny vatana tafaray amin’ny fanahy].” Izao no lazainy mikasika ny vatana tafaray amin’ny fanahiny any amin’ny afobe: “Any amin’ny afobe, aorian’ny fitsanganana [ny an’ny vatana], ny vavahadin-tsain’ny vatan’olombelona rehetra dia handray famaizana manokana. (...) Hijaly manokana ny fahatsapana, satria noho ny fahotan’ny nofo indrindra no nanafintohinan’ireo olo-meloka an’Andriamanitra. (...) Ny fampiraisana azy ireo amin’ny vatany dia ho loharanom-pampahoriana sy fampijaliana fanampiny ho azy.”
15. Nahoana no fitenenan-dratsy ny fampianarana fa mampijaly olona mandrakizay ao amin’ny afobe Andriamanitra?
15 Araka izany, ny fanekena ny hevitry ny mpanompo sampy ny amin’ny tsy fahafatesan’ny fanahy no nitarika ny fivavahana lazaina fa kristiana hanaiky hevitra hafa iray avy amin’ny mpanompo sampy: ny fampijaliana mafy dia mafy sy mandrakizay ny fanahy, ary na dia ny vatana mihitsy aza, any amin’ny afobe. Izao anefa no nambaran’i Jehovah mikasika ny fanao fahiny izay nandoroana ankizy ho fanatitra ho an’ny andriamani-diso: ‘Nodorany ny zanany ho fanatitra odorana ho an’i Bala, izay tsy nandidiako, na nolazaiko, na tao an-tsaiko akory aza.’ (Jeremia 19:5). Koa fitenenan-dratsy àry ny fampianarana fa mampijaly olona mandrakizay Andriamanitra, kanefa dia ny Teniny mihitsy no mampiseho mazava fa hofongorana, hofoanana ny mpanota tsy mibebaka. “Ary izay [ny fanahy, MN ] rehetra tsy hihaino izany mpaminany izany [Jesosy] dia haringana tsy ho eo amin’ny olona.” — Asan’ny apostoly 3:23; jereo Matio 10:28; Lioka 17:27; Jaona 3:16; 2 Petera 2:12; Joda 5.
Tsy fahafatesana
16. Inona no ampianarin’ny Baiboly mikasika ny tsy fahafatesana?
16 Kanefa moa ve ny Baiboly tsy mampianatra fa hisy olona tsy maintsy hankany an-danitra ary hahazo any ny tsy fahafatesana? Eny tokoa. Nefa izany dia tsy misy ifandraisana mihitsy amin’ny fisian’ny fanahy olombelona tsy mety maty. Izay mahazo ny tsy fahafatesana, dia mahazo izany satria atsangana ho zava-boary ara-panahy (sahala amin’i Jesosy) izy, fa tsy hoe satria manana fanahy tsy mety maty izay velona aorian’ny fahafatesana. Ny tsy fahafatesana izay valisoa dia natolotra olombelona tsy nivadika, mpanahaka an’i Kristy, ary tsy tokony handray izany izy raha tsy rehefa ho nahazo ny fiandrianany any an-danitra io, fa tsy taorian’ny niakarany ho any an-danitra avy hatrany, tamin’ny taonjato voalohany. — Salamo 110:1; 1 Korintiana 15:53, 54.
17. Olona firy no handray ny tsy fahafatesana, ary inona no ho anjara asany ao amin’ny fikasan’Andriamanitra ny amin’ny tany?
17 Ankoatra izany, io fanantenana io dia natolotra ny mpikambana vitsy ihany amin’ny fianakavian’olombelona. Nambaran’i Jesosy ho “ondry vitsy” izy ireo amin’ny fitambarany. (Lioka 12:32.) Hatsangana ho amin’ny fiainana any an-danitra amin’ny maha-zavaboary ara-panahy tsy mety maty mba hitondra ny tany miaraka amin’i Kristy ao amin’ny Fanjakany any an-danitra io antokon’olona miisa ho 144000 io (2 Petera 3:13; Apokalypsy 7:4; 14:1, 4; 20:4). Amin’ny farany, ny tany izay hotapahiny dia honenan’olona nasandratra ho amin’ny fahatanterahana an’arivo tapitrisany maro angamba. Maro aminy no ho anisan’ireo hiverina indray eto an-tany amin’ny “fitsanganan’ny marina sy ny meloka”. (Asan’ny apostoly 24:15.) Kanefa, ankoatra ireo hitsangana amin’ny maty ireo, dia hisy olon-kafa koa hahazo ny fiainana eo amin’izao tontolo izao vaovao. Iza moa izany?
‘Tsy ho faty mandrakizay izy ireo’
18. Ankoatra ny firesahany ny amin’ny fananganana ny maty, zavatra mahazendana inona no nambaran’i Jesosy?
18 Raha ny fitsanganana amin’ny maty no fanantenana azo antoka ho an’ny maty, dia misy fanantenana mahatalanjona hafa ho an’ny olombelona izay velona amin’izao androntsika izao. Niteny ny amin’izany i Jesosy ho tohin’ilay resaka nifanaovany tamin’i Marta. Rehefa avy nilaza tokoa i Jesosy hoe: “Izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray [amin’ny alalan’ny fananganana amin’ny maty]”, dia hoy ny nanampiny: “ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay.” (Jaona 11:25, 26). Nanambara zavatra mahazendana izy tamin’ireo teny ireo: Ho avy ny fotoana izay tsy hahavoatery ny velona amin’izany ho faty! Fotoana inona anefa izany?
19. a) Amin’ny fotoana inona no tokony hahatanteraka ny fanantenana ny tsy ho faty mihitsy? b) Ahoana no ampisehoan’ny Baiboly an’ireo izay manantena ny tsy ho faty mihitsy?
19 Amin’izao fotoana iainantsika izao no tsy maintsy hahatanterahan’izany fampanantenana izany. Asehon’ny zava-drehetra fa tena akaiky ny faran’izao tontolo izao ratsy (Matio 24:3-14; 2 Timoty 3:1-5, 13). Araka izany, izay maneho finoana an’Andriamanitra sy ny Zanany ankehitriny, dia manana ny fanantenana mahatalanjona ny ho tafita velona amin’ny faran’ny fandehan-javatra ankehitriny sy hiditra velona ao amin’izao tontolo izao vaovao nampanantenain’Andriamanitra, eny, ny tsy ho faty mihitsy! Ao amin’ny Apokalypsy 7:9, 14, dia lazaina fa mahaforona “olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny” izy ireo sady “avy tamin’ny fahoriana lehibe”, ary notsimbinin’Andriamanitra izy ireo noho ny finoany. Niresaka ny amin’ny fandringanana ho avy ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny i Jesosy ho toy ny “fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony”. — Matio 24:21; jereo Ohabolana 2:21, 22; Salamo 37:10, 11, 34.
20, 21. Amin’izao androntsika izao, ahoana no ampisehoan’ny olona an-tapitrisany maro fa maneho finoana an’Andriamanitra sy Kristy izy ireo, ary tsy hila inona ny ankamaroan’izy ireo?
20 Maneran-tany, dia an-tapitrisany maro amin’ny vahoaka betsaka izay maniry hiaina mandrakizay eto an-tany no maneho finoana sahady ny fampanantenan’Andriamanitra sy ilay nataony tonga “fananganana ny maty sy fiainana”, dia i Jesosy Kristy. Samy nanolo-tena ho an’Andriamanitra izy rehetra, ary naneho izany tamin’ny fanekena hatao batisa anaty rano (Matio 28:19, 20). Miaiky izy ireo fa miankina ‘amin’Andriamanitra izay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana, sy ny Zanak’ondry’, Jesosy Kristy, ihany ny famonjena. — Apokalypsy 7:10.
21 Ireo anisan’ny vahoaka betsaka izay ho tafita velona amin’ny faran’izao tontolo izao ankehitriny, dia tsy hila ny fananganana amin’ny maty, satria ‘tsy ho faty mandrakizay’ izy ireo. Moa ve ianao manao izay ilaina mba ho anisan’io antokon’olona io? Raha eny, dia misy tombontsoa mahatalanjona sy tsy manam-paharoa miandry anao: ny ho tafita velona amin’ny faran’ny fandehan-javatra ratsy tapahin’i Satana ary ny hiditra ao amin’ny fotoana vaovaon’ny fahamarinana izay hitondra ho anao fahasalamana tanteraka sy fiainana mandrakizay eo amin’ny tany tonga paradisa (Lioka 23:43; Apokalypsy 21:4, 5)! Amin’ny fianarana ny sitrapon’Andriamanitra sy amin’ny fanatanterahana izany amim-paharetana, dia azonao aseho fa “tsy mba naman’izay mihemotra ho amin’ny fahaverezana [fandringanana, MN ]” ianao. Eny, ianao koa dia afaka “mino ho amin’ny famonjena ny fanahy”. — Hebreo 10:39; 1 Jaona 2:15-17; Apokalypsy 7:15.
Famerenana
◻ Inona no tena fanantenana ho an’ny maty?
◻ Nahoana ny fananganana ny vatana araka ny fihevitry ny fivavahana lazaina fa kristiana no fitenenan-dratsy an’Andriamanitra?
◻ Inona no ampianarin’ny Baiboly mikasika ny tsy fahafatesana?
◻ Fanantenana mahazendana inona no azo velomina amin’izao androntsika izao?