Mitondra fitahiana ny fahaiza-mampiantrano vahiny any Melita
FITODIANA nitondra soa ho an’ny apostoly Paoly i Melita fony izy vaky sambo tamin’ny taonjato voalohany am. fan. ir. “Nandray tsara” azy mbamin’ny mpiara-dia taminy ny mponin’ilay nosy. Raha ny marina, dia “tsy kely ny soa” nasehon’ny mponina tao Melita taminy. — Asan’ny Apostoly 28:1, 2.
Tatỳ aoriana, ny mpanapaka ny nosy, Poplio, dia nandray an’i Paoly sy ireo namany ary ‘nampiantrano azy ireo tsara hateloana.’ Rehefa niely ny vaovao fa nanasitrana ny rain’i Poplio tamin’ny tazo sy ny fivalanan-dra ilay apostoly, dia “tonga koa ny sasany izay narary teo amin’ny nosy, ka dia sitrana.” (Asan’ny Apostoly 28:7-9) Nanao zavatra nihoatra noho izany anefa i Paoly. Namafy ny voan’ny fahamarinana tao am-pon’ny olona izy ka nitondra fitahiana be dia be ho an’ireo mponin’ny nosy nahay nandray vahiny ireo izany. Amin’izao androntsika izao, dia mitranga ny zavatra toy izany any Melita. Andeha hojerentsika hoe amin’ny fomba ahoana.
Mpitsidika mitondra ny vaovao tsara
Raha tazanina avy eny ambony, i Melita tarafin’ny hainandro dia manjelajelatra toy ny vatosoa eo anivon’i Mediterane mangamanga. Rehefa manatona ny seranam-piaramanidin’i Luga ny mpitsidika iray dia mahita tany anjakan’ny masoandro mibaliaka, nefa toa vitsy zavamaniry. Rehefa tafidina izy dia mahafantatra fa tombanana ho 347 000 ny isan’ny mponina ao amin’io nosy io, izay 16 kilaometatra ny lavany ary 11 kilaometatra ny sakany. Ny tafo boribory sy ny tendron’ireo fiangonana sy katedraly maro any Melita dia mampiharihary ny fiainany ara-pivavahana fahiny. Kanefa amin’izao taonjato faha-20 izao, ahoana no nandraisan’ny mponin’i Melita soa tamin’ny fitsidihan’ny Vavolombelon’i Jehovah?
Ny mpiandraikitra mpitety faritany iray, antsoina hoe David, dia nitsidika an’i Juliana tao an-tranony, ka noraisina tsy nisy fisalasalana ny hafatra momba ilay Fanjakana nentiny. “Tena tsy nahafaly ahy ny fitsabahan’ny fiangonana amin’ny politika, hoy i Juliana, ka nanandrana nitady tao amin’ny Baiboly ny fahamarinana momba ny fitondram-panjakan’Andriamanitra, aho. Rehefa namaky izany anefa aho, dia nahita zavatra saro-pantarina tao. Alao sary an-tsaina fa variana sady gaga aho rehefa nanontany ahy io mpitsidika tonga tao am-baravarako io raha fantatro ny atao hoe Fanjakan’Andriamanitra! Nangataka azy avy hatrany aho mba hampiseho ny valiny tao amin’ny Baiboly katolika nananako. Nataony izany. Tamin’io andro io ihany dia fantatro fa nahita ny fahamarinana aho.”
Nanao fandaharana mba hiara-mianatra ny Baiboly tamin’i Juliana ny Vavolombelona iray teo an-toerana. Rehefa niverina tany Melita i David, enim-bolana tatỳ aoriana, akory ny hagagany sy ny fifaliany nahita an’i Juliana nandray azy tao amin’ny Efitrano Fanjakana! Tsy ela dia vonona ny ho tonga mpitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakana izy.
Nahavery hevitra an’i Francis, vadin’i Juliana, koa ireo fampianaran’ny Fiangonana. Rehefa nitsidika ny vadiny tany amin’ny hôpitaly izy indray andro, dia nahita azy nihaino lahateny ampahibemaso momba ny Baiboly natao tany amin’ny Efitrano Fanjakana noraisina feo. Rehefa nihaino famelabelarana momba ny fianakaviana i Francis dia nahamarika ny hatsaran’ny torohevitra ao amin’ny Baiboly ka nanapa-kevitra ny hanomboka hanatrika ireo fivoriana kristiana. Tsy ela dia takany fa nisy zava-nanahirana tsy maintsy nalaminy. Inona izany?
Nandritra ny 20 taona teo ho eo, dia mpanangom-bola tao amin’ny trano filokana iray izy. Fantany izao fa io asa nifandray tamin’ny filokana io dia nifanipaka tamin’ireo fotopoto-pitsipika kristiana izay manameloka ny fieremana sy ny fitsiriritana. (Romana 13:9, 10; 1 Korintiana 6:9, 10) “Na dia tsy ampy finoana mba hiova asa aza aho tamin’ny voalohany,” hoy ny fieken’i Francis, dia “nivavaka nangataka ny fanampian’i Jehovah aho. Tamin’ny farany dia nahita asa hafa namelomako ny vadiko sy i Sandro zanako lahy, aho.” Ankehitriny, dia loholona ao amin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah eo an-toerana i Francis.
Fampiononana avy amin’ny Soratra masina
Nahita fahasambarana tao amin’ny fanambadian’izy sy George i Rose nandritra ny enin-taona, kanjo maty noho ny voina nahatsiravina i George. Tsy nampionona an’i Rose velively ny fanazavan’ny pretra fa nalain’Andriamanitra i George satria nialona noho ny fitiavan’i Rose ny vadiny izy. Ketraka aoka izany i Rose ka nikasa ny hamono ireo zanany telo, avy eo dia hamono tena.
Toy inona anefa ny fiovana nitranga teo amin’i Rose rehefa nanomboka niara-nianatra ny Baiboly taminy ny Vavolombelona mpifanila trano iray atao hoe Helen! Tsy ela dia nitondra fampiononana ho an’i Rose ny fampianarana araka ny Baiboly momba ny fananganana ny maty. (Jaona 5:28, 29) Nampahery azy koa tamin’izay ny mpiandraikitra mpitety faritany hafa iray. Nandray soa be dia be avy amin’ny lahateny nataony momba ny fananganana ny maty i Rose. Nampaherezin’io fanantenana io izy ka niara-nanao fanambarana ampahibemaso tamin’i Helen, ary ankehitriny izy mirahavavy dia samy mpitory maharitra mandavantaona, izany hoe mpitory ilay Fanjakana manontolo andro.
Fampaherezana mba hanana zotompo
Avy amin’ny fianakaviana maro anaka iray i Joe satria manana rahalahy sy anabavy 12. Noho izy nampaherezin’ny mpiandraikitra mpitety faritany iray, dia nitory tamin-jotompo tamin’ny havany maro izy. “Teo am-piandohana”, hoy izy, “dia fantatry ny fianakaviako fa araka ny fandrindran-kevitra izay nohazavaiko tamin’izy ireo avy ao amin’ny Baiboly. Nefa nony hitan’izy ireo fa nitombo ny fahalianako ho tonga Vavombelona dia niova hevitra izy ka nanohitra ahy avokoa izy rehetra — indrindra fa ny raiko.” Moa ve ny fihetsik’izy ireo nahafaty ny zotompon’i Joe?
Tsy izany mihitsy! Rehefa narary, ohatra, ny zanaka kelin’ny iray tamin’ireo anabaviny, ary saiky maty, dia nitory taminy i Joe, tamin’ny firesahana taminy ny amin’ny fanantenana fananganana ny maty. Ankehitriny io anabaviny io dia Vavolombelon’i Jehovah vita batisa. Nanaraka izany, dia naneho fahalianana ny fahamarinana ny iray tamin’ireo zokilahin’i Joe mbamin’ny ankohonany. Avy eo, dia ny zokiny lahimatoa sy ny ankohonany indray izao no niandany tamin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Teo anelanelan’izay, dia nanjary nihatezitra hatrany ny rain’i Joe. Rehefa nanomboka nianatra ny Baiboly koa ny zandrin’i Joe faravavy, dia noroahin’ny rainy tsy ho ao an-trano i Joe. Tsy kivy i Joe fa nampiasa ny fahafahana rehetra mba hitsidihana ny havany sy hiresahana momba ny hafatry ny Baiboly. Mbola tezitra ihany ny rainy, ka nilaza hoe: “Nahoana ialahy no tsy miresaka amin’ny pretra? Izy no mahalala indrindra ny Baiboly!” Namaly i Joe fa faly izy ny hanao izany raha toa ka miaraka aminy ny rainy. Nanao ahoana ny fizotran’ny fitsidihan’izy ireo?
“Nandamina andro sy fotoana izahay”, hoy ny fitantaran’i Joe, “nefa tian’ilay pretra ny hahalala ny foto-dresaka hodinihina mba hiomanana, tamin’ny fanazavana fa satria efa fito taona izao no nialany tany amin’ny seminera, dia ilainy ny manao fikarohana sasany. (. . .) Lasa anefa ny herinandro, ny iray volana, ny roa volana aza, tsy tonga tamin’ny fotoana rehetra nifanaovanay ilay pretra. Rehefa nandinika izany ny raiko dia niova ny heviny ny amin’ny fiangonana, ary tsapany tsikelikely fa marina izay nianarako tao amin’ny Baiboly.” Nanaiky ny fahamarinana ny rain’i Joe rehefa ela ny ela, ka nahatratra 29 ny mpikambana ao amin’ny fianakaviany mandray anjara amin’ny fanompoana an’i Jehovah.
Mitondra fitahiana ny torohevitra mahasoa
Manazava toy izao ny mpitory maharitra iray efa manambady, atao hoe Ignatio raha niresaka tamin-kafanam-po ny amin’ny mpiandraikitra mpitety faritany hafa iray: “Tonga mba hiara-mipetraka taminay i Paul sy ny vadiny. Nanampy anay roa tamin’ny fanambadianay sy tamin’ny saha fitoriana izy ireo. Antitranteriny mandrakariva ny maha-zava-dehibe ny fitoriana.”
Tsaroan’i Ignatio izay nitranga fony i Paul nihaona tamin’ireo loholona sy mpikarakara momba ny asa tao amin’ny kongregasiona nandritra ny fitsidihany farany. “Rehefa nilaza aho fa tsy maintsy maka amin’ny fotoana fanaovana asa fitoriana ny marainan’iny mba hanomanana ny anjarako tamin’ny fandaharana ao amin’ny fivoriana”, hoy Ignatio, dia “nilaza i Paul fa handeha hivoaka hitory araka ny efa voalamina izy na dia tsy afaka hiaraka aminy aza aho. Tamin’izay, dia nanapa-kevitra ny handeha koa aho. Endrey ny fitahian’i Jehovah ny fanapahan-kevitro! Tamin’io maraina io aho dia nanomboka fampianarana Baiboly iray, ary avy amin’io dia olona enina izao no ao amin’ny fahamarinana.” — Ampitahao amin’ny 3 Jaona4.
Fifampaherezana
Isaky ny misy loholona mpitety faritany iray mitsidika ny Vavolombelona namany any Melita, dia mandray azy tsara izy ireo sady maniry mafy ny handray soa avy amin’ny fampaherezany sy fananarany. (Ampitahao amin’ny 3 Jaona 5-8.) Ho vokatr’izany, dia mihamaro hatrany ny mponina ao Melita no miandany mafy amin’i Jehovah Andriamanitra sy ny Fanjakany. Hatramin’ny faran’ny taom-piasana 1989, dia 389 tamin’ireo mponin’ny nosy mahay mandray vahiny ireo no nanao izany. Voalamina ao anatin’ny kongregasiona dimy miroborobo (efatra ao Melita, ary iray any akaikin’ny nosy Gozo) izao izy ireo, ary mitory ny vaovao tsara amim-pahasahiana.
Ny mpiandraikitra mpitety faritany rehetra voatendry hitsidika an’i Melita tao anatin’ireo taona faramparany, dia nahatsapa toy ny apostoly Paoly, izay nilaza toy izao tamin’ny kristiana Romana: “Fa maniry hahita anareo aho hanomezako fahasoavam-panahy ho anareo, mba hampaherezina hianareo.” Niteraka “fifampaherezana” marina tokoa ny fitsidihan’izy ireo. (Romana 1:11, 12, MN ) Ary ny asa fitoriana ilay Fanjakana ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah dia mitondra fitahiana ara-panahy tondraka ho an’ny mponina mahay mandray vahinin’i Melita.
[Sarintany/Sary, pejy 24, 25]
GOZO
COMINO
MELITA
Valletta
Ranomasina Mediterane
8 km
5 mi