Fiainana aorian’ny fahafatesana — Ireo fanontaniana tsy voavaly
“RAHA MATY ny olona, moa ho velona indray va izy?” (Joba 14:14) Io fanontaniana io, izay nataon’i Joba patriarka, taonjato maro lasa izay, dia noeritreretin’ny olona teo amin’ny fitambaran’olona rehetra tamin’ny fotoana rehetra, ary tsy hoe tsy nisy valiny naroso akory.
Ireo Grika fahiny dia nilaza fa velona hatrany ny fanahin’ilay maty. Nampitaina ny reniranon’i Styx izy mba ho any amin’ny faritra midadasika ambanin’ny tany iray nantsoina hoe tontolo ambany. Tany ireo mpitsara no nandefa ireo fanahy, na ho any amin’ny fampijaliana ao amin’ny tranomaizina mimanda avo iray, na ho any amin’ny fahasambarana ao amin’ny saha Elysée. Nisy ntaolo hafa nino fa tonga kintana na kintana manan-drambo ireo fanahy. Ny hafa mbola nino fa mamirapiratra ireo fanahy ary voasintona ho eny amin’ny volana; isam-bolana rehefa fenomanana ny volana, dia nafindra ho eny amin’ny masoandro izy.
Amin’izao andro izao dia mbola be dia be ny teôria ny amin’ny fiainana aorian’ny fahafatesana. Ny Hindoa sy ny Bodista dia mino ny fidirana indray ao amin’ny nofo hafa. Mampianatra ny Miozilimana fa velona hatrany ny fanahy aorian’ny fahafatesan’ny vatana, ary amin’ny fitsarana farany dia, na ho any amin’ny paradisa izy, na ho any amin’ny afobe. Mampianatra ny ankamaroan’ny protestanta fa velona hatrany ny fanahy aorian’ny fahafatesana, mba hanandrana ny fahasambarana any an-danitra na ny fijaliana any amin’ny afobe mirehitra. Ampian’ny katolika hoe Limby sy afo fandiovana izany sehatra izany.
Any amin’ny tany sasany, ny finoana ny amin’izay heverina ho fanahin’ny maty, dia fifangaroana hafahafan’ny fomban-tany sy izay lazaina fa kristianisma. Fanao, ohatra, eo amin’ireo katolika sy protestanta maro any Afrika Andrefana ny mandrakotra ireo fitaratra rehefa misy olona iray maty, mba tsy hahafahan’iza na iza mijery sy mahita ny fanahin’ilay olona maty. Efapolo andro aorian’ny nahafatesan’ny olon-tiana iray, dia manao fety ny fianakaviana sy ny namana mba hankalazana ny fiakaran’ny fanahy any an-danitra. Aorian’izay, mazàna amin’ny krisimasy na taombaovao, dia mamangy ny toeram-pandevenana ny havana, ary mandraraka zava-pisotro misy alikaola eo ambonin’ilay fasana. Miresaka amin’ilay maty aza izy ireo, amin’ny fangatahana soa sy amin’ny fitantarana vaovaom-pianakaviana.
Miharihary fa kely dia kely ny fifanarahana eo amin’ny fivavahana eo amin’izao tontolo izao raha ny amin’izay mitranga marina aorian’ny fahafatesana. Kanefa, misy fifanarahana saika maneran-tany ny amin’ny fanantitranterana hevitra fototra iray: ny tsy fahafatesan’ny fanahin’ny olombelona. Ny ankamaroan’ireo fampianarana momba ny fiainana aorian’ny fahafatesana dia endrika maro isehoan’io tsangan-kevitra fototra io fotsiny.
Kanefa, mipoitra ny fanontaniana maromaro miverimberina manorisory: Avy aiza tokoa ny fiheverana fa tsy mety maty ny fanahy? Ampianarina ao amin’ny Soratra masina ve izy io? Raha izany no izy, nahoana no mampianatra izany na dia ireo finoana tsy kristiana aza? Fanontaniana tsy tokony hodian-tsy hita ireo. Na inona na inona zavatra inoanao ara-pivavahana, ny fahafatesana dia zava-misy iray tsy maintsy atrehina. Araka izany, ny raharaha tafiditra amin’izany dia mahakasika anao manokana amin’ny fomba lalina. Manasa anao àry izahay handinika tsara ireo lafin-javatra ireo amin’ny saina malalaka.