“Fanantenana fandehan-javatra tsaratsara kokoa”
Raha nandeha nitsidika an’i Montréal tamin’ny Jolay 1985 i Gilles Le Sieur dia nanadino tsy nahy ny kitapony tao amin’ny “métro”. Ny ampitson’ny andro nodiany, teo amin’ny 260 kilometatra teo ho eo avy eo amin’i Montréal, dia niantso azy tamin’ny telefaonina ny vehivavy tanora iray izay nahita ny kitapony. Niverina nankany Montréal i Gilles sy ny vadiny mba haka azy. Rehefa azony ilay izy, dia nomeny boky Azonao atao ny hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany iray ilay ramatoa tanora io. Tapa-bolana teo ho eo taorian’izay, dia naharay taratasy feno fankasitrahana avy aminy izy ireo; izao no nolazain’ny tapany amin’ny taratasiny:
“Tsy fantatro hoe iza amintsika no nanao soa lehibe kokoa ny namany tamin’ny herinandro ambony iny. Na dia tsy niandry valisoa aza aho, dia nanohina ahy ny fankasitrahana nasehonareo ahy. Nankasitrahako manokana ny fanirianareo hizara ny loharanon’ny fahasambaranareo. (. . .) Efa voavakiko manontolo ilay boky nomenareo ahy, ary raha eo am-pamakiana ity taratasy ity ianareo, dia eo am-pamakiana azy ny namako iray. Marina ny nolazainareo ny amin’ny soa entin’io boky io. Tsy vitan’ny hoe nanome fanantenana ny amin’ny fandehan-javatra tsara kokoa ahy izy io, fa namaly fanontaniana maro be izay tsy novalian’ny fiangonako mihitsy koa. (. . .) Niverina namaky Baiboly indray aho amin’ny faniriana ny hanana fiainana tsaratsara kokoa.”
Nanohy ny fianarany ny Baiboly io vehivavy tanora io ary tatỳ aoriana izy dia tonga mpitory manontolo andro nanambara ireo zavatra tsara nianarany. Nanampy olona maro be hanatsara ny fiainany ny boky Azonao atao ny hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany. Miresaka amin’ny fomba azo ampiharina ireo fampianaran’ny Baiboly rehetra io boky io, izay mitovy velarana amin’ity gazety ity, ary misy sary manome fampianarana maherin’ny 150 ao aminy. Raha tianao ny hahazo io boky sarobidy io, dia fenoy fotsiny ary avereno atỳ aminay ny tapakila etsy ambany.
Maniry ny hahazo ilay boky mifono baoritra hoe Azonao atao ny hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany aho. Ampiarahiko ny fandraisana anjara an-tsitrapo 2 400 fmg.