Mitondra fahasambarana ny fatokiana an’i Jehovah
NOTANTARAIN’I JACK HALLIDAY NATHAN
Mety ho efa renao angamba ilay fitenenana hoe:
“Teraka misy sotro volafotsy ao am-bavany.” (Teraka ao anatin’ny harena). Raha ny amiko aloha, rehefa teraka aho tamin’ny 1897, dia saika marina ara-bakiteny io fitenenana io.
FAHA-60 taonan’ny nanjakan’ny Mpanjakavavy Victoria, izany hoe ny jaobiliny diamondra, tamin’izay. Ireo zaza teraka tamin’io taona io tany Angletera dia nomena sotro volafotsy. Tao anatin’ny voninahiny ny Empira Britanika, nijinja ireo tombony avy tamin’ny Fiovana teo amin’ny Taozava-baventy teo an-toerana ary avy tamin’ny varotra niroborobo tamin’ireo zanatany tany ampitan-dranomasina.
Jiosy ny raibeko, ary tonga nanam-pahaizana momba ny teny hebreo sy havanana raha ny amin’ireo Soratra hebreo ny raiko. Zanaky ny eveka anglikana anefa ny renibeko, ary noho ny fitaomana avy taminy, dia nanaiky an’i Jesosy Kristy ho Mesia ny raiko. Nanan-kery teo amin’ny raiko sy ny reniko koa ireo soratr’i Charles Taze Russell, hany ka tsy nino ny Trinite na ny fampianarana momba ny afobe na oviana na oviana izahay.
Tamin’ny fahazazako, dia mbola ny soavaly no fitaterana nahazatra indrindra tany Angletera, ary vitsy ireo fitaterana tsy notaritina soavaly, na fiarakodia. Tamin’ny 1913, noho ny fitiavako soavaly, dia niditra tao amin’ny sampana fitaterana an-tsoavaly tao amin’ny tafika isam-paritany (milisy) aho. Rehefa nipoaka ny Ady Lehibe voalohany, dia nafindra ho any amin’ny tafika tsotra aho ka nalefa tany amin’ny vava ady tany Grisia, ary voan’ny tazo mahery tany. Tatỳ aoriana, dia nalefa tany amin’ny vava ady tany andrefana, tany Frantsa, aho ho toy ny mpitifitra amin’ny tafondro ary tamin’ny farany dia nobaboin’ny alemanina tamin’ny 1917.
Nahita zava-kendrena teo amin’ny fiainana aho tany India
Rehefa nifarana ny ady tamin’ny 1918, dia tsy nisy asa azoko natao tany Angletera, koa niditra tao amin’ny tafika indray àry aho, ka nankany India ho anisan’ny miaramila mpiandry tany tamin’ny fotoan’ny fandriampahalemana. Tamin’ny May 1920, dia namely indray ny tazo mahery, ka nalefa tany an-tendrombohitra aho mba hahazo tanjaka. Tany aho dia namaky izay boky rehetra hitako, anisan’izany ny Baiboly. Nanamafy ny fahalianako ny amin’ny fiverenan’ny Tompo ny famakiako ny Soratra masina.
Volana maro tatỳ aoriana, tany Kanpur, dia nanomboka fiaraha-mianatra ny Baiboly aho, tamin’ny fanantenana ny hianatra betsaka kokoa momba ny fiverenan’ny Tompo. Tany aho no nahita an’i Frederick James, miaramila britanika taloha izay Mpianatra ny Baiboly be zotom-po izao. Nohazavainy tamiko fa efa nanatrika hatramin’ny 1914 tamin’ny fomba tsy hitan’ny mason’ny olona i Jesosy Kristy. Izany no vaovao nahafinaritra ahy indrindra reko hatramin’izay. Ny fanirian’ny foko voalohany dia ny hiala tamin’ny tafika. Naharikoriko ahy ny fandatsahan-dra sy ny fahafatesana nateraky ny ady tany Eoropa. Naniry ny ho misionera tsy miady aho ary ny hitory izany vaovao tsara momba ny fanatrehan’i Kristy izany.
Tsy nanaiky ny hialako anefa ny tafika, fa nalefany tany India andrefana, izay Pakistan ankehitriny, kosa aho. Fony aho tany dia namaky ny Etudes des Ecritures, nataon’i Charles Taze Russell, aho ary vao mainka nino mafy kokoa noho ny hatramin’izay fa tokony hamaly ny antso ho amin’ny fitoriana aho. Nanomboka nanonofy ratsy izay nahatonga ahy ho ketraka aho. Tsy hitako intsony izay hatao hany ka nanoratra tany amin’ny rahalahy James aho, ary nanasa ahy ho any aminy tany Kanpur izy. Fahatsiarovana ny nahafatesan’ny Tompo ny andro nahatongavako tany. Namela soritra lehibe dia lehibe teo amin’ny fiainako io andro io — tamin’izay aho no nanapa-kevitra ny hijanona ho mpitovo sy hanao ny fanompoana manontolo andro ho ny zava-kendreko eo amin’ny fiainana.
Tafaverina tany Angletera aho
Tany amin’ny faramparan’ny 1921, dia nafindra tany Angletera aho ary tamin’ny lohataonan’ny 1922 dia navela hiala tamin’ny tafika. Ny fahavaratr’io taona io ihany, dia tonga tany Angletera i J. F. Rutherford, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower faharoa, ary nandeha nihaino ny lahateniny tany amin’ny Royal Albert Hall, any Londres, niaraka tamin’ny ray aman-dreniko aho. Taorian’izay aho dia voatosika hanolo-tena mba hanampy tao amin’ny Betela, araka ny fiantsoana ireo biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower, kanefa nampirisihina tamin-katsaram-panahy mba hanao ny asan’ny “colporteur” (mpitory manontolo andro) aloha aho. Nilaozako àry ny asako ary nanaiky ny fanendrena ahy hiasa tany atsimon’i Angletera aho. Tsy nisy fanandraman-javatra fa “couronne” (antsasaky ny dôlara amerikana) iray tao am-paosy ary fatokiana an’i Jehovah, no nanombohako ny asako tamin’ny naha-mpanompo manontolo andro ahy. Tany amin’ny martsa 1924 tany aho dia nasaina ho any amin’ny Betela.
Ny taona nanaraka anefa aho dia nangatahina mba handao ny Betela, ary dia trotraka tanteraka noho ny fahatsapana fa nofaizina noho ny zavatra tsy nataoko aho. Nandritra izany fotoana fohy izany dia efa tonga antom-piainako ny Betela. Kanefa tamin’ny fametrahana ilay zava-nanahirana teo anatrehan’i Jehovah tamim-bavaka ary tamin’ny fatokiana fa hatao ny sitrapony, dia afaka nanatontosa tamim-pifaliana ny fanendrena hanao ny asan’ny mpitory maharitra nomena ahy aho. Tamin’ny may 1926 aho dia nasaina hiverina tao amin’ny Betela indray, ary nijanona tao nandritra ireo 11 taona nanaraka.
Nitsidika an’i Angletera indray ny rahalahy Rutherford tamin’ny 1936, ary nanasa ahy ho any Kanada mba hanampy teo amin’ny asan’ilay Fanjakana tany. Kanefa, noho ny fifandisoan-dresaka, dia niharan’ny tsy fankasitrahan’ny rahalahy Rutherford aho satria nampahafantatra tsiambaratelo sasany. Mbola tsaroako ihany ireo teny nampiasainy: “Tsy afaka matoky anao aho, ry Jack. Rovito ireo karatrao!” Tarehin-javatra nampietry re izany! Kanefa famaizana nilaina dia nilaina izany, ary taorian’izay, niaraka tamin’ny rahalahy hafa iray, dia notendrena ho mpitory maharitra nandritra ireo valo volana nanaraka aho. Nampisinda ny fahakiviako io tombontsoam-panompoana io, ary nandray fianarana avy tamin’io famaizana io aho.
Fanompoana niitatra teto Kanada
Herintaona teo ho eo taorian’izay, nandritra ny fitsidihany nanaraka an’i Angletera, dia nanintona ny saiko ho amin’i Kanada indray ny rahalahy Rutherford. Naniry mafy izany fahafahana izany aho ka avy hatrany dia nanaiky ny fanendrena hiasa tany. Rehefa avy nanompo volana vitsivitsy tao amin’ny Betelan’i Kanada aho dia notendrena ho mpitety faritany solontenan’ny Fikambanana tany Ontario, tany atsimo andrefan’i Kanada. Kely sady nila fampaherezana betsaka ny ankamaroan’ireo kongregasiona tany. Kanefa hafaliana toy inona moa no nentin’ireny taona tany am-boalohany ireny, na dia teo aza ireo zava-tsarotra ara-batana noho ny toetr’andro mafy sy ny fitaterana tsy azo antoka!
Tsy hohadinoiko na oviana na oviana ny hafanana sy ny fankasitrahana ara-panahy nasehon’ny kongregasionan’ny teratany indiana kely iray tany akaikin’i Brantford. Ririnina tamin’izay, ary natevim-be ny orampanala ka nanasarotra ny fandehanan’ny fiarako (Modèle Ford T). Tsy nisy niandry ahy, ary rehefa tonga aho dia efa lasa tany an’ala hanao afo tany ireo rahalahy. Nandeha nitady azy ireo àry aho, tao anatin’ny orampanala hatreo am-balahako. Rehefa tonga teo amin’izy ireo aho tamin’ny farany, dia gaga izy ireo, nefa faly koa, nahita ahy. Navelany teo avokoa ny zava-drehetra, ka nandeha nody izy ary nandamina fivoriana ny harivan’iny ihany.
Tany Beamsville teo akaiky teo, dia niady tamin’ireo loholona voafidy sy ireo mpivadi-pinoana nandritra ny volana maro izahay sy ny rahalahy nahatoky sasantsasany. Tombontsoa toy inona moa ny nahita ny fiasan’ny fanahin’i Jehovah mba handamina ny tarehin-javatra! Nitondra fitahiana maro ho an’ireo kongregasiona nandritra ireny taona tany am-boalohany ireny ny fatokiana an’i Jehovah sy ny tsy fivadihana tamin’ny fandaminany. Nihalehibe mba ho tonga anisan’ny mpitory maharitra, hiasa ao amin’ny Betela, hankamamy fanendrena amin’ny maha-misionera na ho tonga mpiandraikitra mpitety faritany ny ankizy maro avy tao amin’ireny kongregasiona ireny. Tsy hohadinoiko na oviana na oviana ny fifaliana hitako niara-nipetraka tamin’ireo fianakaviana kristiana nahatoky izay namokatra tanora tsara dia tsara toy izany. Tonga fianakaviako ireny fianakaviana ireny, ary tonga zanako ireo zanany.
Ireo taona teo ambany fandrarana
Nandritra ny 1940, taona naha-mafy indrindra ny fahataitairan’ny olona momba ny ady, dia norarana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Fahatairana moa izany! Nisy fanambarana nataon’ny fitondram-panjakana tamin’ny fampielezam-peo nandidy anay hanome ny polisy ireo zavatra vita an-tsoratra, ireo taratasy firaketan’ireo kongregasiona ary ny fanalahidin’ireo Efitrano Fanjakananay. Takatro ny naha-maika dia maika ny tarehin-javatra, ka nandeha nitety ireo kongregasiona aho mba hampirisika azy ireo hanafina ireo zavatra vita an-tsorany sy taratasy firaketany. Nampirisihina mba hivory tany amin’ny trano manokana ireo rahalahy, ka hiova trano isan-kerinandro. Araka ny fandehan’ny fotoana, ireo kongregasiona dia nanorina indray ny fitoriana isan-trano, ka tsy nampiasa afa-tsy ny Baiboly tamin’izany. Niseho ho fitahiana izany, satria nianatra nampiasa ny Baibolinay tamin’ny fomba tsaratsara kokoa izahay rehetra.
Tatỳ aoriana tamin’io taona io ihany, dia naharay maro dia maro tamin’ilay bokikely hoe End of Nazism (Ny faran’ny Nazisma) avy tany Etazonia izahay. Nitaky fahaiza-mahita hevitra lehibe ny fampidirana io zavatra vita an-tsoratra voarara io teto Kanada. Nisy rahalahy nandray miaramila nangataka fitaterana tao amin’ny fiarany, ary ireo dia nipetraka teo ambonin’ireo baoritra, ka nanafina ilay bokikely voarara na dia tsy fantany aza izany. Avy eo, indray marainan’ny novambra, teo anelanelan’ny amin’ny telo ora sy enina ora, dia notafihin’ireo Vavolombelon’i Jehovah toy ny tselatra ny tanàna manontolo, tamin’ny fametrahana bokikely iray teo am-baravaran’ny ankamaroan’ny tokantrano teto Kanada.
Nandritra ireo taona nisian’ny fandrarana ireo, dia nanohy ny asan’ny mpitory maharitra aho tany Kolombia Britanika, provansa iray any andrefan’i Kanada. Talohan’ilay fandrarana, dia nampiasa sambo iray ireo rahalahy hitsidihana ireo olona tany amin’ireo tanàna kely tao amin’ireo lovoka (helodranomasina kely) nitokana hatreo Vancouver ka hatrany Alaska. Rehefa nampiharina ilay fandrarana, dia nisy zavatra vita an-tsoratra maro dia maro tao anatiny, koa navelan’ireo Vavolombelona tany amin’olona tsara fanahy teny an-dalana ho any amin’ny seranana nakana ilay sambo hohazonina izany. Tatỳ aoriana, dia naka sambon’ny mpanjono iray aho mba hitadiavana ny toerana nisy ireo zavatra vita an-tsoratra ireo, ary avy eo, nandritra ny fotoana fanjonoana ny angoho, dia nandamina ny fakàn’ireo rahalahy izany tany amin’ireo olona liana ny fahamarinana ireo aho. Tatỳ aoriana dia nentina niafina tao anaty sambon’ny mpanjono ireo zavatra vita an-tsoratra ireo mba hozaraina tany Vancouver.
Tany amin’ny faramparan’ny 1943 izahay dia naharay vaovao fa nofoanana ny fandrarana natao tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny fandrarana tamin’ny Fikambanana Watch Tower anefa tsy nofoanana. Koa mbola nanohy toy ny teo aloha ihany izahay, ka tsy nampiasa afa-tsy ny Baiboly teo amin’ny asa isan-trano nataonay. Kanefa afaka nampahafantatra an-karihary ny tenanay ho Vavolombelon’i Jehovah izahay izao. Rehefa nanomboka ny fandrarana dia teo amin’ny 6 700 teo ny isanay Vavolombelona; rehefa nofoanana izany, dia niisa ho 11 000 izahay!
Ny fiainako fony aho mpiandraikitra mpitety faritany
Tamin’ny naha-solontenan’ny Fikambanana nitety faritany ahy, dia nahavita kilaometatra maro tsy hita isa aho nandritra ireo taona nanaraka, ka niara-niasa tamin’ireo kongregasiona sy nampahery azy. Ny ririnina aho dia niaraka tamin’ireo rahalahy nandeha fiara tsy nisy tahaka azy nantsoina hoe “caboose” (trano hazo kely mikorisa eo ambonin’ny orampanala). Izany dia kalesy nitafo nikorisa teo ambonin’ny orampanala sy notaritina soavaly ary nisy fatana hazo tsy nidiran-drivotra sy famoahan-tsetroka. Matetika izahay dia nanomboka talohan’ny mazava ratsy, nahatratra enina nitaingina izany, ka nanao dia nisy 35 km na nahery tao anaty orampanala natevina, ary nitsidika ireo mpamboly sy mpiompy teny an-dalanay. Tsy maintsy mailaka ilay mpitondra satria afaka nampitongilana ilay “caboose” ireo tafiotran’orampanala, ka namoaka ireo mpitaingina niaraka tamin’ireo vainafo nahamay avy tamin’ilay fatana hazo.
Tamin’ny 1947 aho dia voatendry mba hiandraikitra ny distrika voalohan’ilay tany, izay nahafaoka ilay tany manontolo. Fivoriamben’ny fizaran-tany efa ho iray isan-kerinandro no nokarakaraiko. Tao amin’ny toerana nisy ranomandry natao hikorisana, kianja filalaovam-baolina, toerana fanaovana fifaninanana hazakazaka, efitrano lehibe fivorian’ireo mpiasa na efitrano lehibe fivorian’ny olona eo an-toerana no nanaovana ireo fivoriambe. Nitaky fitandremana mafy ny fandaminana ireny fihaonam-be ireny talohan’ny hanombohana ny fandaharana. Tamin’ny 1950 dia notendrena ho mpiandraikitra ny distrika faharoa teto Kanada i Frank Franske, ary tatỳ aoriana dia niampy mpiandraikitra mpitety faritany dimy izany.
Nandritra ny taona maro aho dia nanao ireo diako tamin’ny fiaramanidina kely, tamin’ny sambon’ny mpanjono, tamin’ny “bombardiers” na fiara goavana nisy “chaînes” toy ny amin’ny “tank” sy “skis”, tamin’ny fiaramanidina mandeha eo ambonin’ny orampanala (fiara misy “hélice” ao aoriana ary “skis” eo anoloana mba hamiliana azy). Indraindray, tao anatin’ny fiaramanidina iray, dia nanidintsidina teo ambonin’ny tampon’ireo Tendrombohitra Rocky mijoalajoala izahay, ary avy eo dia nitsontsorika nidina teo amin’ireo lohasaha niafina be mba hitsidika ireo antokona rahalahy nitokana tany.
Namakivaky an’i Kanada imbetsaka aho. Nitoetra tao amin’ny trano bongo hazo nangatsiaka aoka izany aho ka azo natao ny nahita ny fofonainay ny maraina, ary koa tao amin’ny tranon’ny mpamboly sy ny mpiompy tsy nisy ireo zavatra manamora ny fiainana amin’izao andro izao. Kanefa, tamin’izany rehetra izany aho dia nahatsiaro fahafahampo lalina noho ny fahafantarana fa nanao ny asan’i Jehovah aho, tamin’ny fampaherezana ny vahoakan’i Jehovah.
Tombontsoam-panompoana fanampiny
Nandritra ireo 33 taona farany aho dia nanana tombontsoa ho anisan’ny mpianakavin’ny Betela eto Kanada, ary koa ho mpandahateny tamin’ny fivoriambe tany Angletera, Eoropa, Afrika, Nouvelle-Zélande ary tany amin’ny farany Atsinanana. Tany Aostralia aho dia nahita ny zanakavavin’ny rahalahy James, dia ilay nampahery ahy aoka izany fony aho tany India. Tsy tonga misionera mihitsy ny rahalahy James, nefa nanome lova ara-panahy tsara dia tsara ho an’ny fianakaviany izy.
Ankehitriny aho dia voahodidina lehilahy sy vehivavy tanora an-jatony maro ato amin’ny Betelan’i Kanada. Ny fomba ampiasan’izy ireo ny fahatanjahany amin’ny maha-tanora azy eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah dia mampahery sy mamelombelona. Tsy mahita mazava ny masoko, fa ireo tanora ireo no mamaky ho ahy. Malemy ny ranjoko, nefa entin’izy ireo eny amin’ny saha fitoriana aho. Misy manontany hoe ahoana no ahafahako mandresy ny zava-manahirana ara-pahasalamana mifandray amin’ny fahanterako. Ny zavatra iray dia ny fianarako ny Tenin’Andriamanitra isan’andro. Izany dia mampitoetra ny saiko sy ny foko amin’ny zavatra ara-panahy hatrany.
Marina indrindra fa tombontsoa lehibe ny fiarahana nandeha tamin’ilay Raiko any an-danitra, dia i Jehovah izany, sy ny firesahana taminy, nandritra ireo 69 taona nanolorako tena ho azy, ka ny 67 tamin’izany nampiasaiko teo amin’ny fanompoana manontolo andro. Hitako hatrany hatrany fa Andriamanitra be fitiavana sy mamindra fo i Jehovah, mamela ny fahalemen’ny olombelona ary manome hery sy tanjaka an’ireo izay matoky azy. Ny fanantenako dia ny hihazonako ny fahatokiako sy ny tsy fivadihako amin’i Jehovah sy ny fandaminany hatramin’ny farany, amin’ny fatokiana ilay fampanantenana fa amin’ny fotoana mety dia ho tafaray amin’ilay Tompoko malala, dia i Jesosy Kristy, aho ary koa amin’ireo rahalahiko sy anabaviko mahatoky any amin’ny voninahitra any an-danitra. — Salamo 84:12.
[Sary, pejy 12]
Namakivaky ny tanàna ireo fiaramanidina nandeha teo ambonin’ny orampanala, nahatratra 80 km isan’ora.
[Sary, pejy 13]
Nandritra ny ririnina, dia nampiasaina teo amin’ny fanaovana fanambarana tany amin’ireo tanety nidadasik’i Kanada ny “caboose” iray notaritina soavaly.