Ataovy izay hahazoana ny fahamarinana rehetra!
“TSY nahita izany anarana izany tao amin’ny Baiboliko mihitsy aho”, hoy ny nomarihin’i Francisco. Vao avy nitranga tao amin’ny fifanakalozan-kevitra niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah iray ny anarana hoe Jehovah. Marina fa tsy afaka nahita ny anaran’Andriamanitra tao amin’ny Baiboliny izy, dia ny fanontana tamin’ny 1969 ny fandikan-teny portogay Almeida. Tsy hita ao ny anarana hoe Jehovah. Tamin’ny naha-katolika breziliana azy, dia nanatrika tsy tapaka ny lamesa isaky ny alahady i Francisco ary mankafy ny famakiana Baiboly any an-tranony. Nefa dia nahaliana sady nahagaga azy ny anarana hoe Jehovah.
Iza moa Andriamanitra?
Ny herinandro nanaraka iny, ilay Vavolombelona dia nitondra fanontana hafa amin’ny fandikan-teny Almeida ho azy. Nampitahain’izy ireo ny fanontana anankiroa, tao amin’ny Salamo 83:18. Ary inona no hitan’izy ireo? Ao amin’izany fanontana tamin’ny 1966 izany, dia vakina toy izao ilay andinin-teny: “Ianao, ilay hany manana ny anarana hoe Jehovah, no Ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra.” Nefa, ao amin’ilay fanontana tamin’ny 1969, dia ny teny hoe “TOMPO” no ampiasaina fa tsy ny hoe “JEHOVAH”. “Hitanao fa nanova zavatra izy teto”, hoy ilay Vavolombelona, ary nanontany toy izao izy avy eo: “Tsy anarana velively ny hoe ‘Tompo’, sa tsy izany?” “Tsia”, hoy i Francisco. Somary tezitra izy raha nanampy hoe: “Ahoana no nahafahan-dry zareo nanao izany.?”
Izany dia nanokatra ny lalana ho amin’ny fikarohana kely iray momba ny anaran’Andriamanitra. Nianaran’i Francisco, ohatra, fa araka ny voalazan’ny Ny Firaketana Katolika (1910), ny hoe Jehovah dia “anarana manokan’Andriamanitra ao amin’ny Testamenta Taloha.” Nianarany koa fa amin’ny teny hebreo, izay nanoratana ny tapany lehibe amin’ny “Testamenta Taloha”, dia hita eo amin’ny im-7 000 io anarana io. Tsy misy mpandika teny manana zo hanolo ny anarana manokana hoe Jehovah amin’ny anaram-boninahitra tsy voafaritra hoe Tompo. Nirin’i Francisco ny hahafantatra ny fahamarinana momba ny anarana hoe Jehovah, ary azony avy tao amin’ny Baiboly mihitsy izany sy tamin’ny alalan’ny fikarohana voatarika tsara.
Inona no toerana tanan’i Jesosy?
Araka ny voalaza tao amin’ny lahatsoratra teo aloha, ny fivavahana eo amin’izao tontolo izao dia nanatsatso fahamarinana maro. Marihina aloha fa eny amin’ny fanompoana isan-trano ataony, ny Vavolombelon’i Jehovah dia manana fahafahana hamantatra izay inoan’ny olona. Ekena fa mety hiova arakaraka ny toerana izany, nefa misy hevitra sasany mampiavaka. Ohatra, rehefa anontaniana izy hoe ‘Iza moa Andriamanitra?’, dia miteny ny tompon-trano sasany hoe ‘Jesosy’. Milaza izy ireo avy amin’izany fa i Jesosy no Andriamanitra Tsitoha. Nefa, moa ve izany hevitra izany mampiseho ny fahamarinana?
Eritrereto ny amin’ireto hevitra manaraka ireto. Nivavaka tamin’ny Rainy i Jesosy hoe: “Izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.” (Jaona 17:3) Voamarikao ve fa tsy ny tenany no notondroin’i Jesosy ho “Andriamanitra tokana sady marina”, fa ny Rainy any an-danitra? Koa marina ny an’ireo mpianatr’i Jesosy voalohany rehefa niteny taminy izy ireo hoe: “Zanak’Andriamanitra tokoa Hianao.” Ny tenan’i Jesosy mihitsy no nilaza hoe: “Zanak’Andriamanitra Aho.” Ny marina àry, dia hoe tsy ilay Andriamanitra Tsitoha akory i Jesosy fa Zanak’i Jehovah Andriamanitra kosa izy. — Matio 14:33; Jaona 10:36.
Inona no anjaran’ny tany?
Ahoana ny amin’ny anjaran’izao taranaka izao sy ny tany? Nanambara toy izao i John F. Kennedy, prezidan’i Etazonia efa maty, tamin’ny lahateny iray nataony tao amin’ny Fihaonamben’ny Firenena mikambana: “Ananantsika ny fahefana hanao ity taranaka ity ho ny tsara indrindra amin’ny taranak’olombelona teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao — na hanao azy ho ny farany.” Toa mitovy fiheverana amin’izany ireo filoha eo amin’izao tontolo izao amin’ny andro ankehitriny. Izay ren’ny Vavolombelon’i Jehovah matetika eny amin’ny fanompoany dia ny hoe amin’ny faran’izao tontolo izao dia ho levon’ny afo na ny ady noklehera iray ny tany. Ho fanohanana izany finoana izany dia maka ny Apokalypsy 21:1, izay milaza toy izao, ny sasany: “Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony.”
Ny Baiboly matetika dia mampiasa ny teny hoe “tany” amin’ny heviny ara-panoharana, hanondroana ny taranak’olombelona. Ny ohatra iray dia hita ao amin’ny Genesisy 11:1, manao hoe: “Ary ny tany rehetra dia iray fanononana sy iray fiteny.” (Jereo koa 1 Mpanjaka 2:1, 2; Salamo 96:1.) Ao amin’ny Apokalypsy 21:1, “ny tany voalohany” dia manondro, tsy ity planeta ity, fa ny fitambaran’olona ratsy izay horinganina. Izany dia hanokatra ny lalana ho an’ny fanorenana indray ny paradisa eto an-tany. (Lioka 23:43; 2 Tesaloniana 1:6-9; Apokalypsy 21:4) Ary izany dia mifanaraka amin’ny tapany sisa amin’ny Baiboly, izay manondro fa ny tany ara-bakiteny dia tsy ho levona na oviana na oviana. Ny Salamo 104:5, ohatra, dia milaza fa Andriamanitra dia “Nanorina ny tany tambonin’ny fanorenany (. . .), mba tsy hihetsehany mandrakizay doria.” (Ampitahao amin’ny Mpitoriteny 1:4.) Jehovah tokoa dia ‘namorona ny tany mba honenana’ mandrakizay. — Isaia 45:18.
Nahoana no manao izay hahazoana ny fahamarinana rehetra?
Santionany fotsiny amin’ireo hevi-diso fahita aoka izany amin’izao andro izao ireo voalaza ireo. Kanefa, rehefa maniry hanjohy hevitra ny tompon-trano iray, toy izay nitranga tamin’i Francisco, dia faly tokoa ny Vavolombelon’i Jehovah satria misokatra ny lalana ho amin’ny fifanakalozan-kevitra mitondra fanazavana, momba ireo fahamarinana ao amin’ny Soratra masina.
Ny tsy fanaovana izay hahazoana ny fahamarinana rehetra dia mety hitarika ho amin’ny vokany mampalahelo. Mba hanazavana izany an’ohatra dia izao: Fony Jesosy tetỳ an-tany, dia maro no voatarika hino fa iray tamin’ireo zanakalahin’i Maria sy Josefa fotsiny izy, ary mpandrafitra taloha avy any Nazareta fotsiny. Noho izany dia tsy nihevitra azy firy izy ireo. Misy marina ny azy ireo. I Jesosy dia zanak’i Maria, notorontoronina tamin’ny alalan’ny fanahy masina. Zanaka natsangan’i Josefa izy, ary tena niasa tokoa tamin’ny naha-mpandrafitra. (Marka 6:3) Nefa, izany ve no fahamarinana rehetra momba azy? Tsia! Izy koa no Mesia sy ilay “Mpanjakan’ny mpanjaka” ho avy! (Apokalypsy 17:14; Lioka 1:32-35; Asan’ny apostoly 2:36) Ny tsy fanaovana izay hahazoana ny fahamarinana rehetra momba an’i Jesosy dia nitarika olona maro hamoy tombontsoa iray tsy miverina intsony mihitsy — ny fifaliana niaraka manokana tamin’i Jesosy teto an-tany.
Katsaho ny fahamarinana rehetra!
Ny tananan’i Beria (antsoina ankehitriny hoe Véroia) tany Makedonia fahiny, dia fantatr’ireo mpamaky ny Baiboly tsara noho ny fihetsika mendri-piderana nasehon’ireo mponina tao aminy tamin’ny taonjato voalohany. Inona izany fihetsika izany? Hoy ny fitantarana: “Nandray ny teny [notorin’ny apostoly Paoly] tamin’ny zotom-po indrindra ireo ka nandinika ny Soratra Masina isan-andro, na marina izany, na tsia.” Ny vokany? “Maro tamin’ireo no nino, ary tsy vitsy tamin’ny vehivavy jentilisa nanan-kaja sy ny lehilahy.” — Asan’ny apostoly 17:11, 12.
Mendri-piderana tahaka izany koa ny fihetsik’ireo mpaminanin’Andriamanitra fahiny. ‘Nitady sy nikatsaka fatratra izy ireo’ raha ny amin’ny famonjena izay ho tonga amin’ny alalan’ny Mesia. (1 Petera 1:10) Notahin’Andriamanitra ny fiezahan’izy ireo. Miharihary àry fa tsy nisy fanatsoran-javatra. Ny fikatsahana amim-paharetana sy ny fandinihana amim-pitandremana ireo fampianarana — izany no fomba hahazoana ny fahamarinana rehetra avy ao amin’ny Baiboly.
Mety hanontany tena ianao hoe: “Aiza no tokony hanombohako?” Taorian’ny namakiany zavatra vita an-tsoratra kristiana vitsivitsy, ny vehivavy iray monina any Brezila, dia nanoratra toy izao: “Tsy ela izahay [izy sy ny vadiny] dia nahatsapa fa mila betsaka kokoa amin’izany karazam-pahalalana izany, mba hahazoana ny valin’ireo fanontaniana maro be anananay (. . .) Ahoana, aza fady, no hahafahako mahazo Baiboly iray sy boky hafa, izay hanampy ahy hahafantatra misimisy kokoa momba ny Raintsika any an-danitra?” Teo amin’ny lalana marina izy: famakiana ny Baiboly miaraka amin’ny zavatra vita an-tsoratra miorina amin’ny Baiboly marina. Raha tianao koa ny hahazo ny fahamarinana rehetra, dia sokafy amin’i Jehovah Andriamanitra ny fonao, ary mangataha ny fanampiany. Ary mba mariho kely ireto teny fampirisihana ireto: “Raha misy hianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany. Nefa aoka hangataka amin’ny finoana izy ka tsy hiahanahana akory.” — Jakoba 1:5, 6.
An-tapitrisany maro ny olona mifanakalo hevitra momba ny Baiboly miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ka amin’izany dia mangataka fanazavana amim-pahazotoana sy manao fikarohana amim-pitandremana ny fahamarinana. Ny fanaovana izay handraisana sy hampiharana ny fahalalana marina toy izany momba an’ilay Andriamanitra marina sy Jesosy Kristy dia milaza fiainana mandrakizay. (Jaona 17:3) Izany dia mety ho fitahiana lehibe ho anao raha mikatsaka amim-pahazotoana sy mahazo ny fahamarinana rehetra ianao.
[Sary, pejy 7]
Ny fahamarinana rehetra momba an’i Jesosy dia ny maha-Mesia azy, fa tsy mpandrafitra fotsiny.