Mandehana amin’ny maha-mpiara-miasa ao amin’ny fahamarinana
Hevi-dehibe ao amin’ny Jaona faharoa sy fahatelo
NY FAHALALANA ny fahamarinana dia marika iray ahafantarana ny mpivavaka amin’i Jehovah. (Jaona 8:31, 32; 17:17). Tena ilaina ny fandehanana amin’ny fahamarinan’Andriamanitra mba hahazoana famonjena. Ary tsy maintsy ho mpiara-miasa ao amin’ny fahamarinana ny mpanompon’Andriamanitra.
Miresaka ny amin’ny ‘fandehanana amin’ny fahamarinana’ ny taratasy ara-tsindrimandry faharoa sy fahatelo nosoratan’ny apostoly Jaona. (2 Jaona 4; 3 Jaona 3, 4). Mampirisika ny fiaraha-miasa amin’ny maha-‘mpiara-miasa ao amin’ny fahamarinana’ koa ny Jaona fahatelo. (3 Jaona 5-8). Azo inoana fa samy nosoratana tany Efesosy na tany akaikiny ireo taratasy roa ireo tany amin’ny 98 am.fan.ir. tany ho any. Nefa izay lazainy dia afaka mitondra soa ho an’ny vahoakan’i Jehovah amin’izao andro izao.
Manantitrantitra ny fahamarinana ny Jaona faharoa
Nanantitrantitra ny fahamarinana sy ny fitiavana ary nampitandrina tamin’ny “antikristy” aloha, ny Jaona faharoa. (Andininy 1-7). Ilay taratasy dia nalefa ho an’ “itompokovavy voafidy”, izay angamba olona iray. Nefa raha nalefa ho an’ny kongregasiona iray izy io, ny “zanany” dia ireo kristiana nateraky ny fanahy ‘voafidin’Andriamanitra’ ho any amin’ny fiainana any an-danitra. (Romana 8:16, 17; Filipiana 3:12-14). Faly i Jaona fa ‘nandeha tamin’ny fahamarinana’ ny olona sasany ka nanohitra ny fivadiham-pinoana tamin’izany. Kanefa nilain’izy ireo ny nitandrin-tena tamin’ny “antikristy”, izay nanda ny fahatongavan’i Kristy tamin’ny nofo. Mankatò ny fampitandremana amin’ny fivadiham-pinoana toy izany ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao.
Manaraka izany, dia nanome torohevitra ny amin’ny fifandraisana amin’ny mpivadi-pinoana i Jaona ary avy eo dia namarana ny teniny tamin’ny firarian-tsoa manokana sy fanaovam-beloma. (Andininy faha-8-13). Noho ny asa fitoriana mafy toy izany, dia namokatra voa niafara tamin’ny fiovam-pon’ireo izay nandefasany ny taratasiny izy mbamin’ny maro hafa. Tsy nisy afa-tsy ny ‘fitandremany’ ny tenany tamin’ny ara-panahy ihany no ‘nandraisany valim-pitia tanteraka’, izay miharihary fa nahafaoka ny ‘satroboninahitra’ any an-danitra notahirizina ho an’ny voahosotra mahatoky. (2 Timoty 4:7, 8). Raha nisy ‘tsy nitoetra tao amin’ny fampianaran’i Kristy’ nankeo amin’izy ireo, dia tokony ‘tsy hampiantrano azy na hiarahaba azy akory’ izy ireo mba tsy ho tonga mpiombona amin’ny “ratsy ataony”. Rehefa avy naneho ny fanantenany ny ho tonga ka hiresaka mifanatrika amin’ireo mpiray finoana taminy i Jaona, dia namarana ny teniny tamin’ny fanaovam-beloma.
Manantitrantitra ny fiaraha-miasa ny Jaona fahatelo
Ny Jaona fahatelo dia nivantana tamin’i Gaio ary nanamarika ny amin’izay nataony ho an’ireo mpiray finoana taminy aloha izy io. (3Jn Andininy 1-8). ‘Nandeha araka ny fahamarinana’ i Gaio tamin’ny fifikirana tamin’ny fampianarana kristiana manontolo. ‘Nanao asa mahatoky’ koa izy tamin’ny fanampiana rahalahy mpitsidika. Nanoratra toy izao i Jaona: “Isika dia tokony handray tsara izay toy izany, mba ho mpiara-miasa aminy amin’ny fahamarinana.” Manolotra fahaiza-mampiantrano vahiny mitovy amin’izany amin’ireo mpiandraikitra mpitety faritany ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao.
Rehefa avy nampitaha ny fitondrantena ratsin’i Diotrefa tamin’ny an’i Demetrio i Jaona, dia namarana ny taratasiny. (Andininy faha-9-14). Tsy naneho fanajana an’i Jaona i Diotrefa mpitady laza ary nanandrana nandroaka ireo izay nandray tsara ny rahalahy tsy ho ao amin’ny kongregasiona mihitsy aza izy. Nisy olona iray atao hoe Demetrio anefa resahina ho toy ny ohatra tsara. Nanantena ny hahita an’i Gaio tsy ho ela i Jaona ary namarana ny teniny tamin’ny fanaovam-beloma sy firariana an’i Gaio hahita fiadanana.
[Efajoro/Sary, pejy 29]
Tamin’ny taratasy sy penina ary ranomainty: Naniry hamangy an’“itompokovavy voafidy” sy ny “zanany” i Jaona fa tsy hanoratra zavatra maro be ho azy ireo “amin’ny taratasy sy ny ranomainty”. Tsy nanohy nanoratra ho an’i Gaio ‘tamin’ny ranomainty sy ny penina’ ilay apostoly fa naniry ny hahita azy tsy ho ela koa. (2 Jaona 1, 12; 3 Jaona 1, 13, 14). Ny teny grika nadika hoe “penina” (kaʹla·mos) dia miresaka ny amin’ny volotsangana na volotara ary azo adika hoe “volotara fanoratana”. Teo amin’ny Grika sy ny Romana, ny penina volotara dia naranitra sy fisa-doha sahala amin’ny penina vita tamin’ny volomborona tatỳ aoriana kokoa. Ny teny grika hoe meʹlan nadika hoe “ranomainty” dia ny endriny tsy milaza lahy na vavy amin’ny mpamari-toetra (ho an’ny lahy) meʹlas, midika hoe “mainty”. Tao anatin’ny ranomainty tranainy indrindra, ny natao loko dia ny karbonina mainty — na karazana molaly azo avy tamin’ny fandoroana menaka na hazo, na koa arina mangirangirana avy tamin’ny zavamaniry na biby. Mazàna ny ranomainty no tahirizina toy ny tapatapany efajoro na vainga nohamainina, izay leman’ilay mpanoratra ka apetany amin’ny borosiny na ny volotarany. Ny taratasy tamin’izany andro izany dia zavatra manify natao takelaka avy amin’ny hodi-kazo nalaina tamin’ny zavamaniry atao hoe “papyrus”. Nampiasa ny taratasy toy izany ny kristiana voalohany hatao fanoratana sy horonamboky ary kôdeksa.