Aoka ianao hahari-po amin’ny rehetra
“Mananatra anareo izahay, ry rahalahy; anaro izay tsy mitoetra tsara; omeo toky ny malemy saina; ampaherezo ny reraka; mandefera [aoka ianareo hahari-po, NW] amin’ny olona rehetra.” — 1 TESALONIANA 5:14.
1. Taiza ary tamin’ny toe-javatra nanao ahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no naneho fahari-po?
OHATRA toy inona moa no nomen’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny andro ankehitriny tamin’ny fisehoana ho mahari-po! Niaritra fihafiana sy fanenjehana maro tany amin’ireo tany nazia sy fasista taloha izy ireo, ary any amin’ireo tany toa an’i Malawi hatramin’izao fotoana izao. Mahari-po koa ireo izay miaina eo anivon’ny ankohonana voazarazara ara-pivavahana.
2. Anton-javatra roa inona no manazava ny mahatonga ny vahoakan’i Jehovah hifaly amin’ny paradisa ara-panahy?
2 Na dia teo aza ny fanenjehana sy ny fihafiana nandalovan’izy ireo, dia nifaly tamin’ireo fitahiana avy amin’ny paradisa ara-panahy ny vahoakan’i Jehovah vita fanoloran-tena. Raha ny marina, dia asehon’ny zava-misy fa nanomboka nahazo izany ireo kristiana voahosotra tamin’ny taona 1919. Inona no manazava ny fisian’io paradisa ara-panahy io? Voalohany indrindra, matoa misy ireo toe-piainan’ny paradisa ireo eo anivon’ny vahoakan’i Jehovah, dia satria Andriamanitra namerina ireo mpanompony voahosotra ao amin’ny ‘taniny’, na toe-javatra ilaina amin’ny fanompoam-pivavahana madio. (Isaia 66:7, 8). Miroborobo koa ilay paradisa ara-panahy satria ny tsirairay ao anatiny dia maneho ireo vokatry ny fanahin’Andriamanitra. Iray amin’ireny ny fahari-po. (Galatiana 5:22, 23). Ny maha-zava-dehibe an’io toetra tsara io ao amin’ny paradisantsika ara-panahy, dia mety ho hita avy amin’ity filazana nataon’ilay manam-pahaizana manokana atao hoe William Barclay ity: “Tsy mety hisy ny zavatra toy ny fisakaizana kristiana raha tsy misy makrothumia [fahari-po]. (...) Ary ny anton’izany dia izao fotsiny — ny makrothumia dia toetra lehibe mampiavaka an’Andriamanitra (Rom. 2.4; 9.22).” (A New Testament Wordbook, pejy faha-84). Eny, toy izany ny halehiben’ny fahari-po!
Mahari-po amin’ireo rahalahintsika
3. Fianarana mikasika ny fahari-po inona no nomen’i Jesosy an’i Petera?
3 Toa nanan-java-nanahirana sasany ny apostoly Petera tamin’ny fanehoana fahari-po, satria indray mandeha izy dia nanontany an’i Jesosy hoe: “Tompoko, impiry moa no hanotan’ny rahalahiko amiko, ka havelako izy? Hatramin’ny impito va?” Nanoro hevitra azy toy izao i Jesosy: “Tsy lazaiko aminao hoe: Hatramin’ny impito, fa hatramin’ny impito amby fito-polo.” (Matio 18:21, 22). Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia tsy misy fetra ny fotoana tsy maintsy hifampizakantsika sy hamelantsika izay manota amintsika. Rehefa dinihina, dia tsy afaka hieritreritra isika fa hisy olona hitana kaonty ho tonga hatramin’ny 77! Kanefa ny famelan-keloka toy izany dia azo antoka fa mitaky fahari-po.
4. Nahoana indrindra ireo loholona no tsy maintsy mahari-po?
4 Raha ny amin’ny fanehoana fahari-po eo amin’ireo rahalahy ara-panahy, dia tsy misy isalasalana mihitsy fa ireo loholona ao amin’ny kongregasiona dia tsy maintsy ho ohatra fakan-tahaka. Mety ho voasedra ny faharetan’izy ireo satria ny namana mpino sasany dia mety ho tsy mitandrina na tsy miraika. Ny hafa mety hitaredretra raha ny amin’ny fanitsiana fahazaran-dratsy. Tsy maintsy mitandrina ny loholona mba tsy ho mora sorena na tafintohina noho ny fahalemen’ireo rahalahiny sy anabaviny kristiana. Mifanohitra amin’izany, ireo mpiandry ara-panahy ireo dia tsy maintsy mitadidy ilay torohevitra hoe: “Fa isika izay matanjaka dia tokony hitondra ny fahalemen’ny malemy ka tsy hitady izay hahafaly ny tenantsika ihany.” — Romana 15:1.
5. Afaka mandefitra ny amin’inona isika raha mahari-po?
5 Kanefa dia mety hipoitra ny fifanoheran’ny toetra noho ny fahalemena sy tsy fahatanterahan’olombelona. Noho ny kileman-toetra madinika na noho ireo fahazaran’ny tena manokana, dia manorisory ireo rahalahintsika isika, ary mety hanao izany amintsika koa izy ireo. Noho izany dia mety indrindra ilay torohevitra hoe: “Mifandefera, ka mifamelà heloka hianareo, raha misy manana alahelo amin’ny sasany; tahaka ny namelan’ny Tompo [Jehovah, MN] ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa.” (Kolosiana 3:13). Ny hoe ‘mifandefitra’ dia midika fisehoana ho mahari-po, na dia manana antony azo ekena itarainana ny amin’ny olona iray aza isika. Tsy tokony hamaly ratsy na hanafay ny rahalahintsika isika, na himonomonona aminy akory aza. — Jakoba 5:9.
6. Nahoana ny fisehoana ho mahari-po no lalan’ny fahendrena?
6 Manana heviny mitovy amin’izany ilay torohevitra hita ao amin’ny Romana 12:19 hoe: “Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo làlana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: ‘Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah’ ”. Ny ‘fanomezana làlana ny fahatezerana’ dia midika fisehoana ho tsy mora tezitra na mahari-po. Lalan’ny fahendrena ny fanehoana io toetra tsara io satria mitondra soa ho antsika sy ho an’ny hafa izy io. Raha mitranga ny zava-manahirana iray, dia mahatsiaro tena ho maivamaivana isika satria noho isika nahari-po, dia tsy nanaratsy ny toe-javatra isika. Ary ilay nanehoantsika fahari-po koa dia mahatsiaro ho maivamaivana satria tsy nanafay azy na namaly azy tamin’ny fomba sasany isika. Tsy mahagaga raha nampirisika ireo namany kristiana i Paoly mba ‘hanome toky ny malemy saina, hampahery ny reraka sy handefitra [hahari-po, MN] amin’ny olona rehetra’ — 1 Tesaloniana 5:14.
Eo anivon’ny fianakaviana
7. Nahoana ny olona manambady no tsy maintsy mahari-po?
7 Voalaza tsara tokoa fa ny fanambadiana sambatra dia fikambanan’olon-droa mahay mamela heloka. Inona no dikan’izany? Midika izany fa ireo olona sambatra am-panambadiana dia mahari-po eo amin’ny fifandraisany amin’izy samy izy. Matetika ny olon-droa dia mifanintona noho ny fananan’izy ireo toe-po mifanohitra. Mety hahaliana ireny fahasamihafana ireny, kanefa dia mety ho loharanom-pifandonana koa izay manampy trotraka ireo fihenjanana sy fanahiana efa mahatonga ny kristiana manambady “hanam-pahoriana amin’ny nofo”. (1 Korintiana 7:28). Ohatra, aoka hataontsika hoe tsy miraharaha antsipirian-javatra na somary mirona tsy hitandrina na hanao kitoatoa ny lehilahy vady iray. Izany dia mety hisedra tokoa an-dravehivavy vadiny. Kanefa raha tsy ahitam-pahombiazana ny fanipazan-kevitra amin’ny teny voafantina feno hatsaram-panahy, dia mety ho voatery hizaka ny fahalemeny ravehivavy amin’ny fisehoana ho mahari-po.
8. Nahoana ny lehilahy manambady no tsy maintsy mahari-po?
8 Etsy an-daniny koa, ny vehivavy vady iray dia mety hiahy be loatra ny amin’ny antsipirian-javatra ka hirona hila vaniny lava amin’ny vadiny. Izany dia mety hampahatsiaro tsara ilay andininy manao hoe: “Aleo mitoetra eo an-joron’ny tampon-trano toy izay miray trano amin’ny vehivavy tia ady.” (Ohabolana 25:24). Amin’ny toe-javatra toy izany, dia takina ny fahari-po mba hanarahana ny torohevitr’i Paoly hoe: “Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, ary aza sosotra aminy.” (Kolosiana 3:19). Mitaky fahari-po amin’ny lehilahy koa ny fitandremana ny torohevitry ny apostoly Petera manao hoe: “Ary toy izany koa, hianareo lehilahy, miaraha mitoetra aminy araka ny marina, manaja ny vavy, tahaka ny mety hatao amin’ny fanaka malemilemy kokoa sady mpiara-mandova ny fahasoavan’ny fiainana, — mba tsy ho voasakana ny fivavahanareo.” (1 Petera 3:7). Ny fahalemen’ny vadiny indraindray dia mety hisedra ny lehilahy iray, kanefa ny fahari-po dia hanampy azy hizaka izany.
9. Nahoana no ilain’ny ray aman-dreny ny hahari-po?
9 Mila ny mahari-po ireo ray aman-dreny raha ta hahomby amin’ny fitaizana ny zanany. Mety hanao fahadisoana mitovy miverimberina ireo ankizy. Mety ho toa mafy loha na votsa amin’ny fianarana izy ireo, ary mety hisedra tsy tapaka ireo ray aman-dreniny. Amin’ny toe-javatra toy izany, ny ray aman-dreny kristiana dia mila ny tsy ho mora tezitra, tsy hisafoaka na hanary ny fahatoniany fa ho tony hatrany na dia ho hentitra aza amin’ireo fotopoto-pitsipika marina. Tokony hahatsiaro ireo ray fa izy ireo koa dia efa mba tanora ary mba nanao fahadisoana koa. Mila ny mampihatra ny torohevitr’i Paoly toy izao izy ireo: “Hianareo ray, aza mampahasosotra ny zanakareo, fandrao mamoy fo izy”. — Kolosiana 3:21.
Amin’ireo any ivelany
10. Ahoana no tokony hataontsika any amin’ny toeram-piasantsika, araka ny hita tamin’ny fanandraman-javatra inona?
10 Noho ny tsy fahatanterahana sy ny fitiavan-tenan’olombelona, dia mety hitranga ny toe-javatra tsy mahafinaritra any amin’ny toeram-piasan’ny kristiana. Lalan’ny fahendrena ny hanaovana teny voalanjalanja sy hizakana ny ratsy mba hisian’ny fiadanana. Mampiseho ny maha-fahendrena izany ny fanandraman-javatra hitan’ny kristiana iray izay niharan-javatra nahasosotra maro nataon’ny mpiara-miasa be fialonana iray. Koa satria ilay rahalahy tsy nanangana ady tamin’izany fa nahari-po, tamin’ny farany izy dia afaka nanomboka fampianarana ny Baiboly tamin’ilay mpiasa nahatonga zava-nanahirana.
11. Rahoviana indrindra isika no mila ny mahari-po, ary nahoana?
11 Mila ny mahari-po manokana ny vahoakan’i Jehovah rehefa manao fanambarana amin’ireo any ivelan’ny kongregasiona kristiana. Matetika tokoa ireo kristiana dia mahita fihetsika tsy manaja na henjana. Hety ve na hampiseho fahendrena ve ny hamaliana amin’ny fomba mitovy amin’izany? Tsia, satria tsy ho fanehoana fahari-po izany. Ny lalan’ny fahendrena dia ny hahatsiarovana sy ny hanarahana ilay ohabolana feno fahendrena hoe: “Ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy; fa ny teny maharary mahatonga fahasosorana.” — Ohabolana 15:1.
Fanampian’ny finoana sy ny fanantenana amin’ny fanehoana fahari-po
12, 13. Toetra tsara inona avy no hanampy antsika hahari-po?
12 Inona no hanampy antsika haneho fahari-po, hizaka toe-piainana mampitondra fahoriana? Voalohany amin’izany dia ny finoana ireo fampanantenan’Andriamanitra. Tsy maintsy mino izay rehetra lazain’Andriamanitra isika. Hoy ny Soratra masina: “Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan’ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany làlana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany.” (1 Korintiana 10:13). Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia araka ny nilazan’ny zokiolona iray azy hoe: “Raha avelan’Andriamanitra ny hisian’izany, dia afaka mizaka azy aho”. Eny, afaka mizaka isika amin’ny fisehoana ho mahari-po.
13 Mifandray akaiky amin’ny finoana ny fanantenana ny Fanjakan’Andriamanitra. Rehefa hampihatra ny fanapahana amin’ny tany izy io dia hanjavona ny toe-piainana ratsy rehetra izay miteraka fahoriana ho antsika. Ny amin’izany, dia hoy i Davida mpanao salamo hoe: “Mitsahara amin’ny fahatezerana, ary mahafoiza ny fahavinirana; aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao, fa ratsy no hiafaran’izany. Fa ny mpanao ratsy hofongorana; ary izay miandry an’i Jehovah no handova ny tany.” (Salamo 37:8, 9). Ny fanantenana azo antoka fa Andriamanitra dia hamarana tsy ho ela ireo toe-javatra rehetra mitondra fitsapana dia manampy antsika hahari-po.
14. Fanandraman-javatra inona no mampiseho hoe nahoana isika no tokony hahari-po amin’ny vady tsy mpino?
14 Ahoana no tokony ho fihetsitsika raha mitondra fahoriana ho antsika ny vady tsy mpino? Tadiavo hatrany ny fanampian’Andriamanitra, ary antenao hatrany ny hahatongavan’ilay mpanohitra ho mpivavaka amin’i Jehovah. Ny vehivavy vadin’ny kristiana iray indraindray, dia tsy nety nikarakara ny sakafony sady tsy nety nanasa ny lambany. Nampiasa fiteny maloto izy, tsy nety niteny taminy nandritra ny andro maro, ary nanandrana mihitsy nanisy ratsy azy tamin’ny famosaviana. “Kanefa”, hoy izy, “isaky ny niseho izany, dia nitodika tany amin’i Jehovah tamin’ny vavaka aho, ary nanantena Azy hanampy ahy mba hampitombo ilay toetra tsara, dia ny fahari-po, mba tsy hanariako ny fahaizako mandanjalanja kristiana. Nanantena koa aho fa mbola hiova ny fihetsiny sy ny fony indray andro any.” Taorian’ny fitondrana toy izany nandritra ny 20 taona, dia nanomboka niova ny vadiny, ka hoy izy: “Endrey ny fankasitrahako an’i Jehovah noho izy nanampy ahy hamboly ny vokatry ny fanahy, dia ny fahari-po, satria afaka mahita ny vokany aho izao: Manomboka mandeha eo amin’ny lalan’ny fiainana ny vadiko!”
Hanampy ny vavaka, ny fanetren-tena ary ny fitiavana
15. Nahoana ny vavaka no afaka manampy antsika hahari-po?
15 Ny vavaka dia fanampiana lehibe hafa iray amin’ny fanehoana fahari-po. Nampirisika toy izao i Paoly: “Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.” (Filipiana 4:6, 7). Aza hadinoina koa ny mitandrina ilay fananarana hoe: “Apetraho amin’i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.” — Salamo 55:22.
16. Ahoana no ahafahan’ny fanetren-tena manampy antsika hahari-po?
16 Ny fanetren-tena dia mbola fanampiana lehibe hafa iray koa amin’ny fambolena ilay vokatry ny fanahy hoe fahari-po. Tsy manana faharetana ny olona mirehareha iray. Mora tafintohina izy, malaky tezitra, ary tsy mahatanty fitondrana ratsy mihitsy. Izany rehetra izany dia mifanohitra amin’ny fahari-po. Ny olona manetry tena anefa dia tsy hihevi-tena ho zavatra loatra. Hiandry an’i Jehovah izy, toy ny nataon’i Davida fony nihaza azy i Saoly mpanjaka sy niteny ratsy azy i Simey benjamita. (1 Samoela 24:4-6; 2 Samoela 16:5-13). Noho izany, dia tokony hirintsika ny handeha “amin’ny fanetren-tena rehetra sy ny fahalemem-panahy, amin’ny fahari-po mandefitra amin’ny fitiavana”. (Efesiana 4:2). Ambonin’izany, dia tokony ‘hanetry tena eo imason’i Jehovah’ isika. — Jakoba 4:10, MN.
17. Nahoana ny fitiavana no hanampy antsika hahari-po?
17 Manampy antsika manokana mba hahari-po ny fitiavana tsy mitady tombony. ‘Mahari-po tokoa ny fitiavana’ satria mahatonga antsika hihevitra ny tombontsoan’ny hafa ho zava-dehibe izy io. (1 Korintiana 13:4). Ny fitiavana dia mahatonga antsika hahatakatra ny fihetseham-pon’ny hafa, hipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa, raha azo atao ny milaza izany. Ambonin’izany, dia manampy antsika hahari-po ny fitiavana satria izy io dia “mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra. Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay”. (1 Korintiana 13:7, 8). Eny, hoy ny ilazan’ny hiran’ilay Fanjakana faha-200 azy ao amin’ilay boky hoe Mihirà fiderana ho an’i Jehovah (anglisy):
“Mana-maso hahita ny tsara ny fitiavana.
Mampandroso ny firahalahiana ny fitiavana.
Tsara fanahy amin’izay nania ny fitiavana,
Ka mitady izay toetra tsara kokoa ananany.”
Mahari-po amim-pifaliana?
18. Ahoana no hetezan’izany hoe mahari-po amim-pifaliana?
18 Nivavaka i Paoly mba ho feno fahalalana marina ny amin’ny sitrapon’Andriamanitra ireo mpino namany tany Kolosia mba handehanan’izy ireo mendrika an’i Jehovah, hampifaliany azy, ary mba hitondrany vokatra amin’ny asa tsara rehetra. Amin’izay izy ireo dia ‘hohatanjahina amin’ny hery rehetra araka izay mety ho tratran’ny heriny be voninahitra mba hiaretana amin’ny fomba feno sy hananana fahari-po amim-pifaliana’. (Kolosiana 1:9-11, MN). Kanefa, ahoana no hahafahan’ny olona iray ‘hahari-po amim-pifaliana’? Tsy mifanohitra akory izany, satria ny hoe manana ilay fifaliana voalazan’ny Soratra masina akory tsy hoe fahatsapana ho finaritra na ravoravo fotsiny. Ilay vokatry ny fanahy hoe fifaliana dia mahatafiditra fahatsapana fahafahampo lalina amin’ny fanaovana izay marina eo anatrehan’Andriamanitra. Izy io koa dia fomba isehoan’ny fanantenana ny handray ny valisoa nampanantenaina ho vokatry ny fanehoana fahari-po. Izany no nahatonga an’i Jesosy hiteny hoe: “Sambatra hianareo, raha haratsin’ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko. Mifalia sy miravoravoa hianareo, fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa toy izany ihany no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo.” — Matio 5:11, 12.
19. Ohatra inona no mampiseho fa azo atao ny hahari-po sady ho falifaly?
19 Nanana io fifaliana io i Jesosy. Marina tokoa fa izy dia “naharitra ny hazo fijaliana, fa tsy nitandro henatra, mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany”. (Hebreo 12:2). Nanampy an’i Jesosy hahari-po izany fifaliana izany. Toy izany koa, hevero izay nitranga rehefa nokapohina ireo apostoly ary nomena baiko “tsy hiteny amin’ny anaran’i Jesosy intsony”. “Ireo dia niala teo anatrehan’ny Synedriona, sady faly, satria natao miendrika hitondra fahafaham-baraka ho voninahitr’izany anarana izany. Ary tsy nitsahatra nampianatra sy nitory an’i Jesosy ho Kristy isan-andro teo an-kianjan’ny tempoly sy tao an-trano izy.” (Asan’ny apostoly 5:40-42). Endrey izany ohatra tsara dia tsara manaporofo fa ireo mpanara-dia an’i Kristy dia afaka ny hahari-po amim-pifaliana!
20. Raha maneho fahari-po isika, amin’ny ahoana izany no mety hisy akony eo amin’ny fifandraisantsika amin’ny hafa?
20 Azo antoka fa manome torohevitra feno fahendrena ny Tenin’Andriamanitra rehefa mananatra antsika mba tsy hamaly ratsy, tsy ho mora tezitra raha mbola manantena fihatsaran-javatra — eny, mba hahari-po! Mila vavaka tsy tapaka sy io vokatry ny fanahin’Andriamanitra io isika mba ho tsara fihavanana amin’ireo rahalahy sy anabavintsika ao amin’ny kongregasiona, amin’ireo ao anatin’ny faritry ny fianakaviantsika, amin’ireo olona any amin’ny toeram-piasantsika, ary amin’ireo olona hitantsika eny amin’ny fanompoana kristiana. Ary inona no afaka hanampy antsika haneho fahari-po? Finoana, fanantenana, fanetren-tena, fifaliana ary fitiavana. Marina tokoa fa, noho ireo toetra tsara ireo dia afaka ny hahari-po amin’ny rehetra isika.
Tadidinao ve?
◻ Nahoana ny fahari-po no tena zava-dehibe amin’ny fahazoantsika ny paradisa ara-panahy?
◻ Nahoana ireo loholona no mila manokana ny hahari-po?
◻ Nahoana ny fahari-po no tokony hambolen’ny lehilahy sy vehivavy manambady?
◻ Toetra tsara hafa inona no hanampy antsika hahari-po?
[Sary, pejy 17]
Torohevitra inona avy tamin’i Jesosy no nanampy an’i Petera hahari-po?