Moa ve mbola misy ny fivavahana amin’ny andriamanibavy reny?
MBOLA narahina ny fivavahana tamin’ny andriamanibavy reny nandritra ny andron’ireo kristiana voalohany. Nahita izany ny apostoly Paoly tany Efesosy, tany Azia Minora. Fony izy tany Atena, tanàna hafa nisian’ny fanompoam-pivavahana tamin’ny andriamanibavy, dia nanao fanambarana momba ilay “Andriamanitra Izay nanao izao tontolo izao”, ilay Mpamorona velona, tsy mba “tahaka ny volamena, na volafotsy, na vato voasoratry ny fahaizana aman-tsain’olombelona” izy. Izany dia tsy tantin’ny Efesiana izay nivavaka tamin’i Artemisy, andriamanibavy reny, ny ankamaroany. Nitarika tabataba ireo izay nivelona tamin’ny fanaovana sarin’ny tempolin’ilay andriamanibavy reny vita tamin’ny volafotsy. Nandritra ny adiny roa teo ho eo no niantsoantsoan’ny vahoaka hoe: “Lehibe Dianan’ny [Artemisin’ny, MN] Efesiana!” — Asan’ny apostoly 17:24, 29; 19:26, 34.
Ilay Artemisy efesiana
Nanompo Artemisy iray koa ny Grika, saingy ilay Artemisy notompoina tany Efesosy ihany no mety hampahafantarina amin’ny fomba manjavozavo ho izy. Ilay Artemisy grika dia andriamanibavy virjinin’ny fihazana sy ny fiterahan-jaza. Andriamanibavin’ny fahavokarana kosa ilay Artemisy efesiana. Noheverina ho iray tamin’ireo zavatra fito nahatalanjona indrindra teo amin’izao tontolo izao ny tempoliny lehibe tany Efesosy. Ny sary vongany, ninoana ho nilatsaka avy tany an-danitra, dia nampiseho azy ho sary velon’ny fahavokarana, ny tratrany amin’izany misy laharana nono maromaro miendrika atody. Ny endrika hafahafan’ireo nonony ireo dia nahatonga hieritreritra fanazavana maro samihafa, toy ny hoe mampiseho atody mifampitohitohy na vihin’ombilahy mihitsy aza izy ireo. Na manao ahoana na manao ahoana ilay fanazavana, dia miharihary ny maha-mariky ny fahavokarana azy.
Mahaliana, araka ny voalazan’ny Firaketana Britanika Vaovao, fa ny sary vongan’io andriamanibavy io tany am-boalohany dia “vita tamin’ny volamena, ebônita, volafotsy, ary vatomainty.” Misy sary vongana iray malazan’i Artemisy efesiana, tamin’ny taonjato faharoa am.fan.ir., mampiseho ny endriny, ny tanany, ary ny tongony, samy mainty.
Manemitra ny lalana ny sarin’i Artemisy. Izao no nosoratan’ilay mpivaofy teny ao amin’ny Baiboly atao hoe R. B. Rackham: “Tao anatin’ny tempoly [ny an’i Artemisy] no nampirimina (...) ireo sariny, ireo alitarany, ireo fitaovany masina, vita tamin’ny volamena sy volafotsy, izay entina ho any an-tànana sy averina mandritra ny filaharana iray mahavariana rehefa andro fety lehibe.” Nahasintona mpanao fivahiniana masina ana hetsiny maro avy any Azia Minora manontolo ireny fety ireny. Nividy tempoly kelin’ilay andriamanibavy izy ireny ary nitsaoka azy ho toy ny lehibe, andriambaviny, mpanjakavaviny, virjiny, “ilay mihaino sy mandray vavaka”. Tao amin’ny tontolo toy izany, dia nila herim-po lehibe i Paoly sy ireo kristiana voalohany mba hanandratana ilay “Andriamanitra Izay nanao izao tontolo izao”, fa tsy ireo andriamanitra sy andriamanibavy vita tamin’ny “volamena, na volafotsy, na vato”.
Eo amin’ny andriamanibavy reny mankeo amin’ny “Renin’Andriamanitra”
Tamin’ireo loholon’ny kongregasiona kristiana voalohany tany Efesosy no nanambaran’ny apostoly Paoly mialoha ny amin’ny fivadiham-pinoana. Nampitandrina izy fa hiseho ireo mpivadi-pinoana ary hitory “teny tsy marina”. (Asan’ny apostoly 20:17, 28-30). Anisan’ireo loza niotrika tany Efesosy ny fiverenana tamin’ny fanompoam-pivavahana amin’ny andriamanibavy reny. Tena nitranga ve izany?
Izao no vakintsika ao amin’ny Firaketana Katolika Vaovao: “Noho izy foiben’ny fanaovana fivahiniana masina, dia noheverina ho ny toerana nandevenana an’i Jaona [apostoly] i Efesosy. (...) Misy lovantsofina hafa nambaran’ny Konsilin’i Efesosy (431), mampifandray an’i Maria Virjiny nohasoavina amin’i Md. Joany. Nantsoina hoe ny Eglizin’i Maria ilay bazilika nanaovana ilay Konsily.” Misy boky katolika hafa (Théo — Nouvelle encyclopédie catholique) miresaka ny amin’ny “lovantsofina azo inoana” hoe i Maria dia nanaraka an’i Jaona tany Efesosy, izay nandaniany ny fiainany sisa. Nahoana io noheverina fa fifandraisana misy eo amin’i Efesosy sy i Maria io no zava-dehibe ho antsika amin’izao andro izao?
Aoka Ny Firaketana Britanika Vaovao no hamaly: “Ny fivavahana tamin’ny renin’Andriamanitra dia nandray ny heriny rehefa nanjary notohanan’ny empira ny fiangonana kristiana teo ambany fitondran’i Constantin, ka nirohotra nankao am-piangonana ny sarambabem-bahoaka mpanompo sampy. (...) Ny fitiavany fivavahana sy ny fahatsiarovan-tenany hivavaka dia voavolavola nandritra ny an’arivony taona maro tao anatin’ny fanompoam-pivavahana amin’ilay andriamanibavy ‘reny lehibe’ sy ny ‘virjiny andriamanitra’, fitrangan-javatra izay nipoitra hatry ny ela avy amin’ny fivavahana tranainy malazan’i Babylonia sy Asyria.” Toerana aiza indray no nety ho tsara kokoa noho i Efesosy ho an’ny “fanaovana ho kristiana” ny fivavahana amin’ny andriamanibavy reny?
Araka izany, dia tany Efesosy, tamin’ny 431 am.fan.ir., no nanambaran’ilay nolazaina fa konsily eokiomenika fahatelo an’i Maria ho “Theotokos”, teny grika midika hoe “mpitondra an’Andriamanitra”, na “Renin’Andriamanitra”. Manambara toy izao ny Firaketana Katolika Vaovao: “Ny fampiasana an’io anaram-boninahitra avy amin’ny eglizy io dia tsy isalasalana fa nampanapa-kevitra hanitatra, tao anatin’ireo taonjato maro tatỳ aoriana, ny foto-pampianarana momba an’i Maria sy ny fivavahana aminy.”
Ny sisan-javatra rava tamin’ny “Eglizin’i Maria Virjiny”, izay nivorian’io konsily io, dia mbola azo jerena amin’izao fotoana izao eo amin’ilay toerana nisy an’i Efesosy fahiny. Misy “chapelle” iray azo tsidihina, izay araka ny lovantsofina, dia trano nitoeran’i Maria sy nahafatesany. Nitsidika an’io toeram-pahatsiarovana an’i Maria tany Efesosy io ny papa Paoly VI, tamin’ny 1967.
Eny, i Efesosy dia foiben’ny fanovana ny fivavahana tamin’ny andriamanibavy reny teo amin’ny mpanompo sampy, toy izay hitan’i Paoly tamin’ny taonjato voalohany, ho amin’ny fifikirana amin-kafanampo amin’i Maria amin’ny maha-“Renin’Andriamanitra” azy. Tamin’ny alalan’ny fifikirana tamin’i Maria indrindra no nampaharitra ny fanompoam-pivavahana tamin’ny andriamanibavy reny tany amin’ireo tanin’ny fivavahana lazaina fa kristiana.
Mbola misy ny fivavahana amin’ny andriamanibavy reny
Ny Firaketana momba ny fivavahana sy ny lalàna ara-pitondrantena (anglisy) dia miresaka an’ilay mpivaofy teny ao amin’ny Baiboly atao hoe W. M. Ramsay ho nanjohy hevitra fa “tamin’ny taonjato faha-5, ny voninahitra nomena ho an’i Maria Virjiny tany Efesosy dia endriky [iray nohavaozina] ny fanompoam-pivavahan’ny Anatoliana mpanompo sampy taloha tamin’ny Reny Virjiny.” Manambara toy izao Ny Rakibolana iraisam-pirenena vaovao momba ny teôlôjian’ny Testamenta Vaovao (anglisy): “Ny fiheveran’ny katolika momba ny ‘renin’Andriamanitra’ sy ny ‘mpanjakavavin’ny lanitra’, na dia tatỳ aorian’ny T[estamenta] V[aovao] aza, dia mifandray betsaka amin’ny fototra ara-pivavahana sy ara-tantara teo aloha tany Atsinanana. (...) Tao amin’ny fankamasinana an’i Maria tatỳ aoriana dia nahitana soritra maro be momba ny fanompoam-pivavahana toy ny fanolotra ho an’ny sampy, natao tamin’ny renin’Andriamanitra.”
Maro be loatra sady amin’ny antsipiriany be loatra ireny soritra ireny ka tsy hety ho fifanandrifian-javatra fotsiny. Ny fitoviana eo amin’ny sary vongan’i Maria Virjiny mampiseho ny reny sy ny zanaka sy ny sary vongan’ireo andriamanibavy sampy, toa an’i Isis, dia tsy azo odian-tsy hita. Ireo sary vongana sy sary masin’ny Madonna Mainty an-jatony maro any amin’ireo fiangonana katolika maneran-tany dia tsy afaka ny tsy hampahatsiahy ny sary vongan’i Artemisy. Miresaka toy izao ny amin’ireo Virjiny Mainty ireo ilay boky hoe Théo — Nouvelle encyclopédie catholique: “Hita fa mifono heviny ny amin’ny famindrana ho amin’i Maria izay sisa tavela tamin’ny fivavahana nalaza tamin’i Diana [Artemisy] (...) na Cybele, izy ireo.” Ny filaharana amin’ny Andro Fiakaran’i Maria Virjiny koa dia nanana ho tandindona ny filaharana ho fanomezam-boninahitra an-dry Cybele sy Artemisy.
Ny anaram-boninahitra nomena an’i Maria mihitsy dia mampahatsiahy antsika an’ireo andriamanibavy renin’ny mpanompo sampy. I Ishtar dia nohindrahindraina ho ny “Virjiny Masina”, “ny Andriambaviko”, ary “ilay reny be indrafo mihaino vavaka”. Ry Isis sy Astarta indray nantsoina hoe “Mpanjakavavin’ny Lanitra”. I Cybele notondroina ho ny “Renin’ny nohasoavina rehetra”. Ireo anaram-boninahitra rehetra ireo, miampy fiovana madinidinika, dia samy omena an’i Maria avokoa.
Nampirisika ny fivavahana amin’ilay “Virjiny nohasoavina” ny Vatikana II. Ny papa Joany Paoly II dia fantatra tsara noho ny fivavahany amin-kafanampo amin’i Maria. Nandritra ny fandehanana lavitra nataony, dia mbola tsy nisy mihitsy fotoana tsy nahafahany nitsidika ireo fitoerana masin’i Maria, anisan’izany ny an’ny Madonna Maintin’i Czestochowa, any Pôlônina. Nankininy tamin’i Maria izao tontolo izao manontolo. Noho izany, dia tsy mahagaga raha manoratra toy izao eo ambanin’ilay lohateny hoe “Andriamanibavy Reny” Ny Firaketana Britanika Vaovao: “Io teny io koa dia nampiharina tamin’olona samy hafa toa an’ilay lazaina fa Vénus tamin’ny vanim-potoan’ny vato sy i Maria Virjiny.”
Nefa tsy tamin’ny alalan’ny fankamasinan’ny katolika romana an’i Maria ihany no fomba naharetan’ny fivavahana amin’ny andriamanibavy reny hatramin’izao androntsika izao. Mahagaga fa namoaka zavatra vita an-tsoratra betsaka momba ny fivavahana amin’ireo andriamanibavy reny ireo mpanohana ny fihetsiketseham-behivavy. Mino izy ireo fa nampijalina tamin’ny fomba nampalahelo teto amin’ity tontolo anapahan’ny lehilahy amin-kerisetra ity ny vehivavy, ary koa hoe ny fivavahana mitodika any amin’ny vehivavy dia manome taratry ny fanirian’ny taranak’olombelona tontolo iray tsy dia mahery setra. Toa mino koa izy ireo fa hihatsara izao tontolo izao amin’izao andro izao ary ho toerana hampandry fahizay kokoa raha toa ka mitodika kokoa any amin’ny vehivavy.
Kanefa, tsy nitondra fandriampahalemana teo amin’ilay tontolo taloha ny fivavahana tamin’ny andriamanibavy reny, ary tsy hitondra fandriampahalemana amin’izao andro izao. Ankoatra izany, dia olona mihamaro hatrany amin’izao andro izao, raha ny marina dia olona an-tapitrisany maro mikambana amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, no miaiky fa tsy i Maria mihitsy no hahavonjy an’ity tany ity, kanefa manaja azy sy tia azy tokoa izy ireo amin’ny maha-vehivavy nahatoky azy tamin’ny taonjato voalohany, izay nanana ny tombontsoa mahatalanjona hiteraka sy hitaiza an’i Jesosy. Tsy mino koa ny Vavolombelon’i Jehovah fa ny Fihetsiketsehana ho Fanafahana ny Vehivavy, no hitondra ho amin’ny tontolo iray hampandry fahizay, na dia mety ho voaporofo fa marina aza ny sasany amin’ireo zavatra takiny. Mba hahazoana izany, izy ireo dia miantehitra amin’ilay Andriamanitra nambaran’i Paoly tamin’ny Ateniana sy ny Efesiana hoe: “Ilay Andriamanitra Izay nanao izao tontolo izao sy ny eo aminy rehetra.” (Asan’ny apostoly 17:24; 19:11, 17, 20). Io Andriamanitra Tsitoha io, izay manana anarana hoe Jehovah, dia nampanantena tontolo vaovao iray be voninahitra izay “itoeran’ny fahamarinana”, ary afaka miantehitra amim-patokiana amin’ny fampanantenany isika. — 2 Petera 3:13.
Raha ny amin’ny fomba fiheveran’ny Baiboly ny toerana tanan’ny vehivavy eo anatrehan’Andriamanitra sy ny lehilahy, dia hovelabelarina misimisy kokoa ao amin’ity gazety ity io foto-kevitra io.
[Sary, pejy 5]
ASTORETA — Andriamanibavin’ny maha-lahy sy maha-vavy sy ny ady tany Kanana
[Sary nahazoan-dalana]
Musée du Louvre, Paris
[Sary, pejy 6]
ARTEMISY — Andriamanibavin’ny fahavokarana tany Efesosy
[Sary nahazoan-dalana]
Musei dei Conservatori, Roma
[Sary, pejy 7]
“RENIN’ANDRIAMANITRA” an’ny fivavahana lazaina fa kristiana
[Sary nahazoan-dalana]
Katedralin’i Chartres, Frantsa