Matokia ny Sandrin’i Jehovah Mahavonjy
“Jehovah ô (...); aoka ho sandrinay isa-maraina Hianao sy ho famonjena anay amin’ny andro fahoriana.” — ISAIA 33:2.
1. Amin’ny heviny ahoana i Jehovah no manana sandry mahery?
MANAN-TSANDRY mahery i Jehovah. Marina aloha fa tsy sandry ara-nofo izany satria “Andriamanitra dia Fanahy”. (Jaona 4:24). Ao amin’ny Baiboly, ny sandry ara-panoharana dia mampiseho ny fahaizana mampihatra fahefana. Araka izany, dia amin’ny sandriny no anavotan’i Jehovah ny vahoakany. Marina tokoa fa ‘miandry ny ondriny tahaka ny mpiandry ondry Andriamanitra, ny sandriny no anangonany ny zanak’ondry, ka trotroiny eo an-tratrany ireny’. (Isaia 40:11; Salamo 23:1-4). Endrey izany tsy fananana ahiahy tsapan’ny vahoakan’i Jehovah eo an-tsandriny feno fitiavana! — Ampitahao amin’ny Deoteronomia 3:24, MN.
2. Fanontaniana inona avy eto no mendrika ny hodinihintsika?
2 Ahoana no namonjen’ny sandrin’i Jehovah ny vahoakany tamin’ny lasa sy ankehitriny? Fanampiana inona no omen’Andriamanitra azy ireo amin’ny maha-kongregasiona azy? Ary nahoana ny vahoakany no afaka matoky ny sandriny mahavonjy ao anatin’ny fahoriany rehetra?
Ny sandry mahavonjin’i Jehovah eo am-perinasa
3. Nolazain’ny Soratra masina ho avy amin’inona ny fanafahana ny Isiraely avy tany Egypta?
3 Talohan’ny nanafahany ny Isiraelita tamin’ny fanandevozana egyptiana 3 500 taona lasa izay, dia nilaza tamin’i Mosesy mpaminaniny toy izao Andriamanitra: “Koa lazao amin’ny Zanak’Isiraely hoe: Izaho no Jehovah, ary hitondra anareo hivoaka ho afaka amin’ny fanompoana mafy ampanaovin’ny Egyptiana anareo Aho ka hanafaka anareo amin’ny fanompoana azy; ary sandry ahinjitra sy fitsarana lehibe no hamonjeko anareo.” (Eksodosy 6:6). Araka ny nambaran’ny apostoly Paoly, Andriamanitra dia nitondra ny Isiraelita nivoaka avy tany Egypta tamin’ny “sandry avo”. (Asan’ny apostoly 13:17). Nolazain’ireo zanak’i Kora fa avy amin’Andriamanitra ny nahazoana ny Tany nampanantenaina tamin’ny fitenenana hoe: “Fa tsy ny sabany no nahazoany ny tany, ary tsy ny sandriny no namonjy azy; fa ny tànanao ankavanana sy ny sandrinao ary ny fahazavan’ny tavanao, satria efa sitrakao izy.” — Salamo 44:3.
4. Ahoana no namalian-tsoa ny fatokiana ny sandry mahavonjin’i Jehovah tamin’ny andro nanafihan’i Asyria?
4 Namonjy ny vahoakany koa ny sandrin’i Jehovah tamin’ny andro nanafihan’ny Asyriana. Tamin’izany fotoana izany dia nivavaka toy izao i Isaia mpaminany: “Jehovah ô, mamindrà fo aminay; Hianao no antenainay; aoka ho sandrinay isa-maraina Hianao sy ho famonjena anay amin’ny andro fahoriana”. (Isaia 33:2). Voavaly io vavaka io rehefa nahafaty 185 000 tao amin’ny tobin’ny Asyriana ny anjelin’Andriamanitra, ka nandroaka an’i Sankeriba mpanjaka hiala ‘tamin-kenatra’ tamin’ny fanaovana fahirano an’i Jerosalema. (2 Tantara 32:21; Isaia 37:33-37). Valian-tsoa foana ny fametrahana fitokiana amin’ny sandry mahavonjin’i Jehovah.
5. Inona no nataon’ny sandry maherin’Andriamanitra ho an’ireo kristiana voaenjika tamin’ny faran’ny Ady Lehibe voalohany?
5 Namonjy ireo kristiana voahosotra nenjehina ny sandry maherin’Andriamanitra tamin’ny faran’ny Ady Lehibe voalohany. Notafihin’ireo fahavalony ny foiben’ny Kolejy foibe tamin’ny 1918, ary nisy rahalahy fanta-bahoaka natao an-tranomaizina. Natahotra an’ireo fahefana teo amin’izao tontolo izao ireo voahosotra ka saiky nampitsahatra tanteraka ny asa fanaovany fanambarana. Kanefa dia nivavaka ny mba hamelomana izany indray izy ireo ary ny mba hodiovina tamin’ny otan’ny tsy fiasana sy ny fahalotoana noho ny tahotra. Namaly Andriamanitra tamin’ny fanaovana izay hahatafavoaka ireo rahalahy avy tao an-tranomaizina, niaraka tamin’ny fanafahana azy ireo madiodio tamin’ny fiampangana, fotoana fohy taorian’izany. Ho vokatr’ireo fahamarinana nambara tamin’ny fivoriamben’izy ireo tamin’ny 1919 sy ny fanosehan’ny fanahin’Andriamanitra azy ireo hiasa, dia novelomina indray ireo voahosotra ho amin’ny fanompoana an’i Jehovah tsy amin-tahotra ho fara fahatanterahan’ny Joela 3:1-5 [2:28-32, MN]. — Apokalypsy 11:7-12.
Fanampiana ao amin’ny kongregasiona
6. Ahoana no ahafantarantsika fa azo atao ny miaritra toe-javatra misedra ao amin’ny kongregasiona?
6 Toy ny anohanan’Andriamanitra ny fandaminany amin’ny fitambarany, ny sandriny dia manampy ny tsirairay ao anatiny. Marina aloha fa tsy misy kongregasiona anjakan’ny toe-piainana lavorary satria tsy tanteraka ny olombelona rehetra. (Romana 5:12). Koa mety handalo toe-javatra misedra ao amin’ny kongregasiona indraindray ny mpanompon’i Jehovah sasany. Ohatra, na dia nanao “asa mahatoky” aza i Gaio tamin’ny fandraisana tsara ireo rahalahy nitsidika, i Diotrefa kosa tsy nandray azy ireo ary nandramany noroahina hiala tamin’ny kongregasiona mihitsy aza ireo tia nampiantrano vahiny. (3 Jaona 5, 9, 10). Na dia izany aza, dia nanampy an’i Gaio sy ny hafa i Jehovah mba hanohy haneho fitiavana mampiantrano vahiny ho fanohanana ny asa fitoriana ilay Fanjakana. Ny fivavahana sy ny fatokiana fa hikarakara ilay raharaha Andriamanitra dia tokony hanampy antsika hanao asam-pahatokiana hatrany eo am-piandrasana ny hanitsiany ny toe-javatra izay mety hisedra ny finoantsika.
7. Niaina nifanaraka tamin’ny fanoloran-tenany ho an’Andriamanitra ireo kristiana tsy nivadika na dia teo aza ny toe-javatra inona tao amin’ny kongregasionan’i Korinto?
7 Aoka hataontsika hoe niaraka tamin’ny kongregasiona tany Korinto tamin’ny taonjato voalohany ianao. Nisy fotoana nahatonga ny firaisan-kina teo aminy horahonan’ny fisian’ny antoko, ary ny fileferana teo anoloan’ny fahalotoam-pitondrantena dia nanambana ny toe-tsainy. (1 Korintiana 1:10, 11; 5:1-5). Nisy mpino nifampitory tany amin’ny fitsarana eo amin’izao tontolo izao, ary ny sasany niady hevitra be ny amin’ny raharaha tsy dia nanao ahoana samihafa. (1 Korintiana 6:1-8; 8:1-13). Nahatonga ny fiainana ho sarotra ny fifandrafiana, ny fialonana, ny fahatezerana, ary ny fikorontanana. Ny sasany aza dia nisalasala mihitsy ny amin’ny fahefan’i Paoly ary nanambany ny fahaizany miteny. (2 Korintiana 10:10). Na dia izany aza, dia niaina nifanaraka tamin’ny fanoloran-tenany ho an’Andriamanitra ireo tsy nivadika izay niaraka tamin’io kongregasiona io nandritra izany fotoam-pisedrana izany.
8, 9. Inona no tokony hataontsika raha miatrika toe-javatra misedra ao amin’ny kongregasiona isika?
8 Raha mipoitra ny toe-javatra iray mitondra fisedrana, dia ilaintsika ny mifikitra mafy amin’ny vahoakan’Andriamanitra. (Ampitahao amin’ny Jaona 6:66-69.) Aoka isika hanana faharetana eo amintsika samy isika, amin’ny fahatakarana fa ela kokoa noho ny hafa ny olona sasany eo amin’ny fitafiana ny “toetra vaovao” sy ny fananana fangoraham-po, hatsaram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, ary fahari-po. Koa satria samy hafa koa ny fari-piainana niavian’ireo mpanompon’Andriamanitra, dia ilaintsika rehetra ny maneho fitiavana sy mamela heloka. — Kolosiana 3:10-14.
9 Niteny toy izao ny rahalahy iray taorian’ny taona maro nanompoana an’i Jehovah: “Raha nisy zavatra lehibe indrindra tamiko, izany dia ny raharaha mikasika ny tsy fisarahana hatrany amin’ny fandaminan’i Jehovah hita maso. Ny fanandraman-javatra hitako tany am-boalohany dia nampianatra ahy hoe tsy mahasoa ara-panahy ny miantehitra amin’ny fanjohian-kevitr’olombelona. Raha vao tapa-kevitra mafy ny amin’izany ny saiko, dia nanao fanapahan-kevitra hentitra ny hitoetra ho akaikin’ilay fandaminana mahatoky aho. Amin’ny fomba hafa inona indray moa no mety hahazoan’ny olona iray sitraka sy fitahiana avy amin’i Jehovah?” Moa ve ianao mankamamy toy izany koa ny tombontsoa anananao amin’ny fanompoana an’i Jehovah miaraka amin’ny vahoakany falifaly? (Salamo 100:2). Raha izany no izy, dia tsy hamela na inona na inona hampiala anao amin’ny fandaminan’Andriamanitra ianao na handrava ny fifandraisanao amin’Ilay manan-tsandry hamonjy izay rehetra tia azy.
Fanampiana rehefa mamely antsika ny fakam-panahy
10. a) Ahoana no anampian’ny vavaka ny vahoakan’Andriamanitra hiatrika fakam-panahy? b) Antoka ny amin’inona no nomen’i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 10:13?
10 Amin’ny maha-olo-mahatoky miaraka amin’ny fandaminan’Andriamanitra antsika, dia mahazo ny fanampiany isika mandritra ny fotoam-pisedrana. Ohatra, manampy antsika izy hitana ny tsy fivadihantsika aminy rehefa mamely antsika ny fakam-panahy. Marina aloha fa isika dia tokony hivavaka mifanaraka amin’ny tenin’i Jesosy hoe: “Aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin’ny ratsy”, dia i Satana Devoly. (Matio 6:9-13). Raha ny marina dia angatahintsika amin’izany Andriamanitra mba tsy hamela antsika ho lavo rehefa alaim-panahy tsy hankatò azy isika. Valiany koa ny vavaka fangatahantsika fahendrena mba handresena ireo fisedrana. (Jakoba 1:5-8). Ary afaka ny mahazo antoka ny amin’ny fanampiany ireo mpanompon’i Jehovah satria hoy i Paoly hoe: “Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan’ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany làlana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany.” (1 Korintiana 10:13). Inona no loharanon’izany fakam-panahy izany, ary ahoana no anisian’Andriamanitra lalana hahafahana amin’izany?
11, 12. Fakam-panahy inona avy no nahalavo ny Isiraelita, ary ahoana no andraisantsika soa avy amin’ny fanandraman-javatra hitan’izy ireo?
11 Ny fakam-panahy dia avy amin’ny toe-javatra izay mety hitaona antsika hivadika amin’Andriamanitra. Hoy i Paoly: “Ary izany zavatra izany dia tonga anatra ho antsika, mba tsy ho mpila zava-dratsy isika toy ny nilan’ireny. Ary aoka tsy ho mpanompo sampy hianareo tahaka ny sasany tamin’ireny, araka ny voasoratra hoe: ‘Ny olona nipetraka hihinana sy hisotro, dia nitsangana hilalao’. Ary aoka tsy hijangajanga isika tahaka ny sasany tamin’ireny, ka telo arivo amby roa alina no ringana indray andro. Ary aoka tsy haka fanahy ny Tompo [Jehovah, MN] isika, tahaka ny nakan’ny sasany tamin’ireny fanahy Azy, ka matin’ny menarana ireny. Ary aoka tsy himonomonona hianareo tahaka ny sasany tamin’ireny, izay matin’ny mpandringana.” — 1 Korintiana 10:6-10.
12 Naniry zava-dratsy ireo Isiraelita rehefa nanaiky ho resin’ny fakam-panahy hierina tamin’ny fanangonana sy fihinanana papelika nomen’Andriamanitra tamin’ny fomba nahagaga. (Nomery 11:19, 20, 31-35). Taloha kelin’izay, dia nanjary nanompo sampy izy ireo rehefa nahatonga fakam-panahy hanao fanompoana ombilahy kely ny tsy naha-teo an’i Mosesy. (Eksodosy 32:1-6). An’arivony maro no maty satria lavo tamin’ny fakam-panahy ka nijangajanga tamina vehivavy moabita. (Nomery 25:1-9). Rehefa lavo tamin’ny fakam-panahy ireo Isiraelita ary nimenomenoma ny amin’ny nandringanana an’i Kora sy i Datana ary i Abirama mpikomy sy ireo niaraka taminy, dia 14 700 no maty tamin’ny loza nalefan’Andriamanitra. (Nomery 17:6-14 [16:41-49, MN]). Afaka mandray soa avy amin’ny fanandraman-javatra toy izany isika raha mahatakatra fa tsy nisy na dia iray aza tamin’ireny fakam-panahy ireny lehibe loatra ka tsy ho azon’ireo Isiraelita notoherina. Afaka nanao izany izy ireo raha naneho finoana, raha nankasitraka ny fikarakarana feno fitiavana nataon’Andriamanitra, ary raha niaiky ny amin’ny fahitsian’ny Lalàny. Tamin’izay ny sandrin’i Jehovah dia ho afaka namonjy azy ireo, toy ny ahafahany mamonjy antsika.
13, 14. Ahoana no anisian’i Jehovah lalana ivoahana rehefa miatrika fakam-panahy ireo mpanompony?
13 Amin’ny maha-kristiana antsika, dia miatrika fakam-panahy iombonan’ny olombelona isika. Na dia izany aza, dia afaka mitoetra ho tsy mivadika amin’Andriamanitra isika amin’ny fangatahana ny fanampiany amin’ny vavaka sy amin’ny fiasana mba hanoherana fakam-panahy. Tsy mivadika Andriamanitra, ary tsy hamela antsika halaim-panahy mihoatra noho izay azontsika zakaina izy. Raha mahitsy fo eo anatrehan’i Jehovah isika, dia tsy ho hitantsika ho sarotra loatra mihitsy ny fanaovana ny sitrapony. Manisy lalana ahafahana izy amin’ny fanatanjahana antsika hanohitra fakam-panahy. Ohatra, rehefa enjehina isika dia mety halaim-panahy hilefitra noho ny fanantenana ny handositra fampijaliana na fahafatesana. Kanefa raha mitoky amin’ny sandry maherin’i Jehovah isika, ny fakam-panahy dia tsy hahatratra mihitsy fetra iray izay tsy hahafahan’i Jehovah hanamafy ny finoantsika sy hanome antsika ny tanjaka ampy mba hihazonana ny tsy fivadihantsika, araka ny nambaran’ny apostoly Paoly hoe: “Voageja manodidina izahay, nefa tsy tery; very hevitra, nefa tsy mamoy fo; enjehina, nefa tsy nafoy; potraka, nefa tsy maty”. — 2 Korintiana 4:8, 9.
14 Tohanan’i Jehovah koa ny vahoakany amin’ny fampiasana ny fanahiny ho toy ny mpampahatsiaro sy mpampianatra iray. Mamerina ao an-tsaina ireo hevitra araka ny Soratra masina izy ary manampy antsika hanavaka ny fomba fampiharana izany mba hanoherana fakam-panahy. (Jaona 14:26). Ireo mpanompon’i Jehovah tsy mivadika dia mahatakatra ilay raharaha tafiditra amin’ny fakam-panahy ary tsy voafitaka hanaraka lalan-dratsy. Nanisy lalana ahafahana Andriamanitra tamin’ny fanaovana izay hahaizan’izy ireo miaritra na dia hatramin’ny fahafatesana aza, tsy misy fileferana eo anoloan’ny fakam-panahy. (Apokalypsy 2:10). Ankoatra ny fanampiany ireo mpanompony amin’ny alalan’ny fanahiny, dia mampiasa ireo anjeliny ho tombontsoan’ny fandaminany i Jehovah. — Hebreo 1:14.
Fanampiana eo amin’ny raharaha manokana
15. Fanampiana manokana inona no mety ho hitantsika ao amin’ny Tonon-kiran’i Solomona?
15 Ireo miaraka amin’ny fandaminan’i Jehovah dia mahazo ny fanampiany eo amin’ireo raharaha manokana. Ohatra, ny sasany dia mety ho eo am-pitadiavana vady kristiana. (1 Korintiana 7:39). Raha misy fahadisoam-panantenana, dia mety hanampy ny fandinihana izay nanjo an’i Solomona mpanjakan’ny Isiraely. Tsy nanaiky azy ho vady ny zatovovavy Solemita iray noho izy tia mpiandry ondry tsotra iray. Ny fitantarana nataon’ilay mpanjaka ny amin’io raharaha io dia azo nantsoina hoe Tonon-kiram-pitiavana diso fanantenan’i Solomona. Mety ho latsa-dranomaso isika rehefa tsy misy vokany, amin’ny toe-javatra sasany, ny fiezahan’ny tenantsika hitady fitia amin’olona iray. Tafavoaka tamin’ilay fahadisoam-panantenany anefa i Solomoma, ary afaka ny ho toy izany koa isika. Afaka manampy antsika haneho fifehezan-tena sy toetra tsara araka an’Andriamanitra hafa ny fanahin’Andriamanitra. Manampy antsika ny Teniny mba hanaiky ilay zava-misy mazàna mampanaintaina hoe: tsy afaka ny hitepo fitiavana amin’izao olona rehetra izao fotsiny ny olona iray. (Tonon-kiran’i Solomona 2:7; 3:5). Na dia izany aza, ny Tonon-kiran’i Solomona dia mampiseho amintsika fa azo atao ny mahita namana mpino izay tia antsika fatratra. Mbola zava-dehibe kokoa ny fahatanterahan’io “tonon-kira tsara indrindra” io ao amin’ny fitiavan’i Jesosy Kristy, ilay Mpiandry Tsara, ny “ampakarina”, dia ireo mpanara-dia azy 144 000 voahosotra. — Tonon-kiran’i Solomona 1:1; Apokalypsy 14:1-4; 21:2, 9; Jaona 10:14.
16. Mety hahatafiditra inona avy ny ‘fahoriana amin’ny nofo’ hitan’ny kristiana manambady?
16 Na dia ireo manambady mpino aza dia ‘manam-pahoriana amin’ny nofo’. (1 Korintiana 7:28). Hisy tebiteby sy fanahiana hahatafiditra ny lehilahy sy ny vehivavy manambady ary ireo zanany. (1 Korintiana 7:32-35). Mety hitondra enta-mavesatra sy fihenjanana ny aretina. Ny fanenjehana na ny fahasahiranana ara-bola dia mety hanasarotra ny fanomezan’ny ray kristiana iray izay ilain’ny fianakaviany. Mety ho tafasaraka noho ny fanaovana an-tranomaizina ny ray aman-dreny sy ny zanany, ary ny sasany mety hampijalina sy hovonoina ho faty mihitsy aza. Amin’ny toe-javatra rehetra toy izany anefa, dia afaka manohitra ny fakam-panahy handa ny finoana isika raha tena matoky ny sandry mahavonjin’i Jehovah. — Salamo 145:14.
17. Zava-nanahirana ara-pianakaviana inona no nataon’Andriamanitra izay hahaizan’i Isaka sy i Rebeka hizaka azy?
17 Mety ho voatery hiaritra fisedrana sasany mandritra ny fotoana lava be isika. Ohatra, ny zanakalahy iray dia mety hahatonga fahoriana ho an’ireo ray aman-dreniny tia an’Andriamanitra amin’ny fanambadiana tsy mpino. Nitranga izany tao amin’ny fianakavian’i Isaka patriarka sy i Rebeka vadiny. I Esao zanany lahy 40 taona dia nanambady vehivavy Hetita roa izay “nangidy tamin’ny fanahin’Isaka sy Rebeka indrindra”. Raha ny marina dia “hoy Rebeka tamin’Isaka: Tsy te-ho velona aho noho ireny zanakavavin’ny Hetita; raha maka vady amin’ny zanaka vavin’ny Hetita Jakoba [zanakalahin’izy ireo hafa], tahaka ireto izay avy amin’ny zazavavy tompon-tany, koa hataoko inona ny aiko?” (Genesisy 26:34, 35; 27:46). Toa nampiseho izany fa nampahory ny fanahy marin’i Rebeka io zava-nanahirana nitohy io. (Ampitahao amin’ny 2 Petera 2:7, 8.) Na dia izany aza, dia nanohana an’i Isaka sy i Rebeka ny sandrin’i Jehovah ka nahatonga azy ireo hahay hizaka io fisedrana io sady hitana fifandraisana mafy tamin’Andriamanitra.
18. Fisedrana manokana inona no zakan’i C. T. Russell noho ny fanampian’Andriamanitra?
18 Mampahory indrindra ny fitsaharan’ny mpikambana vita batisa iray ao amin’ny fianakaviana amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. (Ampitahao amin’ny 2 Timoty 2:15.) Ny sasany aza nizaka ny famoizana ara-panahy ny vadiny, sahala amin’i Charles T. Russell, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower voalohany. Nanapaka ny fifandraisany tamin’ny Fikambanana ny vadiny ary nandao azy tamin’ny 1897, taorian’ny efa ho 18 taona nivadiana. Nangataka fisarahana ara-dalàna ravehivavy tamin’ny 1903 ary azo ny didim-pitsarana tamin’ny 1908. Niharihary ny alahelon’i Russel rehefa nilaza taminy toy izao tao amin’ny taratasy nosoratany taoriana kelin’ny nisarahany izy: “Nivavaka fatratra tamin’ny Tompo ho anao aho. (...) Tsy hampitondra enta-mavesatra anao aho amin’ny fitantarana ny alaheloko, na hanandrana hanaitra ny fangoraham-ponao amin’ny filazalazana amin’ny antsipiriany ny fihetseham-poko rehefa sendra mahita ny akanjonao sy ireo zavatra hafa izay mamerina ao an-tsaiko mazava tsara ny toetoetra nanananao taloha — feno fitiavana sy fangoraham-po ary tia manampy aoka izany — nanome taratry ny toe-tsain’i Kristy (...) Mba diniho tsara amim-bavaka re izao holazaiko izao. Ary aoka ianao hahazo antoka fa ny mampanaintaina indrindra amin’ny alaheloko, izay tsapako lalina ny amin’izany, dia tsy ny fahatsiarovako tena ho manirery amin’ny androm-piainako sisa loatra, fa ny fahalavoanao, ry malala, ny fahaverezanao mandrakizay, araka ny fahitako azy.” Na dia teo aza ny ratram-pony, dia nahazo ny fanohanan’Andriamanitra i Russell mandra-pahatapitry ny fiainany teto an-tany. (Salamo 116:12-15). Tohanan’i Jehovah mandrakariva ireo mpanompony mahatoky.
Afaka amin’ny fahoriana rehetra
19. Inona no tokony hotsarovantsika raha misy zava-manahirana mampahory maharitra?
19 Fantatry ny vahoakany ho “Andriamanitry ny famonjena” i Jehovah. Ilay “mitondra ny entantsika isan-andro isan-andro”. (Salamo 68:19, 20). Noho izany, isika izay nanolo-tena sy miaraka amin’ny fandaminany eto an-tany, aoka isika tsy hanaiky ho resin’ny famoizam-po mihitsy raha misy zava-manahirana mampahory maharitra. Tsarovy fa “Andriamanitra no aro sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy.” (Salamo 46:1). Valian-tsoa foana ny fatokiantsika azy. “Mitady an’i Jehovah aho, dia mamaly ahy Izy”, hoy i Davida, “ka manafaka ahy amin’ny tahotro rehetra. (...) Ity olo-mahantra ity niantso, dia nihaino Jehovah ka namonjy azy tamin’ny fahoriany rehetra.” — Salamo 34:4-6.
20. Fanontaniana inona no mbola mila fandinihana?
20 Eny, mamonjy ny vahoakany amin’ny fahoriana rehetra ny Raintsika any an-danitra. Manohana ny fandaminany eto an-tany izy amin’ny fanomezana fanampiana eo amin’ny raharahan’ny kongregasiona sy ny an’ny olona manokana. Marina tokoa fa “Jehovah tsy mba hanary ny olony”. (Salamo 94:14). Kanefa aoka hodinihintsika amin’ny manaraka ireo fomba hafa anampian’i Jehovah ny vahoakany isam-batan’olona. Ahoana no anohanan’ny Raintsika any an-danitra ireo mpanompony izay marary, kivy ara-tsaina, vonton’alahelo noho ny fahafatesan’olon-tiana, na ory loatra noho ny fahadisoana vitany? Araka ny ho hitantsika, amin’ireo raharaha ireo koa, dia manana antony ianteherana amin’ny sandry maherin’i Jehovah isika.
Ahoana no havalinao?
◻ Ahoana no nitondran’ny sandrin’i Jehovah famonjena tamin’ny andro fahiny?
◻ Ahoana no anampian’i Jehovah ny vahoakany ao amin’ny kongregasiona amin’izao andro izao?
◻ Fanampiana inona no omen’Andriamanitra eo amin’ny raharaha manokana?
◻ Inona no tokony hataontsika rehefa misy zava-manahirana mampahory maharitra?
[Sary, pejy 8, 9]
Nitondra ny Isiraelita nivoaka avy tany Egypta tamin’ny “sandry avo” Andriamanitra