Ny Fiaretana Izay Mahazo ny Fandresena
“Fa tokony hanana faharetana [fiaretana, MN] hianareo mba hahazoanareo izay lazain’ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon’Andriamanitra.” — HEBREO 10:36.
1. Nahoana ny fiaretana no toetra tsy maintsy ananan’ny olona tsirairay manompo an’i Jehovah amin’izao andro izao?
MIPETRAKA eo ambany fahefan’ny andriamanitra mpikomy iray ity tontolo ity iray manontolo. I Satana Devoly, ilay mpanapaka azy tsy hita maso, dia mampifantoka ny fiezahany rehetra mba hanoherana an’i Jehovah sy hiadiana amin’ny fanamarinana ny fiandrianan’i Jehovah eo amin’izao rehetra izao ataon’ny Fanjakana mesianika. Tsy azo sorohina, noho izany, ny hanoheran’izao tontolo izao tsy an-kijanona an’izay manolo-tena ho an’Andriamanitra sy miandany aminy amin’ilay raharaha momba ny fiandrianana. (Jaona 15:18-20; 1 Jaona 5:19). Noho izany, dia tsy maintsy mivonona ny tsirairay amintsika mba hiaretana mandra-pidarabok’ity tontolo ity ao amin’ny fandringanana tanteraka ao Haramagedona. Mba ho anisan’ireo mpandresin’Andriamanitra izay mandresy izao tontolo izao amin’ny finoany sy ny tsy fivadihany, dia tsy maintsy maharitra amim-pikirizana isika mandra-pahatongan’ny farany (1 Jaona 5:4). Ahoana no ahafahantsika manao izany?
2, 3. Amin’ny ahoana i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy no ohatra lehibe indrindra amin’ny fiaretana?
2 Voalohany aloha, dia afaka mitady fampaherezana amin’ny ohatra nampiseho fiaretana miavaka roa isika. Iza avy izany? I Jesosy Kristy ny iray, “ilay lahimatoa amin’ny zavaboary rehetra” izay naharitra tamim-pahatokiana teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah efa hatramin’izay nisiany, taloha be tsy fantatra. Noho ny fikirizany teo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra tamim-pahatokiana, i Jesosy dia tonga ohatra ho an’ireo zavaboary manan-tsaina rehetra izay noharìna taoriany tany an-danitra sy teto an-tany. (Kolosiana 1:15, 16, MN). Na dia izany aza, ny ohatra nampiseho fiaretana lehibe indrindra dia i Jehovah Andriamanitra, izay niaritra hatramin’ny ela ny fikomiana tamin’ny fiandrianany eo amin’izao rehetra izao ary mbola hanohy hanao izany mandra-panaony zavatra mba handaminana tanteraka io raharaha io.
3 Niaritra tamin’ny fomba fakan-tahaka i Jehovah tamin’ireo raharaha izay nahakasika ny voninahiny sy ny fihetseham-pony lalina indrindra. Nahatana tena izy teo anatrehan’ny fihantsiana lehibe ary noferany ny tenany tsy hanao zavatra hamelezana ireo izay niteny ratsy azy — anisan’izany i Satana Devoly. Velom-pankasitrahana isika noho ny fiaretan’Andriamanitra sy ny famindram-pony. Raha tsy teo izany, dia tsy ho nanana na dia ny fiainana fohy indrindra aza isika. Tsy azo lavina fa, tamin’ny fiaretany, dia nampiavaka ny tenany tamin’ny fomba tsy nanan-tsahala i Jehovah Andriamanitra.
4, 5. a) Amin’ny ahoana ny fanoharana nataon’i Paoly momba ny mpanefy vilany no mampiseho ny fiaretan’Andriamanitra sy ny famindram-pony? b) Ahoana no hisehoan’ny famindram-pon’Andriamanitra ho tsy very maina?
4 Nilaza ny fiaretan’Andriamanitra sy ny famindram-pony ny apostoly Paoly rehefa niteny hoe: “Ny mpanefy vilany va tsy manam-pahefana amin’ny tanimanga, ka ny vongany iray ihany no anaovany zavatra samy hafa, ny iray hohajaina, ary ny iray hatao tsinontsinona? Sa ahoana kosa raha Andriamanitra, na dia ta-haneho ny fahatezerany sy hampahafantatra ny heriny aza, dia be fahari-po ka nandefitra tamin’izay fanaky ny fahatezerana voavoatra hosimbana, mba hampahafantarina koa ny haren’ny voninahiny amin’izay fanaky ny famindrampo, izay namboariny rahateo hahazo voninahitra, dia isika izay nantsoiny koa, tsy ny avy amin’ny Jiosy ihany, fa ny avy amin’ny jentilisa koa.” — Romana 9:21-24.
5 Araka ny asehon’ireo teny ireo, mandritra izao vanim-potoan’ny fiaretany izao, i Jehovah dia manohy ny fikasany be voninahitra ary maneho famindram-po amin’ny fanaka olombelona sasany. Manomana ireo fanaka ireo ho amin’ny voninahitra mandrakizay izy ka amin’izay dia hanafoana ny fikasan-dratsin’ilay mpanohitra azy lehibe, dia i Satana Devoly, sy ny tariny. Tsy ny rehetra amin’ny taranak’olombelona akory no lasa fanaky ny fahatezerana mendrika fandringanana. Izany dia manamarina tsara ny anton’ny niaretan’Andriamanitra Tsitoha tamim-paharetana. Tsy ho very maina ny famindram-pony. Izany dia hiteraka 1) fianakavian’ilay Fanjakana be voninahitra eo ambany fahefan’i Jesosy Kristy, Zanaka malalan’i Jehovah, any an-danitra, ary 2) zavaboary olombelona karazany iray tafarina sy natao tonga lafatra, samy mpandova fiainana mandrakizay avokoa, eto an-tany tonga paradisa.
Miaritra hatramin’ny farany
6. a) Nahoana ny kristiana no tsy afaka miala amin’ny fitsapana ny fiaretana? b) Milaza inona moa mazàna ilay teny grika nadika hoe “fiaretana”?
6 Amin’ny fananana fanantenana mahatalanjona toy izany eo anoloana, dia tokony hanakoako ao an-tsofintsika mandrakariva ireo teny manatanjaka nataon’i Jesosy hoe: “Izay miaritra hatramin’ny farany no hovonjena”. (Matio 24:13, MN). Zava-dehibe ny hiaingana tsara eo amin’ilay hazakazaka amin’ny maha-mpianatra kristiana ny tena. Kanefa, amin’ny farany, dia ny fomba niaretantsika, ny fomba namitantsika ilay hazakazaka no misy vidiny. Nanantitrantitra ny amin’izany ny apostoly Paoly rehefa nilaza hoe: “Fa tokony hanana faharetana [fiaretana, MN] hianareo mba hahazoanareo izay lazain’ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon’Andriamanitra.” (Hebreo 10:36). Ny teny grika nadika eto hoe “fiaretana” dia hy·po·mo·neʹ. Mazàna izy io dia milaza fiaretana feno herim-po, miorina mafy, na feno faharetana, izay tsy manary toky eo anoloan’ny fanakantsakanana sy ny fanenjehana, ny fitsapana ary ny fakam-panahy. Raha antenaintsika ny hahazo famonjena amin’ny farany, dia tsy maintsy mandalo fitsapana ny fiaretana isika, ho toy ny ampahany amin’ny fiomanana ilaina amin’izany famonjena izany.
7. Hevitra diso inona no tsy maintsy halavirintsika, ary ny ohatr’iza no hanampy antsika hiaritra?
7 Tsy tokony hamita-tena isika amin’ny fiheverana fa afaka mamita haingana ilay fitsapana. Mba hahafahana mamaly amin’ny fomba tsy hisian’ny ady hevitra intsony ilay raharaha momba ny fiandrianana eo amin’izao rehetra izao sy ny tsy fivadihan’ny olombelona, dia tsy nitsimbina ny tenany i Jehovah. Niaritra zavatra maro tsy nahafinaritra izy na dia azony natao aza ny nampanjavona izany teo no ho eo. Ohatra ny amin’ny fiaretana koa i Jesosy Kristy. (1 Petera 2:21; ampitahao amin’ny Romana 15:3-5.) Noho isika manana ireo ohatra mamirapiratra ireo eo anoloantsika, dia azo antoka fa vonona koa isika ny hiaritra hatramin’ny farany. — Hebreo 12:2, 3.
Toetra tsara ilaina
8. Toetra tsara inona, izay ilaintsika rehetra, no nasehon’ny apostoly Paoly?
8 Ilaina hoporofoina amin’ny fiaretana ny tsy fivadihana. Tsy nisy mpanompon’Andriamanitra, na dia hatramin’ny taloha indrindra aza, afaka tamin’izany andraikitra izany. Ireo olona tena misongadina ao amin’ny tantaran’ny Baiboly izay nitoetra ho nahatoky hatramin’ny fahafatesana ka mendrika ny fiainana mandrakizay any an-danitra dia tsy maintsy nanaporofo ny fiorenany tsara. Nilaza tamin’ny Korintiana toy izao, ohatra, ilay Fariseo taloha, dia i Saoly avy any Tarsosy: “Tsy latsaka noho ireo Apostoly ambony indrindra ireo, na dia tsinontsinona aza aho. Ny famantarana mah’Apostoly ahy dia natao teo aminareo tokoa tamin’ny faharetana [fiaretana, MN] rehetra, tamin’ny famantarana sy ny fahagagana ary tamin’ny asa lehibe”. (2 Korintiana 12:11, 12). Na dia teo aza ireo andraikitra tamin’ny asa, dia nihevitra ny fanompoany ho sarobidy aoka izany i Paoly ka niaritra zavatra maro ary niezaka fatratra mba tsy hitondra fanomezan-tsiny ho an’izany. — 2 Korintiana 6:3, 4, 9.
9. a) Ahoana no nanehoan’ny sisa voahosotra fiaretana, ary inona no vokany? b) Inona no niasa ho toy ny fanosehana antsika mba hiaritra amim-pahatokiana ao amin’ny fanompoana an’Andriamanitra?
9 Tamin’ny fotoana môderina kokoa, ireo kristiana voahosotra izay nanompo an’Andriamanitra talohan’ny ady lehibe voalohany dia nahafantatra fa ny taona 1914 dia hanamarika ny faran’ny Andron’ny Jentilisa, ary maro tamin’izy ireo no nanantena handray ny valisoany any an-danitra tamin’io taona mendrika hotsaroana io. Tsy nitranga anefa izany. Araka ny asehon’ny zava-misy amin’izao fotoana izao, dia niampy am-polony maro ny taonan’izy ireo. Nandritra io fanalavana tsy nampoizina ny fiainan’izy ireo teto an-tany io, dia nandalo fanadiovana avy tamin’i Jehovah Andriamanitra izy ireo. (Zakaria 13:9; Malakia 3:2, 3). Ny fiaretana nitohy dia nandaitra teo amin’ny fanatsarana azy ireo. Tamin’ny naha-mpanompon’i Jehovah azy, dia faly izy ireo antsoina hoe vahoaka mitondra ny anarany. (Isaia 43:10-12; Asan’ny apostoly 15:14). Amin’izao andro izao, rehefa avy namakivaky ady lehibe roa sy ady madinidinika maro izy ireo dia mientam-po noho ny fanampiana azy ireo eo amin’ny fampielezana ny vaovao tsara ataon’ny olona betsaka amin’ny ondry hafa tsy mitsaha-mitombo, miisa ho maherin’ny efatra tapitrisa izao. Ny paradisa ara-panahy ananan’izy ireo dia miely maneran-tany, na dia any amin’ireo nosy faran’izay lavitra any amin’ny ranomasina aza. Io fikarakarana misy tombontsoa manokana io, izay ankasitrahantsika kokoa hatrany arakaraka ny fahelan’ny androm-piainantsika, dia niasa ho toy ny fanosehana mba hiaritra amim-pahatokiana ao amin’ny fanompoana an’Andriamanitra mandra-pahatanteraky ny sitrapo sy ny fikasan’i Jehovah amin’ny fomba feno.
10. Mba tsy hisian’ny fahalemena ao amintsika, inona no ilaina tsy tapaka?
10 Koa satria miankina amin’ny fiorenantsika tsara ny valisoantsika, dia ilaintsika foana ny fampirisihana ny amin’io raharaha iankinan’ny aina io. (1 Korintiana 15:58; Kolosiana 1:23). Mba tsy hisian’ny fahalemena eo amin’ny vahoakan’i Jehovah, dia tsy maintsy ampaherezina tsy tapaka isika mba hifikitra hatrany amin’ny fahamarinana sy amin’ilay tombontsoa sarobidy hampiely ny fahamarinana, toy ny natao tamin’ny kongregasiona vao niforona tamin’ny taonjato voalohany, rehefa niverina nitsidika azy ireo i Paoly sy i Barnabasy. (Asan’ny apostoly 14:21, 22). Araka ny nambaran’ny apostoly Jaona, dia enga anie ho fahatapahan-kevitsika hentitra ny hitoeran’ny fahamarinana ao anatintsika “ary dia ho eo amintsika mandrakizay izy io”. — 2 Jaona 2, MN.
Aoka isika hiandry amim-piaretana tsy azo hozongozonina
11. Ahoana no toa fomba fiasan’Andriamanitra tamin’ireo mpanompony, ary amin’ny ahoana izay nanjo an’i Josefa no manazava izany?
11 Mila fotoana vao vita amin’ny fomba lavorary ny fitsapana antsika. (Jakoba 1:2-4). Miandrasa! Miandrasa! Miandrasa! Toa toy izany no fomba fiasan’Andriamanitra tamin’ireo mpanompony fahiny rehefa notsapaina izy ireo mikasika ny fahatapahan-keviny hitoetra ao amin’ny finoana. Tamin’ny farany anefa, ny fiandrasana dia nitondra valisoa mandrakariva ho an’ireo mpanompo tsy nivadika ireo. I Josefa, ohatra, dia voatery niandry 13 taona tamin’ny naha-andevo sy mpigadra azy, kanefa dia nanatsara ny toetrany ilay fanandraman-javatra. — Salamo 105:17-19.
12, 13. a) Tamin’ny ahoana i Abrahama no ohatra raha ny amin’ny fiaretana tamim-pahatokiana? b) Amin’ny fomba ahoana ny finoana sy ny fiaretan’i Abrahama no mampiseho môdely ho antsika?
12 Efa 75 taona i Abrahama fony Andriamanitra niantso azy hiala tany Oran’ny Kaldeana ho any amin’ny Tany nampanantenaina. Dimy amby roapolo amby zato taona teo ho eo izy rehefa nahazo ny fanamafisana tamin’ny fianianana ilay fampanantenan’Andriamanitra. Nitranga izany nanaraka avy hatrany ny nampisehoan’i Abrahama ny tanjaky ny finoany rehefa saika nanao sorona an’i Isaka zanany malala izy raha tsy nihazona ny tanany ny anjelin’i Jehovah ka nanakana ilay sorona. (Genesisy 22:1-18). Fotoana lava ho an’i Abrahama izany 50 taona izany mba hiandrasana tamin’ny naha-mpivahiny azy tany an-tanin’olona, kanefa dia mbola naharitra 50 taona fanampiny izy mandra-pahafatiny teo amin’ny faha-175 taonany. Nandritra izany fotoana rehetra izany, dia vavolombelona sy mpaminany nahatokin’i Jehovah Andriamanitra izy. — Salamo 105:9-15.
13 Ny finoana sy ny fiaretan’i Abrahama dia aseho toy ny môdely ho an’ireo mpanompon’Andriamanitra rehetra izay maniry hahazo ny fitahiana nampanantenaina tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy, ilay Taranak’i Abrahama. (Hebreo 11:8-10, 17-19). Mikasika azy dia izao no vakintsika ao amin’ny Hebreo 6:11-15: “Ary mbola irinay hianareo rehetra samy haneho izany fahazotoana izany mba hahazo ny fahatokiana be ny amin’ny fanantenana hatramin’ny farany; mba tsy hiketraka hianareo, fa hanahaka ireo mandova araka ny teny fikasana amin’ny finoana sy ny faharetana. Fa Andriamanitra nanao teny fikasana tamin’i Abrahama, ary satria tsy nisy lehibe noho ny tenany izay azony nianianana, dia nianiana tamin’ny tenany Izy ka nanao hoe: ‘Hitahy anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro anao’. Ary araka izany, rehefa naharitra tsara Abrahama, dia nahazo ny teny fikasana”.
14. Nahoana isika no tsy tokony hieritreritra fa tsy misy farany ny fitsapana ny fiaretana ary tsy ho azo mihitsy ilay valisoa?
14 Efa 78 taona sahady izay no hitan’ny sisa voahosotra nandalo hatramin’ny faran’ny Andron’ny Jentilisa tamin’ny 1914, fony nanantena ny sasany taminy fa homem-boninahitra any an-danitra ny tena kongregasiona kristiana. Tsy fantatsika hoe mbola hafiriana no tsy maintsy hiandrasan’ny sisa. Moa àry ve isika tokony hangozohozo ka hieritreritra fa tsy misy farany ny fiandrasana ary tsy ho azo mihitsy ilay valisoa? Tsia! Izany dia tsy hanamarina na oviana na oviana ny fiandrianan’Andriamanitra na hanome voninahitra ny anarany. Tsy hohamarinina eo anatrehan’izao tontolo izao akory izy rehefa manome antsika ny fandresena sy ny loka vokatr’izany, dia ny fiainana mandrakizay. Na toy inona na toy inona halavan’ny fotoana, dia tapa-kevitra ny hiandry ny hanaovan’i Jehovah zavatra amin’ny fotoana voatendriny ny sisa miaraka amin’ireo namany mahatoky toy ny ondry. Amin’ny fanehoana faharetana fakan-tahaka toy izany, izy ireo dia hanaraka ny dian’i Abrahama. — Romana 8:23-25.
15. a) Inona ilay teny fanevantsika, ary tamin’ny fanandraman-javatra inona avy no nanohanan’Andriamanitra antsika tamim-pandresena? b) Fampirisihana inona nataon’i Paoly no mbola mety ihany amin’izao androntsika izao?
15 Ny teny faneva àry dia mbola ny fiaretana tsy azo hozongozonina amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra ihany. (Romana 2:6, 7). Tamin’ny lasa, dia nanohana antsika tamin’ny fahoriana be izy, anisan’izany ny figadrana tany am-ponja sy tany amin’ny toby fitanana, ary nitondra antsika namakivaky izany tamim-pandresena izy ho voninahitry ny anarany sy ny fikasany.a Mandritra ny fotoana mbola tavela mba hamitana amin’ny fomba lavorary ny fitsapana antsika, dia hanohy hanao toy izany i Jehovah. Mbola mety amin’izao androntsika izao ihany ny fampirisihan’i Paoly hoe: “Fa mila faharetana miorina mafy sy fiaretana ianareo, mba hahafahanareo hahavita sy hanatanteraka amin’ny fomba feno ny sitrapon’Andriamanitra, ka amin’izay dia handray sy hitondra ary hahazo amin’ny fomba feno izay nampanantenaina”. — Hebreo 10:36, The Amplified Bible; Romana 8:37.
16. Nahoana isika no tsy tokony hihevitra ny fanolorantsika tena ho an’i Jehovah ho zavatra atao ao anatin’ny fotoana voafetra fotsiny na asiana fameperana?
16 Raha mbola manana asa ho antsika foana i Jehovah eo anivon’ity tontolo ratsy ity, dia tiantsika ny hifantoka amin’izany asa izany mandra-pahavitany, ho fanarahana ny ohatr’i Jesosy. (Jaona 17:4). Ny fanolorantsika tena ho an’i Jehovah akory tsy miorina amin’ny fiheverana fa hanompo azy mandritra ny fotoana fohy isika ary dia ho tonga avy eo ny Haramagedona. Mandrakizay ny fanolorantsika tena. Tsy hifarana amin’ny ady Haramagedona akory ny asan’Andriamanitra nomena antsika. Na dia izany aza, dia rehefa avy nahavita ilay asa tsy maintsy atao alohan’ny Haramagedona ihany isika vao hahita ireo zava-dehibe ho avy aorian’io ady lehibe io. Amin’izay, ho fanampin’ny tombontsoa mahafaly amin’ny fanohizana manao ny asany, dia hovalian-tsoa isika amin’ireo fitahiana nandrasana hatramin’ny ela izay nampanantenainy. — Romana 8:32.
Manampy antsika hiaritra ny fitiavana an’Andriamanitra
17, 18. a) Amin’ny fotoana isian’ny fanerena, inona no hanampy antsika hiaritra ka hankasitrahan’Andriamanitra? b) Inona no hanampy antsika hahazo ny fandresena, ary inona no tsy lazaintsika mikasika ny fotoana sisa tavela?
17 Angamba amin’ny fotoana misy fanerena dia mety hanontany tena isika hoe: ‘Ahoana no ahafahantsika mbola hiaritra ihany?’ Ny valiny? Amin’ny fitiavana an’Andriamanitra amin’ny fontsika rehetra, ny saintsika sy ny fanahintsika ary ny herintsika rehetra. “Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy, ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo, mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra [miaritra, MN] ny zavatra rehetra. Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay”. (1 Korintiana 13:4, 7, 8). Tsy misy vidiny ny fiaretantsika raha tsy manao izany noho ny fitiavana an’Andriamanitra isika. Raha misikina hery hatrany anefa isika rehefa misy zavatra mahory, noho ny fifikirantsika amin’i Jehovah, dia hahatonga ny fitiavantsika azy ho lalina kokoa amin’izay ny fiaretantsika. Nahatonga an’i Jesosy ho afaka hiaritra ny fitiavany an’Andriamanitra Rainy. (Jaona 14:30, 31; Hebreo 12:2). Raha ny fitiavana an’Andriamanitra Raintsika no antony marina manosika antsika, inona moa no zavatra tsy ho azontsika iaretana?
18 Ny fitiavantsika tsy azo hozongozonina an’i Jehovah Andriamanitra no mahatonga antsika ho afaka hitoetra ho mpandresy an’izao tontolo izao, amin’izao fotoam-pitsapana faran’izay lehibe izao. Ary amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, dia hanohy hanome antsika ny fanampiana ilaina i Jehovah, na hafiriana na hafiriana mbola hamelana an’ity fandehan-javatra tranainy ity hisy. (1 Petera 5:10). Marina aloha fa tsy milaza mialoha ny fotoana sisa tavela isika, ary tsy mametra daty iray manokana. Avelantsika izany ho an’ilay Mpilaza fotoana Lehibe, dia i Jehovah Andriamanitra. — Salamo 31:15.
19, 20. a) Ahoana no tokony hiheverantsika ny andro tsirairay lasa izay niaretantsika? b) Hadalana inona no irintsika hohalavirina, ary nahoana?
19 Na dia izany aza, ilay taranaka nambara mialoha fa ho vavolombelona sy handalo “ny fifaranan’ny fandehan-javatra” dia tena mandroso fahanterana tokoa amin’izao fotoana izao. (Matio 24:3, 32-35, MN). Koa aoka isika tsy hanadino na oviana na oviana fa isaky ny lasa ny andro iray niaretantsika, dia latsaka andro iray ny fotoana andotoan’i Satana sy ireo demoniany an’izao rehetra izao amin’ny fisiany, ary manakaiky andro iray ilay fotoana tsy hiaretan’i Jehovah intsony ny fisian’ireo “fanaky ny fahatezerana voavoatra hosimbana”. (Romana 9:22). Tsy ho ela, rehefa hifarana ny fahari-pon’i Jehovah, dia hamoaka ny fahatezerany amin’ireo lehilahy sy vehivavy tsy tia an’Andriamanitra izy. Amin’izany dia hampahafantatra ny tsy fankasitrahany ny fomba fanaon’ireo izy, na dia navelany hanohy nandritra izany vanim-potoana rehetra izany aza izy ireo.
20 Ho hadalana indrindra ny antsika raha atsahatsika ny ezaka feno fitiavana ataontsika mba hahazoana ilay loka be voninahitra izay omena antsika amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Tapa-kevitra ny hanohy amim-pahatokiana amin’ny maha-Vavolombelona ho an’i Jehovah kosa isika amin’izao fotoana faran’izay lehibe izao, raha madiva hanamarina ny tenany amin’ny maha-Tompom-piandrianana azy eo amin’izao rehetra izao i Jehovah.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Nanoratra toy izao, ohatra, i Christine Elizabeth King: “Teo amin’ireo Vavolombelona ihany ny fitondram-panjakana [Nazia] no tsy nahomby, satria na dia namono an’arivony maro tamin’izy ireo aza izy, dia nandroso ny asa ary tamin’ny May 1945, ny fihetsiketsehan’ireo Vavolombelon’i Jehovah dia mbola velona ihany, kanefa ny “national-socialisme” dia tsy teo intsony. Nitombo ny isan’ireo Vavolombelona ary tsy nisy fanekena lembenana natao. Nanana maritiora maro ilay fihetsiketsehana ary nandresy ady iray fanampiny tao amin’ny adin’i Jehovah Andriamanitra.” — Ny Fanjakana Nazia sy ireo fivavahana vaovao: fandinihana natao tamin’ny toe-javatra dimy teo amin’ny Tsy Fanarahana (angl.) pejy faha-193.
Ahoana no havalinao?
◻ Nahoana no tsy azontsika halavirina ny fitsapana ny fiaretantsika?
◻ Hevitra diso inona no irintsika hohalavirina?
◻ Mba tsy hisian’ny fahalemena ao amintsika, dia inona no ilaina?
◻ Inona no teny fanevantsika?
◻ Amin’ny fotoana isian’ny fanerena, inona no hanampy antsika hiaritra?
[Sary, pejy 11]
Ny vahoakan’Andriamanitra, sahala amin’ireto Vavolombelona any Port d’Espagne any Trinité ireto, dia vonona mandrakariva ny hanompo an’i Jehovah