Ny Vavolombelon’i Jehovah — Ilay Fandaminana ao Ambadik’ilay Anarana
TAMIN’NY 6 Oktobra 1990, dia nadiva handre zavatra tsy nampoizina ilay vahoaka efa ho 5 000 tafangona tao amin’ny Efitrano Fanaovana Fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Jersey City, any New Jersey, any Etazonia, tamin’ilay fivoriana fanaon’ny Watch Tower Bible and Tract Society isan-taona. Ny mpitari-draharaha, i John E. Barr, dia nampahafantatra ny mpanatrika ny amin’ny fivoahan’ny vidéo iray maharitra 55 minitra mitondra ny lohateny hoe Ny Vavolombelon’i Jehovah — Ilay Fandaminana ao Ambadik’ilay Anarana. Io no vidéo voalohany navoakan’ny Fikambanana, kanefa dia azo antoka fa tsy io akory no ho farany.
Asehon’ilay vidéo ny fomba nandaminana ny vahoakan’i Jehovah mba hanao fanambarana ny anaran’Andriamanitra sy hampahafantatra ny “vaovao tsaran’ny fanjakana”. (Matio 24:14, NW ). Ny foibe any Brooklyn, New York, sy ireo trano naorina any amin’ny Toeram-piompian’ny Watchtower no nasongadina. Maherin’ny 500 000 ny kopia navoaka tamin’ny fiteny anglisy, ary izao izy io dia misy (na hisy tsy ho ela) amin’ny fiteny 26 hafa.a
Nanao ahoana ny fandraisana izany?
Nanao ahoana ny fandraisan’ny olona izay tsy Vavolombelon’i Jehovah ilay vidéo? Nanoratra toy izao ny lehilahy mpanao raharaham-barotra iray:
“Hitako fa tsara dia tsara ny nanaovana ilay horonan-tsary. Nanaitra ahy manokana ny asa tsara natao tamin’ny fanontana ilay vidéo. Nirona hanadino aho fa horonan-tsary ilay izy, ary nihevitra azy kokoa ho toy ny sary mihetsika. Tsy maintsy mahasoa amin’ny fomba manokana io horonan-tsary io eo amin’ny fanazavana ny zava-kendren’ny foibenareo ao New York. Arahabaina ianareo noho io zava-bita miavaka io.” — J. J.
Ireo izay miara-mianatra ny Baiboly amin’ny Vavolombelon’i Jehovah dia nandray soa tamin’ny fijerena ilay vidéo. Manazava ny anton’izany izao manaraka izao:
“Miara-mianatra ny Baiboly amin’ny tovolahy 20 taona izay mianatra any amin’ny oniversite eo an-toerana aho. Nanahy ny amin’ny toe-javatra miharatsy hatrany eo amin’izao tontolo izao izy. Rehefa avy nijery ilay horonan-tsary anefa izy, ary nahita ireo rahalahy tanora tsara dia tsara mpiasan’ny Betela izay manana tena zava-kendrena eo amin’ny fiainana, dia niova ny fihetsiny iray manontolo. Nanatrika ny Andro Fivoriambe Manokana nataonay izy ary nangataka ny hianatra Baiboly indroa isan-kerinandro. Nindrana ilay vidéo ny mpianatra ny Baiboly hafa iray izay mpampianatra any amin’ny lise, mba hampisehoana izany tamin’ny havany. Nihevitra izy ireo fa ny Vavolombelon’i Jehovah dia fandaminana osaosa, tsy tiam-bahoaka, ary kely dia kely fotsiny. Talanjona izy ireo tamin’ny endrika maneran-tany ananan’ny asantsika sy ny fahombiazana hitantsika, noho ny fanampian’i Jehovah.” — J. B.
“Tsy misy teny afaka manambara ny hafaliana tsapako rehefa nigogogogo nitomany noho ny hafaliana sy ny fankasitrahana ny vehivavy iray miara-mianatra Baiboly amiko taorian’ny nijereny io vidéo io. Izao no nambarany tamin-dranomaso: ‘Ahoana no tsy ahafahan’ny olona mahita fa io no fandaminan’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina? Tsy nahafantatra mihitsy aho hoe nisy ny vahoaka toy izany.’ Avy eo dia hoy izy: ‘Maniry ny hatao batisa aho.’ ” — C. D.
“Nahita fahombiazana betsaka izahay tamin’ny fampiasana ilay vidéo tamin’ireo olona mianatra ny Baiboly. Omaly alina, ny vadin’ilay ramatoa ampianarin’ny vadiko Baiboly dia sendra nitsidika anay. Nanohitra be izy io. Nijery ilay vidéo izy. Taorian’izay, dia nanao fanontaniana maro izy ary niala teto niaraka tamin’ny Baiboly iray sy ilay boky fianarana ny Baiboly hoe Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany. Teo aloha dia efa nodorany ny zavatra vita an-tsoratra rehetra momba ny Baiboly nananan’ny vadiny!” — D. H.
Hitan’ireo tanora koa fa mahavariana ilay vidéo, araka ny asehon’ireto fanazavana manaraka ireto:
“Enin-taona sy tapany aho. Tiako ilay tapany mikasika ny Baiboly sy ilay misy boaty betsaka mikisaka haingana be iny.” — K. W.
“Nilaza ireo zanakay kely fa tsara kokoa noho ireo fandaharana rehetra hitany tao amin’ny televiziona ilay izy.” — R. C.
“Rehefa avy nijery ilay vidéo fanindroany ny zanakay lahy dimy taona, izay nandinika tsara hatramin’ny farany, dia nanontany hoe: ‘Afaka mijery azy io isan’andro ve isika?’ Ny zanakay vavy telo taona dia nilaza ny heviny hoe: ‘Ta handeha any amin’ny Betela sy hanao boky aho!’ ” — M. E.
“Ny zanako, i Robin sy i Shannan izay 12 sy 9 taona, dia tsy mitsahatra mamerimberina ilay horonan-tsary. Rehefa avy nijery ilay horonan-tsary ny zanako faravavy dia nanambara hoe: ‘Tena tiako ny mandeha any amin’ny saha fitoriana. Mahafinaritra be ilay izy.’ Heverinay fa nisy akony nivantana tamin’ny fiainam-pianakavianay io vidéo io. Mamelombelona tokoa ny mandefa fandaharana iray eo amin’ny televiziona izay ahatsapanao tsy fananana ahiahy ny fijerena azy!” — N. B.
“Telo ambin’ny folo taona sy tapany aho. Ilay vidéo vaovao dia nahatonga ahy hahatakatra hoe hatraiza aho no tsy nahay nankasitraka ireo fandaharana mahatalanjona avy any amin’i Jehovah. Tombontsoa ny maha-anisan’ny vahoakan’Andriamanitra ny tena.” — K. W.
“Enina ambin’ny folo taona aho, ary io vidéo io dia nanampy mba hanamafy tao an-tsaiko fa misy asa iray maneran-tany atao.” — A. M.
“Nahamarika ireo zanakay fa nanjary tsy nanintona azy ireo kokoa ny fandaharana mahazatra ao amin’ny televiziona, vokatry ny nahitan’izy ireo hoe toy inona ny tena fialam-boly teokratika. Nanatanjaka ny fanirian’izy ireo hiditra ao amin’ny fanompoana manontolo andro koa izy io.” — L. M.
Na dia ireo efa Vavolombelon’i Jehovah hatramin’ny taona maro aza dia tohina tamin’izay hitany.
“Raha misy fiantraikany toy izany eo amintsika vahoakan’i Jehovah ilay vidéo, tsy vao mainka ve hisy fiantraikany kokoa eo amin’ny hafa izy io? Rehefa manjary sarotra zakaina loatra ity fandehan-javatra ity, dia maka adiny iray amin’ny fotoanako aho, ary mitsidika ny Betela, mihaminkamina ao amin’ny efitrano fandraisako vahiny!” — K. B.
“Rehefa avy nahita ny fitandremana sy ny maha-maty paika ny tapany tsirairay amin’ny asa aho, dia ta handeha hiditra ny efitranoko ary hamihina eo an-tratrako ireo boky momba ny Baiboly ananako.” — L. P.
Mampirisika anao koa izahay mba haka fotoana hijerena ilay vidéo hoe Ny Vavolombelon’i Jehovah — Ilay Fandaminana ao Ambadik’ilay Anarana. Hanome anao fahatsinjovan-javatra hafa eo amin’ny fiainana izy io ary hanampy anao hanana fatokiana ny amin’ny hoavy iray tsy hahitana fanahiana.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Alemanina, baikon’ny moana amerikana, arabo, basque, cantonnais, catalane, croate, czech (Bohémien), danoà, espaniola, finoà, frantsay, grika, hongroà, italiana, japone, koreana, mandarin, neherlanday, norveziana, polone, portioge (Brezila), portioge (Eoropa), romana, slovaque, soedoà.