Jehovah no Tokiko Hatramin’ny Fahatanorako
NOTANTARAIN’I BASIL TSATOS
Taona 1920 tamin’izay; ny toerana dia tany amin’ireo havoanan’i Arcadia any Peloponnisos tsara tarehy, any Gresy. Teo am-pandriana aho, narary mafy noho ny gripa espaniola nampihorohoro, izay niitatra nanerana an’izao tontolo izao.
ISAKY ny velona ny lakolosin’ny eglizy, dia nazava tamiko fa nanambara ny fahafatesan’ny niharam-pahavoazana hafa iray izany. Izaho ve no ho faty manaraka? Soa ihany fa sitrana aho, nefa olona an-tapitrisany maro no tsy sitrana. Na dia vao valo taona aza aho tamin’izay, dia mbola velona mazava ato amin’ny fitadidiako izany zava-nitranga nampahatahotra teo amin’ny fiainako izany.
Fahalianana aloha be tamin’ny zavatra ara-panahy
Fotoana fohy tatỳ aoriana dia nody mandry i Dadabe. Taorian’ny fandevenana, dia tadidiko i Neny nanatona anay sy ny zandriko vavy teo an-davarangan’ny tranonay. Tsy isalasalana fa mba hanandrana hanalefaka ny fahorianay no nilazany tamin’ny fomba tony hoe: “Tsy maintsy mihantitra sy maty isika rehetra, rankizy.”
Na dia nanambara izany tamim-pahalemem-panahy aza izy, dia nahavery hevitra ahy ny teniny. ‘Mampalahelo izany! Tsy rariny izany!’ hoy aho nieritreritra. Nefa nanjary samy mirana izahay rehefa nanampy teny toy izao i Neny: “Rehefa hiverina indray anefa ny Tompo, dia hanangana ny maty izy, ary tsy ho faty intsony isika!” Nampahery tokoa izany lahy!
Nanomboka teo, dia nanjary liana fatratra aho ny hahafantatra hoe rahoviana marina no hahatongavan’izany fotoana hahasambatra izany. Nanontany olona maro aho, nefa tsy nisy afaka nilaza tamiko momba izany, no sady tsy nisy toa mba liana tamin’ny fandinihana an’ilay raharaha akory aza.
Indray andro, fony aho 12 taona teo ho eo, dia nahazo boky iray avy tamin’ny zokiny lahy, izay nonina tany Etazonia, ny raiko. Nitondra ny lohateny hoe La Harpe de Dieu izy io, ary navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society. Nijery ny loha hevitra tao anatiny aho, ary miramirana rehefa nahita ny toko hoe “Ny Fiverenan’ny Tompontsika”. Namaky azy io tamim-pahalianana aoka izany aho, nefa diso fanantenana fa tsy nisy mihitsy taona nomena ho an’ilay fiverenana. Nilaza anefa ilay boky fa tsy ho lavitra izany.
Tsy ela dia nanomboka nianatra tany amin’ny lise aho ka variana tamin’ny fianarako. Indraindray anefa, ilay dadatoako tany Amerika dia nandefa nomerao tamin’ny Ny Tilikambo Fiambenana, izay nahafaly ahy ny namaky azy. Nanatrika ny sekoly alahady koa aho isaky ny alahady, ary tonga tao sy niresaka taminay matetika ny eveka.
Indray alahady niavaka izay, dia taitaitra aoka izany ilay eveka ary nilaza hoe: “Misy mpitsidika manenika ny tanànantsika amin’ny zavatra vita an-tsoratra manohitra ny finoana.” Nampiseho nomerao iray tamin’ny Ny Tilikambo Fiambenana izy avy eo, ary nampiaka-peo, nanao hoe: “Raha misy aminareo mahita zavatra vita an-tsoratra tahaka itỳ any an-tranony, dia ento any amin’ny eglizy fa hodorako izany.”
Nanelingelina ahy ny toetran’ny feony, nefa nanelingelina ahy lavitra ny toe-tsaina feno lolom-po nananany. Noho izany dia tsy nanaiky ny fangatahany aho. Nanoratra tamin’ny dadatoako anefa aho, ary nangataka mba tsy handefasany intsony zavatra vita an-tsoratra avoakan’ny Watch Tower. Kanefa, mbola nanohy nieritreritra ny amin’ny fiverenan’i Kristy aho.
Mitombo ny faniriana zavatra ara-panahy
Rehefa tonga ny fialan-tsasatra lehibe, dia namoaka ny valiziko aho mba hampirina ny akanjoko. Tany amin’ny fanambaniny dia nisy bokikely telo natontan’ny Fikambanana Watch Tower. Tsy haiko hoe tamin’ny fomba ahoana no tsy nahamarihako azy ireo teo aloha. Nitondra ny lohateny hoe Aiza moa Ireo Maty? ny iray taminy.
‘Toa mahaliana izany’ hoy aho nieritreritra. Na dia tadidiko aza ny fampitandreman’ilay eveka, dia nanapa-kevitra aho ny hamaky ireo bokikely tamim-pitandremana mba hahita izay fahadisoana noheveriko fa tao anatiny. Naka pensilihazo aho ary nanomboka ny fikarohako tamim-pahamalinana. Gaga aho fa ny zavatra rehetra noraketin’ireo bokikely dia toa azon’ny saina ekena, ary nisy andinin-teny voasoratra niaraka tamin’ny fanambarana tsirairay, mba hahafahan’ny mpamaky manamarina ao amin’ny Baiboly.
Koa satria tsy nanana Baiboly izahay, dia nanontany tena aho raha nampiharina tamin’ny fomba diso ireo andinin-teny voasoratra mba hifanentana amin’ny zava-kendren’ireo mpanoratra. Koa nanoratra tamin’ny dadatoako aho, ka nangataka taminy mba handefasany Baiboly feno iray ho ahy. Nanao izany tsy nisy hataka andro izy. Nahavaky izany tanteraka indroa aho, ary na dia betsaka aza ny zavatra tsy azoko tao anatiny, dia nitana ny saiko ny bokin’i Daniela sy ny Apokalypsy. Ta hahatakatra ny hevitr’ireo faminaniana tao anatiny aho, nefa tsy nisy olona afaka nanampy ahy mihitsy.
Niala tamin’ny fianarana aho tamin’ny 1929, ary tsy ela taorian’izay dia nandefasan’ilay dadatoako tany Amerika nomeraon’ny Ny Tilikambo Fiambenana indray aho. Nanomboka nankafy azy ireny bebe kokoa hatrany aho ary nangataka taminy aho mba handefasany azy ireny ho ahy tsy tapaka. Nanomboka niresaka tamin’ny hafa koa momba ny fanantenana ny amin’ny hoavy, izay nianarako tao amin’ireo gazety aho. Nefa tamin’izay, dia niova tamin’ny fomba nanaitra ny fiainako.
Fandrosoana ara-panahy tany Birmania
Ireo anadahin-dreniko dia nifindra honina tany Birmania (Myanma ankehitriny), ary nanapa-kevitra ny fianakaviana fa raha niaraka tamin’izy ireo aho, dia hampitombo ny fanandraman-javatra ho azoko izany ary angamba hanolotra fahafahana ho ahy amin’ny raharaha. Nambabo ny foko foana ny Orient, koa nandrisika ahy ny fanantenana ny handeha tany. Tany Birmania dia nandray foana Ny Tilikambo Fiambenana avy tamin’ny dadatoako aho, nefa tsy nihaona manokana mihitsy tamin’ireo Mpianatra ny Baiboly, anarana niantsoana ireo Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany.
Indray andro, dia nientam-po aho nahita filazana iray tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana momba ny boky Lumière misy boky roa, izay nanazava ny bokin’ny Apokalypsy ao amin’ny Baiboly. Ankoatra izany, dia reko fa ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower tao Bombay, any India, no nikarakara ny asan’ireo Mpianatra ny Baiboly tany Birmania. Nanoratra tany avy hatrany aho mba hangataka ireo boky Lumière, ary koa mba handefasana Mpianatra ny Baiboly avy tany India hitory tatỳ Birmania.
Tonga tamin’ny alalan’ny paositra tamin’ny fomba nalaky ireo boky, ary herinandro teo ho eo tatỳ aoriana, dia nitsidika ahy ireo Mpianatra ny Baiboly birmanina teo an-toerana. Faly aho nahafantatra fa nisy antoko kelin’izy ireo tao Rangoon (Yangon ankehitriny), renivohitr’i Birmania, toerana nonenako. Nanasa ahy izy ireo hanatrika ny fianarana Baiboly fanaony tsy tapaka ary handray anjara amin’ny fitoriana isan-trano koa. Nalaina ihany aho tamin’ny voalohany, nefa tsy ela dia nanomboka nahita fifaliana aho tamin’ny fizarana ny fahalalana ao amin’ny Baiboly tamin’ireo Bodista, ireo Hindoa sy ireo Silamo ary koa ireo Kristiana anarana.
Nandefa mpanompo manontolo andro roa (antsoina hoe mpisava lalana) tao Rangoon tamin’izay ny sampana tany India, i Ewart Francis sy i Randall Hopley. Samy avy tany Angletera izy mirahalahy ireo, nefa nanompo tany India efa hatramin’ny taona maromaro. Nampirisika ahy be dia be izy ireo, ary tamin’ny 1934, dia natao batisa aho ho mariky ny fanoloran-tenako ho an’i Jehovah.
Fanambarana feno herim-po
Taoriana kely, dia nandefa mpisava lalana maromaro kokoa tany Birmania ny sampana tany India. Ny roa tamin’izy ireo, i Claude Goodman sy i Ron Tippin, dia nitsidika ny garan-dalamby iray ary niresaka tamin’i Sydney Coote, ilay lehiben’ny gara. Nandray boky izy io, namaky ireny tanteraka, ary nanomboka nanoratra tamin’i Daisy D’Souza, anabaviny efa nanambady, nipetraka tany Mandalay. Nahita ireo boky ho nahaliana koa izy io ary nangataka maromaro hafa.
I Daisy, izay Katolika nafana fo, dia olona nanana herim-po tsy fahita firy. Nanomboka nitsidika ny mpifanila trano taminy izy ary niresaka tamin’izy ireo momba ny zavatra nianarany. Ary rehefa notsidihin’ny pretra tao amin’ny paroasy, izay nanontany azy ny antony tsy nandehanany tany amin’ny eglizy intsony izy, dia nasehony taminy fa ny Baiboly dia tsy nanohana ireo zavatra nampianariny, toy ny fisian’ny afobe mirehitra iray.
Tamin’ny farany, dia nanontany an’i Daisy izy hoe: “Ahoana moa no hahafahako hilaza amin’izy ireo ankehitriny fa tsy misy ny afobe mirehitra iray, taorian’ireo taona maro nilazana taminy momba ny toerana toy izany? Tsy hisy olona haniry handeha ho any amin’ny eglizy intsony.”
“Raha Kristiana tso-po ianao” hoy i Daisy, “dia hampianatra azy ireo ny fahamarinana, tsy mampaninona izay ho vokany.” Avy eo, dia nanampy teny toy izao izy: “Raha tsy hanao ianao, izaho kosa hanao izany!” Ary izany tokoa no nataony.
Natao batisa tany Rangoon niaraka tamiko i Dick sy i Daisy ary ny zanany vavy roa lehibe. Telo taona tatỳ aoriana, tamin’ny 1937, dia nampakatra an’i Phyllis, zanak’izy ireo vaviaivo aho.
Fandosirana tany India
Nanafika tany Birmania ny tafika japoney nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, ary lavo i Rangoon tamin’ny 8 Martsa 1942. Voatery niala haingana nankany India ireo sivily vahiny. Nisy olona an-jatony maro nanandrana nanao izany namakivaky ireo ala mikitroka, nefa maro no maty teny an-dalana. Sendra nahafantatra manokana ny manamboninahitra iray nikarakara ny fandaozana ny tanàna aho, noho izany dia afaka nahazo karatra fandehanana tamin’ny iray tamin’ireo sambo mpitondra entana farany nandao an’i Rangoon nankany Calcutta. Fotoana nanjombona taminay rehetra ny nandaozana maika be toy izany ny tranonay sy ny ankamaroan’ny fanananay. Teo ambany fifehezan’ny Japoney i Birmania nanomboka tamin’ny 1942 ka hatramin’ny 1945.
Kely sisa ny volanay rehefa tonga tany India izahay, ary tsy mora ny fahitana asa. Nisedra ny finoanay izany. Nifanena tamin’ny manamboninahitra britanika iray aho, ka izy io dia nanolotra ho ahy asa iray izay sady tsy niditra tamin’ny ady no nahazoana vola be, nefa nahafaoka fanompoana tamin’ny naha-tapany tamin’ny fandaminana miaramila izany. Noho ny fanampian’i Jehovah, dia afaka nanda ilay fanolorana aho, ary tamin’izany fomba izany dia nihazona fieritreretana kristiana madio. (Isaia 2:2-4). Tamin’ny fomba hafa koa, dia tsapanay ny tanan’i Jehovah be fitiavana.
Tao New Delhi, renivohitr’i India, izay sarotra aoka izany ny fahazoana trano, no nanorim-ponenana izahay. Kanefa, dia nahita trano fonenana nalalaka iray izahay tao afovoan-tanàna mihitsy. Nisy efitrano fandraisam-bahiny lehibe nanana fidirana nahaleo tena izy io, ary nandritra ireo taona vitsivitsy nanaraka, io efitrano io dia nampiasaina ho toy ny Efitrano Fanjakanan’ny Kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah tao Delhi. Kanefa, noho ny fandrarana ireo zavatra vita an-tsoratra rehetra navoakan’ny Fikambanana Watch Tower, tany India tamin’ny 1941, dia tsy afaka nahazo ireo boky nanazava ny Baiboly izahay.
Fomba nanesorana ny fandrarana
Indray alahadin’ny 1943, ireo izay nanatrika ny fotoam-pivavahana tao amin’ireo eglizy tao Delhi dia nahazo taratasy kely iray nisy sonian’ny mpitondra fivavahana 13 avy tamin’ny eglizy samy hafa. Nampitandrina toy izao izy io: “RY MPONIN’I DELHI, MITANDREMA AMIN’IREO VAVOLOMBELON’I JEHOVAH”. Nampangaina ho voarara tany India noho ny antony ara-politika izahay.
Noho ny fahazoana ny faneken’ny biraon’ny sampana tany Bombay, dia nataonay pirinty ary nozarainay tsy nisy hataka andro ny taratasy kely iray, izay nanala sarona ny klerjy. Koa satria izaho no mpiandraikitra prezidà, dia ny anarako sy ny adiresiko no natao pirinty terỳ amin’ny faran’ilay taratasy kely nosoratana tamin’ny teny mahery. Tsy ela taorian’izay, rehefa nahatratra anay sy i Margrit Hoffman teo am-pizarana ireo taratasy kely ny polisy, dia nosamborina izahay ka natao tany an-tranomaizina. Tsy ela anefa izahay dia nafahana rehefa nandoa antoka.
Tatỳ aoriana, nandritra ny fitoriany, dia nitsidika ny tranon’i Sir Srivastava, minisitra fantatra tsara tao amin’ny kabinetran’ny governora tany India, i Margrit. Nandray azy tsara i Sir Srivastava, ary nandritra ny dinidinika dia nilaza taminy i Margrit fa norarana tsy ara-drariny tany India ny zavatra vita an-tsoratra avoakantsika. Tamin’io andro io ihany koa i Margrit dia tojo mpikambana iray tao amin’ny parlemanta, avy any amin’ny fanjakan’i Madras. Tonga tao an-tanàna izy mba hanatrika ny fivorian’ny parlemanta. Nolazain’i Margrit taminy ny tsy naha-ara-drariny ny fandrarana natao tamin’ny zavatra vita an-tsoratra avoakantsika, ary nampanantena izy fa hampipoitra an’ilay fanontaniana amin’izay fivoriana hanaraka.
Tamin’izany fotoana izany aho dia niasa toy ny physiothérapiste tao amin’ny hopitaly iray teo an-toerana. Sendra naratra i Sir Srivastava ary nirahin’ny hopitaly aho hijery raha toa ka mety hanampy azy ny physiothérapie. Hitako ho olona tsara fanahy i Sir Srivastava, ary rehefa nitapatapakahitra teo izahay dia voalazako tsy nahy fa izahay sy i Ramatoa Hoffman dia nafahana tao an-tranomaizina rehefa nandoa antoka. Nanazava aho fa noho ny faneren’ny klerjy no nahatonga ny bokinay manazava ny Baiboly ho voarara noho ny antony ara-politika, nefa tsy nanao politika velively izahay. Ny solontenan’ny sampana nisy anay, i Edwin Skinner, hoy aho nanohy ny teniko, dia nangataka fihaonana mba hanazava ny toeranay, nefa nolavina izy.
Roa andro tatỳ aoriana, dia nilaza tamiko toy izao i Sir Srivastava: “Atoa Jenkins [ilay manam-pahefam-panjakana izay tsy nankasitraka ny asantsika] dia handeha hisotro ronono ao anatin’ny andro vitsivitsy, ary i Sir Francis Mudie no handray ny toerany. Ilazao Atoa Skinner mba hankatỳ, ary hampahafantatra azy amin’i Sir Francis aho.”
Nandamina ilay fihaonana araka ny nampanantenainy i Sir Srivastava. Nandritra izany, dia nilaza tamin’ny rahalahy Skinner toy izao i Sir Francis Mudie: “Tsy afaka mampanantena na inona na inona anao aho, nefa hamotopototra ny amin’ilay raharaha aho.” Koa satria tsy maintsy hisokatra tao anatin’ny andro vitsivitsy ny parlemanta, dia nijanona ny rahalahy Skinner mba hahita izay ho fiafarany. Araka ny nambarany marina tokoa, dia nitsangana ilay parlemantera avy any Madras ka nanontany toy izao: “Marina ve fa norarana noho ny antony ara-politika ny zavatra vita an-tsoratra avoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society?”
“Tsia, nampiharina noho ny antony fiarovana ilay fandrarana”, hoy ny navalin’i Sir Francis Mudie, “nefa nanapa-kevitra ny hanafoana ny fandrarana ankehitriny ny fitondram-panjakana.”
Fotoana nampientam-po ho anay tokoa ny fandrenesana izany vaovao izany! Herinandro tatỳ aoriana, dia nahazo taratasy iray nanamafy ny fifaranan’ny fandrarana ny biraon’ny sampana tany Bombay.
Fiverenana tany Birmania ravan’ny ady
Niverina tany Birmania ny fitondrana britanika taorian’ny Ady Lehibe Faharoa, ary Vavolombelona folo izahay no niverina tany Rangoon, volana vitsivitsy tatỳ aoriana. Nahafaly anay ny nihaona indray tamin’ireo Vavolombelona vitsivitsy sisa teo an-toerana. Nahonena ny toe-piainana nisy tao amin’ilay tany. Tsy nisy niasa ireo sampan-draharaham-bahoaka, tao anatin’izany ny fanomezana aratra sy ny fitateram-bahoaka. Noho izany, dia nividy jipy iray tamin’ny miaramila izahay ary nampiasa azy io tamin’ny fomba tsara, tamin’ny fitaterana ny olona hankany amin’ny fivoriana, izay nalaminay tsy ela taorian’ny fiverenanay.
Nisy lehilahy liana iray nanome anay tany, ary noho ny fanampian’ireo olona tsara fanahy tao amin’ilay faritra, dia nanangana Efitrano Fanjakana iray lehibebe ihany izahay. Natao tamin’ny andry volotsangana matanjaka sy rindrina vita tamin’ny volotsangana norarina ary tafo bozaka ilay izy. Tao, ny Aprily 1947, no nanaovan’i Nathan H. Knorr, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower tamin’izany fotoana izany, sy i Milton G. Henschel mpitantsorany, lahateny nandritra ny fitsidihany tany Rangoon. Vavolombelona 19 izahay eran’i Birmania tamin’izay. Nefa ny lahateny ampahibemaso nataon’ny Rahalahy Knorr tao amin’ny Teatira New Excelsior dia natrehin’ny olona 287!
Nanorim-ponenana teto Aostralia izahay
Tamin’ny 4 Janoary 1948, dia nomen’i Grande-Bretagne fahaleovan-tena i Birmania, ary nihevitra ny ankamaroan’ireo Eoropeana fa tsaratsara kokoa ny mandao ilay tany. Rehefa avy nandinika tao amin’ny vavaka izahay sy i Phyllis, dia nanapa-kevitra ny hitondra ny zanakay vavy ary hifindra honina eto Aostralia. Teto Perth, renivohitr’i Aostralia Andrefana no nanorim-ponenana izahay.
Fotoana tena nanjombona ho anay ny fandaozana indray an’i Birmania, ary tamin’itỳ indray mitoraka itỳ dia amin’ny fomba maharitra. Indraindray izahay dia nahazo vaovao avy tamin’ireo olon-tiana tany, ary nahafaly anay ny nahafantatra fa nandroso tamin’ny fomba mafy orina ny asan’ilay Fanjakana tany amin’io tany io.
Nanomboka tamin’ny 1978, ary nandritra ny efa-taona, dia nanana fifaliana nanompo ireo kongregasiona rehetra miteny grika tany amin’ireo tanàn-dehibe aostraliana izahay. Nidika ho fanaovana dia lavitra be izany, satria maherin’ny 4 200 kilaometatra avy eo amin’ny moron-tsiraka andrefana mankamin’ny moron-tsiraka atsinanan’io tany midadasika io izany. Fotoana kelikely tatỳ aoriana, noho ny toe-tany, izay tsy mitovy tanteraka avy eo amin’ny fanjakana iray mankamin’ny hafa, dia nihaosa ny fahasalamanay. Koa niverina izahay, honina indray eto Perth, toerana anompoako hatrany amin’ny maha-loholona ao amin’ny iray amin’ireo kongregasiona 44 eto an-tanàna.
Rehefa nandalo ireo taona, dia nihena hatrany ny fahitako ka nanjary nanahirana ny famakian-teny. Kanefa, na dia eo aza ireo zava-manahirana ara-pahasalamana, dia mbola tanora ny fonay. Andrasanay amim-pitokiana ilay andro mahasambatra, izay hahitan’ireo rehetra matahotra an’i Jehovah ny fahazavan’ny masoandrom-pankasitrahany “hiposaka, hitondra fanasitranana ao amin’ny elany; ary hivoaka tokoa [isika] ka hitoto tany toy ny zanak’omby mifahy”. — Malakia 4:2, NW [3:2, MG].a
[Fanamarihana ambany pejy]
a Tamin’ny 13 Desambra 1992, raha teo am-pamitana azy itỳ tantaram-piainana itỳ, dia nody mandry ny Rahalahy Tsatos.
[Sary, pejy 24]
Ny fianakaviako niaraka tamin’ny Rahalahy Henschel sy Knorr tamin’ny 1947, tany Birmania (Myanma)
[Sary, pejy 25]
I Basil Tsatos sy i Phillis vadiny, tany Aostralia