Manàna Fiheverana Mety ny Amin’ny Famindram-pon’Andriamanitra
TSARA fanahy sy be fiahiana ilay dokotera. Araka izay noheveriny fa mety indrindra, dia faran’izay nila fandidiana ilay vehivavy marariny mba hamonjena ny ainy. Rehefa nisalasala izy io ka nampipoitra ilay raharaha nahatonga ady hevitra momba ny fampidiran-dra, dia taitra ilay dokotera. Rehefa nanazava ilay marary fa noho ny antony ara-pivavahana dia tsy afaka nanaiky fandidiana izay nisy fampidiran-dra izy, dia tankina ilay dokotera. Namaky loha nieritreritra izay fomba hanampiana ilay marary izy. Farany dia nihevitra izy fa nahita fomba iray. Hoy izy: “Fantatrao fa raha tsy manaiky fampidiran-dra ianao dia ho faty. Tsy maniry izany ianao, sa tsy izany?”
“Mazava ho azy fa tsy maniry izany aho”, hoy ilay marariny.
“Kanefa raha manaiky fampidiran-dra ianao, izany dia toa handika ireo zavatra inoanao ara-pivavahana, izay zava-dehibe koa ho anao. Inty àry misy soso-kevitra. Nahoana raha manaiky fampidiran-dra ka amin’izany dia hamonjy ny ainao. Avy eo dia hibaboka amin’Andriamanitra fa nanota ianao, ary hibebaka. Amin’izany fomba izany dia ho tafaverina ao amin’ny fivavahanao koa ianao.”
Nihevitra ilay dokotera tsara fikasa fa nahita ny valiny lavorary izy. Fantany fa ilay marariny dia nino Andriamanitra iray be famindram-po. Azo antoka fa fahafahana mety tsara hanararaotana ny famindram-pon’Andriamanitra ilay izy! Moa ve anefa azon’ny saina ekena toy ny toa fandrenesana azy ilay soso-keviny?
Efa mba nanjohy hevitra toy izany ve isika?
Indraindray isika dia manjohy hevitra amin’ny fomba toy ny an’ilay dokotera. Angamba isika matahotra fipoahan’ny fanenjehana tsy ampoizina any an-tsekoly na any am-piasana. Na mety ho ao anatin’ny tarehin-javatra mahasanganehana anerena antsika hanao zavatra izay handika ny feon’ny fieritreretantsika isika. Rehefa tojo zavatra tsy nampoizina isika, dia mety hirona hifidy ny lalana mora indrindra ka hanao izay fantatsika fa ratsy, amin’ny fikendrena ny hangataka famindram-po any aoriana.
Na misy olona koa mety halaim-panahy noho ny fironan-dratsiny manokana. Ny tovolahy iray, ohatra, dia mety ho ao anatin’ny tarehin-javatra izay mahatonga azy halaim-panahy mafy hanao fitondran-tena maloto. Tsy miady amin’ilay fanirian-dratsy izy fa mety hanaiky ho resy, amin’ny fikendrena ny hanamboamboatra ilay raharaha amin’Andriamanitra atỳ aoriana. Ny sasany aza dia tonga hatramin’ny fanaovana ota lehibe mihitsy na dia fantany aza fa azo inoana hahavoaroaka azy hiala amin’ny kongregasiona kristiana izany. Toa nanjohy hevitra toy izao izy ireo: ‘Avelako aloha handeha kelikely ny fotoana. Avy eo dia hibebaka aho, ary ho tafaverina indray.’
Ireo tarehin-javatra rehetra ireo dia manana zavatra roa iombonana. Voalohany, manaiky ho resy ireo olona fa tsy miady mafy mba hanao izay tsara. Faharoa, mihevitra izy ireo fa rehefa avy nanao ratsy izy, dia hamela azy avy hatrany Andriamanitra raha vao mangataka izany fotsiny izy.
Inona no fiheverana mety?
Moa ve izany mampiseho fahatakarana araka ny tokony ho izy ny famindram-pon’Andriamanitra? Eritrereto vetivety ange ny amin’io famindram-po io e. Hoy i Jesosy: “Toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16). Nanazava ny fiasan’izany famindram-po izany ny apostoly Jaona rehefa nilaza hoe: “Izany zavatra izany no soratako aminareo mba tsy hanotanareo. Ary raha misy manota, dia manana Solovava ao amin’ny Ray isika, dia i Jesosy Kristy, Ilay Marina”. (1 Jaona 2:1). Noho izany, raha latsaka ao anatin’ny ota noho ny tsy fahatanterahana isika, dia afaka manatona an’Andriamanitra amin’ny vavaka, ary mangata-pamelana miorina amin’ny soron’i Jesosy.
Midika ve anefa izany fa tsy mampaninona na manota isika na tsia, raha mbola mangataka famelan-keloka ihany isika rehefa avy eo? Tsy izany velively. Tsarovy ireo teny voalohany amin’io teny nalaina io: “Izany zavatra izany no soratako aminareo mba tsy hanotanareo.” Ireo tenin’i Jaona fanampiny ao amin’io andinin-teny io dia mampiseho ny fandaharana mampiseho fitiavana nataon’i Jehovah mba hikarakarana ny tsy fahatanterahantsika. Na dia izany aza, dia voatery miady mafy araka izay azontsika atao isika mba hialana amin’ny fanotana. Raha tsy izany, dia haneho tsy fanajana mampahonena ny fitiavan’Andriamanitra isika, mitovitovy amin’ireo izay nolazain’i Joda ho nampiasa ny hatsaram-panahin’Andriamanitra ho an’izay tsy mendrika akory ho fanalana tsiny ny fitondran-tenany tsy voafehy. — Joda 4, NW.
Ny fiheverana ny famindram-pon’Andriamanitra ho toy ny karazana harato fiarovana iray, izay hitanty antsika mandrakariva na inona na inona ataontsika, dia fanaovana tsinontsinona ny famindram-pon’Andriamanitra, ary mahatonga hihevitra fa tsy ratsy velively ny ota. Tsy izany velively no fahamarinana. Nilaza tamin’i Titosy ny apostoly Paoly hoe: “Fa efa miseho ny [hatsaram-panahin’Andriamanitra ho an’izay tsy mendrika akory, NW ], izay famonjena ny olona rehetra, mampianatra antsika handa izay toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra sy ny filan’izao tontolo izao ary ho velona amin’ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’izao fiainana ankehitriny izao”. — Titosy 2:11-12.
Nampiseho ny fankasitrahany ny famindram-pon’Andriamanitra i Paoly tamin’ny fomba niadiany mafy tamin’ny tsy fahatanterahany manokana. Hoy izy: “Fa asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao, na dia efa nitory tamin’ny sasany aza aho, dia holavina kosa ny tenako.” (1 Korintiana 9:27). I Paoly dia tsy nihevitra tamim-panamaivanana fotsiny hoe natao hanota ny tenany indraindray. Tokony hanao izany ve isika?
Fomba fiheveran’i Jesosy
Indray mandeha i Jesosy dia nampiseho ny fomba fijeriny ilay hevitra momba ny fampileferana izay tsara, ary ny fifidianana lalana mora kokoa mba hialana amin’ny fijaliana. Rehefa nanomboka nilaza tamin’ireo mpianany ny amin’ny fahafatesany ho sorona ho avy izy, dia nanandrana nanakana azy i Petera tamin’ny filazana hoe: “Sanatria aminao izany [“Mbà tsara fanahy amin’ny tenanao”, NW ], Tompoko! Tsy ho aminao tokoa izany!” Nanao ahoana ny fihetsik’i Jesosy? “Mankanesa ato ivohoko, ry Satana; fahatafintohinana amiko hianao, satria tsy misaina izay an’Andriamanitra hianao, fa izay an’ny olona.” — Matio 16:22, 23.
Ilay fitenenana mahery nataon’i Jesosy tamin’i Petera dia nampiseho tamin’ny fomba nanaitra fa nolaviny ny fifidianana lalana mora izay nahatafiditra fanoherana ny sitrapon’Andriamanitra. Asehon’ny fitantarana fa tsy nihozongozona izy nanaraka ny lalana marina, nizaka fampijalijaliana tsy an-kijanona avy tamin’i Satana. Tamin’ny farany dia nesoina izy, nokapohina mafy, ary niaritra fahafatesana nahafadiranovana. Na dia izany aza, dia tsy nanaiky lembenana izy, ary noho izany dia afaka nanolotra ny ainy ho avotra ho antsika. Azo antoka fa tsy niaritra izany rehetra izany izy mba hahafahantsika ho ‘tsara fanahy amin’ny tenantsika’ rehefa mipoitra ny fahasahiranana na fakam-panahy!
Izao no lazaina momba an’i Jesosy: “Tianao ny fahamarinana fa halanao ny [tsy fankatoavan-dalàna, NW ]”. (Hebreo 1:9). Ny fifidianana ny lalana mora mazàna dia mahatafiditra tsy fankatoavan-dalàna. Noho izany, raha mankahala izany marina isika — toy ny nataon’i Jesosy — dia holavintsika mandrakariva ny fanekena lembenana. Miteny toy izao i Jehovah ao amin’ny bokin’ny Ohabolana: “Anaka, hendre, ary ampifalio ny foko, mba hamaliako izay miteny ratsy ahy.” (Ohabolana 27:11). Ny fahamarinan’i Jesosy izay voalanjalanja kanefa tsy nisy fanekena lembenana dia nitondra fifaliana lehibe ho an’ny fon’i Jehovah. Afaka manome fahafinaretana toy izany ho an’i Jehovah koa isika raha manaraka ny fiainam-pahatokiana nananan’i Jesosy. — 1 Petera 2:23.
Ampiofanin’ny fiaretana
Nanoratra toy izao ny apostoly Petera: “Izany no iravoravoanareo, na dia ampalahelovina vetivety ankehitriny amin’ny fakam-panahy maro samy hafa aza hianareo, raha tsy maintsy hisy izany, mba ho hita ho fiderana sy voninahitra ary fankalazana ny fizahan-toetra ny finoanareo (izay tsara lavitra noho ny volamena mety ho simba, na dia voazaha toetra tamin’ny afo aza), dia amin’ny hisehoan’i Jesosy Kristy”. (1 Petera 1:6, 7). Noho isika tsy tanteraka sy miaina eo anivon’izao tontolo izaon’i Satana, dia hiatrika fitsapana sy fakam-panahy tsy an-kijanona isika. Araka ny asehon’i Petera, izany dia afaka miasa ho amin’ny fikasana tsara. Izy ireny dia misedra ny finoantsika, ka mampiseho na osa na matanjaka izy io.
Natao hampiofanana antsika koa izy ireny. “Nianatra [fankatoavana, NW ] tamin’izay fahoriana nentiny” i Jesosy. (Hebreo 5:8). Isika koa dia afaka mianatra fankatoavana, ary koa fianteherana amin’i Jehovah, raha miaritra ao anatin’ny fitsapana isika. Ary izany fomba fianarana izany dia hitohy mandra-pahavitany, araka ny voalazan’i Petera hoe: “Andriamanitra (...) mihitsy no hamita ny fampiofanana anareo, hampiorina mafy anareo izy, hanatanjaka anareo izy.” — 1 Petera 5:10, NW.
Raha manaiky lembenana anefa isika ao anatin’ny fitsapana, dia hiseho ho kanosa na ho malemy isika, tsy hanana fitiavana mahery an’i Jehovah sy ny fahamarinana, na tsy hanana fifehezan-tena. Ny fahalemena toy izany, na inona izy na inona, dia mahatandindomin-doza lehibe ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra. Marina tokoa fa mety ho tanteraka amintsika ilay fampitandreman’i Paoly hoe: “Fa raha minia manota isika rehefa nahazo ny fahalalana tsara ny marina, dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony”. (Hebreo 10:26). Ho tsara kokoa toy inona moa raha tsy manota hatrany am-boalohany toy izay hanaiky ho resin’ny fahalemena ary mety hamoy ny fanantenana rehetra ho amin’ny fiainana!
Fahatokiana tsy misy fepetra
Tamin’ny andron’ny mpaminany Daniela, dia nisy Hebreo telo norahonana ho faty tamin’ny afo raha tsy nanompo sampy iray. Inona no navalin’izy ireo? “Indro, Andriamanitra Izay tompoinay dia mahavonjy anay amin’ny lafaoro misy afo mirehitra sady hamonjy anay amin’ny tànanao, ry mpanjaka ô. Ary na dia tsy izany aza, aoka ho fantatrao, ry mpanjaka ô, fa ny andriamanitrao dia tsy hotompoinay, ary ny sariolona volamena efa natsanganao dia tsy hivavahanay.” — Daniela 3:17, 18.
Nitana izany toerana izany izy ireo satria naniry hanao izay tsara. Raha nitarika ho amin’ny fahafatesan’izy ireo moa izany, dia atao ahoana moa. Tao amin’ny fananganana amin’ny maty ny tokin’izy ireo. Raha namonjy azy ireo kosa Andriamanitra, dia arahaba soa, arahaba tsara. Ny toerana hentitra notanan’izy ireo anefa dia tsy nisy fepetra. Tokony ho toy izany foana no izy amin’ireo mpanompon’Andriamanitra.
Amin’izao androntsika izao, ny sasany izay tsy nety nanaiky lembenana dia natao an-tranomaizina, nampijalijalina, novonoina ho faty mihitsy aza. Ny hafa nanao sorona zavatra ara-nofo, nifidy ny hitoetra ho mahantra, toy izay hanan-karena kanefa hanao sorona ireo fotopoto-pitsipika marina. Inona no nitranga tamin’ilay vehivavy kristiana voatonona teo am-piandohan’itỳ lahatsoratra itỳ? Nankasitraka ny antony feno hatsaram-panahy saingy diso fiantefa nanosika an’ilay dokotera izy, kanefa dia tsy nampileferiny ny finoany. Ny fanajany ny lalàn’i Jehovah kosa aza, dia nahatonga azy handa ilay fandidiana. Soa ihany fa sitrana ihany izy, ary nanohy tamim-paharisihana nanompo an’i Jehovah. Rehefa nilaza tamin’ny fomba hentitra ny toerana notanany anefa izy, dia tsy nahafantatra izay ho fiafaran’izany, kanefa dia vonona ny hametraka ny zava-drehetra teo an-tanan’i Jehovah izy.
Inona no nanampy azy hitoetra ho hentitra tao anatin’ny fanerena? Tsy nanandrana niantehitra tamin’ny herin’ny tenany izy, ary na iza na iza mpanompon’Andriamanitra, dia tsy tokony hanao izany koa. Tsarovy fa “Andriamanitra no aro sy hery ho antsika; mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy”. (Salamo 46:1). Tsy ho tsara kokoa ve ny mitodika any amin’Andriamanitra mba hitady fanampiana rehefa ao anatin’ny fitsapana, toy izay hanota ary avy eo dia hitodika any aminy mba hitady famindram-po?
Eny, aoka isika tsy hanao tsinontsinona na oviana na oviana ny famindram-pon’Andriamanitra lehibe. Fa aoka kosa isika hampitombo faniriana tena izy hanao izay tsara, na dia eo anatrehan’ny fahasahiranana aza. Izany dia hahatonga ny fifandraisantsika amin’i Jehovah ho lalina kokoa, hanome antsika ilay fiofanana ilaintsika ho amin’ny fiainana mandrakizay, ary hampiseho fanajana araka ny tokony ho izy ny famindram-pon’Andriamanitra. Ny fitondran-tena mampiseho fahendrena toy izany dia hitondra fifaliana ho an’ny fon’ilay Raintsika any an-danitra.
[Sary, pejy 24]
Nanampy ireo Hebreo telo hitana ny tsy fivadihany ny fatokiana tanteraka ny fananganana amin’ny maty