Ireo Mpitondra ny Faharatsiana
NY FANAZAVAN’NY Baiboly ny anjara asan’ireo demonia eo amin’ny raharahan’olombelona dia manazava fanontaniana fototra mikasika ny faharatsiana, dia fanontaniana tsy ho azo novaliana raha tsy izany. Hevero, ohatra, itỳ filazana avy tamin’ny International Herald Tribune itỳ, mikasika ny ady amin’izao andro izao any amin’ireo tany Balkans: “Ny antokona mpanadihady iray avy amin’ny Firaisambe Eoropeana dia nanao fanatsoahan-kevitra fa [ireo miaramila] dia nisavika vehivavy sy ankizivavy miozilimanina hatramin’ny 20 000 (...) ho isan’ny tetik’asa fampihorohoroana faobe natao hampitahorana sy hanakiviana ary hanerena azy ireo handao ny fonenany.”
Nanandrana nanazava ilay toe-javatra tamin’ny fomba tsy nandresy lahatra toy izao ny lahatsoratra iray tao amin’ny gazetiboky Time: “Indraindray, ireo tovolahy any an’ady dia mety hisavika mba hampifaliana ireo zokiny kokoa, dia ireo manamboninahitra, sy mba hahazoana karazana fankasitrahan’ny ray ny zanany. Ilay fisavihana dia porofon’ny fiandaniana amin’ny fahasiahan’ilay antoko-miaramila misy azy. Ny tovolahy iray vonona ny hanao zavatra mahatsiravina, dia mampangina ny feon’ny fieritreretany manokana mba hiombonana amin’ny fikasana tsy milefitr’ilay antoko. Ny lehilahy iray dia manamafy ny tsy fivadihany amin’ny fampisehoana habibiana.”
Nahoana anefa ny “fikasana tsy milefitr’ilay antoko” no ambany kokoa noho ny feon’ny fieritreretan’ny tsirairay amin’ireo mpikambana ao aminy? Isam-batan’olona, ny rehetra dia samy maniry ny hiaina amim-pihavanana miaraka amin’ny mpiara-monina aminy. Koa nahoana ny olona no misavika sy mampijalijaly ary mifamono amin’ny fotoan’ny ady? Ny antony fototra dia hoe: Miasa ireo herin’ny demonia.
Ny fahatakarana ny anjara asan’ny demonia dia manome ala olana koa ho an’ilay antsoin’ny sasany hoe “zava-manahirana ny teolojiana”. Ilay zava-manahirana dia ny fomba hampifanarahana soso-kevitra telo: 1) mahery Andriamanitra; 2) be fitiavana sy tsara Andriamanitra; ary 3) misy zavatra mahatsiravina mitranga. Mihevitra ny sasany fa azo atao ny mampifanaraka ny roa amin’ireo soso-kevitra ireo, kanefa tsy azo ampifanarahina mihitsy izy telo. Ny Tenin’Andriamanitra mihitsy no manome ny valiny, ary izany valiny izany dia mahatafiditra an’ireo fanahy tsy hita maso, ireo mpitondra ny faharatsiana.
Ilay mpikomy voalohany
Lazain’ny Baiboly amintsika fa Andriamanitra mihitsy dia fanahy (esprit). (Jaona 4:24). Tatỳ aoriana izy dia tonga Mpamorona fisiana ara-panahy hafa an-tapitrisany maro, dia zanaka anjely. Tao anatin’ny fahitana iray, i Daniela mpanompon’Andriamanitra, dia nahita anjely zato tapitrisa. Ireo persona ara-panahy rehetra noforonin’i Jehovah dia marina sy nifanaraka tamin’ny sitrapony avokoa. — Daniela 7:10; Hebreo 1:7.
Tatỳ aoriana, rehefa “nanorina ny tany” Andriamanitra, dia “niara-nihira” sy “nihoby avokoa” ireny anjely zanak’Andriamanitra ireny. (Joba 38:4-7). Namboly faniriana handrombaka ho an’ny tenany ilay fanompoam-pivavahana tokony homena ara-drariny ny Mpamorona anefa ny iray tamin’izy ireo. Tamin’ny fikomiany tamin’Andriamanitra, io anjely io dia nanao ny tenany ho satana (dikany: “mpanohitra”) sy ho devoly (dikany: “mpanendrikendrika”). — Ampitahao amin’ny Ezekiela 28:13-15.
Rehefa nampiasa menarana iray tao Edena i Satana mba hiresaka tamin’i Eva, ilay vehivavy voalohany, dia nandresy lahatra azy izy mba tsy hankato ilay didy nivantana nomen’Andriamanitra tsy hihinanana tamin’ny voan’ny hazo iray tao amin’ilay saha. Nanaraka azy ny vadiny taorian’izay. Araka izany dia nanaraka ilay anjely tamin’ny fikomiany tamin’i Jehovah ilay mpivady olombelona voalohany. — Genesisy 2:17; 3:1-6.
Na dia toa fianarana mazava tsara momba ny fankatoavana aza ireo zava-nitranga tany Edena, dia nisy raharaha niadian-kevitra momba ny fitondran-tena roa napoitran’i Satana tamin’izay. Voalohany, dia notoherin’i Satana ny naha-ara-drariny ny fampiharan’i Jehovah ny fanapahany teo amin’ny zavaboariny sy ny fitondran’izany tombontsoa tsara indrindra ho azy ireo. Angamba ny olombelona afaka nanao asa tsara kokoa tamin’ny fanapahany ny tenany. Faharoa, dia nataon’i Satana izay hisalasalana ny amin’ny fitoeran’ireo zavaboary manan-tsaina ho mahatoky sy tsy mivadika amin’Andriamanitra rehefa toa tsy mitondra tombony ara-nofo ny fankatoavana.a
Ny fahatakarana mazava tsara ireo raharaha niadian-kevitra nipoitra tany Edena, miaraka amin’ny fahalalana ireo toetran’i Jehovah, dia manampy antsika hahatakatra ny ala olana amin’ilay “zava-manahirana ny teolojiana”, izany hoe ny fampifanarahana ny fisian’ny faharatsiana amin’ireo toetran’Andriamanitra, dia ny hery sy ny fitiavana. Na dia marina aza fa manan-kery tsy voafetra sy sary velona mampiseho ny fitiavana i Jehovah, dia hendry sy manao ny rariny koa izy. Mampihatra ireo toetra efatra ireo amim-pahaiza-mandanjalanja tanteraka izy. Noho izany, dia tsy nampiasa ny heriny tsy hay tohaina tamin’ny fandringanana ireo mpikomy telo ireo avy hatrany izy. Ho ara-drariny izany, kanefa tsy voatery hampiseho fahendrena na fitiavana. Ankoatra izany, dia tsy namela heloka sy nanadino fotsiny izy, dia lalana izay mety hoheverin’ny sasany fa safidy mampiseho fitiavana. Ny fanaovana izany dia tsy ho nampiseho fahendrena na ny rariny.
Nilaina ny fotoana mba handaminana ireo raharaha niadian-kevitra izay napoitran’i Satana. Nilana fotoana ny fanaporofoana raha afaka nanapa-tena araka ny tokony ho izy tsy niankina tamin’Andriamanitra ny olombelona. Tamin’ny famelana ireo mpikomy telo ho velona hatrany, dia nataon’i Jehovah koa izay hahafahan’ny zavaboary handray anjara amin’ny fanaporofoana fa lainga ny fihamboan’i Satana, amin’ny fanompoana an’Andriamanitra amim-pahatokiana ao anatin’ny tarehin-javatra sarotra.b
Nilaza mazava tsara tamin’i Adama sy i Eva, i Jehovah fa raha nihinana tamin’ilay voankazo voarara izy ireo, dia ho faty. Ary dia maty tokoa izy ireo, na dia nanome toky an’i Eva aza i Satana fa tsy ho faty izy. Eo ambanin’ny fanamelohana ho faty koa i Satana; mandra-pahatongan’izany dia manohy mamitaka ny taranak’olombelona izy. Raha ny marina, dia hoy ny Baiboly: “Izao tontolo izao (...) mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa.” — 1 Jaona 5:19; Genesisy 2:16, 17; 3:4; 5:5.
Anjely hafa nikomy
Tsy ela taorian’ireo zava-nitranga tao Edena, dia nisy anjely hafa nikomy koa tamin’ny fiandrianan’i Jehovah. Milaza toy izao ny Baiboly: “Ary raha vao nihamaro ny olona tambonin’ny tany ka niteraka zazavavy maro, dia hitan’ny zanak’Andriamanitra fa tsara tarehy ny zanakavavin’ny olona; ka dia nifidy vady ho azy tamin’izy rehetra araka izay tiany izy.” Raha lazaina amin’ny teny hafa, ireny anjely ireny dia “nandao ny fonenany [tany an-danitra]” ary tonga teto an-tany sy nitafy vatan’olombelona ary nankafy fahafinaretan’ny nofo tamim-behivavy. — Genesisy 6:1, 2; Joda 6.
Mitohy toy izao ilay fitantarana ao amin’ny Genesisy 6:4: “Ny Nefilima nitoetra tambonin’ny tany tamin’izany andro izany, sy taorian’izany koa, raha nivady tamin’ny zanakavavin’ny olona ny zanak’Andriamanitra, ka niterahany; ireo no ilay olo-mahery hatrizay ela izay, dia ny lehilahy nanan-daza.” Ireo zanaka metisy nateraky ny vehivavy tamin’ny anjely ireo dia natanjaka tamin’ny fomba tsy ara-dalàna, “olo-mahery”. Izy ireo dia lehilahy nahery setra, na Nephi·limʹ, teny hebreo izay midika hoe “izay mahatonga ny hafa hianjera”.
Tsara homarihina fa ireo zava-nitranga ireo dia hita ao amin’ny anganon’ireo sivilizasiona fahiny. Ny angano babyloniana iray efa 4 000 taona, ohatra, dia milazalaza ny amin’ireo asa lehibe feno fahasahiana nataon’i Gilgamesh, izay sady olona no andriamanitra matanjaka sy mahery setra iray, ka ny “faniriany [dia tsy namela] hisy virjiny ho an’ilay tia azy”. Ohatra hafa iray avy amin’ny angano grika, i Hercule (na Héraclès), lehilahy mahery noho ny olombelona. Naterak’i Alcmène, olombelona izy ary nanana an’i Zeus andriamanitra ho ray. Nanomboka nanao herisetra nitohitohy i Hercule rehefa avy namono nahafaty ny vady aman-janany tao anatin’ny fipoahan’ny hadalana iray. Na dia niovaova be aza ireny angano ireny arakaraka ny niampitampitan’izany tamin’ireo taranaka nifandimby, dia misy ifandraisany amin’izay lazain’ny Baiboly momba ny Nefilima sy ireo anjely rainy mpikomy izany.
Noho ny fitaoman’ireo anjely ratsy fanahy sy ireo zanany mahery noho ny olombelona no nahatonga ny tany ho feno herisetra aoka izany ka nanapahan’i Jehovah hevitra ny handringana izao tontolo izao tamin’ny safodrano lehibe iray. Maty niaraka tamin’ireo olombelona tsy tia an’Andriamanitra ny Nefilima; ny hany olombelona tafita velona dia i Noa, lehilahy marina, sy ny ankohonany. — Genesisy 6:11; 7:23.
Tsy maty anefa ireo anjely ratsy fanahy. Nampanjavona ny vatan’olombelona nananany izy ireo ary niverina tany amin’ny faritra ara-panahy. Noho ny tsy fankatoavany, dia tsy navela hiverina tao amin’ny fianakavian’Andriamanitra nisy ny anjely marina izy ireo; tsy navela haka vatan’olombelona toy ny nataony tamin’ny andron’i Noa koa izy ireo. Na dia izany aza, dia manohy mampihatra fitaomana manimba eo amin’ny raharahan’ny olombelona ihany izy ireo, eo ambanin’ny fahefan’ilay “lohan’ny demonia”, dia i Satana Devoly. — Matio 9:34; 2 Petera 2:4; Joda 6.
Fahavalon’ny taranak’olombelona
Tia mamono olona sy lozabe foana i Satana sy ireo demonia. Tamin’ny fomba maro samihafa, dia nesorin’i Satana ny biby fiompin’i Joba ary novonoiny ny ankamaroan’ny mpanompony. Nanaraka izany izy dia namono ny zanak’i Joba folo mianadahy tamin’ny fandefasana “rivotra mahery” mba handravana ny trano nisy azy ireo. Taorian’izany i Satana dia namely an’i Joba tamin’ny ‘vay ratsy hatramin’ny faladiany ka hatramin’ny tampon-dohany’. — Joba 1:7-19; 2:3, 7.
Mampiseho fironana ho amin’ny ratsy toy izany koa ireo demonia. Tamin’ny andron’i Jesosy, izy ireo dia nanaisotra tamin’ny olona ny fahaizany miteny sy ny fahitany. Nataon’izy ireo izay hitetehan’ny lehilahy iray ny tenany tamin’ny vato. Nanjera zazalahy iray tamin’ny tany izy ireo ary “nampifanintontsintona azy”. — Lioka 9:42; Matio 9:32, 33; 12:22; Marka 5:5.
Asehon’ireo tatitra maneran-tany fa be hasomparana mbola tsy nisy toy izany i Satana sy ireo demonia. Asiany amin’ny aretina ny olona sasany. Ny hafa ampijalijaliny amin’ny tsy famelana azy hatory na amin’ny fanomezana azy ireo nofy mahatsiravina na amin’ny fisavihana azy ireo. Misy hafa koa nataon’izy ireo lasa adala, na nasainy namono olona, na namono tena.
Mandra-pahoviana ny fisian’izy ireo no holeferina?
Tsy holeferina mandrakizay akory ny fisian’i Satana sy ny demoniany. Nanana antony tsara i Jehovah raha namela azy ireo hisy hatramin’izao androntsika izao, kanefa dia fohy sisa izao ny andron’izy ireo. Teo am-piandohan’itỳ taonjato itỳ, dia nisy dingana lehibe natao mba hamerana ny faritra azon’izy ireo iasana. Manazava toy izao ny bokin’ny Apokalypsy: “Ary nisy ady tany an-danitra: Mikaela [Jesosy Kristy nitsangana tamin’ny maty] sy ny anjeliny niady tamin’ilay dragona [Satana]; ary ilay dragona mbamin’ny anjeliny kosa dia niady, nefa tsy naharesy, sady tsy nisy fitoerana ho azy intsony tany an-danitra. Ary nazera ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; dia nazera tamin’ny tany izy, ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy.” — Apokalypsy 12:7-9.
Inona no vokatr’izany? Manohy toy izao ilay fitantarana: “Ary noho izany mifalia, ry lanitra sy hianareo izay monina ao aminy.” Afaka nifaly ireo anjely marina satria tsy tany an-danitra intsony i Satana sy ny demoniany. Fa ahoana ny amin’ny olona eto an-tany? Hoy ny Baiboly: “Loza ho an’ny tany sy ny ranomasina! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny.” — Apokalypsy 12:12.
Ao amin’ny fahatezerany, i Satana sy ireo eo ambany fahefany dia mifantoka amin’ny fanaovana izay hisian’ny loza betsaka araka izay farany azony atao, alohan’ny farany efa antomotra ho azy ireo. Tao amin’itỳ taonjato itỳ, dia nisy ady lehibe roa sy ady kelikely kokoa maherin’ny 150 hatramin’ny faran’ny ady lehibe faharoa. Nanjary nisy fitenenana izay manome taratry ny herisetran’itỳ taranaka misy antsika itỳ tao amin’ny voambolantsika: “fitaovam-piadiana biolojika” (armes biologiques), “ny Fandripahana nataon’ny Nazia” (Holocauste), “saha famonoana” (i Cambodge, izay nisian’ny fandripahana olona), “toby fisavihana” (nisy ireo vehivavy Bosniaka sy Kroaty), “ireo mpamono olona misesisesy”, ary ny hoe “fitaovam-piadiana niokleary”. Ny vaovao dia feno fitantarana mikasika zava-mahadomelina, vonoana olona, zera baomba, fihinanana olona ataon’ny marary saina, fandripahana olona, mosary sy fampijalijaliana.
Ny vaovao tsara, dia ny hoe tsy maharitra ireo zavatra ireo. Hanao zavatra hamelezana an’i Satana sy ny demoniany indray Andriamanitra amin’ny hoavy tsy ho ela. Raha nilazalaza ny fahitana iray avy amin’Andriamanitra ny apostoly Jaona, dia niteny hoe: “Ary hitako fa, indro, nisy anjely nidina avy tany an-danitra, nanana ny fanalahidin’ny lavaka tsy hita noanoa sy gadra lehibe eny an-tànany; dia nisambotra ilay dragona izy (dia ilay menarana ela, ny devoly sy Satana izany) ka namatotra azy arivo taona, dia nanipy azy ho amin’ny lavaka tsy hita noanoa ka nanidy izany, dia nanisy tombo-kase teo amboniny, mba tsy hamitahany ny firenena maro intsony mandra-pahatapitry ny arivo taona”. — Apokalypsy 20:1-3.
Aorian’izany dia “hovahana kelikely aloha” ny Devoly sy ireo demoniany, ary avy eo dia horinganina mandrakizay izy ireo. (Apokalypsy 20:3, 10). Ho fotoana hahafinaritra tokoa re izany! Rehefa tsy eo intsony i Satana sy ireo demoniany dia “ho zavatra rehetra amin’izy rehetra” i Jehovah. Ary ny rehetra dia tena “hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana” tokoa. — 1 Korintiana 15:28, fanamarihana ambany pejy; Salamo 37:11.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Nanjary nazava izany tatỳ aoriana rehefa niteny toy izao mikasika an’i Joba mpanompon’Andriamanitra i Satana: “Hoditra fefin’ny hoditra, eny, izay rehetra ananan’ny olona dia homeny ho fefin’ny ainy. Fa ahinjiro ange ny tànanao, ka tendreo ny taolany sy ny nofony — raha tsy handa Anao eo imasonao aza izy e!” — Joba 2:4, 5.
b Mba hanaovana dinidinika amin’ny antsipiriany mikasika ny antony amelan’Andriamanitra ny fisian’ny faharatsiana, dia jereo ilay boky hoe Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.
[Sary, pejy 7]
Moa ve ny olombelona irery ihany no tompon’andraikitra amin’ny zavatra toy izao, sa misy hery ratsy tsy hita maso tompon-keloka koa?
Ho fotoana hahafinaritra toy inona moa izany, rehefa tsy hampijalijaly ny olombelona intsony ireo demonia!
[Sary nahazoan-dalana, pejy 7]
Tobin-tsolitany nirehitra tany Koweït, tamin’ny 1991: Chamussy/Sipa Press