Fiadanan-tsaina eo Anivon’ny Fitambaran’olona Tia Fifaninanana
“RAHA misy te-ho voalohany”, hoy ny torohevitr’i Jesosy Kristy tamin’ny apostoliny, “dia hatao farany amin’izy rehetra sy ho mpanompon’izy rehetra izy.” Teo am-piadiana hevitra ny amin’izay lehibe indrindra tamin’izy ireo ny apostoly. Fantany fa tsy tian’i Jesosy izany karazana toe-tsaina izany. Tsy nampifaninana ny mpianany tamin’izy samy izy na oviana na oviana izy, ho toy ny fomba handrosoana ara-panahy. — Marka 9:33-37.
Talohan’ny nahatongavany teto an-tany i Jesosy Kristy dia nandray anjara tamin’ny famoronana ny mpivady olombelona voalohany ary fantany ny fomba nanaovana azy ireo. (Kolosiana 1:15, 16). Noforonina nanana ny fahaizana handroso tsy nila nifaninana tsy an-kiantra tamin’ny hafa ny olombelona voalohany. Tsy nila niady tamin’izy samy izy ny olombelona mba hamantarana hoe iza no filohany, na hiara-mifaninana amin’ny biby amin’ny ady hahavelomana. — Genesisy 1:26; 2:20-24; 1 Korintiana 11:3.
Ny niavian’ny toe-tsaina tia fifaninanana
Ahoana àry no nahatonga ho hery nanapaka teo amin’ny fitambaran’olona ny toe-tsaina tia fifaninanana tsy misy indrafo toy izany? Ny famonoana olona voalohany teo amin’ny tantaran’olombelona dia manome famantarana iray. Ny toe-tsaina tia fifaninanana nasehon’i Kaina, ilay lahimatoan’ny mpivady olombelona voalohany, dia nitera-doza. Namono an’i Abela rahalahiny i Kaina satria nankasitrahan’Andriamanitra ny fanatitr’i Abela fa tsy ny azy. Ary lazain’ny Baiboly fa i Kaina dia “avy tamin’ilay ratsy ka namono ny rahalahiny”. — 1 Jaona 3:12; Genesisy 4:4-8.
Eny, i Satana Devoly, ilay ratsy, no loharano niaviana sy mpampirisika ny toe-tsaina tia fifaninanana. Na dia anjely iray zanak’Andriamanitra nanana tombontsoa lehibe aza izy, dia nitady zavatra mihoatra noho izany. (Ampitahao amin’ny Ezekiela 28:14, 15.) Naneho ny faniriany manokana izy rehefa namitaka an’i Eva. Nilaza izy fa tamin’ny fihinanana ilay voankazo voarara dia “ho tahaka an’Andriamanitra” i Eva. (Genesisy 3:4, 5). Raha ny marina, dia i Satana no nitady ho tahaka an’Andriamanitra, handrafy an’i Jehovah. Ny toe-tsaina ta haninana an’Andriamanitra dia nanosika azy hikomy. — Jakoba 1:14, 15.
Mifindra io toe-tsaina io. Teo ambanin’ny fitaoman’i Satana, dia very ny fiadanana nomen’Andriamanitra ny fianakaviana tany am-boalohany. (Genesisy 3:6, 16). Hatramin’ny nikomiany tamin’Andriamanitra, dia nanapaka ny olombelona ny Devoly, tamin’ny fampirisihana ny toe-tsaina tia fifaninanana, tamin’ny famitahana lehilahy sy vehivavy hino mihitsy aza fa ny fifaninanana tsy misy indrafo no fanalahidin’ny fahombiazana. Manazava toy izao anefa ny Baiboly: “Fa izay misy fialonana sy fifampiandaniana, dia misy fikorontanana mbamin’izay asa ratsy rehetra.” (Jakoba 3:14-16). Tamin’izany fomba izany dia nanaisotra tamin’ny olona ny fahasambarany sy ny fiadanan-tsainy i Satana.
Fahombiazana tsy ao anatin’ny fifaninanana
Mifanohitra amin’ny fampieken’i Satana, dia manome oha-pahombiazana tsy niankina tamin’ny fifaninanana ny Baiboly. Ny voalohany amin’izany, dia ny ohatr’i Jesosy Kristy. Na dia nisy araka ny endrik’Andriamanitra aza izy, dia tsy nihevitra na oviana na oviana ny hitovy tamin’Andriamanitra, fa naka endriky ny mpanompo kosa izy ary tonga teto an-tany. Mihoatra noho izany, dia nanetry tena izy ka nanaiky hatramin’ny fahafatesana teo ambonin’ny hazo fijaliana. Izany fankatoavana izany, tsy nisy toe-tsaina nandrafy mihitsy, dia nahazoany ny fankasitrahan’Andriamanitra. “Koa izany no nanandratan’Andriamanitra Azy indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra.” (Filipiana 2:5-9). Inona no fahombiazana lehibe kokoa ho azon’ny zavaboary tratrarina? Nampifaly ny fon’ny Rainy tamin’ny fetra izay tsy ho azon’ny zavaboary hafa atao izy, ary izany dia nataony tsy tamin’ny fananana toe-tsaina ta handrafy na haninana. — Ohabolana 27:11.
Ireo anjely mahatoky maro be any an-danitra dia mampiseho toe-tsaina mitovy amin’izany. Na dia tonga ambany kely kokoa noho izy ireo aza i Jesosy, izay lohan’ny anjely, fony izy tonga tetỳ an-tany, dia nikarakara an-tsitrapo izay zavatra nilainy izy ireo. Azo antoka fa tsy nieritreritra mihitsy hanararaotra ny tarehin-javatra izy ireo ka nanandrana naka ny toerany tamin’ny naha-Arikanjely. — Matio 4:11; 1 Tesaloniana 4:16; Hebreo 2:7.
Mbola hita miharihary kokoa ny fankahalan’izy ireo ny toe-tsaina tia fifaninanana rehefa dinihintsika ny fihetsiny teo anoloan’ny fikasan’Andriamanitra hanandratra olombelona sasantsasany tsy tanteraka ho amin’ny fiainana ara-panahy tsy ahitam-pahafatesana intsony, toerana izay hahafahany “hitsara anjely”. (1 Korintiana 6:3). Manana fanandraman-javatra be dia be eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah sy manana fahaizana be lavitra hanao soa noho ny olombelona tsy tanteraka, ireo anjely. Kanefa, ny anjely dia manompo amim-pifaliana ireo voahosotra eto ambonin’ny tany, tsy mialona velively izay horaisin’izy ireny. (Hebreo 1:14). Ny toe-tsainy tsara dia tsara, tsy misy fitiavana fifaninanana dia ahafahany manompo hatrany eo anoloan’ny seza fiandrianan’i Jehovah, ilay Tompom-piandrianana.
Manaraka izany, dia eritrereto ny amin’ireo mpanompon’Andriamanitra mahatoky fahiny izay hatsangana eto an-tany. Oha-pinoana niavaka i Abrahama ary nantsoina hoe “rain’ny olombelona rehetra izay mino”. (Romana 4:9, 11). Nanome oha-piaretana mendrika i Joba. (Jakoba 5:11). I Mosesy, izay “lehilahy nalemy fanahy [“nanetry tena”, NW ] mihoatra noho ny olona rehetra atỳ ambonin’ny tany”, dia nitarika ny firenen’Isiraely ho amin’ny fahafahana. (Nomery 12:3). Iza amin’ny olombelona tsy tanteraka no nanome oha-pinoana, fiaretana, sy fanetren-tena tsara kokoa noho ireo lehilahy ireo? Kanefa dia natao handova ny faritra eto an-tany hotapahin’ny Fanjakan’Andriamanitra izy ireo. (Matio 25:34; Hebreo 11:13-16). Tahaka an’i Jaona Mpanao batisa, izy ireo dia hanana toerana ambanin’ny an’ny “kely indrindra amin’ny Fanjakan’Andriamanitra”. (Matio 11:11). Hihevitra ny hitaraina ve izy ireo, amin’ny fanantitranterana fa ny finoany, ny fiaretany, na ny fanetren-tenany dia nitovy na nihoatra aza tamin’ny toe-javatra sasany, ny an’ireo hahazo fiainana any an-danitra? Azo antoka fa tsy izany! Ho olom-pehezin’ny Fanjakan’Andriamanitra falifaly eto an-tany izy ireo.
Amin’izao andro izao koa, dia misy olona tsy manana toe-tsaina tia fifaninanana miaina falifaly. I Yasuo, voalaza tao amin’ny lahatsoratra voalohany, dia difotry ny trosa noho ny fijirihana volamena ary namoy ny fananany rehetra. Nandao azy ireo “namany”. Rehefa nanomboka niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny vadiny, dia nandeha tany amin’ny fivorian’izy ireo izy satria nanenina noho ny fahoriana nampitondrainy ny fianakaviany. Tamin’ny farany izy dia nanafa-tena tamin’ny fironana hifaninana ary tonga Vavolombelon’i Jehovah. Ankehitriny izy dia faly voahodidin’ny namana kristiana, ny karaza-namana izay vonona hanampy azy amin’ny fotoam-pahoriana.
Ny fomba hihazonana fiadanan-tsaina
Tsy mora foana akory ny mihazona fiadanan-tsaina eo anivon’ny fitambaran’olona tia fifaninanana tsy misy indrafo. Tsara ny hanamarihantsika fa melohin’ny Baiboly ny “fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana, fialonana” ho toy ny “asan’ny nofo” izay misakana ny olona tsy handova ny Fanjakan’Andriamanitra. Ireny asan’ny nofo rehetra ireny dia mifandray akaiky amin’ny toe-tsaina tia fifaninanana. Tsy mahagaga ny nampirisihan’ny apostoly Paoly ny Galatiana toy izao: “Aoka isika tsy handrani-tena foana ka hifampihaika sy hifampialona.” — Galatiana 5:19-21, 26.
Nasehon’ny taratasin’i Paoly tao amin’ny teny manodidina ny fanalahidin’ny fandresena ny fifaninanana feno fitiavan-tena. Hoy izy: “Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany.” (Galatiana 5:22, 23). Ny vokatry ny fanahy dia manampy antsika hanala ny fifandrafiana ao amin’ny saintsika. Diniho, ohatra, ny fitiavana. “Ny fitiavana tsy mialona”, hoy ny fanazavan’i Paoly. “Tsy mirehareha, tsy mieboebo, tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra”. (1 Korintiana 13:4-7). Rehefa mamboly fitiavana isika dia afaka manaisotra ny fialonana, izay hery mitarika ho amin’ny toe-tsaina tia fifaninanana. Ireo vokatry ny fanahy hafa koa dia manampy antsika hanadio ny fontsika sy ny saintsika amin’izay mety ho marika maharitra rehetra amin’ny toe-tsaina tia mifaninana tsy misy indrafo. Eny, amin’ny fananana fifehezan-tena, dia azo resena avy hatrany izay mety ho faniriana mafy mitombo hifaninana amin’ny hafa na inona na inona vokany! — Ohabolana 17:27.
Mba hahafahana hamboly ireo toetra ireo anefa, dia tsy maintsy mamela ny fanahin’Andriamanitra hiasa eo amintsika isika. Afaka mampirisika izany fiasa mahasoan’ny fanahy masina izany isika, amin’ny faharetana amin’ny vavaka sy amin’ny fangatahana ny fanahin’Andriamanitra mba hanampy antsika. (Lioka 11:13). Ho valin’ny vavaka ataontsika, inona no homen’Andriamanitra antsika? Mamaly toy izao ny Baiboly: “Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.” — Filipiana 4:6, 7.
Izany dia niharihary tamin’izay nitranga tamin’ireo apostolin’i Jesosy. Na dia rehefa avy nampiditra ny Sakafo Harivan’ny Tompo aza i Jesosy ny alina farany niarahany tamin’ny apostoliny, dia mbola nifanditra ihany izy ireo ny amin’izay toa lehibe indrindra tamin’izy ireo. (Lioka 22:24-27). Efa nanandrana nanampy azy ireo hanitsy ny fisainany i Jesosy tamin’ny toe-javatra samy hafa, nefa tena latsa-paka tao amin’izy ireo io toe-tsaina tia fifaninanana io. (Marka 9:34-37; 10:35-45; Jaona 13:12-17). Rehefa nahazo ny fanahy masina anefa izy ireo, 50 andro teo ho eo tatỳ aorian’izany fifandirana izany, dia niova ny fihetsiny. Tsy nisy ny ady hevitra momba izay hisolo tena azy ireo amin’ny fitenenana amin’ny vahoaka liana ta hahalala zavatra, izay tafangona tamin’io andro Pentekosta io. — Asan’ny Apostoly 2:14-21.
Tsy nisy toerana ho an’izay nety ho fanapahan’olombelona teo amin’ny kongregasiona kristiana. Rehefa tsy maintsy nandamina zava-nanahirana iray momba ny famorana izy ireo, dia i Jakoba izay tsy mpianatra akory tamin’ny fotoana nahafatesan’i Jesosy, no nitarika izany fivorian-dehibe izany. Tsy nisy famantarana nahitana fa nisy ady hevitra ny amin’izay tokony hitarika tamin’io fivorian’ny fitambara-mpitantan’ny kongregasiona kristiana io. Fiovana tokoa re izany raha oharina tamin’ny fotoana nampahalemy azy ireo tamin’ny toe-tsaina tia fifaninanana! Nomban’ny fanampian’ny fanahy masina, dia nahatsiaro ny fampianaran’i Jesosy izy ireo ka nanomboka nahatakatra ny hevitry ny fianarana nomeny. — Jaona 14:26.
Mety ho marina koa izany ny amintsika. Omban’ny fanampian’ny fanahy masina, dia azontsika atao ny mandresy izay mety ho faniriana mafy maharitra rehetra hifaninana amin’ny hafa mba handrosoana na dia hahafaty antoka azy aza izany. Afaka ny hanana ny fiadanan-tsaina, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra kosa isika. Manome antoka antsika ny Baiboly fa ny loharanon’ny fifaninanana tsy misy indrafo, i Satana Devoly, dia hatsipy any amin’ny lavaka tsy hita noanoa tsy ho ela, ka tsy ho afaka hanao na inona na inona. (Apokalypsy 20:1-3). Tsy hisy intsony ny fifandrafiana eo amin’ny samy mpiara-monina. Tsy ho fitambaran’olona tsy hivoatra ve no ho vokatr’izany? Tsy izany velively! Hasandratra ho amin’ny fahatanterahana ny olombelona, tsy amin’ny alalan’izay mety ho fifaninanana eo amin’izy samy izy akory, fa amin’ny alalan’ny fampiharana ny sorom-panavotan’i Jesosy eo amin’izy ireo kosa. — 1 Jaona 2:1, 2.
I Keinosuke, voalaza teo aloha, izay nahazo laza tamin’ny fahombiazana teo amin’izao tontolo izao, rehefa nahatratra ny isa be indrindra tamin’ny fivarotana fiara, dia namiza-tena ara-tsaina sy ara-batana, nefa niala tamin’ny asany izy tamin’ny farany. “Ankehitriny ny fiainako dia feno ny tena fifaliana”, hoy izy. Nanjary tsapany ny antony nahatonga ny fiainan’i Jesosy ho voamariky ny tena fahombiazana. Mahita famelombelomana izy izao amin’izay rehetra azony atao ao anatin’ny kongregasionan’Andriamanitra maneran-tany. Amin’izany fomba izany izy dia voaomana ho amin’ny tontolo vaovao izay tsy hisy fifaninanana. Afaka mahatsinjo sahady izany fitambaran’olon’ny tontolo vaovao izany koa ianao, amin’ny fitsidihana iray amin’ireo Efitrano Fanjakana ao amin’ny faritra misy anao sy amin’ny fiarahanao amin’ireo Vavolombelon’i Jehovah.
[Sary, pejy 7]
Hahita fiadanana sy fiaraha-miasa ny fitambaran’olona ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra