Zava-dehibe ve ny Fomba Fanoloranao Fanompoam-pivavahana?
DANIHIN’NY masoandro mitataovovonana ilay tanàna kely afrikana. Avy any an-dohasaha eo akaiky eo no andrenesana ny dobok’amponga mafy mampientanentana sy hira ary tehaka falifaly. Tsy fankalazana ara-tsosialy anefa izy io. Fanompoam-pivavahana afrikana nentim-paharazana ilay izy. Ireo feo ireo anefa dia mifaninana amin’ny feo mankarenina mivoaka avy ao amin’ny fiangonana mahay mamabo olona maro eo akaiky eo. Ao, dia misy mpivavaka hetsehin-javatra, manao “fanasitranana” mahagaga sy miteny amin’ny fiteny tsy fantatra. Arỳ amin’ny faran’ny tanàna dia mbola misy karazana fanompoam-pivavahana hafa iray. Miantso amin’ny feo avo ireo mpiara-mivavaka silamo mba hivavaka ny muezzin iray.
Eny, hita any amin’ny tanàn-dehibe sy tanàna afrikana maro ny endrika maro samihafan’ny hafanam-po ara-pivavahana. Nandritra ny taranaka maro dia nianina tamin’ny fanarahana ireo fombam-pivavahana nentim-paharazana an’ny tenany ihany ireo Afrikana. Kanefa, tonga avy eo ireo misioneran’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, nanaraka ireo tafiky ny firenena eoropeanina samy hafa ary niezaka tsy nisy indrafo “nanova ho Kristiana” ny rehetra — tao anatin’izany ny anaran’izy ireo mihitsy koa.
Ny vokany? Karazana fivavahana iray izay nampifangaro ireo finoana sy fomba nentim-paharazana afrikana tamin’ny finoana ara-pivavahana nampidirina avy tany ivelany. Hatramin’izao dia mpivavaka “kristiana” maro no mampiasa ody mahatsara vintana sy ody atao fiaro nentim-paharazana. Kanefa, dia nampiseho niharihary tamin’ny fomba diso ny Kristianisma marina ireo misioneran’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, ary namela tsy fahafaliana ho lova. Izy ireo dia tena tompon’andraikitra lehibe amin’ny toe-tsaina tery ananan’ny Afrikana sasany amin’ny Baiboly amin’izao andro izao.
Na dia izany aza, dia mbola arahina ombieny ombieny ny endrika maron’ny “Kristianisma”. Tao anatin’ireo taona faramparany dia nanjary tiam-bahoaka tamin’ny fomba niavaka ireo antokom-pivavahana mahay mamabo olona maro; nitombo isa be dia be ireo fiangonana mpanasitrana amin’ny fomba mahagaga. Ny mpanoratra an-gazety iray dia manazava izay manintona amin’ireny fiangonana ireny amin’ny fanamarihana fa ‘ny fiheverana afrikana momba ny fivavahana dia izao: natao hanome fahafaham-po amin’izay zavatra ilaina ara-nofo indrindra izy io. Ao an-tsain’ny Afrikana, ny fivavahana dia tsy maintsy afaka manome mivantana fahafaham-po amin’ny zavatra ara-nofo ho an’ny olombelona. Noho izany, ho an’ny Afrikana izay mino fa tena ilaina saika amin’ny zava-drehetra ireo fahalalana ara-panahy, dia mifanaraka amin’izay zavatra takin’ny fomba fiainany ny fomba fanaovan-javatr’ireo fiangonana mpanasitrana amin’ny fomba mahagaga’. Mampalahelo anefa, fa fiangonana mahay mamabo olona maro no naorina miharihary ho toy ny fandraharahana ahazoam-bola be.
Amin’izao andro izao, dia antokom-pivavahana maherin’ny 6 000 no miasa atsy Afrika. Nihevitra angamba ianao fa manana ny fanalahidin’ny famonjena ireny fivavahana sy antokom-pinoana rehetra ireny. Ny tena fanontaniana anefa dia izao: Ahoana no fihevitr’Andriamanitra?
Afaka mampifaly an’Andriamanitra ve rehefa mety ho fivavahana?
Azo antoka fa tsy hamela antsika tsy hanana fitarihana amin’io lafiny io ilay Mpamorona an’izao rehetra izao. (Amosa 3:7; Asan’ny Apostoly 17:26, 27). Ary lehibe indrindra ny porofo manamarina fa azo atao ny mahita ny fitarihan’Andriamanitra ao anatin’ny Baiboly. Tsia, tsy bokin’ny fotsy hoditra akory ny Baiboly, araka ny iantsoan’ny sasany azy io. Raha ny marina dia tsy misy olona — na mainty na fotsy — afaka milaza ho tompon’izy io ara-dalàna. “Ny Soratra rehetra dia ara-tsindrimandrin’Andriamanitra”, hoy ny 2 Timoty 3:16 (NW ). Ireo fampianarana marina sy azo ampiasaina ao amin’ny Baiboly, ny maha-tena tranainy azy io, ny nahatafitany velona tamin’ireo famelezana tamin-karatsiam-panahy, ireo faminaniana araka ny marina raketiny sy ny fielezany maneran-tany tsy manan-tsahala — ireo dia porofo mazava ny amin’ny maha-avy amin’Andriamanitra azy io.
Inona no ampianarin’io boky io antsika? Voalohany aloha dia milaza amintsika izy io fa tsy misy afa-tsy iray monja ny “Andriamanitra marina”. (Jaona 17:3). Koa satria izany no izy, ahoana no hety hisian’ny fahamarinana ao amin’ny fivavahana rehetra? Tsy mifanohitra amin’izy samy izy ve ireo antokom-pivavahana raha momba ny hoe iza sy inona tokoa moa Andriamanitra? Niresaka ny amin’ny “fivavahana madio sy tena fivavahana marina” i Jakoba mpanoratra ny Baiboly. (Jakoba 1:27, Today’s English Version). Raha toa ka ilaina ny mamantatra ny tena fivavahana marina, dia tsy maintsy misy koa ny fivavahana sandoka na an-kosoka. Izany dia hanohitra ny hevitra fa ny fivavahana rehetra dia fomba samy hafa fotsiny hanatonana an’Andriamanitra.
Ireo fari-pitsipika ho amin’ny fanompoam-pivavahana noferan’ny Mpamorona
Inona ny fomba mety hanolorana fanompoam-pivavahana amin’Andriamanitra? Mampianatra antsika ny Baiboly fa miorina amin’ny fahalalana araka ny marina io tena fanompoam-pivavahana marina io. Indray mandeha dia nilaza toy izao tamin’ny vehivavy samaritana iray i Jesosy Kristy, ilay mpaminany lehibe: “Hianareo mivavaka amin’izay tsy fantatrareo”. (Jaona 4:22). Mety ho marina koa ve angamba, izany raha ny aminao? Nampianarina anao ve fa ilay Andriamanitra Tsitoha dia manana anarana manokana hoe Jehovah? (Salamo 83:18). Fantatrao ve ny fikasany ny amin’ny olona sy ny tany? (Matio 6:9, 10; Efesiana 1:9, 10; 3:11). Ny fivavahanao ve manome anao fanantenana iray araka ny tena izy, dia hoavy iray tsara kokoa? Ary raha mihevitra ny tenanao ho Kristiana ianao, azonao hazavaina amin’ny alalan’ny Soratra Masina ve ireo zavatra inoanao, sa lova natolotra anao fotsiny izay tsy nofakafakainao firy izy ireo?
Raha mahita ny tenanao ho tsy manana fahalalana araka ny marina ianao, dia azonao atao ny mahazo azy io amin’ny alalan’ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly. Antenain’i Jehovah Andriamanitra ny hifankazaran’ireo mpivavaka marina aminy amin’izay ampianarin’io Boky Masina io. Ambonin’izany dia antenainy ny hampiharan’izy ireo azy io eo amin’ny fiainany. Ny fihetsitsika dia tsy maintsy ho sahala amin’ny an’ilay mpanao salamo izay nilaza hoe: “Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny teninao.” (Salamo 119:105). Hatraiza no nanampian’ny fivavahanao anao hahafantatra sy hahatakatra ny Baiboly?
Ny lafiny lehibe hafa amin’ny fanompoam-pivavahana marina dia ny finoana an’i Jesosy Kristy, tsy amin’ny maha-mpaminany lehibe iray azy fotsiny, fa amin’ny maha-Zanaka lahitokan’Andriamanitra azy koa. Manambara mazava ny Soratra Masina fa i Jesosy dia “ilay Fiasana Lehibe Indrindra mba hahazoana fiainana”. (Asan’ny Apostoly 3:15; 4:12, NW ). Milaza ho manana finoana an’i Jesosy ny olona maro, kanefa ahoana no maha-marina ny finoany? Ny tena finoana marina an’i Kristy dia mitaky ny hankatoavana ny toromarika nomeny. Nampirisika an’izany ny tenan’Andriamanitra rehefa nilaza izy hoe: “Ity no Zanaka malalako, Izy no henoy.” (Marka 9:7). Araka izany, ireo mpivavaka marina dia miezaka manaraka ny dian’i Jesosy akaiky araka izay azo atao. (1 Petera 2:21, NW ). Ny fomba iray hanaovany izany dia amin’ny fandraisana anjara amin’ny asa fitoriana ampahibemaso izay natombony. (Matio 4:17; 10:5-7). Ny fivavahanao ve mampirisika anao handray anjara manokana amin’io asa io?
Ny fitiavana koa dia zavatra takina amin’ny tena fanompoam-pivavahana marina. I Jehovah Andriamanitra dia lazalazaina ho ilay sary velona mampiseho ny fitiavana, ary i Jesosy dia nilaza tamin’ireo mpanara-dia azy fa izy ireo dia ho fantatra amin’ny fifanehoany fitiavana. (Jaona 13:34, 35; 1 Jaona 4:8). Raha heverina ireo olona an-tapitrisany maro amin’izao andro izao izay mihambo ho Kristiana, moa ve izao tontolo izao tsy tokony ho henika ny fitiavana? Raha ny marina anefa dia voaporofo ho toerana iray faran’izay tsy ahitana fitiavana ny tontolontsika. Nandripaka ain’olona an-tapitrisany maro ireo ady tamin’itỳ taonjato itỳ fotsiny. Mitombo hatrany ny heloka bevava sy ny herisetra. Koa manontania tena hoe ‘Raha anisan’ny fivavahako avokoa ny olon-drehetra, ho toerana iray hanjakan’ny fitiavana bebe kokoa ve izao tontolo izao?’
Farany, ny Baiboly dia mampiseho fa tsy maintsy mitoetra ho tafasaraka amin’izao tontolo izao tsy mahalala an’Andriamanitra ireo mpivavaka marina. Rehefa nanokana ny firenen’ny Isiraely fahiny ho mpiaro ny fanompoam-pivavahana madio Andriamanitra, dia nampitandrina ny vahoakany izy mba hanalavitra ny fiarahana akaiky tamin’ireo firenena nietry nanodidina azy. (Deoteronomia 7:1-6). Ao amin’ny Jaona 17:16, i Kristy Jesosy dia nilaza toy izao koa ny amin’ireo mpanara-dia azy: “Tsy naman’izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy naman’izao tontolo izao.” Ireo mpivavaka marina amin’Andriamanitra dia tsy mandray anjara amin’ny politika, ny fahalotoam-pitondran-tena, ny varotra mampiseho faniriana mihoa-pampana na ny filozofia manala baraka an’Andriamanitra. (Jaona 18:36; 1 Jaona 2:15-17). Ankatoaviny ilay baiko voarakitra ao amin’ny Romana 12:2 (NW ) hoe: “Mitsahara tsy hovolavolain’itỳ fandehan-javatra itỳ.” Izany ve no ampirisihan’ny fivavahanao anao mba hatao?
Misy fanampiana azo raisina
Eny, zava-dehibe amin’Andriamanitra ny fomba fanoloranao fanompoam-pivavahana. Aminy dia tsy misy afa-tsy fivavahana marina iray monja. (Efesiana 4:4-6). Ny fandinihana fohy nataontsika dia nahakasika sasany tamin’ireo hevitra lehibe amin’ny fampianaran’ny Baiboly. Nahoana no tsy miezaka hianatra bebe kokoa?
Na inona na inona fanabeazana ara-pivavahana efa noraisinao, ny Vavolombelon’i Jehovah dia afaka manampy anao amin’io lafiny io. Fantatra maneran-tany izy ireo noho ny asa fampianarana Baiboly lalina ataony. Mahatsapa ho manana adidy izy ireo hanampy olona avy amin’ny firazanana rehetra sy ny fiaviana ara-pivavahana rehetra mba hahazoany fahatakarana lalina kokoa ny Baiboly. (Ohabolana 2:1-6). Mamoaka zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly nanaovana fikarohana nahafa-po izy ireo.a Raha ny marina, dia ho tonga mihitsy any an-tokantranonao maimaim-poana izy ireo mba hampianatra anao manokana ny Baiboly. Olona an-tapitrisany maro maneran-tany amin’izao fotoana izao no mandray soa amin’io fandaharam-pampianarana ny Baiboly io. Nahoana no tsy manao toy izany koa ny tenanao? Eny, iankinan’ny aina ny hanaovanao izany satria zava-dehibe tokoa ny fomba hanoloranao fanompoam-pivavahana.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Iray amin’ny zavatra vita an-tsoratra toy izany ny L’humanité à la recherche de Dieu natontan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc. tamin’ny 1990. Nankasitrahan’ny olona maro be ny fandinihana mampiseho fahiratan-tsaina sy fahaizana manokana ataony momba ireo fivavahana lehibe eo amin’izao tontolo izao.
[Sary, pejy 5]
Nampiseho niharihary tamin’ny fomba diso ny Kristianisma marina ireo misioneran’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana
Fiangonana mahay mamabo olona maro no fandraharahana ahazoam-bola be
[Sary, pejy 6]
Ny finoana an’i Jesosy dia tapany iray lehibe amin’ny fanompoam-pivavahana marina
[Sary, pejy 7]
Ny Vavolombelon’i Jehovah dia manampy olona an-tapitrisany maro mba hahazo fahalalana araka ny marina amin’ny alalan’ny fampianarana Baiboly maimaim-poana any an-tokantrano