Miezaha Mafy ho Famonjena ny Ankohonanao
“Manohiza mitaiza azy ao amin’ny lalàm-pifehezana sy ny fanabeazana ara-tsaina avy amin’i Jehovah”. — EFESIANA 6:4, NW.
1, 2. Fahasahiranana inona avy no atrehin’ireo ray aman-dreny amin’izao andro izao?
NIANTSO ilay izy hoe fiovana tanteraka ny gazetiboky be mpitia iray. Tao amin’ny lahatsoratra iray izay nilazalaza ireo fiovana manaitra nitranga teo amin’ny fianakaviana tao anatin’ireo taona faramparany no misy an’io fitenenana io. Nolazaina ireo fiovana ireo fa “vokatry ny fitomboan’ny fisaraham-panambadiana, fanambadiana fanindroany, fisaraham-panambadiana fanindroany sy fisian’ny zaza teraka tany ivelan’ny fanambadiana ary fihenjanana vaovao eo anivon’ny fianakaviana tsy niharan-javatra toy izany”. Tsy mahagaga ny fisian’ny fanerena sy ny fihenjanana toy izany, satria nilaza mialoha ny Baiboly fa ny olona dia hiatrika “fotoan-tsarotra” mandritra ireo “andro farany”. — 2 Timoty 3:1-5, NW.
2 Noho izany, ireo ray aman-dreny amin’izao andro izao dia miatrika fahasahiranana tsy fantatr’ireo taranaka teo aloha. Na dia efa nitaiza ny zanany araka ny lalan’Andriamanitra “hatry ny fony vao zaza” aza ny ray aman-dreny sasany eo amintsika, dia misy fianakaviana maro kosa nanomboka vao haingana ‘nandeha araka ny fahamarinana’. (2 Timoty 3:15; 3 Jaona 4). Mety ho efa lehibe ireo zanany vao nanomboka nampianatra azy ireo lalan’Andriamanitra ny ray aman-dreny. Ankoatra izany, dia hita ho mitombo isa hatrany eo anivontsika ireo fianakaviana tsy misy afa-tsy ny ray na ny reny ary ireo fianakaviana misy raikely na renikely. Na inona na inona toe-javatra misy anao dia mihatra ilay fananaran’ny apostoly Paoly hoe: “Manohiza mitaiza azy ao amin’ny lalàm-pifehezana sy ny fanabeazana ara-tsaina avy amin’i Jehovah”. — Efesiana 6:4, NW.
Ireo ray aman-dreny kristiana sy ny anjara asany
3, 4. a) Anton-javatra inona avy no niteraka ny fihenan’ny anjara asan’ireo ray? b) Nahoana no tsy maintsy ho mihoatra noho ny ho mpitady vola ireo ray kristiana?
3 Mariho fa navantan’i Paoly tamin’ireo “ray” voalohany indrindra ireo teniny ao amin’ny Efesiana 6:4. Nanazava ny mpanoratra iray fa teo amin’ireo taranaka teo aloha dia “ireo ray no tompon’andraikitra tamin’ny fanabeazana ara-pitondran-tena sy ara-panahin’ireo zanany; ireo ray no tompon’andraikitra tamin’ny fampianarana ireo zanany. (...) Kanefa nanaisotra io fifandraisana akaiky io ny Revolisionan’ny Indostria; nilaozan’ireo ray ny toeram-pamboleny sy fiompiany ary ireo fivarotany, nilaozany ny tokantranony mba hiasana any amin’ireo ozinina sy ireo birao, tatỳ aoriana. Naka maro tamin’ireo adidy niandraiketan’ireo ray taloha, ireo reny. Tsikelikely dia nanjary tsangan-kevitra fa tsy narahin’asa ny maha-ray”.
4 Ry lehilahy kristiana: Aza mianina amin’ny maha-mpitady vola fotsiny ka mamela ny fampiofanana rehetra sy ny fitaizana rehetra an’ireo zanakareo amin’ny vadinareo. Nampirisika toy izao ireo ray tamin’ny andro fahiny ny Ohabolana 24:27: “Amboary ny asanao any ivelany, ary ataovy lavorary ny any an-tsaha; ka rehefa vita izany, dia [tsy maintsy mampiorina ny ankohonanao koa ianao, NW ]”. Toy izany koa amin’izao andro izao, amin’ny maha-lehilahy miasa anao, dia angamba mila miasa maharitra ela sy mafy ianao mba hahazoana fivelomana. (1 Timoty 5:8). Mba makà re anefa fotoana avy eo ‘hampiorenana ny ankohonanao’ ara-pihetseham-po sy ara-panahy e.
5. Ahoana no ahazoan’ireo vehivavy kristiana manambady miezaka ho famonjena ny ankohonany?
5 Ry vehivavy kristiana manambady: Tsy maintsy miezaka mafy koa ianareo ho famonjena ny ankohonanareo. Hoy ny Ohabolana 14:1 (NW ): “Ny tena vehivavy hendry dia nampiorina ny tranony”. Amin’ny maha-mpiara-miasa eo anivon’ny fanambadiana anareo mivady, dia samy tompon’andraikitra amin’ny fampiofanana ny zanakareo ianareo. (Ohabolana 22:6; Malakia 2:14). Mety ho tafiditra amin’izany ny fifehezana ny zanakareo, ny fanomanana azy hanatrika ireo fivoriana kristiana sy hanao asa fanompoana, na hitarika ny fianaram-pianakaviana mihitsy aza rehefa tsy afaka manao izany ny vadinareo. Afaka manao zavatra betsaka koa ianareo eo amin’ny fampianarana ny ankizy ireo asa ao an-tokantrano, ireo fahalalam-pomba, sy ny fahadiovana ara-batana ary zavatra mahasoa maro hafa. (Titosy 2:5). Rehefa miara-miasa toy izany ireo mpivady, dia afaka manome izay ilain’ny zanany amin’ny fomba tsara kokoa izy ireo. Inona àry ny sasany amin’ireo zavatra ilaina ireo?
Fikarakarana izay ilainy ara-pihetseham-po
6. Inona avy no anjara asan’ny ray sy ny reny eo amin’ny fitomboan’ireo zanany ara-pihetseham-po?
6 ‘Rehefa mitaiza ireo zanany naterany ny reny’, dia mahatsiaro tena ho voaro amin’ny loza, ho tsy manana ahiahy sy ho tiana izy ireo. (1 Tesaloniana 2:7; Salamo 22:9). Vitsy ny reny afaka mahatohitra ny faniriana mafy haneho fitandremana betsaka an’ireo zanany kely. Nanontany toy izao i Isaia mpaminany: “Mety manadino ny zanany minono va ny vehivavy ka tsy hamindra fo amin’ny zanaka naloaky ny kibony?” (Isaia 49:15). Mandray anjara asa lehibe eo amin’ny fitomboan’ny ankizy ara-pihetseham-po ireo reny, araka izany. Na dia izany aza, ireo ray koa dia mandray anjara asa lehibe amin’io lafiny io. Hoy ny mpitantan-draharaha iray momba ny fampianarana ny fianakaviana atao hoe Paul Lewis: “Mbola tsy tojo mihitsy aho olona mpikarakara zava-manahirana momba ny fianakaviana izay nandre ankizy [naniasia] nilaza fa nanana fifandraisana tsara tamin’ny rainy izy. Tsy nisy na dia ankizy iray tao anatin’ny an’arivoarivony aza.”
7, 8. a) Inona no porofon’ny fisian’ny fifamatorana mafy eo amin’i Jehovah Andriamanitra sy ny Zanany? b) Ahoana no ahazoan’ny ray manorina fifamatorana feno fitiavana amin’ny zanany?
7 Noho izany dia tena zava-dehibe ny hambolen’ireo ray kristiana amim-pitandremana fifamatorana feno fitiavana amin’ny zanany. Diniho, ohatra, i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy. Nanambara toy izao i Jehovah tamin’ny batisan’i Jesosy: “Hianao no Zanako malalako; Hianao no sitrako.” (Lioka 3:22). Betsaka aoka izany no voambara ao amin’ireo teny vitsy ireo! I Jehovah dia 1) nanaiky ny maha-Zanany azy, 2) nampiseho an-karihary ny fitiavany an’i Jesosy, 3) nampahafantatra ny fankasitrahany an’i Jesosy. Kanefa tsy tamin’io ihany no fotoana nampisehoan’i Jehovah ny fitiavany ny Zanany. Hoy i Jesosy tatỳ aoriana tamin’ny Rainy: “Tia Ahy Hianao, fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao.” (Jaona 17:24). Kanefa, moa ve ireo zanakalahy sy zanakavavy mankato rehetra tsy mba tena mila fanekena sy fitiavana ary fankasitrahana avy amin’ny rainy?
8 Raha ray ianao, dia azo inoana fa afaka manao zavatra betsaka ianao mba hanorenana fifamatorana feno fitiavana amin’ny zanakao amin’ny fanaovana tsy tapaka fihetsika sy teny araka ny tokony ho izy mampiseho fitiavana. Marina fa sarotra amin’ny lehilahy sasany ny mampiseho ny firaiketam-pony, indrindra raha tsy mba nahazo fanehoana firaiketam-po miharihary mihitsy tamin’ny rainy izy. Kanefa na dia ny fanandramana mitavozavoza mba hampiseho fitiavana amin’ny zanakao aza dia mety hisy heriny lehibe. Raha ny marina, “ny fitiavana no mampandroso”. (1 Korintiana 8:1). Raha mahatsiaro tena ho tsy manana ahiahy noho ny fitiavan-dray asehonao ny zanakao, dia hirona kokoa ho tena “zanak’ikaky” izy ireo ary tsy hihambahamba hilaza aminao ny tsiambaratelony. — Ohabolana 4:3.
Fikarakarana izay ilainy ara-panahy
9. a) Ahoana no nikarakaran’ireo ray aman-dreny isiraelita matahotra an’Andriamanitra izay nilain’ny fianakaviany teo amin’ny ara-panahy? b) Fahafahana inona avy no ananan’ny Kristiana mba hampianarana tsy ara-potoana ny zanany?
9 Mila zavatra ara-panahy koa ny zanaka. (Matio 5:3, NW ). Nananatra mafy an’ireo ray aman-dreny isiraelita toy izao i Mosesy: “Aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao. Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao hianao, na mandeha any an-dàlana, na mandry, na mifoha”. (Deoteronomia 6:6, 7). Raha ray na reny kristiana ianao dia afaka mampianatra betsaka amin’ny fomba tsy ara-potoana, ohatra, ‘rehefa mandeha any an-dalana’ ianao. Manolotra fahafahana mahasoa maro hampitana fampianarana ao amin’ny faritra iray tsy voafehifehy ny fotoana iarahanao sy ny zanakao mitsangantsangana, na miantsena, na miara-mandeha mitory isan-trano eo amin’ny fanompoana kristiana. Ireo fotoana fisakafoana dia fotoana tsara indrindra ho an’ny fianakaviana mba hiresahana. “Mampiasa ny fotoana fisakafoana izahay mba hiresahana ireo zava-nitranga nandritra ny andro”, hoy ny fanazavan’ny reny iray.
10. Nahoana no zava-tsarotra indraindray ny fianaram-pianakaviana, ary fahatapahan-kevitra inona no tsy maintsy ananan’ny ray aman-dreny?
10 Zava-dehibe koa anefa ny fampianarana ara-potoana amin’ny alalan’ny fianarana tsy tapaka ny Baiboly miaraka amin’ny zanakao. Tsy maintsy ekena fa “miraikitra amin’ny fon’ny zaza ny hadalana”. (Ohabolana 22:15). Milaza ny ray aman-dreny sasany fa afaka minia manembantsembana ny fianaram-pianakaviana ny zanany. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fipelipelehana sy fisehoana ho tsy liana, amin’ny fanaovana izay hanelingelenana ny hafa amin’ny fomba mahasosotra (toy ireo adiady eo amin’izy mpiray tam-po), na amin’ny fodiana tsy mahalala ireo fahamarinana fototra ao amin’ny Baiboly. Raha toa izany ka tonga hatramin’ny ady mba hanapahan-kevitra hoe iza no manana ny sitrapo mahery indrindra, dia tsy maintsy ny sitrapon’ilay ray na reny no mahery indrindra. Tsy tokony hilavo lefona ny ray aman-dreny kristiana ka hamela ny ankizy hanapaka ny ankohonana. — Ampitahao amin’ny Galatiana 6:9.
11. Ahoana no ahafahana manao ny fianaram-pianakaviana hahitana fahafinaretana?
11 Raha tsy mankamamy ny fianaram-pianakaviana ny zanakao dia misy angamba fanovana sasany azo atao. Ohatra, moa ve ilay fianarana ampiasaina ho toy ny hirika mba hiverenana indray amin’ireo fahadisoana farany indrindra nataon’ny zanakao? Ho tsara kokoa angamba ny hiresahana ireny zava-manahirana ireny mitokana. Ataonao tsy tapaka ve ilay fianarana? Raha foananao izy io noho ny fandaharana tianao indrindra ao amin’ny televiziona na noho ny lanonana ara-panatanjahan-tena, dia azo inoana fa tsy hihevitra ilay fianarana ho tena zava-dehibe ny zanakao. Mampiseho fahazotoana sy risi-po ve ianao eo amin’ny fomba fitarihanao ilay fianarana? (Romana 12:8). Eny, tokony hahitana fahafinaretana ny fianarana. Miezaha mitana ny ankizy rehetra ho tafiditra amin’ilay fianarana. Aoka ianao ho manorina sy mampandroso, ka hanao teny fiderana amin-kafanam-po an’ireo zanakao noho ny fandraisany anjara. Aza mianina amin’ny famitana ilay fianarana fotsiny, mazava ho azy, fa miezaha hanohina ny fo. — Ohabolana 23:15.
Fifehezana amin’ny rariny
12. Nahoana no tsy mahatafiditra famaizana ara-batana foana ny fifehezana?
12 Tena mila fifehezana koa ny ankizy. Amin’ny maha-ray na reny anao, dia tokony hametraka fetra tsy azon’izy ireo ihoarana ianao. Hoy ny Ohabolana 13:24: “Izay mitsitsy ny tsorakazony dia tsy tia ny zanany; fa izay tia zanaka dia manafay azy, raha mbola kely.” Tsy te hilaza akory ny Baiboly fa tsy maintsy ho ara-batana foana ny fifehezana. Manambara ny Ohabolana 8:33 hoe: “Mihainoa [fifehezana, NW ]”, ary ilazana isika fa “ny anatra dia manan-kery kokoa amin’ny hendry noho ny kapoka injato amin’ny adala”. — Ohabolana 17:10.
13. Ahoana no tokony hanomezana ny fifehezana ny ankizy?
13 Indraindray dia mety hifanentana amin’ny tarehin-javatra ny fifehezana ara-batana sasany. Raha atao amin-katezerana anefa izany, dia azo inoana fa ho tafahoatra sy tsy handaitra. Mampitandrina toy izao ny Baiboly: “Hianareo ray, aza mampahasosotra ny zanakareo, fandrao mamoy fo izy.” (Kolosiana 3:21). Eny tokoa, “ny fampahoriana dia mahavery saina ny hendry”. (Mpitoriteny 7:7). Mety hikomy amin’ireo fari-pitsipika ara-drariny mihitsy aza ny zanaka iray feno lonilony. Araka izany, ireo ray aman-dreny dia tokony hampiasa ny Soratra Masina mba hifehezana ny zanany amin’ny rariny, amin’ny fomba hentitra kanefa voalanjalanja. (2 Timoty 3:16, NW ). Amim-pitiavana sy amim-pahalemem-panahy no anomezana ny fifehezana araka an’Andriamanitra. — Ampitahao amin’ny 2 Timoty 2:24, 25.a
14. Inona no tokony hataon’ny ray aman-dreny raha tsapany fa mirona ho resin’ny fisafoahana ny tenany?
14 Mazava ho azy fa “tafintohina amin’ny zavatra maro isika rehetra”. (Jakoba 3:2). Na dia ny ray na reny be fitiavana aza, saika amin’ny fotoana rehetra, dia mety ho resin’ny fanerena miseho amin’izao fotoana izao ary hilaza zavatra tsy mampiseho hatsaram-panahy na hampiseho fahatezerana. (Kolosiana 3:8). Raha sanatria mitranga izany, dia aza avela ho tratran’ny masoandro milentika ao anatin’ny alahelo mafy ny zanakao, na ao anatin’ny fahatezerana ny tenanao. (Efesiana 4:26, 27). Alamino miaraka amin’ny zanakao ny raharaha, ka mialà tsiny raha toa mety ny hanaovana izany. (Ampitahao amin’ny Matio 5:23, 24.) Mety hampifanakaiky kokoa anao sy ny zanakao ny fampisehoana fanetren-tena toy izany. Raha tsapanao fa tsy afaka mifehy ny fihetseham-ponao ianao ary hanaiky ho resin’ny fisafoahana, dia mitadiava fanampiana avy amin’ny loholona voatendry ao amin’ny kongregasiona.
Ankohonana tsy misy afa-tsy ny ray na ny reny ary ireo fianakaviana misy raikely na renikely
15. Ahoana no ahafahana manampy ny ankizy ao amin’ny fianakaviana tsy misy afa-tsy ny ray na ny reny?
15 Tsy ny ankizy rehetra anefa no manana ny fanohanan’ny ray sy ny reny. Any Etazonia dia ankizy 1 amin’ny 4 no tezain’ny ray iray na ny reny irery. Fahita tamin’ny andron’ny Baiboly ireo “kamboty”, ary voalaza miverimberina ao amin’ny Soratra Masina ny fiahiana azy ireny. (Eksodosy 22:22). Miatrika fanerena sy fahasahiranana toy izany koa ireo ankohonana kristiana tsy misy afa-tsy ny ray na ny reny, amin’izao andro izao. Mandray fampiononana anefa izy ireo amin’ny fahafantarana fa “Rain’ny kamboty sy Mpanome rariny ny mpitondratena” i Jehovah. (Salamo 68:5). Ampirisihina ny Kristiana ‘[hikarakara, NW ] ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ny fahoriany’. (Jakoba 1:27). Afaka manao zavatra betsaka mba hanampiana ireo fianakaviana tsy misy afa-tsy ny ray na ny reny ireo namana mpino.b
16. a) Inona no tokony hataon’ny ray aman-dreny mitaiza irery ny zanany, ho tombontsoan’ny ankohonan’ny tenany? b) Nahoana no mety ho sarotra ny fifehezana, kanefa nahoana no tsy maintsy omena izy io?
16 Raha ray na reny mitaiza zanaka irery ianao, inona no azon’ny tenanao atao mba handraisan’ny ankohonanao soa? Ilainao ny hazoto amin’ny fianarana Baiboly ataon’ny fianakaviana sy ny fanatrehana ireo fivoriana ary ny fanaovana ny asa fanompoana. Mety ho andraikitra tena sarotra anefa ny fifehezana. Angamba ianao mbola malahelo ny famoizana ny vady tianao tamin’ny fahafatesana. Na koa, mety ho eo am-piadiana amin’ny fahatsapan-tena ho meloka na tezitra noho ny faharavan’ny fanambadiana ianao. Raha samy manana zo ara-dalàna hitaiza ny ankizy ianareo sy ilay vadinao taloha, dia mety hanahy aza ianao sao aleon’ny zanakao hiaraka amin’io vady misara-toerana na vita fisarahana aminao io. Ny tarehin-javatra toy izany dia mety hanasarotra ara-pihetseham-po ny fampiharana ny fifehezana voalanjalanja. Milaza amintsika anefa ny Baiboly fa “ny zaza aranana mampahamenatra ny reniny”. (Ohabolana 29:15). Koa aza manaiky ho resin’ny fahatsapan-tena ho meloka, na fanenenana, na fanerena ara-pihetseham-po ataon’ny vady taloha. Mamera fari-pitsipika amin’ny antonona sy tsy miovaova. Aza mampandefitra ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly. — Ohabolana 13:24.
17. Ahoana no mety hahatonga ny anjara asan’ireo mpianakavy tsy hiavaka tsara ao amin’ny ankohonana tsy misy afa-tsy ny ray na ny reny, ary inona no azo atao hisorohana izany?
17 Mety hipoitra anefa ny fahasahiranana raha mitondra ny zanany lahy toy ny solom-bady — ilay lehilahy ao amin’ny ankohonana — na mitondra ny zanany vavy toy ny olona ilazana ny tsiambaratelo ny reny mitaiza irery ka manavesatra azy amin’ireo zava-manahirana manokana. Tsy mifanentana sy mahasahiran-kevitra ny zanaka ny fanaovana toy izany. Rehefa manjary tsy miavaka tsara ny anjara asan’ny ray na ny reny sy ny an’ny zanaka, dia mety hirodana ny fifehezana. Avelao ho fantatra fa ianao no ray na reny. Raha reny mila torohevitra miorina amin’ny Baiboly ianao, dia tadiavo any amin’ny loholona izany na angamba any amin’ny anabavy matotra be taona kokoa. — Ampitahao amin’ny Titosy 2:3-5.
18, 19. a) Zava-tsarotra inona avy no atrehin’ireo fianakaviana misy raikely na renikely? b) Ahoana no ahafahan’ny ray aman-dreny sy ny zanaka ao amin’ny fianakaviana misy raikely na renikely mampiseho fahendrena sy fahaiza-manavaka?
18 Miatrika zava-tsarotra toy izany koa ireo fianakaviana misy raikely na renikely. Hitan’ny raikely na renikely matetika, fa mahalana ny “fitiavana tonga ho azy” avy amin’ny zana-bady. Ohatra, ireo zana-bady dia mety ho mora tohina tokoa amin’izay toa fiangarana amin’ireo zanaka nateraka. (Ampitahao amin’ny Genesisy 37:3, 4.) Raha ny marina dia mety mbola hiady amin’ny alahelony an’ilay ray na reny nody mandry ireo zana-bady ary matahotra sao dia mety ho fivadihana amin’io ray na reny niteraka io ny fanehoana fitiavana amin’ilay raikely na renikely. Mety ho fampahatsiahivana amim-pahasiahana hoe ‘Tsy tena raiko [na reniko] ianao!’ no ho setrin’ny fanandramana manome fifehezana ilaina.
19 Hoy ny Ohabolana 24:3 (NW ): “Fahendrena no anaovana trano [“ankohonana”, NW ], ary [fahaiza-manavaka, NW ] no mampaharitra azy”. Eny, mitaky fahendrena sy fahaiza-manavaka avy amin’ny rehetra ny fahombiazan’ny fianakaviana misy raikely na renikely. Rehefa mandeha ny fotoana, dia tsy maintsy eken’ny ankizy ilay zava-misy mazàna mampanaintaina hoe: Efa niova ny toe-javatra. Toy izany koa, ireo raikely na renikely dia mety hila hianatra hanana faharetana sy fangoraham-po, ka tsy halaky ho tezitra rehefa miatrika toa fandavana. (Ohabolana 19:11; Mpitoriteny 7:9). Alohan’ny hiantsorohana ny anjara asan’ny mpampihatra fifehezana, dia miezaha manorina fisakaizana amin’ny zana-bady. Mandra-piorin’izany fatorana izany dia mety hihevitra ny sasany fa tsara kokoa ny hamelana ilay ray na reny niteraka hampihatra fifehezana. Rehefa mipoitra ny fihenjanana dia misy ezaka tsy maintsy atao mba hampitana hevitra. “Ao amin’ny [miara-midinika, NW ] no misy fahendrena”, hoy ny Ohabolana 13:10.c
Manohiza miezaka ho famonjena ny ankohonanao!
20. Inona no tokony hataon’ireo loham-pianakaviana kristiana hatrany?
20 Tsy vokatry ny kisendrasendra ny fianakaviana kristiana matanjaka. Tsy maintsy manohy miezaka mafy ho famonjena ny ankohonanareo ianareo loham-pianakaviana. Miambena ka mariho ireo lafin-toetra manimba na ireo fironana araka izao tontolo izao. Manomeza ohatra tsara eo amin’ny fiteny, fitondran-tena, fitiavana, finoana, sy fahadiovana. (1 Timoty 4:12). Manehoa ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra. (Galatiana 5:22, 23). Ny faharetana, ny fiheverana ny hafa sy ny famelan-keloka ary ny fanehoam-pitiavana dia hanamafy ny fiezahanareo hampianatra ny zanakareo ireo lalan’Andriamanitra. — Kolosiana 3:12-14.
21. Ahoana no ahazoana mitana rivo-piainana mafana sy sambatra ao amin’ny tokantranon’ny tena?
21 Omban’ny fanampian’Andriamanitra, dia miezaha mihazona toe-tsaina sambatra sy mafana eo anivon’ny tokantranonao. Mandania fotoana hiarahana amin’ny maha-fianakaviana, ka miezaha mafy hiara-misakafo indray mandeha fara faharatsiny isaky ny andro tsirairay. Zava-dehibe ireo fivoriana kristiana, ny asa fanompoana sy ny fianaram-pianakaviana. Kanefa dia ao koa ‘ny andro ihomehezana ary ao ny andro andihizana’. (Mpitoriteny 3:1, 4). Eny, mandahara fe-potoana ho an’ny fialam-boly mampahery. Mahafinaritra ny fianakaviana manontolo ny fitsidihana ireo tranom-bakoka, ireo saha misy biby azo jerena, sy ny toerana toy izany. Na koa, mety hopihinao ny televiziona ka handany fotoana ianareo hihirana, hihainoana mozika, hanaovana kilalao sy hiresahana. Afaka manampy ny fianakaviana mba hifanatona akaiky kokoa izany.
22. Nahoana ianao no tokony hiezaka mafy ho famonjena ny ankohonanao?
22 Enga anie ianareo ray aman-dreny kristiana rehetra hanohy hiezaka hampifaly an’i Jehovah amin’ny fomba feno, “dia mahavokatra amin’ny asa tsara rehetra sady mitombo amin’ny fahalalana tsara an’Andriamanitra”. (Kolosiana 1:10). Ampioreno eo amin’ny fototra mafy, dia ny fankatoavana ny Tenin’Andriamanitra, ny ankohonanareo. (Matio 7:24-27). Ary aoka ho azonareo antoka fa ny fiezahanareo mba hitaiza ny zanakareo “ao amin’ny lalàm-pifehezana sy ny fanabeazana ara-tsaina avy amin’i Jehovah” dia hahazo ny fankasitrahany. — Efesiana 6:4, NW.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ny lahatsoratra hoe: “ ‘Ny Tsorakazo Famaizana’ — Lany Andro Ve?”, ao amin’ny Mifohaza! N° 4/1993.
b Jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Martsa 1981, pejy 15-28.
c Jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Jolay 1985, pejy 24-28.
Ahoana no Havalinao?
◻ Ahoana no ahazoan’ny mpivady miara-miasa amin’ny fampiorenana ny ankohonany?
◻ Inona avy ireo zavatra ilain’ny ankizy ara-pihetseham-po, ary ahoana no ahazoana manome fahafaham-po izany?
◻ Ahoana no ahazoan’ny loham-pianakaviana mampianatra ny zanany ara-potoana sy tsy ara-potoana?
◻ Ahoana no ahazoan’ny ray aman-dreny mifehy amin’ny rariny?
◻ Inona no azo atao ho tombontsoan’ireo fianakaviana tsy misy afa-tsy ny ray na ny reny sy ireo fianakaviana misy raikely na renikely?
[Sary, pejy 16]
Zava-dehibe ho an’ny fitomboana ara-pihetseham-pon’ny ankizy iray ny fitiavana sy ny fankasitrahan’ny rainy