Tsy Maintsy Torina Aloha Itỳ Vaovao Tsara Itỳ
“Ny firenena rehetra tsy maintsy hitoriana ny [vaovao tsara, NW ] aloha.” — MARKA 13:10.
1, 2. Inona no marika famantarana iray ny Vavolombelona, ary nahoana?
NAHOANA ny Vavolombelon’i Jehovah no mitory amim-pikirizana aoka izany? Azo antoka fa fantatra maneran-tany isika noho ny fanompoana ampahibemaso ataontsika, na amin’ny fandehanana isan-trano izany, na eny amin’ny arabe, na mandritra ireo fifandraisana amin’olona tsy ara-potoana. Amin’ny tarehin-javatra mety rehetra dia mampahafantatra ny tenantsika ho Vavolombelona isika ary manandrana amim-pahaiza-mandanjalanja mampita ilay vaovao tsara ankamamintsika. Raha ny marina, dia afaka milaza isika fa io fanompoana io no marika famantarana antsika! — Kolosiana 4:6.
2 Mba eritrereto fotsiny ange — na oviana na oviana ny olona no mahita eo amin’ny manodidina azy antokon’olona misy lehilahy sy vehivavy ary ankizy mitafy tsara sy mitondra kitapo, dia inona mazàna no tonga ao an-tsainy voalohany? Moa ve hoe: ‘Oay! Indreto indray fa tamy ny Katolika (na ny Ortodoksa)!’ sa hoe: ‘Indreto indray fa tamy ny Pentekotista (na ny Batista)!’ Tsia. Fantatry ny olona fa ny fivavahana toy izany dia tsy manana fianakaviana manontolo manatanteraka fanompoana isan-trano. Angamba misy antokon’olona mpivavaka sasany mandefa “misionera” sasany any amin’ny faritra sasany mandritra ny fe-potoana roa taona, kanefa ireo mpiangona mpikambana dia tsy mandray anjara amin’izay mety ho fanompoana toy izany. Ny Vavolombelon’i Jehovah ihany no fantatra maneran-tany noho ny zotom-pony mampita ny hafatra entiny amin’ny hafa amin’ny tarehin-javatra mety rehetra. Ary fantatra amin’ireo gazetiny hoe Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! izy ireo. — Isaia 43:10-12; Asan’ny Apostoly 1:8.
Mifanohitra amin’ny klerjin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana
3, 4. Ahoana matetika no ilazalazan’ny filazam-baovao ny klerjy ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana?
3 Mifanohitra tanteraka amin’izany, dia nampihariharian’ireo tatitra an-gazety imbetsaka fa maro amin’ny klerjy any amin’ny tany sasany no mpametaveta ankizy, mpanambaka ratsy fitondran-tena, mpisoloky. Miharihary eo imason’ny rehetra ny asan’ny nofo ataon’izy ireo sy ny fomba fiainany feno filibana. Nilaza izany tsara ny mpamoron-kira be mpitia iray tao amin’ny hirany mitondra ny lohateny hoe “Ho Nanao Rolex [famantaranandro volamena tena lafo vidy] ve i Jesosy Rehefa Hiseho Amin’ny Televiziona?” Nanao izao fanontaniana izao izy: “Ho nandray anjara tamin’ny raharaha ara-politika ve i Jesosy raha niverina teto an-tany indray? Ho nanana trano fonenana faharoa tany Palm Springs [tanàna manankarena any Californie] ve izy, ary ho nanandrana nanafina ny habetsahan’ny harenany?” Mifanentana amin’izany tokoa ny tenin’i Jakoba hoe: “Efa velona tamin’ny fy tetỳ ambonin’ny tany hianareo sady nanaram-po tamin’ny fahafinaretana; efa namahy ny fonareo tamin’ny andro hamonoana hianareo.” — Jakoba 5:5; Galatiana 5:19-21.
4 Ny fisakaizan’ny klerjy amin’ireo mpanao politika sy ny fandraisany anjara mihitsy amin’ireo fifidianana amin’ny maha-mpilatsaka hofidina ara-politika, dia mampiharihary azy ireo ho mpanora-dalàna sy Fariseo maoderina. Amin’izay fotoana izay ihany, any amin’ny tany sasany toa an’i Etazonia sy i Kanada, dia ritra ny vatan-drakitry ny fiangonana noho ny halafon’ireo fitoriana any amin’ny tribonaly sy ireo didim-pitsarana mamely ny klerjy, vokatry ny fitondran-tenany vetaveta amin’ny ankizy sy amin’ny olon-dehibe. — Matio 23:1-3.
5. Amin’ny ahoana ny klerjy ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana no hita fa tsy ilay “mpanompo mahatoky sy malina”?
5 Tamin’ny fomba mety, dia afaka nilaza tamin’ny klerjy tamin’ny androny toy izao i Jesosy: “Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa hianareo dia tahaka ny fasana voalalotra fotsy, izay miseho tsara tarehy eo ivelany, nefa ny ao anatiny dia feno taolan’ny maty mbamin’ny fahalotoana rehetra. Dia tahaka izany koa hianareo: raha amin’ny eo ivelany dia miseho amin’ny olona ho marina, nefa ny ao anatinareo dia feno fihatsarambelatsihy sy tsi-fankatoavan-dalàna.” Araka izany, dia tsy nirahin’Andriamanitra hitory vaovao tsara ny klerjy ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, na Katolika izany, na Protestanta, na Ortodoksa, na ireo fivavahana tsy miankina. Hita fa tsy izy ireo no ilay “mpanompo mahatoky sy malina” nambara mialoha. — Matio 23:27, 28; 24:45-47, NW.
Nahoana no torina aloha ny vaovao tsara?
6. Fisehoan-javatra inona avy no hitranga tsy ho ela?
6 Ao amin’ilay filazany fohy momba ny baikon’i Jesosy hitory ny vaovao tsara any amin’ny firenena rehetra, dia i Marka irery no mampiasa ilay teny hoe “aloha”. (Marka 13:10, NW; ampitahao amin’ny Matio 24:14, NW.) Vakina toy izao ny fandikana nataon’i J. B. Phillips: “Fa alohan’ny hahatongavan’ny farany, dia tsy maintsy ambara any amin’ny firenena rehetra ny filazantsara.” Ny fampiasana ilay mpamaritra matoanteny hoe “aloha” dia milaza tsy mivantana fa misy fisehoan-javatra hafa hanaraka ilay asa fitoriana ny filazantsara maneran-tany. Tafiditra amin’ireo fisehoan-javatra ireo ilay fahoriana lehibe nampanantenaina sy ilay fanapahana marina hampiharin’i Kristy eo amin’ny tontolo vaovao. — Matio 24:21-31; Apokalypsy 16:14-16; 21:1-4.
7. Nahoana Andriamanitra no maniry ny hitoriana ny vaovao tsara aloha?
7 Koa nahoana àry Andriamanitra no maniry ny hitoriana ny vaovao tsara aloha? Ny antony iray, dia satria izy Andriamanitry ny fitiavana sy ny rariny sy ny fahendrena ary ny hery. Ao amin’ny fahatanterahan’ny filazan’i Jesosy voarakitra ao amin’ny Matio 24:14 sy Marka 13:10, dia afaka mahita fisehoana manaitra ny saina ny amin’ireo toetran’i Jehovah ireo isika. Aoka isika handinika fohy azy ireo tsirairay, ka ho hitantsika ny fomba ifandraisan’izy ireo amin’ny fitoriana ny vaovao tsara.
Ny vaovao tsara sy ny fitiavan’i Jehovah
8. Amin’ny ahoana ny fitoriana ny vaovao tsara no fisehoan’ny fitiavan’Andriamanitra? (1 Jaona 4:7-16).
8 Amin’ny ahoana ny fitoriana ny vaovao tsara no manome taratry ny fitiavan’Andriamanitra? Voalohany indrindra, dia noho izy io tsy hafatra natao manokana ho an’ny firazanana iray na antokon’olona iray. Vaovao tsara ho an’ny “firenena rehetra” izy io. Tian’Andriamanitra aoka izany ny fianakavian’olombelona, hany ka nirahiny tetỳ an-tany ny Zanany lahitokana mba ho sorom-panavotana noho ny fahotan’ny olombelona rehetra, fa tsy ho an’ny firazanana iray monja. Nanoratra toy izao ny apostoly Jaona: “Toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay. Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin’izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao.” (Jaona 3:16-17). Azo antoka fa porofon’ny fitiavan’Andriamanitra ny vaovao tsara, izay hafatra mampanantena tontolo vaovao iray hisian’ny fiadanana, sy ny firindrana ary ny rariny. — 2 Petera 3:13.
Ny vaovao tsara sy ny herin’i Jehovah
9. Nahoana i Jehovah no tsy nampiasa ireo fivavahana matanjaka ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana mba hitory ny vaovao tsara?
9 Ahoana no isehoan’ny herin’i Jehovah amin’ny fitoriana ny vaovao tsara? Diniho izao manaraka izao: Iza no nampiasainy mba hanatanteraka io fanirahana io? Ireo fikambanana ara-pivavahana matanjaka indrindra ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana ve, toy ny Eglizy Katolika Romana na ireo fivavahana Protestanta malaza? Tsia, ny fitsabahan’izy ireo amin’ny politika dia mahatonga azy ireo tsy ho lany amin’io fanendrena io. (Jaona 15:19; 17:14; Jakoba 4:4). Tsy nanaitra an’i Jehovah Andriamanitra izay toa harena ananany mbamin’ny fifandraisany sy ny hery ananany eo amin’ireo kilasin’olona ambony manapaka, na ny teolojiany mifamatotra amin’ny lovantsofina. Tsy nilaina ny herin’olombelona mba hahavitana ny sitrapon’Andriamanitra. — Zakaria 4:6.
10. Iza no nofidin’Andriamanitra mba hanao ny fitoriana?
10 Izany dia araka ny ilazan’ny apostoly Paoly azy ao amin’ny taratasiny ho an’ny kongregasiona tany Korinto manao hoe: “Hevero ny fiantsoana anareo, ry rahalahy, fa tsy firy no olon-kendry araka ny nofo, tsy firy no olona mahery, tsy firy no avo razana; fa ny adala amin’izao tontolo izao no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; ary ny malemy amin’izao tontolo izao no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny mahery; ary ny iva razana amin’izao tontolo izao sy izay fanevateva no nofidin’Andriamanitra, dia ny atao ho tsy misy aza, mba hahafoana ny misy, mba tsy hisy nofo hahazo mirehareha eo anatrehan’Andriamanitra.” — 1 Korintiana 1:26-29.
11. Zava-misy inona avy mikasika ny Vavolombelona no nahatonga azy ireo ho tsy manan-tsahala?
11 Ny Vavolombelon’i Jehovah dia manana mpikambana manankarena vitsy dia vitsy eo anivony, ary azo antoka fa tsy manana olona matanjaka ara-politika izy. Ny fialanalanany hentitra eo amin’ny raharaha ara-politika dia midika fa tsy afaka mampihatra fitaomana ara-politika izy ireo. Mifanohitra amin’izany fa matetika izy ireo dia niharan’ny fanenjehana maharikoriko netsehin’ireo mpitarika ara-pivavahana sy ara-politika nandritra itỳ taonjato faha-20 itỳ. Na dia teo aza anefa ny fanoherana feno fahasiahana napoitran’ireo mpanaraka ny Nazisma, ny Fasisma, ny Kaominisma sy ny fanindrahindram-pirenena ary ny fivavahan-diso mba hamelezana azy ireo, dia tsy vitan’ny hoe nitory ny vaovao tsara nanerana ny tany manontolo ny Vavolombelona, fa nitombo isa tamin’ny fomba nahazendana koa izy ireo. — Isaia 60:22.
12. Nahoana ny Vavolombelona no nahita fahombiazana?
12 Avy amin’inona no lazain’ny Vavolombelona fa iavian’ny fahombiazany? Nampanantena ny mpianany toy izao i Jesosy: “Hahazo hery hianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany.” Koa inona marina àry no ho loharanon’ny fahombiazan’izy ireo? Hoy i Jesosy hoe: “Hahazo hery hianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo”. Toy izany koa amin’izao andro izao, ny hery avy amin’Andriamanitra, fa tsy ny fahaizan’olombelona, no anton-javatra voalohany mahatonga ny fahombiazan’ny Vavolombelona eo amin’ny fanompoany maneran-tany. Amin’ny fampiasana, toa ny olona malemy indrindra, no anatanterahan’Andriamanitra ilay asa fampianarana lehibe indrindra eo amin’ny tantara. — Asan’ny Apostoly 1:8; Isaia 54:13.
Ny vaovao tsara sy ny fahendren’i Jehovah
13. a) Nahoana ny Vavolombelona no manompo an-tsitrapo sy tsy misy karama? b) Ahoana no namalian’i Jehovah ny fihantsian’i Satana?
13 Ny vaovao tsara dia torin’ny mpiasa an-tsitrapo. Hoy i Jesosy hoe: “Nahazo maimaimpoana hianareo, koa manomeza maimaimpoana”. (Matio 10:8). Noho izany dia tsy misy amin’ny Vavolombelon’i Jehovah mandray karama noho ny fanompoana an’Andriamanitra, ary tsy mitady karama amin’izany koa izy ireo. Raha ny marina, dia tsy manao fanantazan-drakitra akory aza izy ireo any amin’ireo fivoriany. Amin’ny alalan’ny asa tsy misy fitiavan-tena sy feno fandavan-tena, dia faly izy ireo manome an’Andriamanitra valin-teny ho an’ilay mpiampanga azy, dia i Satana Devoly. Nilaza an-kolaka io fanahy mpanohitra an’Andriamanitra io fa tsy hanompo an’Andriamanitra noho ny antony tsy misy fitiavan-tena ny olombelona. Tamin’ny fahendreny, i Jehovah dia nanome valiny tsy azo iadian-kevitra tamin’ilay fihantsian’i Satana: Vavolombelona kristiana mahatoky an-tapitrisany maro mitory ny vaovao tsara isan-trano sy eny amin’ny arabe ary amin’ny fomba tsy ara-potoana. — Joba 1:8-11; 2:3-5; Ohabolana 27:11.
14. Inona ilay ‘fahendrena nafenina’ asian’i Paoly firesahana?
14 Porofo hafa iray ny amin’ny fahendren’Andriamanitra teo amin’ny fanaovany izay hitoriana ny vaovao tsara, dia ny hoe: Ilay Fanjakana nampanantenaina mihitsy dia fisehoan’ny fahendren’Andriamanitra. Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Anefa milaza fahendrena amin’ny efa matanjaka izahay, fa tsy ny fahendren’izao tontolo izao, na ny an’ny mpanapaka izao tontolo izao, izay olona mihalevona; fa milaza ny fahendren’Andriamanitra izahay ka maneho zava-niafina [masina, NW ], dia fahendrena izay nafenina sady voatendrin’Andriamanitra ho voninahitsika talohan’ny nanaovana izao tontolo izao”. Izany ‘fahendrena nafenina’ izany dia manondro ilay fitaovana feno fahendrena ampiasain’Andriamanitra mba hamaranana ilay fikomiana niandoha tany Edena. Ny fahendrena amin’izany zava-miafina masina izany dia naharihary tao amin’i Jesosy Kristy izay fototr’ilay vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra.a — 1 Korintiana 2:6, 7; Kolosiana 1:26-28.
Ny vaovao tsara sy ny fanaovan’Andriamanitra ny rariny
15. Ahoana no ahafantarantsika fa i Jehovah dia Andriamanitry ny rariny? (Deoteronomia 32:4; Salamo 33:5).
15 Hitantsika ny maha-zava-dehibe ilay teny hoe “aloha” ao amin’ny Marka 13:10, rehefa mifandray indrindra amin’ny rariny. I Jehovah dia Andriamanitry ny rariny izay halefahin’ny hatsaram-panahy miharo fitiavana. Hoy izy tamin’ny alalan’i Jeremia mpaminaniny: “Izay te-hirehareha dia aoka hirehareha amin’izao: Dia ny fahendreny sy ny fahalalany Ahy ho Jehovah, izay [maneho hatsaram-panahy miharo fitiavana, NW ] sy fitsarana marina ary fahamarinana etỳ ambonin’ny tany; fa izany no sitrako, hoy Jehovah.” — Jeremia 9:23.
16. Ahoana no azo anazavana amin’ny ohatra fa ny rariny dia mitaky ny hanomezana fampitandremana aloha?
16 Ahoana no isehoan’ny fanaovan’i Jehovah ny rariny eo amin’ny fitoriana ny vaovao tsara? Aoka hohazavaintsika izany amin’ny alalan’ny ohatry ny reny iray izay nanao mofo mamy matsiro misy sokola. Natao hohanina io mofo mamy io, rehefa kelikely, rehefa tonga ny vahiny. Raha avelany eo amin’ny latabatry ny lakozia izy io kanefa tsy milaza na inona na inona amin’ny zanany izy ny amin’ny fotoana tokony hihinanana azy io, dia inona no ho fironana voajanahary ao amin’ny ankizy? Samy efa mba ankizy isika rehetra tamin’ny lasa! Hisy ratsantanana kely haniry hanandrana ilay mofo mamy! Raha tsy nanome fampitandremana nifanentana izao ilay reny, dia tsy hanana fototra mafy hanaovana fifehezana. Etsy an-danin’izany, raha milaza mazava izy fa ilay mofo mamy dia hohanina any aoriana kokoa, rehefa tonga ny vahiny, ka noho izany dia tsy tokony hokasihina, dia efa nanome fampitandremana mazava izy amin’izay. Raha misy tsy fankatoavana, dia manana zo hanao zavatra hentitra sy ara-drariny izy. — Ohabolana 29:15.
17. Ahoana no nampisehoan’i Jehovah ny fanaovany ny rariny tamin’ny fomba manokana hatramin’ny 1919?
17 Amin’ny fanaovany ny rariny, i Jehovah dia tsy hampihatra fitsarana hamelezana itỳ fandehan-javatra ratsy itỳ raha tsy manome fampitandremana ilaina aloha. Noho izany, indrindra fa hatramin’ny 1919, taorian’ny nitondran’ny ady lehibe voalohany “fahoriana”, dia nasain’i Jehovah nandeha nanerana ny tany ny Vavolombelony, nanambara tamin-jotom-po ny vaovao tsara. (Matio 24:7, 8, 14, NW ). Tsy afaka milaza ara-drariny ireo firenena fa tsy mahafantatra io fampitandremana tsy manam-paharoa io.
Hatraiza no efa nitoriana ny vaovao tsara eo amin’izao tontolo izao?
18. a) Inona no porofo mikasika ny asa ataon’ny Vavolombelona any amin’ireo faritra an-kodahoda? b) Ohatra hafa inona avy no fantatrao momba izany?
18 Azo atao ny mahita filazana momba ny fandairan’io asa fampianarana maneran-tany io ao amin’ilay boky hoe Last Places — A Journey in the North. Mitantara ny mpanoratra azy io fa fony izy nizaha ilay sarintany milaza ny toetoetra ara-jeografian’ny ranomasina manamorona ny nosy mitokana Foula, iray amin’ireo Nosy Shetland any avaratr’i Ekosy, dia notondroin’ilay sarintany hoe “WKS (sambo rendrika), RKS (vato), LDGS (haram-bato), OBS (tampina) na aiza na aiza manodidina ilay nosy”. Ireny filazana ireny dia “nampitandrina ireo mety ho tantsambo mba hijanona lavitra. Saha misy vanja milevina faran’izay mampahatahotra ny rano manodidina an’i Foula, ka izany dia nahatonga ilay nosy ho tsy azo hatonina ho an’ireo mpitondra sambokely mandeha maotera, sy ho an’ireo mpivezivezy amin’ny antoandro, ary na dia ho an’ireo iraky ny Andriamanjaka mpanao asa ho an’ny vahoaka aza, fa tsy nanakana ny Vavolombelon’i Jehovah kosa — nahafantatra izany aho tao anatin’ny andro vitsivitsy”. Nanohy ny teniny toy izao izy: “Toy ny ikarohan’izy ireo olona ho tonga mpino any amin’ireo toerana mahantra sy be mponina any an-tanàn-dehibe sy any amin’ireo Tany Mahantra, dia mitaona olona hanaraka ny finoany koa izy ireo any amin’ny toerana an-kodahoda misy an’i Foula.” Niaiky izy fa i Andrew, mponina teo an-toerana, dia nahazo nomerao iray tamin’ny Ny Tilikambo Fiambenana nipetraka teo an-tokonany, volana vitsivitsy lasa talohan’izay. Avy eo izy dia nanampy teny hoe: “Herinandro taorian’izay aho dia nahita nomerao iray tamin’ny [Mifohaza! amin’ny fiteny danoà] tany Féroé [nosy any amin’ny Ranomasina Avaratra] ary roa volana tatỳ aoriana dia nahita nomerao iray tamin’ny [Ny Tilikambo Fiambenana amin’ny fiteny danoà] tany Nuuq, any Groenland.” Fanambarana mampiaiky toy inona moa izany momba ny asa mampiseho zotom-po ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ireny faritra avaratra ireny!
Inona no manosika ny Vavolombelona hanohy?
19, 20. a) Inona no manosika ny Vavolombelon’i Jehovah hanohy hitory? b) Inona avy ireo fanontaniana hovaliana amin’ny manaraka?
19 Mazava ho azy fa tsy raharaha mora akory ny fitoriana isan-trano amin’olon-tsy fantatra, na firy taona na firy taona nety ho naha-Vavolombelona ny olona iray. Koa inona àry no manosika ireo Kristiana ireo hanohy? Ny fanoloran-tenany kristiana sy ny fahatsapany andraikitra. Nanoratra toy izao i Paoly: “Fa raha mitory ny filazantsara aho, dia tsy misy ho reharehako, satria tsy maintsy manao izany; fa lozako, raha tsy mitory ny filazantsara aho!” Manana hafatra izay midika ho fiainana ireo tena Kristiana, koa ahoana no hahafahan’izy ireo hitana izany ho an’ny tenany? Antony iray manosika hitory ny vaovao tsara ilay fotopoto-pitsipika mikasika ny trosan-dra noho ny tsy fanomezana fampitandremana amin’ny fotoan’ny loza. — 1 Korintiana 9:16; Ezekiela 3:17-21.
20 Ahoana àry no itoriana ny vaovao tsara? Inona no fanalahidin’ny fahombiazan’ny Vavolombelona? Lafiny inona avy amin’ny fanompoan’izy ireo sy ny fandaminany no manampy mba hahafantarana azy ireo ho ny fivavahana marina? Hamaly ireo fanontaniana ireo ny lahatsoratra manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mba hahazoana fanazavana fanampiny mikasika ny fahendren’Andriamanitra sy ilay “zava-miafina masina”, dia jereo ny Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, Ri-Zo, pejy faha-1339-1340, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.
Tadidinao Ve?
◻ Inona no mampiavaka ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny klerjy?
◻ Amin’ny ahoana ny fitoriana no manome taratry ny fitiavana sy ny hery ary ny fahendren’Andriamanitra?
◻ Amin’ny ahoana ny fitoriana ny vaovao tsara no manome taratry ny fanaovan’Andriamanitra ny rariny?
◻ Inona no manosika ny Vavolombelon’i Jehovah hanohy ny fanompoany?
[Sary, pejy 15]
Na toy inona na toy inona toerana mitokana mety hisy ny olona, dia maniry ny hahatratra azy ireo ny Vavolombelon’i Jehovah