Jereo, Efitrano Fanjakana Iray ao Niue!
I NIUE dia nosy kely iray voaforona haran-dranomasina any Pasifika Atsimo, any amin’ny 2 160 kilaometatra avaratra atsinanan’i Nouvelle-Zélande. Araka ny bokikely iray momba ny fanaovana dia lavitra, ny anarana hoe Niue dia avy amin’ny teny roa hoe Niu, midika hoe “voaniho”, sy e, midika hoe “tazano”, na “jereo”. Hoy ilay bokikely: “Araka ny angano, ireo mpila ravinahitra polineziana voalohany dia nanonona ireo teny ireo teo am-pahatongavany, rehefa nahita ireo voaniho naniry teo amin’ilay tany.”
Amin’izao andro izao, ireo Vavolombelon’i Jehovah ao Niue dia mirehareha milaza amin’ireo mpitsidika hoe: “E! Fale he Kautu ha mautolu!” izay midika hoe: “Jereo, ny Efitrano Fanjakananay!” Nahoana moa izy ireo no manana fihetseham-po lalina toy izany ny amin’io efitrano io? Mirehareha ny amin’ny Efitrano Fanjakanany ireo Vavolombelon’i Jehovah hatraiza hatraiza, indrindra raha ny tenan’izy ireo mihitsy no mpanorina. Kanefa, mba hanorenana Efitrano Fanjakana any amin’ny nosy lavitra be iray, any afovoan’i Pasifika Atsimo midadasika, dia raharaha iray hafa tanteraka. Raha dinihina tokoa, i Niue dia tsy mahafaoka afa-tsy 260 kilaometatra tora-droa monja, ary tsy misy afa-tsy mponina 2 300 monja ao amin’ilay nosy manontolo.
Tao ny fanontaniana ny amin’ny hoe iza no hanorina ilay Efitrano Fanjakana. Ilay hany kongregasiona ao Niue dia tsy manana afa-tsy Vavolombelona 32 monja. Ny fitaovana lehibe rehetra ilaina, toy ny kamiao, ny bolidaozera sy ny milina fampiakarana entana, dia fananan’ny fitondram-panjakana. Ankoatra izany, saika ireo fitaovam-panorenana tena ilaina rehetra — tsỳ, rihibato, tafo, fitaovana elektrika sy fitaovana momba ireo fantsona, fitaovana fanamafisam-peo sy seza — dia tsy maintsy hoentin’ny sambo avy any Nouvelle-Zélande amin’ny alalan’ny sampan-draharaha mpanao fitaterana iray, izay tsy miasa afa-tsy indray mandeha isaky ny dimy herinandro. Farany, dia hanasarotra ny fanorenana ny tany vatoana ao amin’ilay nosy, ary ilay efitrano dia tsy maintsy haorina mba hahatohitra ny rivo-dozan’ny tany mafana. Asa goavana ho an’ny rehetra tokoa!
Misy fahasamihafana lehibe anefa eto. Ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah, ny Efitrano Fanjakana dia ny foiben’ny fanompoam-pivavahana marina eo an-toerana, ary miantehitra amin’i Jehovah Andriamanitra izy ireo mba hahazoana fitarihan-dalana sy fanampiana. (Salamo 56:11; 127:1). Tonga mba hanampy an’ilay antoko kelin’ny Vavolombelona tao Niue ireo rahalahy kristiana tany Nouvelle-Zélande, anisan’izany ny mpikambana tao amin’ny kongregasiona iray voaforona olona avy any Niue, tany Auckland, ka nanolotra fanohanana tamin’ny fo manontolo an’ilay tetik’asa fanorenana.
Ny fanapahan-kevitra hanombo-javatra
Tamin’ny Jona 1994 tao amin’ny toeram-panorenana Efitrano Fanjakana iray tao Rotorua, Nouvelle-Zélande, dia nisy antso natao ho an’ireo olona naniry handray anjara tamin’ilay tetik’asa tany Niue. Nahagaga fa nisy rahalahy sy anabavy kristiana 200 nanolo-tena. Tamin’izy ireo, dia nisy 80 nofantenana, anisan’izany ireo mpandrafitra, mpiasa amin’ny tsỳ, mpanao fantsona, mpanafo, mpandalotra, mpandoko, elektrisiana, teknisiana momba ny fanamafisam-peo, mpanao rihibato sy mpandatsa-biriky ary ny mpanampy.
Nanomana ireo planina ny rahalahy, ary nandroso, nitoky tamin’i Jehovah. Nanomboka tamin’ny fandaminana ny fanafarana tamin’ny sambo ireo fitaovana rehetra nilaina ny iray tamin’ireo loholona roa tao Niue, izay mpandraharaha teo an-toerana. Nisy sarany manokana ho an’ny fandehanana tamin’ny fiaramanidina sy ny fanomezana filasiana nanaovana fifanarahana, ho an’ireo mpiasa avy tany ampitan-dranomasina, izay nanolo-tena handoa ny fandaniany manokana, ary dia noferana ireo daty hanorenana. Tsy maintsy hovitaina tao anatin’ny 20 andro ilay tetik’asa, nanomboka tamin’ny 4 Martsa ka hatramin’ny 23 Martsa 1995, fotoana izay hanaovana ny fitokanana ilay Efitrano Fanjakana.
“Tratran’ny famelezan’ny tebiteby voalohany tsapako hatramin’izay aho rehefa nahita ilay toerana”, hoy ilay lehiben’ny tetik’asa izay tonga avy tany Nouvelle-Zélande herinandro mialoha, mba hanoman-javatra. “Vatoana be ny tany. Hitaky tapa-bolana ny fihadiana ny fototra fotsiny.” Kanefa diso ny fanombanany izay nety ho vitan’ireo Vavolombelona teo an-toerana, hoy ny fiekeny tatỳ aoriana. “Mahafantatra tsara ny taharon’ireo vato ny rahalahy tao Niue”, hoy izy. “Fantany hoe aiza no tokony hokapohina amin’ny vato iray mba hianjeran’ireo vaingany lehibe.” Vita tao anatin’ny roa andro ny fototra!
Tonga tamin’ny 4 Martsa ny fiaramanidina voalohany feno Vavolombelona avy tany Nouvelle-Zélande, ary dia vita ny asa tamin’ny rihibato. Arakaraka ny nahatongavan’ireo antokona mpiasa nisesy no nahavitan’ireo tapany maro samihafa tamin’ilay tetik’asa. Nanomboka tamin’ny 7 ora maraina tamin’ny fandinihana fohy ny teny tao amin’ny Baiboly natao hovakina isan’andro, ireo andro fiasana. Nisy rahalahy sasany niasa adiny 12 isan’andro, tamin’ny mari-pana niakatra hatrany amin’ny 36 degre. Farany, tamin’ny 23 Martsa, dia niova endrika ilay tany. Nisy takelaka iray tsara tarehy vita tamin’ny vata-manga nampahafantatra ilay trano ho ny “Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah”.
Toe-tsaina mampiseho fiaraha-miasa sy fahaiza-mandray vahiny
Anton-javatra tena lehibe iray izay nandray anjara tamin’ny fahombiazan’ilay tetik’asa ny fiaraha-miasa nasehon’ny mponina tao Niue. Ireo mponina teo an-toerana, nentanin’ny toe-tsaina nasehon’ny rahalahy, dia nanao fanomezana sakafo sy vola. Maro no nihevitra ny fanorenana an’ilay efitrano ho toy ny tetik’asan’ny tenany. Nanao zavatra nihoatra noho izay nantenaina ireo mpiasam-panjakana sy mpandraharaha. Azo nampiasaina ireo fitaovana nilaina, torak’izany koa ny orinasa fandrafetan-kazo iray. Nanova ny lalana falehan’ny sambony mihitsy aza ilay kompania mpanao fitaterana mba hanaovana izay hahazoana antoka fa ho tonga ara-potoana tsara mihitsy ireo fitaovana nilaina.
Nankasitrahan’ireo mpitsidika marina tokoa ny asa mafy sy ny fahaiza-mandray vahiny nasehon’ireo Vavolombelona tao Niue, izay nizara ny fonenany sy ny fananany. “Mendri-piderana ireo anabavy teo an-toerana”, hoy ny mpanao fanorenana iray. Ankoatra ny sakafo antoandro nafana isan’andro, dia nanolotra sakafo maraina nandrahoina, isa-maraina tamin’ny 6.30, ireo anabavy. Nisy sasany nifoha tamin’ny 4.30 maraina mba hikarakara ny sakafo. Hoy ny iray tamin’ireo mpanao fanorenana: “Heveriko fa tsara kokoa ny fiainanay teto Niue noho ny tany an-tokantranonay manokana.”
Tamin’ny 10 Martsa, ny Niue Star dia nanao tatitra momba ilay fisehoan-javatra, tao amin’ny fitantarana iray teo amin’ny pejy voalohany niaraka tamin’ny lohateny hoe “Ny Efitrano Fanjakana Voalohany eto Niue”, sy ny sarin’ireo olona avy tany Nouvelle-Zélande sy Niue niasa tao amin’ilay toerana. Notantarain’izy io fa ilay efitrano dia 280 metatra tora-droa ny habeny, ary nisy fitoerana ho an’ny olona 70 ka hatramin’ny 100. Nanampy teny toy izao ilay lahatsoratra: “Afaka ny ho vita ao anatin’ny roa [herinandro] ny asa, raha ny marina, kanefa amin’itỳ toe-javatra itỳ dia hohalavaina ilay izy. Amin’izao fandrosoany izao, roa andro monja taorian’ny nanombohan’ny asa, dia efa tontosa aloha be, ny fototra, ny tanjaky ny trano, ny rafitra hipetrahan’ny tafo sy ny tafo.”
Nisy mpandraharaha iray teo an-toerana naneho ny faniriany ny hijeren’ny rehetra tao amin’ny Nosy Niue ilay tetik’asa ka handraisan’izy ireo lesona avy amin’izany. Nolazainy ny fanantenany fa izany dia hampiseho amin’ny rehetra izay azo atao noho ny fitiavana sy ny fiaraha-miasa.
Nisy vahoaka 204 tonga tamin’ny fitokanana. Izay hita ho ny fanandraman-javatra tena nampihetsi-po ho an’ny rehetra nanatrika, dia ny fampisehoana manokana iray nanehoan’ireo rahalahy sy anabavy ary ankizy, tao Niue, tamin’ny alalan’ny hira sy ny dihy, ny fanorenana ilay Efitrano Fanjakana. Nisy fanehoana fisaorana natao ho an’ilay ekipana mpanorina sy ho an’i Jehovah, izay ny fanahiny no nanosika ireo saina sy fo ary tanana hanatontosa ilay asa. — Isaia 40:28-31.