Tsy Nahafoy Anay Mihitsy i Jehovah
NOTANTARAIN’I NASHO DORI
Tanàna kely eny an-tendrombohitra, any atsimon’i Albania, tsy lavitra an’i Gresy, i Mbreshtan. Teraka tao aho tamin’ny 1907. Rehefa dimy taona aho, dia nanomboka nandeha nianatra tany amin’ny sekoly grika iray, nefa tapaka ny fianarako rehefa nanafika an’i Albania ny tafika italiana nandritra ny Ady Lehibe Voalohany. Taorian’ny ady, dia nanohy ny fianarako indray aho, tamin’ny fiteny albaney anefa.
NA DIA tsy dia tena mpivavaka aza ny ray aman-dreniko, dia nitandrina ny lovantsofin’ny Eglizy Ortodoksa Albaney izy ireo. Mpisorona tao Mbreshtan ny rahalahin’ny raibeko, hany ka niasa tao am-piangonana aho ary nahita ny zava-nitranga tao ny masoko. Toa tsinontsinona aoka izany ireo fombafomba, ary nanelingelina ahy ny fihatsarambelatsihy.
Nanaraka ny fomba fanao teo an-toerana ireo ray aman-dreniko ka nifidy zazavavy ho ahy mba ho vadiko. Avy teo amin’ny tanànan’i Grabova teo akaiky i Argjiro, ary nivady izahay tamin’ny 1928, fony izy 18 taona.
Fianarana ny fahamarinana avy ao amin’ny Baiboly
Tokony ho tamin’izany fotoana izany, dia nitaraina momba ny Eglizy Ortodoksa tamin’ny zanak’olo-mpiray tam-po tamiko izay nitsidika anay avy tany Etazonia, aho. “Any Amerika, eo akaikin’ny tranoko”, hoy izy namaly, “dia misy antokon’olona tsy manana fiangonana, nefa mianatra ny Baiboly izy ireo.” Nanintona ahy ilay hevitra hoe mianatra ny Baiboly tsy ilana fiangonana. Koa nanontany aho raha handefa zavatra vita an-tsoratra sasany momba ny Baiboly ho ahy izy.
Hadinoko tanteraka ilay resaka nifanaovanay mandra-pandraisako fonosan’entana avy tany Milwaukee, any Wisconsin, tokony ho herintaona tatỳ aoriana. Tao anatiny ilay boky hoe La Harpe de Dieu tamin’ny fiteny albaney sy Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny fiteny grika. Navadibadiko haingana ilay boky, ary nomarihiko ny firesahana momba ny fiangonana marina. Nahasosotra ahy izany. ‘Tsy ta hanan-draharaha amin’ny fiangonana aho’, hoy aho anakampo. Koa tsy namaky ilay boky tamin’ny fomba lalina àry aho.
Tamin’ny 1929 aho dia niditra tao amin’ny tafika, ary nalefa tany amin’ny tanànan’i Tirana, renivohitr’i Albania. Tany aho dia nihaona tamin’i Stathi Muçi, izay teo am-pamakiana Baiboly iray tamin’ny fiteny grika. “Mankany am-piangonana ve ianao?”, hoy aho nanontany. “Tsia”, hoy ny navaliny. “Nandao ny fiangonana aho. Iray amin’ireo Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena aho.” Nankany amin’ny fivoriana iray niaraka tamin’i Stathi izaho sy ny miaramila hafa ny alahady. Tany aho dia nahafantatra fa ny fiangonana marina dia tsy trano na fivavahana akory, fa voaforon’ny mpanompon’i Kristy voahosotra kosa izy io. Tamin’izay, dia takatro ilay nolazain’ny La Harpe de Dieu.
Niverina teto Albania avy tany Etazonia i Nasho Idrizi sy i Spiro Vruho teo antenatenan’ireo taona 1920 ary nampiely ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly nianarany tany. Nanomboka nanatrika ireo fivoriana tany Tirana niaraka tamin’ireo Mpianatra ny Baiboly vitsy dia vitsy aho. Tsy ela dia nanjary niharihary tamiko fa nahita ny fandaminan’i Jehovah aho. Koa, tamin’ny 4 Aogositra 1930, dia natao batisa aho tao amin’ny renirano iray teo akaiky.
Taorian’izany dia niverina tany Mbreshtan aho mba hanohy ny asan’ny mpanao kiraro nataoko. Ny zava-dehibe kokoa anefa, dia nanomboka nizara tamin’ny hafa ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly nianarako aho. Niteny tamin’izy ireo aho hoe: “Tsy mitovy amin’ireo sary masina any am-piangonana i Jesosy Kristy. Velona izy!”
Fitoriana na dia teo aza ny fanoherana
Naka an-keriny ny fahefana i Ahmed Bey Zogu tamin’ny 1925, ary niantso tena hoe Mpanjaka Zog I tamin’ny 1928, ka nanapaka hatramin’ny 1939. Nanome fanekena ny asanay kristiana ny minisitry ny zon’olombelona. Na dia izany aza, dia nahita zava-nanahirana izahay. Izany dia satria i Musa Juka, ny minisitry ny ati-tany, dia nifamatotra akaiky tamin’ny papa tany Roma. Nandidy i Juka fa fivavahana telo ihany no ekena — ny Miozilimana sy ny Ortodoksa ary ny Katolika Romana. Nitady hihazona ny bokinay sy hampiato ny fitorianay ny polisy, nefa tsy nahomby izy ireo.
Nandritra ireo taona 1930 aho dia nitsidika matetika an’i Berat, tanàna lehibe iray eto Albania ka, avy tao no nitarihan’i Mihal Sveci ny asa fitorianay. Nandamina dia fitoriana nanerana ilay tany izahay. Indray mandeha, dia nalefa tany Shkodër nandritra ny tapa-bolana aho, ary nahapetraka zavatra vita an-tsoratra betsaka. Tamin’ny 1935, dia nanofa fiara fitaterana iray ny sasantsasany taminay mba hitoriana tany amin’ny tanànan’i Këlcyrë. Avy eo, dia nanaovana fandaharana ny dia lehibe kokoa teto Albania mba hitoriana tany Përmet, Leskovik, Ersekë, Korçë sy Pogradec ary Elbasan. Nofarananay tao Tirana ilay dia, ara-potoana tsara mba hitandremana ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy.
Nisy tahirin-tsakafo ara-panahy nanampy anay hitoetra ho matanjaka ara-panahy, ka tsy nahatsapa ny tenanay ho nafoy mihitsy izahay. Teo anelanelan’ny 1930 sy 1939, dia naharay Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny fiteny grika tsy tapaka aho. Ny tanjoko koa dia ny hamaky ny Baiboly, fara fahakeliny adiny iray isan’andro, zavatra izay nataoko nandritra ny 60 taona teo ho eo talohan’ny tsy nahitan’ny masoko intsony. Vao haingana vao nisy tamin’ny fiteny albaney ny Baiboly manontolo, koa faly aho fa nianatra ny fiteny grika tamin’ny fahazazako. Nisy Vavolombelona albaney hafa tamin’izany andro taloha izany nianatra namaky ny fiteny grika, mba hahafahan’izy ireo koa hamaky ny Baiboly manontolo.
Tamin’ny 1938, dia natao batisa i Argjiro. Tamin’ny 1939, dia efa teraka ny fito tamin’ireo zanakay folo. Mampalahelo fa telo tamin’ireo zanakay fito voalohany no maty fony izy ireo mbola kely.
Zava-tsarotra nandritra ny Ady Lehibe Faharoa
Tamin’ny Aprily 1939, taloha kelin’ny nanombohan’ny Ady Lehibe Faharoa, dia nanafika an’i Albania ny andian-tafika italiana fasista. Tsy ela taorian’izay, dia voarara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah, nefa nanohy nitory ilay antokon’olona kelinay nisy mpitory ilay Fanjakana tokony ho 50. Nohazonina ny bokinay sy ny bokikelinay 15 000 teo ho eo ary nopotehina nandritra ny Ady Lehibe Faharoa.
Nanana efitra lehibe fitahirizana zavatra vita an-tsoratra nifandray tamin’ny tranony i Jani Komino. Rehefa fantatry ny tafika italiana fa natao pirinty tany Etazonia ireo boky, dia tezitra izy ireo. “Mpanao fampielezan-kevitra ianareo! Manohitra an’i Italia i Etazonia!” hoy izy ireo. Nosamborina i Thomai sy i Vasili Cama, rahalahy tanora be zotom-po, ary rehefa fantatra fa avy tamin’i Komino ireo boky nozarain’izy ireo, dia nosamborina koa izy. Tsy ela dia nampanantsoin’ny polisy aho mba hadinadinina.
“Fantatrao ve ireo lehilahy ireo?” hoy izy ireo nanontany.
“Eny”, hoy ny navaliko.
“Miara-miasa amin’izy ireo ve ianao?”
“Eny”, hoy aho. “Vavolombelon’i Jehovah izahay. Tsy manohitra ny fitondram-panjakana izahay. Mialanalana izahay.”
“Efa nizara itỳ zavatra vita an-tsoratra itỳ ve ianao?”
Rehefa nanaiky aho, dia nasian’izy ireo gadran-tanana, ary natao an-tranomaizina tamin’ny 6 Jolay 1940. Tao aho dia tafaraka tamin’ny dimy hafa avy tany an-tanànako — i Josef Kaci, i Llukan Barko sy i Jani Komino, ary ry Cama mirahalahy. Nihaona tamin’ny Vavolombelona telo hafa izahay tany an-tranomaizina — i Gori Naçi sy i Nikodhim Shyti ary i Leonidas Pope. Nafatratra tao amin’ny efitra kely nirefy 1,8 m sy 3,7 m avokoa izahay sivy mirahalahy!
Rehefa afaka andro vitsivitsy, dia nogadraina niaraka izahay ary nentina tany amin’ny tanànan’i Përmet. Telo volana tatỳ aoriana, dia nafindra tany amin’ny tranomaizina tany Tirana izahay ary nohazonina nandritra ny valo volana fanampiny tsy nisy fakana am-bavany.
Farany, dia niseho teo anatrehan’ny fitsarana miaramila izahay. Ny Rahalahy Shyti sy izaho dia nomelohina 27 volana an-tranomaizina, ny Rahalahy Komino, 24 volana, ary ireo hafa dia nafahana rehefa afaka 10 volana. Nafindra tany amin’ny tranomaizina tany Gjirokastër izahay, ka tany no nikarakaran’ny Rahalahy Gole Flloko ny fanafahana anay tamin’ny 1943. Taorian’izany, dia nanorim-ponenana tao amin’ny tanànan’i Përmet ny fianakavianay, ka tao no nahatongavako ho mpiandraikitra an’ilay kongregasiona kely.
Na dia voarara aza ny asanay ary namely mafy ny Ady Lehibe Faharoa tany amin’ireo firenena nanodidina anay, dia nanohy nanao izay azonay natao izahay mba hanatanterahana ny asa nanirahana anay, dia ny hitory ny hafatra momba ilay Fanjakana. (Matio 24:14). Tamin’ny 1944, dia 15 no tontalin’ny Vavolombelona tany an-tranomaizina. Na dia izany aza, nandritra ireny fotoan-tsarotra ireny, dia tsy nahatsapa ny tenanay ho nafoin’i Jehovah mihitsy izahay.
Notsapaina raha ny amin’ny fialanalanana
Na dia nifarana tamin’ny 1945 aza ny ady, dia nitohy ireo zava-nanahirana hitanay ary vao mainka aza niharatsy. Noterena ny olona handatsa-bato nandritra ny fifidianana tamin’ny 2 Desambra 1946. Na iza na iza sahy tsy nanao izany, dia noheverina ho ny fahavalon’ny Governemanta. Nanomboka nanontany ireo tao amin’ny kongregasionanay tao Përmet hoe: “Inona no tokony hataonay?”
“Raha matoky an’i Jehovah ianareo”, hoy aho namaly, “dia tsy mila manontany ahy izay tokony hatao. Efa fantatrareo fa mialanalana ny vahoakan’i Jehovah. Tsy naman’izao tontolo izao izy ireo.” — Jaona 17:16.
Tamin’ny andron’ny fifidianana, dia tonga tao aminay ny solontenan’ny fitondram-panjakana. Nanombo-dresaka tamim-pahatoniana izy ireo hoe: “Andeha hisotro kafe isika sady hiresadresaka. Fantatrao ve hoe inona ny andro anio?”
“Ia, anio no anaovana ny fifidianana”, hoy aho namaly.
“Raha izaho ianao, dia handeha haingana aho, raha tsy izany dia ho tara”, hoy ny manamboninahitra iray.
“An, an, an, tsy nieritreritra ny handeha aho. Ho an’i Jehovah ny vatonay”, hoy ny navaliko.
“Eny àry, tongava àry handatsa-bato ho an’ny antoko mpanohitra.”
Nohazavaiko fa mialanalana tanteraka ny Vavolombelon’i Jehovah. Rehefa nanjary fantatra tsara ny toerana notananay, dia nampiharana fanerena lehibe kokoa izahay. Nomena baiko izahay tsy hanao ireo fivorianay intsony, koa nanomboka nivory tamim-piafenana izahay.
Fiverenana tany amin’ny tanàna niavianay
Tamin’ny 1947, dia niverina tany Mbreshtan izaho sy ny fianakaviako. Fotoana fohy taorian’izany, indray tolaka andro nangatsiaka tamin’ny volana Desambra, dia nampanantsoina tany amin’ny biraon’ny Sigurimi (polisy miafina) aho. “Fantatrao ve hoe nahoana aho no nampiantso anao?”, hoy ilay manamboninahitra nanontany.
“Ataoko fa satria nandre fiampangana momba ahy ianao”, hoy ny navaliko. “Manambara anefa ny Baiboly fa hankahala anay izao tontolo izao, koa tsy mahagaga ahy ny fiampangana.” — Jaona 15:18, 19.
“Aza miresaka momba ny Baiboly amiko”, hoy ny fiketoky ny famaliny. “Hovakiko eo ny vavanao.”
Lasa ilay manamboninahitra sy ireo miaramilany nefa nilaza tamiko izy mba hijoro tao amin’ny hatsiaka tao ivelany. Rehefa afaka kelikely, dia nampiantso ahy hiverina tao amin’ny biraony izy ary nanome baiko ahy mba tsy hanao fivoriana ao an-tokantranonay intsony. “Olona firy no monina ao an-tanànanao?” hoy izy nanontany.
“Roapolo amby zato”, hoy aho.
“Inona no fivavahan’izy ireo?”
“Ortodoksa albaney.”
“Ary ianao?”
“Vavolombelon’i Jehovah aho.”
“Mizotra amin’ny lalana iray ny roapolo amby zato ary ianao mizotra amin’ny lalana hafa?” Avy eo, dia nomeny baiko aho handrehitra labozia tao am-piangonana. Rehefa niteny aho fa tsy hanao izany, dia nanomboka nikapoka ahy tamin’ny rantsankazo izy. Tokony ho tamin’ny iray ora maraina vao nafahana aho tamin’ny farany.
Notapahina ny tahirin-javatra vita an-tsoratra
Taorian’ny nifaranan’ny Ady Lehibe Faharoa, dia nanomboka naharay indray Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny paositra izahay, nefa tamin’ny farany, dia tsy nisy nanatitra intsony ireo gazety. Avy eo, indray alina, tamin’ny folo ora, dia nampanantsoin’ny polisy miafina aho. “Misy gazety amin’ny fiteny grika tonga ao”, hoy ny nolazaina tamiko, “ary irinay ny hanazavanao hoe momba ny inona izy io.”
“Tsy mahay tsara ny fiteny grika aho”, hoy aho. “Ilay mpifanila trano amiko no mahay azy io kokoa. Angamba izy afaka manampy anareo.”
“Tsia, ianao no tianay hanazava an’itỳ”, hoy ny tenin’ny manamboninahitra iray, sady namoaka Ny Tilikambo Fiambenana sasany tamin’ny fiteny grika izy.
“Ohay, ahy ireny!”, hoy aho nihiaka. “Mazava ho azy fa afaka manazava an’itỳ aho. Hitanareo, avy any Brooklyn, any New York, ireo gazety ireo. Any no misy ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah. Vavolombelon’i Jehovah aho. Toa nanao fahadisoana anefa ry zareo tamin’ny adiresy. Tokony ho nalefa tany amiko ireo gazety ireo, fa tsy tatỳ aminareo.”
Tsy nomen’izy ireo ahy ireo gazety, ary nanomboka tamin’izay fotoana izay ka hatramin’ny 1991, izany hoe maherin’ny 40 taona tatỳ aoriana, dia tsy naharay zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly izahay teto Albania. Nandritra izany taona rehetra izany, dia nanohy nitory izahay, tamin’ny fampiasana ny Baibolinay fotsiny. Vavolombelona tokony ho 20 teo ho eo no tany an-tranomaizina tamin’ny 1949; ny sasany voaheloka dimy taona.
Nitombo ireo zava-nanahirana
Tamin’ireo taona 1950, dia nomena baiko ny olona hitondra taratasy mampiseho fa nanohana ny tafika izy ireo. Nanda tsy hitondra taratasy toy izany anefa ny Vavolombelon’i Jehovah. Noho izany, dia nandany roa volana hafa koa tany am-ponja izahay sy ny Rahalahy Komino.
Nandritra ny fotoana namelan’ny Governemanta ny hisian’ny fivavahana sasany, dia nanana fahafahana ihany izahay. Kanefa, tamin’ny 1967, dia voarara ny fivavahana rehetra ka i Albania dia tonga, tamin’ny fomba ofisialy, tany tsy mino an’Andriamanitra tanteraka. Nanohy nanandrana nanao fivoriana ireo Vavolombelona, nefa nanjary tena sarotra izany. Ny sasany taminay dia nanjaitra paosy manokana tao amin’ny soson’ny palitaonay mba hahafahana hanafina Baiboly kely iray. Avy eo, dia nankany an-tsaha izahay mba hamaky azy.
Tratra ireo Vavolombelona tany Tirana ary, ny telo dia voaheloka dimy taona tany amin’ny toby lavitra fanaovana asa an-tery vozona. Ho vokany, dia nijaly ny fianakavian’izy ireo. Tsy nalefa izahay izay avy tamin’ny tanàna kely nitokana, satria tsy noheverina ho nahaforona fandrahonana lehibe. Nitarika ho amin’ny fanesorana ny anaranay tao amin’ny lisitry ny nahazo sakafo anefa ny fialanalananay. Noho izany, dia tena mafy ny fiainana. Afa-tsy izany koa, dia maty ny roa hafa tamin’ireo zanakay. Na dia izany aza, dia tsy nahatsapa ny tenanay ho nafoin’i Jehovah mihitsy izahay.
Nanjaka ny tahotra teto Albania. Narahi-maso ny tsirairay, ary ny polisy miafina dia nanoratra tatitra momba izay sahy nanambara hevitra hafa noho ny an’ilay antoko nanapaka. Koa tena nitandrina izahay tamin’ny fanoratana tatitra momba ny asanay. Tsy afaka nivory mba hahazoana fampaherezana ara-panahy izahay raha tsy antokon’olona roa na telo. Na dia izany aza, dia tsy nitsahatra nitory mihitsy izahay.
Mba hahatonga fisafotofotoana teo amin’ireo rahalahy, dia nampiely tsaho ny polisy miafina hoe mpitsikilo ny Vavolombelona mitana andraikitra ambony iray tany Tirana. Nahatonga ny sasany hanary ny fatokiany izany ary nanakorontana ny firaisan-tsainay ihany. Noho ny tsy fisian’ny zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly vaovao sy ny tsy fananana fifandraisana tamin’ny fandaminan’i Jehovah hita maso, dia nanaiky ho resin’ny tahotra ny vitsivitsy.
Fanampin’izany, ireo manam-pahefana dia nampiely tsaho hoe namono tena i Spiro Vruho, loholona kristiana nohajaina fatratra teto Albania. “Hitanareo”, hoy izy ireo, “na dia i Vruho aza niala.” Nanjary niharihary tatỳ aoriana fa, nisy namono ny Rahalahy Vruho raha ny marina.
Tamin’ny 1975, dia nipetraka tany amin’ny zanakay lahy tany Tirana nandritra ny volana vitsivitsy izaho sy i Argjiro. Nandritra ny fotoan’ny fifidianana, ireo manam-pahefana tao amin’ilay tanàna dia nanery anay tamin’ny fandrahonana hoe: “Raha tsy mandatsa-bato ianareo, dia hesorinay amin’ny asany ny zanakareo lahy.”
“Efa nanao io asany io hatramin’ny 25 taona ny zanako lahy”, hoy aho. “Manana tahirin-taratasy manokana amin’ny an-tsipiriany momba azy sy ny fianakaviany ianareo. Tsy nandatsa-bato efa hatramin’ny 40 taona mahery aho. Any amin’ny tahirin-taratasy momba ny mpiasa rehetra izany fanazavana izany, raha ny marina. Raha tsy izany, dia misy tsy mety ny tahirin-taratasy anareo. Raha izany kosa, dia tsy nahatoky tamin’ny antoko ianareo tamin’ny famelana azy hiasa hatramin’izay taona maro izay.” Rehefa nandre izany ireo manam-pahefana, dia nilaza fa, raha niverina tany Mbreshtan izahay, dia hajanony eo ilay raharaha.
Fiovana lalina
Tamin’ny 1983, dia nifindra avy tany Mbreshtan nankany amin’ny tanànan’i Laç izahay. Fotoana fohy taorian’izay, tamin’ny 1985, dia maty ilay mpitondra tsy refesi-mandidy. Nanapaka nanomboka tamin’ireny fifidianana an-tery voalohany tamin’ny 1946 ireny izy. Tatỳ aoriana, dia nesorina ilay sarivongana nampiseho azy, izay nandondona teo amin’ny kianja lehibe tao Tirana, sy ilay nampiseho an’i Staline.
Nandritra ireo am-polony taona nandrarana ny asanay, dia Vavolombelona maro no nentina tamin-kalozana, ary ny sasany novonoina. Nilaza toy izao tamin’ny Vavolombelona sasany teny amin’ny arabe ny lehilahy iray: “Nandritra ny andron’ny Komonista, dia nahafoy an’Andriamanitra izahay rehetra. Ny Vavolombelon’i Jehovah ihany no nitoetra ho nahatoky taminy na dia teo aza ireo fisedrana sy zava-tsarotra.”
Rehefa nisy fahalalahana bebe kokoa, dia sivy no nandefa tatitra momba ny asa fanompoana kristiana tamin’ny Jona 1991. Tamin’ny Jona 1992, iray volana taorian’ny nanafoanana ny fandrarana, dia 56 no nandray anjara tamin’ny asa fitoriana. Taloha kokoa tamin’io taona io, dia safononoky ny hafaliana izahay nahazo mpanatrika 325 tamin’ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy. Hatramin’izay, dia nihoatra ny 600 ny isan’ireo nitory, ary 3 491 no tontalin’ireo nanatrika ny Fahatsiarovana ny 14 Aprily 1995! Tato anatin’ireo taona faramparany, dia fifaliana tsy hay lazaina ho ahy ny mahita tanora maro aoka izany tonga manampy isa ny ao amin’ny kongregasionanay.
Nitoetra ho nahatoky tamin’i Jehovah sady tsy nivadika tamiko i Argjiro nandritra ireny taona rehetra ireny. Fony aho tany an-tranomaizina na nanao dia fitoriana, dia nikarakara tamim-paharetana izay nilain’ny fianakavianay tsy nisy fitarainana izy. Natao batisa ny iray tamin’ny zanakay lahy sy ny vadiny tamin’ny 1993. Izany dia nahasambatra anay aoka izany.
Ho an’ny Fanjakan’Andriamanitra ihany
Ravoravo aho mahita ny fandaminan’i Jehovah eto Albania tafaray aoka izany sady mahita firoboroboana ara-panahy. Izaho dia mitovy fihetseham-po amin’i Simeona be taona tany Jerosalema izay, talohan’ny nahafatesany, dia nomena ny tombontsoa sarobidy hahita ilay Mesia nampanantenaina hatramin’ny ela. (Lioka 2:30, 31). Ankehitriny, rehefa anontaniana aho hoe endrika fitondram-panjakana inona no tiako kokoa, dia hoy aho hoe: “Tsy tiako na ny Komonisma na ny Kapitalisma. Tsy zava-dehibe ny maha-an’ny vahoaka na an’ny Governemanta ny tany. Ny fitondram-panjakana dia manamboatra lalana, mitarika herin’aratra hatrany amin’ny tanàna lavitra, ary manome filaminana ihany. Kanefa, ny fitondram-panjakan’i Jehovah, ilay Fanjakany any an-danitra, no hany vahaolana amin’ny zava-manahirana sarotra atrehin’i Albania sy ny tany hafa rehetra.”
Izay ataon’ireo mpanompon’Andriamanitra maneran-tany amin’ny fitoriana momba ny Fanjakan’Andriamanitra, dia tsy asan’olombelona na iza na iza. Asan’Andriamanitra izany. Mpanompony izahay. Na dia nahita zava-nanahirana maro aza izahay teto Albania, ka tafasaraka ela be tamin’ny fandaminan’i Jehovah hita maso, dia tsy nafoiny mihitsy izahay. Teto foana ny fanahiny. Nitarika anay tamin’ny dingana tsirairay teo amin’ny dianay rehetra izy. Hitako izany nandritra ny androm-piainako.