Jereo ny any Ankoatra ny Zavatra Hitanao!
FITAHIANA ny fahitana ara-batana tsara. Raha ny marina, dia hilaza ny ankamaroan’ny olona fa vitsy amin’ireo zavatra ananany no sarobidy kokoa noho ny fahitana. Ho an’ny Kristiana, anefa, dia misy karazana fahitana izay resahin’ny apostoly Paoly fa sarobidy kokoa noho ny fahitana ara-batana tsara. “Tsy mijery ny hita izahay, fa ny tsy hita”, hoy ny nosoratan’i Paoly. (2 Korintiana 4:18). Izany dia tsy maintsy ho karazana fahitana manokana tokoa, izay ahafahana mahita zavatra tsy hita! Ho azontsika atao ny hiantso azy io hoe fahitana ara-panahy faran’izay tsara.
Nahoana no ilaina?
Ny Kristiana tamin’ny taonjato voalohany dia tena nila nanana io karazana fahitana ara-panahy io. Nanatanteraka ny fanompoany kristiana tao anatin’ny zava-tsarotra be dia be izy ireo. Nilaza izany toy izao i Paoly: “Voageja manodidina izahay, nefa tsy tery; very hevitra, nefa tsy mamoy fo; enjehina, nefa tsy nafoy; potraka, nefa tsy maty”. — 2 Korintiana 4:8, 9.
Na dia teo aza izany toe-javatra izany, dia niorina mafy ireo mpianatra nahatoky. Afaka nilaza tamim-pinoana mafy tamin’Andriamanitra toa an’i Paoly toy izao izy ireo: “Tsy ketraka izahay; fa na dia mihalevona aza ny toetray ivelany, dia havaozina isan-andro isan-andro kosa ny toetray anatiny.” Inona anefa no nitondra izany fanavaozana isan’andro izany? Nanohy ny teniny toy izao i Paoly: “Fa ny fahorianay maivana, izay vetivety foana, dia mainka miasa fatratra indrindra ka mahatanteraka voninahitra mavesatra maharitra mandrakizay ho anay, raha tsy mijery ny hita izahay, fa ny tsy hita; fa ny hita dia ho vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay.” — 2 Korintiana 4:16-18.
Nampahery ireo rahalahiny ara-panahy i Paoly mba tsy hamela ny zava-manahirana, ny fahasahiranana, ny fanenjehana — izay karazam-pahoriana rehetra — hanamaizina ny fahitana ilay valisoa be voninahitra izay napetraka teo anoloany. Tokony hijery tany ankoatran’ireo toe-javatra nisy azy ireo izy ireo, nampifantoka hatrany ny masony tamin’ilay fiafarana mahasambatra nentin’ny lalana kristiana. Izany no nanampy azy ireo hanavao isan’andro ny fahatapahan-keviny handroso tsy hiato tamin’ny ady. Mila manana fahitana ara-panahy tsara mitovy amin’izany koa ny Kristiana amin’izao andro izao.
Hevero ho vetivety ireo fahoriana misy ankehitriny!
Na tiana na tsy tiana, isan’andro isika dia mahita zavatra izay ho tiantsika kokoa ny tsy hahita azy. Rehefa mitopy amin’ny fitaratra ny masontsika, dia tsy afaka afa-tsy ny hanamarika tsininy sy kilema tsy faniry isika eo amin’ny tena ara-batana, famantarana ny tsy fahalavorariana ara-nofo. Rehefa mandinika akaiky ny fitaratry ny Tenin’Andriamanitra isika, dia mahita tsininy sy kilema ara-panahy isika, eo amintsika sy eo amin’ny hafa. (Jakoba 1:22-25, NW ). Ary rehefa mijery ny gazety mpivoaka isan’andro na ny televiziona isika, dia fitantarana tsy rariny sy halozana ary loza amin’antambo no manintona haingana ny saintsika ka mahatonga antsika halahelo.
Ho tian’i Satana ny hampanary toky antsika noho ireo zavatra hitantsika na hahatonga antsika hivily lalana sy hanomboka hihozongozona amin’ny finoana. Ahoana no ahafahantsika misakana izany tsy hitranga? Tsy maintsy manaraka ny ohatra navelan’i Jesosy Kristy isika, araka ny anoroan’ny apostoly Petera hevitra, rehefa nilaza izy hoe: “Fa ho amin’izany no niantsoana anareo; fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany”. (1 Petera 2:21). Tamin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainana kristiana, dia ohatra lavorary i Jesosy.
Tamin’ny fanondroana an’i Jesosy ho fianarana ho antsika, dia notononin’i Petera manokana fa nijaly i Jesosy. Eny tokoa, nijaly mafy i Jesosy fony izy teto an-tany. Tamin’ny naha-‘mpità-marik’i’ Jehovah azy, teo tamin’ny famoronana ny olombelona, dia nahafantatra marina izay nikasan’Andriamanitra ny olombelona izy. (Ohabolana 8:30, 31). Ankehitriny anefa, dia nahita nivantana izay nataon’ny ota sy ny tsy fahalavorariana tamin’izy ireo izy. Isan’andro izy dia nahita sy voatery niatrika ny tsy fahalavorariana sy ny fahalemen’ny olona. Tsy maintsy ho nisedra azy izany. — Matio 9:36; Marka 6:34.
Ankoatra ny fahorian’ny hafa, dia nanana ny an’ny tenany koa i Jesosy. (Hebreo 5:7, 8). Noho ny fahitana ara-panahy lavorary anefa, dia nijery tany ankoatran’ireny izy mba hahita ilay valisoa, dia ny hasandratra ho amin’ny fiainana tsy ahitam-pahafatesana noho ny lalan’ny tsy fivadihana narahiny. Avy eo, amin’ny maha-Mpanjaka Mesianika azy, dia hanana ny tombontsoa izy hanondrotra ny taranak’olombelona ampahorina hiala amin’ny toe-piainany nietry, ka hiverina ho amin’ny fahalavorariana izay nikasan’i Jehovah azy tany am-boalohany. Ny tsy fitsaharana nampifantoka ny masony tamin’ireny fahatsinjovana tsy hita mbola ho avy ireny dia nanampy azy hihazona fifaliana teo amin’ny fanompoana araka an’Andriamanitra, na dia nahita fahoriana mandrakariva aza izy. Nanoratra toy izao i Paoly tatỳ aoriana: “Izay naharitra ny hazo fijaliana, fa tsy nitandro henatra, mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany, ka dia efa mipetraka eo amin’ny ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra Izy.” — Hebreo 12:2.
Tsy navelan’i Jesosy na oviana na oviana ny toe-javatra sarotra sy nisedra hampanary toky azy, hanjary hivily, na hihozongozona amin’ny finoana. Amin’ny maha-mpianany antsika, dia tsy maintsy manaraka akaiky ny ohatra faran’izay tsara navelany isika. — Matio 16:24.
Ataovy izay hifantohana amin’ireo zavatra tsy hita haharitra mandrakizay!
Tamin’ny firesahana momba izay nahafahan’i Jesosy niaritra, dia notondroin’i Paoly koa ny lalana ho antsika, rehefa nanoratra toy izao izy: “Aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana amin’izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao, mijery [amim-pitandremana, NW ] an’i Jesosy, Tompon’ny finoantsika sy Mpanefa azy.” (Hebreo 12:1, 2). Eny, mba hanaovana amim-pahombiazana sy amim-pifaliana ny hazakazaka kristiana, dia tsy maintsy mijery any ankoatran’ireo zavatra eo anoloantsika avy hatrany isika. Ahoana anefa no ‘hijerentsika amim-pitandremana’ an’i Jesosy, ary inona no hoentin’izany ho antsika?
Ho ohatra, tamin’ny 1914, dia napetraka tamin’ny naha-Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra azy i Jesosy, ka manapaka avy any an-danitra. Izany rehetra izany, mazava ho azy, dia tsy hitan’ny masontsika ara-bakiteny. Kanefa, raha ‘mijery amim-pitandremana’ an’i Jesosy isika, ny fahitantsika ara-panahy dia hanampy antsika hahita fa efa vonona izy ankehitriny hanao zavatra mba hamaranana ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny sy handroahana an’i Satana sy ireo andiana demoniany maro be ho ao amin’ny fatoran’ny tsy fahafahana manao na inona na inona. Amin’ny fijerena lavidavitra kokoa aza, dia hampiseho ilay tontolo vaovao mahatalanjona, izay tsy ‘hisian’ny fahafatesana intsony, na alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha’, ny fahitantsika ara-panahy. — Apokalypsy 19:11-16; 20:1-3; 21:4.
Noho izany àry, toy izay hanaiky hovesaran’ireo fahoriana maharitra vetivety, izay mety ho tsy maintsy atrehintsika isan’andro, nahoana no tsy mampifantoka ny fibanjinantsika amin’ireo zavatra izay maharitra mandrakizay? Amin’ny alalan’ny masom-pinoana, nahoana no tsy mijery any ankoatra ny aretina sy ny fierenana misy eto amin’itỳ tany voaloto itỳ, mba hahita paradisa iray feno olona salama sy sambatra ary be fiahiana? Nahoana no tsy mijery any ankoatra ny kilemantsika, ara-batana sy ara-panahy, ka mahita ny tenantsika afaka mandrakizay amin’izy ireny, noho ny soa azo tamin’ny sorom-panavotan’i Kristy? Nahoana no tsy mijery any ankoatra ny fandripahana navelan’ny ady sy ny heloka bevava ary ny herisetra, ka mahita ireo olona vao natsangana tamin’ny maty ampianarina ao amin’ny fiadanana sy ny fahamarinan’i Jehovah?
Ho fanampin’izany, ny “mijery amim-pitandremana” an’i Jesosy dia hahafaoka koa ny fampifantohana ny fahitantsika ara-panahy amin’izay efa notanterahin’ilay Fanjakana, na dia tsy hita aza, eo amin’ny vahoakan’Andriamanitra eto an-tany: firaisan-tsaina, fiadanana, fitiavana, fitiavan-drahalahy, sy firoboroboana ara-panahy. Nanoratra toy izao ny vehivavy kristiana iray tany Alemaina, rehefa avy nahita ilay vidéocassette hoe United by Divine Teaching: “Hanampy ahy kokoa hatrany ilay vidéocassette, hitadidy an-tsaina fa anadahy sy rahavavy kristiana maro aoka izany maneran-tany amin’izao fotoana izao mihitsy no manompo an’i Jehovah amin’ny tsy fivadihana — ary izany, na dia eo aza ny fanoherana ankapobe. Sarobidy toy inona moa ny firaisan-tsain’ny mpirahalahy ananantsika eto amin’ny tontolo iray feno herisetra sy fankahalana!”
Moa ve ianao koa “mahita” an’i Jehovah, i Jesosy, sy ireo anjely mahatoky, ary ireo Kristiana an-tapitrisany maro tahaka anao, mijoro eo anilanao? Raha izany no izy, dia tsy hanjary hiahy be loatra ny amin’ny “fiahiahiana izao fiainana izao” izay mety hampilentika anao ao amin’ny fahakiviana ianao, ka hahatonga anao ‘tsy hamoa’ amin’ny fanompoana kristiana. (Matio 13:22). Koa ‘jereo amim-pitandremana’ àry i Jesosy, amin’ny fampifantohana ny masonao ara-panahy amin’ny Fanjakan’Andriamanitra efa miorina sy ireo fitahiana entiny ankehitriny sy amin’ny hoavy.
Miezaha mafy mba hahazoana ny fiainana, ka hahita izay tsy hita ankehitriny!
Rehefa mahita ny fifanoherana manaitra eo amin’ny tontolo vaovao mandrakizain’Andriamanitra sy ny tontolo tranainy rotidrotika amin’izao andro izao isika, dia tokony ho voatosika hitondra tena amin’ny fomba izay hahatonga antsika hisaina ho anisan’ireo izay mendrika ny hiaina, mba hahita ara-bakiteny ireo zavatra tsy azontsika atao ny mahita azy amin’izao fotoana izao afa-tsy amin’ny alalan’ny masom-pinoana. Ho sarotra inoana ho an’ireo olona sesehena hatsangana amin’ny maty ny zavatra ho hitany rehefa hifoha izy ireo, ka hahita ny tany zary paradisa hitoeran’ny fahamarinana, hafa aoka izany noho ny tontolo hitany talohan’ny nahafatesany. Alao sary an-tsaina ny fifaliantsika ho velona mba hiarahaba azy ireo sy hanazava aminy izay nataon’Andriamanitra! — Ampitahao amin’ny Joela 2:21-27.
Eny, sarobidy toy inona moa ny fahitana ara-panahy tsara, ary tena zava-dehibe toy inona moa ny hihazonana azy io ho matsilo! Afaka manao izany isika, rehefa ataontsika tsy tapaka ny fianarana manokana ny Baiboly, ny fanatrehana ireo fivoriana, ny firesahana amin’ny hafa ny fanantenantsika miorina amin’ny Baiboly, ary ambonin’izany rehetra izany, rehefa ataontsika tsy tapaka ny vavaka mba hahazoana ny fitarihan’Andriamanitra. Hihazona ny fahitantsika ara-panahy ho matsilo sy mailo izany, ka hahafahantsika hijery any ankoatra ny zavatra hitantsika!