Nanao ny Sitrapon’i Jehovah Izy Ireo
Zazavavy Kely Iray Niteny Tamin-kerim-po
NANDRITRA ny taonjato fahafolo al.f.i., dia henjana ny fifandraisana teo amin’ny Isiraely sy i Syria. Nahazatra aoka izany ny fipoahan’ny ady, hany ka rehefa nandalo tsy nisy herisetra ny telo taona, izany dia raharaha mendrika ny horaketina teo amin’ny tantara. — 1 Mpanjaka 22:1.
Ny tena nandrahona indrindra tamin’izany andro izany dia ireo andian-jiolahy (NW ) syriana, ka ny sasany taminy voaforona miaramila an-jatony maro. Nanao bemidina sy nandroba an’ireo Isiraelita ireny mpiady ireny, ka nitondra an-keriny sy nanandevo olona maro — na dia ny ankizy aza.
Nandritra ny fanaovana bemidina iray, “ny zazavavy kely anankiray” dia nosintonina tsy nisy indrafo tamin’ny fianakaviany natahotra an’Andriamanitra. (2 Mpanjaka 5:2). Nentina tany Syria izy ary noterena hiaina teo anivon’ireo izay nety ho nampahatahotra azy sy hafahafa taminy: vahoaka iray nivavaka tamin’ny masoandro, ny volana, ny kintana, ny hazo, ny zavamaniry, sy ny vato mihitsy aza. Hafa toy inona moa izy ireo raha noharina tamin’ny fianakaviany sy ny namany izay nivavaka tamin’ilay Andriamanitra marina tokana, dia i Jehovah! Kanefa, na dia tao amin’izany toe-piainana hafahafa izany aza, io zazavavy io dia nampiseho herim-po niavaka raha ny amin’ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah. Ho vokany, dia nanova ny fiainan’ny manam-pahefana ambony iray izay nanompo teo ambany fahefan’ny mpanjakan’i Syria, izy. Andeha hojerentsika hoe tamin’ny fomba ahoana.
Ny herim-po hiteny tamim-pahasahiana
Tsy voalaza ny anaran’ilay zazavavy kely ao amin’ny fitantaran’ny Baiboly. Nanjary mpanompovavin’ny vadin’i Namàna, komandy maherin’ny tafika, teo ambanin’ny fanapahan’i Beni-hadada II Mpanjaka, izy. (2 Mpanjaka 5:1). Na dia nanehoana fiheverana ambony dia ambony aza i Namàna, dia voan’ny habokana, ilay aretina maharikoriko.
Angamba ny fihetsika feno fanajana nananan’ilay zazavavy no nanosika ny vadin’i Namàna hamboraka zavatra taminy. Mety ho nanontany an’ilay zazavavy toy izao ilay ramatoa: ‘Inona no atao ho an’ireo boka any Isiraely?’ Tsy menatra io ankizivavy kely isiraelita io nilaza tamim-pahasahiana hoe: “Enga anie ka mba ao amin’ny mpaminany izay any Samaria ny tompoko! dia hahasitrana azy amin’ny habokany izy.” — 2 Mpanjaka 5:3.
Tsy nailika toy ny nofinofin’ankizy ny tenin’io zazavavy io. Nifanohitra tamin’izany kosa, fa nanaovana tatitra tany amin’i Beni-hadada Mpanjaka izy ireo, ka naniraka an’i Namàna sy olona hafa hanao dia 150 kilaometatra ho any Samaria mba hitady an’io mpaminany io izy. — 2 Mpanjaka 5:4, 5.
Ny fanasitranana an’i Namàna
Nankany amin’i Jehorama Mpanjakan’ny Isiraely i Namàna sy ny miaramilany, nitondra taratasy fampahafantarana avy tamin’i Beni-hadada sy fanomezana ara-bola bebe ihany. Tsy mahagaga raha tsy naneho ny finoana an’ilay mpaminanin’Andriamanitra nasehon’ilay mpanompovavy, i Jehorama Mpanjaka, mpivavaka tamin’ny ombilahikely. Nihevitra kosa izy fa tonga mba hila ady i Namàna. Rehefa nandre momba ny tahotr’i Jehorama i Elisa mpaminanin’Andriamanitra, dia nandefa hafatra avy hatrany nangataka ny hanirahan’ny mpanjaka an’i Namàna ho any an-tranony. — 2 Mpanjaka 5:6-8.
Rehefa tonga tany amin’ny tranon’i Elisa i Namàna, dia naniraka mpitondra hafatra hitsena azy ilay mpaminany hilaza taminy hoe: “Mandroa impito ao Jordana, dia hody aminao indray ny nofonao, ka hadio hianao.” (2 Mpanjaka 5:9, 10). Vinitra i Namàna. Noho ny fanantenana fahagagana sy fisehoan-javatra manaitra ny maso, dia nanontany toy izao izy: “Tsy tsara noho ny ranon’ny Isiraely rehetra va Abana sy Farpara, onin’i Damaskosy? Tsy mahazo mandro ao amin’ireo va aho ka hadio?” Dia nihodina niala tamin’ny tranon’i Elisa tamim-pisafoahana izy. Rehefa niara-nanjohy hevitra tamin’i Namàna anefa ireo mpanompony, dia nilefitra izy tamin’ny farany. Rehefa avy nandro impito tao amin’ny Onin’i Jordana izy, “ny nofony dia tonga tahaka ny nofon-jazakely indray, ka nadio izy”. — 2 Mpanjaka 5:11-14.
Rehefa niverina tany amin’i Elisa i Namàna, dia nilaza hoe: “Indro, fantatro fa tsy misy Andriamanitra amin’ny tany rehetra, afa-tsy ato amin’ny Isiraely ihany”. Nivoady izy fa “tsy mba hanatitra fanatitra dorana na fanatitra hafa intsony ho an’ny andriamani-kafa, fa ho an’i Jehovah ihany”. — 2 Mpanjaka 5:15-17.
Lesona ho antsika
Tsy ho nankany amin’i Elisa mpaminany i Namàna, raha tsy sahy niteny tamin-kerim-po ny mpanompovavy tanora iray. Amin’izao andro izao, dia tanora maro no manao zavatra toy izany. Any an-tsekoly, dia mety ho voahodidin’ny mpianatra izay tsy manam-pahalianana hanompo an’Andriamanitra izy ireo. Na dia izany aza, dia sahy miteny momba ny zavatra inoany izy ireo. Ny sasany aminy dia tena mbola kely mihitsy no manomboka manao izany.
Hevero i Alexandra, ankizivavy kely dimy taona any Aostralia. Rehefa nanomboka nianatra izy, dia nangataka fotoana hihaonana tamin’ny mpampianatra azy ny reniny mba hanazava momba ny finoan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Gaga be anefa ny renin’i Alexandra. “Efa mahafantatra zavatra maromaro inoanareo aho, ary koa izay hataon’i Alexandra sy tsy hataony atỳ an-tsekoly”, hoy ilay mpampianatra. Talanjona ny renin’i Alexandra, satria tsy nisy ankizy Vavolombelona hafa tao amin’ilay sekoly. “Efa nanome fanazavana anay i Alexandra”, hoy ny nohazavain’ilay mpampianatra. Eny, io ankizivavy kely io dia efa nanao resaka tamim-pahaiza-mandanjalanja tamin’ilay mpampianatra azy.
Miteny amin-kerim-po ny tanora toa azy ireo. Amin’izany izy ireo dia manao zavatra mifanaraka amin’ny Salamo 148:12, 13 manao hoe: “Na ny zatovolahy, na ny zatovovavy, na ny antitra, na ny tanora — Samia midera ny anaran’i Jehovah avokoa, fa ny anarany ihany no misandratra; ambonin’ny tany sy ny lanitra ny voninahiny.”