Fitahiana na Fanozonana — Ohatra ho Antsika Amin’izao Andro Izao
“Izany dia nanjo azy mba ho [ohatra, NW ], sady voasoratra izany ho fananarana antsika izay niharan’ny faran’izao tontolo izao.” — 1 KORINTIANA 10:11.
1. Toy ny andinihan’ny tena ny fitaovana iray, dia fandinihana inona no tokony hataontsika?
TSY tazana ao ambanin’ny hosotra loko, ny harafesina dia afaka manomboka manimba tsikelikely ny fitaovana iray vita amin’ny vy. Mety ho efa handeha elaela ny fotoana vao manjary tazana etỳ ivelany ilay harafesina. Mitovy amin’izany koa, ny fihetsika sy ny fanirian’ny fon’ny tena dia mety hanomboka hihasimba ela be alohan’ny hiterahan’izany vokany lehibe na hahamarihan’ny hafa izany mihitsy aza. Toy ny andinihantsika amim-pahendrena ny fitaovana iray mba hahitana raha manjary harafesenina ilay izy, ny fandinihana akaiky ny fontsika sy ny fikojakojana azy io ara-potoana dia mety hiaro ny tsy fivadihantsika kristiana. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia afaka mandray ny fitahian’Andriamanitra isika, ary afaka manalavitra ny fanozonana avy amin’Andriamanitra. Mety hisy hihevitra fa ny fitahiana sy ny fanozonana notononina tamin’ny Isiraely fahiny dia tsy misy heviny firy ho an’ireo izay miatrika ny fifaranan’itỳ fandehan-javatra itỳ. (Josoa 8:34, 35; Matio 13:49, 50; 24:3, NW ). Tsy izany anefa no izy. Afaka mandray soa betsaka avy amin’ireo ohatra fampitandremana nahatafiditra ny Isiraely isika, araka ny voalaza ao amin’ny 1 Korintiana toko faha-10.
2. Inona no lazain’ny 1 Korintiana 10:5, 6 momba ny zavatra niainan’ny Isiraely tany an’efitra?
2 Ny apostoly Paoly dia nampitaha ireo Isiraelita teo ambany fitarihan’i Mosesy, tamin’ireo Kristiana eo ambany fitarihan’i Kristy. (1 Korintiana 10:1-4). Na dia tokony ho afaka niditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina aza ny vahoakan’ny Isiraely, “ny ankabiazany dia tsy sitrak’Andriamanitra, fa naringana tany an-efitra”. Noho izany, dia niteny toy izao tamin’ireo Kristiana tahaka azy i Paoly: “Ary izany zavatra izany dia tonga [ohatra ho antsika, NW ], mba tsy ho [mpaniry, NW ] zava-dratsy isika toy ny [nanirian’ireny izany, NW ].” (1 Korintiana 10:5, 6). Kolokoloina ao am-po ny faniriana, koa mila manisy fiheverana an’ireo ohatra fampitandremana notononin’i Paoly, isika.
Fampitandremana amin’ny fanompoan-tsampy
3. Ahoana no nanotan’ireo Isiraelita nifandray tamin’ilay ombilahy kely volamena?
3 Izao no fampitandreman’i Paoly voalohany: “Ary aoka tsy ho mpanompo sampy hianareo tahaka ny sasany tamin’ireny, araka ny voasoratra hoe: ‘Ny olona nipetraka hihinana sy hisotro, dia nitsangana hilalao’.” (1 Korintiana 10:7, izahay no manao sora-mandry.) Io ohatra fampitandremana io dia ilay niverenan’ny Isiraelita indray tamin’ireo fomban’i Egypta ka nanaovany ombilahy kely volamena ho sampy. (Eksodosy toko faha-32). Nasehon’i Stefana mpianatra ilay zava-nanahirana fototra: “Nefa ny razantsika tsy nety nanaiky [an’i Mosesy, solontenan’Andriamanitra], fa nandà, dia manina an’i Egypta ny fony, ka hoy izy tamin’i Arona: ‘Anaovy andriamanitra izahay, hitarika antsika eo aloha; fa ilay Mosesy iny, izay nitondra antsika nivoaka avy tany amin’ny tany Egypta, dia tsy fantatray izay nanjo azy’. Ary dia nanao ombilahy kely izy tamin’izany andro izany, dia nanatitra fanatitra tamin’ny sampy ka niravoravo tamin’ny asan’ny tànany.” (Asan’ny Apostoly 7:39-41). Mariho fa ‘tao am-pony’ ireo Isiraelita nania dia nitana fanirian-dratsy izay nitarika ho amin’ny fanompoan-tsampy. “Nanao ombilahy kely izy (...) dia nanatitra fanatitra tamin’ny sampy”. Ambonin’izany, dia nanomboka “niravoravo tamin’ny asan’ny tànany” izy ireo. Nisy mozika sy fihirana sy fandihizana sy fihinanana ary fisotroana tao. Miharihary fa nanintona sy nampiala voly ilay fanompoan-tsampy.
4, 5. Fanao mifandray amin’ny fanompoan-tsampy inona avy no ilaintsika hohalavirina?
4 Azo lazaina hoe manolotra fanompoam-pivavahana amin’ny fialam-boly ilay Egypta nasehon’ny tandindona — ny tontolon’i Satana. (1 Jaona 5:19; Apokalypsy 11:8). Izy io dia manindrahindra toy ny sampy an’ireo mpilalao, sy mpihira ary olo-malaza amin’ny fanatanjahan-tena, mbamin’ny fandihin’izy ireo, ny mozikany, ny fiheverany ny amin’izay mampifalifaly sy izay fotoana mahafinaritra. Maro no nalaim-panahy ho revo tanteraka amin’ny fialam-boly no sady mbola milaza ihany fa manolotra fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah. Rehefa tsy maintsy anarina ny Kristiana iray noho ny fanaovan-dratsy, ny fahosany ara-panahy dia matetika no azo zohina ka tody any amin’ny fisotroana zavatra misy alkaola, any amin’ny fandihizana, sy any amin’ny fampifalifaliana tena amin’ny fomba sasany izay mety hanara-morona ny fanompoan-tsampy. (Eksodosy 32:5, 6, 17, 18). Misy fialam-boly sasany mahasoa sy mahafinaritra. Kanefa amin’izao andro izao, ny ankamaroan’ny mozika sy ny fandihizana sy ny sarimihetsika ary ny vidéo eo amin’izao tontolo izao dia manome fahafaham-po ireo filan’ny nofo simba ara-pitondran-tena.
5 Tsy lavo ao amin’ny fanompoam-pivavahana amin’ny sampy ny Kristiana marina. (2 Korintiana 6:16; 1 Jaona 5:21). Enga anie ny tsirairay amintsika hitandrina toy izany mba tsy hanjary ho za-dratsy amin’ireo fialam-boly misy ifandraisany amin’ny fanompoan-tsampy, ka hisetra fijaliana noho ireo vokatra manimban’ny faharevoana amin’ny fampifalifaliana tena araka ny fomban’izao tontolo izao. Raha mamela ny tenantsika hiharan’ny fitaoman’izao tontolo izao isika, ireo faniriana sy fihetsika manimba dia afaka maka toerana ao an-tsaina sy ao am-po, amin’ny fomba saika tsy tsikaritra akory. Rehefa tsy ahitsy izy ireny, dia afaka mahatonga ny tena ho ‘ringana any an-efitry’ ny fandehan-javatr’i Satana, amin’ny farany.
6. Fanaovan-javatra manorina inona no mety hilaintsika hatao mahakasika ny fialam-boly?
6 Sahala amin’i Mosesy tamin’ny fotoan’ilay fisehoan-javatra nisy ilay ombilahy kely volamena, ny “mpanompo mahatoky sy malina” dia milaza toy izao, raha ny marina: “Izay rehetra an’i Jehovah mankanesa etỳ amiko.” Afaka mamonjy aina ny fanaovantsika zavatra manorina mba hanehoana fa miandany mafy amin’ny fanompoam-pivavahana marina isika. Nanao zavatra haingana ny fokon’i Levy nisy an’i Mosesy mba handroahana ireo fitaomana mampietry. (Matio 24:45-47, NW; Eksodosy 32:26-28). Koa aoka àry ianao handinika amim-pitandremana ny fifidiananao fialam-boly sy mozika ary vidéo, sy ny toy izany. Raha simba ara-pitondran-tena amin’ny fomba sasany izany, dia miandania amin’i Jehovah. Amin’ny fianteherana amim-pahatsorana amin’Andriamanitra, dia asio fanovana ny fifidiananao fialam-boly sy mozika, ary poteho ireo zavatra manimba ara-panahy, toy ny nanapotehan’i Mosesy ilay ombilahy kely volamena. — Eksodosy 32:20; Deoteronomia 9:21.
7. Ahoana no ahafahantsika miaro ilay fo ara-panoharana?
7 Ahoana no ahafahantsika manohitra ny fahasimban’ny fo tsikelikely? Amin’ny fianarana amim-pahazotoana ny Tenin’Andriamanitra, ka mamela ny fahamarinany hilentika ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika. (Romana 12:1, 2). Mazava ho azy fa tokony hanatrika tsy tapaka ireo fivoriana kristiana isika. (Hebreo 10:24, 25). Ny fanatrehana ireo fivoriana tsy misy fandraisana anjara amin’izany dia azo ampitovina amin’ny fanisiana loko eo ambonin’ny pentina iray harafesenina. Mety hampamirapiratra antsika mandritra ny fotoana kelikely ilay izy, saingy tsy mandamina ilay zava-manahirana fototra. Fa amin’ny fiomanana mialoha sy amin’ny fisaintsainana ary amin’ny fandraisana anjara amim-paharisihana amin’ireo fivoriana kosa, isika dia afaka manaisotra amin-kery ireo foto-javatra manimba tsikelikely izay mety hipetrapetraka any amin’ny faritra miafin’ny fontsika ara-panoharana any. Hanampy antsika mba hanaraka ny Tenin’Andriamanitra izany sady hanatanjaka antsika mba hiaritra fitsapana ny finoana sy hanjary “tsy hanan-tsiny amin’ny lafiny rehetra”. — Jakoba 1:3, 4, NW; Ohabolana 15:28.
Fampitandremana amin’ny fijangajangana
8-10. a) Ohatra fampitandremana inona no asiana fitenenana ao amin’ny 1 Korintiana 10:8? b) Ahoana no azo ampiharana amin’ny fomba ahitan-tsoa ny tenin’i Jesosy hita ao amin’ny Matio 5:27, 28?
8 Ao amin’ilay ohatra nanaraka nampiasain’i Paoly, dia toroana hevitra toy izao isika: “Ary aoka tsy hijangajanga isika tahaka ny sasany tamin’ireny, ka telo arivo amby roa alina no ringana indray andro.”a (1 Korintiana 10:8). Ilay apostoly dia nanisy fitenenana ny amin’ilay fotoana niankohofan’ireo Isiraelita teo anoloan’ireo andriamanitra diso sy ‘nijangajangan’izy ireo tamin’ny zanakavavin’ny Moabita’. (Nomery 25:1-9). Mahafaty ny fahalotoam-pitondran-tena eo amin’ny lahy sy ny vavy! Ny famelana ireo eritreritra sy faniriana maloto ara-pitondran-tena hitohy tsy voatana dia mitovy amin’ny famelana ny fo ho “harafesenina”. Nanambara toy izao i Jesosy: “Efa renareo fa voalaza hoe: ‘Aza mijangajanga’. Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady.” — Matio 5:27, 28.
9 Ny manaporofo ny vokatry ny ‘fijerena vehivavy hila azy’, dia ilay vokatry ny fisainana mampietry nananan’ireo anjely tsy nankato talohan’ny Safo-drano tamin’ny andron’i Noa. (Genesisy 6:1, 2). Tadidio koa fa ny iray tamin’ireo fisehoan-javatra nampalahelo indrindra teo amin’ny fiainan’i Davida Mpanjaka dia notairin’ny fanohizany nijery vehivavy tamin’ny fomba tsy mety. (2 Samoela 11:1-4). Nifanohitra tamin’izany fa ‘nampanaiky ny masony tsy hijery zazavavy’ i Joba, ilay lehilahy marina efa nanambady, ka tamin’izany izy dia nanalavitra ny fahalotoam-pitondran-tena sady nanaporofo fa mpihazona tsy fivadihana ny tenany. (Joba 31:1-3, 6-11). Azo ampitovina amin’ny varavarankelin’ny fo ny maso. Ary avy ao amin’ny fo iray simba ara-pitondran-tena no ivoahan’ny zava-dratsy maro. — Marka 7:20-23.
10 Raha mampihatra ny tenin’i Jesosy isika, dia tsy hampanaram-po ireo eritreri-dratsy amin’ny fijerena zavatra vetaveta na amin’ny fitanana ny saina ho amin’ny eritreritra maloto ara-pitondran-tena amin’ny Kristiana iray tahaka ny tena, na mpiara-miasa iray, na olon-kafa na iza na iza. Tsy afaka amin’ny metaly iray ny harafesina amin’ny famafana fotsiny amin’ny borosy ilay fahasimbana tsikelikely. Noho izany, dia aza morainy rehefa manilika ireo hevitra sy fironana maloto ara-pitondran-tena toy ny hoe tsy dia zava-dehibe loatra izy ireny. Makà fepetra mahery mba hanafahana ny tenanao amin’ireo fironana maloto ara-pitondran-tena. (Ampitahao amin’ny Matio 5:29, 30.) Nampirisika mafy ireo mpiray finoana taminy toy izao i Paoly: “Vonoy ny rantsambatanareo izay etỳ an-tany raha ny amin’ny fijangajangana, ny fahalotoana, ny filana mafy eo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy, ny faniriana manimba, sy ny fitsiriritana, izay fanompoan-tsampy. Noho ireo zavatra ireo no ahatongavan’ny fahatezeran’Andriamanitra.” Eny, noho ireo zavatra toy ny fahalotoam-pitondran-tena eo amin’ny lahy sy ny vavy “no ahatongavan’ny fahatezeran’Andriamanitra” ho fanehoana ny fanozonany. Koa mila ny ‘mamono’ ny rantsambatantsika isika raha ny amin’ireny zavatra ireny. — Kolosiana 3:5, 6, NW.
Fampitandremana amin’ireo fitarainana mampiseho fikomiana
11, 12. a) Fampitandremana inona no omena ao amin’ny 1 Korintiana 10:9, ary fisehoan-javatra inona no nasiana fitenenana? b) Ahoana no tokony ho fiantraikan’ny fampitandreman’i Paoly eo amintsika?
11 Nampitandrina toy izao i Paoly manaraka izany: “Ary aoka tsy [hitsapa toetra an’i Jehovah isika, tahaka ny nitsapan’ny sasany tamin’ireny toetra, NW ] Azy, ka matin’ny menarana ireny.” (1 Korintiana 10:9). Raha teo am-panaovana ilay dia sarotra tany an’efitra nanakaiky ny sisin-tanin’i Edoma ireo Isiraelita, dia “niteny nanome tsiny an’Andriamanitra sy Mosesy ny olona ka nanao hoe: Nahoana no nentinao niakatra avy tany Egypta izahay ho faty atỳ an-efitra? fa tsy misy mofo na rano atỳ; ary mahamonamonaina ny fanahinay itony mofomofo foana itony”, dia ilay mana nomena tamin’ny fomba nahagaga. (Nomery 21:4, 5). Eritrereto fotsiny ange! Nanohy “nanome tsiny an’Andriamanitra” tamin’ny fiantsoana ny fandaharana nataony ho zavatra fanamavo, ireo Isiraelita ireo!
12 Tamin’ireo fitarainany, dia nitsapa ny faharetan’i Jehovah ireo Isiraelita. Tsy nesorina ny famaizana, satria nandefa menarana nisy poizina teo amin’izy ireo i Jehovah ka maro no maty noho ny kaikitr’ireo menarana. Rehefa avy nibebaka ny vahoaka ka nifona ho azy ireo i Mosesy, dia nifarana ny loza. (Nomery 21:6-9). Azo antoka fa io fisehoan-javatra io dia tokony ho fampitandremana ho antsika mba tsy haneho toe-tsaina tia fikomiana sy tia mitaraina, indrindra fa momba an’i Jehovah sy ireo fandaharany teokratika.
Fampitandremana amin’ny fimonomononana
13. Mampitandrina antsika amin’inona ny 1 Korintiana 10:10, ary fikomiana inona no tao an-tsain’i Paoly?
13 Raha nanonona ny ohatra farany nahatafiditra ireo Isiraelita tany an’efitra i Paoly, dia nanoratra toy izao: “Ary aoka tsy himonomonona hianareo tahaka ny sasany tamin’ireny, izay matin’ny mpandringana.” (1 Korintiana 10:10). Nipoaka ny fikomiana rehefa nanao zavatra tamin’ny fomba tsy teokratika i Kora sy i Datana ary i Abirama mbamin’ireo niaraka taminy, ka nihaika ny fahefan’i Mosesy sy i Arona. (Nomery 16:1-3). Taorian’ny nandringanana ireo mpikomy, dia nanomboka nimonomonona ireo Isiraelita. Izany dia satria nanomboka nanjohy hevitra izy ireo fa tsy rariny ny nandringanana ireo mpikomy. Izao no ambaran’ny Nomery 17:6: “Nony ampitso dia nimonomonona tamin’i Mosesy sy Arona ny fiangonana, dia ny Zanak’Isiraely rehetra, ka nanao hoe: Hianareo efa nahafaty ny olon’i Jehovah.” Ho vokatry ny fanakianan’izy ireo ny fomba nampiharana ny rariny tamin’io toe-javatra io, dia Isiraelita 14 700 no maty noho ny areti-mandringana nalefan’Andriamanitra. — Nomery 17:14.
14, 15. a) Inona no iray amin’ireo fahotana nataon’ireo “ratsy fanahy” izay niditra nisokosoko tao amin’ny kongregasiona? b) Inona no azo ianarana avy amin’ilay fisehoan-javatra nahatafiditra an’i Kora?
14 Tamin’ny taonjato voalohany am.f.i., ireo “ratsy fanahy” izay niditra nisokosoko tao amin’ny kongregasiona kristiana, dia voaporofo fa mpampianatra diso ary koa mpimonomonona. Ireny lehilahy ireny dia ‘nanda ny manana fahalehibiazana ary niteny ratsy ny manana voninahitra’, dia ireo lehilahy voahosotra nanankinana ny fiandraiketana ara-panahy ny kongregasiona. Mahakasika ireny mpivadi-pinoana tsy tia an’Andriamanitra ireny, dia hoy koa i Joda mpianatra: “Ireo dia mpimonomonona sy [mpitaraina ny amin’ny toe-piainana misy azy, NW ], mandeha araka ny filany”. (Joda 3, 4, 8, 16). Amin’izao andro izao, dia misy olona sasany manjary mpimonomonona noho izy ireo mamela hitombo ao am-pony ny fihetsika manimba tsikelikely ara-panahy. Matetika izy ireo dia mifantoka amin’ny tsy fahalavorarian’ireo izay eo amin’ny toeram-piandraiketana ao amin’ny kongregasiona ary manomboka mimonomonona amin’izy ireo. Ny fimonomononana sy ny fitarainan’izy ireo dia mety ho tonga hatramin’ny fanakianana mihitsy aza ireo zavatra vita an-tsoratry ny “mpanompo mahatoky”.
15 Mety ny mametraka fanontaniana feno fahatsorana momba ny foto-kevitra iray araka ny Soratra Masina. Ahoana anefa raha toa isika mampitombo fihetsika tsy manorina izay miseho amin’ny resaka fanakianana ifanaovana amin’ireo namana akaiky? Ho tsara ny hanontaniantsika tena hoe: ‘Azo inoana fa hiafara amin’inona moa izao? Tsy ho tsara lavitra ve ny hitsaharana tsy himonomonona ka hivavaka amim-panetren-tena mba hahazo fahendrena?’ (Jakoba 1:5-8; Joda 17-21). I Kora sy ireo mpanohana azy izay nikomy tamin’ny fahefan’i Mosesy sy Arona, dia nety ho niaiky mafy aoka izany fa marim-pototra ny fomba fijerin’izy ireo, hany ka tsy nandinika ny antony nanosika azy izy ireo. Na dia izany aza, dia diso tanteraka izy ireo. Toy izany koa ireo Isiraelita izay nimonomonona ny amin’ny nandringanana an’i Kora sy ireo mpikomy hafa. Ho fahendrena toy inona moa ny mamela izany ohatra izany hanosika antsika handinika ny antony manosika antsika sy hanary ny fimonomononana sy ny fitarainana ary hamela an’i Jehovah hanatsara antsika! — Salamo 17:1-3.
Mianara, ary mifalia amin’ny fitahiana
16. Inona no ventin-kevitr’ilay fananarana mafy ao amin’ny 1 Korintiana 10:11, 12?
16 Teo ambany tsindrimandrin’Andriamanitra, i Paoly dia namarana ny lisitr’ireo hafatra fampitandremana tamin’ilay fananarana mafy hoe: “Ary izany dia nanjo azy mba ho [ohatra, NW ], sady voasoratra izany ho fananarana antsika izay niharan’ny faran’izao tontolo izao. Koa izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo.” (1 Korintiana 10:11, 12). Enga anie isika tsy hanamaivana ny toerana tanantsika ao anatin’ny kongregasiona kristiana.
17. Raha mahatsapa antony manosika tsy mety ao am-pontsika isika, dia inona no tokony hataontsika?
17 Toy ny vy manana fironana ho harafesenina, no nandovantsika taranak’i Adama mpanota toy izany koa fironana ho amin’ny ratsy. (Genesisy 8:21; Romana 5:12). Noho izany, dia tsy tokony ho kivy isika raha mahatsapa antony manosika tsy mety ao am-pontsika ao. Fa aoka kosa isika hanao zavatra amim-pahatapahan-kevitra. Rehefa tsy voaro amin’ny hamandoan’ny rivotra na amin’ny manodidina afaka manimba azy tsikelikely ny vy, dia mihafaingana be ny fahasimbany. Ilaintsika hohalavirina ny fisetrana ny ‘rivotry’ ny tontolon’i Satana, miaraka amin’ireo fialam-boliny maharikoriko sy ny fahalotoam-pitondran-tenany miely patrana ary ny fironany ara-tsaina tsy manorina. — Efesiana 2:1, 2.
18. Inona no nataon’i Jehovah mahakasika ireo fironan-dratsin’ny olombelona?
18 Nanome ho an’ny olombelona fitaovana hanoherana ireo fironan-dratsy nolovantsika, i Jehovah. Nanome ny Zanany lahitokana izy mba hahafahan’ireo izay mino azy hanana fiainana mandrakizay. (Jaona 3:16). Raha manaraka akaiky ny dian’i Jesosy isika, ary mampiseho toetra toy ny an’i Kristy, dia ho fitahiana ho an’ny hafa isika. (1 Petera 2:21). Handray fitahiana avy amin’Andriamanitra koa isika, fa tsy fanozonana.
19. Ahoana no ahafahantsika mandray soa avy amin’ny fandinihana ireo ohatra ao amin’ny Soratra Masina?
19 Na dia mety hanao fahadisoana toy ireo Isiraelita fahiny aza isika amin’izao andro izao, dia manana ny Tenin’Andriamanitra voasoratra iray manontolo isika mba hitari-dalana antsika. Avy amin’ireo pejiny no ianarantsika ny amin’ny fifampiraharahan’i Jehovah tamin’ny olombelona ary koa ireo toetrany izay naseho tamin’ny ohatr’i Jesosy, ilay ‘famirapiratan’ny voninahitr’Andriamanitra sy endriky ny tenany indrindra’. (Hebreo 1:1-3; Jaona 14:9, 10). Amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fianarana amim-pahazotoana ny Soratra Masina, dia afaka manana ny “sain’i Kristy” isika. (1 Korintiana 2:16). Rehefa miatrika fakam-panahy na fitsapana hafa ny finoantsika isika, dia afaka mandray soa amin’ny fandinihana ireo ohatra fahiny ao amin’ny Soratra Masina, ary indrindra fa ilay ohatra fanaperana, dia i Jesosy Kristy. Raha manao izany isika dia tsy ho voatery hizaka ny fiasan’ny fanozonan’Andriamanitra. Hahazo sitraka amin’i Jehovah kosa isika amin’izao andro izao, ary ny fitahiany mandrakizay.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Jolay 1992, pejy faha-4.
Ahoana no Havalinao?
◻ Ahoana no ahafahantsika mampihatra ny torohevitr’i Paoly mba tsy ho tonga mpanompo sampy?
◻ Inona no azontsika atao mba hanarahana ny fampitandreman’ilay apostoly momba ny fijangajangana?
◻ Nahoana isika no tokony hanalavitra ny fimonomononana sy ny fitarainana?
◻ Ahoana no ahafahantsika mandray fitahiana avy amin’Andriamanitra fa tsy fanozonana?
[Sary, pejy 18]
Tsy maintsy manalavitra ny fanompoan-tsampy isika raha maniry fitahiana avy amin’Andriamanitra
[Sary, pejy 20]
Toy ny ilana hanesorana ny harafesina, dia aoka isika hanao zavatra manorina mba hanesorana ireo faniriana tsy mety ao am-pontsika