“Trano Fivavahana ho An’ny Firenena Rehetra”
“Tsy voasoratra hoe va: ‘Ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra?’ ” — MARKA 11:17.
1. Karazam-pifandraisana nanao ahoana no nananan’i Adama sy i Eva tamin’Andriamanitra tany am-boalohany?
FONY i Adama sy i Eva noforonina, dia nanana fifandraisana akaiky tamin’ilay Rainy tany an-danitra izy ireo. Nampita hevitra tamin’izy ireo sy nanoritra ny fikasany mahatalanjona momba ny taranak’olombelona, i Jehovah Andriamanitra. Azo antoka fa matetika izy ireo no voatosika hanao fiderana an’i Jehovah noho ireo asa famoronany fatratra noho ny hakantony. Raha nila tari-dalana i Adama sy i Eva rehefa nisaintsaina momba ny anjara asan’izy ireo hoavy, tamin’ny naha-ray sy renin’ny fianakavian’olombelona azy, dia afaka nanatona an’Andriamanitra na taiza na taiza tao amin’ilay fonenany paradisa. Tsy nila ny fanompoan’ny mpisorona iray tao amin’ny tempoly iray, izy ireo. — Genesisy 1:28.
2. Fiovana inona no nitranga rehefa nanota i Adama sy i Eva?
2 Niova ny tarehin-javatra rehefa nisy anjely nikomy iray nitaona an’i Eva hieritreritra fa hihatsara ny toe-piainany raha nanda ny fiandrianan’i Jehovah izy, tamin’ny filazana fa “ho tahaka an’Andriamanitra” izy. Nifanaraka tamin’izany, dia nihinana voankazo tamin’ilay hazo nandraran’Andriamanitra tsy hohanina i Eva. Avy eo i Satana dia nampiasa an’i Eva mba hakana fanahy ny vadiny. Nampalahelo fa nihaino ilay vadiny nanota i Adama, ka nasehony fa noheveriny ho zava-dehibe kokoa ny fifandraisany tamin’izy io noho ny fifandraisany tamin’Andriamanitra. (Genesisy 3:4-7). Raha ny marina, dia nifidy an’i Satana ho andriamaniny, i Adama sy i Eva. — Ampitahao amin’ny 2 Korintiana 4:4.
3. Inona avy ireo voka-dratsin’ny fikomian’i Adama sy i Eva?
3 Tamin’ny fanaovana izany no nanarian’ilay mpivady olombelona voalohany, tsy ny fifandraisany sarobidy tamin’Andriamanitra fotsiny, fa ny fahatsinjovana ny hiaina mandrakizay eo amin’ny paradisa an-tany koa. (Genesisy 2:16, 17). Ny vatan’izy ireo feno ota tamin’ny farany dia nihasimba ambara-pahafatin’izy ireo. Nandova io toe-piainana feno ota io ny taranany. Araka izany dia “nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana”, hoy ny fanazavan’ny Baiboly. — Romana 5:12.
4. Fanantenana inona no natolotr’Andriamanitra ho an’ny olombelona mpanota?
4 Nisy zavatra nilaina mba hampihavanana ny olombelona mpanota tamin’ilay Mpamorona azy ireo, masina. Rehefa nanameloka an’i Adama sy i Eva Andriamanitra, dia nanome fanantenana an’ireo taranany ho avy, tamin’ny fampanantenana ‘taranaka’ iray izay hanavotra ny olombelona amin’ireo vokatry ny fikomian’i Satana. (Genesisy 3:15). Tatỳ aoriana, dia nahariharin’Andriamanitra fa ilay Taranaka izay ho fitahiana, dia ho tonga amin’ny alalan’i Abrahama. (Genesisy 22:18). Io fikasana mampiseho fitiavana io no tao an-tsain’Andriamanitra raha nifantina ny taranak’i Abrahama, ireo Isiraelita, ho tonga firenena voafidiny, izy.
5. Nahoana isika no tokony ho liana amin’ireo tsipirian’ny faneken’ny Lalàna nataon’Andriamanitra tamin’ny Isiraely?
5 Tamin’ny 1513 al.f.i., ireo Isiraelita dia niditra tao amin’ny fanekem-pifandraisana tamin’Andriamanitra ary nanaiky hankato ireo lalàny. Tokony hahaliana mafy an’izay rehetra maniry hanolotra fanompoam-pivavahana amin’Andriamanitra amin’izao andro izao io faneken’ny Lalàna io, noho izy io nanintona ny saina ho amin’ilay Taranaka nampanantenaina. Nilaza i Paoly fa izy io dia nirakitra “aloky ny zava-tsoa ho avy”. (Hebreo 10:1). Fony nanao io fanambarana io i Paoly, dia niresaka momba ny fanompoan’ireo mpisoron’ny Isiraely tao amin’ilay tabernakely azo nafindrafindra, na trano lay fanaovana fanompoam-pivavahana. Nantsoina hoe “tempolin’i Jehovah” na “tranon’i Jehovah” izy io. (1 Samoela 1:9, 24). Amin’ny fandinihana ny fanompoana masina natao tao amin’ilay tranon’i Jehovah teto an-tany, dia manjary mahatakatra amin’ny fomba feno kokoa ilay fandaharana feno famindram-po ahazoana mampihavana amin’Andriamanitra ny olombelona mpanota amin’izao andro izao, isika.
Ny Masina Indrindra
6. Inona no tao amin’ny Masina Indrindra, ary ahoana no nampisehoana ny fanatrehan’Andriamanitra tao?
6 “Ny Avo Indrindra tsy mitoetra ao amin’izay nataon-tànan’olona”, hoy ny fanambaran’ny Baiboly. (Asan’ny Apostoly 7:48). Kanefa ny fanatrehan’Andriamanitra tao amin’ilay tranony teto an-tany dia naseho tamin’ny rahona iray tao amin’ilay efitra anatiny indrindra nantsoina hoe Masina Indrindra. (Levitikosy 16:2). Miharihary fa namirapiratra mazava tsara io rahona io ka nanome fahazavana ho an’ny Masina Indrindra. Izy io dia teo ambonin’ny vata masina iray nantsoina hoe “fiaran’ny Vavolombelona” izay nirakitra ireo vato fisaka nisy ny sasany tamin’ireo didy nomen’Andriamanitra ny Isiraely, voasokitra teo aminy. Teo amin’ny rakotr’ilay Fiara dia nisy kerobima volamena roa izay namelatra ny elany, ka izany dia nampiseho zavaboary ara-panahy ambony laharana ao amin’ny fandaminan’Andriamanitra any an-danitra. Ilay rahom-pahazavana nahagaga dia teo ambonin’ilay rakony sady teo anelanelan’ireo kerobima. (Eksodosy 25:22). Izany dia mahatonga hieritreritra ny amin’Andriamanitra Tsitoha nahazo seza fiandrianana eo ambonin’ny fiara iray any an-danitra izay tohanan’ny kerobima velona. (1 Tantara 28:18). Izany dia manazava ny antony nivavahan’i Hezekia Mpanjaka toy izao: “Ry Jehovah, Tompon’ny maro ô, Andriamanitry ny Isiraely, Izay mipetraka amin’ny kerobima”. — Isaia 37:16.
Ny Masina
7. Fanaka inona avy no tao amin’ny Masina?
7 Nantsoina hoe ny Masina ilay efitra faharoa tamin’ilay tabernakely. Tao anatin’io faritra io, teo amin’ny ankavian’ilay fidirana no nitsanganan’ny fanaovan-jiro kanto iray nisy sampany fito, ary teo amin’ny ankavanana dia nisy latabatra iray nisy ny mofo aseho. Nahitsy teo aloha no nitsanganan’ny alitara iray izay avy ao aminy no niakaran’ny fameroveron’ny ditin-kazo manitra nodorana. Izy io dia teo anoloan’ny efitra lamba izay nanasaraka ny Masina tamin’ny Masina Indrindra.
8. Adidy inona avy no nataon’ireo mpisorona tsy tapaka tao amin’ny Masina?
8 Isa-maraina sy isan-kariva, ny mpisorona dia tsy maintsy niditra tao amin’ny tabernakely ary nandoro ditin-kazo manitra teo amin’ilay alitara fandoroana ditin-kazo manitra. (Eksodosy 30:7, 8). Tamin’ny maraina, raha mbola nodorana ny ditin-kazo manitra, dia tsy maintsy nofenoina solika ireo lela fanaovan-jiro fito izay teo ambonin’ilay fanaovan-jiro volamena. Tamin’ny hariva dia nampirehetina ireo lela fanaovan-jiro mba hanomezana fahazavana ho an’ny Masina. Isaky ny Sabata, dia tsy maintsy nametraka mofo vaovao 12 teo amin’ny latabatra nisy ny mofo aseho ny mpisorona iray. — Levitikosy 24:4-8.
Ny kianja
9. Hanaovana inona no nikasana an’ilay tavin-drano, ary fianarana inona no azontsika tsoahina avy amin’izany?
9 Nanana kianja iray voahodidin’ny fefy lamban-day koa ilay tabernakely. Tao amin’io kianja io dia nisy tavin-drano lehibe iray izay nanasan’ireo mpisorona ny tanany sy ny tongony talohan’ny nidirany tao amin’ny Masina. Tsy maintsy nisasa koa izy ireo talohan’ny nanaovany fanatitra teo amin’ilay alitara izay teo amin’ny kianja. (Eksodosy 30:18-21). Io fitakiana fahadiovana io dia fampahatsiarovana mahery ho an’ireo mpanompon’Andriamanitra amin’izao andro izao fa tsy maintsy mikely aina izy ireo mba hadio ara-batana sy ara-pitondran-tena sy ara-tsaina ary ara-panahy raha iriny ny haha-azo ekena ny fanompoam-pivavahany, eo imason’Andriamanitra. (2 Korintiana 7:1). Tatỳ aoriana, dia andevo tsy Isiraelita tao amin’ny tempoly no namatsy ny kitay ho an’ny afo teo amin’ny alitara sy ny rano ho an’ny tavin-drano. — Josoa 9:27.
10. Inona avy ny sasany amin’ireo fanatitra natao teo amin’ny alitara fanaovana fanatitra?
10 Isa-maraina sy isan-kariva, dia nodorana teo amin’ny alitara ny zanak’ondry natao fanatitra iray niaraka tamin’ny fanatitra hohanina sy fanatitra aidina. (Eksodosy 29:38-41). Nisy fanatitra hafa natao tamin’ireo andro manokana. Indraindray dia nisy fanatitra tsy maintsy natao noho ny fahotana voafaritra tsara iray nataon’ny tena manokana. (Levitikosy 5:5, 6). Tamin’ny fotoana hafa ny Isiraelita iray dia afaka nanao fanati-pihavanana an-tsitrapo, ka tamin’izany dia nisy ampahany nohanin’ireo mpisorona sy ilay olona izay nanao ny fanatitra. Mampiseho izany fa ny olombelona mpanota dia afaka mihavana amin’Andriamanitra, miara-misakafo aminy, raha azo atao ny milaza izany. Na ireo vahiny aza dia afaka ny ho tonga mpivavaka tamin’i Jehovah ka nahazo tombontsoa hanolotra fanati-tsitrapo tao amin’ny tranon’i Jehovah. Kanefa mba hanomezana an’i Jehovah ny voninahitra sahaza azy, dia tsy afaka nanaiky fanatitra afa-tsy izay tsara indrindra, ireo mpisorona. Ireo koba tamin’ny fanatitra hohanina dia tsy maintsy natao tsara toto, ary ireo biby natao fanatitra dia tsy maintsy tsy nisy kilema. — Levitikosy 2:1; 22:18-20; Malakia 1:6-8.
11. a) Natao ahoana ny ran’ireo biby natao fanatitra, ary manondro inona izany? b) Ahoana no fiheveran’Andriamanitra ny ran’olombelona sy ny an’ny biby?
11 Nentina teo amin’ny alitara ny ran’ireny fanatitra ireny. Natao izany ho fampahatsiahivana isan’andro ho an’ilay firenena fa izy ireo dia mpanota nila mpanavotra iray nanana ra halatsaka, izay afaka hanao fanavotana amin’ny fomba maharitra ho an’ny fahotan’izy ireo, ka hamonjy azy ireo amin’ny fahafatesana. (Romana 7:24, 25; Galatiana 3:24; ampitahao amin’ny Hebreo 10:3.) Io fampiasana ny ra amin’ny fomba masina io koa dia nampahatsiahy an’ireo Isiraelita fa mampiseho ny aina ny ra, ary ny aina dia an’Andriamanitra. Noraran’Andriamanitra foana izay mety ho fampiasan’olombelona ny ra tamin’ny fomba hafa. — Genesisy 9:4; Levitikosy 17:10-12; Asan’ny Apostoly 15:28, 29.
Ny Andro Fanavotana
12, 13. a) Inona ilay Andro Fanavotana? b) Alohan’ny nahafahan’ilay mpisoronabe nitondra ra tao amin’ny Masina Indrindra, inona no tsy maintsy nataony?
12 Indray mandeha isan-taona, tamin’ilay antsoina hoe Andro Fanavotana, dia tsy maintsy nitsahatra tamin’ny asa rehetra sy nifady hanina ilay firenen’Isiraely manontolo, voafaoka tamin’izany ireo vahiny izay nanolotra fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah. (Levitikosy 16:29, 30). Tamin’io andro lehibe io, dia nodiovina tamin’ny ota tamin’ny fomba ara-panoharana ilay firenena mba hananany fifandraisana feno fihavanana tamin’Andriamanitra nandritra ny taona hafa iray. Aoka isika haka sary an-tsaina ilay fisehoan-javatra, ary handinika ny lafin-javatra nisongadina sasany.
13 Teo amin’ny kianjan’ny tabernakely ny mpisoronabe. Rehefa avy nisasa teo amin’ilay tavin-drano izy dia namono vantotr’ombilahy iray hatao fanatitra. Nararaka tao anatin’ny lovia jobo ny ran’ilay vantotr’ombilahy; hampiasaina amin’ny fomba manokana izy io mba hanaovana fanavotana ho an’ny fahotan’ny fokon’i Levy mpanao fisoronana. (Levitikosy 16:4, 6, 11). Kanefa alohan’ny hanaovan-javatra fanampiny amin’ilay fanatitra, dia nisy zavatra tsy maintsy nataon’ilay mpisoronabe. Naka ditin-kazo manitra (azo inoana fa nataony tao anaty sotrobe) sy vain’afo avy tamin’ny alitara nankao anatin’ny fitondrana afo, izy. Niditra tao amin’ny Masina izy izao, ary nandeha nankany amin’ilay efitra lamban’ny Masina Indrindra. Nandalo nanodidina ilay efitra lamba moramora izy, ary nitsangana teo anoloan’ilay fiaran’ny fanekena. Nanaraka izany, tsy hitan’ny mason’olombelona hafa na iza na iza, dia nandraraka ditin-kazo manitra teo amin’ilay vain’afo niredareda izy, ary dia feno setroka mamerovero ny Masina Indrindra. — Levitikosy 16:12, 13.
14. Nahoana ilay mpisoronabe no tsy maintsy niditra ny Masina Indrindra nitondra ny ram-biby roa samy hafa?
14 Izao Andriamanitra dia vonona ny haneho famindram-po sady vonona ny hampitonena amin’ny fomba ara-panoharana. Noho izany antony izany no niantsoana ny saron’ilay Fiara hoe “toerana famindram-po” na “rakotra fanaovam-panavotana”. (Hebreo 9:5, fanamarihana ambany pejy amin’ny NW ). Nivoaka ny Masina Indrindra ilay mpisoronabe, ka naka ny ran’ilay vantotr’ombilahy, ary dia niditra ny Masina Indrindra indray. Araka ny nandidiana tao amin’ny Lalàna, dia nanatsoboka ny fanondrony tao anatin’ilay ra izy, ary namafy izany impito teo anoloan’ny saron’ilay Fiara. (Levitikosy 16:14). Nanaraka izany, dia niverina teo amin’ny kianja izy ka namono osilahy iray, izay fanatitra noho ny ota “ho an’ny olona”. Nitondra ny sasany tamin’ny ran’ilay osilahy nankao amin’ny Masina Indrindra izy, ary nataony tahaka ny efa nataony tamin’ny ran’ny vantotr’ombilahy ihany ilay izy. (Levitikosy 16:15). Nisy fanompoana lehibe hafa koa nitranga tamin’ilay Andro Fanavotana. Ilay mpisoronabe, ohatra, dia tsy maintsy nametraka ny tanany teo ambonin’ny lohan’ny osilahy iray faharoa ary nanaiky teo ambonin’izy io “ny heloky ny Zanak’Isiraely”. Avy eo io osilahy mbola velona io dia nentina tany an’efitra mba hitondra ny fahotan’ilay firenena tamin’ny heviny ara-panoharana. Tamin’izany fomba izany no nanaovana ny fanavotana isan-taona ho an’ny “mpisorona ary ny olona rehetra amin’ny fiangonana”. — Levitikosy 16:16, 21, 22, 33.
15. a) Tamin’ny ahoana ilay tempolin’i Solomona no nitovy tamin’ilay tabernakely? b) Inona no lazain’ny bokin’ny Hebreo momba ny fanompoana masina natao tao amin’ny tabernakely sy tao amin’ny tempoly?
15 Nandritra ireo 486 taona voalohany tamin’ny tantaran’ny Isiraely tamin’ny naha-vahoakan’ny faneken’Andriamanitra azy, ilay tabernakely azo nafindrafindra dia niasa ho azy ireo toy ny toerana fanaovana fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah, Andriamaniny. Avy eo, dia nomena tombontsoa hanorina rafitra raikitra iray i Solomona teo amin’ny Isiraely. Na dia ho lehibe kokoa sy ho be kojakojany kokoa aza io tempoly io, ilay drafitra nomen’Andriamanitra dia nanaraka modely nitovy tamin’ilay an’ny tabernakely ihany. Sahala amin’ny tabernakely, izy io dia fanoharana ny amin’ny fandaharana iray lehibe kokoa sy mandaitra kokoa eo amin’ny fanompoam-pivavahana izay ‘haorin’i Jehovah, fa tsy ny olona’. — Hebreo 8:2, 5; 9:9, 11.
Ilay tempoly voalohany sy ilay faharoa
16. a) Fangatahana nampiseho fitiavana inona no nataon’i Solomona rehefa nitokana ny tempoly izy? b) Ahoana no nampisehoan’i Jehovah ny fanekeny ny vavak’i Solomona?
16 Rehefa nitokana io tempoly be voninahitra io i Solomona, dia nampiditra izao fangatahana ara-tsindrimandry izao: “Henoy koa ny vahiny izay tsy isan’ny Isiraely olonao, fa tonga avy any amin’ny tany lavitra noho ny amin’ny anaranao lehibe (...), — koa raha avy izy ka mivavaka manatrika ity trano ity, dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao, ka manaova araka izay rehetra iantsoan’ny vahiny Anao, mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin’ny tany ny anaranao, hatahorany Anao tahaka ny ataon’ny Isiraely olonao ihany, ary mba ho fantany fa ny anaranao no efa nantsoina tamin’ity trano nataoko ity.” (2 Tantara 6:32, 33). Tamin’ny fomba niharihary, dia nasehon’Andriamanitra ny fanekeny ilay vavaka fitokanana nataon’i Solomona. Nisy lelan’afo nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona ireo biby natao fanatitra teo ambony alitara, ary ny voninahitr’i Jehovah dia nameno ilay tempoly. — 2 Tantara 7:1-3.
17. Inona tamin’ny farany no nitranga tamin’ilay tempoly naorin’i Solomona, ary nahoana?
17 Nampalahelo fa nanary ilay tahotra mahasoa nananany tamin’i Jehovah, ireo Isiraelita. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nolotoin’izy ireo ny anarany lehibe tamin’ny fandatsahan-dra sy ny fanompoan-tsampy sy ny fakana vadin’olona sy ny firaisana tamin’ny havana akaiky, ary tamin’ny fitondrana ratsy ny kamboty sy ny mpitondratena ary ny vahiny. (Ezekiela 22:2, 3, 7, 11, 12, 26, 29). Araka izany, tamin’ny taona 607 al.f.i., dia nampihatra didim-pitsarana Andriamanitra tamin’ny fitondrana ny tafika babyloniana handrava ilay tempoly. Ireo Isiraelita tsy maty dia nentina ho babo tany Babylona.
18. Tao amin’ilay tempoly faharoa, tombontsoa inona avy no nisokatra ho an’ireo lehilahy tsy Isiraelita sasany izay nanohana tamin’ny fo manontolo ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah?
18 Taorian’ny 70 taona, dia nisy sisa nibebaka tamin’ny Jiosy niverina tany Jerosalema ka tany izy ireo dia nomena tombontsoa hanorina indray ny tempolin’i Jehovah. Mahaliana fa nisy tsy fahampian’ny mpisorona sy ny Levita mba hanompo tao amin’io tempoly faharoa io. Ho vokatr’izany dia nomena tombontsoa lehibe kokoa ho mpanompon’ny tranon’Andriamanitra ireo Netinima, izay taranak’ireo andevo tsy Isiraelita tao amin’ny tempoly. Kanefa, dia tsy nanjary nitovy tamin’ireo mpisorona sy ireo Levita mihitsy izy ireo. — Ezra 7:24; 8:17, 20.
19. Fampanantenana inona no nataon’Andriamanitra nahakasika ilay tempoly faharoa, ary ahoana no nahatanterahan’izany teny izany?
19 Tamin’ny voalohany dia toa ho tsinontsinona ilay tempoly faharoa raha nampitahaina tamin’ilay teo aloha. (Hagay 2:3). Nampanantena toy izao anefa i Jehovah: “Hampihorohoroiko koa ny firenena rehetra, ka ho avy izay irin’ny firenena rehetra; ary hofenoiko voninahitra ity trano ity (...). Ny voninahitr’ity trano ity any am-parany dia ho lehibe noho ny tany aloha”. (Hagay 2:7, 9). Nifanaraka tamin’ireo teny ireo, dia tena nahatratra voninahitra lehibe kokoa tokoa ilay tempoly faharoa. Naharitra 164 taona lava kokoa ilay izy ary mpivavaka maro kokoa avy tany amin’ny tany maro kokoa no niangona teo an-kianjany. (Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 2:5-11.) Nisy fanavaozana natao tamin’ilay tempoly faharoa nanomboka tamin’ny andron’i Heroda Mpanjaka, ary nohalehibeazina ny kianjany. Noho izy io nisandratra teo amin’ny lampivato makadiry iray sady voahodidin’ny fialofana notohanan’ny andry mitandahatra kanto, dia afaka nifampitaha tamin’ny hafatratr’ilay tempoly tany am-boalohany naorin’i Solomona izy io. Izy io dia nahatafiditra kianja ivelany lehibe iray ho an’ny olona avy amin’ireo firenena izay naniry hanolotra fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah. Nisy fefy vato nanasaraka io Kianja ho an’ny Jentilisa io tamin’ireo kianja anatiny voatokana ho an’ireo Isiraelita ihany.
20. a) Zavatra nampiavaka nisongadina inona no nanamarika ilay tempoly voaorina indray? b) Inona no nampiseho fa nihevitra ilay tempoly tamin’ny fomba diso ny Jiosy, ary inona no nataon’i Jesosy ho setrin’izany?
20 Nanana ny nampiavaka azy lehibe io tempoly faharoa io noho izy io nanana an’i Jesosy Kristy, ilay Zanak’Andriamanitra, nampianatra teo an-kianjany. Kanefa toy ny tamin’ilay tempoly voalohany, ny Jiosy tamin’ny ankapobeny dia tsy nanana fiheverana araka ny tokony ho izy ny amin’ny tombontsoan’izy ireo ho mpitandrina ny tranon’Andriamanitra. Navelan’izy ireo mihitsy aza ireo mpivarotra mba hanao fandraharahana tao amin’ny kianja ho an’ny Jentilisa. Ambonin’izany, ny olona dia navela hampiasa ny tempoly ho fanaovana hitsin-dalana rehefa nitondra entana nandehandeha eran’i Jerosalema. Efatra andro talohan’ny nahafatesany, dia nanadio ny tempoly tamin’izany fanao tsy ara-pivavahana izany i Jesosy, sady tsy nitsahatra niteny hoe: “Tsy voasoratra hoe va: ‘Ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra?’; fa hianareo kosa efa nanao azy ho ‘zohy fieren’ny jiolahy’.” — Marka 11:15-17.
Nafoin’Andriamanitra mandrakizay ny tranony teto an-tany
21. Inona no nasehon’i Jesosy raha ny amin’ny tempolin’i Jerosalema?
21 Noho ny asa nampiseho herim-po nataon’i Jesosy ho fanohanana ny fanompoam-pivavahana madio tamin’Andriamanitra, dia tapa-kevitra ny hamono azy ireo mpitondra fivavahana jiosy. (Marka 11:18). Noho ny fahafantarany fa hovonoina tsy ho ela ny tenany, dia hoy i Jesosy tamin’ireo mpitondra fivavahana jiosy: “Avela ho lao ho anareo ny tranonareo.” (Matio 23:37, 38). Nasehony tamin’izany fa tsy ho ela Andriamanitra dia tsy hanaiky intsony ilay endri-panompoam-pivavahana natao tao amin’ilay tempoly tandindona, tao Jerosalema. Tsy ho “trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra” intsony izy io. Rehefa nanondro ny rafitr’ilay tempoly fatratra noho ny hakantony tamin’i Jesosy ireo mpianany, dia hoy izy: “Tsy hitanareo va ireo rehetra ireo? (...) Tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana.” — Matio 24:1, 2.
22. a) Ahoana no nahatanterahan’ny tenin’i Jesosy momba ny tempoly? b) Tsy nampifantoka ny fanantenany tamin’ny tanàna iray teto an-tany ireo Kristiana tany am-boalohany fa nikatsaka inona kosa?
22 Tanteraka ny faminanian’i Jesosy, 37 taona tatỳ aoriana, tamin’ny taona 70 am.f.i., rehefa nandrava an’i Jerosalema sy ny tempoliny ny tafika romana. Nanome porofo nanaitra izany fa nafoin’Andriamanitra tokoa ilay tranony tandindona. I Jesosy dia tsy nanambara mialoha mihitsy ny amin’ny fanorenana indray tempoly hafa iray tao Jerosalema. Mahakasika io tanàna teto an-tany io, dia nanoratra toy izao ho an’ireo Kristiana hebreo ny apostoly Paoly: “Etỳ isika tsy manana tanàna maharitra, fa mitady ny ho avy.” (Hebreo 13:14). Ireo Kristiana tany am-boalohany dia niandrandra ny ho tonga anisan’ilay “Jerosalema any an-danitra” — ilay Fanjakan’Andriamanitra toy ny tanàna. (Hebreo 12:22). Araka izany, dia tsy nifantoka tao amin’ny tempoly ara-batana iray teto an-tany intsony ny fanompoam-pivavahana marina tamin’i Jehovah. Ao amin’ny lahatsoratra manaraka isika dia handinika ilay fandaharana ambony izay naorin’Andriamanitra ho an’izay rehetra maniry hanolotra fanompoam-pivavahana aminy “amin’ny fanahy sy ny fahamarinana”. — Jaona 4:21, 24.
Fanontaniana ho Famerenana
◻ Fifandraisana nanao ahoana tamin’Andriamanitra no narian’i Adama sy i Eva?
◻ Nahoana no tokony hahaliana antsika ireo lafiny mampiavaka ny tabernakely?
◻ Inona no ianarantsika avy amin’ireo fanaovan-javatra teo amin’ny kianjan’ilay tabernakely?
◻ Nahoana Andriamanitra no namela ny tempoliny horavana?
[Sary, pejy 10, 11]
Tempoly Naorin’i Heroda Indray
1. Masina Indrindra
2. Masina
3. Alitaran’ny Fanatitra Dorana
4. Tavin-drano An-idina
5. Kianja ho an’ny Mpisorona
6. Kianja ho an’ny Isiraely
7. Kianja ho an’ny Vehivavy