Fanompoana Ilay Andriamanitra Mendri-pitokiana
Notantarain’i Kimon Progakis
Takariva nangatsiaka namirifiry tamin’ny 1955 tamin’izay. Nanomboka nitebiteby izahay sy i Giannoula vadiko noho i George zanakay lahy 18 taona tsy niverina avy tany amin’ilay trano eva niasany. Tsy nampoizina, dia injay fa nandondona tao am-baravaranay ny polisy iray. “Voadonan’ny fiara ny zanakareo raha nandeha nody tamin’ny bisikiletiny”, hoy izy, “ary maty izy.” Avy eo izy dia niondrika kely ka nibitsibitsika hoe: “Hilaza aminareo ry zareo fa loza tsy nampoizina izany, nefa minoa ahy, novonoina izy.” Nioko mba hamono azy ny pretra sy ireo mpitarika paramilitaires (voaofana toy ireo miaramila) teo an-toerana.
TAMIN’IRENY taona ireny, fony i Gresy vao niarina avy tamin’ny fotoan’ny ady lahy sy ny fihafiana, dia nampidi-doza ny ho anisan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Fantatro tsara ny amin’ny fahefana nananan’ny Eglizy Ortodoksa Grika sy ireo fikambanana paramilitaires, satria mpikambana narisika tao amin’izy ireo aho nandritra ny 15 taona mahery. Aoka aho hitantara aminao momba ireo fisehoan-javatra izay nitarika ho amin’io loza tao amin’ny fianakavianay io, 40 taona lasa izay.
Nihalehibe teto Gresy
Teraka tamin’ny 1902 tao amin’ny fianakaviana iray nanankarena aho, tany amin’ny vohitra kely akaikin’ny tanànan’i Khalkis, eto Gresy. Narisika tamin’ny raharaha ara-politika teo an-toerana ny raiko ary mpikambana tia fivavahana tamin’ny Eglizy Ortodoksa Grika ny fianakavianay. Tonga olona tia vaky boky momba ny politika sy ny fivavahana aho tamin’ny fotoana izay tsy nahaizan’ireo mpiray tanindrazana tamiko taratasy.
Ny fahantrana sy ny tsy rariny niely patrana tany am-piandohan’ny taonjato faha-20 dia niteraka tao amiko faniriana tontolo iray hisian’ny toe-piainana tsara kokoa. Tokony ho afaka hanatsara ny tarehin-javatra nampalahelo nisy ireo mpiray tanindrazana tamiko, hoy aho, ny fivavahana. Noho ny fironana ara-pivavahana nananako, dia nanolo-kevitra ny mba hahatongavako ho pretra grika ortodoksa teo amin’ny fiaraha-monina nisy anay ireo lehilahy mpitarika tao amin’ny vohitray. Kanefa, na dia nitsidika monasitera maro aza aho, ary niara-nidinidinika ela tamin’ireo eveka sy lehiben’ny monasitera, dia tsy nahatsiaro ho voaomana sy ho vonona handray izany andraikitra izany.
Tao anatin’ny ady an-trano
Taona maro tatỳ aoriana, tamin’ny Aprily 1941, dia tonga teo ambanin’ny fifehezan’ny Nazia i Gresy. Izany dia nanomboka ny fe-potoana nampahonena nisian’ny vonoan’olona, mosary, fihafiana sy fijalian’olombelona tsy hay lazaina. Nitombo ny fihetsiketseham-panoherana mafy iray, ary nikambana tamin’ny iray tamin’ireo antokon’ny mpiady anaty akata izay niady tamin’ireo Nazia mpanani-bohitra aho. Ho vokany, dia nodorana imbetsaka ny tranoko, notifirina aho, ary nosimbana ny vokatro. Tany am-piandohan’ny 1943, dia tsy nanan-tsafidy afa-tsy ny nandositra tany amin’ireo tendrombohitra mikitoantoana izaho sy ny fianakaviako. Nijanona tany izahay mandra-pahatapitry ny fifehezan’ny Alemà ny tany, tamin’ny Oktobra 1944.
Nipoaka ny ady an-trano sy ny ady ara-politika anatiny taorian’ny nialan’ny Alemà. Ny antokon’ireo mpiady anaty akata mpanohitra izay nisy ahy dia tonga ny iray tamin’ireo hery mpifanandrina lehibe indrindra tamin’ny ady an-trano. Na dia nanintona ahy aza ireo tanjona komonista momba ny rariny sy ny fitoviana ary ny fisakaizana, ny zava-nisy dia namela ahy ho diso fanantenana tanteraka. Koa satria aho nanana toerana ambony tao amin’ilay antokon’olona, dia tsapako nivantana fa ny fahefana dia mirona hanimba ara-pitondran-tena ny olona. Na dia teo aza ireo tsangan-kevitra sy tanjona toa mitory fahambonian-tsaina, dia nanimba ny fikasana ara-politika tsara indrindra ny fitiavan-tena sy ny tsy fahalavorariana.
Izay nanafintohina ahy indrindra dia ny hoe teo amin’ny andaniny samihafa tamin’ilay ady an-trano, dia nandray fiadiana mba hamono ireo olona tao amin’ny fivavahany ihany ireo anisan’ny klerjy ortodoksa! Hoy aho anakampo: ‘Ahoana no ahafahan’ireo anisan’ny klerjy ireo milaza fa izy ireo dia misolo tena an’i Jesosy Kristy, izay nampitandrina hoe: “Izay rehetra mandray sabatra no hovonoina amin’ny sabatra”? — Matio 26:52.
Nandritra ny ady an-trano, tamin’ny 1946, dia niafina tany akaikin’ny tanànan’i Lamia, tany Gresy afovoany, aho. Rovitra tanteraka ny akanjoko, koa nanapa-kevitra ny hiova tarehy aho, ary nandeha tany amin’ny mpanjaitra iray tao amin’ilay tanàna mba hampanao vaovao. Nisy ady hevitra nafana nitranga tao fony aho tonga, ary tsy ela, dia io koa ny tenako fa niresaka, tsy momba ny politika, fa momba ny zavatra tiako taloha, dia ny fivavahana. Nomarihin’ireo mpijery ny fomba fihevitro niorina tamin’ny fahalalan-javatra, ka nanipy hevitra ny mba hiresahako tamin’izay ‘mpampianatra teolojia’ iray izay izy ireo. Nandeha avy hatrany naka azy io izy ireo.
Fahitana fanantenana azo ianteherana
Tamin’ilay dinidinika nanaraka izany, dia nanontany ahy ilay “mpampianatra” hoe inona no fototra iorenan’ny zavatra inoako. “Ireo Ray Masina sy ireo Synoda Eokiomenika”, hoy aho namaly. Tsy nanohitra ahy izy fa nanokatra ny Baiboliny kely tao amin’ny Matio 23:9, 10 kosa, ary nangataka ahy mba hamaky ny tenin’i Jesosy hoe: “Ary aza milaza olona etỳ an-tany ho rainareo; fa iray ihany no Rainareo, dia Izay any an-danitra. Ary aza mba mety hatao hoe mpitarika hianareo; fa iray ihany no Mpitarika anareo, dia Kristy.”
Nanokatra ny masoko izany! Tsapako fa nilaza ny marina io lehilahy io. Rehefa nampahafantatra ny tenany ho Vavolombelon’i Jehovah izy, dia nangataka zavatra vita an-tsoratra taminy aho mba hovakina. Nitondrany ilay boky hoe Fahazavana (anglisy), izay fanazavana ny bokin’ny Apokalypsy ao amin’ny Baiboly aho, ary nitondra azy io niverina tany amin’ny toerana niafenako aho. Hatramin’ny fotoana ela dia zava-niafina tamiko ireo biby resahina ao amin’ny Apokalypsy, nefa ankehitriny dia fantatro fa nampiseho fandaminana ara-politika izay misy amin’izao taonjato faha-20 izao izy ireny. Nanomboka takatro fa misy heviny azo ampiharina amin’izao androntsika izao ny Baiboly ary koa fa tokony hianatra azy io sy hampifanaraka ny fiainako tamin’ny fahamarinana ao anatiny aho.
Voasambotra ka natao an-tranomaizina
Rehefa afaka fotoana fohy, dia nipoitra tampoka tany amin’ny toerana niafenako ny miaramila ka nisambotra ahy. Natsipy tao amin’ny cellule iray tany an-tranomaizina ambany lakaly aho. Koa satria nisy fotoana nitadiavana ahy tamin’ny naha-mpandika lalàna, dia nanampo ny hovonoina ho faty aho. Nahazo ny fitsidihan’ilay Vavolombelona izay niresaka tamiko voalohany aho tao amin’ilay cellule nanibohana ahy. Nampirisika ahy izy mba hitoky tanteraka amin’i Jehovah, ka izany no nataoko. Nohelohina hatao sesitany nandritra ny enim-bolana tany amin’ny nosin’i Ikaria, any amin’ny Ranomasina Egée, aho.
Raha vantany vao tonga aho, dia nampahafantatra ny tenako, tsy tamin’ny naha-komonista akory, fa tamin’ny naha-Vavolombelon’i Jehovah. Nisy olon-kafa izay nianatra ireo fahamarinana ara-baiboly natao sesitany tao koa, koa namantatra ny toerana nisy azy ireo aho, ary niara-nianatra tsy tapaka ny Baiboly izahay. Nanampy ahy izy ireo hahazo fahalalana bebe kokoa avy amin’ny Soratra Masina sy fahazoana hevi-javatra tsara kokoa momba an’i Jehovah, ilay Andriamanitsika mendri-pitokiana.
Tamin’ny 1947, rehefa nifarana ny saziko, dia nampiantsoina tao amin’ny biraon’ny mpampanoa lalàna aho. Nilaza tamiko izy fa nanaitra azy ny fitondran-tenako ary koa fa ho azoko ampiasaina ho antoka ny anarany raha tahiny aho ka hatao sesitany indray. Rehefa tonga tao Athènes, izay toerana nifindran’ny fianakaviako tao anatin’izany fotoana izany aho, dia nanomboka niaraka tamin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah iray aho ary tsy ela dia natao batisa ho mariky ny fanoloran-tenako ho an’i Jehovah.
Voampanga ho nitaona olona hanaraka finoana hafa
Nandritra ny am-polony taona maro, i Gresy dia niampanga ny Vavolombelon’i Jehovah teo ambanin’ny lalàna lany era tamin’ny 1938 sy 1939, mandrara ny fitaomana olona hanaraka finoana hafa. Araka izany, nanomboka tamin’ny 1938 ka hatramin’ny 1992, dia 19 147 no fisamborana Vavolombelona natao teto Gresy, ary 753 taona tamin’ny fitambarany no sazy nasain’ireo tribonaly nefaina, ka 593 tamin’ireo no tena natao tokoa. Raha ny amiko manokana, dia in-40 mahery aho no nosamborina noho ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary 27 volana tamin’ny fitambarany no laniko tany an-tranomaizina samihafa.
Ny iray tamin’ny fisamborana ahy dia vokatry ny taratasy iray nosoratako tamin’ny anisan’ny klerjy ortodoksa grika iray tao Khalkis. Tamin’ny 1955, dia nampirisihina handefa any amin’ireo anisan’ny klerjy rehetra ilay bokikely hoe Ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana sa ny Kristianisma — Iza no “Fahazavan’izao Tontolo Izao”? (anglisy), ireo kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nitory ahy ho nitaona azy hanaraka finoana hafa ny iray tamin’ireo anisan’ny klerjy nanana toerana ambony izay nanoratako. Nandritra ny fitsarana, dia samy nanolotra fiarovana naneho fahaizana ilay mpisolovava izay Vavolombelona sy ilay mpahay lalana teo an-toerana, nanazava ny adidy ananan’ny Kristiana marina hitory ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra. — Matio 24:14, NW.
Ilay mpitsara prezidà tamin’ilay tribonaly dia nanontany ny archimandrite (olo-manan-kaja ambony ao amin’ny eglizy manarakaraka ny eveka) toy izao: “Moa ve ianao namaky ilay taratasy sy ilay bokikely?”
“Tsia”, hoy ny valin-teniny henjana, “norovitiko izy ireo ary nariako raha vantany vao nanokatra ny valopy aho!”
“Koa ahoana àry no ahafahanao milaza fa nitaona anao hanaraka finoana hafa io lehilahy io?”, hoy ilay mpitsara prezidà.
Nanaraka izany, ny mpisolovava anay dia nanonona ny ohatr’ireo mpampianatra sy ireo hafa izay nanao fanomezana boky maro miavovona ho an’ny tranombokim-bahoaka. “Hilaza ve ianao fa ireny olona ireny dia nanandrana nitaona ny hafa hanaraka finoana hafa?”, hoy izy nanontany.
Mazava fa tsy fitaomana olona hanaraka finoana hafa izany fanaovan-javatra izany. Nisaotra an’i Jehovah aho rehefa reko ny didim-pitsarana: “Tsy meloka.”
Ny fahafatesan’ny zanako lahy
Nohelingelenina lalandava koa i George zanako lahy, mazàna noho ny fampirisihan’ny anisan’ny klerjy ortodoksa. Nosamborina imbetsaka koa izy noho ny zotom-pony tamin’ny naha-tanora, teo amin’ny fanambarana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Tamin’ny farany, dia nanapa-kevitra ny hamono azy ho faty ireo mpanohitra, sady amin’izay koa, dia hampita fampitandremana amin’ny sisa aminay mba hitsahatra tsy hitory.
Nilaza ilay polisy tonga tao an-tranonay mba hanao tatitra momba ny nahafatesan’i George fa ny pretra ortodoksa grika teo an-toerana sy ireo mpitarika paramilitaires sasany dia nioko mba hamono ny zanakay lahy. Fahita ny “loza tsy nampoizina” toy izany nandritra ireny fotoana nampidi-doza ireny. Na dia teo aza ny alahelo nentin’ny fahafatesany, dia nohatanjahina ihany kosa ny fahatapahan-kevitray harisika hatrany amin’ny asa fitoriana sy hitoky tanteraka amin’i Jehovah.
Fanampiana ny hafa hitoky amin’i Jehovah
Tany antenatenan’ireo taona 1960, ny vady aman-janako dia nandany ireo volana tamin’ny fahavaratra tany amin’ny vohitra kelin’i Skala Oropos any amoron-tsiraka, tokony ho 50 kilaometatra avy ao Athènes. Tamin’izany fotoana izany, dia tsy nisy Vavolombelona nipetraka tany, koa nanao fanambarana tsy ara-potoana tamin’ireo mpifanila trano izahay. Nampiseho fihetsika tsara ireo mpamboly sasany teo an-toerana. Koa satria niasa fotoana naharitra tany an-tsaha ireo lehilahy nandritra ny andro, dia nitarika fampianarana Baiboly tamin’izy ireo izahay rehefa alim-be, ary maro taminy no tonga Vavolombelona.
Noho ny fahitana ny fomba nitahian’i Jehovah ny ezaka nataonay, dia nandeha tany isan-kerinandro izahay nandritra ny 15 taona teo ho eo, mba hitarika fampianarana Baiboly tamin’ireo olona liana. Nandroso hatramin’ny fahatongavana tamin’ny batisa ny olona efa ho 30 niara-nianatra taminay tany. Tamin’ny voalohany, dia noforonina ny antokom-pianarana iray, ary voatendry hitarika ny fivoriana aho. Tatỳ aoriana, dia tonga kongregasiona iray ilay antokon’olona, ary ankehitriny dia maherin’ny Vavolombelona zato avy amin’izany faritra izany no mahaforona ny Kongregasionan’i Malakasa. Faly izahay fa efatra tamin’ireo olona nampianay ankehitriny no manompo amin’ny maha-mpanompo manontolo andro.
Lova sarobidy
Rehefa afaka fotoana fohy taorian’ny nanokanako ny fiainako ho an’i Jehovah, dia nanomboka nandroso ara-panahy ny vadiko ka natao batisa. Nandritra ny fe-potoan-tsarotra nisian’ny fanenjehana, dia nitoetra ho matanjaka ny finoany ary niorina mafy hatrany sy tsy nihozongozona tamin’ny tsy fivadihany izy. Tsy nitaraina mihitsy momba ny zava-tsarotra maro niaretany, izay vokatry ny fanaovana ahy an-tranomaizina matetika, izy.
Tao anatin’ny taona maro, dia niara-nitarika fampianarana Baiboly maro izahay, ary nanampy tamin’ny fomba nandaitra olona maro izy tamin’ny tari-dresaka tsotra sy feno hafanam-po nataony. Amin’izao fotoana izao izy dia manana lalana fizarana gazety, ka tafiditra amin’izany ny olona am-polony maro, izay itondrany Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! tsy tapaka.
Amin’ny ampahany betsaka, noho ny fanohanan’ny vadiko be fitiavana, dia marisika ao amin’ny fanompoana an’i Jehovah avokoa ireo zanakay telo sisa velona sy ny fianakaviany, ka tafiditra amin’izany ny zafikely enina sy zafiafy efatra. Na dia tsy hoe voatery niatrika ny fanenjehana sy ny fanoherana mafy natrehinay mivady aza izy ireo, dia mametraka ny fitokiany tanteraka amin’i Jehovah, ary tsy mitsahatra mandeha amin’ny lalany. Fifaliana ho anay rehetra tokoa ny ho tafaray indray amin’i George malalanay, rehefa hiverina izy amin’ny fitsanganana amin’ny maty!
Tapa-kevitra ny hitoky amin’i Jehovah
Nandritra ireny taona rehetra ireny, dia nahita ny fanahin’i Jehovah niasa teo amin’ny vahoakany aho. Ny fandaminany tarihin’ny fanahy dia nanampy ahy hahita fa tsy afaka mametraka ny fitokiantsika amin’ny ezaka ataon’ny olombelona isika. Ny fampanantenan’izy ireo hoavy tsara kokoa dia tsinontsinona, raha ny tena izy dia lainga be fotsiny. — Salamo 146:3, 4.
Na dia mandroso taona sy manan-java-manahirana lehibe ara-pahasalamana aza aho, dia mifantoka amin’ny zavatra tena izy ny masoko, dia ny fanantenana momba ilay Fanjakana. Tena nanenenako tokoa ireo taona natokako ho an’ny fivavahan-diso sy nanandramana nitondra toe-piainana tsara kokoa tamin’ny alalan’ny fomba ara-politika. Raha toa ka tsy maintsy mamerina indray ny fiainako aho, dia tsy isalasalana fa hanapa-kevitra indray ny hanompo an’i Jehovah, ilay Andriamanitra mendri-pitokiana, aho.
(Nody mandry vao haingana i Kimon Progakis. Nanana fanantenana ny ho eto an-tany izy.)
[Sary, pejy 26]
Sarin’i Kimon vao haingana miaraka amin’i Giannoula, vadiny