Toe-javatra Tsara ho An’ny Fitomboana eto Guinée Équatoriale
FAHAVOKARANA mirobona no zavatra tonga voalohany ao an-tsain’ny mpandeha iray rehefa mipetraka eto amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenen’i Guinée Équatoriale ny fiaramanidina mitondra azy. Ilay lalana fipetrahan’ny fiaramanidina dia voahodidina hazo mijoalajoala izay toa manakely ny fahitana an’ireo tranon’ilay seranana. Mandrobona fatratra ireo zavamaniry milenodenoka hatrany amoron-dranomasina ka hatrany an-tampon-tendrombohitra, noho ny ranonorana be sy ny hafanana manodidina ny 44 degre mandavantaona.
Misy koa ny fitomboana mahery iray karazany hafa, mitranga eto Guinée Équatoriale, dia ilay “fampitomboan’Andriamanitra”. (Kolosiana 2:19). Sahala amin’ilay manam-pahefana etiopiana izay nitady fanampiana tamin’i Filipo, dia maro eto no dodona hahazo ny hevitry ny Soratra Masina. (Asan’ny Apostoly 8:26-39). Tsy mahalana no misy olona manatona Vavolombelon’i Jehovah iray eny amin’ny arabe ary mangataka fampianarana Baiboly. Ireo Vavolombelona tokotokony ho 325 eto Guinée Équatoriale, dia mitarika fampianarana Baiboly maherin’ny arivo.
Famafazana voa tany am-boalohany
Eo atsimon’i Nizeria sy i Cameroun no misy an’i Guinée Équatoriale, izay ny tany kely indrindra eto Afrika. (Jereo ny sarintany.) Tamin’ny voalohany ny vaovao tsara dia nentin’ireo Vavolombelona nizeriana izay tonga teto mba hitady asa tao amin’ireo toeram-pambolena kakao. Na dia niforona aza ny kongregasiona niteny anglisy maromaro, dia rava izy ireny tatỳ aoriana rehefa tsy maintsy niverina tany Nizeria ireny rahalahy ireny. Tsy ela taorian’ny nanomezana fahaleovan-tena an’ilay tany tamin’ny 1968 anefa, dia voatendry teto ny mpivady misioneran’ny Watchtower telo. Tsy afaka nijanona ela izy ireo noho ny zava-tsarotra ara-politika, kanefa dia nitera-boka-tsoa ny fanambarana nataon’izy ireo.
I Santiago, iray tamin’ireo misionera, dia nihaona tamin’i Buenaventura, lehilahy ranjanana iray fantatr’ireo mponina eto an-toerana amin’ny hoe superman. Lehilahy tia fivavahana izay nanaja ny Baiboly izy, saingy foizina sady nahery setra. Ny ompa faran’izay kely dia ampy mba hamelezany olona. Rehefa tezitra izy tao amin’ny toeram-pisotroan-toaka iray, dia niparitaka izay rehetra tao amin’ilay trano, nananika varavarankely mihitsy aza mba handosirana ny daroka nataony. Raha ny marina, teo am-pihainoany an’i Santiago, dia nikasa ny hamely azy izy raha tsy afaka nanome porofo nampiaiky tao amin’ny Soratra Masina ny amin’izay nolazainy io. ‘Tsy misy mahazo manambaka an’i superman’, hoy izy anakampo. Talanjona tamin’izay reny izy, indrindra fa tamin’ilay fanantenana fiainana mandrakizay eo amin’ny tany zary paradisa, hany ka nanaiky fampianarana Baiboly izy.
Arakaraka ny nandrosoan’ilay fianarana, dia nanjary nihamafy kokoa ny fanirian’i Buenaventura hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa, ary nianarany fa tsy maintsy nampifanaraka ny fiainany tamin’ny fari-pitsipik’Andriamanitra izy mba hahazoana izany loka izany. Noho ny fahatakarany fa tsy tokony ‘hamaly ratsy’ ny Kristiana marina, dia nanomboka nanao ezaka tamim-pahatsorana izy mba hifehezana ny fientanam-pony. — Romana 12:17.
Tonga ny tena fitsapana indray andro raha nandona tsy nahy ny veran’ny mpisotro iray tao amin’ny toeram-pisotroana, izy. Tezitra ilay rangahy ka namely azy. Avy hatrany dia niparitaka ireo hafa tao amin’ilay trano fisotroan-toaka, nanantena ady saritaka hipoaka. Tamim-pahalemem-panahy anefa, dia nandoa ny vidin’ilay vera vaky i Buenaventura, nividy zava-pisotro hafa ho an’ilay rangahy sady niala tsiny noho izy nikaviavia. Rehefa hitan’ireo mpiara-monina fa ny fianarana ny Baiboly no nahatonga izany fiovana izany tao aminy, dia maromaro no vonona hiara-mianatra taminy. Tamin’ny fotoana nanaovana batisa an’i Buenaventura, dia efa nitarika fampianarana ny Baiboly dimy sahady ny tenany. Manompo amin’ny maha-loholona hatramin’ireo dimy taona farany izy, ary na dia mbola antsoin’ny olona ihany hoe superman aza izy, dia amim-bazivazy no anaovan’izy ireo izany izao.
‘Mahatsapa izay ilainy ara-panahy’
Nandritra ireo taona 1970, dia nanohy nitory sy niara-nivory araka izay azony natao, ireo Vavolombelona vitsy teto an-toerana. Tatỳ aoriana, dia nisy mpivady misionera espaniola maromaro tonga mba hanampy. I Andrés Botella, izay nanompo teto Guinée Équatoriale hatramin’ny 12 taona dia mahatsiaro fa, tsy ela taorian’ny nahatongavany, dia nanaitra ny sainy ny ‘fahatsapan’ny olona izay nilainy ara-panahy’. (Matio 5:3, NW ). “Tena fahafinaretana tokoa ny niara-nianatra ny Baiboly tamin’olona nahay nankasitraka toy izany”, hoy izy.
I Mary, anabavy espaniola iray, dia niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny vehivavy tanora iray antsoina hoe María, izay nilaza fa liana amin’ny fianarana koa ny ray aman-dreniny, i Francisco sy i Fausta. Koa satria nitarika fampianarana 15 i Mary sady somary lavidavitra ihany ny nipetrahan’ny ray aman-drenin’i María, dia lasa ny herinandro maromaro vao afaka nitsidika azy ireo izy.
Rehefa nihaona tamin’ireo ray aman-dreny ireo i Mary sy Serafín vadiny, dia efa nanana ilay boky hoe Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tanya sy Baiboly iray izy ireo, sady dodona ny hanomboka hianatra. Koa dia nanomboka avy hatrany izy ireo. Voamarik’i Serafín fa tena nahafantatra tsara ilay zavatra nianarana ny ray aman-drenin’i María. Toy izany ihany no nitranga tamin’ny fitsidihana faharoa, rehefa nianatra ny toko faharoa izy ireo. “Saika nitovy tamin’ny fiaraha-nianatra tamin’ny Vavolombelona vita batisa roa, ilay izy”, hoy i Serafín nahatsiaro. Tamin’ny fitsidihana fahatelo, noho izy ireo toa nahafantatra tsara aoka izany ilay zavatra nianarana, dia nanipy hevitra ny hanokana ilay fotoam-pianarana ho amin’ny fanontaniana sy valiny i Serafín mba hamaritana marina hoe inona avy no tena takatr’izy ireo. Hitany fa nianatra samy irery ilay boky manontolo i Francisco sy i Fausta!
Nanao ahoana ny fiantraikan’ilay fahalalana vao hitany, teo amin’izy ireo? Nifanaraka tamin’izay efa nianaran’izy ireo, dia efa nitsahatra tsy nanatrika ireo fivoriana nisy fanaovana spiritisma izy ireo, ary efa nanapa-patorana tamin’ny Eglizy Katolika. Ankoatra izany, dia efa nitsahatra tsy nifoka sigara i Francisco, ary tsy nihinan-kena tsy voalatsa-dra araka ny tokony ho izy intsony izy ireo. Koa satria niharihary fa efa nampihatra izay rehetra nianarany izy ireo, dia nampirisihina mba hanomboka hizara ny fahalalany tamin’ny hafa. Avy hatrany dia nanomboka nitory tamin’ireo mpiara-monina taminy izy ireo. Tao anatin’ny telo volana monja, dia nahafeno fepetra ho amin’ny batisa izy ireo. Mpanampy amin’ny fanompoana izao i Francisco, ary noho ny ohatra tsara dia tsara nomen’izy ireo sy ny zotom-pony teo amin’ny fitoriana, dia Vavolombelona izao ny telo amin’ireo zanany vavy, manatrika fivoriana ny zanany roa lahy, ary misy havany enina hafa mianatra.
Tsy ela taorian’ny batisany, i Francisco dia nihaona tamin’i Pablo, Katolika nafana fo iray izay nanompo tamin’ny naha-mpikarakara ny sakristy tao amin’ny eglizy nisy azy. Nanao toriteny i Pablo isaky ny tsy tao ny pretra. Raha narary ny mpiangona iray, dia nitsidika izy; raha nisy tsy tonga niangona, dia nitsidika i Pablo mba hanomezana fampaherezana; ary raha nisy maty, dia nanao izay azony natao izy mba hampiononana ilay fianakaviana. Takatra mora foana fa tian’ny rehetra tao amin’ny paroasy i Pablo.
Koa satria nanaja fatratra ny Baiboly i Pablo, dia nanaiky mora foana ny fanoloran’i Francisco fiaraha-mianatra taminy izy. Vetivety dia takatr’i Pablo fa azon’ny saina ekena ny hafatry ny Baiboly, ary taorian’ny fianarana vitsivitsy, dia nanapa-kevitra ny hampiasa ny sasany tamin’ireo andinin-teny nianarany izy tany amin’ny iray amin’ireo “fitsidihan’ny mpiandry” nataony tamin’ny mpiangona marary iray. Tsy ela taorian’izay, tao amin’ny toriteny alahady nataony, dia nohazavain’i Pablo ny maha-zava-dehibe ny fampiasana ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah, sy ny antony tsy tokony hampiasantsika sary.
Noho izy nanaiky mora foana ny fahamarinana, dia nanantena izy fa handray tsara toy izany koa ireo mpiangona hafa tao amin’ny eglizy nisy azy. Taorian’ny telo na efatra tamin’ireny toriteny niorina tamin’ny Baiboly ireny anefa, dia voamarik’i Pablo fa tsy faly tamin’ilay fanazavana nasehony ny olona. Koa nanapa-kevitra ny handao ny eglizy sy hiaraka tsy tapaka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy. Tao anatin’ny volana vitsivitsy, dia nahafeno fepetra ho amin’ny batisa izy, ary mpitory be zotom-po ny vaovao tsara izy izao. Na dia tsy afaka mitory manontolo andro aza izy, dia mitarika fampianarana ny Baiboly folo izy amin’izao fotoana izao.
Fandraisana anjara amin’ny fitomboana amin’ny fiaraha-mivory
Raisin’ireo Vavolombelona eto Guinée Équatoriale ho zava-dehibe ilay fananaran’ny Baiboly mba tsy hahafoy ny fiaraha-mivory. (Hebreo 10:25, NW ). Hatramin’ny 1994, rehefa neken’ny fitondram-panjakana tamin’ny fomba ofisialy indray ny asa, dia dodona ireo rahalahy ny hahazo Efitrano Fanjakana araka ny tokony ho izy. Raha ny marina, ny ankamaroan’ireo kongregasiona dia efa nanorina ny efitranony manokana na eo am-panaovana izany.
Any Mongomo, izay matetika ny mpanatrika ny fivoriana alahady dia mahatratra avo roa heny sy sasany noho ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana, dia eo am-piasana mafy ny kongregasiona mba hanorenana toeram-pivoriana malalaka. Mazàna ireo fivavahana hafa ao Mongomo no manakarama mpiasa mba hanorina ny fiangonany, hany ka voamariky ny olona ny asan’ireo Vavolombelona teo an-toerana. Indray andro, ny pastoran’ny Iglesia Nueva Apostólica (Fiangonana Apostolika Vaovao) dia nijanona teo amin’ilay toeram-panorenana mba hanontany ny iray tamin’ireo loholona hoe ohatrinona no nanakaramany ireo mpiasa mafy ireo. Nilaza ilay pastora fa na dia nampiasa mpandatsa-biriky sasany izay mpiangona ao amin’ny fiangonany aza izy, dia miadana be ny fandroson’ny asa. Nanontany tena izy raha afaka nanakarama ireo mpiasa izay nanorina ilay Efitrano Fanjakana. Rehefa nilazana izy fa niasa maimaim-poana ireo Vavolombelona rehetra, dia lasa izy, nangasihasy.
Mety hitaky fanaovana sorona lehibe ho an’ireo izay mipetraka lavitra ny Efitrano Fanjakana ny fanatrehana fivoriana. Niatrika izany tarehin-javatra izany i Juan, tovolahy izay natao batisa tamin’ny 1994. Nandre ny amin’ny fahamarinana tany Gabon izy, ary tany izy dia nianatra ny antsasany voalohany tamin’ny boky Hiaina Mandrakizay. Avy eo izy dia niverina teto Guinée Équatoriale, any amin’ilay vohitra nahaterahany, tokony ho 100 kilaometatra avy eo Mongomo. Niteraka zava-tsarotra ho azy izany mba hanohizany ny fianarany. Tsy kivy anefa izy. Isam-bolana, dia nandeha am-bisikilety adiny valo nankany Mongomo izy, ka tany dia nitarika fampianarana taminy i Santiago, iray amin’ireo loholona eo an-toerana. Nijanona tao Mongomo andro vitsivitsy izy ary nianatra intelo na inefatra nandritra ny fijanonany. Tamin’izany fomba izany no nahafahany namita ny fianarany sy namenoany fepetra ho amin’ny batisa.
Ahoana no nitoeran’i Juan ho matanjaka ara-panahy kanefa zara raha niaraka tamin’ny Kristiana hafa izy? Ambonin’ny zava-drehetra, izany dia amin’ny fitoriana amin-jotom-po ny vaovao tsara. Nitory tamin’ireo olona rehetra tao amin’ilay vohitra misy azy izy, ary tamin’ny fotoana nanaovana batisa azy, dia nitarika fampianarana Baiboly 13 izy. Tamin’ny andro fivoriambe manokana, dia niaraka taminy ny enina tamin’ireo olona ampianariny mba hanatri-maso ny batisany. Izao izy dia mitarika tsy tapaka ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana amin’olona liana any amin’ny faritra misy azy, ary tokony ho 20 mazàna no manatrika.
Fanondrahana amim-paharetana ny voa
Tsy haingana avokoa akory ny fitomboana ara-panahy rehetra. Indraindray dia mitaky faharetana be vao hita mitondra vokatra ilay voa, amin’ny farany. Marina izany raha ny amin’i Paca, izay nandre ny vaovao tsara voalohany tany amin’ny taona 1984, fony i Edita, anabavy mpisava lalana iray, nanao fanambarana taminy teny an-tsena. Rehefa nitsidika an’i Paca tany an-tranony ny herinandro nanaraka i Edita, dia nanaiky fampianarana Baiboly i Paca. Na dia tsy nandroso firy aza izy, dia nikiry i Edita satria nahatsikaritra toetra tsara tao amin’i Paca, izy. “Toa toy ny ondry izy”, hoy ny fanazavan’i Edita, “ary nivavaka tamin’i Jehovah aho mba hanokafany ny fony.”
Nanohy ny fianarany i Paca, mbetika manao, mbetika tsy manao, nandritra ny efa-taona sy tapany, kanefa dia mbola kely dia kely ihany ny fandrosoany. Koa rehefa nahavita ny boky Hiaina Mandrakizay izy ireo, dia niresaka tamim-pahatsorana tamin’i Paca ny amin’ny maha-zava-dehibe ny tsy hivazivaziana amin’ny fahamarinana, i Edita. Tamin’ny fiezahany mafy hanohina ny fon’i Paca, dia latsa-dranomaso mihitsy i Edita.
“Tena nanohina ahy tokoa izany torohevitra feno fahatsorana izany”, hoy i Paca nahatsiaro. “Nanomboka tamin’izay, dia nanomboka nitondra fiovana teo amin’ny fiainako aho. Nisoratra anarana tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika aho, ary tamin’io taona io ihany, dia tonga mpitory tsy vita batisa aho. Ilay andro nanaovana batisa ahy tamin’ny farany, no andro nahasambatra ahy indrindra teo amin’ny fiainako!” Mifanohitra amin’ny tsy firaharahan’i Paca taloha ny hafanam-pony amin’izao. Mitarika fampianarana ny Baiboly 13 izy amin’izao fotoana izao, ary mazava ho azy fa maharitra izy amin’ireo izay tsy mandroso haingana.
Fanampiana ny olona hanatsara ny fiainany
Amin’ny fiainana mifanaraka amin’ireo fari-pitsipiky ny Baiboly, dia malaza ho manao ny marina sy maotona ireo Vavolombelon’i Jehovah eto Guinée Équatoriale. Nisy lehilahy iray izay niharihary fa tohina noho ny fitondran-tenan’izy ireo, nanatona loholona iray tao amin’ny Kongregasiona Bata ka nanontany hoe: “Manana boky Fanjohian-kevitra ve ianao?b Leon’ny maha-olon’izao tontolo izao ahy aho. Te ho tonga Vavolombelon’i Jehovah aho!”
I Antonio, izay mpanampy amin’ny fanompoana ao amin’ny Kongregasiona Malabo, dia ohatra mampiseho tsara ny olon’izao tontolo izao iray izay tonga Vavolombelona. Talohan’ny nianarany ny Baiboly, dia nanana fiainana naloto ara-pitondran-tena izy. Nandany ny ankamaroan’ny vola azony tamin’ny naha-mpanamboatra famantaranandro azy tamin’ny toaka izy, ary naloto fitondran-tena koa izy. Inona no nanampy azy hanova ny fomba fiainany? Nanaitra mafy ny sainy izay voalaza amin-kery ao amin’ny 1 Korintiana 6:9, 10 manao hoe: “Aza mety hofitahina hianareo: fa ny mpijangajanga (...) sy ny mpimamo (...) dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra.” Takany fa mba hahazoana sitraka amin’Andriamanitra, dia tsy maintsy manova ny fomba fiainany izy. Mba hanaovana izany, dia nanomboka nitandrina ny fifaneraserany izy. (Ohabolana 13:20). Rehefa nitsidika azy mba hanasa azy handeha hisotro ireo namany taloha, dia nolaviny ny fanasan’izy ireo, ary nanaovany fanambarana kosa aza izy ireo. Tsy ela dia nitsahatra tsy nanorisory azy izy ireo.
Mendrika ny fiezahana rehetra ve izany? “Tena faly aho fa nanova ny fomba fiainako”, hoy ny fanazavan’i Antonio. “Tsara kokoa ny fahasalamako na dia efa eo amin’ny faha-60 taonako aza aho izao, kanefa kosa ireo namako taloha dia efa maty na mijaly noho ny faharatsian’ny fahasalamana. Izao aho manana tena namana, fa tsy ireo izay mitady namana vonona handoa ny vidin’izay hosotroiny manaraka fotsiny. Ny zava-dehibe indrindra amin’izany rehetra izany, dia manana fifandraisana tsara amin’Andriamanitra aho. Manompo amin’ny maha-mpisava lalana maharitra aho izao, ary miara-mianatra ny Baiboly amin’ny lehilahy iray izay manan-java-manahirana amin’ny fisotroana koa, koa afaka mampiasa ny zavatra niainako aho mba hanampiana azy.”
Fahatongavana ho mpanompon’Andriamanitra
Tokony ho 200 taona lasa izay, dia nangonina sy naondrana an-tsambo ho andevo tany Amerika, ireo olona avy tamin’ny moron-tsirak’i Guinée Équatoriale. Amin’izao andro izao, dia maro no milatsaka an-tsitrapo ho andevo — andevo na mpanompon’Andriamanitra. Io karazana fanandevozana io dia nitondra ho azy ireo ny tena fahafahana, nanafaka azy ireo tamin’ireo fampianarana babyloniana sy ireo fanao misy spiritisma. Nampianatra azy ireo ny fomba hananana fiainana mahafa-po sy mamokatra koa izy io. Niainan’izy ireo ilay nampanantenain’i Jesosy hoe: “Ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.” — Jaona 8:32.
Noho ny fisian’ny olona 1 937 nanatrika tamin’ny fankalazana ny Fahatsiarovana 1995 — efa ho avo enina heny noho ny isan’ny mpitory eto — dia tsara dia tsara ny fahatsinjovana fitomboana ara-panahy fanampiny. Eo am-panohizany mamboly sy manondraka amin-jotom-po ny voan’ny fahamarinana, dia mahazo antoka ireo Vavolombelona eto Guinée Équatoriale fa hanohy ‘hampitombo izany Andriamanitra’. (1 Korintiana 3:6). Tsy isalasalana fa misy toe-javatra tonga lafatra ho an’ny fitomboana ara-panahy eto Guinée Équatoriale!
[Fanamarihana ambany pejy]
a Navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.
b Navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.