Inona no Nitranga Tamin’ny Tsy Fivadihana?
ZATO taona mahery kely lasa izay, dia niverina tany Angletera avy tany Afrika Atsimo i Barney Barnato, mpijirika diamondra. Rehefa tonga izy, dia tsy niombon-kevitra tamin’ny tantara an-gazety iray nosoratana momba azy. Koa nanome fanamarihana nosoratan-tanana an’ilay mpampanonta àry izy mba hanaovana lahatsoratra iray faharoa, “mba hanitsiana zavatra sasany fotsiny”, niaraka tamin’ny seky hahazoana vola be.
Nanipy an’ireo taratasy ireo ho ao anatin’ny harona fasiana fatin-taratasy i J. K. Jerome, ilay mpampanonta, ary namerina ilay seky. Gaga i Barnato ka nataony avo roa heny avy hatrany ilay tsolotra nomeny. Mbola nolavina indray izany. “Ohatrinona no tadiavinao?”, hoy izy nanontany. Hoy i Jerome rehefa nahatsiaro ilay fitrangan-javatra: “Nohazavaiko taminy fa tsy fanao izany — tsy eto Londres izany.” Tsy natao hamidy velively ny tsy fivadihany amin’ny maha-mpampanonta azy.
Ny “tsy fivadihana” dia nofaritana ho “fahitsiana ara-pitondran-tena; filazana sy fanaovana ny marina”. Ny olona iray tsy mivadika dia mendri-pitokiana. Amin’izao andro izao anefa, ny tsy fahitsiana — tsy fisian’ny tsy fivadihana — dia manimba tsikelikely ny olona amin’ny fari-piainana rehetra.
Any Grande-Bretagne, dia novoizin’ny fampitam-baovao ho tiam-bahoaka ny teny hoe “toetra tsy fanao ianao” mba hilazalazana ny fahaverezan’ny tsy fivadihana ara-pitondran-tena. Araka ny nilazan’ny gazety The Independent azy, ny toetra tsy fanao ianao dia mahafaoka “ny zavatra rehetra, manomboka amin’ny raharaham-pitiavana sy ny fanamboamboaran’ny fitondram-panjakana eo an-toerana ny tarehin-javatra mba hahazoany tombony, ka hatramin’ny vola tambin’ny fanondranana entana be dia be”. Tsy misy sehatra eo amin’ny fiainana, afaka amin’izany.
Fari-pitsipika miovaova momba ny tsy fivadihana
Tsy midika ho fahalavorariana akory ny tsy fivadihana, fa tena manome taratry ny toetra fototra iray ananan’ny olona iray kosa. Ao amin’itỳ tontolontsika may ny hanankarena itỳ, ny tsy fivadihana dia mety hoheverina ho toy ny zavatra manakantsakana, fa tsy hatsaran-toetra. Ohatra, mitombo ny fampiasan’ny mpianatra fitaovana elektrônika ary fomba mba hanaovana hosoka amin’ny fanadinana, ary saika tsy azo atao ny hitily ireny fitaovana vaovao ireny. Milaza ny profesora iray ao amin’ny oniversite britanika fa nanao hosoka ny antsasany mahery amin’ny mpianatra britanika rehetra, ary azo antoka fa tsy irery i Grande-Bretagne amin’izany.
Tsy tokony hodian-tsy hita ny vidiny ho an’ny olona tsy manan-tsiny, rehefa mandainga sy mamitaka ny olona tsy mendri-pitokiana. Raiso, ohatra, i Bhopal, tanàna indiana. Tamin’ny 1984, dia nisy gaza nisy poizina nahafaty lehilahy sy vehivavy ary ankizy maherin’ny 2 500 sy nandratra olona ana hetsiny maro hafa, tao. Nanao tatitra toy izao ny The Sunday Times: “Tafahitsoka ao anatin’ny fisandohana ny tetika hitondrana fanampiana ho an’ireo niharam-pahavoazana. (...) Nohasarotin’ny fitakiana sandoka, antontan-taratasy sandoka sy porofo sandoka ny asa fanavahana ny ara-dalàna.” Ho vokany, folo taona tatỳ aoriana dia zara raha 3 500 000 dolara tamin’ny vola onitra 470 000 000 dolara no nozaraina tamin’ireo nila izany.
Ahoana ny amin’ny fivavahana? Aiza ho aiza izy io eo amin’ny resaka tsy fivadihana? Mampalahelo fa matetika no tsy misy valaka amin’ny ao amin’ny tontolo tsy ara-pivavahana, ny fari-pitsipika arahina. Raiso ho ohatra i Eamon Casey, eveka katolika, izay niaiky fa niteraka zaza sary, izay efa zatovo izao. Ny tarehin-javatra nisy an’i Casey, araka ny fanazavan’ny Guardian, gazety any Grande-Bretagne, dia tsy hoe “tsy fahita velively”. Mitovy amin’izany ihany, dia nanao tatitra toy izao ny The Times: “Ny fahamarinana momba ny fahafaham-barakan’ny Eveka Casey dia tsy hoe maningana akory ny zava-dratsy nataony, fa hoe ny fanaovana hosoka eo amin’ny fitoerana ho mpitovo dia sady tsy vaovao no tsy mahalana.” Ho fanohanana an’io hevitra io, dia milaza ny The Glasgow Herald, any Ekosy, fa ny roa isan-jato monja amin’ny klerjy katolika any Etazonia no nanalavitra firaisana tamim-behivavy sy tamin-dehilahy. Na araka ny marina na tsia io tarehimarika io, dia manondro ny lazan’ny pretra katolika raha ny amin’ny raharaha momba ny fitondran-tena.
Eo anatrehan’ny ohatra toy izany, azon’ny olona iray atao ve ny hihazona tsy fivadihana ara-pitondran-tena? Mendrika ny hanaovana ezaka ve izany? Hitaky inona izany, ary inona avy ireo valisoa azo amin’ny fanaovana izany?