Jehovah — Andriamanitra Manambara Zava-miafina
“Misy Andriamanitra any an-danitra, Izay mampiseho zava-miafina”. — DANIELA 2:28.
1, 2. a) Ahoana no tsy itovian’i Jehovah amin’ilay Fahavalony lehibe? b) Ahoana no anehoan’ny olona taratr’izany tsy fitoviana izany?
ANDRIAMANITRY ny fahendrena sy ny rariny i Jehovah, ilay Andriamanitra fara tampony sy be fitiavana eo amin’izao rehetra izao, ilay hany Mpamorona tokana. Tsy mila manafina ny momba azy, na ny asany, na ny fikasany, izy. Amin’ny fotoana mety aminy, sy araka ny safidiny, dia manambara ny momba ny tenany izy. Amin’ny izany fomba izany no tsy itoviany amin’i Satana Devoly Fahavalony, izay miezaka manafina ny tena momba azy sy ny fikasany.
2 Toy ny ifanoheran’i Jehovah sy i Satana, no ifanoheran’ireo mpivavaka amin’izy ireo koa. Ireo manaraka ny fitarihan’i Satana dia miavaka amin’ny fihatsarambelatsihy sy ny famitahana. Miezaka miseho ho mpanao soa izy ireo, sady manao ihany ny asan’ny maizina. Nilazana ireo Kristiana tany Korinto mba tsy ho gaga amin’izany. “Fa Apostoly sandoka izy ireny, mpiasa mamitaka, ka dia mampiova ny endriny ho tahaka ny Apostolin’i Kristy. Ary tsy mahagaga izany, fa Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin’ny mazava.” (2 Korintiana 11:13, 14). Ny Kristiana kosa, etsy an-danin’izany, dia mitodika any amin’i Kristy ho Mpitarika azy. Fony izy teto an-tany, dia tamin’ny fomba tonga lafatra no nanomezany taratry ny toetra maha-izy an’i Jehovah Andriamanitra, Rainy. (Hebreo 1:1-3). Noho izany, amin’ny fanarahana an’i Kristy no anahafan’ny Kristiana an’i Jehovah, ilay Andriamanitry ny fahamarinana sy ny fisehoana an-karihary ary ny fahazavana. Tsy mila manafina ny momba azy, na ny asany, na ny fikasany koa, izy ireo. — Efesiana 4:17-19; 5:1, 2.
3. Ahoana no ahafahantsika manohitra ilay fiampangana hoe terena mba hiaraka amin’ny “antokom-pivavahana miafina” ny olona tonga Vavolombelon’i Jehovah?
3 Amin’ny fotoana fantany fa mety indrindra no ampahafantaran’i Jehovah ny tsipiriany momba ny fikasany sy momba ny hoavy izay tsy fantatr’olombelona teo aloha. Amin’io heviny io izy no Andriamanitra manambara zava-miafina. Noho izany, ny olona izay maniry ny hanompo azy dia asaina — eny, ampirisihina mafy — mba hianatra izany fanazavana nambara izany. Ny fanadinadinana tamin’ny 1994, natao tamina Vavolombelona maherin’ny 145 000 tany amin’ny tany eoropeana iray dia nampiseho fa, tamin’ny antsalany, ny tsirairay tamin’izy ireo dia nandinika manokana ny fampianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra ny telo taona talohan’ny nifidianany ho tonga Vavolombelona. Nanao ilay safidy izy ireo, araka ny safidiny malalaka tsy nisy faneriterena. Ary mbola manana fahafahana hanao safidy malalaka sy hanao izay tiany hatrany, izy ireo. Nisy vitsivitsy, ohatra, nanapa-kevitra tatỳ aoriana fa tsy naniry hitoetra ho Vavolombelona intsony, noho izy ireo nanjary tsy nanaiky ireo fari-pitondran-tena ambony ho an’ny Kristiana. Mahaliana anefa fa, nandritra ireo dimy taona farany, dia ampahany lehibe tamin’ireny Vavolombelona taloha ireny no nanao dingana mba hanohizana indray ny fifandraisany sy ny asany amin’ny maha-Vavolombelona azy.
4. Tsy mila mikorontan-tsaina ny amin’inona ny Kristiana mahatoky, ary nahoana?
4 Mazava ho azy fa tsy ny Vavolombelona taloha rehetra akory no miverina, ary ny sasany amin’izy ireny dia olona izay nitana toerana nisy andraikitra tao amin’ny kongregasiona kristiana, taloha. Tsy tokony hahagaga izany, satria na dia ny apostoly Jodasy, iray tamin’ireo mpanara-dia akaiky indrindra an’i Jesosy aza dia niala. (Matio 26:14-16, 20-25). Kanefa, moa ve izany antony tokony hampikorontan-tsaina ny amin’ny Kristianisma? Moa ve izany manafoana ny fahombiazana hitan’ny Vavolombelon’i Jehovah eo am-panohizany ny asa fampianarana ataony? Tsy izany velively, toy ny tsy naha-tapaka ny fikasan’Andriamanitra noho ny fivadihan’i Jodasy Isikariota.
Tsitoha kanefa be fitiavana
5. Ahoana no ahafantarantsika fa tia ny olombelona i Jehovah sy i Jesosy, ary ahoana no nanehoan’izy ireo izany fitiavana izany?
5 Andriamanitra fitiavana i Jehovah. Miahy ny amin’ny olona izy. (1 Jaona 4:7-11). Na dia eo aza ny toerana ambony tanany, dia ankafiziny ny manana olombelona ho sakaiza. Izao no vakintsika momba ny mpanompony iray fahiny: “ ‘Ary Abrahama nino an’Andriamanitra, ka nisaina ho fahamarinany izany’, ary natao hoe ‘Sakaizan’Andriamanitra’ izy.” (Jakoba 2:23; 2 Tantara 20:7; Isaia 41:8). Toy ny olombelona mpisakaiza mifamboraka tsiambaratelo, na zava-miafina, dia tahaka izany koa no ataon’i Jehovah amin’ireo sakaizany. Nanahaka ny Rainy i Jesosy tamin’io lafiny io, satria nataony sakaizany ireo mpianany ka namborahany zava-miafina. “Tsy hataoko hoe mpanompo intsony hianareo”, hoy izy tamin’izy ireo, “fa ny mpanompo tsy mahalala izay ataon’ny tompony; fa efa nataoko hoe sakaiza hianareo, satria izay rehetra reko tamin’ny Raiko no nambarako taminareo.” (Jaona 15:15). Ilay fanazavana tsy natao ho fantatry ny besinimaro, na ilay “zava-miafina” iombonan’i Jehovah sy ny Zanany ary ireo sakaizany, dia mampiray azy ireo ao anatin’ny fehim-pitiavana sy fifikirana tsy azo tapahina. — Kolosiana 3:14, NW.
6. Nahoana i Jehovah no tsy mila manafina ny fikasany?
6 Ny hoe “Mahatonga Izy”, izay dikan’ilay anarana hoe Jehovah, dia milaza ny fahaizany ho tonga na inona na inona arakaraka izay ilainy, mba hanatanterahana ny fikasany. Tsy sahala amin’ny olombelona i Jehovah ka hoe mila manafina ny fikasany, sao dia mety ho afaka hisakana azy tsy hanatanteraka izany ny hafa. Tsy afaka ny tsy hahomby tsotra izao izy, koa dia ambarany an-karihary ao amin’ny Teniny, ny Baiboly, ny ankamaroan’izay kasainy hatao. Mampanantena toy izao izy: “Ny teniko (...) tsy hiverina amiko foana (...), raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary ambinina amin’izay ampandehanako azy.” — Isaia 55:11.
7. a) Inona no nambaran’i Jehovah mialoha tany Edena, ary ahoana no nanaporofoan’i Satana fa marina Andriamanitra? b) Ahoana no maha-marina foana ilay fotopoto-pitsipika ao amin’ny 2 Korintiana 13:8?
7 Tsy ela taorian’ny fikomiana tao Edena, dia nambaran’i Jehovah tamin’ny fomba voafintina ny ho fiafaran’ilay ady hevitra nitohy teo aminy sy i Satana, Fahavalony. Hampanaintaina, fa tsy haharitra ny haha-toro an’ilay Taranaka nampanantenain’Andriamanitra, fa i Satana kosa amin’ny farany dia ho toro amin’ny fomba mahafaty. (Genesisy 3:15, NW ). Tamin’ny 33 am.f.i., ny Devoly dia tena nahatoro tokoa an’ilay Taranaka, dia i Kristy Jesosy, tamin’ny fanaovana izay hahafaty azy. Tamin’izany fomba izany no nanatanterahan’i Satana ny Soratra Masina, no sady nanaporofoany koa fa Andriamanitry ny fahamarinana i Jehovah, na dia azo antoka aza fa tsy nikasa ny hanao izany i Satana. Ny fankahalany ny fahamarinana, ary koa ny avonavony sy ny fihetsiny tsy nibebaka dia nitarika azy hanao tokoa ilay nambaran’Andriamanitra mialoha fa hataony. Eny, ho an’ireo mpanohitra ny fahamarinana rehetra, na dia i Satana aza, dia marina hatrany ilay fotopoto-pitsipika hoe: “Tsy mahavita na inona na inona hanohitra ny marina [isika], fa hampandroso ny marina kosa.” — 2 Korintiana 13:8.
8, 9. a) Inona no fantatr’i Satana, kanefa moa ve io fahalalana io mahatandindomin-doza ny fanatanterahana ny fikasan’i Jehovah? b) Tsy miraharaha fampitandremana mazava inona ireo mpanohitra an’i Jehovah, ary nahoana?
8 Koa satria efa naorina tamin’ny fomba tsy hita maso tamin’ny 1914 ny Fanjakan’Andriamanitra, dia nihatra ny Apokalypsy 12:12 manao hoe: “Ary noho izany mifalia, ry lanitra sy hianareo izay monina ao aminy. Loza ho an’ny tany sy ny ranomasina! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny.” Kanefa moa ve mahatonga an’i Satana hanova ny lalany ny fahafantarana fa kely sisa ny androny? Izany dia ho fieken’i Satana fa Andriamanitry ny fahamarinana i Jehovah, ary amin’ny maha-Mpanapaka Fara Tampony azy, dia izy irery ihany no mendrika ny fanompoam-pivavahana. Tsy vonona ny hanaiky ho resy anefa ny Devoly, na dia fantany tsara aza izany.
9 Nambaran’i Jehovah an-karihary izay hitranga rehefa ho tonga i Kristy mba hampihatra didim-pitsarana amin’ny fandehan-javatra maneran-tanin’i Satana. (Matio 24:29-31; 25:31-46). Mahakasika izany, dia manambara toy izao ny Teniny momba ireo mpanapaka eo amin’izao tontolo izao: “Raha misy olona manao hoe: [‘Fiadanana sy filaminana!’, NW ], dia hanjo azy tampoka ny fandringanana, toy ny fahararian’ny vehivavy raha miteraka”. (1 Tesaloniana 5:3). Tsy miraharaha io fampitandremana mazava io, ireo izay manaraka ny fitarihan’i Satana. Voajamba izy ireo noho ny fony ratsy, ary izany dia misakana azy ireo tsy hibebaka amin’ny lalan-dratsiny sy tsy hanova ny planiny sy ny tetik’adiny anandramany hampandamòka ny fikasan’i Jehovah.
10. a) Mety ho tonga hatraiza ny fahatanterahan’ny 1 Tesaloniana 5:3, kanefa ahoana no tokony ho fihetsiky ny vahoakan’i Jehovah manoloana izany? b) Nahoana ny olona tsy manam-pinoana no mety hihasahisahy kokoa amin’ny hoavy eo amin’ny fanoherana ny vahoakan’Andriamanitra?
10 Tamin’ny 1986 indrindra, rehefa nambaran’ny Firenena Mikambana ny Taona Iraisam-pirenena ho An’ny Fandriampahalemana, dia heniky ny kabary momba ny fiadanana sy ny filaminana izao tontolo izao. Nisy dingana maty paika natao mba hiezahana hitandro ny fandriampahalemana eo amin’izao tontolo izao, ary toa nahitam-pahombiazana ihany izany. Izany ve no fahatanterahana manontolon’io faminaniana io, sa isika afaka manampo fa hisy fanambarana manaitra amin’ny ho avy? Hanazava izany amin’ny fotoana mety aminy, i Jehovah. Mandra-pahatongan’izany, dia aoka isika hitoetra hifoha ara-panahy, ‘miandry sy mitadidy tsara ao an-tsaina ny fanatrehan’ny andron’i Jehovah’. (2 Petera 3:12, NW ). Rehefa mandeha hatrany ny fotoana ka mbola ho maro kokoa ihany ireo kabary momba ny fiadanana sy ny filaminana, ny olona sasany izay mahafantatra io fampitandremana io, kanefa mifidy ny tsy hiraharaha azy io, dia mety hanjary ho sahisahy kokoa hilaza fa tsy hanatanteraka, na tsy afaka manatanteraka ny teniny i Jehovah. (Ampitahao amin’ny Mpitoriteny 8:11-13; 2 Petera 3:3, 4.) Fantatry ny Kristiana marina anefa fa hanatanteraka ny fikasany i Jehovah!
Fanajana araka ny tokony ho izy an’ireo fitaovana ampiasain’i Jehovah
11. Inona no nianaran’i Daniela sy i Josefa momba an’i Jehovah?
11 Fony nanonofy zavatra nampikorontan-tsaina azy i Nebokadnezara Mpanjaka, mpanapaka ny Empira Babyloniana, ka tsy nahatsiaro azy io, dia nangataka fanampiana izy. Tsy afaka nilaza taminy ilay nofiny na nanazava ny dikany ireo ombiasiny sy ny mpisikidiny ary ny mpanana odiny. Afaka nanao izany anefa i Daniela mpanompon’Andriamanitra, na dia niaiky avy hatrany aza izy, fa tsy vokatry ny fahendreny manokana ny fanambarana ilay nofy sy ny hevitr’izy io. Hoy i Daniela: “Misy Andriamanitra any an-danitra, Izay mampiseho zava-miafina ka mampahafantatra an’i Nebokadnezara mpanjaka izay ho tonga any am-parany.” (Daniela 2:1-30). Taonjato maromaro talohan’izay, i Josefa, mpaminanin’Andriamanitra hafa iray, dia nahita toy izany koa fa Mpanambara zava-miafina i Jehovah. — Genesisy 40:8-22; Amosa 3:7, 8.
12, 13. a) Iza no mpaminanin’Andriamanitra lehibe indrindra, ary nahoana ianao no mamaly toy izany? b) Iza amin’izao andro izao no manompo amin’ny maha-“mpitandrina ny zava-miafina izay an’Andriamanitra”, ary ahoana no tokony hiheverantsika azy ireo?
12 I Jesosy no mpaminanin’i Jehovah lehibe indrindra nanompo teto an-tany. (Asan’ny Apostoly 3:19-24). Nanazava toy izao i Paoly: “Rehefa nampitenenin’Andriamanitra tamin’ny razana fahiny ny mpaminany tamin’ny andro samy hafa sy ny fanao samy hafa; dia amin’izao andro farany izao kosa no nampitenenany tamintsika ny Zanany, Izay voatendriny ho Mpandova ny zavatra rehetra; Izy no nahariany izao tontolo izao”. — Hebreo 1:1, 2.
13 Niteny tamin’ireo Kristiana tany am-boalohany i Jehovah, tamin’ny alalan’i Jesosy Zanany, izay nampahafantatra azy ireo ny zava-miafin’Andriamanitra. Hoy i Jesosy tamin’izy ireo: “Hianareo no navela hahalala ny zava-miafina ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra”. (Lioka 8:10). Tatỳ aoriana i Paoly dia niresaka ny amin’ireo Kristiana voahosotra ho “mpanompon’i Kristy sy mpitandrina ny zava-miafina izay an’Andriamanitra”. (1 Korintiana 4:1). Amin’izao andro izao, dia manohy manompo toy izany ihany ireo Kristiana voahosotra, ka mahaforona kilasin’ny mpanompo mahatoky sy malina izay manome sakafo ara-panahy amin’ny fotoana mety, amin’ny alalan’ny Fitambara-mpitantana eo aminy. (Matio 24:45-47, NW ). Raha manaja fatratra ireo mpaminanin’Andriamanitra nahazo tsindrimandry tamin’ny andro lasa isika, ary indrindra fa ny Zanak’Andriamanitra, moa ve isika tsy tokony hanaja koa ilay fitaovana olombelona izay ampiasain’i Jehovah amin’izao andro izao mba hanambarana fanazavana ara-baiboly izay tena ilain’ny vahoakany tokoa amin’izao fotoan-tsarotra izao? — 2 Timoty 3:1-5, 13, NW.
Fampisehoana an-karihary sa fanafinafenana?
14. Amin’ny fotoana toy inona ny Kristiana no manohy ny asany amim-piafenana, ka amin’izany dia manaraka ny ohatr’iza?
14 Moa ve ny fisehoan’i Jehovah an-karihary, amin’ny fanambarana zavatra, midika fa ny Kristiana dia tokony hanambara foana ny zava-drehetra fantany, amin’ny toe-javatra rehetra? Ny Kristiana dia manaraka ny torohevitr’i Jesosy ho an’ny apostoliny mba ho “malina tahaka ny bibilava, ary anefa ho tsy manan-tsiny tahaka ny voromahailala”. (Matio 10:16, NW ). Raha ilazana ny Kristiana fa tsy mahazo manolotra fanompoam-pivavahana amin’Andriamanitra araka izay takin’ny feon’ny fieritreretany, dia manohy ‘mankatò an’Andriamanitra’ izy ireo, satria takany fa tsy misy masoivoho olombelona manana zo hamehifehy ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah. (Asan’ny Apostoly 5:29). Ny tenan’i Jesosy mihitsy no nampiseho fa mety izany. Izao no vakintsika: “Ary rehefa afaka izany, dia nandeha tany Galilia Jesosy; fa nalain-kandeha tany Jodia Izy, satria nitady hahafaty Azy ny Jiosy. Ary efa akaiky ny andro firavoravoan’ny Jiosy, dia ny amin’ny Tabernakely. Dia hoy Jesosy taminy [ireo rahalahiny ara-nofo tsy nino]: (...) Miakara ho amin’ny andro firavoravoana hianareo; fa Izaho tsy mbola miakatra ho amin’ity andro firavoravoana ity; satria tsy mbola tonga ny fotoako. Ary rehefa nilaza izany teny izany taminy Izy, dia mbola nitoetra tany Galilia ihany. Fa rehefa lasa niakatra ho amin’ny andro firavoravoana ny rahalahiny, dia niakatra koa Izy, nefa tsy mba nisehoseho, fa toa niafinafina.” — Jaona 7:1, 2, 6, 8-10.
Hilaza sa tsy hilaza?
15. Ahoana no nampisehoan’i Josefa fa indraindray dia fanehoam-pitiavana ny fihazonana tsiambaratelo?
15 Amin’ny toe-javatra sasany, ny fihazonana raharaha iray ho tsy fantatry ny besinimaro dia tsy vitan’ny hoe mampiseho fahendrena, fa mampiseho fitiavana koa. Ahoana, ohatra, no fihetsik’i Josefa, ray nitaiza an’i Jesosy, rehefa fantany fa nitoe-jaza i Maria, ilay fofombadiny? Izao no vakintsika: “Ary Josefa vadiny, izay lehilahy marina sady tsy ta-hanala baraka azy, dia nikasa hametraka azy mangingina.” (Matio 1:18, 19, izahay no manao sora-mandry.) Ho haratsiam-panahy toy inona moa ny fanaovana izay hahafa-baraka an’i Maria!
16. Inona no andraikitr’ireo loholona, mbamin’ireo mpikambana hafa rehetra ao amin’ny kongregasiona, mahakasika ireo raharaha tsiambaratelo?
16 Tsy tokony hambara amin’olona tsy nahazo lalana ho amin’izany ireo raharaha tsiambaratelo izay mety hahatonga henatra na fahorian-tsaina. Mitadidy izany ao an-tsaina ireo loholona kristiana rehefa tsy maintsy manome torohevitra na fampiononana manokana ho an’ny Kristiana tahaka azy, na rehefa mifehy azy ireo mihitsy aza angamba noho ny fahotana lehibe tamin’i Jehovah. Tena ilaina ny hiatrehana ireny raharaha ireny amin’ny fomba araka ny Soratra Masina; tsy ilaina sady tsy mampiseho fitiavana ny manambara tsipirian-javatra tsiambaratelo amin’olona izay tsy tafiditra amin’izany. Azo antoka fa tsy hanandrana hisokitra an’ireo loholona mba hahazoana fanazavana tsiambaratelo, ireo mpikambana ao amin’ny kongregasiona kristiana. Hajainy kosa ny andraikitry ny loholona hihazona tsiambaratelo. Izao no marihina ao amin’ny Ohabolana 25:9: “Miadia ihany ny adinao amin’ny namanao, kanefa aza aseho izay tsy tian’ny sasany holazaina”.
17. Nahoana ny Kristiana no mihazona tsiambaratelo amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra, kanefa nahoana no tsy afaka manao izany foana izy ireo?
17 Mihatra ao amin’ny faritry ny fianakaviana na eo amin’ireo mpinamana akaiky koa io fotopoto-pitsipika io. Tena zava-dehibe ny ihazonana raharaha sasany ho tsiambaratelo mba hialana amin’ny tsy fahazoan-kevitra sy ny fifandraisana mihenjana. “Ny rivotra avy any avaratra mahatonga ranonorana, dia toy izany, ny lelan’ny mpifosa [“lela mamoaka tsiambaratelo”, NW ] mampahavinitra endrika.” (Ohabolana 25:23). Mazava ho azy fa mety ho tena ilaina indraindray ny ilazana, na dia raharaha tsiambaratelo aza, amin’ireo ray aman-dreny, na ireo loholona kristiana, na olon-kafa nahazo lalana, noho ny tsy fivadihana amin’i Jehovah sy ny fotopoto-pitsipiny marina, ary koa noho ny fitiavana an’ireo olona nania.a Amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra anefa, dia mitana ny raharahan’ny hafa ho tsiambaratelo ny Kristiana, mihazona azy ireny toy ny ihazonany ny azy manokana.
18. Toetra kristiana telo inona avy no afaka manampy antsika hamaritra izay tokony sy tsy tokony holazaintsika?
18 Raha fintinina, dia manahaka an’i Jehovah ny Kristiana iray, raha mihazona ho tsiambaratelo ny raharaha sasany rehefa ilaina izany, tsy manambara azy ireny raha tsy rehefa mety ny hanaovana izany. Tarihin’ny fanetren-tena sy finoana ary fitiavana izy rehefa manapa-kevitra ny amin’izay tokony sy tsy tokony holazainy. Ny fanetren-tena dia misakana azy tsy hihevi-tena ho zavatra, ka hanandrana hanaitra ny sain’ny hafa amin’ny filazana amin’izy ireo izay rehetra fantany, na amin’ny fampilendalendana azy ireo amin’ny zava-miafina izay tsy azony lazaina. Ny finoana ny Tenin’i Jehovah sy ny kongregasiona kristiana dia manosika azy hitory ny fanazavana ara-baiboly nomen’Andriamanitra sady hitandrina mba tsy hiteny zavatra izay mety hanafintohina ny hafa amin’ny voalohany. Eny, ny fitiavana dia manosika azy an-karihary hilaza zavatra izay manome voninahitra an’Andriamanitra sy ilain’ny olona hofantarina mba hahazoana fiainana. Tsy ambarany kosa ireo raharaha manokana izay tsiambaratelo noho ny fahatakarany fa, amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra, dia hitovy amin’ny tsy fahampiam-pitiavana ny fanambarana izany.
19. Fanaovan-javatra inona no manampy mba hamantarana ny Kristiana marina, ary miteraka inona izany?
19 Io fomba fanombanan-javatra voalanjalanja io dia manampy mba hamantarana ny Kristiana marina. Tsy manafina ny momba an’Andriamanitra izy ireo, ka hoe tsy hampiasa ny anarany na hampianatra momba ny Trinite izay mistery tsy hay hazavaina. Ireo andriamanitra tsy fantatra dia mampiavaka ny fivavahan-diso fa tsy ny marina. (Jereo ny Asan’ny Apostoly 17:22, 23.) Mankasitraka tokoa ilay tombontsoa ho “mpitandrina ny zava-miafina izay an’Andriamanitra” ireo voahosotra Vavolombelon’i Jehovah. Amin’ny fanambarana an-karihary ireny zava-miafina ireny amin’ny hafa no anampian’izy ireo eo amin’ny fitaomana ireo tso-po mba hitady fisakaizana amin’i Jehovah. — 1 Korintiana 4:1; 14:22-25; Zakaria 8:23; Malakia 3:18.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ny hoe “Aza Mandray Anjara Amin’ny Fahotan’ny Hafa” ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Febroary 1986.
Ahoana no Havalinao?
◻ Nahoana i Jehovah no tsy mila manafina ny fikasany?
◻ Iza no anambaran’i Jehovah ny zava-miafiny?
◻ Inona no andraikitry ny Kristiana mahakasika ny raharaha tsiambaratelo?
◻ Toetra telo inona avy no hanampy ny Kristiana hahafantatra izay holazaina sy tsy holazaina?
[Sary, pejy 8, 9]
Manambara zava-miafina amin’ny alalan’ny Teniny, i Jehovah