Aoka Hitohy ny Fitiavan-drahalahy Anananareo!
“Aoka hitohy ny fitiavan-drahalahy anananareo.” — Hebreo 13:1, NW.
1. Inona no hataonao mba hihazonana ny afo iray hirehitra hatrany amin’ny alina mangatsiaka iray, ary andraikitra mitovy amin’izany inona no ananantsika rehetra?
MAMPIDI-DOZA ny hatsiaka mamirifiry any ivelany, ary milatsaka ambany be ny mari-pana. Afo iray mitsetsatsetsa eo am-patana no mba hany manome hafanana ao an-tranonao. Iankinan’ny aina ny fihazonanao azy io ho velona hatrany. Moa ve ianao hipetraka sy hijery fotsiny raha eo an-dalan’ny ho faty ilay lelafo ary indreo fa lasa volon-davenona matroka sy tsy misy hafanana ireo vainafo mena mivaivay teo? Mazava ho azy fa tsia. Tsy sasatra ny manisy kitay hatrany ianao mba hihazonana azy io ho velona. Amin’ny heviny iray, ny tsirairay amintsika dia manana asa mitovy amin’izany raha ny amin’ny “afo” iray lehibe lavitra — afo izay tokony hirehitra ao am-pontsika — ny fitiavana.
2. a) Nahoana no azo lazaina fa nihamangatsiaka ny fitiavana amin’izao andro farany izao? b) Manao ahoana ny halehiben’ny fitiavana amin’ny Kristiana marina?
2 Araka ny nambaran’i Jesosy ela be mialoha, isika dia miaina amin’ny fotoana izay mampangatsiaka ny fitiavana eo anivon’ireo mitonona ho Kristiana manerana izao tontolo izao. (Matio 24:12). Ilay karazam-pitiavana lehibe indrindra no nasian’i Jesosy firesahana, dia ny fitiavana an’i Jehovah Andriamanitra sy ny Teniny, ny Baiboly. Misy karazam-pitiavana hafa koa mihamihena. Nambaran’ny Baiboly mialoha fa “amin’ny andro farany”, dia maro no tsy hanana “firaiketam-po voajanahary”. (2 Timoty 3:1-5, NW ). Marina tokoa izany! Tokony ho akany anjakan’ny firaiketam-po voajanahary ny fianakaviana, kanefa na dia eo anivon’izy io aza, dia nanjary fahita ny herisetra sy ny fitondrana ratsy — indraindray dia feno habibiana mampihoron-koditra. Ao anatin’izany rivo-piainan’izao tontolo izao mangatsiaka ara-pihetseham-po izany anefa, no andidiana ny Kristiana mba hanana fitiavana, tsy vitan’ny hoe eo amin’izy samy izy fotsiny, fa mba hanana fitiavana feno fahafoizan-tena koa, ka hametraka ny hafa ho alohan’ny tenany. Tokony hibaribary aoka izany ny fanehoantsika an’io fitiavana io, hany ka ho tsikaritry ny rehetra izy io, ka lasa marika famantarana ny tena kongregasiona kristiana. — Jaona 13:34, 35.
3. Inona no atao hoe fitiavan-drahalahy, ary midika ho inona ny famelana azy io hitohy?
3 Nahazo tsindrimandry handidy toy izao ny apostoly Paoly: “Aoka hitohy ny fitiavan-drahalahy anananareo.” (Hebreo 13:1, NW ). Araka ny boky iray nataon’ny manam-pahaizana manokana, ilay teny grika adika eto hoe “fitiavan-drahalahy” (phi·la·del·phiʹa) dia “manondro fitiavana feno firaiketam-po, fanehoana hatsaram-panahy, fangorahana, fanolorana fanampiana”. Ary inona no tian’i Paoly holazaina rehefa nilaza izy fa tokony havela hitohy ny fitiavana toy izany? “Tsy hihamangatsiaka na oviana na oviana izy io”, hoy ny fanamarihan’ilay boky. Koa tsy ampy àry ny manana firaiketam-po amin’ireo rahalahintsika; tsy maintsy avelantsika hiseho izy io. Ankoatra izany, dia tsy maintsy ampaharetintsika io fitiavana io, ka tsy havelantsika hihamangatsiaka na oviana na oviana. Zava-tsarotra ve izany? Eny, kanefa ny fanahin’i Jehovah dia afaka manampy antsika hamboly firaiketam-pon-drahalahy sy hihazona azy io. Andeha isika handinika fomba telo hampiredaredana ny afon’io fitiavana io ao am-pontsika.
Manehoa fiaraha-miory
4. Inona no atao hoe fiaraha-miory?
4 Raha ta hanana fitiavana bebe kokoa an’ireo rahalahinao sy anabavinao kristiana ianao, dia mety hilainao aloha ny mangoraka azy ireo sy miombom-pihetseham-po aminy eo amin’ireo fisedrana sy zava-tsarotra atrehiny eo amin’ny fiainana. Nanipy hevitra ny amin’izany ny apostoly Petera rehefa nanoratra toy izao: “Miraisa saina hianareo rehetra, ka miaraha ory, mifankatiava tahaka ny mpirahalahy, mifamindrà fo, manetre tena”. (1 Petera 3:8). Ny teny grika ampiasaina eto mifanitsy amin’ny hoe ‘fiaraha-miory’ dia manondro “fiaraha-mijaly amin’i”. Milaza toy izao momba io teny io ny manam-pahaizana manokana iray momba ny teny grika ao amin’ny Baiboly: “Izy io dia milazalaza an’ilay toe-tsaina misy rehefa miombom-pihetseham-po amin’ny hafa isika, ka toy ny hoe fihetseham-pon’ny tenantsika mihitsy ilay izy.” Noho izany, dia ilaina ny fahaiza-miombom-pihetseham-po amin’ny hafa. Indray mandeha dia nilaza toy izao ny mpanompon’i Jehovah be taona sy nahatoky iray: “Ny fahaiza-miombom-pihetseham-po amin’ny hafa dia ny fahatsapako ny fahorianao ao am-poko.”
5. Ahoana no ahalalantsika fa maneho fiaraha-miory i Jehovah?
5 Maneho izany fiaraha-miory izany ve i Jehovah? Izany dia izany tokoa. Toy izao, ohatra, no vakintsika momba ireo fijalian’ny Isiraely vahoakany: “Tamin’ny fahoriany rehetra dia niory koa Izy”. (Isaia 63:9). Tsy hoe hitan’i Jehovah fotsiny ny fahorian-tsain’izy ireo; nangoraka ny vahoakany izy. Hita mazava amin’ny tenin’i Jehovah tamin’ny vahoakany ny tena hamafin’ny fihetseham-pony, araka ny voarakitra ao amin’ny Zakaria 2:12, manao hoe: “Izay mikasika anareo dia mikasika [ny anakandriamasoko, NW ].”a Nanamarika toy izao momba an’io andininy io ny mpivaofy teny iray: “Ny maso no iray amin’ireo zavatra be kojakojany sy marefo indrindra eo amin’ny tenan’olombelona; ary ny anakandriamaso — ilay lavaka idiran’ny hazavan’ny lanitra mba hahitana — no tapany saro-pady indrindra, ary koa ny zava-dehibe indrindra, amin’izy io. Tsy misy fomba tsara kokoa noho izany ahafahana mampita ilay hevitra hoe miahy amim-pitiavana fatratra an’ireo olon-tiany i Jehovah.”
6. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy Kristy fiaraha-miory?
6 I Jesosy koa dia nampiseho mandrakariva fiaraha-miory lalina. Imbetsaka izy no “onena” noho ny tarehin-javatra nisy an’ireo mpiara-belona taminy, izay narary na sahiran-tsaina. (Marka 1:41; 6:34). Nilaza izy fa rehefa misy olona tsy mitondra amin-katsaram-panahy ireo mpanara-dia azy voahosotra, dia toy ny hoe ny tenany mihitsy no tsapany ho nentina tamin’izany fomba izany. (Matio 25:41-46). Ary amin’izao andro izao, amin’ny maha-‘mpisoronabentsika’ any an-danitra azy, dia afaka “mangoraka ny fahalementsika” izy. — Hebrio 4:15, Fandikan-teny Katolika.
7. Amin’ny ahoana no mety hanampy antsika ny fiaraha-miory rehefa mahasosotra antsika ny rahalahy iray na ny anabavy iray?
7 “Mangoraka ny fahalementsika” — tsy mampionona ve izany? Azo antoka àry fa maniry hanao toy izany isika samy isika. Mazava ho azy fa mora lavitra ny mitady ireo fahalemen’ny hafa. (Matio 7:3-5). Kanefa, amin’ny manaraka, rehefa mahasosotra anao ny rahalahy iray na ny anabavy iray, nahoana moa raha andramana izao: Alao sary an-tsaina ny tenanao hoe ao anatin’ny tarehin-javatra misy an’io olona io, avy ao amin’io ivom-piainana misy azy io, manana an’io toetra mampiavaka azy io, manana an’io fitambarana kileman-toetrany io iadiana. Azonao antoka ve fa tsy hanao izany fahadisoana izany ny tenanao — na angamba aza ho ratsy kokoa noho izany? Tsy hanantena zavatra be loatra avy amin’ny hafa isika fa tokony haneho kosa fiaraha-miory, izay hanampy antsika hahalala ny antonona tahaka an’i Jehovah, izay “mahatsiaro fa vovoka isika”. (Salamo 103:14; Jakoba 3:17). Fantany ny fetran’ny tenantsika. Tsy manantena antsika na oviana na oviana hanao mihoatra noho izay azontsika atao araka ny antonona izy. (Ampitahao amin’ny 1 Mpanjaka 19:5-7.) Aoka isika rehetra haneho izany fiaraha-miory izany amin’ny hafa.
8. Ahoana no tokony ho fihetsitsika rehefa mandia zava-tsarotra ny rahalahy iray na ny anabavy iray?
8 Nanoratra i Paoly hoe toy ny tena iray ny kongregasiona, manana rantsambatana maro samihafa izay tsy maintsy miara-miasa ao anatin’ny firaisan-kina. Hoy ny teny nanampiny: “Raha mijaly ny anankiray amin’ny momba ny tena, dia miara-mijaly avokoa izay rehetra momba ny tena”. (1 Korintiana 12:12-26). Mila miara-mijaly, na miombom-pihetseham-po amin’ireo mandia fisedrana mivaivay isika. Mitari-dalana ireo loholona amin’ny fanaovana izany. Nanoratra toy izao koa i Paoly: “Iza no malemy, ka tsy malemy aho? Iza no tafintohina, ka tsy mirehitra aho?” (2 Korintiana 11:29). Manahaka an’i Paoly ireo loholona sy mpiandraikitra mpitety faritany amin’io lafiny io. Amin’ireo lahateniny, amin’ny asa fiandrasana ataony, ary na dia amin’ny fandaminana raharaha ara-pitsarana aza, izy ireo dia miezaka mafy mba hampiseho fiaraha-miory. Nanoro hevitra toy izao i Paoly: “Miaraha mitomany amin’izay mitomany.” (Romana 12:15). Rehefa tsapan’ny ondry fa tena mangoraka azy sy mahatakatra ny fetrany ary miombom-pihetseham-po aminy eo amin’ireo zava-tsarotra atrehiny, ireo mpiandry, dia matetika izy ireo no vonona kokoa hanaiky torohevitra sy fitarihan-dalana ary lalàm-pifehezana. Dodona ny hamonjy fivoriana izy ireo noho ny fananany toky fa hahita ‘famelombelomana ho an’ny fanahiny’ izy. — Matio 11:29, NW.
Fanehoana fankasitrahana
9. Ahoana no ampisehoan’i Jehovah fa mankasitraka izay tsara eo amintsika izy?
9 Ny fomba faharoa hampiredaredana ny fitiavan-drahalahy dia amin’ny alalan’ny fankasitrahana. Mba hankasitrahana ny hafa, dia ireo toetra tsarany sy ny ezaka ataony no tsy maintsy ifantohantsika sy heverintsika ho sarobidy. Rehefa manao izany isika, dia i Jehovah mihitsy no tahafintsika. (Efesiana 5:1). Mamela antsika noho ireo fahotana madinika maro vitantsika izy isan’andro. Mamela fahotana lehibe aza izy raha misy tena fibebahana marina. Avy eo, raha vantany vao mamela ny fahotantsika izy dia tsy mampifantoka ny sainy amin’izy ireny. (Ezekiela 33:14-16). Nanontany toy izao ny mpanao salamo: “Raha mandinika heloka Hianao, Jehovah ô, iza no hahajanona, Tompo ô?” (Salamo 130:3). Ny ifantohan’i Jehovah dia ireo zavatra tsara ataontsika eo am-panompoana azy. — Hebreo 6:10.
10. a) Nahoana no mampidi-doza ny mpivady ny tsy fifanehoan’izy ireo fankasitrahana intsony? b) Inona no tokony hataon’ny olona iray izay tsy mankasitraka intsony ny vadiny?
10 Zava-dehibe indrindra ny hanarahana an’io ohatra io ao anatin’ny fianakaviana. Manome modely ho an’ny fianakaviany ny ray aman-dreny rehefa mampiseho fa mifaneho fankasitrahana izy mivady. Ao anatin’izao vanim-potoan’ny fanambadiana tsy mateza izao, dia mora dia mora tokoa ny hanaovana tsinontsinona ny vadin’ny tena ka hanalehibeazana ny kilemany sy tsy hanisiana vidiny ireo lafin-toetrany tsara. Manimba tsikelikely ny fanambadiana ny fisainana mijery lafy ratsin-javatra toy izany, ka mahatonga azy io ho enta-mavesatra tsy ahitam-pifaliana. Raha toa ka mihamihena ny fankasitrahanao ny vadinao, dia manontania tena hoe: ‘Tena tsy manana toetra tsara tokoa ve ny vadiko?’ Eritrereto indray ireo antony nahatonga anao ho raiki-pitia taminy sy hanambady azy. Tena efa nanjavona avokoa ve ireo antony rehetra nahatonga anao ho tia an’io olona io irery ihany? Azo antoka fa tsia; koa miezaha mafy àry hankasitraka ny zavatra tsara eo amin’ny vadinao, ary asehoy amin’ny teninao ny fankasitrahanao. — Ohabolana 31:28.
11. Raha tiana tsy hisy fihatsarambelatsihy ny fifankatiavan’ny mpivady, fanao inona avy no tsy maintsy halavirina?
11 Ny fankasitrahana koa dia hanampy ny mpivady hihazona ny fitiavany tsy hisy fihatsarambelatsihy. (Ampitahao amin’ny 2 Korintiana 6:6; 1 Petera 1:22, NW.) Ny fitiavana toy izany izay ampiredaredan’ny fankasitrahana amim-pahatsorana, dia tsy hanome toerana ho an’ny halozana rehefa tsy misy mahita, tsy hanome toerana ho an’ny teny mandratra sy mampietry, tsy hanome toerana ho an’ny fanaovana ny vadin’ny tena ho toy ny tsy misy, ka amin’izany dia mety ho efa andro maromaro no lasa kanefa dia tsy mba misy teny feno hatsaram-panahy na feno fanajana atao, ary azo antoka fa tsy hanome toerana ho an’ny herisetra ara-batana. (Efesiana 5:28, 29). Mifanome voninahitra ny mpivady izay tena mifaneho fankasitrahana marina. Tsy hoe ampahibemaso ihany izy ireo no manao izany fa na rahoviana na rahoviana ahitan’i Jehovah azy — raha lazaina amin’ny teny hafa, dia amin’ny fotoana rehetra. — Ohabolana 5:21.
12. Nahoana ny ray aman-dreny no tokony haneho fankasitrahana ny zavatra tsara eo amin’ny zanany?
12 Mila mahatsapa ho ankasitrahana koa ny ankizy. Tsy tokony hanototra azy ireo fandokafana poaka aty akory ny ray aman-dreny, fa tokony hidera azy ireo kosa noho ireo toetrany mendri-piderana sy ny tena zavatra tsara vitany. Tadidio ny ohatr’i Jehovah tamin’ny fanehoana fankasitrahana an’i Jesosy. (Marka 1:11). Tadidio koa ny ohatr’i Jesosy tamin’ny naha-‘tompo’ azy tao amin’ny fanoharana iray. Noderainy tamin’ny fomba nitovy ireo ‘mpanompo roa tsara sy nahatoky’, na dia teo aza ny fahasamihafana teo amin’izay nomena ny tsirairay, sy ny fahasamihafana nifanitsy tamin’izany teo amin’ny vokatra. (Matio 25:20-23; ampitahao amin’ny Matio 13:23.) Toy izany koa, ireo ray aman-dreny hendry dia mahita fomba hanehoana fankasitrahana ny zanany tsirairay avy noho ny toetrany sy ny fahaizany ary ny zava-bitany manokana. Etsy an-danin’izany, dia miezaka izy ireo ny tsy hanantitrantitra be loatra ny amin’ny zava-bita ka hahatonga ny zanany hahatsiaro ho voatosika tsy an-kijanona hihoatra ny hafa. Tsy irin’izy ireo hihalehibe ao anatin’ny fahasosorana sy ny famoizam-po ny zanany. — Efesiana 6:4; Kolosiana 3:21.
13. Iza no mitari-dalana eo amin’ny fanehoana fankasitrahana ny mpikambana tsirairay ao amin’ny kongregasiona?
13 Ao anatin’ny kongregasiona kristiana, ireo loholona sy mpiandraikitra mpitety faritany dia mitari-dalana eo amin’ny fanehoana fankasitrahana ny mpikambana tsirairay ao amin’ny andian’ondrin’Andriamanitra. Sarotra ny toerana misy azy ireo, satria miantsoroka andraikitra mavesatra koa izy ireo, dia ny fanomezana lalàm-pifehezana amim-pahamarinana, hanarina ireo naniasia ao anatin’ny toe-tsaina feno fahalemem-panahy, sy hanome torohevitra hentitra ho an’ireo mila izany. Ahoana no ampifandanjany ireo andraikitra samy hafa ireo? — Galatiana 6:1; 2 Timoty 3:16.
14, 15. a) Ahoana no nampisehoan’i Paoly fahaiza-nandanjalanja raha ny amin’ny fanomezana torohevitra hentitra? b) Ahoana no ahafahan’ny mpiandraikitra kristiana mampifandanja ny ilana hanitsiana ny zavatra tsy mety sy ny ilana hanomezana teny fiderana? Hazavao amin’ny ohatra.
14 Mitondra fanampiana be dia be ny ohatr’i Paoly. Mpampianatra sy loholona ary mpiandry niavaka izy. Tsy maintsy nifampiraharaha tamina kongregasiona nanana zava-nanahirana lehibe izy, ary tsy niahotra tamin-tahotra ny hanome torohevitra hentitra izy rehefa nilaina izany. (2 Korintiana 7:8-11). Ny fanaovana indray mijery ny fanompoan’i Paoly dia mahatonga hieritreritra fa tsy nampiasa matetika fandevilevena izy — raha tsy hoe tena nilaina na nahasoa angaha izany noho ilay tarehin-javatra. Tamin’izany izy dia nampiseho fahendrena araka an’Andriamanitra.
15 Raha toa ka ampitovina amin’ny feon-kira iray ny fanompoan’ny loholona iray eo anoloan’ny kongregasiona, dia ho toy ny naoty tokana izay mety tsara ho an’ilay feon-kira manontolo ny fandevilevena sy ny fananarana. Tsara dia tsara io naoty io raha eo amin’ny toerana tokony hisy azy. (Lioka 17:3; 2 Timoty 4:2). Alao sary an-tsaina ny hira iray izay tsy misy afa-tsy io naoty tokana io, izay averimberina tsy misy farany. Hankadilo haingana ny sofinao izany. Toy izany koa, ireo loholona kristiana dia miezaka mba hahafeno tsara ny fampianarany ary hanatsara azy io amin’ny fanomezana azy io endrika maro samihafa. Tsy hametra azy io ho fanitsiana zava-manahirana fotsiny izy ireo. Mankahery kosa ny fomba fampianarany amin’ny ankapobeny. Toa an’i Jesosy Kristy, ireo loholona be fitiavana dia mitady zavatra tsara hoderaina aloha, fa tsy kilema hokianina. Mankasitraka ny asa mafy ataon’ireo Kristiana tahaka azy izy ireo. Matoky izy ireo fa amin’ny ankapobeny, ny tsirairay dia manao izay farany azony atao mba hanompoana an’i Jehovah. Ary tsy misalasala mampiseho izany fihetseham-po izany amin’ny teny ireo loholona. — Ampitahao amin’ny 2 Tesaloniana 3:4.
16. Nisy vokany inona teo amin’ireo Kristiana tahaka azy ny fihetsik’i Paoly naneho fankasitrahana sy fiombonam-pihetseham-po tamin’ny hafa?
16 Tsy isalasalana fa ny ankamaroan’ny Kristiana nanaovan’i Paoly fanompoana dia nahatsapa fa nankasitraka azy ireo izy ary nampiseho fiaraha-miory tamin’izy ireo. Ahoana no ahalalantsika izany? Jereo ny fihetseham-pon’izy ireo tamin’i Paoly. Tsy natahotra azy izy ireo, na dia nanana fahefana be aza izy. Tsia, nankamamina sy mora nohatonina izy. Rehefa nandao faritra iray izy, ireo loholona dia ‘namihina ny vozony ka nanoroka azy’! (Asan’ny Apostoly 20:17, 37). Tokony ho velom-pankasitrahana toy inona moa ireo loholona — ary isika rehetra — fa manana ny ohatr’i Paoly hotahafina isika! Eny, aoka isika hampiseho fankasitrahana eo amintsika samy isika.
Fanaovan-javatra mampiseho hatsaram-panahy miharo fitiavana
17. Vokany tsara inona avy no ateraky ny fanaovan-javatra mampiseho hatsaram-panahy ao anatin’ny kongregasiona?
17 Ny iray amin’ireo kitay mahery indrindra mampiredareda ny fitiavan-drahalahy dia ny fanaovan-javatra tsotra mampiseho hatsaram-panahy. Araka ny nolazain’i Jesosy, dia “mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray”. (Asan’ny Apostoly 20:35). Na manome amin’ny lafiny ara-panahy isika, na amin’ny ara-nofo, na amin’ny fotoanantsika sy ny herintsika, dia tsy vitan’ny hoe mahasambatra ny hafa fotsiny isika fa mahasambatra ny tenantsika koa. Ao anatin’ny kongregasiona, dia mamindra ny hatsaram-panahy. Ny fanaovan-javatra iray feno hatsaram-panahy dia miteraka fanaovan-javatra mitovy amin’izany koa ho setriny. Tsy ela dia miroborobo ny firaiketam-pon-drahalahy! — Lioka 6:38.
18. Inona no dikan’ilay “hatsaram-panahy” resahina ao amin’ny Mika 6:8?
18 Nampirisika mafy ny Isiraely vahoakany i Jehovah mba haneho hatsaram-panahy. Ao amin’ny Mika 6:8, dia toy izao no vakintsika: “Ry olombelona, efa naseho anao izay tsara sy izay ilain’i Jehovah aminao, dia izao ihany: Ny hanao ny marina sy ho tia [hatsaram-panahy, NW ] ary ny hanaraka an’Andriamanitrao amin’ny fanetren-tena.” Midika ho inona ny hoe “tia hatsaram-panahy”? Ny teny hebreo ampiasaina eto mifanitsy amin’ny hoe “hatsaram-panahy” (cheʹsedh) dia nadika koa hoe “famindram-po” amin’ny teny malagasy. Araka ny The Soncino Books of the Bible, io teny io “dia manondro zavatra mifamatotra kokoa amin’ny asa raha oharina amin’ilay teny [malagasy] milaza toetra hoe famindram-po. Midika ho ‘famindram-po miseho amin’ny asa’ izy io, ny fanaovana asa manokana mampiseho hatsaram-panahy miharo fitiavana, tsy amin’ny mahantra sy ny sahirana ihany, fa amin’ny mpiara-belona rehetra amin’ny tena koa”. Araka izany, dia milaza ny manam-pahaizana manokana hafa iray fa ny cheʹsedh dia midika ho “fitiavana miseho amin’ny asa”.
19. a) Amin’ny fomba ahoana avy no azontsika anaovana ny dingana voalohany amin’ny fampisehoana hatsaram-panahy amin’ny hafa ao amin’ny kongregasiona? b) Manomeza ohatra ny amin’ny fomba nanehoana fitiavan-drahalahy taminao.
19 Tsy teôria fotsiny ny fitiavan-drahalahy ananantsika. Tena zava-misy azo tsapain-tanana kosa izy io. Noho izany, dia mitadiava fomba hanaovan-javatra feno hatsaram-panahy amin’ny rahalahinao sy ny anabavinao. Manahafa an’i Jesosy, izay tsy niandry foana ny olona hanatona azy mba hangataka fanampiana, fa matetika kosa no ny tenany mihitsy no nanao ny dingana voalohany. (Lioka 7:12-16). Eritrereto manokana ny amin’ireo tena mila fanampiana. Mila fitsidihana ve, na angamba mila ny fanampian’ny olona azony irakirahina ny zokiolona iray na ny kilemaina iray? Mila fotoana sy fiheverana ve ny “kamboty” iray? Mila olona mihaino na teny sasany mampionona ve ny fanahy ketraka iray? Arakaraka ny fahafahantsika, dia aoka isika haka fotoana hanaovana zavatra mampiseho hatsaram-panahy toy izany. (Joba 29:12; 1 Tesaloniana 5:14; Jakoba 1:27). Aza hadinoina mihitsy fa ao amin’ny kongregasiona iray feno olona tsy tanteraka, ny iray amin’ireo fanaovan-javatra lehibe indrindra mampiseho hatsaram-panahy dia ny famelan-keloka — famelana an-kalalahana ny lolompo hisinda, na dia rehefa misy antony ara-dalàna tokony hitarainana aza. (Kolosiana 3:13). Ny fahavononana hamela heloka dia hanampy mba hihazonana ny kongregasiona tsy hisy fizarazarana sy lonjony ary otri-po, izay toy ny rano mamono ny afon’ny fitiavan-drahalahy.
20. Ahoana no tokony hanohizantsika rehetra handini-tena?
20 Aoka isika rehetra ho tapa-kevitra ny hihazona an’io afom-pitiavana lehibe dia lehibe io hirehitra hatrany ao am-pontsika. Aoka isika handini-tena hatrany. Mampiseho fiaraha-miory amin’ny hafa ve isika? Mampiseho fankasitrahana ny hafa ve isika? Manao zavatra mampiseho hatsaram-panahy amin’ny hafa ve isika? Raha mbola manao izany koa isika, dia hanafana ny firahalahiantsika io afom-pitiavana io, na ho tonga mangatsiaka ara-pihetseham-po sy mafy fo toy inona aza itỳ tontolo itỳ. Na ahoana na ahoana àry, dia “aoka hitohy ny fitiavan-drahalahy anananareo” — dieny izao sy ho mandrakizay! — Hebreo 13:1, NW.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Eto dia milaza an-kolaka ny fandikan-teny sasany fa izay mikasika ny vahoakan’Andriamanitra dia mikasika ny mason’ny Isiraely na ny an’ny tenany mihitsy aza, fa tsy ny an’Andriamanitra. Io fahadisoana io dia avy tamin’ny mpanao kopia sasany tamin’ny Moyen Âge, izay nanova an’io andininy io noho ny ezaka nivaona nataon’izy ireo mba hanitsiana andininy izay noheverin’izy ireo fa tsy maneho fanajana ara-pivavahana. Nohamaizinin’izy ireo, noho izany, ny hamafin’ny fahaizan’ny tenan’i Jehovah miombom-pihetseham-po amin’ny hafa.
Ahoana ny Hevitrao?
◻ Inona no atao hoe fitiavan-drahalahy, ary nahoana izy io no tsy maintsy avela hitohy?
◻ Amin’ny ahoana ny fiaraha-miory no manampy antsika hihazona ny fitiavan-drahalahy ananantsika?
◻ Inona no anjara asan’ny fankasitrahana eo amin’ny fitiavan-drahalahy?
◻ Amin’ny ahoana ny fanaovan-javatra mampiseho hatsaram-panahy no mahatonga ny fitiavan-drahalahy hiroborobo ao amin’ny kongregasiona kristiana?
[Efajoro, pejy 16]
Fitiavana Miasa
Taona vitsivitsy lasa izay, ny lehilahy iray niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra ny fotoana kelikely, dia mbola somary be fisalasalana momba ny fitiavan-drahalahy ihany. Fantany fa niteny toy izao i Jesosy: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” (Jaona 13:35). Hitany ho sarotra inoana anefa izany. Indray andro izy dia nahita fitiavana kristiana niasa.
Na dia tsy afa-miala amin’ny seza misy kodiarana aza io lehilahy io, dia nanao dia lavitra ny misy azy. Tany Betlehema, any Israely, dia nanatrika fivorian’ny kongregasiona izy. Tao dia tsy nanaiky ny Vavolombelona arabo iray raha tsy niara-nipetraka tamin’ny fianakaviany ny mpizaha tany Vavolombelona hafa iray nandritra io alina io, ary anisan’ny voasa tamin’izany io mpianatra ny Baiboly io. Talohan’ny hatoriana, dia nangata-dalana tamin’ilay tompon-trano ilay mpianatra mba hahazoany hivoaka eo an-davarangana amin’ny maraina mba hijery ny fiposahan’ny masoandro. Nampitandrina azy mafy ilay tompon-trano fa tsy tokony hanao izany izy. Ny ampitso dia nanazava ny antony io rahalahy arabo io. Tamin’ny alalan’ny mpandika teny, dia nilaza izy fa raha fantatr’ireo mpiara-monina aminy fa nanam-bahiny manana fiaviana jiosy izy — toa an’io mpianatra ny Baiboly io — dia hodoran’izy ireo tanteraka niaraka tamin’izy mianakavy tao anatiny, ny tranony. Very hevitra ilay mpianatra ny Baiboly ka nanontany azy hoe: “Nahoana àry ianao no nisetra loza toy izany?” Tsy nila ilay mpandika teny ilay rahalahy arabo raha nibanjina azy ka nilaza tsotra fotsiny hoe: “Jaona 13:35”.
Nanaitra mafy an’ilay mpianatra ny Baiboly izany fitiavan-drahalahy azo tsapain-tanana izany. Natao batisa izy, fotoana fohy taorian’izay.
[Sary, pejy 18]
Ny fahaizan’ny apostoly Paoly nifandray tamin’olona sy ny nanehoany fankasitrahana dia nahatonga azy ho mora nohatonina